Alakamisy anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka
- Asa 3,11-26/
- Salamo 8/
- Lioka 24,35-48
Amin’ny anaran’i Jesoa no hahafahan’ny Apôstôly manao soa. Andriamanitra Ray no nanome Azy ny voninahitra maha zanaka ka hahafahan’izay rehetra mino ka miala amin’ny toetra ratsy mba ho amin’ny fiainana sy ny fahasambarana, ka ho tonga vahoaka mankalaza ny anaran’ny Tompo.
Mazava ny hafatra ambaran’i Piera: na dia avy amin’ny haratsian’olombelona aza no nahafaty an’i Jesoa dia hain’Andriamanitra ny mampiasa izany hanasoavana ny olony. Izany no mahatonga an’i Md Paoly hilaza fa ao amin’ny toerana mampiavosa ny fahotana no mahasafononoka ny fahasoavana (prefasy Fiaviana IIB, Rm 5,20). Lehibe lavitra noho ny fahotantsika ny fitiavana sy ny famindram-pon’Andriamanitra. Tsy dia faharatsiana loatra manko, hoy i Md Piera, fa ny tsy fahalalana no nahatonga izany, dia tahaka an’i Jesoa teo ambony hazofijaliana nanala tsiny ireo mpamono Azy: “Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony”.
Avy amin’izay fampianaran’i Md Piera izay koa no hampitan’i Md Lioka amin’ny kristianina rehetra te ho sitrana amin’ny ratram-pahotana:
1. Tsy maintsy miaiky ny hadisoana vita sy ny haratsin’ny fahotana;
2. Miova fiainana (mivalo sy mibebaka).
Ao amin’ny fiombonana no hahafahantsika miaina ny maha kristianina. Miombona amin’ny ain’Andriamanitra ao amin’i Kristy, ary miombona amin’ny olombelona rehetra. Tsy mahagaga raha Kômonio no iantsoantsika koa ny Eokaristia. Indraindray anefa, ny adim-piainana na ny fahadisoam-panantenana mety hanosika antsika hisintaka amin’izany fiombonana izany. Saingy eo mandrakariva i Kristy, miara-dalana amintsika, manafana ny fontsika mba hiverina any Jerosalema, tahaka ireo mpianatra roa tany Emaosy. Ny aim-baovaon’ny Batemy no manambatra antsika mba ho iray fo amin’ny finoana sy ho iray fitiavana miseho amin’ny asa (Vavaka fangatahana).
Ny Evanjely dia manitikitika ny saintsika mba hitantara koa ny antom-pibebahana mahatonga antsika hiverina ao amin’ny Fiombonana sitrak’i Kristy.
Ireo Mpianatra roa (fa tsy roalahy) niverina avy any Emaosy dia mba nitantara koa ny zavatra niainany. I Jesoa tafatsangan-ko velona fantany teo am-pamakiana ny mofo dia tsy hitan’ny masony intsony. Isika koa, toa azy ireo, mibanjina ka mahalala an’i Jesoa eo am-pamakiana ny mofo, saingy tsy mahita maso Azy.
Mbola eo am-pitantarana izy ireo no miseho i Jesoa ka nilaza hoe: “Homba anareo anie ny Fiadanana. Aza matahotra fa izaho ihany”. Io fiarahabana io no averin’ny Eveka hiarahabana antsika, hahatsiarovantsika fa i Kristy tafatsangan-ko velona no eo anivontsika isaky ny mivory amin’ny anarany isika (Mt 18,20). Miaraka amintsika mandrakariva Izy (Mt 28,20).
Taitra sady natahotra anefa ireo Mpianatra nony nahita izany. Tsara ho tsaroana anefa fa ny fihaonana amin’Andriamanitra dia mitondra fahatairana sy tahotra mandrakariva. Lehibe loatra ary tsy takatry ny saintsika ny misterin’Andriamanitra. Izaia tamin’ny fiantsoana azy, dia niantso mafy hoe: “Loza ho ahy, maty aho, fa izaho olona maloto molotra… nefa nahita maso ilay Tompon’ny tontolo” (Iz 6,5). I Zakaria koa taitra ka raiki-tahotra (Lk 1,12), toy izany koa ireo Apôstôly nandritra ny fibanjinana ny Tarehin’i Jesoa mamirapiratra (Mk 9,6). I Joany indray dia nilaza fa faly ny Mpianatra nahita ny Tompo tafatsangana ho velona (Jo 20,20), i Lioka kosa nilaza fa taitra sady natahotra izy ireo ary tsy nino noho ny hafaliany (Lk 24,37.41). Talanjona sady matahotra ny mpianatra, satria ny tontolon’Andriamanitra no miseho amin’i Kristy tafatsangana.
Tsy sanatria matoatoa, na fanahy miseho amin’ny endrika tiany hisehoana i Kristy tafatsangan-ko velona. Sarotra ho an’i Md Lioka ny manazava fa ny fahafatesana dia tsy tahaka ny fihevitry ny grika ny fifandraisan’ny fanahy sy ny vatana (dualisme) ka sanatria nisintaka tamin’ny vatana ny fanahy rehefa tonga ny fahafatesana. Amin’ny kolontsaina araka ny Baiboly dia iray tsy mivaky ny olombelona, ary ilay fiainana ao amin’Andriamanitra efa santarintsika amin’ity fiainana ity no hihazo ny hafenoany any amin’ny mandrakizay (jereo 1Kôr 15,35-58).
Tsy hoe nitebiteby fotsiny anefa ireo mpianatra fa mbola mihanahana ao am-pony ihany koa (διαλογισμός – dialogismos, dialogizomai: miroroa saina). Heveriny ho matoatoa, ho avelo ihany no hitany fa tsy ilay Kristy niara-belona tamin’izy ireo talohan’ny nifantsihany io.
Ireo mpianatra niara-nihinana sy nisotro tamin’i Jesoa ireo, ka entin’i Md Lioka ilazana amintsika fa tsy mahagaga raha sanatria misy ny fisalasalana ho antsika ankehitriny koa. Saingy atoron’i Jesoa antsika ny fomba hiatrehana izany: “Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa izaho mihitsy ity”.
Taiza no mbola nisy olona hofantarina amin’ny tanany sy ny tongony? Ny tarehy no hanavahantsika ka hahafantarana ny olona. Ny an’i Jesoa tafatsangan-ko velona kosa, ny tanany sy ny tongony.
Ny antony voalohany dia entina ilazana fa ilay Kristy voafantsika no nitsangana ho velona, ary mitondra amin’ny vatany ny dian’ny namantsihana Azy; io ilay vatana miseho amin’izy ireo saingy nanjavona kosa tao am-pasana. Ireo mariky ny toa faharesena, ka niheveran’ireo nifofo ny ainy ho mpandresy, no tonga famantarana hobanjinina mba hinoana an’i Jesoa mitsangan-ko velona. Tsy hoe nino fotsiny fa nitsangana ilay voafantsika fa mino fa ilay voafantsika no nitsangana, izany hoe ny lalan’ny hazofijaliana no lalan’ny voninahitra.
Midika izany fa tsy hoe maty isika dia hitsangana ho velona, fa raha mampisy hasiny ny fiainantsika isika, miaiky ny fahotantsika ka miezaka mba ho tonga masina sy marina tahaka an’i Jesoa, hanohy hanao soa hatraiza hatraiza, amin’ny anarany, dia hizotra ihany koa amin’ny lalana mankamin’ny fitsanganan-ko velona. Io tanana sy tongotra voafantsika io no porofom-pitiavan’ilay Andriamanitra nanaiky ho faty ho an’ny olombelona mba hahaveloman’ny olombelona kosa ho Azy.
Ny fitantarana henontsika amin’ny Evanjely anio anefa dia mametraka olana maromaro ihany, raha ny zavatra voalazan’i Md lioka no raisina ara-bakiteny. Anisan’izany koa ilay lazain’i Paoly hoe ny vatan’izay mitsangana ho velona dia tsy mihinana (1Kôr 15,35-44) ary raha mihinana aza, sarotsarotra ihany ny hahitana trondro voatono any Jerosalema amin’ny andro alina (lavitry ny toeram-panjonoana). Inona ary no tian’i Lioka holazaina?
Fa tena nisy vatana azo notsapaina tokoa ve tao amin’i Jesoa miseho? Efa nolazain’i Md Lioka fa tsy hitan’ny maso intsony i Kristy tafatsangana, rehefa nisokatra mba hahalala azy ny mason’ireo mpianatra tany Emaosy. Inona ary no tiany ampitaina amin’ny mpamaky ao amin’ny Evanjeliny?
Tsy matoatoa i Kristy tafatsangan-ko velona fa iray amintsika, miara-mihinana amintsika, manohy ny fiainany miaraka amintsika na dia tsy “hitan’ny masontsika” aza ny fisiany. Ny masom-panahy no hahita ny tanany sy ny tongony, mariky ny fitiavany, nahafoizany ny ainy manontolo ho antsika, ka izay te hahita azy (emblepô) dia tsy maintsy mitsapa sy mizaha izany fitiavany izany, hahafantatra fa nivonona hofantsihina ho antsika ny tanany sy ny tongony. Ary tsy izay ihany hoy i Md Paoly fa miara-mihinana amintsika koa ireo rahalahy rehetra hitsangana toa Azy (Kôl 1,18).
Tapa-kazandrano voatono no natolotr’ireo mpianatra hohanin’i Jesoa. Any amin’ny toko fahasivy dia “nandray ny mofo dimy sy ny hazandrano roa i Jesoa, niandrandra ny lanitra ka nisaotra an’Andriamanitra, ny amin’ireo sakafo ireo, ary nanapaka sy nanome azy ny mpianany mba harosony ho an’ny vahoaka” (Lk 9,16). Ny mofo moa efa nozarainy tamin’ireo mpianatra tany Emaosy, ny trondro kosa eto no hihinanany azy “ary ny sisa nomeny ny mpianatra”. Isaky ny avy mamaky ny mofo sy mihinana ny ampahany ny Eveka, dia mirary ny fiadanana ho antsika, ary manolotra ho antsika kosa ny “ambiny” ho sakafo hitahiry antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. I Jesoa no ἰχθύς, ‘Ιησοῦς Χριστός Θεoῦ Υἱός Σωτήρ (Ichthus – Iesous Christòs Theou Houiòs Sôtèr), Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra Mpanavotra, ilay ΙΧΘΥϹ ΖΩΝΤΩΝ (Ichtus zôntôn), Trondro Velona, nodoran’ny Afon’ny Fanahy ho Mpamelona aina ho an’izay mino azy.
Lazain’i Lioka koa ny tantely, μελίσσιον κηρίον (melission kèrion), kèrion moa dia avy amin’ny teny hoe kèos, cire, ny savoka avy amin’ny tantely, manambara ny jiron’ny Paka, ilay “Jiro mirehitra atao sorona takariva, dia jiro savoka izay atolotry ny Eglizy masina an’Andriamanitra ankehitriny amin’ny tanan’ireo mpanao raharahany, amim-pomba manetriketrika” (Exultet texte officiel). Io ilay savoka tonga hazavana, handresy ny haizin’izao tontolo izao.
Raha marina ny filazan’ny Apôstôly tamin’ireo mpianatra avy any Emaosy hoe “Efa nitsangana velona tokoa ny Tompo ary efa niseho tamin’i Simona izy” (Lk 24,34), dia mazava loatra fa nandritra ny fisehoan’i Jesoa tamin’i Piera sy ny namany tany Jerosalema no nisehoan’i Jesoa tamin’ireo mpianatra koa teny an-dalana mankany Emaosy. I Kristy tafatsangan-ko velona araka izany dia eo anivon’izay rehetra mivory amin’ny anarany, manatanteraka ny fampanantenany ho eo anivon’izay rehetra mivory amin’ny anarany (Mt 18,20).
Amin’ny fiafaran’ny Evanjely dia mbola averin’i Lioka ihany fa tsy misy lalana hafa hahafahana mahafantatra ny fitiavan’andriamanitra raha tsy amin’ny fandinihana ny Soratra Masina. Eto dia ampiany koa ny Salamo izay misolo ny Soratra (Ketouvîm), satria io no Boky voalohany ao amin’ny Ketouvîim. I Jesoa tafatsangan-ko velona no manokatra ny fontsika hahalala ny Soratra Masina ary maniraka antsika hitory ny fibebahana sy ny famelan-keloka.
Izany no mahatonga an’i Md Lioka manamafy mandrakariva ny asan’ny Apôstôly: vavolombelona manambara fa tsy misy lalana hahafahana mizotra amin’ny famonjena afa-tsy ny fiainana amin’ny fakàna tahaka an’i Kristy. Ambaran’ny Sal 16,8-11 hoe: “tsy foinao ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko ary tsy natolotrao ho tratry ny lo ilay Masinao”. Izay tia an’Andriamanitra no ilay Masiny, ary antsoin’i Jesoa ny Mpianany ho vavolombelona manambara fa Izy no Mesia (Kristy, voahosotra) sy Tompo ary ilay Masin’Andriamanitra.
Ny fibebahan’ny mpianatra dia miseho amin’ny fanovàna ny fiainana hifanaraka amin’ny fitsanganan-ko velona, hikatsaka ny zavatra any ambony any amin’izay itoeran’i Kristy (Kôl 3,1-4), hahatsiaro fa momba azy ireo mandrakariva ny Fiadanan’i Kristy, ary ny fibanjinany ny dian’ny fantsika amin’ny tanana sy ny tongotr’i Jesoa izay maneho ny fitiavana mahafoy hatramin’ny aina dia halana izay mety ho tahotra vokatry ny aloky ny fahafatesana. Izany no hahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona, hinoan’ny olona fa velona eo anivon’ny Fiangonana tokoa i Kristy.
Ny fanaovana Kômonio tsara amin’ny Paka, hoy i Md Paoly VI, Papa, dia tsy hoe fikônfesena fotsiny fa fampanarahana ny fiainana amin’ny Evanjely ka hanesorana ao amin’ny fiainana izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitsanganan’i Kristy velona.
Ho fiomanana amin’izany Kômonio tsara izany anie izao fotoana hiandrasantsika hankalazana ny Eokaristia Masina izao.