Alahady voalohany Karemy Taona A
Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia
- Jenezy 2, 7-9; 3, 1-7/
- Salamo 50
- Romana 5, 12-19
- Matio 4, 1-11
Karemy : avy amin’ny teny frantsay hoe carême, izay avy amin’ny teny latinina hoe XL (quadragesima), midika hoe efapolo (40) : isa enti-milaza zavatra iray manam-petra, ary mazàna hoenti-milaza ny fotoana fiomanana. Jereo ohatra ny 40 andron’ny tondra-drano (Jenezy 7,17) ; ny 40 taona tany an’efitra ho an ‘ny zanak’Israely (Det 8,2) na ny 40 andro tany an’efitra niomanan’i Jeso hitory teny (Mt 4,2)… Fiomanana ho amin’ny zavatra tsaratsara kokoa… (Jereo Alarobia fanosorana lavenona).
Amin’ity Alahady I ity dia ambaran’i Matio amintsika ny lalana efa nosantaran’i Jesoa, ilay “nentin’ny Fanahy tany an’efitra mba halain’ny demony fanahy” (Evanjely : Mt 4, 1-11). Nahoana i Jesoa no nanaiky halaina fanahy? [1]
Araka ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra anio dia nalain’ny demony fanahy koa ireo razam-bentsika, ireo raiamandrenibe voalohany noharian’Andriamanitra, ka nanota (Jen 2, 7-9; 3, 1-7). Amin’ny tenin’ny bibilava dia azontsika havoitra sahady ireo fakam-panahy telo nosedrain’ilay Adama vaovao ka nivoahany ho mpandresy : « aza mihinana amin’izany (hanina), ary aza mikasika azy akory (fifandraisana), fandrao maty ianareo (fahefana). » Moa ve tsy tandindon’ny “vato hovana ho mofo”, ny “fitokisana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra” ary ny “fanapara-pahefana”izany!
Ireo zavatra telo ireo no amondronan’ny Tenin’Andriamanitra ny fakam-panahy sedraintsika eo amin’ny fiainana : ny sakafo sy ny fivelomana, ny fifandraisana amin’ny hafa ary ny maha-izy azy ny tena. Araka ny fandinihan’ireo mpandalina manokana momba ny fivoarana sy ny fahamatoran’ny maha-olona (anisan’izany ohatra ny antanatohatry ny filana na “pyramide des bésoins” nalahatr’i Abraham Maslow) dia ireo sehatra telo ireo no hifotoran’ny fahamatorana : ny filàna fototra ara-pivelomana (sakafo sy fahasalamana – Physiologique [1] et sécurité [2]), ny fifandraisana amin’ny hafa (relation et socialisation, appartenance et amour [3]) ary ny fandavorariana ny tena (ny maha-izy azy ny tena: estime et appreciation [4] et accomplissement de soi [5]). Araka ny fikarohana nataony dia tsy afaka mandalo amin’ny dingana manaraka raha tsy matotra amin’ny dingana lalovana…
Samy revon’ny fitadiavana isika rehetra, na ho an’ny anio, na ho amin’ny fitsinjovana ny vodiandro ho merika sy ny ho avin’ny taranaka : ambaran’i Jesoa ary tiany ho tsaroantsika hatrany anefa fa « tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny rehetra aloakan’ny vavan’Andriamanitra« . Inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny fanahiny (Mk 8, 36)? Tsy azo adinoina ary fa ny fanahy no olona, ny fanahy no maha-olona.
Samy te-hikolokolo ny fifandraisana sy ny tombontsoan’ny tena eo amin’ny fiaraha-monina avy isika rehetra. Samy manana ny olon-tiany sy lalainy, ka te-higoka ny hasambaran’izany fifankatiavana izany. Dia tsy sasatra i Jesoa mamerina amintsika ny fampianaran’YHWH : « Saro-piaro ny Tompo Andriamanitrao ka aza maka fanahy Azy » (Dt 6, 16). Saro-piaro amin’ny maha-zanany antsika Andriamanitra, ka tsy tokony hatao am-baninjavatra ny maha-mpiray tam-po antsika ao amin’i Kristy, fa indrindra indrindra ny fitondrantsika tena mendrika izany maha-zanak’Andriamanitra antsika izany.
Tsy zoviana amintsika ny adilahy politika handrombahana fahefana (na an-drariny na tsia) sy hanamparana fahefana! Na isika koa aza mba te-hampanjaka ny hevitsika, te-haneho ny maha-isika antsika, saingy miafara amin’ny ady sy fifandirana mandrakariva izany raha tsy misy ny marimaritra hiraisana. Ambaran’i Jesoa amintsika anefa ny mba « hahatsiarovantsika mandrakariva fa raha tsy Izy tsy mahefa na inona na inona isika » (Jn 15, 5), « tandremo sao manadino azy izay namoaka anao tamin’ny tanin’ny fanandevozana, ny Tompo Andriamanitrao irery ihany no ivavahanao, izy no tompoinao » (Dt 6,12-13). [2]
Dia izany no hanafatrafaran’i Paoly antsika mba hahatsapa ny fahasoavana tovozin-tsy ritra ao amin’ilay Adama Vaovao, dia i Kristy izay handraisan’ny olona rehetra bebe kokoa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana (Rm 5, 12-19).
Ndeha ary hiezaka mandritra ity herinandro voalohan’ny Karemy ity, handinika ireo soa sesehena noraisintsika avy amin’Andriamanitra, mba hitomboan’ny fahalalana ny harena miafina ao amin’i Kristy ka hampiasantsika ny vokatr’izany amin’ny toe-piainana mendrika.
Ndeha hiverenantsika alalinina ny Evanjely, mitantara an’i Jesoa nentin’ny Fanahy tany an’efitra, mba halaina fanahy. Ny efitra dia izay nisy an’i Adama taorian’ny fahotana, mampahatsiaro koa ny tany novakivakian’Israely, taorian’ny nialany tany Ejipta: toerana tsy maha-te honina, satria toeran’ny fisedrana sy ny fahalavoana. Ao anefa no hanabeazan’Andriamanitra antsika mba hahaizana mihaino ka hampitombo ny faniriana sy ny fankafizana ny tany mamokatra. Tany an’efitra dia ny “mana” (zavatra tsy fantatra anarana) no niveloman’ny zanak’Israely, saingy ambaran’ny Bokin’i Josoe (Jos 5, 12) fa ny ampitson’ny Paka dia nitsahatra ny mana.
Tsy manakana ny fakam-panahy ny Fanahy Masina fa manohana antsika kosa amin’ny famakivakiana ny efitra. Ny hoe maka fanahy moa amin’ny teny grika dia πειράζω (peirazo) ka raha adika ara-bakiteny avy amin’ny πειρω (peiro) dia entina hilazana ny famakivakiana ny fiainana mba hahatongavana eny am-pita, any an-koatra, miala amin’ny tany efitra ho any amin’ny tany lonaka. Ny πειρα (peirà) dia entina hilazana koa ny traikefam-piainana hahafahana mahatsapa ny fahamarinan’ny zavatra iray. Rehefa avy manapa-kevitra manko vao tena manomboka ny tolona hiainana ny fiainana mifanaraka amin’izany. Izay tsy mahita ny lalan-kombana no lazain’ny teny frantsay hoe “aporie”, tsy hahitana mangirana (difficulté d’ordre rationel paraissant sans issue), dia mipoerapoera, hoy ny tanora avy eo. Tsy azo adino fa moramora kokoa ny “manala an’Israely tany amin’ny tany Ejipta” noho ny “manala an’i Ejipta ao am-pon’Israely”. Eh, hoy izy ireo, “aleo ihany tany am-body vilany feno hena” (Eks 16,3). Dia eo no manomboka ny “péril”, nadikantsika hoe loza, fa “periculum” dia manambara “expérience”, ex-peria, ny adim-piainana, ady tsy hahavery hevitra fa ady mba handresena.
Izay te hivoaka ho mpandresy tsy maintsy miady. Tsy misy mandresy tsy miady, ary sitrak’Andriamanitra isika handray anjara amin’ny fandreseny. Isika moa miady miaraka aminy, saingy ho an’izay milavo lefona, na oviana na oviana, tsy handresy, hanaiky ho andevon’ny fahavalo mandrakizay.
Ny fakam-panahy koa amin’ny teny grika dia antsoina hoe παιδεια (paideîa), sedra, ary entina hanabeazana, entina hanavahana ny tena zanaka sy ny zaza sary, hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio (He 12, 8). Ny mpaka fanahy moa dia ny demony, na ny marina kokoa ny devoly, diable (διαβαλλω ≠ συμβαλλω), ny mpiampanga mba hanasaraka.
Raha fandresena no tadiavina, dia “izay mitambatra vato, ary izay misaraka fasika”, hoy ny fahendren-dRazana. Izay rehetra mitondra hevitra mba hampisaraka, araka izany, dia tsy avy amin’Andriamanitra fa avy amin’ilay mpiampanga: mitady hampisaraka ny olombelona amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, hampisaraka azy amin’ny mpiray tampo sy ny fiaraha-monina, hampisaraka azy amin’ny zava-boahary.
Ireo ny fakam-panahy telo amintinan’ny evanjely ny fiainantsika: ny fifandraisana amin’ny zava-boahary, ny fifandraisan’ny samy olona ary ny fifandraisana amin’Andriamanitra, araka ny efa nolazaintsika teny ambony: « aza mihinana amin’izany (hanina), ary aza mikasika azy akory (fifandraisana), fandrao maty ianareo (fahefana).«
- Raha Zanak’Andriamanitra hianao, asaovy ho tonga mofo ireto vato ireto.
“Tsy misy manome vato raha mofo no angatahiny” (Matio 7, 9).
Tsy mora ny manavaka ny mofo sy ny vato, ary tsy mora ny mihevitra fa ny fahaizantsika mitady mofo, mampidi-bola, mahavita zavatra no maha-zanak’Andriamanitra antsika. Indraindray afangaro amin’ny fandrosoana ara-materialy ny firosoana amin’ny fiombonana sy ny fahamasinana. “Aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana”, hoy ny Ntaolo kanefa ny be mpanaraka dia “ny vola maha-rangahy” sy maha-ranga. Matetika atakalontsika vola aman-karena na atakalo zavatra mety hahavoky ny kibo fotsiny ny hasambarana hiantsoana antsika amin’ny fianana feno atolotry ny Evanjely. Izay mety ho fandrobarobana sy fandaniana tsy mampitombo ny fahamasinana sy ny fiombonana araka izany dia mifanohitra amin’ny fahamasinana sy ny fahasambarana, hahafahana manndova ny Fanjakan’ny lanitra (fahantrana am-panahy Mt 5, 3). Izay tsy miezaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina araka izay vitany, dia mazava loatra fa tsy ho afaka ny hivelona araka ny sitrak’Andriamanitra.
Izay manaiky hivelona ny Tenin’Andriamanitra isan’andro ihany anefa no afaka hisafidy ny fiombonana ka tsy hanao ny kibony ho andriamaniny, tsy hihevitra ny tenany fotsiny fa hahatsiaro koa ny iraka hiantsoana “hanome hanina” ny vahoaka any an’efitra.
- Raha Zanak’Andriamanitra hianao, mianjerà any ambany any.
“Tsy misy manome maingoka raha atody no angatahiny”, Lioka 11, 12 (tsisy ao amin’i Matio).
Tsy ambakan’ny olona hafa rehetra isika ka hihevitra fa miankina amin’ny “sécurité”, amin’ny fiainana azo antoka, miorina mafy ka tsy handalo fahafatesana ny fiainantsika. Tsy hoe handeha hitsambikina avy eny amin’ny tampon’ny tempoly ianao, dia maratra na maty eo dia Andriamanitra indray no omena tsiny. Mety tsy hitsambikina avy eny anefa, satria mora kokoa ny mitandrina amin’ny hantsana lalina, saingy sarotra ny manavaka ny atody sy ny maingoka. Ny ivon’ny fakam-panahy, araka ny an’i Matio dia ny fahaizantsika manaiky ny sitrapon’Andriamanitra izay fanoroana antsika ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana. Torah moa ny dikany dia “flèche” zana-tsipìka, na ny marimarina kokoa “panneaux de signalisation” manoro antsika ny lalana mankany amin’ny fahasambarana ampanantenain’Andriamanitra ny zanany rehetra.
Mazava loatra araka izany fa ny fanekentsika Azy, fanekena ny teniny, fanekena ny finoana nosafidiantsika mba hihainana araka ny Evanjely, ary ny fahaizantsika mihaino ireo napetraky ny Fiangonana mba hampahatsiaro antsika ny sodi-dalan’ny Evanjely, ny fanekentsika ihany koa ny “exigences” apetraky ny fiaraha-monina sy ny vanim-potoana mba hahatonga antsika ho “mpaminany”, dia mety handalovana amin’ny fahafatesana (fahafatesan’ny hambom-po, fahafatesan’ny tombontsoa manokana, fahafatesan’ny fahazarana) kanefa izay no lalana tsy maintsy diavina mba hahatongavana amin’ny hafenoan’ny fiainana. Izany no ezaka manokana takian’ny Karemy.
Fakàna fanahy an’Andriamanitra ny fanaovana be loha amin’izay hevitry ny tena kanefa tsy mifanaraka na amin’ny Teniny na amin’ny Lalàna nomeny hitondra amin’ny fahasambarana.
- Homeko anao izao rehetra izao, raha miankohoka hivavaka amiko hianao.
Iza no hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny (Matio 7, 10) ?
Ny bibilava dia miolakolaka etsy sy eroa fa ny hihinana ny remby no mahamay azy. Ny trondo koa mba miolakolaka ihany saingy voajono ka lasa sakafon’ny hafa. Ny faniriana hakan’ny devoly fanahy antsika dia ny mba hiankohofan’izao tontolo izao eo anatrehantsika. Iza no hanaiky hotsindritsindrian’ny hafa izany? Dia aleo miankohoka eo anatrehan’i Satana, toy izay tsy hahazo ny rendrarendra sy ny voninahitr’izao. Ny hadiovam-po no hahafahantsika mahita ny endrik’Andriamanitra ao amin’ny hafa (Mt 5, 8), ka hilatsahantsika hanompo fa tsy hotompoina. Izany no hahafahantsika hilaza hoe: “mialà amiko ry Satana!” rehefa tsy ho voninahitr’Andriamanitra fa ny eboebon’izao fiainana izao no arosony ho antsika. Io no hahafahantsika misafidy ny ho trondro fa tsy ho bibilava, ny hitia fa tsy ny hifetsy na dia hararaotin’ny hafa aza. Ampianarain’i Jesoa anefa isika mba hianatra koa ny hamailon’ny bibilava, ka hahay hiaro tena amin’izay mety fandrika mivelatra na mety hahatonga ny fontsika ho voafatotry ny fitiavana manokana ka tsy ho afaka hitia manontolo ho Azy Tompo.
Mampandinika ihany fa ny vavaka ataontsika matetika dia mety hanadinoantsika ny ezaka tokony atao isan’andro isan’andro: “Tompo o ekeo ny vavakay, henoy izahay ry Tompo fa mihanta aminao”. Izy ve no tokony hihaino sa isika? I Elia nampianatra an’i Samoela nivavaka hoe: “Mitenena Tompo o, fa mihaino ny mpanomponao”.
“Mahavonjy ny mibanjina ny halalin’ny Misterin’ny Paka izay nahazoantsika ny famindram-pon’Andriamanitra. Tsy afaka ny hanandrana izany famindram-po izany anefa raha tsy ao amin’ny “fifanatrehan-tava” amin’Izy Tompo voafantsika sy tafatsangan-ko velona, dia Izy izay “tia ahy sy nanolotra ny tenany ho ahy” (Gal 2, 20). Diniky ny fo izany, resaky ny mpifankatia. Izany no mahatonga ny vavaka ho laharam-pahamehana mandritra ny vanim-potoanan’ny Karemy. Mialoha ny maha-adidy azy, ny vavaka dia fanehoana ny hetaheta te hamaly fitia an’Andriamanitra izay mitia antsika mialoha sady manohana antsika mandrakariva. Araka izany, eo am-pivavahana ny kristianina dia mahatsiaro mandrakariva fa notiavina na dia eo aza ny tsy fahamendrehany. Miseho amin’ny endrika maro izany fomba fivavahana izany, fa ny tena zava-dehibe eo imason’Andriamanitra dia noho izy mandavaka ao anatintsika ao ary mahavita misikotra ny hamafin’ny fontsika ka hampitodika azy bebe kokoa amin’Andriamanitra sy ny sitrapony” (Hafatry ny Papa 2020).
Ho haintsika anie ny hanararaotra izao taom-pahasoavana izao ka hahafahantsika manamasin-tena, hahafahantsika manavao am-pitiavana ny Batemy amin’ny alin’ny Paka, ka hahatonga antsika ho fahazavana ho an’izao tontolo izao.
Mirary fahasambarana ho anareo tsirairay avy.
[1] Azonao jerena eto ny resaka fakam-panahy amin’ny taona D (Lk 4)
[2] Azo jerena koa ny momba ny fakam-panahy sy ny fiainan’ireo miezaka hiaina ny toro-hevitry ny vaovao Mahafaly : ny voady telo (jereo ity raha tianao halalinina, en français)