Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
Ny alahady faha-dimy amin’ny fankalazana ny Paka, araka ny fandaharan’ny Litorjia ao amin’ny drafitra mystagogique, handinihana ny misterin’ny finoana, dia manisy tsindrim-peo amin’ny didim-pitiavana tokony hihainan’ny Kristianina: ny fifidianana ireo fito lahy hanompo sy hitantana ny fizarana ny fiantrana (Asa 6, 1-7 : vakiteny I taona A), araka ny didin’i Kristy dia ny hinoantsika Azy sy ny hifankatiavantsika (1Jn 3, 18-24 : Vakiteny II taona B / Jn 13, 31-33a : Evanjely Taona D), mba tsy hisy intsony ny alahelo amam-pitarainana (Apok 21, 1-5 : vakiteny II taona D). Amin’ny alahady fahadimy dia tsy milaza mazava momba ny sakramenta iray amin’ireo fito, fa milaza kosa ny vokatry ny firaisana aina amin’i Kristy, dia ny fitiavana ao amin’ny Fanahy Masina ka mamporisika antsika hiombona sy hitsinjo ny mahantra sy ny osa, ary mazava loatra fa anisan’ireny ny marary.
Ny sakramentan’ny fanosorana ny marary manko tsy hoe hahazoan’ny marary fahasitranana am-panahy sy ara-batana fotsiny ihany fa koa porofom-pitiavana asehon’ny Fiangonana ho an’ny zanany osa, fikolokoloana azy ireo mba ho famantarana (sakramenta) hanambara fa mitsinjo ny zanany rehetra ny Ray. Tsaroantsika manokana ireo mararin’ny Covid sy ny ny aretina maro isan-karazany amin’izao fotoana izao ary entintsika am-bavaka koa ny fandriampahalemana eran-tany, ireo maratra, mamoy havana, ireo voatery mitsoa-ponenana noho ny ady.
Andeha hiverenantsika ary ireo vakiteny novakiana teo.
- Asa 14, 20-26
- Salamo 144
- Apokalipsa 21, 1-5
- Md Joany 13, 31-35
Ny vokatry ny Paka: hafaliana sy fitiavana.
Ny Asa 14, dia mitantara fa namarana ny “dia” (voyage) misionera voalohany i Paoly sy Barnabe ka ambaran’i Lioka fa mialoha ny hiverenany any Antiokia, dia niverenan’izy ireo notsidihina ireo fiangonana naoriny sy nitoriany teny, mba hanampiana azy ireny amin’ny fandaminana sy hankeherezana azy amin’ny finoana, amin’ny fanendrena Pretra (πρεσβύτερος) hitantana azy. Izany moa dia ny mba haha-fiangoanana ny mpino, hivondrona amin’ny fiombonana.
Ny hoe amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy hidirantsika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, raha tsy azo, dia mety hampitahotra izay vao hiroso (na izay tsy mbola matotra) amin’ny finoana, satria sahala amin’ny hoe toa mitaky tambiny ho amin’ny fidirana amin’ny Fanjakany Andriamanitra. Tsy Izy anefa, fa ny hamafisan’ny fon’ny olombelona no mahatonga izany fiaretana fijaliana izany, ary raha ny marina aza, dia fiombonana amin’ny fijaliany no miandry izay te hanandrana ny hasambarany ao amin’ny Fanjakany. Tahaka an’i Jesoa koa, ny Mpianatra dia tsy maintsy hijaly sy hahiliky ny olona (Lk 17, 25) mba hidirany any amin’ny Voninahitra (Lk 24, 26). Izany no tsy maintsy hivavahana sy hifadiana hanina, mba hanomanana ny zavatra atao rehetra, indrindra mialoha ny hanendrena olona.
Raha sanatria tsy misy vavaka manko, dia sarotra ny hahita izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary raha tsy misy fifadian-kanina kosa indray, dia mety ho “pretra” hanangona izay hahafeno ny kibo no apetraka, izay hoe olona hikatsaka ny tombontsoan’ny tena fa tsy izay hampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny hitoriana ny Evanjely. Ny vavaka sy ny fifadian-kanina no hahafahana manankina ny tena sy ny hafa amin’Andriamanitra. Ny hoe manankina moa dia nandikàna ny παρατίθημι (paratithemi), hilazana fa tsy ny asa ataontsika fa Andriamanitra no hitarika ny olona ho amin’ny finoana; fa ny olona koa, dia ho eo anatrehan’Andriamanitra mba handray ny Teniny (fa tsy ny tenintsika) hahafahany mizotra ny lalam-pahasambarana. Izany no nahatonga azy ireo raha vao tonga tany Antiokia dia namory ny Fiangonana, tsy hitantara izay nataony fa kosa hitantara ny asa nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’izy ireo (μετ᾽ αὐτῶν, avec eux). Andriamanitra no miasa, Izy no namoha ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentily.
Ny mahazatra antsika matetika dia ny milaza fa nahavita zavatra lehibe noho (miaraka amin’ny) ny fahasoavan’Andriamanitra. Ho an’i Lioka kosa, Andriamanitra no miasa, izy no mahavita zavatra amin’ny alalantsika. Ny asany no tantaraina fa tsy izay ataon’ny olona, izay fitaovana ihany ampiasain’Andriamanitra hanaparitahana ny Teniny.
Izany asan’Andriamanitra izany no derain’i Joany ao amin’ny vakiteny faharoa amin’ny fitantarana ny fahariana vaovao (καινός kainos vaovao amin’ny maha-izy azy, hafa tanteraka noho izay taloha, izany hoe tonga amin’ny fahamatorany/ tsy afangaro amin’ny νέος neos, vaovao vao niorina ka tsy mbola matotra): lanitra vaovao sy tany vaovao, ka ny ranomasina izay heverina ho fitoeran’i Leviatana sy ny tafiky ny ratsy, mifanohitra amin’ny fiainana (Apok 13, 1), tsy hisy intsony.
Monina miaraka amin’ny vahoakany Andriamanitra (Emanoela), indro ny Tranolainy (tabernakla) tonga eo amin’ny olona, ary Izy hamafa ny ranomaso, hanafoana ny fahafatesana, hanesotra izay mety ho alahelo sy fahoriana. Manavao ny zavatra rehetra Andriamanitra, araka ny faminanian’Izaia Mpaminany (Izaia 65, 17-20).[1] Mino izany ve isika? Maro no kivy ary manoloana ny adim-piainana toa mihevitra fa miha-ratsy ny tontolo. Dia lany hery ve ny Fanahin’Andriamanitra? Tsy afaka manavao ny endriky ny tany intsony ve Izy (Sal 104)? Izay mino ny Teniko ka mitandrina azy no hiditra amin’ny fiainana, hoy i Jesoa. Tsy afaka ny hahazo izany fampanantenana izany isika raha tsy manandrana ny fiainana araka ny evanjelin’i Kristy.
Ny Salamo 144 (145) moa dia salamo alfabetika, hahafahana mianatra ireo litera anoratana ny teny Hebrio, Salamo enti-misaotra an’Andriamanitra Mpahary noho ny fanekem-pihavanany, noho ny hery amam-pamindram-pony tsy misy fetra. Ny tiana ambara amin’ny hoe litera 22 moa dia mba hahatsiarovana fa ny fiainana manontolo no enti-misaotra an’Andriamanitra, satria Izy no Aleph א – Thav ת; α sy ω; fihandohana sy fihafarana. Ireo andininy nosafidiana ho setrin’ny Vakiteny amin’ity alahady ity dia mampahatsiaro antsika ny voninahitr’ilay Andriamanitra inoantsika, hibanjinantsika ny Endriny, ka hahafahantsika mivavaka, mifady hanina, ary mandray anjara amin’ny fandavorariana ny Fanjakany, amin’ny famongorana izay rehetra mbola mampahory ny zanak’Andriamanitra rehetra: Ilay Tompo Antra sy Mangoraka (Eks 34, 6) amin’ny asany rehetra dia tsy mivadika amin’ny teny nomeny, ka manantena koa ny zanany rehetra izay mino Azy mba hanohana izay lavo sy hampitràka izay mitanondrika miaraka Aminy, ka hiombom-boninahitra Aminy mandrakizay.
“Nomem-boninahitra ny zanak’olona ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy”. Ho antsika dia mandeha ho azy ny fiheverana fa rehefa mahazo tehaka avy amin’ny vahoaka, hobin’ny rehetra fa tafasondrotra amin’ny fiainana, avahana ho ambony noho ny hafa, dia izay no mahazo voninahitra, fa lazain’i Jesoa hoe voninahitra araka ny olombelona ihany izany (Jn 5, 44), ary moramora ny “tia ny voninahitra avy amin’ny olombelona noho ny voninahitra avy amin’Andriamanitra (Jn 12,43). Izay jamba ny fony dia tsy afaka ny hibanjina ny voninahitr’Andriamanitra (Izaia izay lazain’i Joany ao amin’io toko faha-12 io).
Ny voninahitr’i Kristy izay fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra (Andriamanitra no omena voninahitra eo aminy) dia ny fanehoany ny fara fitiavany ho an’ny olombelona ka ny fisiany, ny “fonenany eo anivon’ny olony” (tabernakla), dia zary loharanom-pamonjena ho azy ireo. Mahita ny voninahitr’Andriamanitra ny vahoakany rehefa tonga hanafaka azy ireo Izy (Iz 35, 2.4).
In-dimy no averin’i Jesoa ny hoe “homem-boninahitra”, ora vitsivitsy mialoha ny hisamborana Azy ka hanamelohana Azy ho faty. Raha araka ny fanirian’olombelona dia ny hanafahana Azy amin’izany fisamborana sy famonoana izany ka hamaizana (faizina) ireo mitady hanisy ratsy Azy no voninahitra. Ho an’Andriamanitra kosa, i Jesoa manaiky hatramin’ny fahafatesana mahafa-baraka no omem-boninahitra. Io ihany no hany “voninahitra” ampanantenainy izay te ho mpianany: hijoro hatramin’ny farany ho famataram-pitiavana.
Ny fiainana ny didy vaovao nomeny no hahafantaran’ny olona ireo mpianatra ireo. “Anaka” (τεκνίον teknion) moa no iantsoan’i Jesoa ny Mpianany, satria hametraka ny “testamenta”, orimbaton’ny Fiangonany amin’ireo nofidìny Izy: “Mifankatiava, ary aoka ho toy ny hitiavako anareo no hifankatiavanareo”. Nomeny ho lovantsika ny Egliziny, nomeny ho lovantsika ny tenany manontolo.
Didy no nomeny. Maro no mihevitra fa ny didy dia natao harahina ka rehefa manaraka azy isika dia mahazo valisoa any an-danitra rehefa maty. Manahirana ihany izany satria tsy “fahasoavan’Andriamanitra” intsony araka izany no hahavonjy antsika (Efez 2, 8) fa ny fahamendrehana sy ny fiezahana hitandrina ny Didy. Mba hahazoantsika ny hevitry ny hoe “didin’Andriamanitra” dia tsara ny maka ohatra mazava.
Ny Didy dia nomen’Andriamanitra antsika mba hanoro ny lalana mankany amin’ny fahasambarana nampanantenainy. Dia tahaka ny marary iray mankany amin’ny mpitsabo izany, ny olona iray manantona an’Andriamanitra: mahazo didy, mahazo fanafody sy torolalana, ka ohatra hoe tsy avelany misotro toaka intsony, satria manimba ny fahasalamany. Nanaraka ny torohevitr’ilay Dokotera ilay marary, ka tsikelikely, nahazo fahasitranana sy mihatsara ny fiainany. Rahefa miverina any amin’i Dokotera izy, rehefa sitrana, haka “prime” na valisoa ve no hahatongavany any? Toy izany kosa, izay mitandrina ny Didy ka miaina ny fahasambarana, manandrana ny fahasambarana vokatry ny fitandremana ny Didy, indray andro, tonga any amin’ilay Jerosalema vaovao, tsy handray valisoa, fa hisaotra no hahatongavany any (Salamo 144).
Ny “mitia” no didy (ἐντολή entolè) lehibe indrindra hoy i Jesoa. Ny ἐντολή moa dia avy amin’ny hoe : ἐντέλλομαι entellomai (“en” – miaraka – sy “telos”, τέλειος -teleios- lavorary), ka ny didy araka izany dia ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika ka ny fitiavana no hahafahana manatanteraka izany. Izany no Didy (ἐντολή, entole) asain’i Jesoa tandremana, torolalana hahafahana mizotra araka ny lalàn’Andriamanitra, mizotra mankany amin’ny fahasambarana nampanantenainy, mizotra sahady miaraka (ἐν) amin’ny tanjona hotratrarina (τέλος). Raha tiantsika ny ho lavorary, [τέλειος (teleios), avy amin’ny hoe τέλος (telos) dia midika hoe ho tojo amin’ny farany, hifanaraka amin’ny tanjona irin’Andriamanitra ho an’ny zanany] dia tsy misy lalana hafa hafa-tsy ny mitia araka ny ohatra navelan’i Kristy. Izany fitiavana izany no mampisy heviny ny fiainana satria fidirana amin’ny fiainana; izay ataontsika amin’ny hafa maimaim-poana no rakitra tsy tontan’ny ela ho antsika any an-danitra.
Ao amin’ny Evanjely dia azontsika jerena ny fomba itiavan’Andriamanitra:
Raha tsy mivoaka ny efitrano fihinanana izany Jodasy izany, raha tsy mivoaka ny fontsika ny toe-tsaina mikajikajy izay ho tombontsoa ho an’ny tena, hiafinafenana ao ambadiky ny mahantra mba hifetsena izay mirotsaka ao amin’ny kitapom-bola (Jn 12, 6), dia tsy afaka. Ny hiditra ao amin’ny tontolon’Andriamanitra isika. Matetika miafina ao ambadiky ny “fahalalam-pomba” ny tsy fahavononantsika hahafoy, mba hitia marina tokoa, araka ny sitrapon’Andriamanitra. Hany ka rehefa misy soa azo, dia iezahana ny mamaly izany na amin’ny toraka voninkazo, na amin’ny atero ka alao, tsy te hanana trosa, sao manko, voatery hanao izany koa amin’ny tsy manan-kavaly.
Nanome ny Didy ho antsika i Kristy, ka tsy am-bava fa ohatra no navelany ho antsika. Ny fitiavana nitiavany antsika no sitrany hitiavantsika ny hafa. Eo amin’izao tontolo izao, ny fenitra dia ny “atero ka alao” (do ut mihi des), ka izay tsy hahazoako tombony na valiny dia ataoko tsinontsinona. Ho an’i Jesoa, ny fitiavana dia fitaran’ny fanjakany: izaho manome anao, mba hahafahanao manome ny hafa (do ut aliis des). Manome ny aina ho an’ny hafa, milatsa-tena ho mpanompon’ny hafa, mitia izay tsy tokony hotiavina (fahavalo, mpankahala) sy izay tsy manan-kavaly: izany no didy vaovao, izany no fenitra vaovao tiany handraisantsika anjara amin’ny fanorenana ny tany vaovao sy ny lanitra vaovao.
Eo amin’izao tontolo izao dia beazina amin’ny fisaorana, amin’ny valisoa, amin’ny valim-babena ny olona, ka izay tsy mahay mankasitraka sy mamaly soa dia heverina ho “ratsy taiza” sy tsy mahalala fomba. Tsy azo adinoina anefa fa tsy mifanaraka mandrakariva amin’ny didy nomen’i Kristy izany. Ho an’i Kristy, tsy izay nanao soa ahy no hohasoaviko, fa izay mila izany, ho an’izay mila fitiavana mba ho afaka hitia ihany koa. Tsy i Joany fa i Jodasy no notoloran’i Jesoa ny sombi-mofo natsoboka tao anatin’ny loviany, hilazany izay nolalainy, notiaviny hatramin’ny farany, tamin’ny Apostoly. Mariky ny fisakaizana manko ny fiaraha-manatsoboka ny mofo ao an-dovia (Salamo 41, 10).
Tsy ny fivavahana alahady, sanatria, sao misy mihevitra fa hahatototra ny fahotany ny famonjena lamesa raha tsy ovany hifanaraka amin’ny lamesa ny fomba fiainany andavanandro (raha tsy arahinao ny toromariky ny Dokotera, tsy hisy fahatsarana ny fiainanao). Fisaorana ny Eokaristia ka tsy afaka ny hanentsi-keloka hisaotra izany mety ho fanafintohinana na loharanon-kalahelo ho an’ny hafa. Raha misy manana alahelo aminao, hoy ny Evanjely, mandehana aloha mihavana aminy (Mt 5, 24).
Ny fitiavana no hahafantarana ny maha-mpianatr’i Kristy antsika, ka izay manaiky ny didin’i Kristy dia tsy hisalasala ny hanokana ny fiainana ho zary fahasambaran’ny hafa, eny fa na hatramin’ny fahavalo aza.
Ilay Teny tonga nofo, sakramentan’ny fitiavan’Andriamanitra miara-monina amintsika, ilay Emanoela efa nanome ny tenany ho sakafo hamelona antsika anie hanome hery antsika hitia tahaka ny nitiavanay antsika tsy hitady valiny ary ho tia tsy misy fetra (Ranombavaka), satria afaka amin’ny toetra fahiny ka misotra ho amin’ny fiainam-baovao (Komonio).
[1] Izaia 65, 17Fa indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao aho, ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony, na ho mby ao an-tsaina akory aza. 18Aoka hifaly kosa hianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay, noho izay efa hohariko: fa indro aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana, sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana. 19Dia ho faly amin’i Jerosalema aho, sy ho ravoravo amin’ny vahoakako. Ka tsy misy ho re ao intsony, na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.