Alahady Sampankazo Taona D
- Izaia 50, 4-7
- Sal 21
- Fil 2, 6-11
- Md Lioka 22, 14 – 23, 56
Passio
Efa mahazatra antsika loatra ny mankalaza ny Herinandro Masina. Kinga ery ny ankizy sy ny mpanentana mizara ny andraikitra hotanterahina, dia samy manatanteraka izany am-pitiavana. Mahafinaritra izany, saingy raha lany andro amin’ny fanandraman-tsira dia ho adinontsika ny tsiron’ny sakafo satria tsy hahavita hihinana intsony rehefa tonga ny fotoana hisakafoanana.
Aroson’ny Fiangonana hanaovan’ny Kristianina jery todika ny maha-kristianina azy manko ny herinandro masina, hanamarinana mba tsy hihorenan’ny finoana afa-tsy ao amin’ny misterin’ny Paka: Kristy nijaly sy maty fa nitsangan-ko velona, ka handraisana ny fampianaran’i Jesoa mba hampifanarahana ny foto-pisainana sy ny fomba fiainana amin’izany. I Jesoa ilay nanana ny fomban’Andriamanitra dia niala tamin’izany (κενόω kenoo, manafongana, tsisy tavela) ka nitafy ny fomban’ny andevo, hitovizany amin’ny olombelona (Vakiteny II). Raha tsy azontsika tsara anefa ny antony nijaliany dia hiafara amin’ny fieritreretana an’Andriamanitra tsy afaka hitony raha tsy misy olona iray maty halatsa-drà, andriamanitra tsy tia maimaim-poana araka izany fa voatery satria misy manolotra ny ainy ho soroina mba ho honitry ny ota, ka raha tsy manana zavatra hatao takalo koa isika dia tsy hahazo ny fahasoavana sy tsy ho mendrika ny fitiavany. Sarotra ny hahazo ny halehiben’ny indrafony raha izany, ary sarotra ny hahazo izay lazain’i Md Paoly fa fitiavana maimaim-poana no anavotany antsika.
Ny vakiteny voalohany dia sombin’ireo fikaloana an’ilay Mpanompon’YHWH amin’ny tonokalo fahatelo (miverina amin’ny alarobia masina). Amin’ny teniny no ankaherezan’ilay mpanompo an’izay reraka. Tsy teniteny foana anefa fa teny ianarana tsara (לִמּוּד, limmòd avy amin’ny לָמַד lamad, mampianatra). Ny fihainoana isa-maraina ny Tenin’ny Tompo no hianarana izany Teny manala alahelo izany. Avy amin’ny fihainoana ny Teniny no hahafahantsika mahatsapa fa mifanalavitra ny fomba fiheverantsika sy ny fiheviny, mifanalavitra ny fahamarinana heverintsika sy ny fitsarany. Ny famakiana ireo an-tsimpirihany manavaka ny Evanjelin’i Md Lioka dia hahafahantsika mianatra ny fomba fiteny tokony hivoaka ny vavantsika araka izany, raha tiantsika ny hanahaka an’i Jesoa, raha tiantsika ny hanandrana ny hafaliana vokatry ny fiainana ny Evanjely.
Ho antsika dia ny olona manjakazaka sy manapa-pahefana no ambony sy hajaina. Ho an’Andriamanitra kosa, ny Mpanompony voakapoka, ambaniana (ongotana volom-bava), latsaina sy tsiratsiraina (roraina), resy, izany mpanompo izany no tolorany ny famonjeny, anankinany iraka ary hamarininy, satria maheno mandrakariva ny Feony io mpanompo ka matoky Azy ary milaza hoe: “Ny Tompo Andriamanitro mamonjy ahy: ka iza no hanameloka ahy?”
Tsy azo adinoina ny fankahalana nokobonin’ny kristianina sasany ho an’ny Hebrio, heveriny fa tsy valahara satria namono an’i Jesoa, namono ilay hany marina, ary ambaran’i Pilaty mazava ao amin’ny Evanjely amin’ity taona ity (Lioka) fa tsy hitany izay maha-meloka io Lehilahy io. I Jesoa anefa, manoloana ireo namono Azy, dia fitinin’ny tenin’i Md Paoly hoe: ny fitiavana manala tsiny ny zavatra rehetra (1 Kor 13, 7), mitalaho amin’ny Rainy mba hamela ny helok’izy ireo.
Raha tsy azontsika tsara koa anefa ny antony nahafaty an’i Jesoa dia tsy ho tonga fanahafana azy na oviana na oviana ny fiainantsika. Izy no fahazavana tonga teto amin’izao tontolo izao, hoy i Md Joany (Jn 9, 5) saingy tsy noraisin’ny haizina (Jn 1, 4-5.9) ary naleon’ny olona ny haizina satria ratsy ny asan’izy ireo (Jn 3, 19). Mialoha ny handinihantsika ny sasantsasany amin’ireo fampianarana hita ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka, dia andeha hampahatsiahivina ireo antony ireo:
1. Mampiseho amintsika ny tena endrik’Andriamanitra Izy: tsy andriamanitra mpanasazy fa “mpamindra fo (רַחוּם , raHùm) sy miantra (חַנּוּן, Hannùn) (Eks 34,6).
Henontsika tamin’ny Evanjely teo fa ny vatany no natolony ho antsika, ny fiainany manontolo, ary asainy manao izany izay te hahtsiaro azy: ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy. Fahatsiarovana Azy, tonga fahenoana ny fisiany eo anivon’ny tontolo misy antsika marina tokoa ny Eokaristia, raha toa ka tonga fanahafana ny fanetren-tenany, tsy hihetry ho mpanompo fotsiny, fa manaiky ho zavatra, ho “mofo”, hopotopotehina, hotsakotsakoin’ny olona. Raha atolotsika toy izany ho zary antom-piveloman’ny hafa ny fiainantsika manontolo, dia ho zary Eokaristia, antom-pisaorana miaraka amin’i Kristy, ary izay no andrasany amin’izay maniry ny hiombona aminy (hanao Komonio hoy isika). Avy eo ny rany no natolony ho fanekem-pihavanana vaovao. Ny Fanekem-pihavanana vaovao, ἡ καινὴ διαθήκη (Lk 22,20), kαινός (kainos) moa dia ilazana ny fihavaozan’ny zavatra iray amin’ny fomba hisehoany. Ny Fanekem-pihavanana natao tany Sinai manko araka ny faminanian’i Jeremia dia havaozin’Andriamanitra rehefa tonga ny fotoana (Jer 31, 31-34), ary ambaran’i Ezekiela (Ez 36, 26-27) fa ny Fanahy Masina no manatanteraka izany. Tsy mahagaga araka izany raha nosoloin’i Md Lioka ny fetin’ny Fidinan’ny Fanahy Masina ny fetin’ny fanomezana ny lalàn’i Moizy, ny andro Pantekoty, satria efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiany (Asa 1, 2), fanehoan’Andriamanitra ny Fitiavany izany.
2. Raiki-tapisaka ao am-pon’ny olombelona ny fitiavan-tena sy voninahitra manosika ny fony hihady hevitra amin’izay ho lehibe, ary ambaran’i Md Lioka fa mandritra ny Lamesa no isehoan’izany, eo am-pisakafoanana. Niaraka teo amin’ny sakafo farany ilay nanolotra (παραδίδωμι paradidomi manolotra fa tsy mamadika) an’i Jesoa. Mba niady hevitra ihany ny Apôstôly nandini-tena hoe iza izay, saingy vetivety teo dia raikitra ny ady hevitra (φιλονεικία philoneikia, nikè fandresena) hahalalana izay lehibe indrindra. Mazava ny hevitr’i Jesoa: izay manompo fa tsy izay mandidy sy manjakazaka no lehibe (azo vakiana 1 Kor 11, 17-34). Ny mahantra sy ny osa ary izay ahilika no mahazo ny toerana voalohany ao amin’ny Fanjakan’ny Fitiavana. I Jodasy no tolorana ny mofo sy miara-mihinana ao an-dovia, omena tombom-pitiavana manokana (Lioka moa mampahatsiaro ny Salamo 41, 10, momba an’i Akitôfela olomahatokin’i Davida, izay sakaiza nitokisana hatramin’ny farany). Tsy manam-pahavalo ny kristianina ka tsy afaka ny hampiasa herisetra (sabatra) mba hampanjakana izay heveriny ho rindran-damina sy fahamarinana (justice) sanatria. Ary raha tsy maintsy hisafidy dia ny fahavalo no hanaovana soa, ny mpanenjka hivavahana ary ny mpiteny ratsy hotsofina rano sy atao tsara laza (Lk 6, 27ss).
Lazain’i Lioka ihany koa fa hatrany amin’ny fanjakan’ny Lanitra i Jesoa dia mbola hampipetraka ny Apôstôly, hihinana eo amin’ny latabatra (and. 30) ka Izy koa hanolotra sakafo ho azy ireo. Andriamanitra manompo hatreny ambonin’ny seza fiandrianany ny Andriamanitsika ka tsy mahagaga raha navelan’ny artista (mpanao sary) eo an-tsikinany (eny ambony Lakroà) ilay lamba namahoany ny tongotry ny mpianatra nosasàny ny alina nanorenany ny Eokaristia (Joany 13).
Kororohan’i Satana ny Apôstôly, mba hanavahana izay vary sy akofa, saingy mahery sy miaro antsika ny vavak’i Jesoa, ny fijeriny (emblepò, ao anaty) izay mambabo ny fo ka mampibebaka marina tokoa sy hahatonga antsika koa ho fankaherezana ho an’ny hafa. Io matoanteny io no entin’i Lioka milaza ny fijerin’i Jesoa mitodika any amin’i Piera: mahita ny ao anaty ka mankahery, miantso tsy hanary toky fa hizotra amin’ny fiainam-baovao. Tsy vitan’ny ambom-po ny fanarahan-dia an’i Kristy (jereo Mk 14, 29, tsy nolazain’i Lioka). Raha tsy herin’ilay fanekem-pihavanana vaovao, ny Fanahy Masina no momba antsika dia ho zava-poana ihany. Hihira fandresena ny ratsy (akoholahy) vao hanenina isika, raha ny ambom-pontsika sy ny herintsika ihany no hiateherana.
Ny vavaka no hahazoantsika izany herin’ny Fanahy izany. Lazain’i Lioka aza fa hasivian’andro, izany hoe am-paharetana no tokony hitalahoantsika Azy ka hikarohana ny sitrapon’Andriamanitra mifanaraka amin’ny tsiokan’ny Fanahy. Mandefa ny anjeliny mandrakariva Andriamanitra hankahery antsika, indrindra raha tojo ny kihon-dalana tsy azo hiodivirana ka hahatsapana ny hamafin’ny fanarahan-dia Azy, ady mihatra aman’aina, fa manosika hivavaka bebe kokoa. Tsy manova ny ady hatrehina manko ny “anjely” fa manazava kosa ny lalan-kombana. Izay no naha-tsembo-dra an’i Jesoa (ematoidrosi, amin’ny teny italiana) satria ny handresy no tanjony. Voan’ny fiadiana aina Izy, hoy ny dikan-teny, fa ἀγωνία (agonia) raha adika dia ady ho amin’ny fandresena, ka tian’i Lioka asongadina fa tsy manana tanjona afa-tsy ny handresy Izy. Ny vavaka no natorony antsika fa “entrainement”, fanazaran-tena, raha te handresy miaraka Aminy isika. Mifohaza (ἀνίστημι anistemi, mitsangana ho velona) ary mivavaha raha tsy te ho azon’ny fakam-panahy ka hatory noho ny alahelo.
Lazain’ny Evanjely fa oroka no nanoloran’i Jodasy ny Zanak’olona. Firifiry ny olona no mampiasa oroka sy sarisarim-pitiavana hoentina hanakonana ny ratsy atao. Firifiry koa ireo mampiasa sabatra sy herisetra hiheverana hiarovana ny rariny sy ny hitsiny. Mazava ny fampianaran’i Jesoa ho an’izay te ho mpianany: aleo maty toy izay hampiasa herisetra. Izay hanararaotra ny fahatsoran’ny hafa kosa, dia “tsaratsara ho azy ny tsy teraka”, mila loza izy satria fiainana tsy misy fotony no azy (and. 22).
Ny fijerin’i Jesoa maneho fitiavana satria mahafantatra ny ao am-pon’ny olona (emblepò) no naha-latsa-dranomaso an’i Piera, nahatadidy fa ny fitiavana no lalana tokana mitondra amin’ny fahasambarana ary io fitiavana io no ho entiny hankaherezana ny rahalahiny rehetra.
Ireo olona nitana an’i Jesoa nanao azy fihomehezana, ny faharatsian’ny olona dia azo fintinina amin’ny fomban’i Heroda daholo: faly izy nahita an’i Jesoa, hoy ny Evanjely, satria noheveriny fa tahaka ny mpanao fahagagana rehetra i Jesoa ka hiara-hiasa aminy hampandroso voninahitra azy, saingy tsy namaly azy na indraim-bava aza i Jesoa ka rehefa tsy misy ilàna azy ny olona dia azo atao toy ny fako. Firifiry ny olona mba mabgataka fanampiana, mampiasa teny mamy sy manasohaso, fa rehefa tsy mahazo izay ilainy dia manesoheso sy manaratsy no atao.
Ny fahefana ananantsika anefa dia avy any ambony ka loza ho antsika ny hampiasa izany ho amin’ny zavatry ny tany na sanatrian’izany hitadiavana ny tombontsoan’ny tena manokana. Ny hahita an’i Jesoa hanao fahagagana no naha-may an’i Heroda Antipa. Rehefa tsy nahazo valinteny na kely akory aza tamin’i Jesoa izy dia niova ho havinirana ny hafaliany, ka notebahiny (ἐξουθενέω exoutheneo, notsinontsinoaviny, nataony toy ny tsy misy) i Jesoa.
Ho an’i Pilaty sy ny vahoaka, aleo i Barabasy toy izay Jesoa. Firifiry ny Barabasy fidintsika eny amin’ny fiaraha-monina noho ny tahotra na noho ny tombontsoa manokana! “Zanaky ny rainy” moa no dikan’ny Barabasy, fa i Jesoa koa no ilay Mpanompon’YHWH izay efa hatolotra hanehoan’Andriamanitra ny fomba fitiavany antsika (Izaia 53, 6.12). Tsy ny Apôstôly fa Simona avy any Sirenea, raim-pianakaviana efa reraky ny asa nikasa hamonjy ny an-kaniny no noterena handray anjara amin’ny asam-panavotana antsika.
Ambaran’i Lioka antsika, amin’ny fanehoana ny fahafatesan’i Jesoa eo anelanelan’ny jiolahy roa fa ny farahidiny sy ny olona atao faneso eo amin’izao tontolo izao no niarahan’ilay Andriamanitra nitoetra: vao teraka izy dia ny mpiandy ondry no nitsaoka azy (Lk 2, 16); ny poblikana sy ny vehivavy janga no niarahany nisakafo (Lk 7, 34) ary olon-dratsy roa no niresaka taminy farany (Lk 23, 43). Izy no ilay “olo-marina” (Lioka) satria izy no tena “zanak’Andriamanitra” (Matio sy Marka), izy no tena Barabasy.
Ho haintsika anie ny hiaina ity Herinandro masina ity, hahatonga antsika ihany koa ho olo-marina, ho zanaka taha-dray, haneho ny endrik’Andriamanitra amintsika.