ALAHADY SAMPANKAZO TAONA B
- Md Marka 11,1-10
- Izaia 50,4-7
- Salamo 21
- Filipianina 2,6-11
- Md Marka 14,1-15,47
Isan-taona isika dia mankalaza ny Sampankazo, na ny marimarina kokoa mamerina ny fihobiana an’i Jesoa niakatra tao Jerosalema toy ny nataon’ireo mponin’i Jerosalema, henemana mialoha ny Paka (Mt 21,1-11 Taona A/ Mk 11,1-10 na Jo 12,12-16 Taona B/ Lk 19,28-40 Taona D). Mialoha ny Vavaka Fanamasinana ny “Sampankazo” anefa dia ventesintsika ilay antsa nataon’ny Zanak’Israely hoe: “Hozàna! Hosoavina anie Ilay avy (tonga) amin’ny Anaran’ny Tompo; Hosoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao; hôzana any amin’ny avo indrindra” (Mk 11,10).
Nankalazain’ny mpino tany Jerosalema ny nidiran’i Jesoa tao araka ny notantarain’ny Evanjely (Lk 19,28-40), ka nanao prôsesiô niainga avy eo amin’ny Tendrombohitra Oliva miakatra mankany an-tanàna izy ireo, dia avy eo nankany amin’ny Fasana nandevenana sady toerana nitsanganan’i Jesoa ho velona. Ireo tany Rôma kosa dia nankalaza ny fijaliana niaretan’i Jesoa ho antsika noho ny fanekeny ny sitrapon’ny Ray (Passio) sy ho fanehoany ny fitiavana lehibe indrindra. Ireo fety roa ireo no ankalazaintsika miaraka anio.
Tsy fahatsiarovana ny fidirana ao Jerosalema fotsiny anefa no atao fa mampahatsiaro antsika koa fa mpivahiny isika mizotra any amin’ilay Jerosaleman’ny Lanitra, manaraka an’Ilay Zanak’Ondry, manaiky hijaly sy ho faty, raha izany no takian’ny Fitiavana amintsika (Ap 21,2-4). Mena ny akanjon’ny Mpisorona, manambara ny maha vavolombelon’ny fitiavana azy ka mino fa handresy miaraka amin’i Kristy. Hafaliana àry araka izany no ankalazaintsika fa tsy alahelo. Faly satria nandresy i Kristy ary manavao ny finoantsika fa tsy misy lalan-kafa hahazoana famonjena sy fahasambarana raha tsy ny lalan’ny hazofijaliana dia ny lalan’ny fitiavana izany.
Ndeha hohazavaintsika kely ary ireo fihetsika sy teny mampiavaka ny fotoam-pivavahana amin’ny alahady Sampakazo.
Ny fitaingenana ampondra dia entina hilazana ny fanetren-tena, fa misy heviny hafa koa araka izay lazain’i Osea Mpaminany hoe : “Asora tsy hamonjy anay ,izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tànanay. Ianao, izay ahitan’ny kamboty fiantrana!” (Ôs 14,4). Ny fanetren-tena no ahafahana miantso vonjy avy amin’Andriamanitra, manantena fa avy Aminy irery ihany ny famonjena.
“Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida. Isaorana (εὐλογέω – eulogeô) anie Ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo! Hôzana any amin’ny avo indrindra” (Mt 21,9).
“Hôzàna! 10Hohasoavina (εὐλογέω – eulogeô, nadika hoe isaorana ao amin’i Matio) anie ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo; hohasoavina (εὐλογέω – eulogeô, nadika hoe isaorana ao amin’i Matio) anie ny fanjakan’i Davida raintsika izay efa tonga izao; hôzàna any amin’ny avo indrindra” (Mk 11,9-10).
Inona no hevitr’izany ho antsika? Inona no tonga ao an-tsaintsika isaky ny miventy izany? Ny hoe Hôzàna dia avy amin’ny teny hebrio hōshi’āh nā’ ( הוֹשִׁ֨יעָ֥ה נָּ֑א) izay midika hoe : “vonjeo, izao ankehitriny izao; vonjeo malaky”. Ireo niventy azy tamin’izany dia namerina ny Sal 118,25, ka Ry YHWH ô, omeo (izao nā’ – נָּ֑א) ny famonjena! no nandikana azy.Ny famonjena antenain’izy ireo eto dia ny fiverenan’ny Fiketrahan’i Davida, araka ny nampanantenain’Andriamanitra (Iz 9,6) mba hiorenan’ny rariny sy ny hitsiny.
Ilay Zanak’i Davida (Matio), Mpanjaka avy amin’ny anaran’ny Tompo, Mpanjaka araka ny sitraky ny fony, andrandraina hitondra Fiadanana sy Famonjena izany no hobian’ireo vahoaka betsaka nanaraka an’i Jesoa niakatra avy any Jerikao (Mt 20,29) sy ny Mponin’i Jerosalema tonga nitsena Azy, na dia ireo vahoaka ireo ihany aza, rehefa voasesiky ny hevi-dratsin’ireo Lohandohan’ny Mpisorona, noho ny fialonana (Mk 15,10), nony afaka henemana, no nihorakoraka hanameloka Azy ho faty manao hoe: “Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy” (Mk 15,13). Midika izany fa raha tsy matotra ny finoantsika an’ilay Andriamanitra, ilay hany afaka hamonjy antsika, dia hivily ho azy any amin’ny zava-mandalo (fahefan’olombelona, harena, voninahitry ny tany) no hametrahantsika ny fitokisantsika. Mila dinihina matetika izay “nametrahantsika ny fitokisantsika: i Kristy ilay tsy mivadika mandrakizay” (2Tm 1,12).
Ao amin’i Md Lioka dia izao no voalaza mikasika izay fankalazana ilay Mpanjaka izay: “Hankalazaina (εὐλογέω – eulogeô, nadika hoe isaorana ao amin’i Matio) anie, hoy izy ireo, ny Mpanjaka avy amin’ny anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie amin’ny avo indrindra!” (Lk 19,38). Tsy fiadanana ho an’ny olona ety ambonin’ny tany intsony (Lk 2,14), fa any an-danitra. Ao amin’ny famintinana ny vavaka nataon’i Jesoa dia tsy milaza ny fangatahana mba ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra “ety an-tany tahaka ny any an-danitra” i Lioka. Eto kosa anefa dia heveriko fa manambara amintsika izy fa ny lanitra dia efa andramantsika sahady amin’ny fihobiana an’i Kristy miakatra ao Jerosalema, ka miombom-piadanana amin’ny Lanitra izay rehetra manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. “Fiadanana any an-danitra”.
Ny Tenin’Andriamanitra ankalazaintsika amin’ity Fanompoam-pivavahana ity dia manambara ny sakafo farany hatramin’ny nahafatesan’i Kristy. Araka izany dia azo lazaina ho famintinana ny herinandro masina manontolo. Tian’ny Litorjia avoitra amin’izany fa izay nambaran’i Kristy tamin’ny Fiaraha-misakafo farany, nanomezany antsika ny Sakramentan’ny Eokaristia dia notanterahiny teo ambony Hazofijaliana. Ny Fijaliana nanaporofoan’i Kristy ny Fitiavany antsika no ambaran’ny Eokaristia Masina ankalazaintsika.
Ambaran’i Izaia amin’ny fikaloana ny tononkalo fahatelo mikasika an’ilay Mpanompon’i YHWH fa ny hery avy amin’i YHWH no Vimiaina ho an’ilay Mpanompony, ka hahafahany mankahery ny reraka na dia ao anatin’ny fahoriana ihany koa aza ny tenany (Iz 50,4-7). Amin’ny teniny no ankaherezan’ilay mpanompo an’izay reraka. Tsy teniteny foana anefa fa teny ianarana tsara (לִמּוּד, limmoudh avy amin’ny לָמַד lāmadh, mampianatra). Ny fihainoana isa-maraina ny Tenin’ny Tompo no hianarana izany Teny manala alahelo izany. Avy amin’ny fihainoana ny Teniny no hahafahantsika mahatsapa fa mifanalavitra ny fomba fiheverantsika sy ny fiheviny, mifanalavitra ny fahamarinana heverintsika sy ny fitsarany.
Ho antsika dia ny olona manjakazaka sy manampa-pahefana no ambony sy hajaina. Ho an’Andriamanitra kosa, ny Mpanompony voakapoka, ambaniana (ongotana volom-bava), latsaina sy tsiratsiraina (roraina), resy, izany mpanompo izany no anolorany ny famonjeny, anankinany iraka ary hamarininy, satria maheno mandrakariva ny Feony io mpanompo io, ka matoky Azy ary milaza hoe: “Ny Tompo Andriamanitro mamonjy ahy ary fantatro fa tsy ho menatra aho”.
Sitrapo tanteraka anefa ary safidy no nanekeny hietry (ho lasa tsinotsinona) toy izany, hoy i Paoly milaza ny nataon’i Jesoa, ilay Mpanompo ankalazaintsika anio, ary izany no nahamendrika Azy hiditra ny voninahitr’Andriamanitra (Fil 2,6-11), ka hahatonga ny fiainana ho fisaorana, ho fitoriana sy fankalazana ny Anaran’Andriamanitra (Sal 21).
Araka ny Lovam-panahy ao amin’ny Eglizy dia ny Fandinihana ny Fijalian’i Jesoa no loharanon’ny fanamasinan-tena. Haintsika tsianjery ohatra ny Vavaka fanaon’i Md Alfonso Maria de Liguori eo anatrehan’ny hazofijalian’i Kristy: « Ry Jesoa tsara fo sy mamiko indrindra…” Tsy ny fijaliana amin’ny maha fijaliana azy anefa no tokony hobanjinina fa ny fitiavana nanosika azy hijaly. Izay mahatsapa izany fitiavana izany no afaka mampifanaraka ny fiainany amin’ny maha kristianina azy marina tokoa.
Izay no tsy tokony hanaovana ambanin-javatra ny fandinihana ny fijalian’i Kristy, satria izay no lalana hahatsapantsika ny fitiavany antsika. Tsy afa-misaraka amin’ny fijalian’ny olombelona rehetra koa anefa ny fijalian’i Kristy. Atolotsika azy ny fijaliantsika sy ny an’ny olombelona rehetra vokatry ny valan’aretina (tamin’ny Covid 19 ohatra), ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny olona maro ary hosanatriavintsika mpianatr’i Kristy ny hanararaotra ny fahasarotam-piainana hametsena ny hafa na hitadiavana tombony ho an’ny tena. Fankalazana ny Paka ny fiaraha-mandresy ny fahotana miakara amin’i Kristy.
Anisan’ny fankalazana izany fandresena izany ary didin’ny Eglizy ho antsika koa moa ny milaza amin’ny pretra ny fahotana rehetra na dia indray maka isan-taona ihany aza, ary ny manao Kômonio tsara amin’ny Paka. Ny Sakramentan’ny Fibebahana sy ny Fampihavanana no ankalazantsika izany. Ampahatsiahivin’ny Papa amintsika fa misy endrika telo mifampiankina amin’izany fankalazana izany; ary tsara hotsaroana fa tsy tahaka ny hoe handeha ho any amin’ny mpandoko mba hanala ny pentina misy amin’ny akanjoko, tsy akory ny hoe handeha hikônfesy. Dinihontsika tsara, hoy ny Papa, hoe inona ity Sakramenta ity. Ny zavatra voalohany ambaran’ity Mistery ity dia ny fametrahana ny fiainana manontolo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izany hoe ny fihaonana amin’ny Famindram-pon’Andriamanitra, ka ny alahelo marina tokoa amin’ny fahotana vita no marika hahalalana izay fametrahana fitokisana amin’Andriamanitra izany.
Ny dingana faharoa kosa dia ny fiainana izany sakramenta izany amin’ny fanekena hovan’ny fitiavana, dia ilay fitiavana mamela ny helotsika maimaim-poana, ilay fitiavana nanoloran’i Kristy antsika ny Eokaristia ary nanolorany ny Tenany teo ambony hazofijaliana. Tsy afaka ny tsy hiova izay nihaona tamin’ny fitiavana marina. Ny filazana ny fahotana no marika hahalalana sy anambarana izany fiovana izany: lazaina am-pahatsorana, apetraka ao amin’ny famindram-pon’Andriamanitra ny fahotana rehetra satria avelany avokoa.
Ny dingana fahatelo hiainantsika marina tokoa izany fahasoavana izany dia ny fampifanarahana ny fiainantsika amin’ny fitiavana itiavana antsika. Izay nahatsiaro fa notiavina, dia tsy afaka ny tsy handray koa ny rahalahiny, tsy afaka ny tsy hanala alahelo ireo mijaly; izay voavela heloka tsy afaka ny tsy hamela heloka.
Marina, hoy ny Papa François, fa tsy afaka hamaly fitia an’Andriamanitra isika satria zavaboary eo anatrehan’ny Mpahary azy, saingy tsy azo lavina fa misy sehatra hahafahantsika mitia mandrakariva ireo rahalahy sy anabavy, ary izany fitiavana izany no hanaporofoantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra koa.
Raha iverenana ny lazain’ny Evanjely, mitantara ny Fijalian’i Jesoa Kristy Tompo araka an’i Md Marka dia ireto no azo zaraina, hanampy antsika hivelona izany misterim-pitiavana izany:
I Md Marka moa nanoratra ny Evanjeliny mba hankaherezana ireo kristianina izay nisedra ny mafy amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana, manoloana ny fialonana sy ny fanenjehana nihatra tamin’izy ireo. Amin’ity Taona B ity isika dia mibanjina ny firaisantsika aina amin’i Jesoa, Ilay Kristy, Zanak’Andriamanitra (Mk 1,1), olona mitovy amintsika ary lazain’ny Evanjelista fa nihoron-koditra sy ory indrindra nanoloana ny fijaliana sy ny fahafatesana tsy maintsy hatrehiny. Milaza amintsika izany fa ny fahoriana zakaintsika manoloana ny adim-piainana no niainan’i Jesoa.
Ampitain’ny Evanjely amin’ny mpanara-dia an’i Jesoa fa tahaka ny Mpampianatra azy izy ireo, tsy afaka ny handresy ny ratsy amin’ny fampiasan-kery, tahaka an-dry Piera mandray sabatra, manampy trotraka ny olana hovahana, dia avy eo mitsoaka mandositra. Izay mampiasa herisetra mba hitakiana ny rariny na hampanjakana izay heverina ho hitsiny dia tsy manatona fa manalavitra ilay Mpampianatra.
Ambaran’ny Evanjely fa tsy ny vahoaka ihany fa ny mpianatra koa aza, nandositra ka namela irery ny mpampianatra. Tsy irery anefa Izy. Ny Sal 22 dia vavaky ny vavolombelona mahatoky, vavaka nataon’ny mpanoratra ny Evanjely teo amin’ny molotr’i Jesoa mifantsika: Andriamanitra o! Nahoana no dia nilaozanao aho? Ianao mihaino vavaka ka hisaotra anao eo afovoan’ny rahalahiko aho, hankalaza anao eo anivon’ny Fiangonam-be.
Indraindray isika mangina manoloana ny fiampangana ka tsy milaza ny marina satria matahotra ny ho very namana na ho very tombon-tsoa. Ny an’i Jesoa anefa dia fahanginana hanehoany ny heriny, hampianarany antsika tsy hisendaotra manoloana ny fanarabiana, tsy hiteniteny foana, na hamoron-dainga manoloana ny fanebahana sy ny fanalam-baraka, ka hahafahana hijoro ho vavolombelona mahatoky, hanambara ilay fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika. Antsoiny isika hisafidy, na homba izay miala eo ambony hazofijaliana na homba izay maty eo ambony hazofijaliana tahaka azy.
Izany no ilay nohasoavina, ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo.
Ilay kapiteny nitsangana tandrifin’i Jesoa no nanambara ny fiekem-pinoana voalohany fa Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io (Mk 15,39), kanefa ho an’ny lehiben’ny Mpisorona sy izay matahotra ny mbola ho voaelingelina amin’ny fisian’i Jesoa ka mba tsy hisalasalana ny amin’ny fahafatesany, dia aleo lefonina ny Fony (Jo 19,34).
Fotoana handinihana marina tokoa àry izao hoe: Iza i Jesoa ho antsika! Aiza ny toerana nomentsika Azy eo amin’ny fiainana… Ary raha mankalaza ny Fijaliany isika, efa nampitandrina antsika Izy, tsy hitomany ny Fijaliany fa ny fahotantsika (Fijanonana 8 // Lk 23,28).
Moa ve ao amin’i Kristy tokoa no hiandrasantsika ny famonjena? Sa sanatria ny vola aman-karena, ny haja amam-boninahitra amam-pahafinaretana no hobìntsika hoe: “Hôzàna!” ka andrasantsika izay tsy izy, satria zary mameno ny fontsika!
Lazain’i Kristy fa raha tena mpianany isika, dia ny Hazofijaliany no ho reharehantsika, ka hampahatsiaro antsika fa tsy ny hafinaretana na ny fanaranam-po amin’ny fananana sy ny sitra-po no hahasambatra antsika ka hampisy hasiny ny fiainana, fa ny FITIAVANA. Ka raha sanatria, fijaliana no tsy maintsy hosedraina ho tambin’ny fitia, dia hozakaina am-pitsikiana, satria na isika aza mba notiavina koa, satria “fony isika mbola mpanota no maty ho antsika ilay tia antsika dia i Kristy arahintsika” (Rm 5,8-9).
Ny Herinandro Masina no hankalazantsika ny faharavan’ny fanompoana Andriamanitra manao fahagagana mba hidinany ka hanavotany ny tenany avy eo ambony hazo: “raha zanak’Andriamanitra Izy dia aoka hidina ka hamonjy ny tenany ka hino Azy izahay”. Ny Andriamanitra inoantsika dia nijanona teo ambonin’ny hazo ary notrobahin’ny miaramila tamin’ny lefona ny fony, mba tsy hisalasalana fa maty Izy. Saingy ny fahafatesany no zary odifaty ho antsika.
Tsy ody gasy ny sampankazo, tsy tapa-kazo fa sampan-kazo hahatsiarovana ny fankalazana anio, hanamafisantsika ny maha mpanjaka an’i Kristy ka Izy irery ihany no harahintsika amin’ny fomba fiainana, amin’ny fomba fihevitra… Tsy sanatria voafetran’ny fihetsika ivelany ny fanomezan’Andriamanitra ny Fahasoavany ho antsika; ireny dia mampahatsiaro antsika ny fahasoavana efa narotsak’Izy Mpanjakantsika ao am-pontsika, miaraka amin’ny Fanahiny.
Ny fiainantsika àry no atolotsika mba ho lalana hodiavin’Andriamanitra hanehoany ny voninahiny. Ny fanatonana ny Lakroà ao an-trano, na eny am-bozona dia tokony hanampy antsika hahatsiaro izany fitiavana izany ka mandrisika antsika hiaina ny tena maha kristianina antsika, handà tena, hitondra izay fijaliana takian’ny fitiavana amintsika ary hanaraka an’i Jesoa amin’ny lalan’ny Voninahiny.