Alahady IV Fankalazana ny Paka (Taona D)
Nandritra ny herinandro fahatelo fankalazana ny Paka no namakiana ny toko faha-6 manontolon’i Joany nampianaran’i Jesoa antsika ilay Mofo avy any an-danitra, antoky ny fiainana mandrakizay ho an’izay mihinana Azy.
Ny alahady faha-efatra, alahadin’ny Mpiandry Ondry tsara, dia vakiana kosa ny Evanjely araka an’i Joany (Jn 10, 1-30) : i Jesoa ilay vavahadin’ny ondry (taona A : Jn 10, 1-10), mahafohy ny ainy ho an’ny ondriny (taona B : Jn 10, 11-18) ary manome ny fiainana mandrakizay izay manaraka Azy (Taona D : Jn 10, 27-30). Izany no antony hivavahana manokana ho an’ny mpitondra Fiangonana sy ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy ho relijiozy amin’ity alahady ity, mba hahafahan’izy ireo hijoro ho vavolombelona hahatarika ny vahoaka hanaraka ilay Mpiandry tokana ihany dia i Kristy.
Ny fanirian’ny olona dia ny mba hisy mpiaro, ny hahita olona azony hihazakazahana raha sendra ny sarotra sy ny manahirana. Indraindray anefa miantsampy eny an-tanan’ny olom-pamitaka sy jiolahy, manararaotra ny androm-pahalemena sy androm-pilàna mba hamitahana, hangalarana sy hanandevozana. Mba tsy hampilatsaka anatin’izany fandrika izany dia mila mahay manavaka ny feon’ilay Mpiandry ondry tsara tarehy (καλός kalos), mba hahafahana mandry ivohon’ny vato satria Izy no afaka manome ny fiainana mandrakizay izay manaraka azy.
I Jesoa no varavaran’ny fiainana, « tonga mba hananan’ny ondry ny Fiainana, sady hananany azy amin’ny hafenoany » (Evanjely).
Hatramin’ny taona 1964 dia natokan’ny Papa Paoly VI hivavahana manokana momba ny fiantsoan’Andriamanitra ny andro anio (alahady IV Paka). Amin’izany fivavahana izany anefa dia indraindray voafetra ihany ho an’ny Fivavahana ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy Relijiozy. Tsy omena tsiny loatra izany famerana izany satria araka ny efa nolazaintsika, araka ny drafitra “mystagogique” amin’ny vanim-potoan’ny Paka dia natao handinihana ny sakramentan’ny Filaharana ity alahady ity.
Amin’ilay vavaka ataontsika ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra (Dera pejy 314),[1] dia fangatahana « mpiasa » ho an’ny Fiangonana no ataontsika : pretra masina, relijiozy mahafoy tena, Apôstôly lahika vonton’ny fitiava-namana. Adidintsika ny mivavaka ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra, ary tsy azo adinoina fa tokana ny antso lohaloha lanitra hifanojoan’ireny antso rehetra ireny dia ny fahamasinana: ny “ho masina tahaka ny Raintsika izay Lavorary” (Mt 5, 48).
Amin’ny hafatra manokana nosoratan’i Papa François amin’ity andro faha 59 hivavahana ho amin’ny fiantsoan’Andriamanitra ity, dia ampahatsiahiviny isika, fa manoloana ny rivo-mahangoly entin’ny ady sy ny fanaovana kely tsy mba mamindro, hifampiandaniana mba hiarovana ny tombontsoa manokana, dia voaantso ny olombelona rehetra hanorina ny fianakaviana tokana mifanaraka amin’ny maha-olona, hamehezana ny fery sy hanorenana ho avy tsaratsara kokoa. Ampahatsiahivin’ny Papa ny tenin’ny Mpanao sikotra malaza, Michel-Ange Buonarroti hoe: “ao amin’ny bolongam-bato tsirairay dia misy sarivongana, ka anjaran’ny mpanao sikotra ny mizaha izany”; ary avy amin’ny ohabolana tatsinanana milaza fa “mahita voromahery ao amin’ny atody ny olon-kendry; mahita hazo ao amin’ny voa afafy; mahita olomasina ao amin’ny mpanota”, dia ampahatsiahivin’ny Papa fa toy izany no fijerin’Andriamanitra antsika tsirairay avy, ka hiasany tsy an-kiato mba hahafahan’ny tsirairay mamokatra ho an’ny soa iombonana.
Tahaka ilay zatovo lazain’ny Evanjely Marka isika, hoy ny Papa: “nijery azy i Jesoa ka tia azy” (Mk 10, 21). Rahefa mahatsapa isika tsirairay avy fa misy olona mijery antsika ka tia antsika, tia ny hivelaran’ny hery miafina ao amintsika dia izay no hahafahantsika mivelatra amin’ny maha-izy ny tena, araka an’Andriamanitra, fa tsy araka izay mety ho vinavinan’ny tena. Tsy hoe antsoina tsirairay fotsiny anefa isika, fa antsoina miaraka, con-voqués, ka tahaka ny vatokely andrafetana ny môzaìka isika, samy manana ny hatsaràny saingy tsy afaka haneho ny sary ambarany raha tsy miaraka; sahala amin’ny kintana, samy manana ny famirapiratany, saingy mba ho telonohorefy manoro sy manazava ny lalana, dia mila mivondrona. Tsy ny hisafidianana ny endri-panompoana fotsiny araka izany no hivavahana, hoy ny Papa, fa indrindra indrindra mba hanambarana ny hery hanatontosana ny “revin’i Jesoa”, hanorina firahalahiana “mba ho iray ihany izy rehetra” (Jn 17, 21), ka na ao amin’ny filaharana mba hiasana ho fitaovan’ny fahasoavana sy ny famindram-pon’i Kristy, na ao amin’ny fiainana voatokana hankalazana ny voninahitr’Andriamanitra sy ho mpaminany hanambara ny fahatanerahan’ny olom-baovao, na ao amin’ny fiainan-tokan-trano, haneho ny hakanton’ny fifanoloram-pitiavana, hampita sy hanabe ny aina, dia samy antsoina hijery ny hafa sy izao tontolo izao amin’ny mason’Andriamanitra, ka hanompo ny soa sy hampiely ny fitiavana, amin’ny asa sy ny teny”.
Ao amin’ny hafenoan’ny fiainana tian’i Kristy ho antsika rehetra no hahafahana manandrana koa ny hafenoan’ny hafaliana. Ny lalana mankamin’izany dia alalinintsika amin’ity herinandro faha-efatra ity, amin’ny famakiana ny toko 10-13 n’ny evanjelin’i Joany : ny fihainoana ny tenin’i Kristy sy fitandremana azy no fanazaran-tena hahafahana manavaka ny feon’Ilay Mpiandry tokana amin’ny feo hafa rehetra mety hamitaka. Tsy mora ny hiaino ny Teniny ao anatin’ny tabataban’ny tontolo manodidina antsika.[2] Ny fahazotoana mihaino ny fampianaran’ny Apôstôly (διδαχή didaché), iray amin’ireo andry efatra ijoroan’ny Eglizy (Alahady II Paka Asa 2, 42-47) no azo antoka indrindra hikolokoloana ny sofina tsy ho voafandriky ny fanangolen’i Satàna.
Sarotra ny hanaraka Andriamanitra mitafy ny fomban’olombelona, miray petsapetsa amin’ny mpanota, mitady ny soa ho an’ny vahoaka nefa toa tsy niraika akory rehefa nivadiany sy nohorakorahany mba hofantsihana amin’ny hazofijaliana, ary rehefa voasambotra sy nentina am-patorana, ary toa tsy mamaly sy tsy manohitra akory, tsy mahagaga raha fanintelony no nilaza ho tsy nahafantatra Azy hatramin-dry Piera (Mk 14, 71).
I Jesoa Mpiandry ondry tsara tarehy.
Asa 13, 14.43-52/
Salamo 99/
Apok 7, 9.14b-17/
Md Joany 10, 27-30
Ny Vakiteny voalohany dia mitantara ny “dia” misioneran’i Paoly sy Barnabe, niala tany Antiokia ka tonga tany Antiokian’i Pisidia (andrefan’i Turchie ankehitriny), ary nitory teny tao amin’ny Sinagoga ny andro Sabata. Vakiana amin’ny alakamisy sy zoma moa ny lahatenin’izy ireo izay nitantara ny asa mahagaga nataon’Andriamanitra tamin’ny Vahoakany ary ny nahatanteraka ny fampanantenana nataon’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy, ilay novonoin’ny lohandohan’ny mpisorona noho ny tsy fahalalana fa kosa mba hahatanteraka ny Soratra Masina. Ny Sabata manaraka, raha tonga hihaino ny Tenin’Andriamanitra ny tao an-tanàna manontolo dia zavatra hafa no nitranga: ho an’ny Jody dia tsy azo ekena izany Andriamanitra maty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izany, fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany. Tsy faharatsiana loatra fa izay no masaka tao an-tsain’izy ireo, saingy ny fandavan’izy ireo no nanosika kosa ny Apôstôly roa lahy hitodika amin’ny Jentily, mba hampitatra ny fitoriana hatrany amin’ny fara vazan-tany. Tsy Samaria sy Jodea intsony, na ny Jody am-pielezana no handray ny Evanjely fa ny hafa firenena koa.
Ambaran’i Lioka ny herin’ny Teny izay miely eran’izany tany rehetra izany, ka mameno hafaliana ny fon’izay mandray azy. Na izany aza anefa, izay mitory ny Teny, araka ny tena izy, dia tsy afaka ny tsy hanana fahavalo manohitra. Ny vehivavy tia vavaka no namporisihan’ny Jody hanenjika an’i Paoly sy Barnabe, hialany amin’ny taniny. Tsy midika inona ny fitiavam-bavaka araka izany raha tsy mazava ny endrik’ilay Andriamanitra ivavahana. Mety hitranga amin’ny Eglizintsika koa izany, olona mpandray anjara mavitrika amin’ny asam-piangonana sy ny fivavahana nefa mitsangana ho vavolombelona hiampanga ny mpitoriteny.
Ny salamo setriny moa, ny salamo 99 dia tononkiram-piderana (מִזְמ֥וֹר לְתוֹדָ֑ה), tononkiram-pisaorana manampy antsika hahazo ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny hahalan’izao tontolo izao fa fitiavana Izy: hobio Izy Tompo (YHWH) ry tany tontolo. Tsy anarana, hoy Md Justin no ampiasaina hiantsoana an’Andriamanitra [3] fa fiantsoana Azy vokatry ny fahatsapantsika izay nataony tamintsika. Ny nadika hoe “hoby” eto, izay hanasana ny tany tontolo, dia teny entina ilazana ny hobim-pandresena, entina hanomezam-boninahitra ny Mpanjaka noho ny fanamafisana indray ny fahefany amin’ny nandreseny ny fahavalo, ka izay manaiky azy ho mpanjaka dia antsoina koa “hanompo” azy an-kafaliana, ary ny teny nadika hoe hafaliana aza moa, שִׂמְחָה (simHah) dia ilazana koa ny hasambarana, satria olon’afaka no antsoina ho hanompo, izany hoe hiasa (עָבַד `abad) ho Azy. Izay manaiky ny hery sy ny fahendren’Andriamanitra ka mandray Azy ho Mpanjaka dia voaantso hanandrana ny hasambarana eo am-panompoana Azy.
Tsy zavatra sarotra izany, satria ny fanaovana ny sitrapony no fanompoana Azy, ary ny hahasambatra ny olombelona rehetra no sitraky ny fony; ny fanarahana Azy, ny fahatongavana eo anatrehany dia sahala amin’ny fiangonan’ny ondry manodidina ny mpiandry azy, manantena vilo-maintso ho sakafo ivelomana. Ny fahatsapana fa tsy mivadika mandrakizay ny fitokisany (אֱמוּנָה ’emuwnah, amen) no hahafahantsika maharitra ao amin’ny hafalian’ny fanompoana Azy. Ahoana no hahafahana mahazo izay, raha sanatria ao anatin’ny fanenjehana?
Anatrehan’ny fijaliana, manoloana ny zava-mitranga tsy takatry ny sain’ny olombelona, dia manokana toko 4 ny Bokin’ny fanambaran’i Md Joany (Apok 5-8), hilazana fa misy boky mirakitra ny tsiambaratelon’ny fijalian’ny olombelona kanefa tsy misy olona afaka ny hamaha ireo tombokase fito hahafahana mahalala ny anton’ny fijaliana sy ny hevitr’Andriamanitra manoloana ny fahorian’ny olony. Ambaran’i Joany kosa anefa, fa ilay Zanak’Ondry voavono ho faty no fanalahidy, Izy no hanokatra ny Boky ka hamaha ny tombokase tsirairay ary hampiseho amintsika ny hevitra miafin’ny fiainantsika.
Ny Vakiteny anio dia mitantara izay mitranga taorian’ny famahana ny tombokase faha-enina: ny fokom-pirenena rehetra mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’Ondry, miakanjo fotsy, mariky ny hafaliana sy ny hadiovana, ary mitana sampan-drofia, mariky ny fandresena. Iza ireo? Olona avy amin’ny fampijaliana lehibe, nanasa ny ankanjony tamin’ny ran’ny zanak’ondry. Rà ve no hanasana akanjo? Ambaran’i Joany amin’izany fa izy ireo no nanaraka ny zanak’ondry amin’ny fanomezana ny aina sy ny fiainana ho an’ny hafa, tamin’ny fanahafana ilay Zanak’Ondry.
Milaza ny fahatanterahan’ny Salamo ny vakiteny II: vahoaka be tsy azon’olona isaina, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia. Fahatanterahan’ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama fa ho tahaka ny kintana sy ny fasika ny taranany (Jen 15, 5). Ary na izany aza ny hamaroany dia tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa, efa nambaran’Izaia Mpaminany moa izany (Iz 49, 10) satria ilay Mpanjaka feno fitiavana no mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana eo afovoan’Izy ireo, ilay Zanak’Ondry no ho mpiandry azy ireo. Eny, tamin’ny nanomezany ny ainy, hivoaka ho any ivelan’ny vala, no itarihan’i Jesoa izay te ho mpianany any amin’ny loharano velona ka tsy ho noana na hangetaheta intsony izay manaraka Azy. Ataony ahoana ary no fiaro ny ondriny raha Izy aza maty novonoina?
Ambaran’i Joany mazava fa mpiandry ondry vonona ny hahafoy ny ainy ho an’ny ondriny Izy. Ny fitiavany maimaim-poana ny andian’ondriny no anomezany ny fiainana ho azy ireo, ka tsy ho very na oviana na oviana ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanany. Tsy misy afa-tsy Izy no mpiandry ondry, ary ondriny, mahafantatra ny feony izay rehetra mahafoy ny aina ho an’ny hafa, ho fanarahana ny dian’ilay Mpiandry tokana.
Raha vakiana ny Evanjely manontolo hatramin’ny voalohany, na dia ny Farisianina aza no itenenan’i Jesoa, dia ambaran’i Joany mazava fa tsy maintsy manazatra ny sofintsika isika raha te hanavaka ny feon’ilay Mpiandry tokana amin’ny feon’ny mpamitaka izay mampanantena tsy misy, mba hahazoana ny fontsika sy ny fananantsika tahaka ny nolazaiko teny am-piandohana, tsy hitondra amin’ny fiainana fa amin’ny fahafatesana.
Tsy mora anefa ny manaraka ny feon’i Jesoa satria tsy mampanantena fandresena na voninahitra na harena araka an’izao tontolo izao Izy, amporisihiny izay te ho mpianany hifanompo, hifanasa tongotra, handà ny tena sy hitondra ny hazofijaliana isan’andro. Tsy misy lalan-kafa hahatongavana amin’ny fianana mandrakizay ankoatra izany “varavarana ety” izany (Mt 7,14). Efa maro ireo nieritreritra hitady fahasambarana amin’ny fihainoana ny feon’ireo mpangalatra sy jiolahy izay tonga “hangalatra sy hamono ary handringana”, fa farany mahatsapa ihany fa fahadisoam-panantenana no ao ambadiky ny varavarana malalaka sy migodàna be mpiditra (Mt 7, 13).
I Jesoa no varavarana hahafahana mivoaka sy miditra, hiainana am-pahalalahana tanteraka. Ny fandalovana Aminy no hahafahana miditra amin’ny hafenoan’ny fiainana. Amin’ny adihevitra hitadiavana ny marina araka izany, dia izay mifanaraka amin’ny Evanjelin’i Kristy no marina fa tsy izay mety ho fironan’ny sain’ny be sandry na ny maro an’isa tsy akory. “Atoroy ahy ny toko sy ny andininy milaza izany, ao amin’ny Evanjely, fa harahiko ara-bakiteny”, hoy i Md Philipe Neri, tamin’izay nihevitra ny hanoro hevitra azy. Izay te hahay hanavaka ny feon’i Kristy dia tsy maintsy mitombo fitiavana sy manokana fotoana handalinana ny finoany ao amin’ny Evanjely sy ny Fampianaran’ny Eglizy.
Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy vaovao ny filazana an’YHWH ho “Mpiandry an’Israely” (Salamo 80, 2), mpiandry mitondra ny ondriny amin’ny tanim-bilona (Sal 22), mitrotro ny zanak’ondry ary mandroaka miadana ny reniondry (Izaia 40, 11).
Satrintsika ny hanana Andriamanitra mangeja antsika ao an-tranony, manome ny fahasoavana rehetra ilaina, ary miaro antsika amin’ny loza rehetra, ka mety hahavita hikapoka aza raha sanatria misy te hivoaka ny vala. Sarotra ho antsika ny hahita raim-pianakaviana hamela ny zanany handao ny trano miaraka amin’ny anjara fananany, ka handany izany amin’ny ny fitondran-tena ratsy sy ny vehivavy janga (Lk 15, 13.30). Fa vao mainka manahirana ny hihevitra fa hanaovana fety ny fiverenan’io zanany io. Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Ao amin’ny toko faha-10 n’ny Evanjeliny dia ambaran’i Joany mazava fa fahalalahana tanteraka, “afaka miditra sy mivoaka”, izany no lazain’i Kristy, satria ao anatin’izay fahalalahana izay no hahafahana mizotra amin’ny fahasambarana, ao no hahafahana manao safidy malalaka, tsy noho ny tahotra ny sazy na noho ny fikendrena valisoa, fa nahatsiaro ho notiavina ka manolo-tena mba hitia marina tokoa. Kanefa haintsika ve ny manavaka ny feon’Andriamanitra, izay tsy azo toerina hoy i Piera (Asa 11, 17)? Haintsika ve ny manavaka ny mpiandry ondry sy ny mpikarama? Izay tsy manaraka an’i Jesoa dia manaraka ny mpangalatra sy jiolahy, ary raha anankinana ondry koa aza izy dia hangalatra sy hamono ary handringana (Ezekiela 34) no imasoany fa tsy ny hanasoa sy ny hamondrona.
Ambaran’ny Evanjely fa ny toetra mampiavaka ny Mpiandry ondry ka mampahatsara tarehy azy dia ny “fahafoizany ny ainy ho an’ny ondriny”. Ny καλός (Kalos) nadika hoe “tsara” moa, raha ny marina dia tsy midika akory hoe mahafinaritra ny maso, raha tsy izany dia ho diso ny faminaniana sy ny famaritan’Izaia ilay mpanompon’YHWH izay tsy nanafina ny tavany tamnin’ny latsa sy ny rora (Izaia 50, 4-9), raha izany dia ho sarotra ho antsika ny hahita fa ny lakroà dia zavatra mahafinaritra ny maso. Tsara (kalos) izay mifanaraka amin’ny maha-izy azy, tsy misy fitaka ary mijoro hatramin’ny farany, amin-kerim-po amin’izay iraka nampanaovina azy.
Izay te ho mpianatr’ilay Mpiandry ondry tsara dia tsy maintsy mikolokolo ao aminy ny fitiavana ny ondry, ka tsy ny vola aman-karena no hanaovana ny asa fa ny fitiavana vokatry ny fahalalana ny ondry ka hiarovana azy ireo sy hitadiavana izay mahasoa azy ireo. Tsy afaka ny hitady izay mahasoa ny ondry tokoa manko izay tsy mahalala akory ny ondry.
Arakaraky ny fahalalantsika an’i Jesoa anefa no hahalalantsika koa ny ondry mirafitra ho tena iray Aminy. izay tsy mahalala Azy, hoy ny vakiteny II teo dia tsy afaka ny hahalala akory ireo zanak’Andriamanitra. Izay manara-dia an’i Kristy dia tsy manan-tanjona hafa afa-tsy ny hananan’ny olona rehetra ny fiainana ary ny mba hahahany azy amin’ny hafenoany, tsy ireo mihevitra ho iray vala ihany, fa ny olon-drehetra maniry sy mangetaheta ary mihaino ny “marina”, eny fa na dia izay ondry mania lavitra ny vala aza, hotadiaviny ary hoentiny an-tsangory ao am-bala (Lk 15, 5).
Ambaran’i Joany mazava fa tsy maintsy manazatra ny sofintsika isika raha te hanavaka ny feon’ilay Mpiandry tokana amin’ny feon’ny mpamitaka izay mampanantena tsy misy, hahazoana ny fontsika sy ny fananantsika tahaka ny nolazaiko teny am-piandohana. Tsy mora manko ny manaraka ny feon’i Jesoa satria tsy mampanantena fandresena na voninahitra na harena izy, amporisihiny ny mpianany hifanompo, hifanasa tongotra, handà ny tena sy hitondra ny hazofijaliana isan’andro. Tsy misy lalan-kafa hahatongavana amin’ny fianana mandrakizay ankoatra izany.
Ny maha-iray an’i Jesoa sy ny Ray, ny fiombonany izay iriany mba ho fiombonan’ny mpino azy koa (Jn 17) dia mampahatsiaro antsika ny lazain’i Md Paoly hoe: tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko (Gal 2, 20). Izay mahalala ny feony ka mino Azy dia tonga iray aina aminy, mitovy fisainana aminy, velomin’ny Fanahiny ka hahavita be lavitra noho izay nataony aza (Jn 14, 12).
Araka ny hafatry ny Papa (2022), angatahontsika ny fahazavan’ny Fanahy Masina mba hahafahan’ny tsirairay amintsika hahita ny anjara toerany ka. Hanome ny tsara indrindra ao aminy mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hamondrona antsika rehetra, ny olombelona rehetra, ho tonga fianakaviana iray miombona ao Aminy.
[1] Sergio Sorgon, Karma. Vavaka ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra
[2] Tadidio ilay vavaka hatory mahalasa saina ny maro sy heverina ho rediredy ihany! Sabotsy hariva (Breviaire français)
[3] Car personne n’est capable d’attribuer un nom au Dieu qui est au-dessus de toute parole, et si quelqu’un ose prétendre qu’il en a un, il est atteint d’une folie mortelle. Ces mots : Père, Dieu, Créateur, Seigneur et Maître ne sont pas des noms, mais des appellations motivées par ses bienfaits et par ses œuvres. Le mot Dieu n’est pas un nom, mais une approximation naturelle à l’homme pour désigner une chose inexplicable. (Apologie de St Justin, Office des lectures Mercredi III de Pâques).