Alahady I Fiaviana Taona A
Ny Vakiteny aroso ny alahady I Fiaviana :
Izaia 2, 1-5/Salamo 121
Romana 13, 11-14
Md Matio 24, 37-44
Aza revon’ny ambany maso fa aoka ho avo fijery.
Ny vavaka fangatahana amin’ny alahady I Fihaviana dia mamintina ny ezaka hataontsika mandritra ity taona litorjika vao atomboka ity : “hahery fo hino an’Andriamanitra, ka ho masim-piainana hitsena an’i Kristy ka ho mendrika hitoetra eo anilany (eo an-kavanany Mt 25) any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra”. Mazava loatra fa ny hahafahantsika hitoetra eo an-kavanan’i Kristy, araka ny Evanjely nosoratan’i Matio (Mt 25, 31-46), vakiteny izay hamaranantsika ity taona litorjika itydia ny soa ataontsika amin’ireo toa niangaran’ny vintana, ny fanehoantsika fitiavana amin’ireo mahantra sy fadiranovana. . Ny fanentanana rehetra araka izany dia tokony hiompana amin’izay fahitana an’i Kristy Mpanjaka izay (amour préférentiel pour les pauvres).
Fotoana fanomanana ny Noely ny Fihaviana araka ny mahazatra antsika : fahatsiarovana ny fahatongavan’ilay Zanak’Andriamanitra ho nofo teo anivon’ny tantara (2000 taona lasa), kanefa koa sady fankalazana Azy mitoetra mandrakariva eo anivontsika, indrindra ao amin’ny Sakramentan’ny Eokaristia sy ny Eglizy, ary fiandrasana ny Fiaviany am-boninahitra izay lazain’ny Evanjely amintsika fa mitaky fahavononana (Mt 24, 37-44). Izany no ambaran’ny loko volomparasy, ampiasaina amin’ny litorjia: fiomanana sy fanantenana efa santarina sahady, na dia sty mbola ao amin’ny hafenoany aza.
Ny toko faha-24 amin’ny evanjelin’i Matio dia milaza ny momba ny farandro sy ny faharavan’i Jerosalema (Mt 24). Mety hahalasa ny saina araka izany ny hoe : fa maninona no vao manomboka ny taona litorjika dia ny Farandro no lazaina? Ireo tebiteby sy ady tantarain’i Matio antsika dia famantarana ihany; amporisihiny isika handinika sy hahatsapa fa misy ny fitsaran’Andriamanitra izay tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’olombelona tsy akory, fa fitsarana mitady ny fomba rehetra hanavotana ny zanany.
Ny Evanjely anio manko dia nentin’i Jesoa namely ny Apostoly nigaga ny hatsaran’ny Tempoly. Mampitandrina antsika izy fa ny hafinaretan’ity fiainana ity mety hampisavoana ny loha tsy hiatrehana ny tena fiainana. Variana mihinana sy misotro tahaka ny andron’i Noe dia tsy miheritreritra akory ny hihavo-tena amin’ny fisondrotry ny rano efa tonga hanafotra; ny kristianina dia antsoin’i Jesoa hitsinjo lavitra, hanao ny asany am-piheverana fa tsy sanatria hanaonao foana, satria na amin’ny samy miasa eny an-tsaha na amin’ny vehivavy miara-mitoto koba dia ny iray ho raisin any iray havela.
Ambaran’ny Mpaminany Izaia (יְשַׁעְיָה Yesha`yah), zanak’i Amosa (אָמַץ ‘amats, matanjaka, be herimpo), amintsika manko (vakiteny I Is 2, 1-5) fa ny firenena manaiky ny Tompo ho Andriamaniny dia hizotra araka ny fahazavany. Ny Jody moa dia tsy maintsy miakatra any Jerosalema isan-taona farafaharatsiny mba hamonjy ny Fety, hanolotra sorona ary hanefa izay voady natao. Raha didy no annaovana izany dia sarotra ny hanana ny hafaliana hitaona ny hafa hiara-mizotra hiakatra ny tendrombohitry ny Tompo, toy izany.
Ho an’izay nahita kosa anefa fa lalam-pahasambarana sy fiadanana no atoron’Andriamanitra, tsy didy fa sori-dalana mitondra amin’ny hafenoam-pahasambarana sy hafaliana no omeny antsika, dia hahalala fa torohevitra mahasoa ny fialana amin’ny ady sy ny fifandirana. Na ny Ntaolo aza efa nahalala fa “ny mitambatra no vato, fa izay misaraka dia fasika fotsiny ihany”. Ny tena fiadanana dia tsy hoe tsy fisian’ny ady, fa ny fiezahana hanambatra ny hery ho tonga fitaovam-pamokarana, hiasana ny tany sy hanangonana ny vokatra.
Mampandini-tena ary tokony hampandinika antsika mpanara-dia an’i Kristy ny fahitana ny vola lany hamokarana fitaovam-piadiana, ny vola sy ny fotoana lany amin’ny fampielezan-kevitra, handresen-dahatra ny olona hitsitokotoko moa raha ny marina, kanefa manahirana ny mahita vola hanampiana ny mahantra sy hanohanana ny fianarana sy ny fampivoarana mba handresena ny hanohanana sy ny habadoana! Ho nofinofy anefa izany Fiadanana izany raha tsy ho zary hafaliana ho antsika ny ho any an-tranon’izy Ray (Salamo setriny 121), ka ho zary fihainoana ny Tenin’Andriamanitra sy ho fanovozana aim-panahy ao amin’ny sakramenta fiangonana alahady, ka hanitsiana ny fiainana mba hifanaraka amin’izany lalam-pahasambarana izany.
Raha jerena koa ny Vakiteny II Rm 13, 11-14 dia fantatr’i Md Paoly fa mbola misy faritra anjakan’ny haizina ihany ny fiainantsika kristianina, ka izany no amporisihany antsika mba hitafy ny fiadian’ny mazava, izay hitafy an’i Kristy mba hahafahana mandresy ny henatra sy ny tahotra vokatry ny alina. Tsy sanatria anefa hilofika amin’ny fahakiviana, hihevitra fa ny andro taloha no tsara noho ny ankehitriny, tsy fahendrena hoy ny Mpitoriteny ny manontany an’izany (Ko 7, 10), fa hatoky ny famonjena izay miroso mandrakariva manakaiky antsika.
Hanomboka ity taom-baovao ity ary isika. Harena sarobidy ho antsika ny hafatr’Izaia amin’ny vakiteny I hoe: ”Avy any Siona no hivoahan’ny Lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’ny Tompo” (Is 2,3b). Tsiyown midika hoe : Tany karakaina, manambara ny olana sy ny zava-mahaporitra ao amin’ny fiainana, Yeruwshalaim midika hoe : fototry ny fiadanana, tanànan’ny fiadanana. Raha alaina ara-bakiteny izany dia izay no fiainantsika : ao anatin’ny fahasahiranana (Siona =tany karakaina) no hanapahantsika hevitra matetika sy hilazana hoe Tsy mahavoa ahy intsony iny, hanao an’izao na hanao an’izatsy aho amin’ny manaraka… saingy tsy maharitra izany fa rehefa misinda ny halahelo sy ny manahirana dia miverina amin’ny “laoniny” (mahazatra) ny fiainana (azo jerena ny ALATSINAINY I FIAVIANA). Aza hadinoina ary fa ao anatin’ny fiadanam-po no tokony hihainoantsika ny Tenin’ny Tompo dia ilay teny tsy ho levona mandrakizay (araka an’i Matio (Mt 24, 35) ka hahafahantsika maharitra amin’ny fanompoana Azy ary hivonona mandrakariva amin’ny hihaviany.
Dia izay no hirariako soa ho anao : Bonne année! Satria ilay andrasantsika dia efa eo anivontsika ary miaraka amintsika mandrakariva manomana ny fiaviany am-boninahitra. I Levì (avy לָוָה lavah) moa no antsoina hoe Matio (Ματθαῖος Matthaios). Hanampy antsika hiala amin’izay mampiraikitra antsika anie ity taona ity ka hahatonga antsika koa ho fanomezan’ilay mandrakizay, hanasoa ny mpiara-belona rehetra.