Alahady fankalazana ny Pantekôty
- Asa 2, 1-11
- Salamo 103
- 1 Korintiana 12, 3b-7. 12-13
- Md Joany 20, 19-23
Pantekôty : pentekostè hemera (amin’ny teny grika) milaza ny andro faha-dimampolo, ilay fety ankalazain’ny Jody fito herinandro aorian’ny Paka, antsoina koa hoe fetin’ny Herinandro, (Eks 34, 22//Lev 23, 15-22 // Det. 16, 9-12) fetin’ny Tompo, andro hahatsiarovan’ny Hebrio ny nipetrahany tany an’efitra tamin’ny tranolay (Tb 2,1). Raha fetin’ny santabokatra izany tany am-pihandohana, dia nanjary fety nahatsiarovana ny Fanekem-pihavanana kosa taty aoriana, izany hoe ny nahazoan’ny Zanak’Israely ny Lalàna (Torah). Tsy mahagaga ary, raha manisy tsindrim-peo amin’ny fomba fisehon’YHWH tany Sinai i Md Lioka rehefa mitantara ny Pantekôty vaovao, ho amin’ny Fiangonan’ny Mpino vao teraka, miorina amin’ilay Fanekem-pihavanana vaovao (Asa 2,1-11), manaiky hanaraka ny lalàna vaovao araka ny Fanahy.
Nony tonga izany andro izany, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apostoly rehetra. ὁμοθυμαδόν (homothymadon) moa no ilazan’i Md Lioka ny hoe tafavory eto, io ihany moa hilazany ny firaisan-tsaina nentin’ireo Apostoly nivavaka tao amin’ilay efitrano ambony (Asa 1, 14). Tsy afaka ny handray ny Fanahy Masina manko izay tsy maharitra amin’ny fivavahana na izay tsy manaiky ho vatana iray ao amin’ny Eglizy, manaiky hiombona ho tena iray, miaraka amin’i Kristy Loha sy Filoha.
Ilay feo avy any an-danitra toy ny rivotra nifofofofo mafy, dia mampahatsiaro ny Zanak’Israely mihatrika ny fisehoan’YHWH (teofania) tany an-tendrombohitra Sinai (Eks 19), mampahatsiaro koa ny efitra lamba tao an-tempoly, triatra nisasaka roa tamin’ny ora nialan’i Jesoa aina (Lk 23, 44-45), ary ho an’i Matio dia miampy ny horohoron-tany sy ny vatolampy nitresaka amin’ny ora nahafatesan’i Kristy (Mt 27, 51), izany rehetra izany no manambara fa tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho izay mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany (Jo 15, 13), izany no manambara ny hafenoan’ny Fisehoan’ilay Teny tonga nofo (plénitude de la Révélation).
Mbola izany fanehoana ny voninahitr’ilay Andriamanitra nanao zavatra maro am-pahakingàna izany ka hifalian’izay entanin’ny Fanahiny no ambaran’ny Salamo setriny. Iraho ny Fanahinao ry Tompo, ilay fofon’ainao, dia havaozinao ny endriky ny tany (Sal 104, 34).
Ny Fanahy manavao ny zavatra rehetra no ankalazaintsika amin’ny Pantekôty. Ilay lelafo (לָשׁוֹן אֵשׁ lashon esh = lela afo) lazain’Izaia fa mandoro sy mandevina izay manipaka ny Lalàn’YHWH sy maniratsira ny Tenin’ilay Masin’Israely (Izaia 5, 24) no zary lela mitarehin’afo (γλῶσσαι ὡσεὶ πυρὸς, glossai Hosei puros) hampianatra azy ireo hiteny araka ny Fanahy. Izany no fankalazana mendrika ny Lalàn’ny Tompo: fandoroana, fanesorana eo amin’ny fiainantsika izay tsy mifanaraka amin’ny fahasambarana atoron’izany Torolàlana (Torah) izany.
Isaky ny mahita ny sarina lelafo eo ambonin’ny lohan’ny Apostoly isika araka izany dia tokony hahatsiaro fa ny Fanahy Masina no afaka mandoro izay rehetra manakana antsika tsy hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ary izay tarihin’ny Fanahy dia hampiasa ny lelany, izany hoe izay lazainy (na amin’ny teny na amin’ny fihetsika sy ny fomba fitondran-tena), mba hampiombona fa tsy hanasaraka. Izay tarihin’ny Fanahy Masina dia tsy afaka ny hitoka-monina fa hiombona ao amin’ilay Jerosalema vaovao. Lazain’i Lioka mazava tsara, henontsika tamin’ny vakiteny I teo, fa monina ao Jerosalema avokoa ny Jody, ny olona mpivavaka rehetra teto ambonin’ny tany (Ἦσαν δὲ ἐν Ἱερουσαλὴμ κατοικοῦντες Ἰουδαῖοι, ἄνδρες εὐλαβεῖς, ἀπὸ παντὸς ἔθνους τῶν ὑπὸ τὸν οὐρανόν).
Ny fahalalana teny samihafa, ny fitenenana teny tsy fantatra (glossolalie) dia tsy natao hisehosehoana sy hizahozahoana, fa mitaky adidy “hitory an’Andriamanitra amin’ny firenena rehetra mba hampiray ny fiteny rehetra hiara-hankatò ny finoana tokana” (prefasy). Tsara ho marihina fa na dia voalaza aza ny fahasamihafan’ny fiteny (Jen 10, 20) dia nohamafisin’ny Jenezy fa tany am-pihandohana dia “iray fiteny sy iray fanononana ny tany rehetra” (Jen 11,1). Ny teny araka izany dia natao hampiombona fa tsy hanasaraka. Noho ny fielezana anefa, dia nihevitra ny olona hanao tilikambo avo mahatakatra ny lanitra (Babela, Bab ilu – azo adika koa hoe vavahadin’Andriamanitra, na avy amin’ny babal, manafangaro) ho famantaram-piombonana. Tsy ny ezaky ny olombelona fa ny fanomezan’Andriamanitra no mampiombona antsika. Tsy afaka ny hiombona na oviana na oviana izay tsy mivory amin’ny trano iray iombonana, izay tsy manaiky hiakatra ao amin’ny Efitrano ambony mba hankalaza miaraka ny Eokaristia (Vakiteny I Asa 2, 1), hikatsaka ny zavatra any ambony any amin’ny itoeran’i Kristy satria niara-maty sy nitsangana tamin’ny tamin’ny Batemy (Kol 3, 1-4).
Tsy hoe sanatria mialona ny fikasan’ny olombelona Andriamanitra satria hoe “tsy hisy na inona na inona hahasakana ny olona tsy hanatanteraka izay kasainy hatao” (Jen 11, 6). Tsy fialonan’Andriamanitra no nampifangaroany ny fitenenana fa vokatry ny fitiavan-tena sy ny avonavon’ny olombelona ihany. Tsy ny fahafahana manao izay tian-katao tsy akory no atao hoe fahafahana (liberté), “libertinage” no hiantsoana izany. Ny fanaovana izay tiana atao dia tsy hitondra antsika ho amin’ny tena fiombonana tsy akory fa vao mainka aza ho amin’ny fisarahana. Ny fikasan’ireo tao Babela hanao tilikambo mba hiombonana indraindray, dia ny fiheveran’izy ireo hiombona amin’ny herin’ny tenany sy ny ezaky ny fisasarany, ka tsy ilàny intsony an’Andriamanitra, ary ny hafa kosa hatao tohatra hiakarana nananika ny tilikambon’i Babela fotsiny ihany.
Fa ny fahasoavan’Andriamanitra kosa no nanorokoro ny fiteniny, nandrava izany kinasa… Ary moa tsy fahasoavana toy izany ve no ventesintsika matetika amin’ny hira hoe : Miantso anao izahay ry Tompo, fa mitady handrava izay kasainay ny Fanahy!!! Ka matahotra izahay… sao fongorany tokoa ny tilikambonay mahatakatra ny lanitra, hiheveranay fa tsy mila Anao intsony izahay hampiombona anay. Mila mandini-tena mandrakariva isika rehefa misy zavatra nokasaina hatao ka rava, sao sanatria vokatry ny fikasan’olombelona fotsiny ihany izany. Mety izany fandravàna izany no fahasoavana hoentin’ny Fanahy hitondra antsika amin’ny Pantekôty vaovao.
Tsy azo adinoina ny lazain’i Md Paoly mikasika ny fitenenana teny tsy fantatra, indraindray ireharehan’ny sasany: “Izay miteny amin’ny teny tsy fantatra dia mahasoa ny tenany ihany, fa izay milaza hafatra avy amin’Andriamanitra kosa dia mahasoa ny Fiangonana… fa raha mivavaka amin’ny teny tsy fantatra aho dia mivavaka ihany ny fanahiko, fa ny saiko tsy mahazo vokatra”. Aleo milaza hafatra avy amin’Andriamanitra toy izay hiteny amin’ny teny tsy fantatra, hoy izy (1 Kor 14, 4-6.14).
I Kristy no Teny zary nofo hampiombona antsika. Izy no Teny tonga Mofo, ka ny Apostoly mitory Azy, mijoro ho vavolombelon’ny fitsanganany dia miteny amin’ny fitenin’ireo firenena 12 vaovao izay entina manambara ny tany tontolo. I Kristy nitsangan-ko velona no manome ny Fanahy, hampianatra antsika fa tsy ny tilikambo ataon’ny tanan’olombelona sanatria no hampiombona sy hitarika amin’ny firaisana (Babela, avy amin’ny babal, manafangaro) fa ny Fanahy Masin’Andriamanitra irery ihany. Izay manaiky hotarihiny no afaka miombona ao amin’ilay Tranon’ny Fitiavana maha-zanaka.
Ny Pantekôty ary, araka izany, dia fiantombohan’ny Fotoanan’ny Fanahy Masina, fahaterahan’ny Fiangonana (jereo ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika n. 766, ka manazava ny fampiasana ny loko mena mitovy amin’ny Zomà Masina). Tsy manafoana fa mandavorary ny Lovam-panahy tao amin’ny Finoana Jody anefa ny Eglizy. Raha ho an’ny Jody dia fetim-pifaliana ny Pantekôty, hanolorana amin’Andriamanitra ny tsara indrindra amin’ny santa-bokatra, mba hisaorana Azy nanome ny Lalàna (Torah), ahoana kosa no hankalazantsika ny Pantekôntintsika?
Ny Vokatry ny Fanahy dia Fitiavana, hoy i Md Paoly mampahatsiaro antsika (Gal 5, 16-25).
Aoka havela eny an-tsaha, hoy ny Lalàna Jody, ny sombintsombiny amin’ny vokatra rehefa mijinja, mba hisy hotsimponin’ny mahantra sy ny vahiny (Lev 23, 22), inona kosa no mba avelantsika ho an’ny mahantra sy ny vahiny amin’ny fombantsika Kristiana, hihoty ny vokatry ny Fanahy?
Mazava loatra fa ny vokatry ny Fanahy izay mitondra fifaliana sy Fiadanam-po io, ka tahirizintsika amin’ny faharetana, ny hamoram-panahy sy ny fahazavam-po, ny finoana (tsy fivadihana) sy ny halemem-panahy ary ny fahalalana onony. Tsy ho filan-dera hitarika filan-kìsa sy fialonana sanatria, fa fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny asam-panafahana, hiekena fa ny marina no maha-olon’afaka (Jo 8, 32) ka tsy misy afa-tsy ny Fanahy Masina no afaka hitarika antsika amin’ny marina rehetra (Jo 15, 26-27; 16, 12-15).
Meteza ary isika hotarihin’ny Fanahy Masina. Tsy sanatria ho fahazarana fotsiny ny miantso ny Fanahy Masina alohan’ny fivoriana, saingy ny hevitra efa tapaka mialoha sy ny hevitry ny tena ho itadiavana fomba hanamarinana azy.
Ampanatsiahivina fa fankalazana an’i Masina Maria Renin’ny Eglizy ny Alatsinain’ny Pantekoty.
- Asa 2, 1-11
- Salamo 103
- 1 Korintiana 12, 3b-7. 12-13
- Md Joany 20, 19-23
Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina
Araka izany fitantaran’i Md Joany izany, dia efa omen’i Jesoa ny Fiadanany sy ny hafaliana ny Mpianatra, ary omeny ny Fanahy Masina mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny asa fanirahana ankinin’ny Ray Taminy ka ankininy amin’ny Mpianatra kosa izao: hitory fibebahana sy famelan-keloka (Lk 24, 47).
Ny misterin’ny famindram-pon’Andriamanitra no manampy antsika hivelona araka ny tena fiaraha-miaina marina mifanaraka amin’ny maha-kristianina antsika. Ny Fiadanana navelan’i Kristy ho antsika no omen’ny Dimbin’ny Apostoly amin’ny fiarahabana ataony: “Homba anareo anie ny Fiadanana”; io no havaozin’ny pretra amin’ny vavaka atao mandritra ny Sorona Masina, fa indrindra amin’ny sakramentan’ny fampihavanana: “efa namindra fo taminao ny Tompo, mandehana am-piadanana… fiadanana izay manokatra ny fontsika koa hihavana amin’ny ratra navelan’ny fahafatesana, hihavana amin’ny tahotra tsy nahasahiana nijoro ho vavolombelona ka hamindra fo amin’ny tena sy ny hafa.
Ny fankalazana izany famindrampon’Andriamanitra izany dia manampy antsika indrindra indrindra hahatsapa ny halehiben’ny fitiavany ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Famindrampony. Nahoana moa no fibebahana sy famelan-keloka? Ny famelan-keloka raha tsy misy fibebahana dia tsy hahasoa ny mpanota velively. Ny fahotana manko dia manimba ny fiainan’ny tena sy ny fiainan’ny hafa mandrakariva. Raha tsy mibebaka ny olona, araka izany dia hitohy ny fahasimbana ateraky ny fahotany. Ny famelan-keloka kosa indray, tsy vitan’ny hoe manokatra ny lalana ho amin’ny fibebahana, fa koa manitsy ny dia ho amin’ny fitiavana marina tokony hiainana.
Nomena fahefana araka izany ny Apostoly, tsy sanatria hanameloka ny olona, fa kosa hampahatsiaro ny sasany fa tsy misy heviny ny famelan-keloka raha tsy misy ny fibebahana, tsy afaka ny hiasa akory ny fahasoavana raha tsy vonona ny handray azy isika sy manaiky hovany isika. Izay no mahatonga ny Eglizy, tsy manome famotsorana ny olona sasany, mitoetra ao anatin’ny toe-pahotana, kanefa tsy mihevitra akory ny hanao izay miankina aminy mba hialana amin’izany.
Tsy ny sakramentan’ny Fibebehana sy ny famelan-keloka ihany araka izany no iraka ankinina amin’ny Eglizy fa ny fanadiovana ny fiainan’izao tontolo izao amin’izay rehetra manakana azy tsy hiadana, tsy ho faly, tsy ho sambatra, ka na aiza na aiza sehatra sitrak’Andriamanitra hambolena ny rantsana miray amin’ny foto-boaloboka (ny mpianatra miray amin’i Kristy ka mamokatra), dia ny hamongotra ny fahotana no tanjon’ny fiainan’izay mandray marina tokoa ny Fanahy Masina asain’i Jesoa ho raisiny.
Ny famelan-keloka ihany no hahafahantsika miandrandra ny Paradisa. Ataon’ny olona iray ahoana moa no ho sambatra mandrakizay, raha sanatria tsy mahatsiaro ho voavela heloka izy ary ho vokatr’izany dia sarotra ho azy na ny hamela heloka aza, ka raha sanatria ny olona mampivonto ny fony no hiara-midera an’Andriamanitra aminy any an-danitra, satria namindran’Andriamanitra fo tahaka azy koa, ho fahasambarana ve izany? Ary izy rahateo ho menatra hiseho eo anatrehan’Andriamanitra noheveriny ho tsy namela azy! Mampalahelo ny mahita olona misalasala ho navelan’Andriamanitra na tsia ny helony, taorian’ny famotsorana nomen’ny pretran’ny Fiangonana: “Izaho mamela ny fahotanao rehetra… mandehana ao amin’ny Fiadanan’i Kristy”.
Fanomezan’i Kristy nitsangan-ko velona ny Fanahy Masina manafaka ny fahotana. Indraindray anefa na isika katolika aza milaza fa tsy ilaina ny mikonfesy, inona no hataoko any amin’ny pretra izay fahafaham-barakan’ny Fiangonana amin’ny fitondrantenany mamoafady dradradradraina etsy sy eroa hoy ny sasany? Mahamenatra tokoa ny zava-mitranga sy ny fahalemena mbamin’ny tsy fitandreman’ny olom-piangonana, saingy tsy mampiova ny hasin’ny sakramenta tsy akory ny tsy fahamasinan’ny mpisorona. Mialoha ny komonio, moa tsy mivavaka ve isika mba “tsy hijery ny fahotan’ny mpivavaka Andriamanitra fa ny Finoan’ny Fiangonany?” Ny avonavona vokatry ny tsy fahampian’ny finoana dia mety hahatonga antsika hanosi-bohon-tanana ny fahasoavan’Andriamanitra, ka hihevi-tena ho mahavita tena, tsy mila na iza na iza, mba hanamasin-tena, ka sanatria hisintaka tahaka an’i Tomà, tsy hamonjy na dia ny Fiangonana Alahady aza, na hanao toy ny mponin’i Babela, hihevitra hanangana ny tilikambony.
Toy ny vatana iray izay mandray ny fanomezan’ny Fanahy tamin’ny Batemy, hoy i Md Paoly, ka isika no ratsambatan’i Kristy, tanana loaky ny fantsika sy tratra notrebonin’ny lefona, manana ny kilema sy ny ratra nahazo antsika, saingy tian’i Jesoa ho antom-pifaliana ho an’ireo izay mbola mirindrina ao an-trano, noho ny tahotra. Ny fitiavan’izay mahafoy ny aina hitiavana marina tokoa no afaka manokatra ny varavarana hikatonan’ny mpianatra, maniry ny ho sambatra sy hifankatia, saingy mihidy aman-trano noho ny henatra sy ny tahotra.
Hiaraka hitalaho ny Fanahy isika mba hisy Pantekôty vaovao hatrany eo anivon’ny Fiangonana ka hahaizantsika mamomdrona ny fanomezam-pahasoavana ananantsika ho iray ka hahafahan’izay rehetra mahita sy mandre antsika haheno amin’ny fiteniny avy ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra.