Alahady fahatelo Karemy Taona A
I Kristy no loharano velona azo itokosana
- Eksaody 17, 3-7
- Salamo 94
- Romana 5, 1-2, 5-8
- Md Joany 4, 5-42
Fakam-panahy ny fiainantsika manontolo, fizorana amin’ny fahaizana mampiasa ny zavatry ny tany, mba hahazoana sakaiza hotiavina ka hidirana amin’ny fiainana mandrakizay. Raha ampahatsiahivina ireo sarisary ampiasan’ny Evanjely moa dia hoe: tsy hanova ny vato ho tonga mofo fa kosa hahay hangataka ny mofo tena mahavelona tokoa; hahay hitady ny sakaiza hifampizarana ny mofo, ary tahaka ny hazandrano voajono ka tonga sakafo hahavelona fa tsy sanatria bibilava hametsy, hangeja sy hitelina ny hafa; hahay hanavaka ny poizina sy ny fiainana ka hisafidy ny atody miofo ka tonga zava-manana aina fa tsy ho sodokan’ny endrika amam-bikan’ny maingoka mety hanindrona ka hanapoizina hahafaty. Izany rehetra izany anefa tsy ho tanteraka raha tsy mazava ao an-tsaintsika ny tanjon’ny fiainana, raha toa ka tsy mihaino an’ilay Zanaka lahitokana ankasitrahan’ny Ray isika.
Eo am-pamakivakiana ny karemy, lalam-pibebahana mitondra mankany amin’ny Paka isika dia ampahatsiahivina mandrakariva fa tsy misy zavatra tsara tian-ko azo ka handeha ho azy izany. Faniriana ny te ho afaka amin’ny fanandevozana no nialan’ny zanak’Israely maimaim-poana tany Ejipta, saingy rehefa nandalo ny tany efitra, mangetana sy tsy misy rano izy ireo, dia nimenomenona ary nihevitra fa toa manadino ny vahoakany Andriamanitra. Naleony ny kibo voky hanina tany Ejipta toy izay hanohy ny lalana mizotra mankany amin’ny tany nampanantenaina. Izy ireo ihany anefa no nivavaka sy nitalaho tamin’Andriamanitra noho ny fahoriana nanjò azy ireo teo ambany fifehezan’ny Faraona.
Ny fanontaniana nianjady amin’ny vahoaka Israely (ny boky Eksaody 17, 3-7 henontsika tamin’ny Vakiteny I teo), izay mametra-panontaniana ny amin’ny fisian’Andriamanitra, dia fahenontsika matetika : « Mba misy ve izao Andriamanitra izao? Nahoana no avelany hijaly ny tsy manantsiny? » (Sal 76) Fitenintsika koa anefa indraindraindray ny hoe « Andriamanitra tsy andrin’ny hafa handriko ihany« , kanefa raha hadihadiana izay fomba fiteny izany dia hita fa mifono ozona sy fiantsìana valifaty amin’ny anaran’Andriamanitra! Izany no Masà sy Meribà, fakàna fanahy sy fanamelohana.
Ny Salamo setriny (ny Salamo 94) anefa milaza amintsika fa ny « fihainoantsika ny Teniny » no hahafahantsika manohy ny fiderana Azy. Tsy hanamafy fo fa hahatsapa ny fitiavany, izay nentiny namonjeny antsika « fony isika mbola mpanota » (hoy Md Paoly tao amin’ny Vakiteny II Rm 5, 1-2, 5-8).
Raha alalinina ny teny ampiasain’ny Salamo dia fanentanana ny hafa mba hankalaza ilay Vatolampy famonjena. Ny hoe vatolampy moa, dia mampahatsiaro mandrakariva ny fiainan’ny vahoaka Jody tany Masà (fihantsiana) sy Meribà (fifandirana).
Zavatra roa no tiako hasiana tsindrim-eo amin’izany fanentanan’ny Salamo:
- תּוֹדָה), fisaorana, Eokaristia hoy isika. Ny sorom-pisaorana ho an’ny Jody dia entina hamintinana ny fankasitrahana manoloana ny fitiavan’Andriamanitra tsy misy fetra, (Izy izay mitantana antsika tahaka ny ondry eo an-tanany) ka sady fiderana Azy izany no fiekena ny hadisoana amin’ny fitondran-tena tsy mahavaly fitia, ary fampanantenana fa hiezaka mba hitia bebe kokoa amin’ny ho avy, (hiezaka hihaino ny feony anio,) satria ny fihainoana izay lazain’ny olona iray dia sady mari-pitiavana no fanajana azy.
- מִסָּה Massah, fitsapana) sy Meriba (מְרִיבָה Meriybah, fikomiana) (Eks 17, 1-7/soif de pouvoir, hetahetam-pahefana), ilay tanan’i Moizy misandratra, manome fandresena ho an’ny Israelita nanohitra an’i Amaleka (עֲמָלֵק `Amaleq, izay mitoetra amin’ny tany lemaka), dia manambara ny tsy hitokisan’izy ireo amin’ny herin’ny sabatra na amin’ny fahaiza-miady fa amin’ny fanampian’Andriamanitra asehony amin’ny alalan’ny Mpanompony mivavaka (Eks 17, 8-13/Andriamanitry ny aina).
Raha sanatria koa anefa, isika mihitsy no ilay mafy fo velona, tsy mety miova, mikomy amin’izay teny sy fampianaran’ny mpaminany sy ny Tenin’Andriamanitra toriana amintsika, dia tokony horaisintsika ho fampitandremana ao amin’ny Salamo tsy ventesina amin’ny Litorjia fa manohy izay voalaza ao. Raha fintinina dia hoe: tsy afaka hiadana miaraka amin’Andriamanitra ny mafy fo.
Ny fiainantsika dia tolona (Meribà) ka mahatonga antsika hisalasala, hila kisa sy hitsapa fanahy an’Andriamanitra (Masà), tsy hahatoky ny fitiavany, toy ny nanjò ny vahoaka Israely teny an-dalana mankamin’ny fahafahana rehefa main’ny hetaheta ka nitady rano (Eksaody 17, 1-7). Ny fahaizana manokatra ny fo ka hihainoana ny feony no lalana tokana hahafahantsika miverina amin’ny fahasambarana sitrany ho an’ny zanany rehetra, ka “hisehoana eo anatrehany amin-tsaotra mba hankalaza Azy amin’antsa” (Sal 94).
Ary matoa mbola misy hirika ho an’ny ratsy eo amin’ny fiainantsika dia tsy mbola lavorary izay ny fitiavana, hoy Md Paoly (Rom 13, 8-10). Raha toa moa ka manam-pahefana sy tompon’andraikitra no mananatra, dia tsy azo adinoina, hoy i Md Paoly fa “tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary tsy mba ny asa tsara no atahorana ny mpanapaka fa ny ratsy ihany. Ka raha tsy te hatahotra ny mpanapaka ianao dia ny tsara no ataovy…” (Rom 13, 1.3; Cfr Joany 19, 11).
Ao amin’ny Evanjely dia miha-mazava izany fomba hihainoana ny teniny izany : ilay vehivavy samaritana tojo an’i Jesoa teo am-pantsakana dia nihaino Azy tokoa, nihaino ny fangatahan’i Jesoa : « mba homeo kely aho hosotroiko » (Jo 4,7) kanefa tsy nahatsapa fa tenim-pamonjena no noresahan’i Jesoa taminy raha tsy efa nahakasika ny fiainany ny zavatra voalaza.
Ny fomba fitantaran’i Joany dia hahafahantsika mahazo fa ny fiainantsika tsirairay, ny Fiainan’ny Fiangonana manontolo no tiany ambara amin’ity fihaonana ity, hoy Md Augustin. Tamin’ny andron’i Jesoa dia tsy fomban’ny mpampianatra ny miresaka amin’ny vehivavy eny an-kalamanjana, ary na ny lehilahy aza tsy miresaka amin’ny vadiny eny an-dalana. Eto dia eny am-patsakana, ary amin’izay amin’ny ora tsy fakàna rano, satria efa mitatao vovonana, no nahatongavan’ilay vehivavy teo amin’ny fantsakan’i Jakoba. Teo araka ny lovan-tsofina no niresahan’i Jakoba tamin’i Rasely vadiny (Jereo Jenezy 29, 9ss), teo amin’ny fantsakana no nahitan’i Moizy ny zanakavavy fiton’i Ragoela ka nahazoany ho vady an’i Seforà (Boky Eksaody 2, 10-22).
Mitatao vovonana satria mety tsy te ho hitan’ny olona ilay samaritanina, mahamenatra azy ny fiainany ka aleony mandeha mantsaka rano amin’ny ora tsy misy mpatsaka, na dia hiaretana ny tanik’andro aza izany. Fa tandindona manambara ilay mitatao vovonana nandaozan’ny Mpianatra rehetra Azy koa io, ka ny Lanivony no zary fantsakana idododoan’ilay vehivavy Samaritana dia ny Fiangonana natsangany ho Vadiny.
I Jesoa kosa, mahita ny mihafina ary miandry ilay Vehivavy indrindra amin’izany ora izany. Ny mitatao vovonana no mampibaliaka ny masoandro indrindra, ka ankoatra ny hafanana dia eo no koa ny faratampon’ny hazavan’ny andro. Eo no mibaliaka indrindra ny masoandro. I Kristy no hazavana, tsy manazava ny andro ihany fa manazava koa ny haizin’ny fiainana mety mahatonga antsika hatahotra ka hihafina. Tamin’izay mitatao vovonana izay anefa dia ambaran’ny Evanjely fa mangetaheta i Jesoa (Jo 19, 28) ary rakotra haizina ny faritany manontolo (Mt 27, 45ss). Miverina indray ny Masà sy ny Meribà. Manoloana ny fitiavana tapitr’ohatra no maha-jambena ny masontsika ka toa tsy hahitana ny mazava indray, satria voatery hifanatrika amin’ny marina manery hanova fomba fijery sy fomba fiainana.
Fa eo amin’ilay loharano tsy ritra miboiboika kosa, eo amin’ilay fo voatrebon’ny lefona, amin’ilay mitatao vovonana iny, tamin’Izy reraky ny dia, reraky ny fitondrana ny hazo, vesatry ny otantsika, eo koa no tian’i Jesoa hampakarana ny Eglizy ho vadiny, hiray aina Aminy ao amin’ny hafenoan’ny fiainana. “Mangetaheta aho”, hoy Izy, amin’izay tonga manantona azy eo. Eo no hahafahan’ny fontsika vato hamoaka rano, hodiovin’ny ranomasom-panenenana ka hiova famindra.
Ny fanazavana nataon’i Jesoa momba ny fanomezan’ny Ray, dia novalian’ilay vehivavy amin’ny zavatra mikasika an’i Abrahama, mety hoentiny hilazana fa mba mahay izay hainy izy. Fomba fiady io ary betsaka no voafitaka ka mamily ny saina sy ny adihevitra amin’ny fomba fivavaka sy ny toerana hivavahana, mba tsy hamelana ny Tenin’Andriamanitra hikasika, haninteraka ka hanova ny fiainana. Impiry isika no mandany fotoana hanomanana ny fombam-pivavahana ka sao sanatria hanadino ny hanokana fotoana handinihana izay fomba ho entina hiainana izany eo amin’ny andavanandrom-piainana.
Fantatr’i Jesoa ny halalin’ny fontsika, ny sedra isan-karazany tsy hahafahany manovo rano amin’ny fantsakana, ny siny eny an-tanana, mba hanalàna hetaheta Azy. Impiry isika no maka fanahy an’Andriamanitra ka mamaly Azy tahaka an-dravehivavy: “hianao, Tompoko, tsy manan-kanovozana, ary ny fantsakana lalina; ka aiza ange no hahazoanao izany rano velona izany?” Mihevitra manko isika fa ny rano avy amintsika ihany no rano, ary ny fanafangaroana ny fampanantenan’Andriamanitra amin’ny faniriantsika dia mety hahatonga antsika hanidy fo, hihevitra fa Andriamanitra no mila antsika, na sanatria hihevitra fa mila tambiny avy amintsika Izy mba hanaovany soa. Ny soa voalohany azo avy amin’ny fanaovan-tsoa dia an’ny mpanao soa. Sambatra kokoa izay manome noho izay mandray, hoy Paoly ao amin’ny Asa 20.
Ny fametrahan’i Jesoa amintsika ny fanontaniana amin’izay mety ho “vadintsika” dia manampy amin’ny fahalalana ny tena, manampy amin’ny safidy izay tsy maintsy atao, mba tsy hiantsampy amin’ny zavatra mety hisarangotra ao am-pontsika na ho tonga amin’ny ratsiratsy kokoa, ary mety hiara-mitoetra amin’izay “tsy vady” akory aza isika, fiaraha-mitoetra mety hanimba ny fiainana fotsiny ihany satria hanakana antsika amin’ny fiombonana tanteraka amin’Andriamanitra.
Rehefa manaiky hokasihan’ny Teny ny fiainantsika dia afaka miaiky ny marina : « marina ny filazanao fa tsy manam-bady ianao… » hiaiky ny maha-mpaminany an’i Jesoa ka ho afaka hihaiky fa ireo “enina” niarahana hatramin’izay dia “sarim-bady” ihany. Izany no hanome hery hametrahana ilay “siny fanovozana” nireharehana teo, kanefa enta-mavesatra tsy hahafahana miseho vahoaka, ka hahafahana mangataka ilay « rano velona hiboiboika ho tonga fiainana tsy manam-pahataperana » amin’ilay fanim-pitony, hany “mpampakatra” marina, ary hiazakazahana ho any an-tanàna, hijoro ho vavolombelon’ny fitiavana.
Ny tsirairay araka izany, dia mila mamaly io fanontaniana io koa ao am-pony: iza no “vadiko”? iza no andaniako ny fiainako? iza no izarako ny fiainako? Aiza no ironan’ny foko? Aiza no nanorenako ny fanantenako? Avy aiza no hiandrasako ny famonjena? Iza no hidodododoako amin’ny androm-pahoriana? Fanontaniana manampy antsika hihaina izao karemy izao izany, mba hahafahantsika “mahafantatra ny fanomezan’Andriamanitra” ka haniriana ilay loharano tokana, tovozin-tsy ritra ao amin’ny Sakramentan’ny Eglizy, omen’Izy Ray antsika maimaim-poana, omeny izay mivavaka am-pinoana sy am-pahamarinana.
Misy manompo an’Andriamanitra tahaka ny ataon’ny mpanompo sampy, ka mihevitra fa vokatry ny vavaka ataony no hahazoany fahasoavana toy izany koa. Izay mahalala ny Ray kosa dia manompo Azy, mankalaza ny fitiavany ary miezaka ho taratr’izay fitiavana izany amin’ny asa fanompoana atao hanasoavana ny hafa. Mivavaka tsy hanova ny hevitr’Andriamanitra fa hahazo kosa ary hahay handray ny zava-misy araka ny fandaharany sy ny sitrapony, na dia eo aza ny voka-dratsy ateraky ny fahotana sy ny fahalemen’olombelona.
Ny fifadian-kanina (Alahady I), ny vavaka (alahady II) izay hihainoantsika an’i Jesoa Kristy ilay mandavorary ny Lalàna sy ny Mpaminany ary manampy antsika kosa hampifanatrika ny fiainana amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Rehefa nohazavain’ny Teniny ny Fiainan’ilay vehivavy samaritana, ilay fiainana nahamenatra ny fiaraha-monina (manambady in-dimy+1) dia sahiny hijoroana ho vavolombelona satria izy mpanota no novonjen’i Kristy, ka tsy hahamenatra azy ny lasany (tantaram-piainany) satria vonona ny hanomboka fiainam-baovao miaraka amin’ilay miresaka aminy izy. Tsy ho zary fitaovana hanamarinan-tena na sanatria hanamelohana ny hafa araka izany ny Tenin’Andriamanitra fa kosa vimiaina ho entina mamakivaky ny Fiainana, ka hahafahantsika milaza ihany koa toa ireo samaritanina tao an-tanàna hoe : “tsy ny teninao intsony no hinoanay” an’i Jesoa fa izahay mihitsy no nihaona Aminy, satria « nolazainy anay avokoa izay nataonay rehetra« . Tsy misy finoana matotra raha tsy misy fihaonana mivantana amin’i Kristy ary izay no tanjona ho an’izay voaantso amin’ny fanabeazam-pinoana rehetra: hitondra ny olona ho eo amin’i Kristy.
Averintsika etoana ny hafatry ny Papa amin’ny Karemy (2020):
“Mahavonjy ny mibanjina ny halalin’ny Misterin’ny Paka izay nahazoantsika ny famindram-pon’Andriamanitra. Tsy afaka ny hanandrana izany famindram-po izany anefa raha tsy ao amin’ny “fifanatrehan-tava” amin’Izy Tompo voafantsika sy tafatsangan-ko velona, dia Izy izay “tia ahy sy nanolotra ny tenany ho ahy” (Gal 2, 20). Diniky ny fo izany, resaky ny mpifankatia. Izany no mahatonga ny vavaka ho laharam-pahamehana mandritra ny vanim-potoanan’ny Karemy. Mialoha ny maha-adidy azy, ny vavaka dia fanehoana ny hetaheta te hamaly fitia an’Andriamanitra izay mitia antsika mialoha sady manohana antsika mandrakariva. Araka izany, eo am-pivavahana ny kristianina dia mahatsiaro mandrakariva fa notiavina na dia eo aza ny tsy fahamendrehany. Miseho amin’ny endrika maro izany fomba fivavahana izany, fa ny tena zava-dehibe eo imason’Andriamanitra dia noho izy mandavaka ao anatintsika ao ary mahavita misikotra ny hamafin’ny fontsika ka hampitodika azy bebe kokoa amin’Andriamanitra sy ny sitrapony”.
Dia izay ny Paka tiantsika hosantarina dieny izao amin’ny andavanandrom-piainantsika (Kol 3) ka iezahantsika hivelona ny Teny izay tonga nofo ka ankalazaintsika amin’ny misterin’ny Eokaristia Masina.