Alahady fahatelo Fiaviana Taona B
- Izaia 61,1-2a.10-11
- Md Lioka 1,46-54
- 1 Tesalônika 5,16-24
- Md Joany 1,6-8.19-28
Mifalia fa akaiky ny Tompo
Mampandini-tena antsika ny Alahady anio, antsoina hoe Gaudete, izany hoe “Mifalia”, noho ny tononkira fidirana manentana hifaly, satria akaiky ny Tompo. Isaky ny Fankalazana ny Sorona Masina dia vakìna amintsika ny Evanjely, antsoina hoe, Vaovao Mahafaly, fa mila manontany tena hoe miteraka hafaliana marina ao am-pontsika tokoa ve ny fahenoana sy ny fandraisana Azy ho Tenin’ny fiainana, ho Teny zary Aina?
Tsy azo lavina fa efa nampifalian’ny zavatra mandalo ny fontsika. Tsy manakana antsika tsy hanandrana ny hafalian’ny Evanjely anefa izany! Ambaran’ny Vakiteny I (Iz 61,1-11), fa ny “teny soa mahafaly” (Evanjely) dia ho an’ny mahantra, ny torotoro fo, ny babo, ny ao an-tranomaizina… tsy teny hampatahotra araka izany fa teny hahavelom-panantenana indray.
Ao amin’ny Boky fahatelon’i Izaia (Trito-Isaie) moa no nangalana ity vakiteny voalohany ity. Efa tafaverina tany Jerosalema ireo Jody niandrandra fahafahana, saingy tsy araka ny fahafahana nandrandrainy akory ny zava-nisy. Tsy hoe olona afaka tsy akory izy ireo fa mbola teo ambany fifehezan’i Sirosy, mpanjakan’ny Persa ihany. Marina fa tsy any an-tsesitany intsony fa efa niverina tany an-tanindrazana, nefa na dia ny fanorenana ny Tempoly aza dia nananosarotra, satria ankoatry ny fifangaroan’ny foko hafa tamin’ny mponin’i Jerosalema, nonenan’ireo sisa tavela, sy noho ny fanambadiana nataon’ny Jody sasany tamin’ny hafa firenena (indrindra ny Samaritana), dia nanano sarotra koa, na dia ny fiainana araka ny lalàna aza. Manoloana izany rehetra izany no ilazan’ny Mpaminany fa nohosoran’ny Tompo hilaza teny soa mahafaly izy. Fa iza no hahazo izay lazainy?
Teo amin’Israely, ny taom-pahasoavana dia nisy roa: ny taonan’ny Sabata, isaky ny fito taona, hanafahana tsisy tambiny ny andevo hebrio rehetra; ny taon-jaobily kosa, isaky ny 50 taona dia hanafahana ny mponina rehetra amin’izay rehetra nanandevozana na namatorana azy: trosa, tany averina amin’ny tompony, izay heverina fa famerenana ny fahamarinana sitrak’Andriamanitra hiainan’ny Vahoakany ao amin’ny Tany Masina nomeny ho lovany.
Izay mitovy fijery amin’ny mpaminany ihany no afaka hino izany teny izany. Ny Mpaminany, ankoatra ny fanilovan’ny Fanahin’Andriamanitra azy, dia olona mahalala fa tsy hiverina ho maizina intsony ny andro efa mangiran-dratsy, na dia mbola manjavozavo aza ny hazavana. Toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian’ny Tompo Andriamanitra ny fahamarinana sy ny Fiderana, eo anatrehan’ny firenena rehetra, ka ny fahitàna ny voa vao mitsiry dia efa mampitombo sahady koa ny fanantenana amin’ny fiandrasana ny fiotazana ny vokatra. Izany fomba fijery mahita ny lafitsaran’ny zava-mitranga (optimisme) izany no anentanan’ny mpaminany hiainana, ka izay tafiditra amin’izany no afaka ho revon-kafaliana ao amin’ny Tompo sy hiravoravo fo amin’Andriamanitra, teny naverin’i Md Lioka eo am-bavan’i Maria.
Tsy fahafahana araka ny heverin’ny sasany anefa no ampanantenain’Andriamanitra, ka hiheverana ny hanao izay mahafinaritra ny fo sy hironan’ny saina… Andevon’izay mamatotra antsika isika, ka tsy voatery ho ny lalàna apetraky ny hafa ihany no hamatotra, fa eo koa ny fahazarana, eo ny ratsy na ny tsy heverina ho ratsy intsony satria mahazatra, kanefa zavatra na fomba manakana antsika tsy hivelatra sy hahavita izay tokony hatao hahasambatra.
Ireny fahababoana ireny, raha jerentsika amin’ny masom-pinoana dia mahatorotoro fo, hahatsapana ny tsy fahamendrehana sy ny fahalemena ka hilazana am-pinoana fa tsy am-pahazarana hoe: “Tompo o, tsy mendrika ny hidiranao ato amiko aho, fa manonòna teny iray, dia ho afaka aho”; lazaina amin’ny fo manontolo ka hanjary Vaovao Mahafaly ny Fiombonan’aina amin’i Kristy amin’ny Kômonio Masina.
Izay no hahafahantsika, isaky ny hariva (amin’ny Vêpres), hanandratra ny antsam-piderana (Magnificat) niloatra avy ao am-pon’i Masina Maria, izay ventesintsika ho setrin’ny vakiteny amin’ity alahady ity (Lk 1,46-54) satria nanao zava-dehibe ho antsika ilay Mahefa, ilay antsoina hoe : Masina.
Voarindran’i Md Lioka an-tononkira ny fiainan’i Masina Maria manontolo. Ilay antsa fiderana nataon’i Jerosalema, voalazan’i Izaia (Vak I) dia tsy vavaka nipololotra amin’ny vava fotsiny fa fiainana, ary mamintina ny fisaoran’i Maria, mibanjina sy mandinika ny zava-mahagaga notanterahin’Andriamanitra taminy sy tamin’ny alalany, ary izany “Tononkira” izany no hiraintsika isan’andro koa: notsilovin’Andriamanitra ny fahambaniantsika, nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy, ary mahefa zava-dehibe amintsika tsirairay avy. Inona tokoa moa ny zavatra notanterahin’Andriamanitra ao amintsika? Inona ny fahasoavana atobany amintsika? Izay mahatsapa izany ihany no afaka hankalaza Azy. Raha tsy izany dia ho fanompoan-tsampy ny vavaka ataontsika, tsy fiderana fa fidradradradrana, hitalahoana sy fiandrasana valisoa sy fanambinana. Na mbola tsy mangataka aza anefa isika dia efa fantany izay mahasoa antsika. Ray Andriamanitra ka mitsinjo ny zanany rehetra.
Tsy hoe sanatria niangaran’Andriamanitra akory i Masina Maria, fa antitranterin’ny Evanjely ny maha-môdely azy, ka na teo aza ny ngidim-piainana (tsy takatry ny saina fa notehirizina tao am-po) natrehiny teto amin’ity tany fandalovana ity, dia ny voninahitry ny lanitra kosa no valisoa nomena azy satria “zanaka mendrika handova ny fanjakana izy”, nino sy natoky mandrakariva ny fitiavan’ny Ray.
Izany finoana izany no ahafahana mihira ny tononkiran’i Maria eto am-pamakivakiana ity tany “lohasahan-dranomaso” ity. Ny Litorjian’ny Eglizy dia manentana ny zanany rehetra hiventy ny Tononkiran’i Maria isan-kariva, hibanjina ny asa lehibe notanterahin’Andriamanitra nandritra ny andro, ka hamaranana ny andro amin’izany hafaliam-po izany, mahita fa tanteraka tao amin’ilay zanakavavin’i Siôna ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy ny vokatry ny asantsika fa ny asan’Andriamanitra vokatry ny fitiavany antsika no maha-velon-kira.
Miisa fito izany asa izany araka ny fitanisan’i Maria: (1- ) nanatsotra ny sandriny mahery ny Tompo mba hanavotra izay very (Dt 5,15). Andriamanitra irery ihany no afaka handresy ny ratsy sy ny fijaliana vokatr’izany ary tsy ny fijaliana sy ny fahafatesana tambin’ny ota no ho tompon’ny teny farany fa ny fitiavana mamelon’aina; (2- ) mampihahaka ny mpiavonavona Izy dia ireo izay mihevitra ny ho avotra sy ho sambatra noho ny herin’ny tenany, tsy sanatria tsy akory hampitsanga-menatra azy ireo, fa mba hampibebaka ny fony ho amin’ny fitiavany; (3- ) naongany ny mpifehy ary (4- ) nasandrany ny ambany: tsy sanatria fivadihan’ny rasa izany, tsy hanova na inona na inona amin’ny sehatry ny tantara, izany hoe tsy tonga hanova ny mpilalao tantara Andriamanitra fa hanova mihitsy ny fomba fitantarana, ny fifandraisan’ny olombelona amin’izy samy izy, ka hifaninana ho ambany, ho mpanompo araka ny fon’Andriamanitra; (5- ) ny noana hovokisany (6- ) fa ny mpanan-karena kosa hampodiany mitondra tanam-polo: tsy hitondra na inona na inona isika rehefa hiala amin’ity tany ity afa-tsy izay harena noharìntsika teo anatrehan’Andriamanitra, izany fahamarinan’Andriamanitra izany no hahafeno hafaliana ny zanany miaritra ny tsy rariny noho ny fahotan’ny hafa; (7- ) miahy Andriamanitra, miahy an’Israely vahoakany ary ampahatsiahivin’i Masina Maria antsika fa tsy miova mandrakizay ny fitiavany. Mandrakizay no hisaorantsika Azy.
Raha fintinina dia tokony ho tahaka ny Tononkiran’i Maria mandrakariva ny vavaky ny Mpino: faly mandrakariva ao amin’ny Tompo, satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany Izy fa manatanteraka izany amin’ny fotoany, ka tsy ho tapaka ny fisaorana amin’ny asa tanterahiny, indrindra ho an’ny mahantra sy ny madinika.
Ny Fifaliana lavorary anefa dia tsy afa-misaraka amin’ny fisaorana sy ny vavaka (Vak II 1Tes 5,16-24), satria hafaliana tsy vokatry ny ezaky ny samirery na sanatria hafaliana miserana noho ny fahombiazana azo hieboeboana na sanatria hafaliana amin’ny fahazoana hafinaretana amin’ny zavatra mandalo (sakafo, zava-pisotro, kilalao sns). Noho izy hafaliana vokatry ny fahafahana, azo avy amin’ny Famonjen’ilay Mahefa sy Masina dia mila angatahina sy tahirizina amin’ny fivavahana lalandava, ary izay mivavaka ihany no hahay hisaotra, satria mahatsapa fa raha tsy Izy (YHWH) dia tsy mahefa na inona na inona (Jo 15,5), ka izay no hampipololotra ny vavaka mba tsy hialan’ny Tanany Mahery hiaro antsika hahatonga ny fitondran-tena tsy hanan-tsiny, hiandrasana ny Mesia.
I Jesoa no Kristy. Tsy misy famonjena azo antenaina raha tsy avy Aminy. Izany no finoan’ny Apôstôly nahatonga azy ireo hanara-dia Azy Kristy, izany hoe ny Mesia, ilay afaka manavotra amin’ny fangejana mahazo. Niandry ny Mesia hanavotra azy i Israely, saingy noheveriny fa mesia hanavotra amin’ny tanan’ny Romanina na tamin’ireo mpanjana-tany nifandimby tamin’izany izy io. Mahadiso hevitra ihany raha izany, ary sarotra ny hieritreritra fa olona iray voaheloka ho faty tamin’ny hazofijaliana, fomba fampijaliana romanina, no antsoina hoe Mesia! Tsy mifanaraka amin’ny toe-tsaina nisy tamin’izany manko izany, voaozona izay mihantona amin’ny hazo.
Amin’ny fiandohan’ny Evanjely anio moa, dia ambaran’i Joany Evanjelista mazava fa i Jesoa no fahazavana. Ireo izay mety ho heverina fa olona lehibe, na dia mpampianatra faratampony tahaka an’i Joany Batista aza, dia vavolombelona manambara Azy. Amin’ny fiainantsika manko, raha tsy mitandrina, dia mety ho lasa fanarahana olona fa tsy fanarahana an’i Kristy.
Ny hoe vavolombelon’ny hazavana dia manampy antsika hahazo ny fomba fampisehoan’i Joany ny tenany. Tsy misy olona mibanjina ny hazavana. Ilaina ny fahazavàna mba hahitana ny zavatra rehetra sy hahafahana manavaka azy amin’ny maha-izy azy. Ao amin’ny haizina dia mifangaro ny zavatra rehetra, ary na ny tompon-trano aza, tsy hahalala ireo virjiny adala mandondòna ao anatin’ny haizina (Mt 25,12). Rehefa misy hazavana kosa, dia azo avahana sy fantarina amin’ny maha-izy azy avy ny zavatra sy ny olona rehetra. Vavolombelon’ny hazavana araka izany, izay rehetra mahalala ka miseho amin’ny maha-izy azy tahaka an’i Joany Batista. Tsy afaka ny hiseho amin’ny maha-izy azy izay tsy tarafin’ny hazavana ka tsy hanaiky ho tonga vavolombelony.
Inty ny zanak’ondrin’Andriamanitra (Tohin’ny Evanjely anio)! Ide amin’ny teny grika, izany hoe: “indro”. Ambaran’i Joany amintsika i Jesoa mba hanarahantsika Azy. “Izaho tsy mahalala azy, hoy izy, fa mba hampiseho azy amin’Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”. Hampiseho an’i Jesoa no ilana ny fibebahana, ary izay manaiky hampiseho Azy sy izay manaiky ny fiantsoan’Andriamanitra azy ary hametraka ny toerany amin’ny tokony ho izy tahaka an’i Joany (ary porofom-pitiavana izany), ireo ihany no afaka hahalala an’i Jesoa sy hampiseho Azy amin’ny hafa. Ary izay maniry ny fiainam-baovao, maniry ny fahafahana marina ihany no afaka hihaino an’i Joany, hanatona azy any an’efitra hatao batemim-pibebahana ka handre ilay feo manambara ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao.
I Jesoa no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Fa i Joany kosa no ilay feo avy any an’efitra, nisafidy ny tany efitra, toy izay ny tempoly mamirapitratra natokana ho an’ny zanaky ny Mpisorona. Vavolombelona manambara ny fahazavana izy fa ny fiekentsika ilay manao batemy amin’ny Fanahy kosa no hidirantsika amin’ny fahazavana ka mahatonga antsika ho zanaka ao amin’ny zanaka, hanaraka ny fampianaran’ny Fanahy izay raisintsika amin’ny fanosorana sy ny Sakramenta.
Tahaka ny farisianina sy ny lehiben’ny Jody maniraka mpisorona sy levita koa isika. Miezaka mamotopototra ny momba ny batemin’i Joany, mandalina ny zava-misy, ary mandalina koa ireo valinteny telo nomen’i Joany: tsy izy no Mesia, ilay voahosotra; tsy izy koa no ilay Elia izay nandrasan’Israely hanomana ny lalan’i YHWH (Malakia 3,1) na dia lazain’i Marka aza fa izy no ilay Elia hampibebaka ny vahoaka (Mk 9, 12//Ma 3,23) ary tsy izy no ilay mpaminany andrasana, ilay Moizy vaovao andrasan’Israely (Dt 18,15.18).
Feo ihany i Joany ary feo miantso any an’efitra miangavy mba hanitsiana ny lalan’ny Tompo. Tsy milaza izy hoe “Izaho no” (egô ’eimi), izay atokana ho an’Andriamanitra, fa hoe “izaho feo” (egô phonè, tsy eo ilay matoanteny ’eimi), feo miantso any an’efitra (Iz 40,3), feon’ny olombelona rehetra ihany koa miantsoantso eo am-piandrasana ilay efa eo anivontsika ka tondroiny mba harahina. Tsy azo adinoina anefa fa tsy misy Teny azo ampitaina raha tsy amin’ny alalan’ny feo, ary ny feo dia mitondra ny “teny” tiany hambara mandrakariva.
I Jesoa no ilay feo “avy aoriana”. Tamin’ny sabotsy I° isika dia namaky ny Bokin’i Izaia Mpaminany nilaza hoe: tsy hiery intsony izay mampianatra anao, ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao. 21 Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: – Ity no làlana, ka ombao io! – dia raha hianareo hivily na ho an-kavanana na ho an-kavia (Iz 30, 21).
I Jesoa no ilay feo avy ao ivoho, irak’Andriamanitra hanoro antsika ny lalana marina mitondra amin’ny famonjena.
Tsy mendrika (hikanos, teny mafonja sy somary maherihery vaika) hamaha ny kofehin-kapany akory aho, hoy i Joany:
Raha fanetren-tena no ilazan’ilay lehibe indrindra amin’ny natera-behivavy sy ny lehibe indrindra amin’ny mpaminany izany dia hanahirana satria raha olona ambony no manompo an’i Jesoa dia mampitombo ny fahamboniany izany. Tsy ny hanetry tena loatra, araka ny hevitro, no hevitra tian’ny Evanjely hasiana tsindrim-peo eto, satria zary fandavana ny hanompo izany. Ny fihazakazahana hanompo aza manko, no heveriko fa fietren-tena eo anatrehan’ny olona iray heverina ho lehibe noho ny tena.
Raha jerena ireo andalan-teny milaza ny fanalàna kapa ao amin’ny Soratra Masina dia hita fa fomba iray entina hanalana baraka izay tsy mety handray ny andraikiny amin’ny fanambadiana ny vady mananontenan’ny rahalahiny izany (Dt 25,9-10). Azo heverina amin’izany izay tian’i Joany lazaina fa tsy mendrika ny hitaky ny zo hanambady izay hovadian’i Kristy izy (jereo koa Rota 4,7). I Kristy no mpampiakatra ary ny Eglizy no ampakarina, ary Izy “Teny tonga nofo” irery ihany no afaka mampakatra azy, Izy no miantso an’Israely ho any an-taniefitra ary hiteny indray amin’ny fony (Osea 2,16).
Io ilay fampakaram-bady tao Kanà, lazain’i Joany Evanjelista ao amin’ny toko faharoa ary mbola iverenan’i Joany hamafisina koa rehefa nanomboka nanao batemy i Jesoa: “Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha azy. 29Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko. 30Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena” (Jo 3,28-30). Tsy mpampakatra izy fa sakaizan’ny Mpampakatra
Tany Betania an-dafin’ny Jordany no nanaovan’i Joany batemy.
Misy heviny manokana izany. Voalohany aloha mba hanavahana an’ity Betania ity amin’ilay Betania akaikin’i Jerosalema, tananan-dry Lazara, izay lavitra loatra an’i Kanà, ambaran’ny toko faha-2. Any am-pitan’ny onin’i Jordany, izany hoe mbola tsy any amin’ny tany nampanantenaina. Araka ny fanazavan’ireo mpandalina ny Soratra Masina dia tao “Ennon” akaikin’i Salima (Jo 3,23) ka tao Bêth’Ennon izany, tranon’ny loharano, tao no nanaovan’i Joany Batemy. Lazain’ny altimètre (fandrefy haavon-toerana) fa 400 metatra ambanin’ny ivon’ny ranomasina izy io ary Betabara no iantsoana azy, amin’ny lalan’i Galaada, toerana iva indrindra eto ambonin’ny tany, ary araka ny lovantsofina dia heverina ho teo no niampitan’ny Zanak’Israely avy any amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tany nampanantenaina. Ny Batemin’i Joany, araka izany, dia mampahatsiaro antsika ny hasarobidin’ny fahafahana iantsoana ny zanak’Andriamanitra rehetra: hiampita ny ranomasina mena, hamakivaky taniefitra, hiampita an’i Jordany mba ho amin’ny tanin’ny fahafahana (Jôsoe 4,23).
I Joany dia nanao batemy tamin’ny rano, nampahatsiaro ny vahoaka ny fahafahana avy any Ejipta, miverina indray miampita avy any an-dafin’i Jordany ho any amin’ny tany nampanantenaina, fa i Kristy kosa, nidinan’ny Fanahy Masina, miendrika voromahailala, izany hoe, tsy hifindrafindra trano intsony fa honina ao mandrakizay, dia manao batemy antsika amin’ny Fanahy Masina, ilay Fanahy nomeny antsika teo ambony hazofijaliana (Jo 19,30), ilay Fanahy nomeny ny Apôstôly ny Marainan’ny Paka mba hamelan’izy ireo ny fahotana.
Afaka mihaino ny fampianaran’ilay Fanahy nananganana antsika ho zanany anefa isika raha maniry ny hiala marina tokoa amin’ny tanin’ny fanandevozana satria mahatsapa ny faharatsian’ny fahotana. I Jesoa no Mesia, ilay Andriamanitra miara-monina amintsika, tokana afaka mamonjy antsika, ilay zanak’Ondry manala ny fahotana, Izy no tonga hampakatra ho vadiny ny olombelona rehetra ao amin’ny Egliziny. Sambatra izay voaantso amin’ny fanasany.
Ny Fitokisana ilay niantso antsika, ilay tsy mivadika (Vak II) dia manampy antsika hifady na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza. Akaiky antsika mandrakariva Izy, na dia mazàna aza isika no manalavitra Azy! Izay no hahatsiarovantsika ny adidy miandry antsika, hialoha lalana ny Mesia, hiandry ny Fiaviany, hanomana ny Noely, ka hahatsiarovantsika mandrakariva fa “tsy isika no Kristy”, miasa ho Azy isika ka hosanatriavina ny fihetsika amam-pitondrantenantsika hanakana ny hafa tsy handray ny Hazavana avy Aminy! Tokony ho “Feo miantso mafy any an’efitra” ny fiainantsika (Evanjely Jo 1,6-28) ho fambara hanitikitika ny feon’ny fieritreretana mba hanitsy ny lalan’ny Tompo.
Tamin’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny nanambaran’i Pie IX ny maha-mpiaro ny Eglizy Katolika an’i Md Josefa ny 8 desamba 1870, dia natokan’i Papa François ho taonan’i Md Josefa ny 8 desambra 2020 ka hatramin’ny 8 desambra 2021. Ny anton’izany, hoy ny Papa dia mba hampitombo ny fitiavantsika an’i Md Josefa, ka hanosika antsika hitalaho ny vavaka ataony sy haka tahaka ny hatsaram-panahy sy ny zotom-pony.
Raha nirahina ho tonga vavolombelona hanambara ny fahazavana i Joany dia tsy ambaka an’izany i Md Josefa. Ndeha hojerentsika kely ny famintinana ny taratasy Apôstôlika.
Manampy antsika koa hanomana ny Noely ny fahatsiarovana fa “ray nanolotra ny fiainany manontolo ho sorona sy ho fanompoana ny misterin’ny fahatongavana ho nofo sy ny fanavotana nentin’i Kristy i Md Josefa”; ray mampianatra antsika handray ny fahalementsika am-pitiavana izy, ka mampahatsiaro antsika fa “tsy manameloka na oviana na oviana ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra fa mandray kosa, tonga mitsena antsika ary mamerina ny hasina maha-zanaka”; ray mampianatra antsika ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra izy ary izany no nanavotany ny reny sy ny zaza; ray mampianatra antsika hahatsapa fa ny fandraisana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zava-mitranga dia tsy fidonanam-poana fa fitadiavana ny vahaolana tsara indrindra ka andraisana andraikitra amin’ny fo manontolo; i Josefa koa dia mampahatsiaro antsika fa amin’ny fotoana heverintsika fa toa manadino antsika Andriamanitra dia tokony hotsaroana fa matoky antsika Izy amin’izany, ka azontsika “kasaina, hoforonina sy hotadiavina” ka hanovàna ny olana ho fotoana tsara hararaotina hitiavana bebe kokoa; ray mampahatsiaro antsika ny hasin’ny asa izay hiombonana amin’Andriamanitra amin’ny fandavorariana ny tontolo koa i Md Josefa ary mampahatsiaro ny zon’ny olona rehetra hanana asa maharitra hivelomana; ray mampianatra antsika ny tena fitiavana, “tsy hamikitra fa hanafaka” koa i Md Josefa ka hahafahana mitia tahaka ilay Ray mandrotsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina (Mt 5,45). Izany no ilantsika mangataka aminy ny “fahasoavana loharanom-pahasoavana” dia ny fibebahantsika :
Arahaba, ry Mpiaro ny Mpanavotra,
Vadin’i Maria Virjiny.
Ianao no nanankinan’Andriamanitra ny Zanany ;
Ianao no nametrahan’i Maria ny fitokisany,
Niaraka taminao no nibeazan’i Kristy ho olona.
Ry Md Josefa sambatra ô,
Aoka ianao hiseho koa ho ray ho anay,
ary tariho amin’ny lalan’ny fiainana izahay.
Mivavaha mba hahazoanay fahasoavana, famindram-po sy herim-po,
ary arovy amin’ny ratsy rehetra izahay.
Amen.
Tsy ho ela dia ho tonga ny Noely, koa hiezahantsika mba tsy ho hafaliana mandalo sy manodoka no hiomanantsika fa hafaliana maharitra marina tokoa… Mampandinika ity tenin’ny Pretra iray ity hoe: “Raha tsy fointsika homena ny mahantra ny vola mety ho lanintsika amin’ny fanamboarana ny tranon’omby sy ny fanaingoana ny trano fiangonana, Noely inona no tiantsika hankalazaina? Hanampy antsika hahita an’i Kristy ao amin’ilay zaza teraka anatin’ny hatsiakan’ny lavabato ve izany?” Asa re! Asa raha mba ho fantatsika ilay anankiray eo afovoantsika!
Ho fitsaohana an’i Jesoa nisafidy ny hahantra sy ho tonga tena iray amin’ny mahantra anie ny fiomanantsika amin’ny Noely.