Alahady fahatelo fankalazana ny Paka Taona A
Mitoera eto aminay ry Tompo
- Asa 2, 14. 22b-33/
- Salamo 15/
- 1 Piera 1, 17-21
- Md Lioka 24, 13-35
Ny alahady fahatelo dia ankalazana ny “mofo novakiana” : “teo am-pamakiana ny Mofo no nahalalan’ireo mpianatra an’i Jesoa” (Lk, 24, 13-35). Amin’ny taona A dia vakiana ny tantaran’ireo mpianatra roalahy nankany Emaosy (Lk 24, 13-35), amin’ny taona B dia tohizana ny famakiana io evanjely io (Lk, 24, 35-48), ary navohitran’i Lioka ihany ny tapaka hazandrano nohanin’i Jesoa tafatsangan-ko velona… amin’ny taona D kosa dia ny evanjely araka ny nosoratan’i Joany no vakiana, ny fanaratoana : trondro manambara an’i Kristy, ilay zanak’Andriamanitra, mpamonjy antsika (Jo 21, 1-19) Izy ilay mofo sy ny hazandrano tokana eo ambonin’ny vainafon’ny Fanahy, maniry hikambana amin’ny trondro vaovao (voajono ho mpianany) ka vakiana ho sakafo hamelona ny olombelona rehetra.
Ny tanjon’ny fotoana mystagogique moa, araka ny efa voalaza ihany dia ny hanavaozantsika ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Ny sakramenta rehetra dia manambara ny misterin’ny Paka, ary manova ny fiainantsika rehefa ekentsika ny hiara-maty amin’i Kristy ny amin’ny fahotana, mba hitsanganantsika miaraka Aminy amin’ny fiainana mifanaraka amin’ny finoana nekentsika.
Hojerentsika ary izao ny hafatra lazain’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy ho aina mamelona antsika amin’izao alahady fahatelo izao:
“I Jesoa… novonoinareo tamin’ny hazofijaliana”. Araka ny filazan’ny mpandalina ny Soratra Masina dia misy drafitra arahina ny fitorian-tenin’i Md Piera:
1. Fitantarana ny zava-mahagaga sy mahatalanjona nataon’i Jesoa izay nanao soa hatraiza hatraiza.
2. ho setrin’izany dia famantsihana amin’ny hazofijaliana no navalin’ny olona Azy.
Ambarany anefa fa izay mihaino ny Teny dia tompon’antoka amin’ny fahafatesan’ilay Marina (novonoinareo: Asa 2, 23; 3, 13b-15a; 4, 10; 5, 30; 10, 38s); ao amin’ny Asan’ny Apôstôly dia tsara homarihana fa tsy ny fahafatesan’i Jesoa loatra amin’ny maha-fahafatesana azy no fanavotana ho antsika. Tsy lazain’i Lioka na dia indray mandeha aza fa hoe “maty ho antsika i Kristy” na hoe “maty ho solo heloka” na maty noho ny fahotana (i Paoly no mampiasa izany, jereo ohatra 1 Kor 15, 3b-5; indray mandeha no hamerenany ny hevitry ny Eokaristia Lk 22, 19 hoe fividianan’i Kristy antsika tamin’ny rany ao amin’ny Asa 20, 28); tsy lazainy koa fa “sitrapon’Andriamanitra no nahafatesany” (Mk 8, 31; 9, 31): maty noho ny nataontsika Izy.
3. Izany anefa no nanehoan’Andriamanitra ny voninahiny amin’ny nananganany ho velona an’i Jesoa sy nanosorany Azy ho Tompo (ny valin-tenin’Andriamanitra: Asa 2, 24.36; 3, 13.15; 4,10; 5,31; 10, 40); Izany dia araka ny voalazan’ny Mpaminany sy ny lalàna. Tsy sasatra i Md Lioka ny mamerina, hatrany amin’ny Boky voalohany (Evanjely) fa tsy afaka ny hahalala an’i Jesoa raha tsy mandinika izay voalaza momba Azy ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany (sy ny Salamo – Soratra), izay lazain’ny Jody hoe TNK (Torah- Nevi’im- Ketuvim).
4. Manoloana izany zava-mahagaga izany no iantsoany ny olona mba hibebaka (2, 38; 3,19; 4,11; 5,31; 10,42). Vokatr’izany fibebahana izany ny Eglizy mirafitra amin’ny 1- fahazotoana nihaino ny fampianaran’ny Apôstôly (διδαχή didaché); 2- fiombonam-pirahalahiana (κοινωνία koinonia), 3- ny Famakiana ny mofo izay nataony tamin-kafaliana sy fahatsoram-po ho fiderana an’Andriamanitra (Eokaristia); 4- sy ny fiaraha-mivavaka, Voalaza tamin’ny Vakiteny voalohany tamin’ny Alahady II.
Izany fibebahana izany dia aseho amin’ny fanekena hatao batemy, izany hoe: fandraisana ny famelan-keloka sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina (Asa 2, 36-40).
Izany no mahatonga an’i Md Lioka manamafy mandrakariva ny asan’ny Apôstôly: vavolombelona manambara fa tsy misy lalana hahafahana mizotra amin’ny famonjena afa-tsy ny fiainana amin’ny fakàna tahaka an’i Kristy. Tsara ho marihana fa amin’ny fitanisana ny salamo 16, 8-11 (tsy foinao ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko ary tsy natolotrao ho tratry ny lo ilay Masinao), izay tia an’Andriamanitra no ilay Masiny: vavolombelona manambara araka izany ny Mpianany fa i Jesoa no Mesia (Kristy, voahosotra) sy Tompo ary ilay Masin’Andriamanitra.
Ny Salamo setriny (Sal 15) dia mampiseho amintsika ny misterin’Andriamanitra Trinite Masina: eo anoloantsika Izy, izany hoe mitari-dalana, manome ohatra ka ny fanarahan-dia Azy no mampisy heviny ny fiainana; eo an-kavanantsika Izy, izany hoe manome tanana sy hery hoentintsika manatanteraka ny adidy sy ny andraikitra, izay no tsy mampiozongozona antsika; eo an-kavanany koa anefa isika (Izy eo an-kavia), isika tanan-kavanany, manaiky hihaino ny toroheviny sy hanatanteraka ny baiko omeny.
Tsy inona anefa izany fa ny fiainana ny maha-zanaka natsangan’Andriamanitra antsika, izay “nanafaka antsika tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana” (Vak II). Tsy azo adinoina araka izany fa tsy hoe tsara sy mifanaraka amin’ny Evanjely daholo akory ny fomban-drazana rehetra, kanefa kosa, maro amin’izy ireny no azo asandratra, soatoavina hoentina hanehoana sy hiainana ny Evanjelin’i Kristy, hitondrana tena am-pahatahorana ho fisaorana an’ilay efa nividy antsika tamin’ny Rany sarobidy ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Finoana an’Andriamanitra izay hitsara antsika araka ny asa vitantsika (Vakiteny II 1 Piera 1, 17-21).
Tsy afaka ny hikatsaka ny zavatra any ambony any amin’izay misy an’i Kristy anefa isika raha toa ka tsy mbola misokatra hahalala Azy ny masontsika. Lazain’ny Evanjely fa indraindray isika manantena zavatra tsy mifanaraka amin’izay nampanantenain’Andriamanitra, ka tratry ny fahadisoam-panantenana toy ny nahazo ireo mpianatra roa lazain’ny Evanjely. Izay diso fanantenana matetika dia misintaka amin’ny fiombonana, manava-tena hiala any Jerosalema (tananan’ny fiadanana) mba ho any Emaosy (misy mandika hoe vesatry ny fiainana, 11,5 km, 60 stady, avy ao Jerosalema araka ny fitantarana, saingy 30 km mahery raha ara-jeografika, Al Qubeibeh?). Izany tantara izany no entin’i Lioka mamintina ny fampianarany rehetra, hilazany fa tsy afaka ny ho tonga eo amin’ny famakiana ny mofo raha tsy mandinika ny Soratra Masina, mihaino izay rehetra milaza an’i Jesoa ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany ary ny Salamo (TNK, Torah – Nevi’im – Ketuvim), ary tsy afaka ny hahalala (ἐπιγινώσκω epiginosko: iray petsapetsa, fianakaviana iray amin’) ny Tompo raha tsy eo am-pamakiana ny mofo.
Ny sakana tsy hidirana amin’ny finoana voalazan’i Jesoa ao amin’ny Evanjely dia ny “tsy fisainana (ἀνόητος anoetos, a-noeo) sy ny hamafin’ny fo (βραδεῖς τῇ καρδίᾳ bradeis tè kardia, coeur lent)” (adala sy votsa saina no dikan-teny amin’ny vakiteny), manoloana izay voalazan’ny Mpaminany. Rehefa tsy ampiasaina ny saina, ary tsy tadidiana izay zava-nisy, dia tsy ny hikaroka ny marina no mahamay fa ny hanamarin-tena, hanamarina izay mety ho nahazatra na izay nampilamindamina, hanamarina izany nandrasana: hanavotra an’Israely, tsy araka ny ny hevitr’Andriamanitra anefa fa araka ny firehan-kevitra politika ihany. Ny fiverenana amin’ny famakiana ny momba an’i Kristy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra (TNK) kosa no hampirehidrehitra ny fo ka hampiditra azy ireo amin’ny misterin’ny “famakiana ny mofo”, izay mampisokatra ny masom-panahy hahita an’i Jesoa, na dia tsy afaka ny hahita azy intsony aza ny masom-batana.
Tsy i Jesoa anefa no manasa antsika hiantrano ao Aminy. Avohitran’i Md Lioka fa eo anelanelan’ny fandinihana ny Soratra Masina sy ny Eokaristia dia misy Vavaka: “Mitoera ety aminay fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro”. Izay tsy vonona hisahirana handray ny hafa (hampiantrano vahiny amin’ny andro hariva), tsy afaka ny hiangavy ny fijanonan’i Jesoa hiara-misakafo Aminy. Ny vokatry ny fahalalana an’i Jesoa kosa dia “fiverenana tsy misy hatak’andro” ho any Jerosalema. Izay mahazo ny Soratra Masina sy mahalala ny endrik’i Jesoa dia tsy manana faniriana hafa intsony raha tsy ny hiaina ny firaisana tian’i Jesoa ary ho vonona “hampiray ireo rehetra mino azy”, araka ny Vavak’Izy Kristy ihany (Jo 17).
Tsy mifanalavitra amin’ny fizotry ny Litorjia ankalazaintsika ny Eokaristia anefa ny fitantaran’i Md Lioka ny zava-nitranga tao Emaosy. Eo am-pisakafoanana dia « Nandray ny mofo Izy (i Jesoa), notsofiny rano sy novakiany dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy. » (Evanjely) Ny misterin’ny Eokaristia dia mifono ny misterin’ny Fijalian’i Kristy sy ny Fitsanganany ho velona. Izany no Paka ankalazaintsika.
Araka ny Katesizy ifandovan’ny Eglizy, ny Eokaristia dia sakramenta, izany hoe Famantarana hita maso (sensible) misy ny Vatana aman-dRan’i Kristy, ka noho izany dia maneho ny fiarahany monina amintsika. Raha marina ny filazan’ny Apôstôly, dia nandritra ny fisehoan’i Jesoa tamin’i Simona sy ny namany tany Jerosalema no nisehoan’i Jesoa tamin’izy ireo koa teny an-dalana mankany Emaosy. I Kristy tafatsangan-ko velona araka izany dia eo anivon’izay rehetra mivory amin’ny anarany, manatanteraka ny fampanantenany fa eo anivon’izay rehetra mivory amin’ny anarany (Mt 18, 20). Io no Sakramenta itoerany eo anivontsika mandrakariva, araka ny fampanantenany (Mt 28,20) ka nahoana ary no mbola hangataka Aminy isika hoe : « mitoera re ety aminay fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro« !
Ny fo diso fanantenana dia mora miantsampy amin’izay « toa mamelona indray ny fanantenanana« , manambony morale hoy ny fiteny! Toetrantsika olombelona izany, ary mazàna dia izany no mahatonga antsika hiantsampy amin’ny zavatra mandalo ka hanadino ilay Andriamanitra neverina ho nandiso fanantenana antsika! Impiry moa ny tsy fahombiazana (tahaka ireto mpianatra tany Emaosy) no mampivily ny fontsika lavitra ny Tompo, ka hitady toky amin’ny olona na zavatra sendra nandalo!
« Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia azy, dia ireo efa voantso araka ny fandaharany. » (Rm 8, 28) I Kristy mampahiratra ny mason’izy ireo, izay tonga tsy hitany intsony dia nambabo ny fony, eny fa na dia teo aza ny zavatra mampalahelo niseho tao Jerosalema! Porofon’izany ny niverenany ho any Jerosalema ihany, hitory fa nitsangana ny Tompo. Ny lalana mahomby indrindra hialana amin’ny fanangolen’ny ratsy, atoron’ny Evanjely antsika amin’izany dia ny fandinihana ny zava-mitranga araka ny Soratra Masina.
Tsaroantsika etoana ny fampianaran’ny Fiangonana mikasika ny lanja sy ny haja tokony homena ny Soratra Masina. Hoy ny Konsily Vatikana II:
“Hajain’ny Fiangonana lalandava ny Soratra Masina tahaka ny hanajany ny Vatan’ny Tompo, satria, indrindra amin’ny Litorjia Masina, no tsy itsaharany mandray sy manolotra amin’ny Mpino eo amin’ny latabatry ny mofo velon’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Vatan’i Kristy… ny tenin’ny Mpaminany sy ny Apôstôly dia mampanakoako ny feon’ny Fanahy Masina. Koa ny toriteny rehetra izay atao ao am-piangonana, toraka ny fivavahana kristianina, dia tsy maintsy ny Soratra Masina no mamelona sy mitarika azy… Misy hery sy tanjaka lehibe ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ka manohana sy mankahery ny Fiangonana, ary mampatanjaka ny zanaky ny Fiangonana, sakafo ho an’ny fanahy, ary loharano madio sy tsy ho mety ho ritra”. (Dei Verbum n. 21)
Tsy afaka ny hihaino ny Tenin’ny Tompo anefa izay tsy mihaona Aminy. Ary ny hahalalàna fa nihaona tamin’ny Tompo marina tokoa isika, dia terem-pitiavana hitory Azy. Izany no maha « Lamesa » ny « Soron’ny Eokaristia » : fanirahana (misiona). Raha tsy misy ao amintsika io hafaliam-po hitory an’i kristy io (Eny fa na dia handehanana any amin’ny 12 km amin’ny andro hariva aza, Emaosy-Jerosalema), dia mila kolokoloina ny fitiavantsika an’i Kristy, satria ho an’izay « tia azy » no mahasoa ny zavatra rehetra, araka ny voalazan’i Md Paoly teo. Ny fitiavana Azy no nidodododoan’i Piera tany am-pasana ny marainan’ny Paka hizaha Azy, na dia nolaviny an-kitsirano ho olon-tsy fantatra aza, ndroa andro talohan’izay. Ny Fitiavana Azy no nandrehitra ny fony hitory (sady miampanga) amin’ny Jody ilay Jesoa nofantsihana tamin’ny hazon’ny fahafaham-baraka (Vak I) saingy natsangan’Andriamanitra ho loharanon’ny tsy fahalovana mandrakizay. Ny lohahevitry ny vakiteny voalohany (Asa 2, 12-28) sy ny salamo setriny (Sal 15[16]) dia manambara ny Eokaristia fototry ny Fiainana mandrakizay (ny tsy fahalovana), araka ny fampanantenan’i Jesoa rahateo ho an’izay mihinana Azy (Jo 6, 48-59). Io toko faha-6 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany io moa no vakiana manontolo mandritra ny herinandro faha-telon’ny Paka (efa nanomboka tamin’ny zoma 2 teo)
Dia ahoana tokoa moa izany hoe mitia an’i Jesoa? Tsy ho Azy fa ho an’ny zanak’ondry sy ny reniondry hofahanana rehefa novoriana ao amin’ilay vala tokan’ny Mpiandry tokana no notakian’i Jesoa tamin’i Simona Piera (ho jerentsika amin’ny Alahady IV). Tsaroan’i Piera tsara ny hafatry ny Tompo hoe « rehefa mibebaka ianao, dia ankaherezo ny rahalahinao » (Lk 22, 32) ka izany no ilazany antsika koa fa ny fanamafisana ny fitiavana an’i Jesoa dia ny fialana amin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana (Vak II), ka hitondra tena am-pahamatorana, ho fankaherezana ny rahalahy, hanaporofoana amin’izy ireo fa afa-manova ny fiainana ny Herin’ny Fanahy izay nanangana an’i Jesoa ho velona. Tsy zavatra mandeha ho azy araka izany fa ankoatra ny finiavantsika hahatsiaro mandrakariva ny maha-zanak’Andriamanitra antsika dia tsy azo adinoina na oviana na oviana fa ny Fanahy, ilay nanagana an’i Kristy ho velona no antoka ho antsika.
Izany fibebahana izany anefa dia fizorana tsy ankiato miverina mankany Jerosalema. Ireo mpianatra roa dia niresaka (ὁμιλέω homileo[1]) sy nifampilaza ny zava-niseho (συζητέω suzeteo) hoy ny mpitantara, fa ho an’i Jesoa kosa, tsy resaka fe resaka na adihevitra no nataon’izy ireo: “Inona izato resahanareo (ἀντιβάλλω antiballo) eny an-dalana”, hoy Izy tamin’ireo Mpianatra. ἀντιβάλλω (antiballo) dia tsy hoe miresaka mba hitadiavana vahaolana, fa samy milaza ny heviny tsy hamaha fa hampitombo indray ny olana aza. Rehefa donton’ny alahelo ny fontsika, rehefa tsy mandeha araka izay noheritreretina ny zavatra atao, dia jamba hatramin’ny maso. Tsy hahafantatra an’i Jesoa, ary na miteny aza, dia miteniteny foana fa tsy hiteny am-pisainana. Hiverina any Emaosy no nahamay an’ireto mpianatra ireto.
Raha jerentsika kely ny mikasika ity Emaosy ity, inona no azontsika tsoahina mba hahafahantsika miaina ity alahady ity, hahazoana lesona hiainana amin’ny fomba hankalazantsika ny Eokaristia?
Emaosy, ny akany nahazatra raha adika ara-bakiteny, 11,5 km miala an’i Jerosalema, hoy i Lioka. Ireo mpikaroka misalasala ny momba an’i Al Qubeibeh, raha io no Emaosy ara-tantara, saingy tsy 60 stady fa 30 km mahery avy eo Jerosalema. Ny Emaosy fantatsika ao amin’ny Soratra Masina dia ilay Emaosy lazain’ny Bokin’i Makabeo. Tao no nandresen’ny miaramilan’i Jodà izay sady vitsy no tsy nanana ny fitaovana niriny na hiarovan-tena na hamelezana kanefa nandresy (1 Makabeo 4, 1-15). Afaka raisina araka izany ny hevitra hoe nankany Emaosy, izany hoe nandeha nitady Andriaamanitra manamontsana ny fahavalo ireto mpianatra manoloana ny fahamontsanan’ilay Jodà vaovao noheveriny fa hanamontsana ny Romana ka hanafaka ny taniny tamin’ny fahababoana. Izay no fahadisoam-panantenan’ireto mpianatra ireto amin’ny fiheverana sy fibanjinana ny endrik’Andriamanitra manamontsana ny fahavalo, ka rahefa ilay noheverin’izy ireo hanafaka an’Israely no indro efa hateloana izao no nahafatesany, dia aleony misitaka.
Firifiry no mandositra ny fiangonana (Jerosalema) sy ny fianakaviana satria diso fanantenana. Tsy Andriamanitra anefa no mandiso fanantenana fa isika no mbola tsy nahalala ny tena endriny: tsy hanamontsana ny zanany miady Izy, tsy hitanila mba handresen’ny iray, fa kosa hanaiky ho faty mba handresy ny ratsy sy hamongotra ny valifaty sy ny fankahalana, hahatonga antsika fratelli tutti, ho mpiavana sy ho mpiray tam-po.
Ny fanazavana ny Soratra Masina (TNK) dia tsy inona fa fanokafana ny fontsika mba hahatsiaro fa fitiavana Andriamanitra. Ny Baiboly manontolo dia teny avy amin’Andriamanitra, ary miteny momba an’Andriamanitra mba ho famonjena izao tontolo izao. Raha fintinina ny lazainy dia hoe “fitiavana Andriamanitra, tia anao Izy ary maniry anao mba hitia koa tahaka ny nitiavany anao. Tsy afaka ny hisokatra hahita an’i Jesoa eo am-pizarana ny mofo ny masontsika raha tsy misokatra amin’izany fibanjinana ny fitiavan’Andriamanitra izany.
Ny Fizarana ny mofo dia manambara ny toe-tsaina hoenti-misaotra (eokaristia). Ny mofo voazara manko, izay manambara ny fahasoavana raisintsika, tsy hokobonina ho an’ny tena manokana fa ho entina hanasoavana ny hafa. Tsy midika ho tombom-pitiavana araka izany ny tsy fitoviana, fa tokony ho loharanon-kafaliana bebe kokoa ho an’izay hohasoavina, ka hahafahana misaotra ilay “Fanahy iray ihany » loharanon’ny fahasamihafan’ny fahasoavana (jereo 1 Kor 12), ilay fototry ny fitiavana lavorary (I Kor 13).
Hifanaraka amin’ny Eokaristia ankalazaintsika anie ny Fiainantsika manontolo.
[1] ὅμιλος homilos: une multitude de gens rassemblés, une foule, un attroupement.