Alahady faharoa Karemy Taona A
Voaantso ho amin’ny fanantenana isika
- Jenezy 12, 1-4a/
- Salamo 32
- 2 Tim 1, 8-10
- Matio 17, 1-9
Eo am-piomanana amin’ny Paka dia aroson’ny Litorjia hodinihintsika amin’ity alahady II ity ny Fiovan’ny Tompo Tarehy (Mt 17, 1-9) izay santatr’ilay voninahitry ny Paka, amin’ny Fitsanganany ho velona (prefasy).
Raha dinihintsika tsara ny antony hamakiana ity Evanjely ity anio, dia hahitantsika ny tena hevitry ny Fibebahana ka hanampy antsika amin’izany lalan’ny Fibebahana marina izany: ny antony hialana amin’ny ratsy na hialana amin’ny tsara koa aza mba ho amin’ny tsaratsara kokoa dia famaliana ny antson’Andriamanitra ho amin’ny fahasambarana, ho amin’ny Paka mandrakizay (vocation). Tsy azo adino fa ny Karemy dia « signe sacramentelle de la conversion« , araka ny vavaka tamin’ny alahady fanombohana ny Karemy.
Tandindona sady ohatra ho antsika amin’izany famaliana ny antso izany Abrahama izay nandao ny taniny « araka ny Tenin’ny Tompo » (Jen 12, 1-4), tsy noho ny fahamendrehana sanatria, fandrao hirehareha isika, fa araka ny « fikasàny sy ny fahasoavany » mba « hiankinantsika mandrakariva amin’ny herin’Andriamanitra » izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina » ka tsy ho menatra ho vavolombelony« (Vakiteny II 2Tim 1, 8-10).
Miantso antsika ho amin’ny fanantenana Andriamanitra. ny Dikan-teny henontsika amin’ny vakiteny I moa dia sady efa mahazatr antsika no tsy hahazoana ny halalin’ny hafatra tiany ampitaina. Tsara ho marihina fa tsy i Abrama no nanomboka ny dia hiala tany Ora fa ny rainy Terà ary aorian’ny fahafatesan’io rainy io tao Haràn no manomboka ny vakiteny anio.
Manoloana ny fahafatesan’izay heverina ho andry iankinana no miantso antsika Andriamanitra, tahaka ny Apostoly voaantso hitory ny EVanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tao Haràn no nahafatesan’ny rain’i Abrama ary teo ihany koa no lazain’ny Boky Jenezy fa nanangonany ny fananana rehetra nentiny hanaraka azy, hanoizany ny diany.
חָרָן Haran, moa dia làlana, caravane no dikany. Eny an-dalana araka izany no hanangonantsika ny harena entina mamaly ny antson’ny Tompo, tahaka ireo mpianatra voalohany, nanangona ny Fampianaran’i Jesoa ary nitondra niaraka tamin’izy ireo ny haretsarobidin’ny Evanjely sy ny sakramenta nomen’ny Mpampianatra amin’ny hafenoany tamin’ny nahafatesany, denie roa napetrany ho an’ny mpikarakara hoy Md Lioka mitantara ilay Samaritana tsara fanahy. Mbola lalindalina kokoa noho izany anefa ny zavatra lazain’ny fiantsoana an’i Abrama. Tsy misy heviny manko ny hoe “Mialà amin’ny taninao!” satria raha zoina ny tantara dia eny an-dalana ho any amin’ny tany Kanaàna izy no antsoin’ny Tompo.
לֶךְ־לְךָ֛ (lêk-lekà = יָלַך yalak, avy amin’ny matoanteny הלך halak, qal impérative masculin singulier + לְ, le = ho an’iza, mba haninona): “mandehana”, izany no voalohan-tenin’Andriamanitra tamin’i Abrama (אַבְרָם= manandaza ny raiko). Nantsoiny mba handeha, hanoy ny dia, saingy amin’ny tanjona iray hafa, ivelan’ny taniny, ivelan’ny fianakaviany, ivelan’ny tranon-drainy, ivelan’ny mahazatra ny rainy, mba ho an’ny fahasambaran’ny tenany ihany (lekà): “mandehana ho anao”.[1] Tsy Abrama na ny rainy Terà intsony anefa fa YHWH no hanambara ny “tany nampanantenaina”, tanjona hizoran’ny diany. “Handeha ho azy” Abrama, handeha hitady ny fahasambarany saingy tsy ho azy irery no hiantsoan’Andriamanitra azy, fa “ho fanasoavana ny firenena rehetra”.
Tahaka izany koa isika, antsoin’Andriamanitra ho sambatra, ka ao amin’ny fiombonana amin’ny fahasambarany no haha-sambatra antsika. Tsy azo adinoina fa mba hitaran’ny fahasoavana sy ny famonjena sitrany ho an’ny zanany tsirairay avy no iantsoan’Andriamanitra antsika, tahaka ny niantsoany an’i Abrama. Hoy i Jeremia Mpaminany momba izany : “Fa izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, – teny marin’ny Tompo, – dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana” (Jer 29, 11).
Raha mbola miaina koa dia tsy afaka ny tsy handao ny “tranon-dray”. Ny fahaterahana dia fivoahana avy ao an-kibon’ny Reny. Na i Jesoa aza dia niala ny tranon-dRainy, tsy nihevitra ny toetra maha-Andriamanitra ho zavatra nobaboina ka tonga olombelona mitovy amintsika mba hiara-monina mandrakizay amintsika (Fil 2). Fahafatesana ny fijanonana ao an-kibon-dreny mihoatra ny mety, fahafatesana koa anefa ny fandaozana azy mialoha ny fotoana. Ny fiainantsika ety dia mizotra amin’ny fahanterana sy ny faharavan’ny ara-nofo, izay no fiafaràna takatry ny saina, ary alohan’izay dia fandaozana zavatra maro (na an-tsitra-po na an-tery), fandaozana fahazarana isan-karazany, tanàna, namana… fa ho an’izay manaiky handeha, tahaka an’i Abrama, dia ho tonga fanasoavana ny hafa, satria hanaiky ho fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra.
Ny fahatsapantsika fa “fandaozana” mandrakariva ny fiainana, fandaozana, tsy ny ratsy ihany fa na ny tsara koa aza mba hizorana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany, ary fandaozana mba hanoloran-tena ho an’ny hafa satria izany no mampisy heviny azy, dia izany no manampy antsika hisedra ny fitsapana isan-karazany. Isaky ny manao dingana isika, raha manaiky hiroso dia mamindra ny tongotra avy amin’ny toerana iray ho amin’ny toerana hafa.
Ireo Apostoly lazain’ny Evanjely anio aza, dia voairaka hiala amin’ny hafinaretan’ny Tabôr mba hidina eny an-dohasahan’ny fiainana. Nefa kosa na mistery aza ny ao ambadiky ny fahafatesana, ny fibanjinan’izy ireo ny “fiovan’ny Tompo tarehy” dia nanampy azy hiezaka hampisy heviny ny fiainana, hibanjina sahady, na dia fanandramana kely fotsiny aza (avant-goût) izay ho mandrakizay, ilay tany nampanantenain’Andriamanitra. Tsy mora ny mahazo fa ao ambadiky ny fanoloran-tena ho fahasambaran’ny hafa no misy ny voninahitra. Ary satria tsy maintsy ho faty ihany ka tsy aleo ve hiezaka mba hampisy heviny ny fiainana sy ny fahafatesana amin’ny fitiavana sy ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra.
Nino izany Abrahama ary izany finoany izany no nifandovan’ireo izay antsoin’i Paoly hoe “zanany amin’ny finoana” voatsodrano miaraka aminy ka entin’Andriamanitra hanamarinana koa ny Jentily (Gal 3, 7.9). Mifanjohy amin’izany fiekem-pinoan’i Abrahama izany koa ny finoan’i Piera, tantarain’ny perikaopa (vakiteny) mialoha ny Evanjely vakiana anio.
Tsy azo sarahana ny fitantarana ny fiekem-pinoan’i Piera izay voafidy ho vato anorenana ny Fiangonana (Mt 16, 13-19) sy ny Fiovan’ny Tompo tarehy izay lazain’i Matio fa niseho afaka henemana taorian’izay. Ny havaloan’andro lazain’i Lioka dia manampy antsika hahazo ny fetin’ny Pantekoty, fetin’ny lalàna vaovao (mbola halalinintsika amin’ny Pantekoty), fomban’ny jody mivavaka havaloan’andro mba hanomana ny fo handray ny Lalàna sy hivelona amin’ny fiainana azy. Ny takela-baton’ny Lalàna anefa tsy mahavoky an’izay mbola fatra-pitady ny mofo, misy ny mivavaka kanefa toa mahatsapa fa vao mainka miha-ratsy ny fandehan-javatra. Ny fandinihana ny fiovan’ny Tompo tarehy no manampy antsika hahazo fa Lalàna vaovao no mitondra antsika amin’ny tranolay vaovao honenan’Andriamanitra, hitondra antsika amin’ny hafenoan’ny hafalian’ny andron’ny famelàna (Yom Kippour). Tsy ny mofo ihany no mahavelona fa ny Teny entin’Andriamanitra mahary sy mitahy ny aina, raisina ka hiainan’izay mandà ny tenany sy manaiky ny ho mpanompo, tahaka an’i Abrama, izay manaiky hiainga araka ny Tenin’ny Tompo.
Raha te handalina izany fifandraisany izany dia azo vakiana ny Boky nosoratan’ny Papa Benoit XVI, Jesoan’i Nazareta, ny toko faha-9 izay hitantaràny ny Fiekem-pinoan’i Piera sy ny Fiovan’ny Tompo Tarehy. Ao no hanazavany ny fifandraisan’ny Fiovana Tarehy sy ny Eksaody 24 izay nihaonan’i Moizy tamin’i YHWH tany an-tendrombohitra… mbamin’ireo fety Jody hafa. Ho an’ny Papa BENOIT XVI, ny Fiovana tarehy dia manambara amintsika ny tsiambaratelon’ny vavaka (avvenimento di preghiera). Ny voninahitr’i Kristy tafatsangana no hahafahantsika mahazo ny Soratra Masina. Ho an’izay manana andraikitra manokana amin’ny Fitantanana ny andian’ondrin’i Kristy moa (raiamandreny, mpanabe, zoky, pretra, filoha sns) dia manan-danja manokana ny vavaka, izay hifotoran’ny fanarahan-dia an’i Kristy : « Ity no Zanako Malalako, henoy Izy« , voaantso hihaino ka hiaina ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy, mialoha ny hitoriana azy amin’ny hafa. Ny hoe “zanak’Andriamanitra”, araka ny Baiboly dia ilazana ny Mpanjaka apetraka amin’ny fiandrianany: i Jesoa no Mpanjaka hohenoina satria sitrak’Andriamanitra ho ilay Mesia, ilay Voahosotra hampanjaka ny rariny sy ny fiadanana ho an’ny vahoaka rehetra. Manana adidy haneho ny endrik’Andriamanitra amin’ny hafa ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Tsy vokatry ny fahamendrehantsika anefa, hoy i Md Paoly, no antony niantsoan’Andriamanitra antsika fa “araka ny fikasany sy ny fahasoavany” ka ny fahatsapana ny fitiavany (salamo 32) izay namonjy antsika no hahafahantsika mandray anjara amin’ny fijaliana vokatry ny fitoriana ny Evanjely. I Md Paoly any Roma efa tandindomin’ny martiry hamonoana azy moa eto no manoratra sy mankahery an’i Timote (Vak II 2 Tim 1, 8b-10).
I Moizy sy Elia dia efa nisantatra ny karemy izay efapolo andro hiomanana hihaona amin’ny Tompo. I Moizy moa nijanona efapolo andro sy efapolo alina tany an-tendrombohitra, tao anatin’ny rahona, mba hihaona amin’YHWH (Eks 24, 18) ary i Elia izay nandeha efapolo andro sy efapolo alina mba hihaona amin’YHWH any an-tendrombohitra (I Mpanjaka 19, 8) ary i Kristy nivavaka sy nifady hanina tany an’efitra efapolo andro sy efapolo halina mialoha ny niantsoany ny Mpianany (Evanjely tamin’ny Alahady I Mt 4, ary tsara vakiana koa ireo naoty atoron’ny Baiboly TOB).
I Moizy sy Elia dia taratry ny voninahitr’Andriamanitra, satria izy ireo no vavolombelona nahita ny voninahitr’Andriamanitra nonina tao Sinai. Ny tranolay fihaonana (Shekinà) dia hahatsiarovan’ny Jody io fisehoan’ny voninahitra nandrakotra tendrombohitra nandritra ny henemana io ka ny andro fahafito (afaka henemana) Andriamanitra no niteny tamin’i Moizy. Saingy i Moizy ihany no naminany ka niteny tamin’ny zanak’Israely hoe: “Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny rahalahinao, YHWH Andriamanitrao; hohenoinareo izy” (Det 18, 15).
Ny Lalàna (voasoratra tamin’ny takela-bato) no vavolombelon’ny fiarahan’YHWH tamin’ny vahoakany (tranolay voalohany). Ny Mpampinany dia tsy nanao afa-tsy ny nampahatsiaro ny vahoaka mba tsy hanao fo vato ka hiverina amin’ny Lalàn’ny Tompo (tranolay faharoa). Ilay Teny tonga nofo kosa no ilay “zanak’Andriamanitra”, anaram-boninahitra omena ny zanaky ny Mpanjaka mandray ny fiketraham-boninahitra ka asandratra ho Mesia, hiaro sy hitady izay hahasambatra ny vahoaka. Mesia araka ny sitrak’Andriamanitra anefa (Izaia 42,1), hanetry tena sy hahalefitra fa tsy araka ny fiheveran-dison’ny olona. Izy no ilay Mpaminany nolazain’i Moizy, ary lazain’ny Ray fa hohenointsika. Ny fihainoana Azy no zary “tranolay” hahatonga antsika ho fonenan’ny Trinite Masina (Jo 14, 23). Izy no Emanoela, Tranolay mandrakizay maneho fa miara-monina amin’ny vahoakany Andriamanitra.
Tsy fanangonana ny traikefam-piainana nataontsika ny firosoana ho kristianina. Izay mahita ny voahangy tsara dia tsy maintsy hivarotra (hahafoy) izay rehetra nangoniny hatramin’izay mba hividy azy (Mt 13, 45ss). I Moizy sy Elia dia nanamboatra ny lalana nitondra amin’ny fiainana ihany, jiro manazava ao anatin’ny haizim-pito vokatry ny hamafin’ny fon’olombelona, fa rehefa tonga ilay masoandrobe lohataona dia tsy ho hitan’ny maso intsony izy ireo. I Jesoa irery sisa. Mampalahelo raha mbola afangaro amin’ny sikidy sy ny fanandroana na amin’ny fanompoana andriamani-kafa ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Niresaka ny fiakarany any Jerosalema tamin’i Moizy sy Elia i Jesoa, hoy i Md Lioka. I Piera kosa nandray fitenenana mba hahafahana mitoetra eny an-tendrombohitra, mba hahafahana mitahiry an’Andriamanitra ho azy mandrakizay. Manolotra ny tenany ho antsika Andriamanitra saingy tsy azontsika hofehezina kosa amin’izay mety ho fomba na fihevitra na “tranolay” ataontsika (2 Sam 7, 3; 1 Tantara 17, 4).
Natsangan’Andriamanitra ho zanany isika tamin’ny Batemy noraisintsika, ary fotoana hanavaozana izany voninahitra maha-zanaka antsika izany ny Karemy. Araka ny Lovam-panahin’ny Fiangonana moa dia izao no fotoana hiomanan’ireo Katekomena handray ny batemy ny alin’ny Paka, ka hanatanterahana ireo dingana telo firosoana amin’ny Batemy (Jereo ao amin’ny vavaka sy Hira batemin’olondehibe pejy 99 sns). Ambaran’i Kristy fa ilay voninahitra hitan’Israely amin’ny Fahazavan’ny tava sy ny fitafian’i Moizy (Eks 24, 17 sy naoty) dia misy heviny noho ny porofom-pitiavana nasehony eo ambony Hazofijaliana.
I Kristy no fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany (Mt 5, 17). Ao aminy no hahafahantsika mitandrina ilay akanjo fotsy porofon’ny nampakarana antsika ho vadiny ao amin’ny Eglizy amin’ny alalan’ireo sakramenta noraisintsika (Batemy, Komonio…), tsy ho akanjom-boninahitra sy fety ihany, fa fanehoana koa ny fahavononan-kanompo, haneho ny maha-Mpanjaka antsika amin’ny fampanjakana ny Fitiavana, hiaina ny maha-Mpaminany antsika amin’ny Fijoroana ho vavolombelon’ny finoana nekena (na hijaly aza noho ny Evanjely aza, hoy ny vak II) ary hivelona ny maha-Mpisorona amin’ny fiainam-bavaka, hahatsapana fa ny fihaonana amin’ny Ray eny an-tendrombohitry ny fivavahana no hany loharanon-kery azo tovozina hahafahana mitondra ny hazofijaliana sy manara-dia an’i Kristy (Lk 9, 23)[2].
Alao hery ary ny fitozoana hiomana amin’ny Paka, ka amin’izao efapolo andro (karemy) izao, mety mbola any an’efitra mifady hanina sy mivavaka toa an’i Jesoa isika (Mt 4), mety ho efa eny an-dalana toa an’i Elia mba ho any Oreba (I Mpanjaka 19) na efa mitoetra ao anatin’ny rahona eny an-tendrombohitra toa an’i Moizy miandry ny tenin’i YHWH (Eks 24), kanefa mahatsiaro mandrakariva fa zanaka tian’ny Ray, voaantso ho amin’ny fanantenana (toa an’i Abrahama) higoka ny Fiainam-baovao araka ny Evanjely.
Andriamanitra o, nasainao nihaino ny zanakao malalanao izahay, ka enga anie ho sitrakao ny hamelona ny fanahinay amin’ny Teninao, ka handio ny fonay mandinika azy ary ho sambatra izahay mibanjina ny voninahitrao (Vavaka fangatahana).
[1] Thabut annote la traduction de Lêk-lekà : « Grammaticalement, cette forme ne comporte peut-être pas tout le poids de sens qu’on se plaît à lui prêter. La traduction la plus fidèle serait probablement « Toi, va » ou « Quant à toi, va », qui exprime un appel adressé à une personne bien précise, une vocation. Le commentaire de Rachi est donc déjà de l’ordre de l’interprétation croyante, du commentaire spirituel (que nous ne demandons qu’à suivre, bien sûr). »
[2] Ny antoka omen’izay te hanara-dia an’i Jesoa nosoratan’i Lioka manelanelana ny Fiekem-pinoan’i Piera sy ny Fiovan’ny Tompo tarehy (Lk 9, 23).