Alahady faharoa Fiaviana Taona B
- Izaia 40,1-5.9-11
- Salamo 84
- 2 Piera 3,8-14
- Md Marka 1,1-8
AMBOARY NY LALAN’NY TOMPO
Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.[1] (Mk 1,1-8) Izay novakiana tamintsika androany no nanombohan’i Marka ny fitantarana ny Vaovao Mahafaly. Raha isika, amin’ny faritra misy antsika sy ho an’ny olona manodidina antsika no hanomboka hanoratra Evanjely, inona no hanombohantsika azy?
Ireo famantarana ampiasaina mba hiainana ny misterin’ny fiaviana, izay mampahatsiaro antsika ny halalin’ny harem-panahy fonosin’ny vanim-potoana ankalazaina dia mety hanampy antsika. Anisan’izany ny Couronne de l’Avent, ireo labozia efatra ampirehetina tsirairay isaky ny alahadin’ny fiaviana. Azo atao samihafa ny lokon’ireo labozia: volomparasy, mena, mavokely ary fotsy… Loko tsy nofidìna hahafinaritra ny maso anefa fa manambara ny fizotry ny fiainana eo am-piandrasana ilay efa eo anivontsika, Emanoela: fibebahana, finoana, hafaliana sy fiadanana hahatonga ho vavolombelona hanazava izao tontolo izao.
Ndeha ary aloha hojerentsika ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Eglizy ho fanilo ho antsika anio.
Ny vakiteny I° dia nalaina tao amin’ny fizaràna antsoina hoe “livret de la Consolation d’Israel”, Bokin’ny fampiononana an’Israely, ny deoterô-izaia na Izaia II (Iz 40-55).
Ampionony ny vahoakako:
Na dia any an-tany fahababoana aza ny vahoaka Israely itenenan’i Izaia dia manamafy ny fitiavany azy Andriamanitra. “Vahoakako”, hoy Izy. Na dia tsy nahatandrina ny Didy aza ilay vahoaka “nofidìn’Andriamanitra” (Eks 19,5) hanehoany ny fitiavany ny olombelona rehetra, dia nijanona ho Andriamanitra mpiaro azy ireo Izy, ary manambara fa “tapitra ny fanompoana nanjò ny vahoaka”. Averin’i Izaia faharoa amin’ny famaranana ny bokiny moa fa hiainga avy any Babilôna an-kafaliana izy ireo (Iz 55,12-13), eny fa na dia mbola hiandry ny Didin’i Sirosa hivoaka amin’ny taona 538 alohan’i J.K. aza (2 Tan 36,22snm; Esd 1,1snm).
Vokatry ny fahotany ihany no mampijaly ny vahoaka fa tsy sazin’Andriamanitra tsy akory. Mbola nihevitra anefa ireto vahoaka ireto fa ny hatezeran’i YHWH no nampahita faisana azy ireo ka tsy maintsy hanonerany ny fahotany. Anton’ny fampiononana, araka izany, ny filazana fa voaonitra ny helony: voarainy (lāqaḥ) avy amin’ny Tanan’ny Tompo ny roa heny onitry ny fahotany.
Araka ny ampianarin’ny Boky Eksaody tokoa manko (Eks 22,3.6.8), dia mila honerana avo roa heny izay zavatr’olona nalaina tsy an-drariny. Dia io hevitra io no diso masaka ao an-tsaina indraindray, ka iheverantsika fa fikapohana indroa miantoana no hasetrin’Andriamanitra ny ota vita, araka ilay dikan-teny ao amin’ny hirantsika. Raisintsika vilana araka izany ny Vaovao Mahafaly nambaran’i Izaia. Azo heverina ho fampiononana ve ny fikapohana indroa miantoana? Raha ny marina dia tsy fikapohana indroa miantoana no hataon’Andriamanitra fa fanonerana indroa miantoana. Io no vaovao mahafaly: lehibe lavitra noho ny fahotàna ataontsika ny famelàna avy aminy, voavela avokoa ny ota rehetra natao. Tsy isika no manonitra fa Izy Andriamanitra mihitsy no manonitra avo roa heny ny fahotantsika, satria avy amin’ny tanany no andraisantsika ny fanonerana tokony ho notakìna amintsika. Ny Zanany maty ho antsika teo ambony hazofijaliana no porofo fa tsy nivadika tamin’izany teniny izany Izy.
Ny finoana izany fitiavan’Andriamanitra izany no hahafahana mino fa tahaka ny nanokafan’Andriamanitra lalana tany an’efitra avy tany Ejipta no hitondrany amin’ny fahafahana koa ny vahoakany avy any amin’ny tanin’ny fahababoana. Mahazatra ireo Jody babo tany Babilôna moa ny manamboatra ny arabe midadasika hankalazana ny fetin’ny andriamanitra “Mardouk”, ka ahitsy avokoa ny melomeloka, aravona ny havoana, totofana ny lohasaha, mba hahafahan’ny mpanjaka mpandresy sy ny sarivongan’ny andriamaniny mandalo eo, hobìn’ny vahoaka rehetra. Raha ao amin’ny fanandevozana isika, voatery hanamboatra ny lalana alehan’ny andriamanitry ny hafa, tsy ho hafaliana ve ny hanamboatra ny lalana handehanantsika miaraka amin’ny Andriamanitsika, mankamin’ny tanin’ny fahafahana?
Hitan’ireo izay tafaverina an-tsesitany moa ny Salamo 84/85 setriny ity. Ireo andininy voalohany (tsy ao amin’ny vakiteny) dia manambara ny Tompo mitsimbina ny tany sy nampody ny babo teo amin’ny tarakan’i Jakôba (Sal 85,2). Ny matoanteny hebrio hoe shoub moa dia entina ilazana ny fiverenan’ny babo any an-tanindrazana (Sal 85,2), fa ilazana koa ny ezaky ny olona hanatona an’Andriamanitra manoloana ny halehibeazan’ny famindram-po manarona ny heloka (and. 2sns).
Ny volomparasy, lokon’ny fanamian’ny mpisorona mandritra ny Fiaviana dia manambara izany fibebahana izany, izay lazain’ny Salamo fa vokatry ny fahamarinana mitrebona an-tany sy ny rariny mitranga eny an-danitra, fihaonan’ny fitiavana sy fahamarinana, fitambaran’ny rariny sy ny fiadanana… Mamokatra tokoa manko ny tanintsika rehefa manome orana Izy Tompo, satria miaina am-pahamarinana eo anatrehany isika.
Tsy hoe nandeha ho azy tsy akory ny fiainan’ireo babo tafaverina an-kafaliana any Jerosalema ka handeha hanorina ny Tempoly indray, ary raha naharitra 50 taona ny fahababoana tany Babilôna dia mazava loatra fa amin’ireo tafaverina tamin’izy ireo, izay tsy antitra dia tanora teraka tany amin’ny tany fahababoana. Toy izany koa, tsy hafaliana hamantanana vary tondra-dronono aman-tantely tsy akory ny fibebahana, fa hafaliana hoenti-mikatroka satria asa mitaky fandraisana andraikitra no miandry amin’ny fanorenana ny tanàna sy ny Tempoly.
Miainga amin’ny fahaiza-mihaino anefa ny fibebahana rehetra: hihaino izay lazain’ny Tompo aho, hoy ny mpanao Salamo. Inona no lazainy?
Namintinan’i Md Bénoit ny fomba fiainan’ireo mpianany ny hoe: “ora et labora” – mivavaka sy miasa, hilazany fa « rehefa mivavaka isika dia hihevitra fa miankina amin’Andriamanitra ny zava-drehetra, ary rehefa miasa dia hihevitra kosa fa nankinina amintsika ny fandavorariana ny tontolo« . Dia izany no nokalointsika tamin’ny salamo setriny hoe « tafahaona ny fitiavana (ḥesed=hatsaram-po) sy ny fahamarinana (’ĕmeth = fahatokisana, tsy fivadihana amin’ny teny nomena). Mifanoroka ny rariny (tsedheq = fitandrovana ny rariny) sy ny fiadanana (shālōm = fahalavorariana); ny fahamarinana (’ĕmeth) mitrebona eto an-tany, ny rariny (tsedheq) kosa mitranga eny an-danitra. » (Sal 85,9-14). Fantatsika fa i Jesoa no ilay fahamarinana, nidina tety an-tany sy miara-monina amintsika. Izy tafatsangan-ko velona no milaza amin’ny Mpianany hoe : “fiadanana ho anareo”, araka ny lazain’ny Salamo. Fiadanana no lazainy.
Raha dinihina tsara izany zavatra lazain’ny Salamo izany dia hoe: avy amin’ny tany, ezaka avy amintsika no mampitrebona ny fahamarinana (tsedheq), izany hoe takìna amintsika ny tsy fivadihana amin’ny teny nomena, ary ohatra ho antsika amin’izany ilay Teny tonga nofo ankalazaintsika amin’izao vanim-potoana izao, fa ny rariny kosa, ny fitsarana izay marina sy hitsiny, ny fiheverana hamaly faty na hanasazy dia an’Andriamanitra, izay efa nolazaintsika teny am-piandohana fa “andraisantsika” ny indroa heny valin’ny fahotana avy Aminy.
Tsy tokony hanjehy ny andro ho lava àry isika amin’ny fanamboarana ny lalan’ny Tompo, satria miandry antsika amim-pandeferana Andriamanitra, hoy Md Piera, mba tsy hisy ho very na dia iray aza fa samy hanatona hibebaka daholo (2P 3,9), ka tokony hifanaraka amin’izay andrasantsika ny fomba fiainantsika. Izay tenin’i Md Piera izay dia mampahatsiaro an’ireo manao be marenina fa tsy afaka ny hanery ny safidin’ny olombelona Andriamanitra nefa kosa miantso ny tsirairay handray anjara amin’ny asam-pamonjena atolony ho an’ny olombelona rehetra; etsy ankilany koa anefa, ho an’izay miandry sy dòdona amin’ny fiavian’ny Andron’ny Tompo, dia antsoin’ny Apostoly mba hanao izay tratry ny ainy hampibebaka ny hafa, amin’ny fiainana ny hafalian’ny Evanjely ao anatin’ny fiadanana sy amin’ny fitondran-tena tsy misy kianina.
Ny Fibebahana anefa, ankoatra ny fihainoana, dia vokatry ny fiekena heloka, hoy i Marka, ka ambaran’ny Batemin’i Joany (Evanjely), ilay feo miantso antsika hanamboatra lalana ho Azy Tompo fa tsy sanatria ho an’ny andriamanitry ny vahiny manandevo antsika tsy akory.
Amin’ny Couronne de l’Avent, ny Labozian’ny fibebahana (volom-parasy) dia tsy mitsahatra mirehitra, ary avy aminy no angalana ny afo handrehetana ny labozia manaraka: ilay batemy amin’ny Fanahy Masina iantsoan’i Jesoa antsika rehetra. Izy ilay “avy ao aoriana”, hanoro antsika ny lalana izorana (Iz 30,21).
Io labozia io araka izany (azo atao mena) dia manambara ny Fanahy, ilay manome antsika ny Finoana miorina amin’ny fibebahana marina. Tsy mianina amin’ny fandavana an’i satana ny foto-pinoana kristiana nanaovana Batemy antsika, fa miorina amin’ny finoana an’ilay Andriamanitra tokana Olona telo, dia ny Misterin’Andriamanitra Fitiavana, ny Trinite Masina. Izany finoana izany no manome hery antsika hanamasina ny fitondran-tena sy hanamafy ny fitiavam-bavaka, ka hanao izay tratry ny aina mba tsy hanan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara (Vak II 2 P 3,8-14).
Avy amin’ny Finoana no hipoiran’ny hafaliana (alahady Gaudete – Fifaliana: loko mavokely) ka hanehoana amin’ny fiainana ny hamamin’izany hoe miombona amin’ny Tompo, amin’ny oha-pitondrantena tsara… (loko fotsy).
Raha hiverenantsika dinihina ny fitantaran’i Md Marka (Marcus, izay midika hoe tantànana), dia manampy antsika amin’ny fiainana ny tena fibebahana marina takìn’ny fanomanana ny Lalan’ny Tompo, mampianatra antsika hiatrika ny fanombohana ny fiainam-baovao vokatry ny fibebahana atoron’ny Evanjely.
Mk 1,1: Fiantombohan’ny Evanjelin’i Jesoa, ilay Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra.
Fanombohana (reshîth, Jenezy 1,1), izay nadika archè amin’ny teny grika, entina hilazana koa ny loharano nipoirana, ny fototra iorenana, ny antony sy ny fomba ary ny hery hahafahana manomboka. Mampahatsiaro antsika ny fomba naharian’Andriamanitra izao tontolo izao izany. Andriamanitra no loharano ipoiran’ny misy rehetra, ary ao amin’i Jesoa no tiany hanavaozana koa antsika rehetra mba ho tonga zavaboary vaovao. Ny Boky jenezy dia entin’ny Soratra Masina mampahatsiaro antsika fa raha tsy mahary Andriamanitra dia “tsisy endrika sady foana ny tany”, mikorontana tsy azo honenana ary tany efitra tsy misy mponina ny fiainantsika raha toa ka tsy avelantsika anjakan’Andriamanitra ny fiainantsika. Toy izao ny fizotry ny fahariana araka ny Jenezy 1,1ss:
- Ny voalohany dia ny fahariana ny hazavana mba hanasarahana ny mazava sy haizina – andro sy alina. Tsy manova ny zava-misy mampiraparapa ao anatin’ny haizina ny hazavana, fa manampy antsika kosa hahita ny lalan-kombana, hahita ny zava-misy tahaka ny ahitan’Andriamanitra azy.
- Ny Andro faharoa dia ny fanasarahana ny ambony sy ambany, ny lanitra sy ny tany, hahafahantsika mikatsaka ny maharitra mandrakizay amin’ny fampiasana ny zava-mandalo (échelon des valeurs).
- Ny andro manaraka dia ny fanasarahana ny Maina (tany) sy ny lena (ranomasina), mampianatra antsika hanavaka ny zavatra mitondra amin’ny hafenoan’ny fiainana mba tsy ho sodokan’izay mety ho poizina hamono sy hamarina any amin’ny fahafatesana mandrakizay (choix et décision).
- Ny Andro faha-efatra dia mampahatsiaro antsika fa ny Masoandro amam-bolana dia Fitarika ny andro sy ny alina, zavaboary ihany ka tsy tokony haka ny toeran’ilay hazavana tokana, dia i Kristy andrasantsika (moyens et but).
Azo tohizana hatramin’ny andro faha-enina naharian’Andriamanitra ny olombelona.
I Jesoa tonga olombelona kosa dia tonga mba hampiseho amintsika ilay endrika tena maha-olombelona (lahy zākār sy vavy neqebhāh) nahariana antsika haneho ny fisian’Andriamanitra (tselem, manambara izay tsy eo, mampahatsiaro ny fisiany), ary voaantso hitovy endrika Aminy (demouth).
Fiandohan’ny Evanjely no lazain’i Marka. Ny hoe Evanjely moa (euangelion[2]) dia “Vaovao tsara indrindra”, filazan-tsara, satria mitondra hafaliana. Izany no nandikàna azy ho “Vaovao Mahafaly”. Tsy sanatria araka izany ny fahenoana izay lazain’ny Evanjely, izay mety handrara antsika tsy hanao izay tiantsika atao no lasa fahasorenana na mety hiteraka fahakiviana ao amintsika. Raha sanatria tsy mitondra hafaliana ny fihainoana ny Evanjely dia satria na tsy azo izay lazainy na azo vilana ny zavatra ambarany, na sanatria isika mihitsy no efa nisafidy fiainana manalavitra ny sitrapon’Andriamanitra. Herin’Andriamanitra ho famonjena izay mino ny Evanjely, hoy i Md Paoly (Rm 1,16).
Im-pito no miverina ny teny hoe Evanjely ao amin’i Marka (1,1.13.14; 8,35; 10,29; 13,10; 14,9) ary i Jesoa no sady Mpitory no votoatin’ny fitoriana. I Jesoa, ilay Teny tonga nofo, no Vaovao Mahafaly manambara ny Fitiavan’Andriamanitra, maneho ny fiarahany monina amintsika olombelona, izany no ankalazaintsika amin’izao Fiaviana izao.
- I Jesoa no ilay Kristy: voahosotra, ilay nampanantenain’Andriamanitra. Tsy afaka ny hino azy ho ilay Mesia izay mbola miandrandra famonjena avy amin-javatra hafa. Ao Aminy no ahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra, dia ny fizorana amin’ny lalam-pahasambarana. Hankany amin’iza moa izahay, hoy Md Piera. Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay (Jo 6,69).
- I Jesoa no ilay Zanak’Andriamanitra: ny hoe zanak’Andriamanitra moa, araka ny Baiboly dia ny Mpanjaka apetraka eo amin’ny seza fiandrianany (intrônisé). I Jesoa eo ambony hazofijaliana no lazain’ilay miaramila fa tena Zanak’Andriamanitra (Mk 15,39). Izy no ilay Mpanjaka tonga mba ho vavolombelon’ny marina, ka izay an’ny marina dia mihaino ny feony (Jo 18,37). Tsy afaka ny ho vahoakany izay mbola manompo mpanjaka hafa. Didy tokana vaovao no nomeny ho an’izay te ho vahoakany: hitia ny hafa tahaka ny nitiavany antsika. Izy no Zanak’Andriamanitra, ilay maneho amintsika ny tena endrik’ilay Andriamanitra Ray, tia antsika.
Marka 1,2-8
Henontsika teo koa hoe: mandefa ny irako eo alohanao mba hamboatra ny lalanao, araka ny voalazan’ny Mpaminany (Mk 1,2). Mampahatsiaro antsika andalan-tSoratra Masina hafa izany:
- Eks 23,20sns: “Maniraka ny anjely hiaro eny an-dalana mba hahatonga soa amin’ny toerana nomaniko : mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony.” Tahaka an’Israely koa, ho any amin’ny tany nampanantenaina no izoran’ny diantsika ka raha adino izany tanjona izany dia sarotra ny hihaino ny feon’ny Anjely manoro ny lala-mahitsy.
- Malakia (Ma) 3,1 : “Indro aho nandefa ny irako mba hamboatra ny lalana eo anoloako, dia ho tonga tampoka ao an-tempoly ny Tompo tadiavinareo.” Izany faminanian’i Malakia (mal’āk, iraka) izany no lazain’i Jesoa fa tanteraka tamin’ny nahatongavan’i Joany Batista (Mt 11,10; Mk 1,2; Lk 1,7). Ary ho tonga tampoka ao an-tempoly ny Tompo tadiavinareo. Ny teny nadika hoe “tampoka” moa, dia pithom izay ilazana ny hafainganan’ny fahatongavany no hilazana koa fa eo akaikintsika eo ilay andrasana. Tsy kisendrasendra araka izany no nahatongavan’ny Tompo tampoka fa noho Izy efa eo akaiky eo, ho avy hanadio ny fontsika mba hahafahantsika manolotra sorona araka ny lalàna, izany hoe hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fankalazana izay ataontsika.
- Ma 3,23: Indro aho haniraka an’i Elia Mpaminany ho aminareo, mialoha ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo. Iraka mitafy volon-drameva sy manao fehikibo hoditra, mampahatsiaro antsika an’i Elia ilay Tisbita, lazain’ny Bokin’ny Mpanjaka (2 Mp 1,8) izany saingy mampahatsiaro antsika koa fa misy no mitafy ny akanjon’ny mpaminany mba hisandohana ka hilazana lainga amin’ny anaran’ny Tompo (Za 13, 4).
Ao amin’ny Fitantaran’i Md Joany Evanjelista ny fijoroan’i Joany Batista ho vavolombelona (Jo 1,19-28), rehefa maniraka mpisorona sy levita hanontany azy ny farisianina sy ny lehiben’ny Jody dia misy valinteny telo nomen’i Joany: tsy izy no Mesia, ilay voahosotra; tsy izy koa no ilay Elia izay nandrasan’Israely hanomana ny lalan’i YHWH (Ma 3,1) na dia lazain’i Marka aza fa izy no ilay Elia hampibebaka ny vahoaka (Mk 9,12//Ma 3,23) ary tsy izy no ilay mpaminany andrasana, ilay Moizy vaovao andrasan’Israely (Dt 18,15.18). Feo ihany i Joany ary feo miantso any an’efitra miangavy mba hanitsiana ny lalan’ny Tompo. Tsy milaza izy hoe “Izaho no” (egô ’eimi), izay atokana ho an’Andriamanitra, fa hoe “izaho feo” (egô phonè, tsy eo ilay matoanteny ’eimi), feo miantso any an’efitra (Iz 40,3), feon’ny olombelona rehetra ihany koa miantsoantso eo am-piandrasana ilay efa eo anivontsika ka tondroiny mba harahina. Tsy azo adinoina anefa fa tsy misy Teny azo ampitaina raha tsy amin’ny alalan’ny feo, ary ny feo dia mitondra ny “teny” tiany hambara mandrakariva.
Izay maniry hatao batemy anefa dia tsy maintsy miaiky ny fahotana (Mk 2,1-12), ary hivoaka ny toerana misy azy, hifindra monina na hanao eksaody, hihazo ny lalan’ny fahamarinana, tahaka an’i Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema. Hataon’i Joany Batemy amin’ny rano, mariky ny fahavononana izany, saingy ambaran’i Joany mazava, fa tsy afaka hamokatra ny ezaka ataontsika raha tsy amin’ny fiombonana aina amin’ilay Mahery, ilay hany mpampakatra, afaka manome antsika ny Fanahy Masina, hahatonga ho nofo koa ny Teny eo amin’ny andavanandrom-piainantsika.
Tsy mendrika (hikanos, tenymafonja sy maherihery vaika) hamaha ny kofehin-kapany akory aho, hoy i Joany.
Raha fanetren-tena no ilazan’ilay lehibe indrindra amin’ny natera-behivavy sy ny lehibe indrindra amin’ny mpaminany dia hanahirana satria raha olona ambony no manompo an’i Jesoa dia mampitombo ny fahamboniany izany. Tsy ny hanetry tena loatra, araka ny hevitro, no hevitra tian’ny Evanjely hasiana tsindrim-peo eto, satria zary fandavana ny hanompo izany. Ny fihazakazahana hanompo aza manko, no heveriko fa fietren-tena eo anatrehan’ny olona iray heverina ho lehibe noho ny tena.
Ao amin’ny Soratra Masina, ny fanalàna kapa dia fomba iray entina hanalana baraka an’izay tsy mety handray ny andraikiny amin’ny fanambadiana (hanao kiloloha) ny vady navelan’ny rahalahiny efa nodimandry (Dt 25,9-10). Azo heverina amin’izay lazain’i Joany amin’izany àry fa tsy mendrika ny hitaky ny zo hanambady izay hovadian’i Kristy Izy (Rt 4,7). I Kristy no mpampakatra ary ny Eglizy no ampakarina, ary izy “Teny tonga nofo” irery ihany no afaka mampakatra azy, Izy no miantso an’Israely ho any an-taniefitra ary hiteny indray amin’ny fony (Os 2, 16).
Ny vavaka aorian’ny Kômonio dia mampahatsiaro antsika fa na eo aza ny fahasahiranana ateraky ny tsy fahampiana sy ny fiatrehana ny fiainana dia tsy tokony hohadinointsika ny hikaroka ny haren’ny lanitra sy hiraiki-po amin’izay maharitra mandrakizay.
Tsy hohadinointsika àry fa mizotra ho any Betlehema ny diantsika, hitsena ilay Kristy nanaiky hitovy amin’ny zavaboary, Izy ilay teny nahariana ny tontolo. Aza adinoina fa ny fiekena ny finoana an’i Jesoa ho Kristy, dia izay nolazain’i Piera manoloana ny fahatafintohinan’ny Jody amin’ny Misterin’ilay Teny tonga nofo zary mofo ho sakafo mahavelona, (Mk 8,29//Jo 6,68-69) dia tsy maintsy diovin’ny Misterin’ny Hazofijaliana aloha, ary ny fiekena ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa kosa, dia izay nolazain’ilay tomponjato eo anatrehan’ny hazofijaliana (Mk 15,39).
Ho famantarana hanampy antsika hino fa miara-monina amintsika Andriamanitra (Emanoela) tokoa anie ny tranonomby izay manomboka hokarakaraintsika, ka hahavonona ny fontsika handray ilay Tompo ho avy, satria ny fontsika no tempoly tian’Andriamanitra hitoerana ary ny fiainantsika no lalana tiany hahatongavana amin’ny hafa, raha mitondra tena araka ny maha-kristianina antsika isika, tsy hanan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara (Vak II) ka hilazan’ny hafa hoe: tena olon’Andriamanitra tokoa iny…
[1] Efa noresahantsika teto tamin’ny alahady 1 Fiaviana.
[2] Bibleworks :
1) une récompense pour les bonnes nouvelles
2) bonnes nouvelles
- 2a) l’heureuse nouvelle du royaume de Dieu bientôt mis en place et aussi de Jésus le Messie, fondateur de ce royaume. Après la mort de Christ, le terme comprend aussi la prédication de Jésus Christ qui a souffert jusqu’à la mort sur la croix, pour procurer aux hommes le salut éternel dans le royaume de Dieu, qui est ressuscité des morts et qui est monté au ciel, où il est à la droite de Dieu, jusqu’à ce qu’il revienne en majesté pour l’accomplissement du royaume de Dieu.
- 2b) la bonne nouvelle du salut à travers Christ (Rm 1, 1)
- 2c) la proclamation de la grâce de Dieu manifestée et garantie en Christ
- 2d) l’Évangile
- 2e) le rang messianique de Jésus étant prouvé par ses paroles, ses actions et sa mort, le récit des dires, des actions et de la mort de Jésus Christ fut appelé l’évangile ou bonne nouvelle.