Alahady faharoa Fiaviana Taona A
Izaia 11,1-10/
Salamo 71
Rômanina 15,4-9
Md Matio 3, 1-12
Mibebaha fa akaiky ny Mesia
Mandritra ny Fiaviana moa dia misy endrika telo lehibe manampy antsika hiaina azy: 1) I Izaia Mpaminany (Yesha’yah), zanak’i Amosa (‘amats, matanjaka, be herimpo), izay maneho amin’ny fomba rehetra ny finoany an’ilay Andriamanitra mampanantena ny Mesia hanatanteraka ny fandaharam-pamonjeny, famonjena hahafahan’ny voary manontolo miriaria satria tsy hisy hanjakan’ny ratsy intsony; 2) I Joany Batista, ilay mpaminany lehibe indrindra amin’ny natera-behivavy (Lk 7,28), izay manasa ny olon-drehetra hiroso hatao batemy eo amin’ny onin’i Jordany, ka hibebaka marina tokoa; 3) I Masina Maria: izy no ilay Renin’ilay Andrasana, toky ho antsika fa lalam-pahasambarana ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra.
Raha ampahatsiahivina vetivety ireo tononkira fidirana efatra entina mankalaza ny Fiaviana, amin’ny maha fanomanana ny fahatongavan’ny Mesia azy, dia hanampy antsika hahazo ny dingana izorana mba hahafeno fatra ny hafaliana.
1- Any aminao, ry Tompo no anandratako ny fanahiko, Ianao, ry Andriamanitra no ifefeko, tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavalo! Izay rehetra mitady Anao, tsy ho azon-kenatra. (Sal 24,1-3) – Ad te levavi
Ireo efa nanandratra ny fanahiny ho any amin’Andriamanitra, araka izany no ho afaka hizotra ny dingana manaraka. Ampahatsiahivin’ny Mpisorona amintsika izay ny Lamesa moa izany: “Asandrato ary ny fo”, izany hoe: aoka tsy hitady famonjena ivelan’Andriamanitra isika, ka tsy hahamenatra antsika ny maha-mpino satria efa mahazo antoka ny fitiavan’Andriamanitra.
2- Indro tamy hanavotra ny firenena rehetra ny Tompo, ry vahoakan’i Siona; hampanakoako ny feony be voninahitra ary ho dibo-kafaliana ny fonareo (Iz 30,19.30). Populus Sion
Amin’ny alahady faharoa anefa, dia ampahatsiahivin’ny Litorjia antsika fa tsy famonjena ho an’ny tena samirery no katsahin’izay mino marina fa fanavotana ho an’ny firenena rehetra. Mila fibebahana izany satria izay mety ho fitiavan-tena na avonavona (fiheverana ny tena ho ambony sy mendri-balisoa tsara kokoa noho ny hafa) dia hanjary ho fahadisoam-panantenana amin’ny fahatongavan’ny Mpamonjy. Fandinihan-tena mila atao isan’andro na mahafaly antsika na tsia ny soa azon’ny hafa, indrindra moa ny soa azon’ny olona noheverintsika ho fahavalo na natsangantsika ho mpifaninana.
3- Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny averiko indray, mifalia! Satria efa akaiky anie ny Tompo e (Fil 4,4-5) – Gaudete
Izay mifaly amin’ny famonjena ho an’ny olon-drehetra ihany no afaka hifaly ao amin’ny Tompo, ary mbola hohalalinintsika izany amin’ny herinandro.
4- Arotsahy avy any ambony ny andonao, ry lanitra, ary aoka ny rahona hampidina ilay Marina toy ny ranon’orana, ary ny Tany hisokatra hipoiran’ny Mpamonjy (Iz 45,8). Rorate
Tsy famonjena miankina amin’ny ambom-pon’olombelona no andrasana fa hatsaram-po milatsaka amin-kalemem-panahy sahala amin’ny andon’ny lanitra; fahasoavana mitsimoka sy mitombo miadana tahaka ny zava-maniry amin’ny tany. Tsy mahafoana ny andraikitra takiana amin’ny mpamboly anefa izany.
Manampy antsika amin’izany fizorana ho amin’ny hafalian’ny Noely izany koa ny fankalazana an’i Masina Maria tsy azon-keloka isika ny 8 Desambra, fankalazana hahatsiarovana indrindra ny tokony ho fitondran-tenantsika eo anatrehan’Andriamanitra. I Masina Maria no ilay Eva vaovao. Raha « Renin’ny Velona » no dikan’ny teny hoe Eva, dia mazava loatra fa « Renin’ny Fiainana » i Maria, satria i Kristy no Fiainana. Raha tahotra no nameno ny fon’i Adama satria nanota (Jen 3,7-15.20), dia hafaliana kosa no nanentana an’i Masina Maria, satria mahatsiaro fa voavonjy sy afa-keloka ka antsoina handray anjara amin’ny asam-pamonjena: « aza matahotra, ry Maria fa sitrak’Andriamanitra ianao… » (Lk 1,26-38) Mpamindra fo ny Andriamanitsika, Fitiavana Izy ka tsy tokony hatahorantsika. Izay notanterahin’Andriamanitra ka ankalazaintsika ao amin’i Masina Maria manko no sitrany hotanterahina ao amin’ny zanany rehetra izay efa nofidìny ho masina sy tsy manan-tsiny (immaculés) eo anatrehany talohan’ny nahariany izao tontolo izao (Ef 1,3-12).
Amin’ity alahady faharoa ity ary, dia miompana indrindra amin’ny « vokatry ny fibebahana » ny Vakiteny : « Manaova asa fibebahana mendrika tsara », na ny marimarina kokoa manaova asa mifanaraka amin’ny fibebahana, ampamokaro ny fibebahanareo (Mt 3,1-13). Fa inona ny Fibebahana? Metanoia hoy ny teny grika : fiovana toe-tsaina… Dia izay ny manampy antsika handalina ny fampianaran’i Joany Batista. Adidintsika ny midina ao amin’ny onin’i Jordany, adika ara-bakiteny hoe fidinana (tandindon’ny fanetren-tena), hanaiky ny maha-mpanota antsika fa hanaiky koa ny hanova ny fiainana mba hifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay maniry ny hahavonjy ny olombelona rehetra (1 Tim 2, 4). Tsy azo adinoina anefa fa ilay Fanahy hanaovan’i Kristy Batemy antsika no vimiaina manova ny toe-tsaintsika hifanaraka amin’izany sitrapon’Andriamanitra izany.
Io Fanahy io no « mampiray hevitra araka an’i Kristy » (Vakiteny II), io no mampifankatia, ka « hahafahan’ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry » (Vakiteny I) satria mahita mandrakariva ilay « endrik’Andriamanitra tsy hay vonoina » ao amin’ny olombelona tsirairay… « endrik’Andriamanitra » maratra fa tsy voafafan’ny fahotana!
Impiry moa isika no mihevitra ny hafa ho mitovy amin’ny alika! Na mihevitra izay tsy mitovy hevitra amintsika ho fahavalo mila fongorana na finganina! Angamba handray ny hafa tahaka ny nandraisan’i Joany Batista azy ireo ka hiteny hoe : « fetsiratsy, taranaky ny menarana« ! Kanefa raha ilay Fanahy nanangana an’i Kristy ho velona, ilay Fanahy fototry ny finoantsika, no mameno ny fontsika, dia tsy ho fanamelohana na ho fankahalana na sanatria ho fanilihana na fandosirana no asetrintsika ny hafa atsangana na mitsangan-ko fahavalo, fa toa an’i Joany Batista koa dia hitondra torohevitra sy fananarana, fankaherezana… ary tsy hihambo akory hahatontosa izany fampibebahana izany satria mahatsapa tena fa « feo » ihany, fa i Kristy no manao Batemy amin’ilay Fanahy Manamasina sy mandio.
Manampy antsika hahazo izany toe-tsaina izany ny fiverenana mandinika ny Vakiteny I (Iz 11,1-10): ilay Andriamanitra mamono ny ratsy fanahy amin’ny fofonain’ny molony no mampitoetra ny amboadia amin’ny zanak’ondry, mampandry ny pantera amin’ny zanak’osy. Fanirian’ny zanak’ondry ny haharingana ny amboadia, saingy fanirian’Andriamanitra ny hiarahan’ny zavaboariny manontolo hiriaria ao amin’ny fiadanany. Tsy afaka ny hahazo izany faniriana izany ka ho sambatra amin’ny fahatanterahany araka izany izay tsy mahazo ka tsy miaina araka ny fitiavany: famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, hoy ilay tonga mba hiantso ny mpanota (Mt 9,13). Izay matoky ny asan’ny Fanahy Masina ho afaka manova ny fon’ny olona ihany no afaka hiadana ao amin’ny Fanjakan’ny Fitiavana omanin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra, ireo ihany no afaka haniry ny famonjena, tsy ho an’ny zanak’ondry ihany fa ho an’ny amboadia koa. Ny fahalalana ny Tompo, hoy Izaia no hameno ny tany ka hahatanteraka izany. Tsy afaka ny ho sambatra manko ny ombivavy raha mbola misalasala fa mety mbola hiverina amin’ny habibiany ny orsa miara-mirao-bilona aminy. Izay mbola mitoky amin’ny herin’ny tenany, ka mihevitra fa vokatry ny ezaka nataony no maha-masina azy, dia tsy afaka ny hitoky amin’ilay Fanahy Masina mampihavana, eny fa na dia ny amboadia sy ny zanak’ondry monina ao anatintsika tsirairay avy ao koa aza.
Nampalahelo an’i Md Paoly ny nieritreritra ny fizarazarana nisy tamin’ny Kristianina tany Rôma. Nisy manko ireo malemy finoana, mbola mifikitra amin’ny fomban-drazana sy ny fadifady isan-karazany, araka ny lalànan’ny jody, nisy koa ireo nantsoiny hoe mahery, tsy nandraharaha izany fombafomba izany intsony fa nanao ho zava-dehibe tokana imasoana ny finoana an’i Kristy. Ny malemy moa milaza ny mahery ho olona superficiel, misehoseho eto ivelany fotsiny, tsy mahafehy tena; ny mahery kosa manaraby ny hafa ho olona tery saina, tsy afaka mivelatra, ntaolo be. Izany no niangaviany azy ireo mba hahatsiaro fa ny fiaraha-mankalaza an’i Kristy Tompo amin’ny fo sy vava iray no tanjona sy fahasambarana na ho an’ny andaniny na ny ho an’ny ankilany. Tsy manesotra ny maha-izy azy ny liona na ny omby ny Tompo, fa manesotra kosa izay ratsy ao, hahafahana mifandefitra sy mifanala alahelo, ho voninahitr’Andriamanitra.
Dia hialona ve isika raha mibebaka ka tonga masina kokoa noho isika ny « Jentily » izay mankalaza an’Andriamanitra noho ny famindram-pony? (Rm 15,9). Mahafaly antsika ve ny mahita ny olona mety nahavita ratsy tamintsika na tamin’ny havantsika taloha kanefa notsilovin’ny Fanahy Masina ka niova fiainana ary mety hahavita tsaratsara kokoa noho izay noheverintsika? Ampirisihin’i Md Paoly isika amin’ny vakiteny faharoa hisaotra an’Andriamanitra amin’ny fiovan-toetra sy ny fibebahan’ny tsy mpino, hahay hisaotra an’Andriamanitra amin’ny asa soa tanterahin’ny hafa satria entanin’ny Fanahy Masina.
Ny fibebahana marina araka izany dia manova ny fontsika hijery ny zavatra rehetra, handray ny olona rehetra tahaka ny andraisan’i Jesoa azy, hahatsiaro fa zanaka tian’Andriamanitra isika rehetra, ka antsoiny mba hodioviny amin’izay rehetra mety ho mololo sy akofa ao anatintsika ao. Zavatra tsy maintsy ho kilan’ny afo ihany moa ireny na ho ela na ho haingana, hoy Md Paoly (I Kor 15).
Tsy mora anefa ny mivoaka ny tanàna mahazatra, kanefa rehefa teren’ny heverina ho mahasoa dia lasa ifandrombahana ny fifindra-monina ary indraindray aza, misy tsy te hiherika hiverina any an-tanindrazany sy ny tany nahabe azy intsony, rehefa nahita ny tombontsoany any an-kafà: ny tao Jerosalema sy Jodea sy ny tany manododina rehetra dia nivoaka nankany amin’i Joany; tsy mora koa ny miaiky ny fahotana, mafimafy kokoa ny mandre ny fanakianan’ny hafa eny ankalamanjàna, kanefa izany manaiky ny fahamarinana lazain’i Joany ihany no hanaiky atao batemy.
I Joany kosa, ilay miantso amin’ny fibebahana, dia nialoha lalana ilay niala tamin’ny fomba maha-Andriamanitra ka nitafy ny fomban’olombelona amin’ny zavatra rehetra, i Joany Batista dia niala tany Jerosalema, tananan’ny Mpisorona, ka nihazo ny tany efitra; niala amin’ny akanjo voadidin’ny lalàna mba ho fanamian’ny Mpisorona ka nitafy ny hodi-drameva, fanamian’ny Mpaminany Elia; niala tamin’ny filerana ny henan’ny biby natolotra ho sorona ka niafy tamin’ny valala sy tantely remby. Tsy afaka ny hitory fibebahana izay tsy manaiky handoha ny saran’ny fiovana amin’ny mahazatra. Tsy hitory fibebahana fa vao mainka aza hampitombo fifankahalana sy fifampiandaniana izay mitsara araka ny hita maso sy hanapa-kevitra avy amin’ny fihainoana ny vavan’ny mpitati-bolana sy ny mpisolelaka. Tsy mba izany no toetran’izay entanin’ny Fanahin’Andriamanitra, hoy Izaia, henontsika amin’ny vakiteny I amin’ity alahady ity.
Araka ny fanazavan’ireo mpandalina ny Soratra Masina dia teo Betabara no nanaovan’i Joany Batemy, 400 metatra ambanin’ny ivon’ny ranomasina, ny toerana iva indrindra eto ambonin’ny tany izany, fa teo ihany koa araka ny lovan-tsofina no niampitan’ny Zanak’Israely avy any amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tany nampanantenaina. Ny Batemin’i Joany araka izany dia mampahatsiaro antsika ny hasarobidin’ny fahafahana iantsoana ny zanak’Andriamanitra rehetra: tany an’efitra dia ny mana no niveloman’ny zanak’Israely, saingy ambaran’ny Bokin’i Josoe (Jos 5,12) fa ny ampitson’ny Paka dia nitsahatra ny mana. Mariky ny fahafahana marina ny fandraisana andraikitra.
Ny tena fibebahana marina araka izany dia ny fandraisana ny andraikitra mba hampamokatra ny tany ka hahafahana misaotra an’Andriamanitra tsy misolo ny olona amin’ny asany, saingy mampamokatra kosa ny fisasarantsika hikolokolo ny zavaboary. Tsy sakana fa lalana amin’ny fizorana ho amin’ny fiainana araka izany ny filofosana mandavorary ny zavaboary, hahatonga izao tontolo izao ho zaridaina hisantarana sahady ny hamamin’ny fifankatiavana sitrak’Andriamanitra hiadanan’ny voariny rehetra.
« Manaova asa fibebahana mendrika tsara », na ny marimarina kokoa manaova asa mifanaraka amin’ny fibebahana, ampamokaro ny fibebahanareo (Mt 3,1-13). Tanisain’ny Salamo 71 ireo asam-pibebahana sahaza ny zanak’Andriamanitra: hanafaka ny ory mitoloko sy ny madinika tsy manan-kanampy, hitsimbina ny osa, hamonjy ny ain’ny malahelo.
Mba hahafahana miaina izany fibebahana izany, dia hiverenantsika ireo fampianarana lalina lazain’Izaia amin’ny Vakiteny I. Ny solofo avy amin’i Jese no onenan’ny Fanahin’Andriamanitra. Mampianatra antsika mba tsy hanao tsinontsinona izay heverin’izao tontolo izao ho marefo izany. Ary ny Noely moa dia mampianatra antsika hihoby ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra amin’ny Zaza vao teraka: tsy miantehitra amin’ny herin’olombelona fa amin’ny Herin’ilay Fanahin’ny Tompo.
Io Fanahy io dia fahendrena sy fahazavantsaina (discernement): izany hoe tsy afaka ny hanavaka ny tsara sy ny ratsy izay tsy mahalala akory hoe inona ny tsara, ary izany fahalalana ny tsara izany no atao hoe fahendrena. Ambaran’Izaia mazava tsara moa fa tsy hisy intsony ny ratsy sy ny fahalòvana satria ho feno ny fahalalàna an’Andriamanitra ny tany tontolo. Ny tena fahendrena araka izany dia ny fahalalàna an’Andriamanitra.
Io Fanahy io koa dia fifidianana amam-paherezana: tsy ampy ny mahazo torohevitra ka mifidy, manapa-kevitra hanao ny tsara, mila ny herin’Andriamanitra isika hanatanterahana izay tinapaka. Ny fifampiankinan’ny sitrapontsika sy ny fahasoavan’Andriamanitra no manakana antsika tsy hiavonavona na ho kizy amin’ny lalan’ny fibebahana.
Io Fanahy io koa, hoy Izaia dia Fanahy fahalalàna sy fahatahorana an’Andriamanitra. Izay mahalala marina tokoa an’Andriamanitra dia hatahotra Azy, izany hoe hanaja Azy ka tsy hihanona amin’ny fahitana ny Solofo mitsimoka fa handeha hitady ny fakany izay asandratra ho fanevan’ny firenena.
Io Fanahy io no hahafahantsika manatanteraka ny fifandraisana amporosihin’i Md Paoly antsika, ka hahafahan’ny mahery mandefitra amin’ny osa sy hahafahan’izay mbola marefo koa tsy hanamarin-tena fa hatoky ny fahasoavana afaka manova ny fo.
Hanampy antsika ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra eo amin’ny tontolo misy antsika anie ny fiainana izao Fiavian’ny Tompo izao ka ho zary hafaliana ho antsika ny fahatongavy ao amin’ireo mahantra sy mijaly, sitrany hisehoana.