Alahadin’ny famindram-pon’Andriamanitra.
Alahady faharoa fankalazana ny Paka (in albis),
Alahadin’ny famindram-pon’Andriamanitra.
Manohy ny fiainana sy ny fivoasana ny momba ny sakramenta ny Eglizy mandritra ny vanimpotoana fankalazana ny Paka, antsoina koa hoe : temps mystagogique (vanimpotoana fivoasana ny mistery).
Ny alahady manaraka ny andron’ny Paka dia nantsoina hoe Alahady “in albis”, hitondrana ny akanjo fotsin’ny Batemy, ho an’ireo natao batemy ny alin’ny Paka, hanavaozana ny hafaliana izay tiana haharitra mandrakizay, hahatsiarovana fa ny fitafiana an’i Kristy no lalana hidirana amin’ny “fanasan’ny Zanak’Ondry” satria ny dion’io akanjo io izay nosasana tamin’ny ran’ny Zanak’ondry no tapakila hidirana any amin’ny Fanasan’ny Lanitra, amin’ny maha-akanjo tokana fitondra amin’ny fampakarana azy (cf. Mt 22, 12).
Alahadin’ny Famindram-po koa no iantsoana azy, araka ny nanambaran’i Md Jean Paul II azy ho fety maneran-tany ny 30 aprily 2000, tamin’ny nanandratany ho olomasina an’i Mb Faustina, hahatsiarovantsika koa ilay Fanahy noraisin’ny Apôstôly mba hamelany heloka, sy hahatonga azy ireo ho taratry ny famindram-pon’Andriamanitra. Hafatr’i Jesoa tamin’i Mb Faustine moa fa “tsy hahita fiadanana izao tontolo izao raha tsy mialoka eo ambanin’ny famindram-pon’Andriamanitra”. Izany dia manampy antsika koa handinika manokana ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny fampihavanana, izay fankalazana ny famindrampo sy ny fitiavana asehon’Andriamanitra manoloana ny fahotana sy ny fahalementsika olombelona.
Taona A
Mifalia sy mifankatiava ao amin’ny Tompo
- Asa 2, 42-47/
- Salamo 117
- 1 Piera 1, 3-9/
- Md Joany 20, 19-31
Raha hiverenantsika ny vakiteny aroson’ny Eglizy ho sakafom-panahintsika amin’ity Alahady ity, dia ampahatsiahivin’i Md Lioka ao amin’ny Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 42-47) ireo toetra mampiavaka izay atambatry ny finoana an’i Jesoa Kristy nitsangan-ko velona. Ireto ny andry efatra niorenan’izany finoan’izy ireo izany:
1- fahazotoana nihaino ny fampianaran’ny Apôstôly (διδαχή didaché);
2- fiombonam-pirahalahiana (κοινωνία koinonia, nadika hoe famonjem-pivoriana ao amin’ny vakiteny), fa fiombonana izay noporofoin’izy ireo tamin’ny fananana iombonana, izay nankinina tamin’ny Apôstôly isan-kerinandro mba ho fitsinjovana ny mahantra (rakitra 1 Kor 16, 2), ny tanjona manko dia tsy ny fizarana fe fizarana fotsiny ihany fa ny mba tsy hampisy mahantra intsony eo amin’izy ireo (Asa 4, 43);
3- ny Famakiana ny mofo izay nataony tamin-kafaliana sy fahatsoram-po ho fiderana an’Andriamanitra (Eokaristia);
4- ny fiaraha-mivavaka, na tany an-tempoly niaraka tamin’ny olon-drehetra ka nanehoan’izy ireo “toetra tsara laza teo anatrehan’ny vahoaka”, na ny vavaka niaraha-nanao. Na eo aza ny vavaka samirery tokony atao koa, hidirana ao amin’ny efitrano nanafenany ny harena rehetra – ταμεῖον (tameion Mt 6, 6), dia nampiavaka ny mpino kosa ny faharetana mivavaka miaraka amin’i Masina Maria sy ny Apôstôly (Asa 1, 14).
Ao amin’ny Evanjely dia hitantsika ny vokatry ny tsy fiombonana amin’izany vavaka iarahana isan-kerinandro, ny andro voalohan’ny herinandro (alahady) izany. I Md Tomà dia tsy tao am-piangonana ny alahady voalohany. Ireo Mpianatra tafavory anefa no nisehoan’i Jesoa sy nomeny ny fiadanany, nirahiny hanoy ny asany ary nandrotsahany ny Fanahy Masina ho famelana ny fahotana. Ny misterin’ny famindram-pon’Andriamanitra no manampy antsika hivelona araka ny tena fiaraha-miaina marina mifanaraka amin’ny maha-kristianina antsika. Ny Fiadanana navelan’i Kristy ho antsika no omen’ny Dimbin’ny Apôstôly amin’ny fiarahabana ataony: “Homba anareo anie ny Fiadanana”; io no havaozin’ny pretra amin’ny vavaka atao mandritra ny Sorona Masina, fa indrindra amin’ny sakramentan’ny fampihavanana: “efa namindra fo taminao ny Tompo, mandehana am-piadanana… fiadanana izay manokatra ny fontsika koa hiavana amin’ny ratra navelan’ny fahafatesana, hiavana amin’ny tahotra tsy nahasahiana hijoro ho vavolombelona ka hamindra fo amin’ny tena sy ny hafa.
Manoloana ny fahatsapantsika ny fahalemena sy ny fahotana dia manolo-tanana ho antsika ilay Ray Mpamindra fo, amin’ny alalan’ilay Zanany nitsangan-ko velona. Tsy kisendrasendra ary araka izany raha raiketin’ny tso-drano ataon’ny pretra amin’ny fiandohan’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fampihavanana ny hoe : Enga anie Andriamanitra nanazava ny fontsika [tamin’ny Finoana] mba hanampy anao hiaiky marina fa nanota ianao, ary Izy kosa be indrafo. Indraindray anefa adinontsika fa tsy fampanginana ny feon’ny fieritreretana fotsiny ny konfesy fa fanovozana fahasoavana hihavaozana tanteraka koa. Izany no hahafahantsika mahazo fa amin’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fampihavanana dia tsy tokony hohadinoina ny Famakiana sy fandinihana ny Tenin’Andriamanitra (takian’ny fankalazana ny Sakramenta rehetra moa izany, Jereo ny firafitry ny sakramenta sy ny torolalana nandaharan’ny Eglizy azy ao amin’ny Vavaka sy Hira pejy 179 sns).
Mazàna anefa adino izany, ary adino koa ireo dingana dimy lehibe mandrafitra ny Konfesy tsara araka ny katesizin’ny Fiangonana: 1-Fiantsoana ny Fanahy Masina, famakiana ny Tenin’Andriamanitra sy fandinihin-tena; 2- fanenenana marina tokoa amin’ny fahotana vita; 3- Fikasana hiova ka hitadiavana izay fomba handresena ny ratsy; 4- filazana amin’ny pretra ny fahotana mba hangatahana famelana avy amin’Andriamanitra (konfesy); 5- asa fanonerana (fivalozana) sy fangataham-pahasoavana.
Matetika dia heverintsika fa ilay faha-efatra ihany no zava-dehibe. Tsy mandeha ho azy anefa ny fiainana am-panahy fa miankina amin’ny fikolokoloana ataontsika. Ny fankalazana ny famindrampn’Andriamanitra dia manampy antsika indrindra indrindra hahatsapa ny halehiben’ny fitiavany ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Famindrampony. Io famindram-po io ihany no hahafahantsika miandrandra ny Paradisa. Ataon’ny olona iray ahoana moa no ho sambatra mandrakizay, raha sanatria tsy mahatsiaro ho voavela heloka izy ary ho vokatr’izany tsy hahavita ny hamela heloka, ka raha sanatria ny olona mampivonto ny fony no hiara-midera an’Andriamanitra aminy mandrakizay, satria namindran’Andriamanitra fo tahaka azy koa! Ary izy rahateo ho menatra hiseho eo anatrehan’Andriamanitra!
Fanomezan’i Kristy nitsangan-ko velona ny Fanahy Masina manafaka ny fahotana. Indraindray anefa na isika katolika aza milaza fa tsy ilaina ny mikonfesy, inona no hataoko any amin’ny pretra izay fahafaham-barakan’ny Fiangonana amin’ny fitondrantenany mamoafady dradradradraina etsy sy eroa hoy ny sasany? Mahamenatra tokoa ny zava-mitranga sy ny fahalemena mbamin’ny tsy fitandreman’ny olom-piangonana, saingy tsy mampiova ny hasin’ny sakramenta tsy akory ny tsy fahamasinan’ny mpisorona. Mialoha ny komonio, moa tsy mivavaka ve isika mba “tsy hijery ny fahotan’ny mpivavaka Andriamanitra fa ny Finoan’ny Fiangonany?” Ny avonavona vokatry ny tsy fahampian’ny finoana dia mety hahatonga antsika hanosi-bohon-tanana ny fahasoavan’Andriamanitra, ka hihevi-tena ho mahavita tena, tsy mila na iza na iza, mba hanamasin-tena, ka sanatria hisintaka tahaka an’i Tomà, tsy hamonjy na dia ny fiangonana Alahady aza.
Ankoatry ny mety ho fanampiana antsika handresy ny fisalasalana sy ny falainan-kino, toa an’i Tomà, dia avoitran’i Md Joany amin’ny Evanjely anio koa ny hasin’ny Alahady, andro voalohany. Eo no hahafahana mahita an’i Kristy. Tsara marihina fa tsy mampiasa ny teny hoe “miseho” i Joany, ny miseho manko dia olona na zavatra hita teo dia manjavona dia mety mipoitra indray. Tonga izy ka “mitsangana” (ἵστημι histemi) eo afovoany, miaraka amintsika mandrakariva. Izy no nampanantena fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarany dia eo afovoahany Izy (Mt 18, 20). Marihin’i Joany fa efa hatramin’ny andron’ny Apôstôly no nivoriana isaky ny andro voalohany (alahady), ka izay tsy manatrika izany dia toa an’i Tomà, very “occasion” hihaonana amin’ilay Velona ka handraisana ny Fanahiny. Izay tsy miombom-po sy miara-mivavaka amin’ny hafa araka izany dia tsy ho tafahaona amin’ny Tompo (Kurios) nitsangan-ko velona, tahaka an’i Md Tomà, kanefa kosa, voaantso mba hibebaka sy hiverina eo anivon’ny Fiangonana hanavao ny finoany
Amin’izany Fiangonan’Alahady izany koa no handraisantsika ny fiadanany homeny antsika, tsy fiadanana araka an’izao tontolo izao (Jo 14, 27). Tsy mandeha ho azy ny fandresena ny tahotra mangeja antsika. Tsy dia mifanalavitra amin’ny Apôstôly loatra isika: Andriamanitra nampidanadana na dia ny fasana aza, ny Apôstôly kosa vokatry ny tahotra, dia nanidy hatramin’ilay Senakla, izay toerana naorin’i Kristy ho sakramentan’ny fitiavana, nanidy ilay πανδοχεῖον (pandoKeion, pas-deKomai), toerana tokony “handraisana ny olon-drehetra” (Lk 10, 34), tokony hamohàna trano sy hanolorana sakafo na dia ho an’izay hamadika aza (Jodasy) . Ny fiadanany no handresentsika ny tahotra.
Tsy i Tomà (ilay Kambana) irery anefa no sahirana amin’ny finoana an’i Kristy tafatsangan-ko velona. Ambaran’i Marka fa na ireo niara-nihinana koa aza dia tsy nino an’i Jesoa sady nanamafy ny fony (Mk 16, 14). I Tomà no lazain’i Joany fa niantso an’i Jesoa hoe “Rabbì” (le grand, Jo 1, 38), anaram-panajàna nolazain’i Jodasy irery ihany ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio (Alahady Sampankazo). Saingy izy ihany koa no nahazoantsika ny fitsahoana lavorary indrindra ho an’i Jesoa mitsangana eo anivontsika: “Tompoko sy Andriamanitro”, Andriamanitra iray ihany amin’ny Ray (Jo 10, 30).
Tsy misy porofo hafa hahafahantsika mitsapa an’i Kristy tafatsangan-ko velona anefa raha tsy ny fiarahantsika mivavaka amin’ny mpianatra isan-kalahady. Tsy azo adinoina anefa, fa mety ho sakana ho an’ny hafa ny fiainantsika tsy mifanaraka amin’ny fiadanana omen’i Kristy. Ataon’i Md Tomà ahoana kosa moa no hino fa nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, raha toa ka herinandro taorian’ny nanomezany ny Fanahiny sy ny Fiadanany, ireo Mpianatra nilaza nahita Azy, mbola mihidy aman-trano noho ny tahotra! Mila mandinin-tena mandrakariva isika mpino sao sanatria ny fomba fiainantsika no zary sakana tsy hidiran’ny olona amin’ny finoana.
Fa na banga aza anefa izany fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo izay nitantara amintsika, dia Izy Jesoa no hiangavy antsika mivantana hikasika ny tanany voafantsika, izay manambara ny fanekeny hanao soa toy izay hiaro tena na hamaly faty; hikaika koa ny lanivoany voalefona, loharanon’ny sakramenta nomeny antsika mba hohanina, hivelomana ka hahatonga ny fiainantsika ho taratry ny fiainany sy ny famindram-pony. Tsy sakana fa lalana mitondra amin’ny fiainana ny hazofijaliana.
Isaky ny havaloana Izy no miantso antsika hanao izany. Anjarantsika ny manaraka ny dian’i Tomà, mety hilaza toa azy koa isika, mahita an’i Jesoa hiakarana any Jerosalema hoe: “ndeh hiakatra hiara-ko faty Aminy any” (Gv 11, 16), saingy raha fantatsika fa lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana no atoron’i Jesoa amin’izany dia tsy hanan-tsafidy isika raha te ho sambatra. Atao ahoana tokoa moa no hahalala ny lalana raha tsy fantatra ny anton-dia sy ny tanjona hotratrarina? (Jo 14, 5). Izay vao mazava amin’i Md Tomà fa ny fanoloran’i Jesoa ny tenany hofantsihana no lalana nidirany indray any amin’ny voninahitry ny Ray. Izay vao fantany fa i Jesoa sy ny Ray dia iray ihany: i Jesoa no ilay Tompo sy Andriamanitra.
Amin’ny vakiteny faharoa dia mampianatra antsika i Md Piera hahatsiaro fa ny fahoriana dia fitsapana, handiovana izay tsy mifanaraka amin’ny maha-izy antsika. Ao anatin’ny fitsapana no hahitana ny fahamatoran’ny olona sy amoahany izay be tao am-pony. Ary rehefa tonga ny fitsapana farany, dia ny fahafatesana, dia izay maha-izy antsika eo anatrehan’Andriamanitra sisa no ho tavela, tahaka ny volamena sedraina amin’ny afo. Izany no tokony hikolokoloantsika mandrakariva ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, satria io no “volamena”, harena sarobidy hentintsika amin’ity vatana “sinitany mora vaky” ity (2 Kor 4,7).
Maniry ny ho sambatra isika…
Nisy ireo nahita sy nitsapa an’i Jesoa fahavelony, saingy tamin’izy ireny ihany koa no namàntsika sy namono Azy. Misy kosa ireo tsy mahita kanefa mino, manaiky ny hanandrana ny hamamin’ny fiainana araka ny Evanjeliny, hifaninana hifanompo. Sambatra izay manao toy izany (Jo 13, 17). Izay mahita fa tsy misy lalan’ny fitsanganan-ko velona afa-tsy ny mahafoy ny aina ho an’ny hafa, amin’ny fanompoana sy ny fitiavana hatramin’ny farany, tsy hitadiavana valiny na voninahitra na atero ka alao, dia afaka hitsaoka an’i Jesoa koa izay velona eo anivon’ny Fiangonany, ka hanao tahaka an’i Tomà hoe: “Tompoko sy Andriamanitro”, tsy hila porofo hafa intsony, ho sambatra fa mino na dia tsy nahita aza (Jo 20, 29). Ireo no fahasambarana roa ao amin’ny Evanjelin’i Md Joany.
Ny Eglizy no naorin’i Kristy ho vavolombelon’ny Fandreseny ny fahafatesana. Izy no Vatan’i Kristy hahafahan’izay rehetra te hino hikasika an’ilay “velona” (ἵστημι histemi, mitsangana) eo anivony. Ao aminy no lalam-pahasambarana atoron’i Kristy izay rehetra te hiditra (γίνομαι ginomai, devenir, miditra tsikelikely) amin’ny Finoana, ka vonona hanandrana ny fiainam-pinoana miorina amin’ny fampianaran’ny Apôstôly, ny Fiombonana sy fifampizarana, ny fankalazana ny Eokaristia sy ny fiaraha-mivavaka. Tsy afaka ny hizotra izany lalam-pahasambarana izany izay mitoka-monina na hihevitra hitady lalana any ivelan’ny Eglizy, any ivelan’ny Fiombonana.
Sambatra ireo tia an’i Jesoa na mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza, mino Azy na mbola tsy nibanjina Azy aza, hoy i Md Piera, mankahery ireo nanaiky handevina ny fiainany ao amin’i Kristy sy ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Batemy, ka nandray ny finoana ho famonjena ny fanahy (1 Piera 1, 3-9), tsy ho faty fa ho velona hitanisa ny asan’ny Tompo (Salamo 117).
Hisy vokany maharitra ao am-pontsika anie ny Sakramentan’ny Paka ankalazaintsika (Vavaka aorian’ny Komonio).