Alahady faharoa amin’ny Fiavian’ny Tompo, Taona D
- Baroka 5, 1-9
- Salamo 125
- Filipiana 1, 4-6.8-11
- Md Lioka 3,1-6
Matokia, mifalia fa mpamonjy Andriamanitra.
Amin’ity alahady faharoan’ny Fiaviana ity dia antsoina hanandrana ny hafaliana entin’ilay tonga hamonjy antsika isika. Hafaliana maimaim-poana saingy tsy afaka miaraka amin’izay mety ho “akanjo fisaonana amam-pahoriana” itafiantsika ka mila hesorina, araka ny henontsika tamin’ny Vakiteny I.
Ny vavaka fangatahana amin’ny Sorona Masina dia manambara ny tebitebintsika amin’ny lalam-pahamasinan-tena: midodododo mitsena an’i Kristy nefa matahotra ho voasakantsakan’ny asa aman-draharaha eto an-tany! Dia mety hilaza isika hoe: tsy azo atolotra ho asam-pamonjena ve ny kenonkenona manahirana isan’andro! Eny, raha fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra izany. Saingy araka ny hanazavan’ny Prefasy Karemy II hoe : na miondrika mampiasa ny zava-mandalo aza, dia hiraiki-po amin’ny maharitra mandrakizay. Mila hamafisina ny antony mampitebiteby sy mampikenokenona, satria indraindray ny avonavona sy ny fitiavan-tena no antony.
Ireo anarana hiantsoana ny olom-boafidy dia manambara ihany koa ny fomba hiainantsika ny finoana hoenti-mitsena ny Mesia ho avy : “Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka”. Fitiavam-bavaka moa no handikana ny teny Theosebeìas (piété), izay manambara ny fahatahorana an’Andriamanitra, satria ny fiainantsika ny fahamarinana no mampamokatra ny fiadanana, ary ny fiamboniana tokony hireharehantsika dia ny fitokisana amin’Andriamanitra, aseho amin’ny vavaka sy ny fiainana.
Ny vakiteny voalohany dia nalaina tao amin’ny bokin’i Baroka, naka ny anaran’ny Mpitan-tsoratr’i Jeremia Mpaminany izay tamin’ny taon-jato faha-VI saingy voasoratra kosa tamin’ny taonjato faharoa tany ho any. Tsy ny fanantenan’ny voababo tany Babilônina tamin’ny andron’i Nabokodonozora araka izany no lazain’ny mpanoratra fa ny fanantenana tokony hamelona hatrany izay mino an’Andriamanitra, ka hahatsiaro izay efa nataony tamin’ny taranaka mifandimby, ka ny fahoriana mianjady sy ny sedram-piainana dia tsy tokony hamono fa vao maika aza hampitombo ny fanantenana.
Izany moa no lazain’ny Salamo 125 izay milaza ny hafaliana noho ireo voababo miverina ao Siona fa koa mitalaho sy manantena ny fanafahana ataon’YHWH ho an’ireo babo mbola miandry ny fanavotany. Ny tiana holazaina amin’izany dia ny fahamatoran’ny finoana ka tsy hihanona amin’ny fahafahana azon’ny tena fa hahatsiaro ireo mbola mila fanafahana. Raha sanatria ny fisaorantsika an’Andriamanitra amin’ny soa raisintsika avy Aminy tsy mampisokatra ny masontsika hahita ny fahorian’ny hafa ka hanampy araka izay azontsika atao ary hitalaho ho an’ireo izay mbola mila famonjena, dia tsy mbola matotra ny finoantsika ary tsy afaka hanandrana ny hafaliana lazain’ny Vakiteny amin’ity alahady ity hoe hitazana miantsinana mibanjina ny famonjena ataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra. Tsy azo adinoina fa izany no maha-katolika: Eglizy miara-dia, manaiky ho iraka hitondra ny famonjena ho an’izao tontolo izao.
Izany no lazain’i Md Paoly ho loharanon-kafaliana ho azy: “firaisana hampandroso ny Evanjely” ka hirosoana amin’ny tsaratsara kokoa hatrany (Fil 1, 4-11). Ny fitiavana rehefa entanin’ny fahaizana marina (epignôsis) sy ny fahalalana dia mikendry hatrany izay tsaratsara kokoa ary misafidy mandrakariva ny hadio sy ny tsy hanan-tsiny ary hamokatra fahamarinana ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra (Vakiteny II). Tsy azo adinoina ny nahazo an’i Paoly sy Silasy ary Lioka tany Filipo, izay tantarain’i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly (Asa 16, 11ss), fa ny fanafahany ilay andevovavy tamin’ny fanahy nanaovany sikidy nampidi-bola ho an’ny tompony no nitoriana azy ireo ho mpanakorontana satria mampianatra fomban’ny Jody tsy azon’ny Romanina hatao (and. 21). Mahavery tombontsoa ho an’izay tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany mandrakariva ny Evanjely rehefa toriana.
Firifiry ny fankahalana ateraky ny fahaverezana tombontsoa ka hifampitoriana sy hifanaratsiana na dia eo anivon’ny Eglizy aza indraindray. Raha tsy ny fampandrosoana ny Evanjely no mampiray dia mazava loatra fa tsy ny “hamonjy ny olona rehetra” intsony amin’ny fanoroana azy ireo ny marina (1 Tim 2, 4) no tanjona fa izay hiarovana ny tombontsoa manokana fotsiny ihany.
Ndeha hiverenantsika ny Evanjely:
Taona faha-15 nanjakan’i Tibera Sezara, fony Pontsy Pilaty no governora tany Jodea ary Heroda (Antipas) no tetrarka tany Galilea. Tokotokony ho tamin’ny taona 27 na 28 d. C. tany ho any izany isika. Noely no iomanantsika kanefa ny fotoana sy ny olona mihatrika ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa no faritan’ny Evanjely. Midika izany fa tsy afaka misaraka ny Misterin’ny Paka sy ny Fahatongavana ho nofo: misterin’ny famonjena antsika ary mistery fototry ny finoantsika miaraka amin’ny Misterin’Andriamanitra tokana olona telo.[1] Tsy ny mpitondra tamin’ny faritr’Israely ihany koa anefa no nolazain’i Lioka (Jodea sy Galilea) fa teo koa ny Tetrarka tany Itorea, Trakônitida sy Abilena, mampahatsiaro antsika izany fa ho an’izao tontolo izao ny famonjena ka tsy afaka ny hikombona amin’ny tenany (na ny fireneny fotsiny ihany) na oviana na oviana.
I Hanà sy Kaifa no lehiben’ny Mpisorona, ireo no andrin’ny fitondrana ara-pivavahana. Iray ihany anefa no lehiben’ny Mpisorona, ary fantatra fa i Hanà dia nitondra ny taona 6-15 ary ny vinantolahiny Kaifa kosa ny taona 18-36. Fantantsika izay nataon’izy ireo amin’ny fitantaran’i Joany rehefa tsaraina i Jesoa (Jo 18, 13). Ny antony nanambaran’i Lioka azy ireo ho mpisorom-be miaraka dia angamba noho ny fahefa-mandidy eo am-pelatanan’i Hanà amin’izay fanapahan-kevitra tokony ho raisin’ny vonantolahiny. Tsy zava-baovao amin’ny sehatry ny fitantanana izany, ka misy ny atao saribakoly fotsiny ihany, na hembohana sy dokafana handray fahefana, fa ny ao am-badika dia vondron’olona tsy mikatsaka afa-tsy ny hiaro ny tombontsoa sy ny voninahitra.
Ny tany sy ny fanjakana efa voazarazara sy eo am-pelatanan’ny mpanjanaka nefa eo koa ny fisavorovoroana na dia eo amin’ny fitondrana ny ara-pivavahana aza. Amin’izany tontolo izany no nahatongavan’ny Tenin’Andriamanitra amin’i Joany Batista, tahaka ny nahatongavany tamin’i Jeremia (Jer 11, 1) sy tamin’i Osea (Os 1,1) Mpaminany ihany koa.
Avoitran’ny Evanjely anefa fa tany an’efitra no nitrangan’izany ary tany i Joany no nitory batemim-pibebahana mba ho fanalana ny fahotana. Mampianatra antsika izany fa raha tiantsika ny hihaino ny Tenin’Andriamanitra dia tsy maintsy manokana fotoana handehanana any an’efitra isika, fotoana hanginana mba hihainoana, fotoana hahafahana mamela izay mahazatra, izay mety hanakana ny tena tsy hanandrana ny hafaliana miditra ho any amin’ny tany nampanantenaina. Ny efitra, ho an’Israely dia tsy milaza ny sedra mafy hosedraina fotsiny, fa mampahatsiaro koa ny lalana hizorana ho amin’ny tsaratsara kokoa. Tao no nahatsapany ny tena toetrany, ka na nafahan’YHWH tany Ejipta aza ny vatabeny, ny sakafo nohanina tany kosa tsy niala tao am-pony ka nanembonany ny tanin’ny fanandevozana. Tsy vitsy no misafidy hiverina amin’ny fahotana manandevo noho ny embona ny hafinaretana mandalo.
Tsy any amin’ny Tempoly, nanolorana ny fanatitra araka ny mahazatra satria izay no voafaritry ny lalàna fa any amoron’i Jordany, teo amin’ny toerana nidiran’ny zanak’Israely tany amin’ny tany nampanantenaina, mampatsiaro azy ireo ny fitiavana nitondran’Andriamanitra ny vahoakany tamin’ny alalan’i Josoe mba hiampita ny “rano” ka hiditra amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely. Izay voalazan’Izaia, tanteraka tamin’ny fampodiana ireo babo tany Babilonina dia tanterahin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra, ary ny fandavorariany izany asam-pamonjena izany dia ao amin’ilay Teny tonga nofo ankalazaintsika amin’izao Noely ho avy izao.
Ny finoana izany fitiavan’Andriamanitra izany no hahafahana mino fa tahaka ny nanokafan’Andriamanitra lalana tany an’efitra avy tany Ejipta no hitondrany amin’ny fahafahana koa ny vahoakany avy amin’ny tanin’ny fahababoana. Mahazatra ireo Jody babo tany Babilôna moa ny manamboatra ny arabe midadasika hankalazana ny fetin’ny andriamanitra “Mardouk”, ka ahitsy avokoa ny melomeloka, aravona ny havoana, totofana ny lohasaha, mba hahafahan’ny mpanjaka mpandresy sy ny sarivongan’ny sampiny mandalo eo, hobian’ny vahoaka rehetra. Tsy lalana alehan’ny andriamanitry ny hafa anefa no ambaran’Izaia fa lalana handehanantsika miaraka amin’ny Andriamanitsika, mankamin’ny tanin’ny fahafahana, mihoby ny fandresen’ny Andriamanitsika.
Efatra ny zavatra lazain’ny mpaminany hanamboarana izany lalana ho an’ny Tompo izany: totofana ny lohasaha; ahetry ny tendrombohitra; ahitsy ny melomeloka ary haravona ny mikitaontaona.
Ny lavaka mila totofana dia manambara ny adidy tsy vitantsika ka mila angalana fanapahan-kevitra hentitra handraisana andraikitra sy tsy hitadiavana fialan-tsiny amin’izay tokony hatao manoloana ny fahoriana sy ny tarainan’ny hafa; tsy fanomezan-tsiny an’izay mety nangatahana ka tsy nanome anefa izany fa ny fahasahiana mandrotsaka ao amin’ny kitapo iombonana (fanatazan-drakitra), eny fa na dia ny variraiventy roa sisa tavela aza, mba hanasoavana ny hafa.
Ny tendrombohitra sy havoana mila ahetry dia ny avonavona mety hiheverantsika hahavita tena ka tsy hila an’Andriamanitra sy ny hafa. Ny tsy fahatsapantsika ny fetra sy ny maha-tsinontsinona antsika dia hanakana antsika handray an-kafaliana ilay tonga ao anatin’ny fahantrany mba hiara-monina amintsika. Inona tokoa moa no ilantsika ny Tompo ka hiandrasantsika Azy raha sanatria ny vola aman-karena na izay fahaizana amam-pahendrentsika no ametrahantsika ny fanantenana sy ny fitokisana!
Ny lalana meloka sy mikitaontaona mila hahitsy dia ny hafetsena sy ny hakamoana tsy hitozoantsika haharitra amin’ny fanapahan-kevitra noraisina, ka hitadiavana tany malemy hanorenam-pangady na hanaovana tsobo-dranon-dRamiangaly, na hanaraha-driandrano ka tsy hijoroana amin’ny lalan’ny Evanjely sy hanarahana azy hatramin’ny farany mba hikendrena ny tanjona tokana dia ny fahamasinana.
Ny fanarahana ny torohevitr’i Joany Batista anefa, hoy ny Evanjely, no hahafahantsika mahita ny Famonjena efa sitrak’Andriamanitra haharihary ho antsika. Matoa araka izany tsy mahita fiadanana isika na sanatria mikororosy ny fanantenana dia satria misy lalana, misy fahazarana tsy mifanaraka amin’ny fiadanam-pahamarinana sy ny famiratam-pitiavam-bavaka ao ka mila hahitsy.
Izany no iantsoan’i Jesoa antsika: ”Mibebaha ary minoa ny Evanjely” (Mk 1, 15). Ny fibebahana dia mitaky finoana, finoana ny Evanjely, finoana izay lazain’i Kristy sy ireo voalaza momba an’i Kristy, ilay nijaly sy voafantsika ho Sorom-panavotana ho antsika, ka hahafoy hatramin’ny aina aza, mba ho Vatofototra hiorenan’ny Fiangonany. Tsy hoe sorona hanonerana ny ota, araka ny fiheveran’ny Jody fotsiny anefa, fa Sorona maneho ny fitiavana tapitr’ohatra entin’Andriamanitra hitiavana antsika zanany rehetra.
Ny Finoana manko no ilay voatsinapy, lazain’i Jesoa, nafafy ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika, ka miandry valiny avy amintsika ary manohana antsika amin’ny lalam-pibebahana sy fanamasinan-tena. Tsy ho afaka ho tonga anana lehibe hanana rantsana hialofan’ny voromanidina ny voatsinapy raha tsy manaiky hilevina ka ho lo ao anatin’ny tany. Raha ny fihaonana tamin’i Jesoa no nanosika antsika hibebaka sy hiroso amin’ny fiainam-pinoana, dia ny finoana kosa indray no manampy antsika hivelona araka ny Evanjely, rehefa manaiky ho levonin’ny afon’ny Fanahy ao amin’ny fahotana ka hitsangana ho velona amin’ny fiainam-baovao izay ho entina handalina momba ny misterin’i Kristy sy hiezaka haka tahaka Azy amin’ny zavatra rehetra.
Ny loko volom-parasy ampiasaina amin’izao vanimpotoana izao dia manambara amintsika fa voaantso amin’ny fibebahana maharitra isika, mba hadio sy tsy hanan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy (Vak II Fil, 1, 4-11). Izany fibebahana izany dia asehontsika amin’ny fitiavam-bavaka sy ny asa fandavan-tena amam-pitiava-namana isan-karazany, indrindra amin’ny fifampitondrana am-bavaka tahaka ny nataon’i Md Paoly ho an’ny Filipianina, mba ho feno ny vokatry ny Fahamarinana, dia ny Fiadanana, araka ny voalazan’i Baroka Mpaminany (Vak. I).
Ny antso avon’i Joany ho amin’ny Batemim-pibebahana ho famelan-keloka dia manasa antsika hidina ao Jordany, amin’ny fanetren-tena izay tsy fitanisana loatra ny halemen’ny tena, izay efa fantatra fa tahaka ny ahitra antsaha (Iz 40, 7). Ny fanetren-tena dia fiderana ny hatsaram-po amam-pahefan’ilay Manao zava-mahagaga ho antsika (Lk 1, 46-55), manao zava-dehibe amin’ny alalantsika: fitaovana ihany isika satria Izy ihany no nandravona ny lalan-kizorantsika mba handehanantsika tsy ho voasembantsembana ho an’ny voninahiny! (Vak I Bar 5, 7), ary i Kristy rahateo no Lalana tokana, ka ao Aminy irery no hahafahantsika mizotra miaraka (syn-hodos) mankamin’ny Ray, hizotra hankalaza ny Noely.
[1] Ny famantaran’ny Hazofijaliana dia fanaovana ireo fiekem-pinoana roa ireo.