Alahady fahafito mandavantaona taona A
Ny Fitiavana atoron’i Kristy ny mpianany
- Levitika 19, 1-2.17-18
- Salamo 102
- 1 Korinto 3, 16-23
- Matio 5, 38-48
Misy zavatra enina moa lazain’i Jesoa (Mt 5, 21-48) raha tiantsika ny hihoatra ny fahamarinan’ny farisiana sy ny mpanora-dalana. Manohy izany fomba fiainana ny lalàna izany ny Evanjely anio.
Amin’ny fomba firafetan’ny fiaraha-monina, indrindra moa rehefa tsy voahaja araka ny tokony ho izy ny lalàna, dia ny fitsaram-bahoaka no miha-mahazo vahana tsikelikely, na dia habibiana ihany aza no vokatr’izany: “Maso efai-maso, nify efai-nify” (Det 19, 21; Levitika 24,20; Eksaody 21,24; Jenezy 9,6). Io no lalànan’ny “talion”, nitovizan’ny toe-tsaina hamaliana faty ka hanjakan’izay mahery, tahaka ny tantaran’i Lameka ao amin’ny Boky Jenezy (Jen 4, 23-24). Noheverina fa ny famaizana no hahafahana mametra ny fitaran’ny ratsy, ka hampiahotra ny hafa hamerina izany noho ny tahotra ny famaizana tsy azo hivalozana.
Na eo aza ireo antony roa lehibe nahatonga ny Lalàn’i Moizy hanaraka izany “fanasaziana” izany (mba tsy hanjakazakan’ny maty heritreritra sy hamerana izay mety ho fanararaotana noho ny fananana ny rariny), dia tsy mahasakana ny ratsy akory izany fa vao mainka aza manampy trotraka ka mampitombo ny hafetsena sy ny fiantsaram-belatsihy. Hitantsika amin’ny fiainana andavanandro ny vokany: ny mpangalatra akoho maty novonoin’ny fitsaram-bahoaka; ny mpangalatra an-tapitrisany milamina sy miadana (farafahakeliny ahay eo imason’ny olona), satria manana ny politika sy ny fahalòvana ho kiadiny.
Manoloana izany dia ambaran’i Jesoa amin’ny mpianany fa tsy misy lalana hahafahana manorina fiaraha-monina vaovao, hidirana amin’ny fiainana, raha tsy amin’ny fanaovan-tsoa, handresy ny fitiavan-tena amin’ny fitiavana, handresy ny ratsy amin’ny tsara (Rom 12,21). Fitsipika dimy no ampianariny antsika androany mba hahafahana manao izay.
Ny voalohany indrindra dia “tsy mamaly ratsy akory”, izany hoe hanohitra ny “fahotana” fa tsy ny “mpanota”, ny ratsy dia manimba izay nahavita azy voalohany indrindra, efa andevoziny, ny mpanota dia babony ka tsy afaka ny hanohitra azy, ka raha rahalahiko izy dia ampiako. Indraindray anefa heveriko ho mpifaninana amiko izy ka satriko aza nahavita ratsy hiampangana sy hankahalana ary hanapotehana azy. Ny fankahalako na ny fitiavako azy araka izany no hahafahako mijery ny firaiketan’ny foko na amin’ny ratsy na amin’ny fitiavana. Ampianarin’i Jesoa hitia ny mpanota ny mpianany ka hitarika azy ho amin’ny hazavan’ny fitiavana. Izy no ilay Zanank’ondry mitondra sy manala ny fahotan’izao tontolo izao (Jn 1, 29).
Ny fitsipika faharoa atoron’i Jesoa dia ny fahaizantsika mandefitra, mihoatra izay efa zakaintsika. Tsy sanatria hanome rariny ilay namely fa kosa hahay hifehy tena hiharitra ny tsy rariny sy ny fanambaniana toy izay hahavita ratsy amin’ny rahalahy, amin’ny famaliana ratsy ny ratsy. Ny fanolorana ny takolaka havia dia mba hahafahana mijery zavatra hafa koa ankoatr’izay hitantsika manoloana ny herisetra (tehamaina) nozakaina.
“Raha misy te hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao dia afoizo ho azy koa ny lambanao”. Sarotra izany. Tsy vitan’ny fandeferana fa hahafoy hatramin’izay anananao zo aza ka hiarovan’ny lalàna anao (Eksaody 22, 25-26, Det 24, 13), mba handreseny ny ratsy dia neken’i Jesoa ny endahina akanjo eo ambony hazofijaliana. Atorony ny mpianany fa lalana manampy antsika hahalala bebe kokoa ny tena ny fangatahan’ny hafa ny akanjo (mariky ny haja omen’ny fiaraha-monina) ka hahafahantsika “miboridana”, miseho amin’izay maha-izy antsika eo anatrehan’Andriamanitra (He 4, 13), ho adala eo anatrehan’ny hafa, saingy antsoin’Andriamanitra kosa ho zanaka taha-dRay, satria nomeny ny Fanahiny (1Kor 3, 16-23 vak II).
“Raha misy manery (ἀγγαρεύω a(n)gareuo) anao hanao arivo dingana, miaraha aminy roa arivo”. Ny “Angarius” (mety ho avy amin’ny אִגְּרָה ‘iggerà’), iraky ny mpanjaka, dia afaka manery izay tiany mba hitondra ny entany na hanao zavatra hafa, ka raha zanak’Andriamanitra ny olona rehetra, zanaky ny Mpanjakan’ny Mpanjaka, dia mazava loatra, tsy afaka ny handà tsy hanao izay angatahiny ianao, hanao mihoatra noho izany aza. Fa ny fanaovanao arivo dingana hafa koa dia manampy anao ho lasa lavidavitra kokoa noho ny nisy anao teo, hahafahanao mahita zavatra hafa ankoatr’izay nahazatra anao.
“Omeo izay mangataka…” fa “sambatra kokoa izay manome noho izay mandray”, hoy i Paoly, mamintina izany fampianarana izany (Asa 20, 35).Izay tsy mizara dia tsy afaka ny hiombona amin’ny misterin’Andriamanitra Trinite Masina: ny Zanaka manambara amintsika izay rehetra reny tamin’ny Ray (Jn 15, 15); ny Fanahy manome antsika izay rehetra an’ny Zanaka (Jn 16, 12-15), omeny antsika manontolo ny fianany. Ny fahaiza-mizara no hisokafantsika amin’ny hafa ka hidirantsika amin’ny fiombonana aminy, handresena ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola, loharanon’ny ratsy rehetra (1 Tim 6, 10).
Tsy ny fanidiana ny varavarana no vahaolana hanakanana ny fidiran’ny haizina avy any ivelany ao an-trano, fa ny fandrehetana jiro. Tsy ny haizina avy any ivelany tsy akory no hiditra ao an-trano raha mivoha ny varavarana, fa ny hazavana avy ao an-trano no hitosaka any ivelany. Haharesy ny tahotra anie isika ka hahay handresy ny ratsy amin’ny soa.
“Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo, mba ho zanaky ny Rainareo any an-danitra ianareo”. Iza no afaka milaza fa tsy manam-pahavalo? Ho an’izay mino anefa fa Rainy Andriamanitra dia mino fa zanany ny olombelona rehetra, izaho koa zanany ka iray tampo amiko izany ny fahavaloko. Tsy misy lalàna afaka hanery ny olona iray hitia anefa, kanefa ny fampianaran’i Jesoa dia manafaka antsika amin’izay mety ho “fahamarinan’ny farisiana sy ny mpanora-dalàna”, mba hidirana amin’ny tena fiainana.
Amin’ny toe-tsain’Israely, fa amin’ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny koa mitovy amin’izany ihany, dia mbola hita taratra ao ny “ady masina” (Det 7, 2; 20, 16), ny fankahalana ny hafa lazaina fa “fahavalon’Andriamanitra” (Sal 139, 12-22)… Ka na dia eo aza ireo fampianarana mandrara ny famalian-dratsy ny ratsy (Ohabolana 24, 29), ny fandidiana mba hanavotra ny ampondran’ny fahavalony voatsindrin’ny entana (Eks 23, 5), dia moramora kokoa ny mialokaloka ao ambadiky ny fivavahana. Tsy fivavahana marina anefa izay tsy mitondra amin’ny fiovan-toetra sy ny fandraisana andraikitra.
Mitia sy mivavaka. Ny fivavahana dia fanehoam-pitiavana satria ny fitadiavana izany mahasoa ny tena sy ny hafa eo anatrehan’Andriamanitra, ka tsy mihanona amin’ny firarian-tsoa fa zary tolona isan’andro hitadiavana sy hanaovana izay mahasoa. Izay tsy mitady ny fomba hanatanterahana izay niriny ao amin’ny fivavahana manko dia tsy mbola nivavaka akory.
Ny vavaka no hahafahantsika mijery araka an’Andriamanitra, ka amin’ny fibanjinana ny endriny, Izy ilay Raintsika manao soa amin’ny olona rehetra na iza izy na iza, dia mitombo ao amintsika ko any fanahafana Azy. Ny antsika aza moa, ny lalana nomen’Andriamanitra hanovozan’ny olona fahasoavana (sakramenta) mbola hanavakavahantsika ho an’izay “mendrika” sy “tsy mendrika” indraindray. Andriamanitra mandrotsaka ny fahasoavany ho an’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ka tsy afaka ny hanao zavatra mifanohitra amin’izany izay te ho zanany. Izany manko no fahalavorariana (τέλειοςteleios, fahatratrarana ny tanjona irina: ny maha-zanak’Andriamanitra) atorony antsika.
Ny fitia mifamaly mahatsara fihavanana, hoy ny Ntaolo, saingy raha izay mahavaly ihany no ho tiavina, efa tsy fitiavana intsony izany. Ny fitiavana manko dia tsy miandry valiny. Tsy mifaly amin’ny soa (na voninahitra) azon’ny tena fa mifaly amin’ny fahasambaran’ilay notiavina. Izay iriko ho an’ny tenako, araka izany, satria heveriko ho mahasoa ahy, dia tsy maintsy hiriko ho an’ny hafa koa (Vak I), ary izay soa azoko avy amin’Andriamanitra dia tsy azoko hogiazana ho ahy samirery (Sal 102 setriny). Ny fahasambaran’izay mandray ny tenin’i Jesoa ka te hivelona araka izany dia ny maha-zanak’Andriamanitra azy, ka hahay hitia toa an-dRainy. Raha izay tiantsika ihany no arahabaintsika, hirariantsika fiadanana (Shalom), dia mazava loatra fa hisy zanaky ny Ray voahilikilika, ary tsy hisy hampiavaka antsika amin’ireo tsy mino.
Angatahontsika ny Fanahy mba hanandramantsika izany fahasambarana maha-zanak’Andriamanitra antsika izany.