Alahady fahaefatra amin’ny Fiaviana– taona D
- Mikea 5,1-4a
- Salamo 79
- Hebrio 10,5-10
- Md Lioka 1,26-38.39-4
Indro tonga ny Mpamonjy. Eo afovoantsika.
Ambaran’i Mikea Mpaminany (Mi 5,1-4) fa i Kristy (Mesia) no fiadanantsika[1], ary ny fiaikena azy ho Mpanjaka hanjaka amin’ny herin’ny Tompo dia manosika izay sisa tavela hiverina amin’ny zanak’Israely. Fomban’Andriamanitra ny misafidy izay bitika sy toa tsinontsinona eo imason’ny olona satria izany no hahafahany maneho ny haben’ny fitiavany, ary ambaran’i Md Paoly aza fa ao amin’izay mahabe ny fahotana no miavosa ny fahasoavany (Rom 5, 20).
Izay fiverenana eo anivon’ny Fiangonana – Israely Vaovao – izay, no hahazoantsika fiadanana, ary mariky ny tena fivalozana marina, ka hahatsapana fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra, izay Mpiandry an’Israely, izay Mpamboly sy Mpikarakara ny fotoboalobony ihany no afaka hamonjy antsika olombelona mpaniasia.
Ny dikan-tenin’ny salamo 79 mbola ampiasaina ao amin’ny Ankalazao ny Tompo Alakamisy II moa dia milaza hoe: Izahay tsy handao anao intsony fa velominao izay miantso ny Anaranao. Manahirana ihany ny mahazo ny tian’izany holazaina satria toa hoe avelan’Andriamanitra ho faty any izany izay tsy miantso ny anarany, sanatria anefa izany. Raha ny marina anefa dia hoe: Velomy izahay dia hiantso ny anaranao no dikany (“tu nous feras vivre et nous invoquerons ton nom” araka ny TOB, ary efa ampiasain’ny Dikanteny vaovao 2011 – vebeshimkà niqera’ amin’ny teny hebrio). Ny dikan-teny mahalaza ny hevitry ny salamo araka izany dia hoe: Izay velomin’Andriamanitra no afaka midera ny anarany, izay ampamirapiratany ny tavany ka mahazo ny famonjena avy aminy no afaka mitory ny halehibeazany.
Ny fibebahana sy ny fiverenana ao amin’ny fiombonana, hoy isika teo no hahazoana ny fiadanana, ary izay no lazain’ny Pretra amin’ny famaranana ny Sakramenta fankalazana izany fiverenana izany: Efa namela ny fahotanao ny Tompo, koa mandehana, ary ho ao aminao anie ny fiadanany. Ary fisaorana an’Andriamanitra no setrin’izany.
Tsy fiadanana tahaka ny mety heverin’ny sasany anefa, ka hiheverana ho fidonanam-poana, na sanatria fahafahana manao izay tiana atao. Tsy mandravona ny voka-dratsin’ny fahotana manko ny famindram-po fa manome kosa fanantenana vaovao hahafahana miaina ny lalam-pahasambarana atoron’Andriamanitra. Izay no mahatonga ny asa fivalozan’i Zake ho asa fivalozana tokana ambaran’ny Evanjely: nanonerana izay ratsy vita tamin’ny hafa.
Ambaran’ny Taratasy ho an’ny Hebrio (Heb 10,5-10) fa izany fiadanana vokatry ny famelana ny ota izany dia mahatonga antsika hanolo-tena hanao ny sitra-pon’Andriamanitra. Tsy noho ny fanarahan-dalàna, hanolotra sorona sy fanatitra mba hisehoana ho olo-marina anefa, fa amin’ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra (jer. Sal 39/40). Aiza ve dia ran-janakomby sy ran’osilahy no hahafaka ny fahotana? (Heb 5,4) Tsy ny ambim-bava tsy akory no hanetseman-keloka! Ny fampianaran’i Kristy momba ilay rakitry ny mpanano tena (Lk 21) dia manampy antsika hahazo ny tian’izany ambara : ny hasarobidin’ny fahafoizana izay antoky ny fahavelonana, ary noporofoiny tamin’ny fiainany, tamin’ny nahafoizany ny ainy mihitsy, ho solo voina ho antsika. Ny fanoloran-tena manontolo hanao ny sitrapony no endriky ny fisaorana an’Andriamanitra lavorary indrindra (jereo 1S 15,22 momba ny valintenin’i Samoela amin’i Saoly Mpanjaka).
Tsy miankina irery amin’ny herin’ny tena anefa izany, ka hahafahana hirehareha ho mendrika na mahery na tsara kokoa noho ny hafa! Na teo aza ny maha-tsinontsinona an’i Betlehema dia izy no voafidy, hipoiran’ilay Mpanjaka mandrakizay. Izany no mahavelom-pisaorana sy mampisaotra an’Andriamanitra mandrakariva, satria nanao zava-dehibe tamintsika ilay Mahefa (Lk 1,35-49). Tsy fahasoavana hieboheboana anefa izany fa fahasoavana hoenti-manompo. Ny mampiavaka ny olom-boavonjy sy ny olon’Andriamanitra, dia ny toe-po amam-panahy te handray anjara amin’ny famonjena ny hafa ihany koa. Mba avy aiza amiko izao, fa novangian’ny renin’ny Tompoko aho? Ny fanetren-tena nasehon’i Masina Maria, dia fanahafana ny fomban’Andriamanitra izay miharihary ao amin’ny toetran’ilay Zanany, fa na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza, hoy i Md Paoly, dia tsy nanao izany ho zavatra nobaboina, fa nietry ho tonga olombelona (kenos), mba hamonjy antsika (Fil 2,5-8). Fiekem-pinoana vokatry ny asan’ny Fanahy Masina no nampientana an’i Elizabeta. Ndeha hiverenantsika ary ny halalin’izay lazain’i Lioka ao amin’ny Evanjely.
Lioka 1,26-38.39-45
Rehefa nandray enim-bolana i Joany dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely ho any Galilea, ho any Nazareta. Fotoana mampahatsiaro ny andro faha-enina naharian’Andriamanitra ny olombelona, mampahatsiaro ny ora faha-enina nipetrahan’i Jesoa reraka teo akaikin’ny fatsakan’i Jakôba (Jo 4,6), mampahatsiaro ny ora faha-enina nanombohan’ny haizin-kitroka nandrakotra ny tany (Lk 23,44), ora nipetrahan’i Pilaty hitsara an’i Jesoa (Jo 19,13). Rehefa tonga ny hafenoan’ny fotoana dia nirain’Andriamanitra hamonjy antsika ny Zanany, hoy i Paoly (Ga 4,4).
Ao amin’ny hafenoan’ny fotoana hiandrasana no ahafahana migoka koa ny hafenoan’ny hafaliana.
Miravoravoa ianao ry ilay feno hasoavana: ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy ianao ary nohasoavina ilay ateraky ny kibonao. Io no vavaka heveriko fa ventesintsika matetika indrindra amin’ireo nifandovana ato amin’ny Fiangonana: Arahaba, ry Maria. Kanefa indraindray tsy dia dinihina loatra izay tena heviny. I Maria, ilay feno hasoavana, no ilay vehivavy navotan’ilay lehilahy marina mba tsy ho fatin’ny tora-bato amin’ny fanendrikendrehana fa nanitsakitsaka ny fofombadiny, manaporofo izany ny fanivaivana nataon’ny olona an’i Jesoa (tsy teraka tanatin’ny fijangajangana izahay: Jo 8,41).
Arahaba ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao (chairé na khairé, kekharitômenè, ho kurios meta sou – Lk 1,28). Arahaba moa no nandikana azy, fa fiarahabana manokana kosa no dikany: khairé kekharitômenè: mifalia (khairé) ianao izay nohasoavina. Antsoin’ny Anjely hifaly i Maria.
Feno hasoavana ilay vehivavy miandry vohoka, mitotototo handeha hisoratra avy any Nazareta ho any Betlehema, avy eo sesitany tany Ejipta ary niverina tany Nazareta indray. Feno hasoavana izy voatery nitady an-janany efa noheverin’ny olona ho adala sy very saina (Mk 3,30ss). Feno hasoavana izy niatrika ny fanamelohana sy ny fandevenana ny zanany voaheloka ho faty amin’ny hazofijaliana. Feno hasoavana izy nandevina ny Zanany. Io ilay Reny feno hasoavana andraisantsika ny Mpamonjy teraka ankalazaina amin’izao Noely izao.
Indraindray mifangaro manko ny fiheverantsika ny fahasoavana vokatry ny fiombonana amin’izy Tompo sy ny fahafinaretana mety ho azo amin’ny fiainana mizotra araka ny fanirian’olombelona. Ny fahasoavan’Andriamanitra no nameno ny fiainan’i Masina Maria, ary ny fanekeny ny sitrapon’Andriamanitra no nanamasinany ny fiainany ka nahafahan’izany fahasoavana izany “hanao zava-dehibe”, loharanom-pamonjena ho antsika.
Fototry ny finoantsika manko ny maha-olombelona an’i Jesoa, ilay zanak’Andriamanitra, tena Andriamanitra. Fandalinana sy fampianarana mikasika izany maha-Andriamanitra sy maha-olombelona an’i Jesoa izany no nimasoan’ny Fiangonana hatrany am-piandohana. Na ny drafitra narahan’i Md Lioka amin’ny fanoratana ny Evanjeliny aza dia manampy antsika hahazo izany Mistery izany, ka hampihatra azy amin’ny fomba fiainana andavanandro.
Nofidìn’Andriamanitra manokana i Masina Maria, ny antony hoy i Lioka dia satria hitany ny fanambaniana (tapeinosis) nahazo ny ankizivaviny, hitany ny fahorian’ny vahoakany. Tombom-pitiavana izany, saingy tsy ho an’i Maria ihany fa ho antsika rehetra koa, ho an’ny olombelona tsirairay. Fa tahaka ny fitiavana rehetra izy io, tsy manery fa miangavy. Ny “eny” nataon’i Maria no mirakitra ny halehibeazany, ka izay te ho zanany, izay te ho sambatra miaraka aminy, izay fatra-panaja azy marina tokoa, dia ho lany andro hitanisa ny “arahaba ry Maria” fotsiny, raha toa ka tsy mitombo miaraka amin’ny isan’izay voatanisa ny faniriana hanao “eny” amin’ny tolo-pitiavana iantsoan’Andriamanitra antsika mba hahatongavan’i Kristy ho nofo eo amin’izao tontolo izao.
Ahoana no hahafahana mifaly, ahoana no hahitana ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny fahoriana? Ho an’i Masina Maria manokana dia tsy maintsy hiatrika ny fiainana izy: iza no hino fa “zanak’Andriamanitra” ilay zaza torontoronina tao an-kibony? Ahoana àry no hahatsapana fa na eo aza ny fijaliana sy ny adim-piainana (ny valan’aretina sy ny fahalovan’ny fahotana) dia “tian’Andriamanitra manokana” tahaka an’i Masina Maria isika tsirairay avy? Ny fandinihana ny halehibeazan’ny finoan’ity zazavavy kely ity no manampy antsika hanao dingana amin’ny finoana koa. Isika manko efa nohasoavina ary mino ny fitsanganan’i Kristy ho velona. I Maria kosa nanomana izany tam-pinoana. Sambatra izy, tsy nahita kanefa nino fa “momba ny vahoakany Andriamanitra”, tsy mandao ny vahoakany Andriamanitra, “ilay Misy” no Anarany, “Emanoela, Andriamanitra miara-monina mandrakariva amintsika”.
Mamaly izany fiekem-pinoana izany ny Evanjely anio. Sarotra ny hamintina amin’ny hoe: asa fanompoana no naha-maika an’i Maria ho any Ain Karim, tananan’ny zanak’olom-piray tampo aminy, Elizabeta, satria zazavavy kely vao avy natokana ho fofom-bady izy ka inona no azony hanampiana ny rahavaviny eo, ary fanampin’izay, amin’ny andro hahaterahan’i Joany Batista mihitsy izy no miverina any an-tranony (nitoetra tokony ho telo volana).
Amin’ny Evanjely anio dia avoitran’i Lioka fa tsy fiarahabana sy resaka hifanaovan’ny mpihavana tafahaona no ataon’ireo “feno ny Fanahy Masina”, fa fitanisana ny Tenin’Andriamanitra, voalazan’ny Mpaminany, ary inoana tsy am-pisalasalana ny fahatanterahany.
Ny Fiarahabana amin’ny Jody “Shālōm lākh”, dia firariana ny hafenoan’ny fiainana hahafahan’ny olona iray miaina am-piadanana satria tsy misy zavatra maha-ory azy intsony. Mameno ny Fanahy Masina an’izay mandray azy ny fiarahabana avy amin’izay nohasoavina ka miaina araka izany fahasoavana izany. Io moa no ventesintsika amin’ny finoana ny fiombonan’ny Olomasina, izany hoe ny fahasoavana miavosa avy amin’ny fahamasinan’ny sasany dia mitobaka ho fahasoavana ny hafa.
Izany fiadanana izany no sitrak’i Jesoa horarian’ny Mpianany amin’izay trano idirany: “Fiadanana anie ho an’ity tokan-trano ity” (Lk 10,5).
Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.
Vehivavy roa no arahabaina tahaka izany ao amin’ny Testamenta Taloha: hotahiana amin’ny samy vehivavy anie Jahela vadin’i Hebera, ilay Kenita izay namono tamin’ny tsimatra (pieu – tsima-day) ny Jeneraly Sisera renoky ny torimaso (Mpits 5,24); ary Jodita avy nanapaka ny lohan’i Hôlôferina izay nilazan’i Hozià Lehiben’ny Vahoaka hoe: “nosoavin’ny Tompo Andriamanitra avo indrindra ianao, mihoatra noho ny vehivavy rehetra eto ambonin’ny tany” (Jodita 13,23). Tsy hoe mankasitraka ny habibiana nataon’ireo vehivavy ireo ny Baiboly fa mampiseho kosa fa avy amin’izay heverina ho “fanaka malemy” no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany sy nitondrany ny famonjena ho an’ny vahoakany.
Rariny araka izany raha “atao tsara laza” (eulogèmenè, nadika hoe nosoavina) noho ny vehivavy rehetra i Masina Maria, tsy afaka ny tsy hibanjina ny halehibeazan’ny finoany izay te hanara-dia an’ilay “zanak’Andriamanitra” tonga nofo vokatr’izany faneken’i Maria izany (karpos na vokatra – voankazo), ary izay manao tsara laza an’i Maria dia “mankalaza” ihany koa ilay nateraky ny kibony, ary Andriamanitra Ray no voalohany mitsodrano sy mankalaza Azy. I Maria no loharano nahazoantsika ny “loharanom-pahasoavana” hoy i Md Bernard, ka raha avy aminy no nahazoantsika ny Mpamonjy, fahasoavana inona no tsy homen’Andriamanitra amin’ny alalany? Tsy afaka ny tsy ho any an-doharano izay maniry hantsaka rano. Tsy afaka ny tsy hanaja an’i Masina Maria izay te ho tonga mpianatr’i Jesoa, satria ao aminy no ianarantsika rehetra ny fanekena ny Teny, ka hahatonga nofo Azy ao amin’ny fiainantsika.
Ambaran’i Md Lioka koa fa i Masina Maria no tena “Mpanompo(vavi)n’Andriamanitra” (Hè doulè Kyriou, Lk 1,38). Raha fakafakaina moa ny anarana hoe Maria, ankoatra ireo izay niezahana nandikana azy (malala, kintan’ny ranomasina…), ny matoanteny marah amin’ny teny hebrio dia midika hoe mandà, mioko, mikomy. Na dia fatra-pandà, fatra-pioko sy mpikomy aza ilay “zanakavavin’i Siôna”, i Maria kosa, feno hasoavana satria nahay “nanaiky”. Izany fanekena izany no maha-mpanompon’Andrimanitra azy. Tsy fietren-tena na fanambanian-tena ny filazana fa mpanompon’Andriamanitra izy, raha ny marina aza dia fanandratana, fankalazana (eulogeô). Izany dia entin’i Md Lioka milaza fa i Masina Maria no ilay “Mpanompovavy” sitrak’Andriamanitra, tsy ambakan’ireo Mpanompon’Andriamanitra hafa voatanisa ao amin’ny Baiboly, toa an-dry Abrahama, ry Moizy sy Elia Mpaminany. Ilay Zanaka tonga nofo tao an-kibony moa no ilay “Mpanompon’i YHWH, sitraky ny fony”, araka ny nolazain’i Izaia (Vakiteny mandritra ny herinandro masina).
Asan’ny Fanahy Masina no manavao ny zavatra rehetra. Iraho ny Fanahinao, ry Tompo, dia ho àry ny zavatra rehetra (Sal 104,30). Nosoavina ny ateraky ny kibony satria antra olona mandrakariva izy ka mampisambotra (Sal 37,26). Izay entanin’ny Fanahy Masina no afaka hiaiky fa ny zaza ao an-kibon’i Maria no ilay Tompo hanasoavana ny firenena rehetra.
Fampianarana miezinezina ho an’ny tontolo misy antsika manoloana ny habibian’ny fanalan-jaza tadiavin’ny sasany voizina ao ambadiky ny fiarovana ny zon’ny maty eritreritra izany, ary mazava ny fanambarana nataon’ny Evekantsika momba izany, tamin’ny volana Novambra 2021, fa tsy manana zo hanala zaza ny olombelona ary tsy natao hamono fa hamelona aina ny fitsaboana.
Ny zaza ao an-kibon’i Maria no lazain’i Elizabeta fa Tompo: sady manamafy ny maha-olombelona ny zaza ao am-bohoka izy amin’izany no manamafy ny finoana fa i Jesoa no Tompo, Izy no Kristy Andriamanitra. Tahaka an’i Davida faly sahirana amin’ny hidiran’ny Fiaran’ny Fanekena ao an-tranony (2Sam 6,9) izy amin’izany. I Elizabeta kosa anefa eto manandra-peo miantso mafy, satria i Masina Maria no ilay Vatamasina mitondra ilay fanekem-pihavanana vaovao, entin’Andriamanitra maneho amin’ny hafenoany ny fitiavany antsika olombelona rehetra.
Mientan-kafaliana ny zaza ato an-kiboko: fanambarana miezinezina fa ny zaza, hatramin’ny anorontoronana azy ao am-bohoka dia manana ny hasina maha-olona, noharìna haneho ny endrik’Andriamanitra, hampahatsiaro ny maha-Ray Mpahary Azy (tselem), voaantso hitovy endrika aminy, haneho amin’ny hafa ny maha-fitiavana Azy (demouth). Dia sanatria ve ho lehibe noho ny fahorian’ny reny mitondra azy na noho ny antony hanampahan-kevitra hanala zaza ny fijalian’ny zaza tsy manan-tsiny iharan’ny herisetran’ny fanalan-jaza?
Izay nahazo fahasoavana dia tsy afaka ny hitahiry izany ho an’ny tenany. Izany no hafaliana fonosin’ny Noely, fety hoentintsika manamafy ny fietren’ilay Zanak’Andriamanitra nanaiky ho tonga nofo toa antsika. Tsy azo hadinoina fa anisan’ny antony nankalazana ny Noely, ankoatry ny antony ara-kolotsaina[2] ny fanamafisana ny finoana ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo (incarnation), ka handohalihantsika amin’ny fanononana izany amin’ny fiekem-pinoana. Izany rahateo no hamafisin’ny vavaka fangatahana anio, izay averintsika isan’andro amin’ny fanaovana ny Angelus.
Fantatray fa tonga nofo i Kristy, ka aoka ny nijaliany sy ny nifantsihany hahamendrika anay hitsangan-ko velona am-boninahitra: per passionem eius et crucem, ad resurrectionis gloriam perducamur. Ny crucem dia entina ilazana ny fahafatesan’i Jesoa. Misy moa no mampiasa ny dikan-teny hoe aoka ny nijaliany sy ny nahafatesany, saingy tsy mahalaza ny hevitra lalina tian’ny vavaka ambara izany. Ny fahafatesana manko dia itambaran’ny olona rehetra, ary tsy maintsy handalovan’ny olona rehetra. Saingy sady fambara no antso (vocation) ho an’ny Kristianina ny fifantsihan’i Jesoa satria miantso antsika hampisy heviny ny fiainana ka handany azy amin’ny fanolorana azy manontolo hanasoavana ny hafa.
Fiainana nomena manontolo ho porofom-pitiavana no ambaran’ny hazofijaliana, ka manao ny vavaky ny Angelus Domini isika dia mamerimberina fa ny fankalazana ilay Teny tonga nofo dia tsy afa-misaraka amin’ny Paka, ary izay mino ny fahatanterahan’ny Teny voalaza dia tahaka an’i Maria: mitsangana (anistèmi =mitsangan-ko velona, nadika hoe niainga ao amin’ny vakiteny) ary mandeha haingana (spoudè), teny ilazana ny fanaovana zavatra malaky fa vita tsara. Izay manam-pinoana dia tsy mba mitaredretra manarinary fotoana na manaonao foana.
Hafatry ny Evekantsika rahateo ny hanalavirana ny hakamoana sy ny fidonanam-poana izay anisan’ny loharanon’ny fahantrana, koa sahala amin’ilay Zanakavavin’i Siôna nofidìn’Andriamanitra ho fonenan’ny Zanany isika, haniry marina tokoa ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, ka haka tahaka ny faneken’ilay Teny nanaiky ho tonga nofo izay tonga hanompo fa tsy hotompoina, ary hanao ny fiainantsika ho Tononkiram-piderana, ho fizarana hafaliana amin’izay rehetra sitrak’Andriamanitra hifanerasera amintsika, indrindra amin’izao an-katoky ny fankalazana ny Noely sy ny faran’ny taona izao.
[1] Na milaza ny Fanjakan’i Davida aza izany, dia faminaniana manambara an’ilay taranak’i Davida, hanjaka mandrakizay.
[2] Mba hiavahan’ny kristianina amin’ny tsy mpino tao Rôma, izay nankalaza ny fetin’ny masoandro (natalis solis invicti) tamin’izany andro izany (solstice d’hiver, mihalava indray ny andro ao anatin’ny ririnina = 25 desambra)