ALAHADY FAHA VII PAKA – TAONA B
- Asa 1,15-17
- Salamo 102
- 1Joany 4,11-16
- Md Joany 17,11b-19
Fitiavana sy fahamarinana no tena endrik’i Kristy.
Ao anatin’ny hasivianandro hivavahana manokana hangatahana ny Fanahy Masina isika izao, araka ny ohatra navelan’ireo Apôstôly niaraka amin’i Masina Maria sy ny Vehivavy sasany (Asa 1,12-14), araka ny nanafaran’i Jesoa azy ireo (Asa 1,4). Zava-dehibe tokoa izany Vavaka izany satria ny Fanahy Masina no mampitsiry sy mamelona ny Eglizy, manafana ny fontsika ho tonga Vavolombelon’ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona. Tsy hoe miankina amin’ny vavaka ataontsika anefa no anomezan’Andriamanitra ny Fanahiny sy ny fahasoavany, maimaim-poana sy tsy misy fetra (Jo 3,34; 7,39; 19,30).
Mialoha ny hanohizana ny fanazavana ireo vakiteny novakìna dia tsara ny miteny kely mahakasika ny Fanomezan’ny Fanahy Masina satria ny Fanahin’ny Fahamarinana dia tsy azon’izao tontolo izao raisina satria tsy hitany ka tsy fantany (Jo 14,17), ka raha te handray ny Fanahy Masina isika, araka izany, dia mila mahafantatra Azy, mitombo fitiavana Azy isan’andro.
Irariako mba hanampy antsika hiaina ny misterin’ny Pantekôty ity fandinihana ity, ka hamohafoha hatrany ny faniriantsika hiala hetaheta eo amin’ilay loharano tsy mety ritra, dia ny Fanahy Masina. Ny fahazoana ny asan’ireo fanomezana fito dia manampy antsika koa hitahiry azy ireo, satria ny fahaverezany dia miteraka fahabangana, mitarika amin’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy, ka mamono ny ain’Andriamanitra, lovantsika amin’ny maha zanaka.
- Ny Fahatahorana an’Andriamanitra– Manohitra ny avonavona
- Ny Fitiavana – Mifanohitra amin’ny fialonana
- Ny Fahalalana – mandresy ny hatezerana
- Ny faherezana – mandresy ny hakamoana
- Ny fifidianana – manasitrana ny fo amin’ny fahihirana.
- Ny Fahazavan-tsaina – manampy mba hahalala onony
- Ny fahendrena – mandio ny fo
Azo jerena eo aloha ny fanazavana ny fanomezana tsirairay.
Tsy afaka ny handray ny Fanahin’i Kristy koa anefa izay tsy mibanjina Azy miakatra any an-danitra. Ka ny fahitantsika fa tsy faharesena fa fandresena sy fisandratana any amin’ny voninahitra ny Hazofijaliana no hahafahantsika miombona ao amin’ny hafalian’ny Fanahy, handray ny hafenoan’ny Fanomezany hahafahana mijoro ho vavolombelon’ny fitiavana hatramin’ny farany.
Ny alahady fahafito moa, ialohavan’ny Fiakarana any an-danitra ‘Ascension’ [amin’ny faritra sasany, alahadin’ny Fiakarana ho an’ny sasany] dia mamintina ny vavaka nataon’i Kristy ho an’ny Eglizy: mba ho iray ihany izy rehetra. (Jo 17,1-11a [taona A]; 11b-19 [taona B]; 20-26 [taona D], mampahatsiaro ilay sakramenta manambara ny misterin’i Kristy sy ny Fiangonana, ny misterin’ny Fitiavana.
Tsara hotsaroan’ireo izay naniry hanorina tokantrano mandrakariva fa ny Sakramentan’ny Fanambadiana dia voaantso manokana mba ho fototra hiorenan’ny fifankatiavana, ho taratry ny firaisana tanteraka ao amin’ny Trinite Masina. Ny Taratasin’i Paoly ho an’ny Efezianina (Ef 5,21-33) milaza momba ny Fifankatiavan’ny Mpivady no mampahatsiaro antsika kristianina fa ny fifankatiavan’ny Mpianakavy (Mpivady + zanaka) dia Sakramenta manambara ny fitiavan’i Kristy ny Fiangonany. Firifiry anefa ny tokantrano kristianina no mikorontana satria nanadino fa ny fahafoizana ny aina ho an’ny fianakaviana no fototry ny hafaliana ho an’ny kristianina, izany no porofom-pitiavana tokony hifanoloran’ny mpivady ka hanabeazany ny zanany ao amin’ilay tokan-trano manana an’i Kristy ho ivony, izany hoe miara-mivavaka amin’ny anarany.
Ao amin’ny vakiteny I, dia tantarain’i Lioka ny fomba hiainana ny fiombonana, hivoriana sy hiarahana mivavaka mba hifidianana izay hisolo an’i Jodasy izay nanana anjara fandraharahana (διακονία – diakonia) tamin’ny asan’ny Apôstôly, saingy naleony nisafidy ny hitarika ireo mpisambotra an’i Jesoa.
Mampandinika antsika izany, satria ambaran’i Lioka tsara fa na dia nandray anjara tamin’ny Eokaristia aza i Jodasy, na dia anisan’ireo 12 voafidy ho Apôstôly taorian’ny vavaka nataon’i Jesoa nandritra ny alina (Lk 6,12-15), dia nijanona ho sakaiza fa tsy ho mpanompo, satria tsy an-tery fa an-kalalahana no isafidianantsika hiombona fo sy iraka amin’i Kristy. Izany no mahatonga an’i Md Paoly hananatra mba hamelombelomana (ἀναζωπυρέω = ana+zoo+pyr) mandrakariva ny fanomezam-pahasoavana narotsak’Andriamanitra tao anatintsika hahafahantsika mijoro ho vavolombelon’ny fitsanganany ho velona (2Tm 1,6snm), mba tsy hivadihana amin’ny fitiavany, tahaka ny nataon’i Jodasy.
Ambaran’i Md Piera fa ny fiarahana tamin’ny Apôstôly sy i Jesoa hatramin’ny Batemin’i Joany no fepetra takiana amin’izay hatokana ho solon’i Jodasy. Tsy ny fahamendrehana sy ny laza tsara fa ny fitozoana nihaino ny fampianaran’i Jesoa manontolo no mason-tsivana hahafahana mijoro ho vavolombelon’ny fitsanganany ho velona, ka hisafidianana azy ho isan’ny Apôstôly. Miteny amin’ny 120 tafavory moa i Piera ka heveriko fa tsy hoe “ho namantsika” fa ho “namanay” no handikàna ny ἡμῖν – hèmin (nous) eto.
Tsy nandidy samirery, araka izany i Piera, saingy nametraka kosa ny fenitra tokony harahina amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, mba ho araka ny “Soratra Masina” no hizoran’ny fanapahan-kevitra. Ireo roalahy nahafeno ny fepetra dia natokana, ary nivavahana mba hanehoan’Andriamanitra izay voafidiny handray anjara amin’ny fandraharahana sy ny maha iraka (διακονίας καὶ ἀποστολῆς – diakonias kai apostolès, nadika hoe fandraharahan’ny Apôstôly). Ny fanaovana loka moa, araka ny fomba tamin’izany dia ny fametrahana ny safidy eo am-pelatanan’Andriamanitra. Ny fiaraha-mivavaka no antoka ho an’ny fiombonana, satria tsy hitadiavana izay heverin’ny olona ho marina, fa fikatsahana izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Mbola hiverenantsika amin’ny fandalinana ny Evanjely moa izay.
Ny tanjon’ny fijoroana ho Vavolombelona dia mba hahafahan’i Israely tsy hanadino ny soa nataon’Andriamanitra fa izany no fisaorana Azy miaraka amin’ny Anjeliny izay feno hery mankatò ny Didiny (Sal 102). Izany no Fiombonan’ny olomasina izay ventesintsika amin’ny Fiekem-pinoana: fiaraha-midera an’Andriamanitra amin’ny mponin’ny lanitra amin’ny Litorjia Masina. “Isika rehetra, amin’ny ambaratonga sy ny fomba samy manana, dia fitiavana tokana an’Andriamanitra sy ny namana no iombonantsika, ary antsa tokana ho voninahitry ny Andriamanitsika no hiraintsika” (LG 49).
Tsy tokony hohadinoina àry, fa tsy ny olana heverintsika mbola hovahana no tokony hoentina mamonjena lamesa, entina mankalaza ny Eokaristia izay vavaka fisaorana, fa ny “prefasy”, ny antom-pisaorana, dia ny fitanisana ny soa nataony tamintsika, fa indrindra tamin’ny nanalavirany amintsika ny hadisoantsika, tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana (Sal 102).
Ny porofo nampisy heviny ny tenin’i Jesoa tamin’ireo mpianatra dia ny fanatanterahany izay nolazainy: tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho izay mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany (Jo 15,13). Ary izay tia sy mahatsiaro ho tiavina dia matoky: nahafoy ny ainy i Jesoa satria natoky fa mahay manangana Azy ho velona ny Rainy (Abrahama Heb 11,19). Dia izany koa no hahafahan’izay mino mijoro ho vavolombelona: amin’ny fiainana am-pitokiana fa Andriamanitra fitiavana ny Andriamanitr’i Jesoa Kristy.
Vokatry ny fahatsapana ny fitiavana itiavan’Andriamanitra antsika no tsy maintsy hifankatiavantsika koa (Vakiteny II) ary izany no handavorariantsika ny fitiavany ao amintsika. Fitiavana Andriamanitra, ary ao amin’i Jesoa Zanany no nanehoany antsika izany fitiavany izany, dia tsy inona fa ny faniriany hamonjy ny olombelona, ka izay mino an’i Jesoa dia mandray ny Fanahy maha zanaka ary tonga taratry ny fitiavan’Andriamanitra ihany koa, miombom-piainana Aminy tanteraka.
Ny hoe mino an’i Jesoa dia tsy inona fa ny fampifanarahana ny fisainana, ny sitrapo sy ny fomba fiainana amin’ny asam-pamonjena natombony. Izay mety ho fikatsahana tombon-tsoa hafa ankoatra ny an’i Kristy dia ankevitry ny famadihana Azy, tahaka ny nataon’i Jodasy ihany, ilay zanaky ny fahaverezana, tsy hoe sanatria tsy nomen’Andriamanitra ny fahasoavana mba ho voavonjy, fa nisafidy kosa ny hanaraka ny lalana mifanohitra amin’ny fahasambarana natoron’ilay tia azy sy efa nifidy azy ho sakaiza mahatoky, hiray lovia aminy. Mety halaim-panahy koa isika hanararaotra ny fitiavana manokana tsy hanaovana soa fa hitadiavana ny tombontsoan’ny tena fotsiny. Lalam-pahaverezana izany.
Ny fiombonana aina amin’i Jesoa kosa dia fiombonana lova ihany koa, ka ny fitahirizana antsika ao amin’izany fiombonana izany dia fahasoavana avy amin’ny Ray, ary izany no hojerentsika amin’ny vavaka ataon’i Jesoa ho antsika.
Ny Evanjely moa dia nalaina tao amin’ny Vavak’i Kristy ny haha-iray ny Mpino. Ny tapany voalohany amin’ity toko faha 17 ity dia vakiana amin’ny Taona A. Taratry ny Firaisan’Izy Trinite Masina no tsy maintsy hiainan’ny Mpino: “Niray saina ny mpino rehetra”, izany hoe mitovy firehana amin’ny zavatra handaniana ron-doha sy mondron-kery (ὁμοθυμαδόν – homothumadon, θυμός, passio), hahafahana miray hevitra ka hanomezana voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fo iray sy vava iray, araka ny hafatr’i Md Paoly (Rm 15,5-6).
Ao amin’io “vavak’i Jesoa Mpisorona” io dia in’enina (06) no miverina ny hoe “Ray”: “Ray Masina”, “Ray Marina”, hitalahoan’i Jesoa amin’ny Rainy ho an’ireo mpianany sy ireo hino Azy (and. 6.11.12.17.19.26). Mialoha ny vavaka anefa, ny fiantombohan’ny toko faha 17 dia lazain’i Joany fa “avy nilaza izany zavatra rehetra izany” i Jesoa no niandrandra ny lanitra.
Tsy inona moa izany nolazain’i Jesoa izany fa ny zavatra rehetra tokony hiainantsika mba hananantsika fiadanana Aminy (Jo 16,33). Nambarany tamin’ny Mpianany fa ny “Fiangonany dia miorina amin’ny fifanompoana (fanasana tongotra), ny fifankatiavana sy ny fiombonana”. Avy eo dia miandrandra ny lanitra Izy ka mivavaka. Ny hoe “miandrandra ny lanitra” moa dia ἐπαίρω (epairô) izay nadika hoe “manopy” ny maso hijery ny vahoaka any amin’ny toko faha enina (Jo 6,5). Heveriko fa ny antony nampiasan’i Joany teny mitovy amin’ireo toko roa ireo, dia mba hisintonana ny saintsika fa ilay mason’i Jesoa miandrandra mijery ny vahoaka tonga manatona Azy no mitalaho amin’ny Ray mba hananan’izy ireo ny Fiainana mandrakizay, Izy ilay tsy mitsahatra mibanjina ny Endriky ny Ray.
Ny tanjony, araka ny efa nolazaintsika teny ambony, ka manjary tanjon’izay rehetra irahiny hamahana ny andian’ondriny dia ny mba hananan’ireo rehetra nomena Azy ny fiainana mandrakizay, ἵνα πᾶν ὃ δέδωκας αὐτῷ – hina pan ho dedôkas autôi, ireo “izay” nomenao Azy, dia ὃ [ὅς (Hos) milaza manondro tokana] no ampiasain’i Joany, erreur grammaticale voulue hoentiny milaza ny fiombonan’ireo mino, tonga tena iray ihany ao Aminy.
Ny “fahalalana” an’Andriamanitra ho Ray, Ray Masina sy Marina no fiainana mandrakizay, satria izany no manova ny fon’ny olona sy ny fomba fiainany hifanaraka amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny maha zanany antsika. Fahalalana tsy mihanona amin’ny ara-tsaina anefa izany fa fahalalana entanin’ny fitiavana satria nahatsapa fa tiana ka te hahalala ny endrik’ilay nitia mialoha. Ny voninahitra nananan’i Kristy mialoha ny nahariana izao tontolo izao, dia ny voninahitra maha zanaka, ny voninahitra hahalala ny Ray, voninahitra ho velona mandrakizay no omeny antsika. Tanteraka etoana araka izany ny fanirian’i Adama, te hitovy amin’Andriamanitra, satria irin’i Jesoa hitovy Aminy isika. Tsy hofandrihan’ny bibilava amin’ny fanahafana andriamanitra mpanjakazaka, hihevitra ho tompo mandidy amin’izay tsara sy ratsy anefa, fa hanahaka kosa ny Andriamanitra mahafoy ny Zanany lahitokana ho Sorona, antsoiny ho lavorary toy ilay Rainy any an-danitra.
Tsy ny fandikàna ny teniny araka ny torohevitry ny bibilava no hitovizana amin’Andriamanitra fa ny fandraisana ny Anaran’Andriamanitra notorian’i Jesoa amintsika ka hahafahantsika miaina araka ny Tenin’Andriamanitra, teny mitondra amin’ny fiainana “mandrakizay”. Izany fiainana araka ny Teny izany no hahafahana mahalala ka manompo Andriamanitra “tokana”, sy manesotra ny sampy sy ny endriky ny andriamanitra tsy izy, noforonin’ny fisainan’olombelona ihany. Izany no hahafahan’ny fo ho iray, tsy voazarazara, hadio (tsisy fangarony, tokam-po sahala amin’ny siny ka tsy mahalala afa-tsy rano) ka ho afaka hibanjina an’Andriamanitra. Ny madio fo no afaka hibanjina ny tavany ka hahalala Azy marina.
Tsy mivavaka ho an’izao tontolo izao i Jesoa. Tsara avahana eto ny “tontolo” (κόσμος – kosmos) tian’i Joany lazaina, tsy ny tontolo itambaran’ny zavaboary rehetra, izay tian’Andriamanitra fatratra ka nanirahany ny Zanany mba hanavotra azy (Jo 3,16), fa ny tontolon’ny lainga sy ny avonavona izay manimba ny fiaraha-monina sy mandrava ny fihavanan’ny olona. Io “tontolo” io no noravan’i Jesoa, noresen’ny Fanahiny lahatra ny amin’ny fahotana, nanehoany ny fahamarinana sy ny fitsarany (Jo 16,8snm), io ilay tontolo noreseny (Jo 16,33). Aza matahotra fa efa nandresy an’izao tontolo izao aho, hoy Izy.
Ny vavaka henontsika amin’ny Evanjely anio dia entin’i Joany manambara amintsika ny vavaka lazain-dry Md Matio sy Lioka, entin’i Kristy mampianatra antsika hivavaka. Ny fitahirizana antsika ao amin’ny Anarany mba ho iray tahaka ilay Andriamanitra Tokana olona telo no fanamasinana ny anaran’ny Ray.
Ny fanamasinan-tena ataon’ny kristianina, tahaka ny nataon’i Jesoa, henontsika amin’ny Evanjely, no hahafahan’izy ireo manamasina ny olona hitoriany ny Evanjely. Mivavaka ho an’ireo mino Azy i Jesoa mba hananan’izy ireo ny faharetana manoloana ny fankahalana tsy maintsy hosedrainy eo amin’ny tontolo anirahana azy ireo. Izay mandray ny Teny ka mitandrina Azy dia halan’izao tontolo izao. Ny Teny no manadio sy mandrantsana mba hamokatra (Jo 15,3); io no marina izay maha olon’afaka (Jo 8,32), io no fahazavana manilo mba hivoahana amin’ny haizim-piton’ity fiainana ity, satria “Fanahy sy Fiainana” (Jo 6,63). Ny Teny no nahariana ny tontolo ary mahatonga antsika koa handova ny fahariana vaovao amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika.
Ray “Masina” no anandratan’i Jesoa ny vavaka ataony: Masina satria voatokana, tsy mifangaro amin’ny hafa, manana fihevitra tsy mitovy amin’ny fihevitr’olombelona. Voaantso hiombona amin’izany fahamasinany izany izay mino Azy (Lev 11,44). Ray koa anefa Izy ka tsy afa-misaraka amin’ny zanany. Ao amin’ny Anarany, izany hoe eo anatrehany, ao Aminy, miombon’aina Aminy, amin’ny vavaka (resaka) atao Aminy no hitahirizan’i Jesoa ny Mpianatra sy irìny hitahirizan’ny Ray azy ireo koa ao amin’ny fahamasinana. Ray no anarany ka amin’ny fiantsoantsika Azy ho Ray no hiezahantsika koa hiaina ho zanany marina tokoa, hiezaka hitahiry ny toetra maha zanaka. Tsy ezaka avy amin’ny olombelona anefa ny fiombonana aina amin’Andriamanitra ka hiombonan’ny Mpianatra koa ao amin’i Kristy fa fanomezana vokatry ny vavaka ataon’i Kristy Mpisorombe.
Tahaka izany koa ny Mpianatra: tsy afa-miala eo amin’izao tontolo izao satria voairaka hanohy ny asam-pamonjena eo amin’izao tontolo izao, saingy tsy olon’izao tontolo izao izy ireo. Hohamasinina amin’ny fahamarinana ireo mpianatra mba hahafahany manatanteraka izany iraka izany. Ny hoe ankamasinina moa (ἁγιάζω – hagiazô) dia azo adika hoe atokana tsy hifangaro amin’izao tontolo izao mba ho an’Andriamanitra irery ihany, hiombon’aina Aminy (qadash, tahaka ny Levita: jereo Fan 3,13); mety ho fanokanana amin’ny alalan’ny “rites” sy ny fombafomba; fa azo andikana ny fanolorana ny tena ho sorona ihany koa. Ny fahamasinan’Andriamanitra voalaza teo aloha (Lev 11,44; Mt 5,48) halaintsika tahaka dia lazain’i Md Lioka hoe ny famindram-pony (Lk 6,36) izay hanehoany ny heriny hany azo ianteherana (Prefasy vavaka fampihavanana I).
Tsy fisehosehoana ho tsara noho ny hafa araka izany ny fahamasinan’ireo mpianatra fa fahamasinana hanahafana ny fitiavan’Andriamanitra izay tsy maniry afa-tsy ny hahavonjy ny olombelona rehetra. Izay tsy miaina araka ny fitiavana, tsy maniry ny hahavonjy ny hafa, eny fa na dia ny fahavalo aza, araka izany, dia mbola lavitra ny fahamasinan’Andriamanitra.
Mazava amin’izany ny antony anirahana ny mpianatra: mba hanohy ny asam-pamonjena nanirahan’ny Ray an’i Jesoa, hampahafantatra an’izao tontolo izao fa fitiavana Andriamanitra ary hanome azy ireo ny fiainana (amin’ny fanolorany ny ainy) ho famonjena azy rehetra. Izany no nanamasinan’i Jesoa ny tenany, ary ho an’izay te hanara-dia Azy dia io no lalana tokana hanamasinany tenany, ka mazava loatra lalam-piombonana satria asa iray iombonan’ny mpianatra amin’i Kristy Loha sy Filoha.
Izay tia ihany no mitady ny fomba rehetra hiovan’ny olon-tiany, hoy i Teilhard de Chardin. Ampahatsiahivin’i Paoly fa izay tia ka miasa araka ny Evanjely dia tsy misorona amin’ny fitenenana mba hanitsy ny fiainan’ireo izay nankinina aminy. Ny Tenin’Andriamanitra no fahamarinana, ka izay mpianatr’i Kristy dia tsy afaka hilaza zavatra iray ho marina raha tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izay mihevitra ny hanoro hevitra mba hampiova hevitra azy, dia ilazan’i Md Philippe Néri mba hilaza ny toko sy ny andinin’ny Evanjely nanovozany hevitra, satria izay ihany no hahafahany mahalala ny marina tokony hizorana. Raha amin’ny adihevitra mampisara-bazana eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana no tsilovintsika amin’ny hazavan’ny Soratra Masina dia sarotra ny mbola hitohizan’ny disadisa.
Tsy azo adinoina fa loza ho an’ny Fiangonana ny olona mampianatra hevi-diso mba hitiavan’ny olona azy fotsiny. Tsy noho ny fahendren’ny Apôstôly na izay mitoriteny anefa no hampahavokatra ny Teny. Izany no hanankinan’i Paoly ireo pretran’ny Fiangonana amin’Andriamanitra sy amin’ny Tenim-pahasoavana, dia ilay afa-manorina sy mandavorary ary manome antsika ny lova (Asa 20,28-38), tahaka ny nataon’i Kristy manamasina antsika rehetra ao amin’ny fahamarinana.
Hampiombona antsika ao amin’ny fahamarinany sy ny fahamasinan’Andriamanitra anie ny Fanahy Masina.
Eo amin’izao tontolo izao isika, ka na miandrandra ny lanitra aza dia tsy ho variana hibanjina azy (tahaka ny nataon’ny Apôstôly tamin’ny andro fiakarana) fa hahatsiaro mandrakariva ny andraikitra nankinina amin’izay maniry handova ny fiainana: miaina amin’ny maha zanaka amin’ny fiezahana hahalala bebe kokoa hatrany an’Andriamanitra. Fiombonana Izy, Trinite Masina, ka ao amin’izay hihariharian’ny fitiavana no hahafahana mibanjina ny Endriny marina, hoy i Md Augustin.
Tsy ho sanatria hivavaka ho an’ny firaisan’ny Mpino isika kanefa tsy hiezaka akory handravona ny disadisa sy ny tsy fifankahazoana na dia ao an-tokan-trano aza. Tsy ho sanatria ny mpianatr’i Kristy no hisara-bazana. Tsy ho sanatria ny voninahitra, ny hafinaretana na ny haren’izao tontolo izao no himatimatesana ka hatakalo ny fiainana mandrakizay. Hiezahantsika ny hiaina ny fiombonana telo sosona dia ny fiombonana amin’Andriamanitra, ny fiombonantsika amin’ny zanany rehetra sy ny fiombonana amin’ny zavaboary.
Vavaka maneho ny maha kristianina antsika tokoa no namaranan’i Papa François ny Ansiklika Fratelli tutti, maniry ny fiombonana marina tokoa amin’ny maha mpianatr’i Kristy:
Ry Andriamanitray, Trinite Fitiavana,
avy amin’ny fiombonana mahery maneho ny maha Andriamanitra Anao
no atosakao eo anivonay ny onim-pitiavan’ny mpiray tampo.
Omeo anay ny fitiavana hita taratra tamin’ny fihetsika nasehon’i Jesoa
tao amin’ny fianakaviana tao Nazareta sy teo anivon’ny fiombonana voalohan’ireo kristianina.
Ataovy miaina ny Evanjely izahay Kristianina
ka hahita an’i Jesoa amin’ny olona tsirairay
hahita Azy voafantsika ao amin’ny tebitebin’ireo izay nilaozana
sy nohadinoina eo amin’izao tontolo izao
fa mitsangan-ko velona kosa ao amin’ny rahalahy sy anabavy miarina indray mba hijoro.
Avia, ry Fanahy Masina! Asehoy anay ny hatsaranao
hita taratra amin’ny mponina rehetra eto an-tany
ka hahatsapanay fa sarobidy izy ireo,
ary misy ilana azy ny tsirairay avy
satria endrika samihafa hisehoan’ny maha olona tokana notiavinao.
Amen.