ALAHADY FAHA VI PAKA – TAONA B
- Asa 10,25-27.34-35.44-48
- Salamo 97
- 1Joany 4,7-10
- Md Joany 15,9-17
Tsy mifidy olon-ko tiavina Andriamanitra.
Ao amin’ny Vakiteny I dia mahasanganehana ihany ny zavatra lazain’i Md Piera. Amin’ny fampianarana mahazatra antsika dia ny Sakramenta no ankalazaina mba handraisana ny Fanahy Masina. Voalaza mazava anefa fa “ireo efa nandray ny Fanahy Masina no hatao Batemy” (Asa 10,47).
Mba hahazoana izay tian’i Md Lioka ampitaina amintsika ary mialoha ny hamerenantsika izay fampianaran’ny Eglizy mikasika ny Fanahy Masina dia andeha aloha hojerentsika ny fibebahana takian’ny fitorian-Teny teo amin’i Piera sy ny Apôstôly.
I Kôrnely, kapiteny romanina, tany Sezarea dia azo ampitahaina amin’ilay kapiteny tany Kafarnaôma izay lazain’i Md Lioka ao amin’ny Evanjeliny fa tia ny firenena sy nanao ny sinagôga aza ka mendrika hanaovan’i Jesoa soa amin’ny fanasitranana ny ankizilahiny (Lk 7,1-10). Ao amin’ny Evanjely anefa, na dia niara-nandeha tamin’izy ireo ho any an-tranon’ilay Kapiteny aza i Jesoa dia nanirahany sakaiza kosa mba “tsy hisahirana satria tsy mendrika ny hidirany ao ambanin’ny tafon-tranony akory izy”.
Ho an’ny Jody, ary ho an’ny Apôstôly mazava loatra, dia fady ny miditra ao an-tranon’ny olona tsy voafora, satria vahoaka masina izy ireo ka tsy tokony handoto tena amin’ny mety ho fifangaroana amin’ny hafa firenena sy ny fomban’izy ireo. Mialoha ny Vakiteny I nohenointsika teo dia tantarain’i Lioka aloha fa nahita fahitana i Piera ny amin’ireo biby noheveriny ho fady sy maloto, fahitana izay niverina in-telo, tahaka ny fandavany in-telo ihany.
Amin’ireo andininy tsy novakiana kosa, (Asa 10,27-33) satria ny biby aza tsy azo atao hoe maloto, mainka fa ny olona izay efa nodiovin’Andriamanitra, ka na dia eo aza ny fomba maha jody tsy hahafahana miditra ao an-tranon’ny hafa firenena dia tsy am-pisalasalana no naneken’i Piera hiditra ao an-tranon’i Kôrnely sy nanambarany fa Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona ny Andriamanitra Tompoiny, ka tsy misy tombo sy hala eo anatrehany fa izay matahotra Azy sy manao ny marina dia ankasitrahany (and. 34).
I Kôrnely kosa, namarana ny teniny nilaza tamin’i Piera hoe: “vory eto anatrehanao izahay rehetra, mba hihaino ny zavatra rehetra asain’Andriamanitra lazainao aminay” (and. 33). “Izay tsy voatarik’Andriamanitra tsy mba mihaino anay”, hoy i Md Joany, ary izay no hanavahana ny fanahin’ny fahamarinana sy ny fanahin’ny hadisoan-kevitra (1Jo 4,6).
Izay zanak’Andriamanitra dia manao ny asan’Andriamanitra ary mihaino ny fahamarinana (Jo 8,38-44) ka izay tia no aterak’Andriamanitra sy mahalala an’Andriamanitra (banga amin’ny dikanteny ao amin’ny vakiteny II). Ny fitiavana dia tsy inona fa ny hery avy amin’Andriamanitra izay manosika ny olona hanolo-tena amin-kerim-po sy an-kalalahana hikatroka ao amin’ny tontolon’ny fahamarinana sy ny fiadanana, ka hahita hafaliana amin’izay marina (1Kôr 13,6) ( Benoit XVI, Caritas in Veritate 1).
I Md Joany moa dia mamintina amintsika ny fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany ho fakan-tahaka ho antsika: tsy valisoa ho an’ny soa vitantsika fa ho sorom-panavotana (ἱλασμός – hilasmos) noho ny fahotantsika. Tia antsika, tsy noho isika manaraka ny sitrapony fa fony isika mbola mpanota (Rm 5,6).
“Raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Alahady faha 5: Jo 15). Manoloana izany fiombonana amin’i Kristy tsy azo ihodivirana izany dia misalasala ihany ny tena manoloana ny zava-misy hatrehin’ny olona: arakaraka ny fahatsapana ny fahalemena sy ny fiharatsian’ny fiaraha-monina, toa miha-mampatahotra isan’andro, no vao mainka manosika ny sasany koa hanalavitra an’Andriamanitra sy ny Fiangonany, hivarilavo amin’ny risoriso sy ny zavatra hafa mampivily hiala amin’ny lalan’ny fitiavana. Indraindray koa dia toa zary fahazarana ihany ny mivavaka, ka na izay tiana hangatahina amin’Andriamanitra aza toa tsy tonga ao an-tsaina akory, mainka moa fa izay valin-teny sy hafatra tian’Andriamanitra ampitaina amintsika.
ἀγαπάω (agapaô, mitia), ἀγάπη (agapè, fitiavana) moa dia entina milaza ilay fomba fitiavan’Andriamanitra izay manome manontolo sy maimaim-poana, ka izany no anasan’i Jesoa ny mpianany hitoetra ao amin’io Fitiavana io, hahatonga ny fitiavana ho “trano fonenana” hahafahana manandrana ny hamamin’ny maha zanaka sy maha mpiray tam-po, amin’ny fitandremana ny Didy. Izany no lalana mitondra amin’ny fahalavorarian’ny hafaliana satria ny fiombonana aina amin’Izy Ray dia mameno hazavana ny fiainana ka tsy hahafahan’ny haizina mahita irika ao intsony. Ny hafaliana dia vokatry ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanana, fitia ifankatiavan’ny Ray sy ny Zanaka, hafaliana lavorary irìn’i Jesoa koa mba ho fiainantsika.
Izany hafenoan’ny hafaliana izany no fanirian’i Jesoa ho antsika tsirairay avy, dia ny hafaliany tsy miandry valiny intsony fa faly satria notiavin’ny Ray dia afaka mitia koa. Mazàna ny tsy fahazoana valim-pitia, na ny fahadisoam-panantenana no mahatonga antsika hilofika ao anatin’ny alahelo sy ny fahakiviana. Izay mbola tsy nahatsiaro ho notiavina maimaim-poana dia tsy afaka ny hahita hafaliana amin’ny fitia tsy miandry tambiny. Ambaran’i Jesoa fa ny fitiavany (ἀγάπη– agapè) ihany no hahatongavantsika amin’ny hafaliana feno fatra, izay tsy manana antony manokana ankoatra ny fitiavana.
Arakaraky ny hahatsapantsika ny fitiavana itiavana antsika, araka izany, no mampitombo ny hafaliantsika ka mahatonga antsika ho mpianatra marina, miombona aina amin’i Kristy, satria mahatsapa fa tsy velona raha tsy Izy ary tsy ho velona intsony afa-tsy hanao ny sitra-pony, izany hoe hanao izay mifanaraka amin’ny hafaliana sy ny fiadanana ary ny fahasambaran’ny olombelona rehetra. Ny fitandremana ny didim-pitiavana no fitoerana ao amin’ny Fitiavany.
Izay mahatsapa ny ataon’Andriamanitra ho azy dia tsy afaka ny tsy hihira ny hira vao ho an’ny Tompo ary hanao ny fiainany manontolo ho fitaovana hitoriana ny famonjen’Andriamanitra ho fantatry ny vazan-tany rehetra (Sal 97 setriny).
Tsy azo adinoina fa ny tanjon’ny fitoriana ny Evanjely sy ny ezaka rehetra atao eo anivon’ny Fiangonana dia ny mba hifankatiavana bebe kokoa, izany hoe mba hahatonga ny olon-drehetra ho mpianatr’i Kristy, hitia tahaka ny itiavan’i Kristy azy, hahafoy ny aina ho an’ny hafa. Ny hahalalan’ny olona fa mpianatr’i Kristy dia ny fifankatiavana (Jo 13,35). Ilay fitiavana manambatra ny Ray sy ny Zanaka, dia ilay fitiavana nitiavan’ny Ray ny Zanaka no manambatra ny mpianany amin’i Jesoa ary tonga rohim-pihavanana mampiombona ny mpianatra samy mpianatra koa. Nahafoy ny ainy ho antsika Izy ka isika koa antsoiny hitia amin’ny hafenoan’ny fitiavana: mahafoy ny zavatra rehetra, hatramin’ny aina aza hoenti-manasoa ny hafa. Io no didy vaovao omeny an’izay te hanara-dia Azy.
Ny fihainoana sy ny fiainana io didy io no hahatongavantsika “sakaizan’i Jesoa”, ary tsy azo adinoina fa ny “sakaiza” ihany no mahalala ny tsiambaratelo, mahafantatra izay nolazain’ny Ray, dia ny lalam-pahasambarana atorony ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Ny fiezahana hiaina ny fitiavana araka izany no hidirantsika amin’ny fiombonam-po sy fiainana amin’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Azy bebe kokoa hatrany. “Izay tsy tia tsy mahay na mahalala an’Andriamanitra”, hoy i Md Joany (1Jo 4,8).
I Jesoa no misafidy ny sakaizany sy nanendry (τίθημι – tithèmi, manamasina; jereo Fan 8,10) azy ireo mba handeha sy hahavokatra ary haharetan’ny vokany. Misafidy maimaim-poana tsy araka ny fahamendrehan’ny olom-boafidy Izy, fa araka ny haben’ny fitiavany, tahaka ny nataony tamin’i Israely (vakio Dt 7,7-8). Tsy ho mpanompo fa ho sakaiza, ary ho rahalahy mihitsy aza (iantsoan’i kristy tafatsangan-ko velona ny mpianany), ho zanaka mpandova miaraka aminy no niantsoan’Andriamanitra antsika, ka tsy hihanona amin’izay mety ho baiko na karama, fa ho mpiombon’antoka amin’ny fanitarana ny famonjena tiany ho an’izao tontolo izao.
Izay no iraka ampanaovina ny Eglizy Fanasina sy Fahazavana (Mt 5,13snm), mitondra ny hanitr’i Kristy amin’ny olon-drehetra (2Kôr 2,14), ka tsy teny tsara lahatra fa ny fomba fiainana andavanandro izay hazavain’ny fitiavana no mitondra vokatra hahasarika ny olona hanatona (Jo 12,32) ka hanome voninahitra ny Ray (Jo 15,8), hidera Azy vory vahoaka, hiantsa Azy anivom-pirenena noho ny halehibeazan’ny hatsaram-pony (Sal 56).
Tsy ezaka avy amintsika anefa no hahafahantsika manatanteraka izany didim-pitiavana izany. Tsy isika no tia an’Andriamanitra mialoha fa Izy, amin’ny nanomezany antsika ny Zanany, ary amin’ny nanomezan’ny Zanaka kosa ny Fanahy, ilay hampianatra sy hampahatsiaro antsika ny Didin’ny Ray tokony hotandremantsika (Jo 14,26).
Mpanafaka alahelo no iantsoan’i Jesoa ny Fanahy Masina. Ny hoe παράκλητος (paraklètos), moa dia ilay antsoina mba ho namana, ho mpiara-dia; nentina niantsoana ihany koa ilay mitsangana mba ho antoka, misolo vava eo anatrehan’ny fitsarana: raha ny marina araka izany tsy mpanala alahelo fa mpanala izay fototry ny alahelo, ny Fanahy Masina. “Fanomezan’Andriamanitra hanilo ny finoantsika ka hahafahantsika mivoatra amin’ny Fiainana maha zanak’Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina”, hoy i Papa François (Toriteny Ste Marthe, 11 mai 2020).
Nampiasain’ny Jody koa io teny grika io, ka tsy nadikany amin’ny teniny fa najanony amin’izao: “paraklita”no nilazan’izy ireo amin’ny arameana (ny teny nampiasain’ny jody amin’ny andavanandrom-piainana tamin’ny andron’i Jesoa) ny raim-pianakaviana (na izay misolo azy) amin’ny fandikàna amin’ny teny azon’ny zanany (arameana) ny Torāh izay voasoratra tamin’ny teny hebrio, satria tsy mbola hain’ireo zanany tsy mbola nianatra izany teny izany. Ny Fanahy Masina “paraklita” araka izany dia “mpandika teny” koa, manampy antsika hahazo sy hampifanaraka ny fampianaran’i Jesoa amin’ny vaninandro sy ny fomba fisainantsika ankehitriny, mba hahazoantsika ilay “didim-pitiavana” araka ny tokony ho izy.
Ny alahady faha eninaamin’ny drafitra “mystagogique” moa dia handinihana manokana ny fampanantenana ny Mpanafaka alahelo: Hangataka amin’ny Raiko aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo (Jo 14,15-21: Taona A); dia nidina tamin’ny Jentily ny Fanahy Masina (Asa 10,25-48: vakiteny voalohany Taona B), ilay Fanahy hampahatsiaro izay rehetra nolazain’i Kristy (Jo 14,23-29: taona D).
Ny Fanahy Masina no omen’ny Ray ho antsika mba handavorary ny fiombonantsika Aminy, ka hahatonga an’Andriamanitra ho zavatra rehetra ao amin’ny olombelona rehetra (tout en tous, 1Kôr 15,28). Ny Fanahy Masina, ilay nisonenika tambonin’ny rano (Jen 1,2), no hahatanteraka ny faminanian’i Izaia fa hampianarin’Andriamanitra ny olona rehetra (Iz 54,13), Andriamanitra Ray izay nampianatra ny vahoaka tamin’ny Lalàna sy ny Mpaminany, niseho ho fantatry ny olona, izany hoe naneho ny tena endriny amintsika tamin’ny fahatongavan’ny Zanany ho nofo ary mampiombona ny olombelona amin’ny fiainany amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Io Fanahy irahin’ny Ray io no maha zanaka antsika, tsy hamelan’i Jesoa antsika ho kamboty ka hahafahantsika miantso an’Andriamanitra hoe Aba, Ray (Ga 4,6). Izy no omen’i Jesoa hankahery antsika ka hahafahantsika hahefa ny zavatra rehetra (Fil 4,13).
Hoy ny Katesizin’ny Fiangonana mamintina amintsika ireo sehatra isehoan’ny Fanahy:
KFK 688. Ny Fiangonana, fiombonana velona ao amin’ny finoan’ny apôstôly izay nampitainy, no toeran’ny fahalalantsika ny Fanahy Masina :
- ao amin’ny Soratra Masina izay avy amin’ny fanilovany ;
- ao amin’ny Lovam-panahy (Tradition), ary vavolombelona tsy tontan’ny ela an’izany ireo Aban’ny Fiangonana;
- ao amin’ny Fotom-pampianaran’ny Fiangonana (Magistère) izay tsiloviny hatrany ;
- ao amin’ny Litorzia sakramentaly, izay ampiombonan’ny Fanahy Masina antsika amin’i Kristy amin’ny alalan’ireo teniny sy fihetsika;
- ao amin’ny fivavahana izay hitalahoany ho antsika;
- ao amin’ireo fanomezam-pahasoavana (charismes) sy andraiki-panompoana (ministères) izay anorenany (manamafy orina) ny Fiangonana ;
- ao amin’ireo fanehoana ny fiainana maha apôstôly sy maha misiônera ;
- ao amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ireo olomasina izay hanehoany ny fahamasinany sy hanohizany ny asam-pamonjena.
Ny Fanahy no hampianatra fa koa hampahatsiaro (ὑπομιμνῄσκω – hypomimnesko) izay nampianarin’i Jesoa mba tsy hanadinoantsika azy mandrakizay. Izy no mamerina ao am-pontsika ny Teny, satria izay tsy ao amin’ny “tsiaro” dia very any amin’ny fanadinoana. Ny Fanahy fitiavana no mamelona eo anivon’ny Fiangonana ny fahatsiarovana an’i Kristy, ka hahafahan’ny Mpino miaina ny fiombonana amin’ilay Andriamanitra izay honina ao amin’izay tia Azy.
Izao no fampianaran’ny Eglizy momba izany:
Mino ny Fanahy Masina
KFK 152. Tsy misy afaka hino an’i Jesoa-Kristy raha tsy manana anjara amin’ny Fanahiny. Ny Fanahy Masina no manambara amin’ny olombelona hoe iza moa i Jesoa? Satria “tsy misy afa-milaza fa i Jesoa no Tompo, raha tsy entanin’ny Fanahy Masina” (1Kôr 12,3). “Mamantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza (…) Tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany” (1Kôr 2,10-11). Andriamanitra irery no mahalala manontolo ny momba an’ Andriamanitra. Mino ny Fanahy Masina isika satria Andriamanitra Izy.
Tsy mitsahatra manambara ny finoany an’Andriamanitra tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ny Fiangonana.
KFK 687.“Tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra”(1Kôr 2,11). Ary, ny Fanahiny izay manambara Azy dia mampahafantatra antsika an’i Kristy, Teniny (son Verbe), Teniny velona (Parole Vivante), fa tsy milaza momba ny tenany. Ilay “niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany” (DS 150) no ahafahantsika mandre ny Tenin’ny Ray. Fa isika tsy mandre Azy. Tsy mahalala Azy isika afa-tsy amin’ny fihetsika izay anambaràny amintsika an’ ilay Teny sy andrisihany antsika handray Azy amin’ny finoana. Ny Fanahin’ ny Fahamarinana izay “mampiharihary” an’i Kristy amintsika dia “tsy miteny avy amin’ny Tenany” (Jo 16,13). Izany fanaovana tsinontsinona ny tena toy izany, izay tena toetran’ Andriamanitra manokana, no manazava ny antony “tsy ahazoan’izao tontolo izao mandray ny Fanahy, satria tsy hitany Izy ka tsy fantany”, fa ireo izay mino an’i Kristy kosa dia mahafantatra Azy satria mitoetra ao amin’izy ireo Izy (Jo 14,17).
Ny Fanahy izay nampanantenain’Andriamanitra ho an’izay mino azy no antoka mandavorary ny iraka nankinina amin’ny Fiangonana : «ho Vavolombelon’i Kristy hatrany amin’ny faravazan-tany», hamaly amin-kamoram-po sy fanajana izay manontany ny anton’ny fanantenana izay iainantsika (1P 3,15-18). Indraindray misy olona mihevitra ho manana ny marina dia mihevitra koa fa afaka miteny izay tiany hotenenina ary miteny amin’ny fomba tiany hitenenana. Ny Kristianina, hoy Md Piera dia hamaly amin-kamoram-po sy fanajana mandrakariva, ka ny fitondran-tena tsara atao ao amin’i Kristy ho hampahamenatra izay mety hanendrikendrika.
Raha hiverenana ny Vakiteny anio dia ambaran’i Md Joany amintsika anio fa didy no tokony hifankatiavana (Jo 15,9-17). Tsy hifankatia araka izay heverin’ny tena anefa na araka ny fomba amam-panaon’ny tontolo manodidina, fa araka ny ohatra navelan’i Kristy. “Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra” hoy izy (Vak II 1Jo 4,7-10), ary izay tsy tia dia tsy hanana hafaliana lavorary na oviana! (Evanjely) Izay mitandrina ny didim-pitiavana ihany manko no hitoeran’ny Hafalian’i Kristy, izay mandavorary ny hafaliantsika.
Mety hampandinika antsika izany ny amin’izay mety ho loharanon-kafaliana ho antsika. Mazàna mandany vola aman-karena hanomanam-pety sy hilibana mba hahazoana hafaliana fa tsy hoe tsy akory dibo-kafaliana ka mahafoy hanaovam-pety… Ny tena fitiavana marina, loharanon-kafaliana manko, dia ny fahatsapana ny tsy fahamendrehana sy ny maha tsinontsinona antsika, saingy navela heloka, navotana, notiavina.
Ny tsy fahatsapana izany fomba hitiavan’Andriamanitra antsika izany indraindray no mahatonga antsika hisalasala amin’ny mety ho fibebahan’ny hafa! Tamin’ny alahady heriny (alahady V) isika nihaino ny tahotr’ireo Mpianatra tao Jerosalema izay nihaihay ny mety ho fibebahan’i Md Paoly (Asa 9,26-31). Anio koa dia naheno ny tantaran’i Kôrnely sy ny nibebahan’ny Jentily isika… (Asa 10,25-48). Raha mahatsiaro ho nohasoavina isika dia tsy hisalasala fa raha tsy ny fahasoavany, tsy mahefa na inona na inona isika ka tsy hirehareha amin’izay soa mba mety ho vita. Kanefa indraindray, na mazàna mihitsy aza, toa zary fitaovana hanebahana sy hanambaniana azy ny fahalemen’ny hafa, hany ka mananosarotra ary tsy vita intsony ny hifaly amin’ny soa azon’ny hafa, ary na dia ny fibebahana sy ny fiverenan’ny zaza mpandany aza, hidongiana tsy hidirana an-trano, tahaka ilay zoky tsy nahatsiaro tena ho zanaka fa nihevi-tena ho mpanompo lazain’ny Evanjely (Lk 15).
Tsy fanaovana ariary zato am-pandriana sanatria na hitadiavana tany malemy hanorenam-pangady no antony hitalahoantsika fahasoavana… I Jesoa no mifidy antsika, ka ny fahalalana ny lalam-pahasambarana atorony dia tombom-pitiavana, ary izay voafidy dia tendreny sy irahiny (Evanjely), hampamokatra ny Fitiavana nafafin’ny Fanahy Masina ao am-pony.
Asan’ny Fanahy no mampifankatia antsika, ka raha mangataka Azy amin’ny Ray isika dia homeny. Ianareo izay ratsy aza mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, mainka ve fa ny Rainareo izay any an-danitra no tsy hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka azy aminy? (Lk 11,13). Io no iombonantsika amin’ny Eglizy manontolo manomboka amin’ny alakamisy mba hanomanana ny Pantekôty vaovao ho an’ny Eglizy.
Ezahantsika àry ny hiaina araka ny nitiavan’i Kristy antsika. Araraotina amin’izany ny mampahatsiaro ny sakramentan’ny Fanambadiana, hifanoloran’ny Mpivady fitiavana, ho sakramenta, manambara ny fitiavan’i Kristy ny Fiangonana… Ka hisy fanabeazana manjary tokoa moa ve raha sanatria ka ny Fianakaviana no tsizarizary? Mampalahelo anefa fa maro ny fianakaviana no miady kitrana, ary tsy mahatsiaro intsony fa ny fisian’Andriamanitra eo afovoany ihany no fanafody hivoahana amin’izany: ny fiaraha-mivavaka. Satria Izy Tompo no nilaza fa na aiza na aiza hiangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarany, dia eo afovoany mandrakariva Izy (Mt 18,20). Hamafisintsika sy omentsika laka mba ho tonga fahazarana ny manokana fotoana hivavahana ao anivon’ny fianakaviana, indrindra moa amin’ny hasivian’andro atokan’ny Fiangonana mba hivavahana manokana, hanazaran-tena haharitra amin’ny fivavahana, mba hanomanana ny fo amam-panahy handray ny Fanahy Masina.
Ary ho haintsika anie ny hampifanaraka ny toe-piainantsika amin’ny Paka ankalazaintsika, ka hitoetra ao amin’ny fitiavany, dia hivelomantsika amin’ny maha sakaiza, amin’ny maha zanaka, ary ho sambatra amin’ny fandaniana ny fiainana hikatsahana izay mahasoa ny hafa, tsy hitadiavana voninahitra ho an’ny tena fa hikatsahana ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
Teo amin’ny Jody dia ny fiezahana mandinika ny Torāh no noheverina fa hahatongavana amin’ny fahasambarana. Ny Torāh anefa dia manoro ny lalana hombana ihany saingy tsy manolo ny asa sy ny ezaka tokony ataon’izay hanao ny dia, ary tsy hanome azy koa ny hery hahafahana mizotra izany lalana izany. Tsy afaka ny hizotra amin’ny lalana maha zanak’Andriamanitra antsika isika raha tsy mandray ny Fanahy Masina.