ALAHADY FAHA V PAKA – TAONA B
Ny tena Apôstôly: matoky, mifankatia, tsy matahotra
- Asa 9,26-31
- Salamo 21
- 1Joany 3,18-24
- Md Joany 14,1-12
Ny alahady fahadimy amin’ny fankalazana ny Paka, dia manisy tsindrim-peo amin’ny didim-pitiavana tokony hiainan’ny Kristianina: ny fifidianana ireo fito lahy hanompo sy hitantana ny fizarana ny fiantrana (Asa 6,1-7: vakiteny I taona A), araka ny didin’i Kristy dia ny hinoantsika Azy sy ny hifankatiavantsika (1Jo 3,18-24: Vakiteny II taona B / Jo 13,31-33a: Evanjely Taona D), mba tsy hisy intsony ny alahelo amam-pitarainana (Ap 21,1-5: vakiteny II taona D). Amin’ny alahady fahadimy dia tsy milaza mazava momba ny sakramenta ny tenin’Andriamanitra, fa mamporisika kosa hitsinjo ny mahantra sy ny osa, ary mazava loatra fa anisan’ireny ny marary. Ny sakramentan’ny marary manko tsy hoe hahazoan’ny marary fahasitranana am-panahy sy ara-batana fotsiny ihany fa koa porofom-pitiavana asehon’ny Eglizy ho an’ny zanany osa.
Ndeha hiverenantsika ny voalazan’ny vakiteny amin’ny Taona A mikasika izany fiainana ny fitiavana izany. Tahaka ny fiaraha-monina rehetra ihany moa ny Fiangonana, ny fitomboan’ny isa mampitombo koa ny fahasamihafana, mampitombo ny mety ho fiovan’ny fomba amam-panao, izay manaraka ny fahazarana sy ny fironan’ny maro an’isa mazana. Mampalaheo sady mahamenatra anefa raha misy atao zanak’ikalahafa eo anivon’ny Eglizy. Dia izany no nitranga tao Jerosalema. Tsy voakarakara ny mahantra avy amin’ireo Helenista (Grika na ny marimarina kokoa jody niteny grika). Teo anatrehan’izany anefa dia hain’ny Apôstôly ny nandrindra ny fiainan’ny Eglizy, ka nanolotra hevitra izy ireo mba ho voahaja ny laharam-pahamehana eo anivon’ny Eglizy: “Tsy mety raha ilaozanay hitandrina ny sakafo ny fampianarana (διακονία– diakonia) ny Tenin’Andriamanitra”.
[Tsara ny manamarika fa tsy diakra no niantsoana ireo olona ireo. Ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra no antsoin’i Md Lioka hoe τῇ διακονίᾳ τοῦ λόγου – tè diakonia tou logou (Asa 6,4). Teny nampiasain’ny Evanjely io mba hilazana ny mpanompo, maniry ho lehibe araka ny Evanjely (Mt 20,26; 23,11; Jo 12,26). Ny manam-pahefana no lazain’i Paoly fa lefitr’Andriamanitra (θεοῦ διάκονός – Theou diakonos: Rm 13,4) amin’ny fanasoavana; i Paoly voatendry ho Mpandraharaha[1] (διάκονος) noho ny fanomezam-pahasoavana (Ef 3,7); ny ambaratonga diakra araka ny hitantsika amin’ny sakramentan’ny filaharana izao dia miandalana no naha-matotra azy tao amin’ny Fiangonana. Ny laharam-pahamehana ho an’ny Apôstôly dia ny hahavitana tsara ny vavaka, ny fitorian-teny ary ny fitsinjovana ny mahantra.]
“Tsy mety raha ilaozanay hitandrina ny sakafo ny fampianarana (διακονία – diakonia) ny Tenin’Andriamanitra”. Mampalahelo fa tsy azontsika indraindray ny haren’io fampianarana io. Firifiry ny mpitondra sy tompon’andraikitra (pretra sy eveka aza voasaringotra indraindray) no mandany fotoana amin’ny resa-bola sy fitantanana ka tsy misy fotoana ho amin’ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra intsony eo anivon’ny Eglizy. Mila tarafina mandrakariva avy amin’io fampianaran’ny Apôstôly io ny fomba fiainan’ny Eglizy sy ny Paroasintsika rehetra any. Fampianarana sy fivavahana ve no hitadiavantsika ny Dimbin’ny Apôstôly sy ireo iraka misolo tena azy, sa sanatria ny resaka sakafo tsy voazara araka ny tokony ho izy fotsiny? Misy toerana handinihana bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra ve amin’ny andavan’androm-piainantsika, na farafaharatsiny hahay, amin’ireo fotoana atokantsika hiainana any am-piangonana sy any amin’ny fikambanana masina? Afaka mikely aina amin’ny Fivavahana sy ny fitorian-teny ny Pretrantsika raha ampiantsika amin’izany izy ireny.
Ny fitoriana izany Tenin’Andriamanitra izany anefa dia mety hiteraka olana, hatramin’ny fifofoana ny aina aza, araka ny henontsika tamin’ny Vakiteny I teo. Ny fifampitsinjovana amin’ny samy mpino kosa dia marika fa efa vonton’ny Teny toriany ny Apôstôly. NY TENA APÔSTÔLY: MATOKY, MIFANKATIA, TSY MATAHOTRA.
Io vakiteny I io dia mampita amintsika hafatra mafonja izay azontsika takarina amin’izay lazain’i Paoly ao amin’ny taratasy ho an’ny Galata: na dia nanenjika fatratra ny Fiangonan’Andriamanitra sy nandrava azy aza izy, dia mahatsiaro fa voaantso, efa natokan’Andriamanitra hatrany am-bohoka mba hitory ny Zanany amin’ny firenena hafa. Tsy afaka ny hiolonolona irery anefa izy, na dia avy amin’Andriamanitra aza ny fampianarana, fa nanapa-kevitra ho any Jerosalema mba hihaona sy hiara-mitoetra amin’i Sefasy, i Piera, nandritra ny tapa-bolana (Ga 1,11-20). Izany fiombonana amin’i Piera izany dia toetra manokan’ny Eglizy izay asehon’ireo fitantanana an-tanantohatra apetraka mba ho voatory ny Evanjely ary mba ho tonga fomba fiainana ny fifankatiavana sy ny fifampitsinjovana.
Amin’ity alahady fahadimy fankalazana ny Paka amin’ny Taona B ity dia miompana indrindra amin’ny maha iraka antsika ny Tenin’Andriamanitra, iraka asainy mba hamokatra ho voninahiny. Voaantso hitory ny hafalian’ny Paka isika, tahaka an’i Paoly, nitantara ny nahitany ny Tompo teny an-dalana (Vakiteny I Asa 9,26-31). Tsy tokony ho kobaka am-bava anefa izany, hoy i Md Joany, fa hifanaraka kosa amin’ny vokatry ny Fanahy, izay efa narotsaka ao am-pontsika (1 Jo 3,18-24).
Ny tiako asiana tsindrim-peo manokana dia ny tahotra nananan’ny mpianatra, raha nahita an’i Md Paoly tonga tany Jerosalema. Tahotra izay iainantsika koa, hisalasalana ny amin’ny fibebahan’ny rahalahy sasany! Fomba fitenintsika ny hoe : “tanana zatra mitsotra, tsy afaka hivonkina intsony”. Saingy, mifanaraka amin’ny foto-pisainana maha kristianina ve izany? Tsy misy fanantenana intsony ve ho an’ireo sampana tsy mamoa ka nesorina dia maina? Sanatria hatsipy any anaty afo mba ho zary lavenona, kanefa lazain’ny mpahay momba ny voly voaloboka fa lavenona tsy azo atao zezika hampamokatra ny foto-boaloboka akory?
Mahalasa saina izany ary mampahatsiaro antsika ny faminanian’i Ezekiela momba ireo taolana maina dia maina (Ez 37). Ny fihainoana ny Tenin’i YHWH no mahavelona. Ny fihainoana an’i Kristy, hoy i Md Joany dia ny fitandremana ny didiny sy ny fanaovana ny tsara eo imasony; araka izany, ny fitiavana no mahavelona antsika (Mt 25). Izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao Aminy… Dia ahoana izany no ho anjaran’ireo rantsana maina?
Ampahatsiahivin’i Md Joany antsika amin’ny fiantombohan’ity taratasy nangalana ny Vakiteny II ity fa na dia miezaka miaina araka ny Evanjely aza isika dia tsy afaka handainga ho tsy manam-pahotana (1 Jo 1,10). Ny fiekena ny fahotana ka hitodihana amin’ny fahasoavana kosa no lalana mitondra antsika amin’ny hadiovana, ary ambaran’i Joany fa ny fampifanarahana izay ambaran’ny fiainana an-davanandro amin’izay lazain’ny vava no maha mpino antsika.
Na inona na inona angatahintsika dia ho azontsika satria mitandrina ny didiny sy manao izao tsara eo imasony isika (vak I). Matoa tsy mamokatra ny fivavahantsika dia satria tsy mifanaraka amin’ny sitrapony, ary mazava ny lazain’i Md Jakôba ho an’izay mihevitra fa tsy mihaino ny vavaka ataony Andriamanitra: Mangataka ianareo nefa tsy mahazo satria ratsy fangataka: zavatra izay hanaranana ny filàn-dratsinareo no angatahinareo (Jk 4,3).
Raha ilay Mpiandry ondry tsara, mamela ny 99 ao am-bala mba hidododo hitady ny iray nania (Lk 15) no nankalazaintsika tamin’ny alahady faha 4, nahoana no Mpamboly mandratsana kosa no hilazana ilay Ray any an-danitra? Toa mifanohitra izany raha tsy azo tsara, ary raha alefa lavitra aza ny saina dia mety hisy hihevitra fa ny fahafatesana dia anisan’ny fandrantsanana, ka toa ny tsara indray no voarantsana mialoha.
Ny finoana fa afaka mibebaka ny olona dia finoana ny Herin’ilay afaka mamelona ny taolana efa maina, ilay afaka mamelona hatramin’ny rantsana maina aza, raha tahiany ka vonona ny hihaino ny feony ary izany no ankalazaina amin’ny Paka. Ny sampana tsy afaka hamokatra anefa no esorin’ny Ray. Tsy fandrantsanana ny fahafatesana àry fa fiotazana ny vokatry ny Fanahy nampamokarintsika teo amin’ny fiainantsika.
Atao ahoana kosa indray ny hahazo ny filazan’i Jesoa hoe: hoesorina izay tsy mamoa? Afaka manilika ny rahalahiny tsy hiara-mandova Aminy ve i Jesoa? Dia ahoana indray no hahazoana izany raha Izy aza lasa nitady ilay ondrikely nania? Tsy Izy no manilika. Marina sy mahatoky mandrakariva Izy, saingy anjaran’ny olona kosa ary miankina amin’ny fahafahany ny mandray sy mivelona araka ny tsiron-kazo mahavelona ampitain’ny foto-boaloboka (jereo Mt 7,19; 25,41-46; Rm 11,17-21; 1 Kôr 10,11s).
Mahalasa saina antsika izany, ka mampitandrina antsika tsy hanararaotra be fahatany ny famindram-pon’Andriamanitra, ary tsy hanjehy ny andro ho lava mba hanaovana soa sy hitandremana ny didiny. Mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika, hoy i Md Joany, raha tsy manameloka antsika ny fontsika. Ilay feon’ny fieritreretana izay manampy antsika hihavao sy hanao ny tsaratsara kokoa hatrany. Ary na dia manameloka antsika aza anefa ny fontsika, dia lehibe lavitra noho ny fontsika Andriamanitra. Ny hany tokony hiezahantsika dia ny hitia, hitia tahaka ny itiavany antsika.
Andriamanitra dia tsy sasatra ny mandrantsana antsika, ka na maharary aza ny fandrantsanana, dia izay tian’ny Tompo ihany no faiziny, tsy fanasaziana anefa raha ny marina fa fitiavana mba hampamokatra bebe kokoa. Ka raha sanatria ao anatin’ny fisedrana na ny zava-manahirana, mitory ny Tenin’ny fiainana nefa misy mifofo ny aina, tahaka ny nahazo an’i Md Paoly voalaza ao amin’ny Vakiteny I isika, ka manadino fa fitiavan’Andriamanitra ho amin’ny soa tsaratsara kokoa izany, dia mety ho kivy na hitsoa-pahana. Raha mahatozo kosa anefa isika dia tsy misy hireharehana izany satria raha tsy Izy tsy mahefa na inona na inona isika. Fiainana an-drano maria manko ny fiainana am-panahy, ka raha tsy mandroso, entin-driaka mivalana.
Hiezahantsika ary ny hanome voninahitra an’Andriamanitra, tsy hankalaza azy fotsiny am-bava sanatria, fa hiezaka ny hahita ny endriny ao amin’ny olombelona rehetra, eny fa na dia ao amin’ireo nolotoin’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy aza.
Ny maha fiombonana ny Eglizy dia vokatry ny Fanahy Masina: fiombonana amin’ny zavaboahary, fiombonana amin’ny samy olombelona fa ny fiombonantsika aina amin’Andriamanitra no fototr’ireo fiombonana rehetra ireo.
Md Joany 15,1-8
Ny Evanjely dia manamafy sy mandalina izany fiombonantsika aina amin’i Jesoa izany ka andeha hiverenantsika vetivety.
Ny fiafaran’ny toko faha 14 dia ny hoe: “Mitsangàna, andeha isika hiala eto”. Ny fiantombohan’ny toko faha 15 kosa indray dia ny hoe “Izaho no tena foto-boaloboka”. Ny foto-boaloboka dia tsy afaka ny hamoa raha mifindrafindra. Tamin’ny alahady heriny isika nankalaza ilay Mpiandry ondry mitondra ny ondriny hifindrafindra amin’izay misy sakafo, izao mankalaza ilay Ray zanaky ny Mpamboly voaloboka.
Inona ary no tian’i Jesoa holazaina amintsika? Antsoin’i Jesoa isika mba hiala eo amin’ny toerana nankaherezany antsika tao anatin’ny tahotra sy ny hamafin’ny fo tsy te hiditra ao amin’ny lalan’ny hazofijaliana, ka antsoiny mba hamoha be sy ho tonga mpianatra marina tokoa. Antsoiny hiala amin’ny toerana tiantsika hitoerana ka hanaraka Azy amin’izay toerana sitrak’Izy Ray hambolena antsika miaraka amin’i Jesoa, ka hitsiriantsika sy hitomboana ary hitondrana vokatra be dia be. Amin’izay toerana misy antsika dia i Jesoa no fototra. Izay tsy miombona aina Aminy dia tsy afaka ny ho mari-pototra fa hopaohin’ny rivotra mora foana.
Izany no sarisary ampiasain’i Joany: foto-boaloboka “volen’ny Ray”. I Jesoa no fototra ary isika no rantsana. Ilay Teny tena Andriamanitra no tonga nofo (Jo 1,14). Izaho no (YHWH): mofon’ny fiainana (Jo 6,35), fahazavana (Jo 8,12), varavarana (Jo 10,7.9), mpiandry ondry (Jo 10,11), fananganana sy fiainana (Jo 11,25), lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jo 14,6), izao Izy dia milaza fa “ilay tena” foto-boaloboka, tahaka ny nilazany fa Izy no mofo, ilay tena izy (Jo 6,32), satria Izy no afaka manome ny vokatra ho voninahitry ny Ray. Ny Tenin’Andramanitra araka izany no fototra, ka tsy misy na inona na inona vanona na masina izay tsy mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Ray no mpamboly. Ao amin’ny Soratra Masina dia marobe ny tomany ataon’Andriamanitra amin’i Israely, tanim-boalobony: foto-boalobony (jereo Iz 5,1snm), izay tsara karakara kanefa nisafidy ny tsy hiombon’aina Aminy ka tsy hivelona amin’ny loharanon’aina atolony (Jr 2,13). Ny Mpianatra dia rantsana miray amin’i Kristy, ka sady mivelona Aminy no mitondra vokatra tahaka Azy.
Ahoana ary no hiraikitra Aminy nefa tsy hamokatra? Satria mety ho kobaka am-bava ny fanarahan-dia Azy, ka tsy vonona ny handray ka hivelona araka ny Teniny (jereo Mt 7,21-23). Mampieritreritra antsika izany tenin’i Jesoa izany, araka ny lazain’i Joany hoe “aza mitia amin’ny teny sy am-bava fotsiny fa mitiava amin’ny asa tokoa sy am-pahamarinana” (1 Jo 3,18). Finoana toriana sy iainana araka ny efa voalaza teny aloha.
Sitrak’Andriamanitra mba hampiasaina amin’izay mitondra vokatra ny aina avy Aminy. Izany no mahatonga ny rantsana maina hoesorina ary ny sampana mamoa mba horantsanana, hodiovina amin’izay mety ho fahotana sy faharatsiana mbamin’ny fitiavan-tena ka hahafahana mamokatra bebe kokoa, tsy ho voninahitry ny tena fa ho voninahitry ny Ray.
Tsy manery i Jesoa fa miangavy, manaja ny fahafahan’ny tsirairay mba hitoetra ao Aminy sy hitoerany. Ambarany mazava anefa fa izay tsy mitoetra ao Aminy dia tsy hahavita na inona na inona. Lazain’ny olon-kendry iray izay (Lallemant) fa mampidi-doza ho an’ny tenany sy ho an’ny hafa ny olona iray raha sanatria manokan-tena hanao asa pastoraly na asa fitoriana kanefa tsy manam-potoana hibanjinana Azy Tompo (contemplation). Hanao fanandramana fohy angamba, hoy izy dia mety ho azo atao ihany. Zava-dehibe ho antsika manko ny fiombonan’aina amin’i Kristy (jereo Mk 3,14). Amin’ny fibanjinana an’i Jesoa ka hitomboan’ny fahalalantsika Azy no hahafahantsika mitia “tahaka ny nitiavany” ary amin’ny fiombonana aina Aminy no hahazoantsika ny hery hanatanterahana izany.
Raha mitoetra ao Aminy isika ka mitoetra ao amintsika ny Teniny dia hangataka izay tiantsika isika ka atao amintsika izany. Tsy afaka ny ho tia zavatra ankoatr’izay tian’i Jesoa izay mitoetra ao Aminy ka mitandrina ny teniny. Ny vavaka no mampitombo ny faniriana, hoy i Md Augustin ka mampiitatra ny fo handray ny hafenoam-pahasoavana, ka hamokatra bebe kokoa hahafahana manome voninahitra ny Ray. Tian’Izy Ray manko ny hanome antsika izay rehetra nomeny ny Zanany lahitokana: ny fiainana mandrakizay (jereo Jo 3,35).
Ho hita taratra amin’ny fiombonantsika samy isika, amin’ny fitsinjovantsika ny mahantra, amin’ny fanampiantsika ireo mila vonjy anie ny fiombonantsika aina amin’i Kristy, ka hahatonga antsika ho vavolombelon’ny Pakany izay ankalazaintsika izao.
[1] Tsy Diacre fa Mpandraharaha no andikana ny διάκονος hilazana ny fandraharahan’i Epafrà – Epafrasy (Kôl 1,7), Paoly (Kôl 1,23.25), Tisìko (fortuit) (Kôl 4,7), Timoté (1 Tm 4,7).