ALAHADY FAHA IV PAKA:Alahadin’ny Mpiandry ondry tsara Taona B
I Jesoa Mpiandry ondry tsara
- Asa 4,8-12
- Salamo 117
- 1Joany 3,1-2
- Md Joany 10,11-18
Nandritra ny herinandro fahatelo fankalazana ny Paka no namakiana ny toko faha 6 manontolon’i Joany nampianaran’i Jesoa antsika ilay Mofo avy any an-danitra, antoky ny fiainana mandrakizay ho an’izay mihinana Azy.
Ny alahady fahefatra, alahadin’ny Mpiandry Ondry tsara kosa, dia vakiana ny Evanjely araka an’i Joany (Jo 10,1-30) : i Jesoa ilay vavahadin’ny ondry (taona A : Jo 10,1-10), mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny (taona B : Jo 10,11-18) ary manome ny fiainana mandrakizay izay manaraka Azy (Taona D : Jo 10,27-30). Izany no antony hivavahana manokana ho an’ny mpitondra Fiangonana sy ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy ho relijiozy amin’ity alahady ity, mba hahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona hahatarika ny vahoaka hanaraka ilay Mpiandry tokana ihany dia i Kristy.
Ny fanirian’ny olona dia ny mba hisy mpiaro, ny hahita olona azony hidodododoana raha sendra ny sarotra sy ny manahirana. Indraindray anefa miantsampy eny an-tanan’ny olona mpamitaka sy jiolahy, manararaotra ny androm-pahalemena sy androm-pilàna mba hamitahana, hangalarana sy hanandevozana. Mba tsy hampilatsaka anatin’izany fandrika izany dia mila mahay manavaka ny feon’ilay Mpiandry ondry tsara tarehy (καλός – kalos), mba hahafahana mandry ivohon’ny vato satria Izy no afaka manome ny fiainana mandrakizay izay manaraka azy.
I Jesoa no varavaran’ny fiainana, « tonga mba hananan’ny ondry ny Fiainana, sady hananany azy amin’ny hafenoany » (Evanjely).
Hatramin’ny taona 1964 dia natokan’i Papa Paoly VI hivavahana manokana momba ny fiantsoan’Andriamanitra ny andro anio (alahady IV Paka). Amin’izany fivavahana izany anefa dia indraindray voafetra ihany ho an’ny Fivavahana ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy Relijiozy. Tsy omena tsiny loatra izany famerana izany satria araka ny efa nolazaintsika, araka ny drafitra “mystagogique” amin’ny vanim-potoan’ny Paka dia natao handinihana ny sakramentan’ny Filaharana ity alahady ity.
Amin’ilay vavaka ataontsika ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra (Dera pejy 314),[1] dia fangatahana « mpiasa » ho an’ny Fiangonana no ataontsika : pretra masina, relijiozy mahafoy tena, Apôstôly lahika vonton’ny fitiava-namana. Adidintsika ny mivavaka ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra, ary tsy azo adinoina fa tokana ny antso loloha lanitra hifanojoan’ireny antso rehetra ireny dia ny fahamasinana: ny “ho masina tahaka ny Raintsika izay Lavorary” (Mt 5,48).
Tamin’ny hafatra manokana ho an’ny Andro nivavahana ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra Taona 2020 dia naverimberin’ny Papa fa ny Fiantsoan’Andriamanitra (Vocation) dia ny fikarohana sy ny fanamafisana ny sitrapon’Andriamanitra (Projet de Dieu) eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. Tsy dia hoe safidin’ny olona loatra, hoy ny Papa fa valinteny omen’ny olona amin’ny antso maimaim-poana ataony. Fitokisana izany ka mendrika fankasitrahana, na dia eo aza ireo sedra maro isan-karazany izay mitaky koa ny herim-pon’ny olombelona (courage). Ary “ny tanjona hifaharan’ny Fiantsoan’Andriamanitra rehetra dia ny hisokafan’ny fiainantsika amin’ny fiderana Azy, izay fikolokoloana ny toe-panahin’i Masina Maria, ilay nahay nankasitraka tamin’ny safidy nataon’Izy Ray, ary nanankina tamim-pinoana ny tahotra sy ny tebiteby, ka namaly amin-kerim-po ny fiantsoana azy, ka nahatonga ny fiainany manontolo ho antsa fiderana mandrakizay ho Azy Tompo”.
“Izao raha fintinina no tanjon’ny fiantsoan’Andriamanitra rehetra: ho tonga lehilahy sy vehivavy mpitondra fanantenana. Na ho an’ny isam-batan’olona na ho an’ny fiaraha-monina, ao anatin’ny fahasamihafan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny asa fanompoana, dia samy voaantso isika rehetra mba “hanome vatana sy fo” ho an’ny fanantenana araka ny Evanjely eo anivon’ny tontolo izay voamariky ny fanamby hatrehin’izao vanim-potoana izao: ny firosoana mampivarahotsana mankamin’ny ady lehibe fahatelo mitsitokotoko etsy sy eroa; ny vahoaka mpifindra monina izay mandao ny taniny mba hitady hoavy tsara kokoa; ny tsy fitsaharan’ny fitomboan’ny mahantra; ny loza tsy ahitam-panafana manimba ny fahasalaman’ny planetantsika. Ary manampy izany rehetra izany ny fahasahiranana tojo antsika isan’andro, izay mety hahatonga antsika hilavo lefona na hiraviravy tanana” (Papa François, Hafatra ho an’ny andro faha 61 hivavahana ho amin’ny fiantsoan’Andriamanitra 2024).
Ampahatsiahivin’ny Papa antsika fa mpivahinin’ny fanantenana isika ka ny famaliana ny antso na eo amin’ny sehatra iombonana na ny an’ny samirery dia fandraisana anjara amin’ny fanatanterahana ny nofinofin’Andriamanitra ka hanandramana sahady ny hasambaran’ny fifankatiavana hihaonana amin’i Kristy sy hiarahan-tsambatra amin’ny olon-drehetra any amin’ny mandrakizay. Ao anatin’ny vavaka sy ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona no hahafahana mampitsimoka, mampivelatra sy mitahiry ary mizara izany fanantenana izany ka hahatonga ny fivahinianana ho famafazana fahasambarana sy fiadanana.
Ao amin’ny hafenoan’ny fiainana tian’i Kristy ho antsika rehetra no hahafahana manandrana koa ny hafenoan’ny hafaliana. Ny lalana mankamin’izany dia hohalalinintsika amin’ity herinandro faha efatra ity, amin’ny famakiana ny toko 10 –13 ao amin’ny evanjelin’i Joany: ny fihainoana ny tenin’i Kristy sy fitandremana azy no fanazaran-tena hahafahana manavaka ny feon’Ilay Mpiandry tokana amin’ny feo hafa rehetra mety hamitaka. Tsy mora ny mihaino ny Teniny ao anatin’ny tabataban’ny tontolo manodidina antsika.[2] Ny fahazotoana mihaino ny fampianaran’ny Apôstôly (διδαχή – didachè), iray amin’ireo andry efatra ijoroan’ny Eglizy (Alahady II Paka Asa 2, 42-47) no azo antoka indrindra hikolokoloana ny sofina tsy ho voafandriky ny fanangolen’i Satàna.
Sarotra ny hanaraka Andriamanitra mitafy ny fomban’olombelona, miray petsapetsa amin’ny mpanota, mitady ny soa ho an’ny vahoaka nefa toa tsy niraika akory rehefa nivadihany sy nohorakorahany mba hofantsihana amin’ny hazofijaliana, ary rehefa voasambotra sy nentina am-patorana, ary toa tsy mamaly sy tsy manohitra akory, tsy mahagaga raha hatramin-dry Piera avy aza no nilaza ho tsy nahafantatra Azy intelo be izao (Mk 14,71).
Henontsika anefa ny zavatra nolazainy tamin’ny vakiteny I teo.
Io no lahateny fahatelo amin’ireo toriteny valo nataon’i Piera ao amin’ny Asan’ny Apôstôly. Amin’ny fahefan’iza na amin’ny anaran’iza no anaovanareo izany? “Ny Anaran’i Jesoa Kristy izay nofantsihinareo tamin’ny hazofijaliana fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy io”. Avy eo dia tohizan’i Md Piera amin’ny fitanisana ny Salamo 117: i Jesoa no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga fehizoro kosa. Nanana andraikitra tamin’ny fanorenana ny tranon’Andriamanitra ireo mpitondra fivavahana, vato sarobidy nomena azy ireo i Jesoa saingy tsy nifanaraka tamin’ny vinavina sy ny kinendrin’izy ireo, hany ka nesoriny tsy ho isan’ny velona, saingy ny nananganan’Andriamanitra Azy ho velona kosa no nahatonga Azy ho vatofehizoro iorenan’ilay Tempoly vaovao, hankalaza an’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy fahamarinana » (Jo 4,23), ary tsy hisy anaran-kafa hahazoana famonjena ankoatry ny anaran’i Jesoa.
Izay te ho mafy orina araka izany dia eo ambonin’i Kristy sy ny Evanjeliny no hahafahana maharitra mandrakizay (Mt 7,24).
Ambaran’i Joany fa ny hanahaka an’Andriamanitra no tanjon’ny fiainana sy hafenoan’ny fahasambarana. Amin’ny andro anehoana an’i Kristy anefa (amin’ny andro ampisehoana izany moa ny dikan-teny ao amin’ny vakiteny φανερωθῇ – phanerôthèi, subjonctif aoriste passif de phaneroô) vao ho lavorary izany, satria amin’izay vao ho tonga lafatra ny fahalalantsika an’Andriamanitra.
Jereo (Ἴδετε – idete), hoy Md Joany ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika! Antsoiny hoe zanany isika ary tena izany tokoa. Ampahatsiahiviny anefa fa “izay manao ny marina no zanaka aterak’Andriamanitra” (1 Jo 2,29), ary izay naterak’Andriamanitra ihany no mahalala an’Andriamanitra. Ny ho fanehoana ny endriny amin’izao tontolo izao, ny ho taratry ny fitiavany eo amin’izao tontolo izao no iantsoany antsika, ka hahafantaran’izao tontolo izao Azy ho ilay Andriamanitra fitiavana. Izay te hahalala an’Andriamanitra, araka izany, izay te hanana ny fiainana mandrakizay (Jo 17,3) dia mila manao ny marina. Izany no lalana hahatongavana any amin’izay lazain’i Joany hoe: “tsy hisy zavatra hiharan’ny loza ambaran’Andriamanitra intsony… ny mpanompony hanompo Azy sady hifanatri-tava Aminy… ary hanjaka mandrakizay izy rehetra” (Ap 22,3-5).
Izany hafenoan’ny fiainana izany no sitrak’i Jesoa mba ho antsika rehetra.
Izy no varavaran’ny fiainana, « tonga mba hananan’ny ondry ny Fiainana, sady hananany azy amin’ny hafenoany« , “mpiandry ondry mahafoy hatramin’ny ainy mba ho an’ny ondry”, ary mahafoy mba hamondronany azy rehetra ao anaty vala tokana (Evanjely).
Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy vaovao ny filazana an’i YHWH ho “Mpiandry an’i Israely” (Sal 80,2), mpiandry mitondra ny ondriny amin’ny tanim-bilona (Sal 22), mitrotro ny zanak’ondry ary mandroaka miadana ny reniondry (Iz 40,11).
Satrintsika hanana Andriamanitra mangeja antsika ao an-tranony, manome ny fahasoavana rehetra ilaina, ary miaro antsika amin’ny loza rehetra, ka mety hahavita hikapoka aza raha sanatria misy te hivoaka ny vala. Sarotra ho antsika ny hahita raim-pianakaviana hamela ny zanany handao ny trano miaraka amin’ny anjara fananany, ka handany izany amin’ny ny fitondran-tena ratsy sy ny vehivavy janga (Lk 15,13.30). Fa vao mainka manahirana ny hihevitra fa hanaovana fety ny fiverenan’io zanany io. Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Ao amin’ny toko faha 10 n’ny Evanjeliny dia ambaran’i Joany mazava fa fahalalahana tanteraka, “afaka miditra sy mivoaka”, izany no lazain’i Kristy, satria ao anatin’izay fahalalahana izay no hahafahana mizotra amin’ny fahasambarana, ao no hahafahana manao safidy malalaka, tsy noho ny tahotra sazy na noho ny fikendrena valisoa, fa nahatsiaro ho notiavina ka manolo-tena mba hitia marina tokoa. Kanefa haintsika ve ny manavaka ny feon’Andriamanitra, izay tsy azo toherina hoy i Piera (Asa 11,17)? Haintsika ve ny manavaka ny mpiandry ondry sy ny mpikarama? Izay tsy manaraka an’i Jesoa dia manaraka ny mpangalatra sy jiolahy, ary raha anankinana ondry koa aza izy dia hangalatra sy hamono ary handringana (Ez 34) no imasoany fa tsy ny hanasoa sy ny hamondrona.
Ambaran’ny Evanjely anio fa ny toetra mampiavaka ny Mpiandry ondry ka mampahatsara tarehy azy dia ny “fahafoizany ny ainy ho an’ny ondriny”. Ny καλός (kalos) nadika hoe “tsara” moa, raha ny marina dia tsy midika akory hoe mahafinaritra ny maso, raha tsy izany dia ho diso ny faminaniana sy ny famaritan’Izaia ilay mpanompon’i YHWH izay tsy nanafina ny tavany tamin’ny latsa sy ny rora (Iz 50,4-9), raha izany dia ho sarotra ho antsika ny hahita fa ny lakroà dia zavatra mahafinaritra ny maso. Tsara (kalos) izay mifanaraka amin’ny maha izy azy, tsy misy fitaka ary mijoro hatramin’ny farany, amin-kerim-po amin’izay iraka nampanaovina azy.
Izay te ho mpianatr’ilay Mpiandry ondry tsara dia tsy maintsy mikolokolo ao aminy ny fitiavana ny ondry, ka tsy ny vola aman-karena no hanaovana ny asa fa ny fitiavana vokatry ny fahalalana ny ondry ka hiarovana azy ireo sy hitadiavana izay mahasoa azy ireo. Tsy afaka hitady izay mahasoa ny ondry tokoa manko izay tsy mahalala akory ny ondry.
Arakaraky ny fahalalantsika an’i Jesoa anefa no hahalalantsika koa ny ondry mirafitra ho tena iray Aminy, izay tsy mahalala Azy, hoy ny vakiteny II teo dia tsy afaka hahalala akory ireo zanak’Andriamanitra. Izay manara-dia an’i Kristy dia tsy manan-tanjona hafa afa-tsy ny hananan’ny olona rehetra ny fiainana ary ny mba hananany azy amin’ny hafenoany, tsy ireo mihevitra ho iray vala ihany, fa ny olon-drehetra maniry sy mangetaheta ary mihaino ny “marina”, eny fa na dia izay ondry mania lavitra ny vala aza, hotadiaviny ary hoentiny an-tsangory ao am-bala (Lk 15,5).
Izy no Mofo velona (ζάω – zaô) nidina avy any an-danitra, velona satria manan’aina, fa velona koa satria loharanon’aina, ka avy amin’ny fihinanana Azy, avy amin’ny fihainoana ny Teniny no hahazoantsika ny aina, dia tsy ilay aina hitambarana amin’ny zavaboary (bios) fa ilay aina hiombonana amin’Andriamanitra sy ny rahalahy (zôè). Ny fanolorana ny iray voalohany holaniana mba hanaovana soa no hitomboan’ilay faharoa kosa ka handraisana azy feno ao amin’Andriamanitra.
Tsy ho kobaka am-bava anie fa ho fomba fiainana ny “fahaizantsika hanampy amin’ny herintsika manontolo ireo nantsoin’Andriamanitra ka manaraka Azy Amin-kerim-po sy fitokiana”, ka na dia andian’ondry osa sy malemy aza isika, dia hifanohantohana sy hifanohintohina, omban’ny fahasoavan’Andriamanitra ka matoky fa hiaraka mandresy amin’ilay Mpiandry Tokana (vavaka fangatahana).
[1] Vavaka ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra nampanaovin’i Mompera Sergio Sorgon, Karma anay fony kely. Imprimatur Mgr Tabao
[2]Tadidio ilay vavaka hatory mahalasa saina ny maro sy heverina ho rediredy ihany! Sabotsy hariva (Breviaire français)