ALAHADY FAHA IV KAREMY – TAONA D
Miravoravoa ry Jerosalema: Laetare!
- Jôsoe 5,9a-12/
- Salamo 33/
- 2Kôr 5,17-21/
- Md Lioka 15,1-3.11-32
FALY NY RAY MANDRAY ILAY ZAZA MPANDANY NAHALALA NODY.
Eo am-piomanana amin’ny Paka, mitozo amin’ny vavaka, ny famolahan-tena sy ny asa fitiava-namana, izay fanafody amin’ny fahotana, dia manasa antsika ny Eglizy amin’ity Alahady ity mba hiravoravo, hientan-kafaliana sy ho dibo-kafaliana ao am-po (Tononkira fidirana Laetare), ary tsy misy antom-pifaliana lehibe noho ny fiverenan’izay zanaka nania, ho an’ilay Ray be indrafo. Eo am-pizorana mankamin’ny Paka manko isika, dia efa mankalaza sahady ny Pakan’i Kristy amin’izay fandresena efa nosantarina amin’ireo ezaka nentina niainana ny karemy. Tsara ho tadidiana mandrakariva anefa fa ny fiombonantsika amin’i Kristy ihany no hahafahantsika miova fo, handresy ny ratsy ka hiandrandra fahafahana marina tokoa.
Tsy afa-misaraka amin’ny misterin’ny hazavana ny Misterin’ny Paka, satria i Jesoa Kristy, tonga nofo, maty fa nitsangan-ko velona no manazava izay rehetra mandray Azy ao amin’ny finoana, ary atsangany ho zanaka mpandova amin’ny alalan’ny rano manome aim-baovao (prefasy Alahady IV Karemy taona A momba ilay teraka jamba). Tsy ny fotaka natao tamin’ny rora nahosotra ny maso ihany no mety hampahiratra, tahaka ny fitantaran’i Joany an’ilay teraka jamba (Jo 9,1-41) fa ny sedram-piainana ihany koa, izay mampahatsiaro antsika ny maha tsinontsinona, tsy mahay mitantana ny anjara lova nomena, ka tsy hanana vahaolana hafa tsaratsara kokoa mihoatra noho ny fiverenana any an-tranon’ilay “dada” mitsinjo hatramin’ny mpanompony (Evanjely hazavaina any aoriana).
Ny fihavaozan’ny fomba fijery dia midika koa fihavaozan’ny fiainana, satria tsy hihanona amin’ny hitan’ny masony fa hahalala marina tokoa araka an’Andriamanitra ka tsy hikendry afa-tsy izay mahasoa, izany hoe izay mendrika sy mahafaly an’Andriamanitra (vavaka aorian’ny Kômonio). Raha i Kristy no hazavana, dia mazava loatra fa arakaraky ny hanatonantsika ny hazavana no hahitana mazava kokoa ny zava-misy, hahalalantsika tsaratsara kokoa ny momba antsika. Miandalana anefa izany fivoarana izany, saingy fihavaozana tsy maintsy izorana raha tiana ny hanandrana ny hafaliana entin’ilay Paka efa akaiky (vavaka fangatahana).
Ambaran’i Md Paoly fa na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zavaboary vaovao izy (2Kôr 5,17-21) satria i Jesoa, ilay Fihavanantsika (Ef 2,14) no nampihavanan’Andriamanitra antsika taminy. Tsy misy fampihavanana sy fibebahana marina araka izany raha tsy mandalo ao amin’i Kristy. Ambaran’i Md Paoly manko fa ny tena fibebahana marina dia Fihavanana amin’Andriamanitra. I Kristy no natolotra ho Sorom-panonerana noho ny ota (Lev 5–6) ka nanaiky ho tonga nofo, hahatonga antsika ho fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy.
Ny Evanjely sabotsy 3 karemy dia manampy antsika hahazo ny hasin’ny Soron’i Kristy. Ilay Farisianina sy Poblikàna tany an-tempoly dia nanehoan’i Jesoa ny toe-po amam-panahy tokony hoentintsika manolotra ny vavaka amam-panatitra ho an’Andriamanitra mba hahazoana ny fahamarinana, mody any an-trano (Lk 18,9-14). Ilay Farisianina dia nanolotra ny fananany sy ny ambim-bavany, nanolotra ny zavatra vitany hiheverana fa izany no “hividianana” ny fitiavan’Andriamanitra ka hahazoana ny hasambarana nampanantenainy. Ilay poblikana kosa, nanolotra ny fahosany sy ny fahotany, niaiky fa ny famindram-pon’Andriamanitra irery ihany no afaka hamonjy azy. Ny fiainany no natolony, mba ho sitranin’ny fitiavana. Tsy ekenao ny Sorona… koa ity aho tonga hanao ny sitra-ponao (He 10,7 // Sal 40).
Miankina amin’ny fahazoantsika ny hevitry ny fahotana anefa izany. Tsy sanatria manko henatr’olona no mampalahelo antsika fa ny fanitsakitsaham-pitiavana, henatra ilay ray tia antsika, satria nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehan’ny Fitiavan’ny Ray. Ny fahotana araka izany dia ny tsy fahalalana sitraka manoloana ny fitiavana, ny tsy fahatsapana ny fahasambarana efa ilomanosana ka aleo miala ao an-tranon’ny Ray (milaza azy ho faty, ho toy ny tsy misy, fa izany manko no dikan’ny fitakiana ny lova) mba hahafahana manao izay tiana hatao, eny fa na dia ny handrobaroba sy handany ny fananana amin’ny fitondran-tena ratsy aza no tanjona amin’izany. Ny fibebahana kosa, dia ilay fiverenana ao anaty, fiverenana amin’ny tena (mody ny saina, hoy ny evanjely) ka hahatsapana fa ny fitiavana ihany no hahavelona, ny fitiavana ihany no mahasambatra, fa tsy sanatria ny filibàna na ny mety ho hafinaretana mandalo. Ny fibebahana no hahitantsika fa na dia ny mpanompo aza manana fahasambarana tsaratsara kokoa noho izay lavitra ny tranon’ny Ray. “Aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo an-toeran-kafa, aleo mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy” (Sal 84,11).
Miankina be dia be amin’ny fahatsapana ny fitiavan’ilay Ray ny risi-po nanosika an’ilay zanaka mpandany hanapa-kevitra hiverina any an-trano. Mila manontany tena mandrakariva araka izany ny tsirairay, ny fiangonana, raha toa ka miaina araka ny maha izy azy: izany hoe amin’ny maha-taratry ny fitiavan’ilay Ray, manomana ny omby matavy hanaovana ny fety amin’ny fiverenan’ny zanany efa tsy naniry akory ny fahavelomany, efa nihevitra azy ho toy ny tsy misy. Ny fanehoantsika ny fitiavana sy ny fanomezana hanina ny olon-drehetra, eny fa na dia ny mpanompo aza no lalana tokana hahatonga saina ireo nania ka hampiverin-dalana azy ireo. Izay zanaka taha-dray dia tsy ho ranon’Ikopa ka ho tonga namana vao mavomavo fa olon’ny fety, faly amin’ny fanaovana fety amin’ny fiverenan’ny zaza mpandany, fa tsy sanatria halailay fonosana tahaka ilay zoky nihevitra ho nanao ny sitrapon’ny ray, kanjo ny fanarahan-dalana hampiavonavona no tao an-tsainy fa tsy ny hafaliana mahasambatra amin’ny maha zanaka, araka ny hevitry ny rainy. Izay fanarahan-dalàna hitadiavana zanak’osy ho tambiny hahafahana mifaly amin’ny sakaiza dia hitondra amin’ny avonavona fa tsy amin’ny fahamasinana. Nataony mba hahatsapantsika ny maha-zanaka tompon’antoka antsika ny fanarahan-dalàna, ka hitokisana fa antsika avokoa izay an’ny Ray rehetra (Lk 15, 31).
Ny Evanjely dia mampianatra antsika hibanjina ny fitiavan’ny Ray mba hahafahana miaina ny maha zanaka. Tantaran’ilay zaza mpandany moa no mahazatra antsika hiantsoana azy, fa ny marimarina kokoa, dia mitantara ilay “Ray mpamindra fo” sy ny zanany roa ny Evanjely.
Mialoha izany anefa dia lazain’i Lioka fa mety ho toy ny ondry isika, maniasia “tsy am-pahalalana” tahaka an’i Paoly (vakiteny II), ka mitaraina sy mikiakiaka, mibarareoka mandra-paha-tongan’ilay mpiandry hitondra an-tsoroka antsika ho any am-bala. Mety ho tahaka ny dragma (vola tsangan’olona) isika, latsaka tsy misy mpahita, tsy afaka ny hitaraina akory, angamba amin’ny fotoana hilatsahana ihany, ka hiandry ilay tompony hifafa ny trano rehetra mba hahitany azy indray.
Mety ho sitrapontsika koa anefa no ho very satria mafy ho antsika ny miaina ny lalànan’ny fitiavana izay toa mamehifehy antsika. Lazain’i Md Lioka fa nangataka ny anjara lovany ilay zandriny. Araka ny Boky Levitika (Lev 25,23) dia tsy amidy ny tany, fa ny 2/3-n’ny fananana kosa dia an’ny lahimatoa (Dt 21, 17), ary tsy afaka mahazo ny lova ny zanaka raha tsy maty ny ray aman-dreny, araka ny efa voalaza teo ambony. Voalaza araka izany fa tsy fitakiana ny anjarany fotsiny fa ny faniriana te hihaina malalaka, tsy elingelenin’ny raiamanandreny heverina ho “maty”, manao an’Andriamanitra ho tsy misy izany, no ilazana ny fihetsika nataon’ilay zandriny. Ny ampahatelon’ny lova izany no nalainy ary dia nolaniany tamin’ny fitondran-tena ratsy sy ny vehivavy janga araka ny voalazan’ilay zokiny. Rehefa voaterin’ny hanoanana anefa izy dia niandry kisoa, izay zavatra tsy azony atao akory araka ny Boky Levitika (Lev 11, 7), ary zavatra heverina fa sarotra lavitra noho izay niainany tao an-tranon-drainy, na izany aza anefa tsy mbola feno ihany ny kibo ka hatramin’ny hanin-kisoa avy tiana hohanina. Teo izy vao nahatsiaro fa ny mpiasan’ny Rainy aza mbola miadana noho izy, izy ireo voky hanina. Tsy zava-baovao ny fahatsiarovana ny hanina toy izany. Ny zanak’Israely tany an’efitra koa mba manina ny tongolon’i Ejipta (Fanisana 11,5) sy ny vilany feno hena nilerana mandrapahavoky (Eks 16,3). Mora ny nanala ny vatany tany Ejipta fa tsy mora ny nanala an’i Ejipta tao anatin’ny fony.
Fantany fa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehan’ny Rainy izy, tsy manana zo hitaky na inona na inona intsony. Fantany ny fitiavan’ny Rainy saingy tsy ny hanararaotra izany no nataony. Raha araka ny lalàna dia afaka ny nandroaka azy ny rainy, afaka ny hanameloka azy mihitsy aza satria nanosihosy ny zon’ny fianakaviana.
Eto no anehoan’i Lioka ny tena endrik’Andriamanitra manoloana antsika mpanota, manoloana an’izay mety ho mandà ny fisiany mihitsy aza. Tsy afaka hitaky ny lova manko ny olona iray raha mbola velona ny raiamandreniny. Ny fitakiana ny lova, araka izany dia filazana hoe “ho ahy, efa maty ianao”. Izay rehetra faniriana mba tsy ho fehipehezina dia fitakiana lova holaniana amin’ny fitondran-tena ratsy.
Tsy naniry afa-tsy ny ho mpiasa anefa ilay zaza mpandany, ny tombontsoan’ny kibony no nampalahelo azy fa tsy ny fahasoavana maha-zanaka nolaviny sy nataony tsinontsinona. Ianao malahelo ny fahotanao noho ny avonavona fa tsy noho ny fitiavana Ahy, hoy Jesoa tamin’ilay Apostolin’ny Famindram-pony .
Ilay rainy kosa anefa, nahatazana azy vao lavitra, izany hoe tsy sasatra ny niandry ny hiverenany, ka honena (σπλαγχνίζομαι splanchnizomai, רַחוּם raḥoum amin’ny hebrio), nidodododo nitsena azy, izany hoe nihazakazaka (τρέχω trecho). Ny lehilahy lehibe araka ny fomba dia tsy mihazakazaka, mandeha miadana, mahamenatr’olona ny mihazakazaka kanefa tsy noraharahiany izany mba hahafahany namihina ny zanany, hahafahany nianjera (ἐπιπίπτω – epipiptô). Nihazakazaka izany izy dia niantoraka teo amin’ny vozon-janany: izy no niantehitra tamin’ilay zanany satriny hijoro ho andry iankinany, ary tsy nitsahatra ny nanoroka azy(καταφιλέω – kataphileô,).
Nasain’ny rainy nomena ny akanjo tsara indrindra izy sady nasiana peratra ny rantsan-tanany, izany hoe naveriny taminy ny fahamendrehany sy ny hasina maha zanaka azy, nasiana kiraro ny tongony: tsy andevo na mpanompo izy fa zanaka, olona afaka. Novonoina ny omby nafahy, izany hoe hilazana fa fety efa nomaniny hatry ny ela ny fiverenan’ilay zanany, ary io no fety lehibe indrindra nandrasany.
Ho an’ilay Ray be famindram-po, fety mandrakariva ny fiverenan’ny zanany, na inona na inona hadisoany, satria lazainy fa ny fibebahana dia fahavelomana indray. Ilay zokiny kosa, satria mihevitra fa tambin’ny asa sy ny fahendrena ny fitiavana, tsy hoe tsy te-hahalana intsony ny momba ilay zandriny izy: “io zanakao io” hoy izy tamin-drainy, tsy afaka ny hitia ilay zandry toy ny rahalahy izy, satria tsy mba niaina na oviana na oviana ny maha zanaka. Ny fiverenan-jandriny no nohararaotiny hamoahana ny tao am-pony rehetra. Mitovitovy amintsika ihany rehefa tezitra dia manao litania ny zavatra mampalahelo rehetra izao: tsy afaka nifaly aho, tsy nahazo zanak’osy hifaliana akory nefa maty nanompo izay ela izay.
Tsy nety niditra izy, saingy ilay “Ray” kosa, tsara fo, ka nivoaka nankeo aminy. Andriamanitra manatona mandrakariva ny zanany, saingy tsy manery, mampahatsiaro azy ireo ny fitiavany mahafoy ny zavatra rehetra. Ampahatsiahiviny antsika fa ny zanaka dia mpandova, nomeny ny fiainany. Azy izay rehetra an’ny Ray. An’i Jesoa izay rehetra an’ny Ray, ny Fanahy kosa handray ny avy aminy ka hanambara izany amintsika, ary isika kosa handray izay an’ny Fanahy ka hanambara izany amin’ny hafa. Fiombonana ny Trinite Masina ary iombonan’izy ireo ihany koa ny fiainana izay zarainy amintsika manontolo. Izay mino azy dia tsy hanana zavatra manokana intsony (Asa 2,44) ary tsy hisy hilaza ny fananany ho azy (Asa 4,32).
Ambaran’ity fanoharan’ny Evanjely ity àry fa tsy ny fananana no mahasambatra, fa ny maha zanaka. Tsy ny fijanonana ao an-tranon-dray akory aza, tahaka ilay zoky nalahelo ny fiverenan’ny zandriny, fa ny fahaizana mifaly amin’ny fifankatiavana sy ny fisiana. Ilay zaza mpandany tsy te hofehifehezin’ny rainy intsony ka nisintaka; ilay zokiny kosa, teo ihany fa tsy nahita hafaliana, alahelony ny tsy nahazo na dia zanak’ondry kely hifaliana miaraka amin’ny sakaiza aza, kanefa ambaran’ilay rainy mazava fa azy ihany ireo fananana tsy lany tamin’ny fetifety ireo, ho azy no mety nampahihitra ny rainy taminy, ho azy ihany no notahirizana ny lova, ary izany no antony anomezana ny lahimatoa ny 2/3n’ny fananan-drainy: ho mpiahy ny zandriny rehetra.
Izay mahatsapa fa tsy ny fananana no mahasambatra fa ny maha zanaka sy ny fifankatiavana, dia hifaly mandrakariva amin’ny fiverenan’ny “zaza mpandany”, tsy mampaninona izay fahaverezan’ny vola aman-karena amin’ny “vehivavy janga”, satria fahavelomana ny fiverenan’izay nania ao am-bala.
Tsy ho fivelomana amin’ny “mana milatsaka avy any an-danitra” anefa izany sanatria fa fiandrandrana ny vokatry ny tany, satria tsy “tanin’ny fanandevozana” no diavina fa “tranon’ny fahafahana” (jereo Jôs 5,9-10-12), eny fa na dia mety ho hatsembohana sy harerahana aza no hahazoana izany. Tsy ny mana intsony fa ny vokatry ny tany Kanaana no nohanina. Mitaky fandraisana adidy ny fahafahana marina. Voaantso isika mba hamafy ka hisy ny hojinjaina. Izay vonona ny hiatrika ny fiainany no afaka haniry ny Paka izay fanesorana ny fahafaham-baraka tany Ejipta, hoy ny Vakiteny I (Jos 5, 9-12).
Ity ory velon’antso ka novalian’ny Tompo, hoy ny salamo (Sal 33)… Isika no tanana atsotran’Andriamanitra hamaly ny antson’ireo mitofezaky ny hanoanana, maniry ny hivoky ny hodi-bomanga omena ny kisoa, saingy indrisy… “mandalo krizy avokoa”, hatramin’ny fifampizarana ny mofo… mampiavaka ny kristianina, “tsy nisy nanome tsinona”.
Mampanontany tena ihany anefa raha hafaliana ho an’ny Fiangonana sy ny zanak’Andriamanitra ny fiverenan’ny rahalahy iray avy nandany ny fananana tamin’ny fitondran-tena ratsy. Samy mandini-tena amin’izany isika satria voaantso mba hanahaka ny hatsaram-pon’ny Ray. Tsara anefa ny manamarika etoana, sao sanatria misy olona entanin’ny faniriana tsy hanorina fa handrava, hitsikera sy hanome tsiny fa tsy hitia sy hitady ny fomba handresena ny ratsy, ka hanome tsiny ny Fiangonana na ny Fikambanana amin’ny fangatahan’ny zanany sasany hiverina, tsy ho mpiasa fa mbola handany ny harena sisa tavela, mbola tsy azony tamin’ny fisintahany voalohany. Taratry ny fibebahana marina ny fanetren-tena ka izay te ho mpanompo, faly amin’ny maha zanaka, no hiditra amin’ny fiainam-baovao.
Hiezahantsika àry ny hiaina ny maha kristianina antsika, ka na ho inona mety ho hamafin’ny fiainana, na ho sanatria ho inona henatry ny fahalavoana, dia hino fa afaka mihavao mandrakariva isika ao amin’i Kristy, ary hanamafy izay efa tsara amin’ny finoan-drazana, tsy sanatria amin’ny tanana zatra mitsotra (toa mampiraviray tanana amin’ny finoana fa afaka miala amin’ny fahazaran-dratsy ny mpanota,) fa amin’ny toetra ratsy izay azontsika hovana… Miankina amin’ny fahatsapantsika ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao amintsika anefa izany. Hirahiraintsika matetika ny hoe… Matoa aho anie toy izao… saingy, manoloana ny hafa, dia satrintsika ny hifosa sy hitantara ny fahalemena, sitrany hahay hanamarinan-tena… kanefa raha mahatsapa isika fa ny fahasoavan’Andriamanitra no maha isika antsika, dia ho tonga vavaka ny hasosorana noho ny halemen’ny hafa, ho zary fikaonan-doha hijerena izay mahasoa sy hanomanana ny omby hafahy hovonoina amin’ny hiverenan’ny zaza mpandany ny fotoana lany amin’ny takoritsika sy ny fanaovana toeran-tsy zaka hiheverantsika ho tompon’andraikitra kanefa manakana antsika tsy hibanjina an’Andriamanitra ho Ray, no sady manakana ny hafa hiaina an-kalalahana ao an-tranon’ny Ray. Indraindray misy antony avy amin’ilay zokiny ihany koa no mahatonga ilay zandriny hangataka ny anjara fananany.
Mbola lavitra ny lalana hiainana ny Evanjely… matoky anefa isika fa handresy miaraka amin’i Kristy, ka ho tonga any amin’ny tany nampanantenaina sy antenaintsika… Ho zary fibanjinana ny fitiavan’Andriamanitra mandrakariva anie ny fivavahantsika.
Andriamanitra o, ny famindram-po no anehoanao ny hatsaram-ponao sy ny halehibeazan’ny herinao, koa mba raiso am-pitiavana izahay. Ireo zanakao rehetra miverina Aminao am-pivalozana marina anie hotafianao ny fitafiam-pamonjena tsara indrindra hahafahany manandrana ny hafaliana avy Aminao ao amin’ny fanasan’ny Zanak’ondry amin’izao Paka izao.