ALAHADY FAHA IV KAREMY – TAONA B
- 2 Tantara 36,14-16.19-23
- Salamo 136
- Efezianina 2,4-10
- Md Joany 3,14-21
Tia antsina mpanota ny Ray
“Hadalana ho an’ny olombelona, fa ho an’izay voaantso dia fahendren’Andriamanitra ny Hazofijalian’i Kristy” (Vakiteny II 1Kôr 1,22-25 alahady III Karemy). Isan’andro, isaky ny manao famantaran’ny Hazofijaliana isika, dia manavao ny dikan’izany ho antsika, manaiky ny hiara-mifantsika amin’i Kristy, saingy ny hariva, raha manao jery todika ny andro nodiavina, dia mazàna mahatsapa fa maro ny hazofijaliana natolotra antsika mba hitiavantsika bebe kokoa, saingy nolavintsika.
Izany misterin’ny Hazofijaliana izany, izay manambara ny fitiavan’Andriamanitra antsika no itondran’ny Evanjely antsika anio, satria avy ao no hahafahantsika mandray ny hazavana hahafahana mamakivaky ny alina ka hiandrandrana ilay Maraina vaovao, santarintsika amin’ny fankalazana ny Paka.
Ambaran’ny Evanjely amintsika androany fa izay mino ny Zanak’olona voasandratra teo ambonin’ny Hazo dia tsy ho very, fa hanana ny fiainana mandrakizay (Jo 3,14-21). Tsara hodinihina araka izany hoe: inona moa ny Finoana? Ary ahoana no hahalalana fa mino ny olona iray?
Ny finoana, hoy i Md Paoly dia tsy misy hireharehantsika satria fanomezana avy amin’Andriamanitra (Ef 2,4-10), (samy nahazo izany isika rehetra, saingy tsy ny rehetra no nandray azy) ary izay nandray izany fanomezana izany dia mizotra amin’ny hazavana.
Samy mahatsapa anefa isika fa indraindray koa maniratsira ireo fananarana azontsika, fanomezana avy amin’Andriamanitra mba hanitsiana ny fiainana araka ny sitrapony. Ny Vakiteny I (2Tan 36,14-23) dia mitantara ny fahadisoana nataon’ny vahoaka Israely izay nanaraka ny fahavetavetana nataon’ny hafa firenena ka nandoto ny Tranon’ny Tompo izay efa nohamasinina tao Jerosalema. Tsy sazy avy amin’Andriamanitra tsy akory ny fandravana nataon’i Nabokôdônôzôra an’i Jerosalema ny taona 587 tal. K. ka nahatonga ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jeremia ho fitopolo taona tsy nisoronana tao, izany hoe ny taona 585 ka hatramin’ny 515 tal. K. nahavitan’i Zôrôbabela Governora azy indray.
Nandalo lalan-tsarotra sy sesitany ny vahoaka voafidy, vokatry ny faniratsirana ny lalana natoron’Andriamanitra. Lazain’ny faminanian’i Jeremia fa fitopolo taona hahazoan’ny tany onitry ny sabatany no tsy maintsy efaina. Nandidy ny olona hampiato ny fiasana ny tany isaky ny fito taona manko ny Lalàna (Lev 25,4-5), “mettre en jachère”, hoy ny teny frantsay. (Ny antsika kosa atao maty toto amin’ny verim-boly sy ny contre-saison.)
Sady henatra no fahafaham-baraka ny fahababoana, saingy sahala amin’ny zava-tsarobidy rehetra, efa “maty vao ra-malala”. Any an-tsesitany izy ireo vao mahatsapa fa ny hasambarana dia ny mitoetra an-tanindrazana (Sal 136) ka tsy handry fahalemana ny fo raha mbola an-tsesitany: atao ahoana no hihira ny hiran’ny Tompo an-tanin’olona? Nanjary antoka tokan’ny fifaliana ilay Jerosalema tsy nohajaina amin’ny maha Tempoly nohamasinin’ny Tompo azy. Anisan’ny tsy hihirana ny Aleloia, hiram-pandresena, mandritra ny Karemy moa ny hahatsiarovantsika koa fa mbola an-tany fahababoaba isika ary maro ny tolona mbola mila ataontsika mba hahatonga ny fiainantsika ho fiainam-pahasambarana, mendrika ho Tempoly, araka ny voalazan’ny Litorjia tamin’ny Alahady heriny, ka hitolona handresy ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy, omban’ny fahasoavan’Andriamanitra dia ho afaka hihira ny fandresena miaraka amin’I Kristy ny alin’ny Paka.
Fa na ety an-tsesitany aza anefa isika, eny am-pizorana ho any an-tanindrazana, dia efa misantatra sahady ny fihirana ny Amen! Aleloia!, hoy i Md Augustin, ary entanin’ny Litorjia manokana androany hahatsiaro fa fifaliana (Laetare) ao amin’ny Tompo ny fiainana maha kristianina. Miravoravoa, ry Jerosalema; miravoravoa fa ho dibo-kafaliana ny fonareo (Iz 66,10-11, Tononkira fidirana).
Izay mino no mandray ny fahazavana ka tsy mitoetra ao amin’ny haizina, mandresy ny tahotra ka afaka miravoravo satria mahita ny zavatra rehetra araka ny tena izy. Ary ambaran’i Md Joany mazava fa izay tia ny rahalahy no mitoetra ao amin’ny fahazavana (1Jo 2,10). Mety ho fihaonan’ny hazavan’i Kristy amin’ny rahona maizin’ny fahotantsika anefa izany, saingy tsy mampanahy raha matoky isika fa hamonjy antsika no nahatongavan’i Kristy. Amin’izay dia ho zary avana ny fihaonantsika aminy (alahady I). Mazava loatra fa mifototra amin’ny fiekena fa manankarena amin’ny famindram-po Andriamanitra, noho ny halehiben’ny fitiavana nitiavany antsika mpanota (Vakiteny II Ef 2,4-10), tsy noho ny asa ataontsika fa amin’ny asa tanterahiny ao amintsika mba hahafahantsika kosa manatanteraka ny asa soa voaomany hataontsika.
Ny Evanjely (Jo 3,14-21) moa dia manohy ny fampianaran’i Joany mikasika an’i Jesoa, tena Andriamanitra fa tena olombelona koa, ary mampiditra antsika amin’ny fibanjinana lalindalina kokoa ny misterin’ny hazofijaliana nihantonan’ilay Zanak’Andriamanitra. Io no Mistery hahafahantsika mahazo ny zavatry ny lanitra ka hifandraisana Aminy, hiraisana aina Aminy, ka raha manaiky hiara-maty Aminy dia hiara-belona Aminy koa. I Jesoa irery ihany no “nidina avy any an-danitra”, ka afaka manoro antsika ny lalana “miakatra” mankany. Ny finoana entina mijery Azy nahantona tamin’ny hazo dia midika ho fanarahan-dia Azy. Ny Fanahy nomeny tamin’Izy nolefonina no manome antsika ny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra (Jo 1,12; 19,30).
Hijery izay nolefonina izy! (Jo 19,37). Ny fahatanterahan’ny faminanian’i Zakaria (Za 12,10) amin’ny fibanjinantsika an’i Kristy voafantsika anie hanampy antsika koa handray ny Fanahy fahasoavana amam-pifonana.
Teo amin’i Israely dia fahotana lehibe ny fanompoan-tsampy sy ny fanaovana sarin’andriamani-tsy miteny hotompoina (Hitantsika amin’ny Didin’Andriamanitra tamin’ny vakiteny I tamin’ny alahady heriny izay). Tsy sasatry ny mandika lalàna anefa ny vahoaka “mafy hatoka” (Eks 32,9). Rahefa nanao sarivongana miendrika zanak’omby ho an’ny vahoaka nimenomenona i Aarôna, izay noheverin’ny Israelita fa tahaka ny andriamanitra Ptah (sarin’ombalahy, barea) tao Memphis ihany, dia noheverin’izy ireo fa hamaly izay nanaraka ny didiny amin’ny fahasoavana sy ny fahavokaran’ny tany ary hanafay kosa ny mpanota io sampy io. Nandritra an’i Môizy nivavaka tamin’i YHWH tany an-tendrombohitra no nanefen’izy ireo an’izany (Eks 32,1-6). “Nahatezitra” an’Andriamanitra izany, fa nitalaho ho an’ny vahoaka kosa i Môizy mba tsy hanafaizan’ny Tompo azy ireo. (Eks 32,7-14). Tsy azo hadinoina fa mbola nanjavozavo tao amin’ireo vahoaka ireo ny endrik’Ilay Andriamanitra “Ray”, izay asehon’i Jesoa antsika.
Tsara hotsarovana ny tonom-bavaka nataon’i Môizy mba hangatahana fifonana ho an’ny vahoaka: tsy fialan-tsiny amin’izay ota be vava nataon’izy ireo, fa fitanisana kosa ny fitiavana mandrakizay nasehon’ilay nampanantena ny fahasambarana ho an’ny vahoakany. Izany no atao hoe mivavaka: mametraka ny fitokisana eo am-pelatanan’ilay Tia tsy misy tambiny, ilay tonga hitsara mba hanavotra fa tsy hamono (Evanjely).
Voalazan’ny Boky Fanisana anefa fa Andriamanitra no nampanao sarina bibilava an’i Môizy, dia bibilava varahina no nataony ka velona izay nijery azy nihantona teo amin’ny tsato-kazo (Fan 21), inona no mahasamihafa ny sarin’omby sy ny bibilava varahina?
Rehefa mandeha amin’ny tany efitr’i Sinaia dia hafatrafaran’ny “guide”, ireo mpanoro lalana any, mba hanao kiraro tsara sao voakaikitry ny bibilava kely miafina anaty fasika satria mahafaty (vénimeux). Ny vahoaka hebrio koa nandalo tamin’izany faritra izany ka nisy voakaikitra (mety hoe tsy nijery lalana) ary nahafatesana betsaka. Nisy zavatra hafa anefa nanaikitra sy nampijaly bebe kokoa an’ity vahoaka ity. Fanantenana fahasambarana, tany tondra-dronono aman-tantely no tao an-tsainy saingy venjivenjy tsisy mofo tsisy rano tany an’efitra no nanjo. Efa monamonain’ny hanina tsy fantatra anarana (man’ hou) izy ireo ka adinony ny hamafisan’ny fahoriana tany Ejipta, ka nony avy nimonomonina tamin’Andriamanitra sy Môizy Mpanompony dia nihevitra fa sazim-pahotana avy amin’Andriamanitra ny bibilava sy ny fijaliana rehetra. Na isika efa nahalala an’i Kristy aza mbola misy mihevitra tahaka azy ireo ihany koa, mihevitra hanara-dia an’i Jesoa sy ny Evanjeliny fa rehefa kotranin’ny adim-piainana dia mivarilavo amin’ny risoriso sy ny fahalovana isan-karazany ary mihevitra avy eo fa sazy avy amin’Andriamanitra ny vokatry ny hadalany sy ny fahotany.
Ho an’ny vahoaka tamin’izany andro izany dia sady famantaram-pamonjena ny bibilava (ampiasaina amin’ny farmasia ankehitriny) no mampidi-doza ihany koa. Ny hoe Andriamanitra àry no mandidy an’i Môizy dia hahafahantsika kosa mahazo fa avy Aminy no famonjena. Tsara ho tsaroana fa i Ezekiasa, mpanjaka nanao izay mahitsy teo imason’i YHWH dia nanamontsana ny bibilava varahina nataon’i Môizy, izay mbola voatahiry hatramin’ny androny, satria fanompoan-tsampy ho an’ny zanak’Israely izany, hoy izy (2Mp 18,4).
Ny loza amin’ny fanompoan-tsampy dia ny fiheverana fa hovahan’Andriamanitra amin’ny fahagagana vokatry ny fikasihana na ny fiambozonana zava-masina, na vokatry ny vavaka piliavava ny andraikitra tsy vitany na tsy tiany hatao; indraindray koa adino fa ny zava-masina dia famantarana ihany: tsy ny zavatra hitan’ny masony fa ilay Andriamanitra mpamonjy ny olona no nahasitrana ireo nibanjina ny bibilavan’i Môizy, hoy ny Bokin’ny fahendrena (Fah 16,7), manome ny fanazavana ny amin’ny maha samihafa ny bibilava varahina sy ny sarin-tsampy rehetra.
Izany no tokony havalintsika izay milaza fa manompo sampy isika amin’ny sary sy sarivongana mameno trano fiangonana: tsy ny zavatra hitan’ny masony fa ilay Andriamanitra mpamonjy ny olona no mahasitrana ireo mibanjina ireny sary mitory ny asan’Andriamanitra ao amin’ny olomasiny ireny. I Jesoa nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana no famantarana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra antsika, ka amin’ny fibanjinana Azy no hidirantsika amin’ny fiainana mandrakizay (izay lazain’i Joany fa ny Fahalalàna an’Andriamanitra Jo 17,3) raha hinoantsika fa Izy no hafenoan’ny fanambarana ny Ray (Révélation): Andriamanitra manaiky ho faty, toy izay hamaly faty. Izay mino (πιστεύω – pisteuô) Azy, izany hoe izay mametraka ny fitokisany rehetra Aminy no hanana ny fiainana mandrakizay, ka hanandrana ny fiainam-pahasambarana ao amin’Andriamanitra, tsy aorian’ny fahafatesana (satria tsy ho faty intsony, Joany 6 manontolo) fa dieny izao “anio” izao.
Anjarantsika àry ny mandray an-tanana ny fiainantsika, sao sanatria mbola fitadiavana ny haren’izao tontolo izao no mameno ny faniriantsika, ka mazava loatra fa ny fahazoana izany harena izany no ho zary fanalana alahelo avy eo, fa tsy ny fampiasana izay efa nomen’Andriamanitra mba hanasoavana ny tena sy ny hafa. Raha fitadiavana ny Fanjakan’ny Lanitra kosa anefa no imatimatesantsika, dia ny harena avy amin’ilay Fanahy, tsy hita maso na ren’ny sofina fa miasa eo anivon’ny Eglizy no ho fanalana alahelo omeny, dia ny Fiainana Mandrakizay, ary tsy azo hadinoina fa ny tsy fahafatesana mandrakizay no valisoan’ny finoana (Jo 6).
Manampy antsika hahazo bebe kokoa izany fitiavan’Andriamanitra izany ny tohin’ny Evanjely.
Andriamanitra dia tsy naniraka ny Zanany teo amin’izao tontolo izao mba hitsara izao tontolo izao fa mba hamonjy an’izao tontolo izao.
Amin’ny fomba fisainan’ny olona dia izay nanao ratsy no saziana, ary indraindray koa dia izany no heverina ho fisainan’Andriamanitra. Ny fahotana, tsy hoe miteraka voka-dratsy ho an’ny hafa fotsiny, fa manimba ny fiainana sy ny fahasambaran’izay nanao azy voalohany indrindra. Noho izany dia alahelo ho an’Andriamanitra ny fahorian’ny zanany nahavita ratsy. Ny faniriany amin’ny maha Ray Azy, dia ny hanafaka ny zanany rehetra amin’ny fahotana ka hahasambatra azy ireo. Ny fahotana dia tsy fahalalana, haizina, izany hoe fahajambana, ka ny hazavana no nalefan’Izy Ray mba ho antsika, hampisava ny haizina, ka hahitana ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana.
Nahoana moa no tsy Izy Ray mihitsy no nidina hamonjy antsika? Nahoana no nandefa ny Zanany Izy? Ny antony mazava dia mba hanehoany ny fitiavan-dRay tsy mivadika ananany (חֶסֶד – ḥesedh), ka hanaporofoany amintsika fa ny fitiavana nitiavany an’io Zanany Lahitokana io no itiavany antsika tsirairay ihany koa (Jo 17,23). Etsy an-kilany koa, avy amin’ny fibanjinana ny Zanany no hianarantsika kosa indray ny fitiavan-janaka, hitiavantsika an’Andriamanitra Ray tahaka ny hitiavan’ny Zanaka Azy (Jo 15,9). Ny fahatsapana izany no mahatonga ny Evanjely hilaza amintsika fa raha misy milaza amintsika fa ho tonga ny farandro, dia “asandratra ny loha fa efa akaiky ny fanavotana antsika” (Lk 21,28). Izany no mahatonga ny Kristianina hivavaka mba ho avy haingana Izy Tompo: Maran atha, Tongava ry Jesoa Tompo (1Kôr 16,12; Fan 22,20).
Ny finoana an’i Jesoa, izany hoe ny fiainana tahaka Azy, mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray izay tia ny hahavonjy antsika araka izany no hidirantsika amin’ny lalam-pamonjena. Izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray, mazava loatra dia tsy hifanaraka amin’ny fahasambarantsika, ka fahaverezana. Izay tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra dia efa voatsara. “Jesoa” no Anaran’ny Zanak’Andriamanitra ary “Andriamanitra mamonjy” no heviny. Izay tsy mino fa avy amin’Andriamanitra irery ihany ny famonjena dia tsy maintsy hitady famonjena any amin’ny zavatra hafa. Tsy Andriamanitra tsy akory no manary ny zanany, fa izany avonavona hitadiavana famonjena any amin’ny sampy izany no hihantsiana fahaverezana sy hitadiavana faty, hoy ny Boky Fahendrena (Fah 1,12) ka izay mpomba ny demony no hanandrana ny fahafatesana (Fah 2,25).
Ny Finoana dia fiombonana amin’i Jesoa, ary ny fandavana izany fiombonam-piainana Aminy izany no hijanonana any ivelan’ny fahasambarana, hanilihana tena tsy ho zanaka, ka noho izany, tsy ho afaka handova ny Fiainana Mandrakizay.
Izay mandray ny teny dia mandray ny hazavana ary tsy misy haizina afaka hanarona ny hazavana na oviana na oviana. Averiko matetika ny hoe: raha toa ka ao amin’ny trano iray mirehitra jiro, raha vohaina ny varavaran-kely amin’ny alina maizin-kitroka, ny hazavana avy ao an-trano no mivoaka fa tsy ny haizina avy any ivelany tsy akory no hiditra. Mila mitandrina fotsiny, sao jiro matahotra rivotra, ka ho faty tsy hahatanty ny fitsokany.
Izay no lazain’i Jesoa amin’i Nikôdema. Izay matahotra ny hazavana dia tokony handini-tena satria ratsy ny asany. Mbola misy zavatra afenimpenintsika ve? Matoa izy afenina na iafenana dia satria ratsy. Matoa misy olona mahatsiaro voateny matetika, bedy matetika, voatsindron’ny teny ren’ny sofiny, dia tokony handini-tena izy ary hisaotra an’Andriamanitra raha mbola misy hazavana manilo ny haiziNY ao. Fangorahan’Andriamanitra no andefasany mpitondra teny fananarana (2Tan 36,15). Raha tsy manana ny hazavana ao anatinao kosa ianao no mandrindrina ny tranonao, manidy ny fonao tsy handray ny Teny mety hahavelona, dia hihidy ao amin’ny haizina. Safidy malalaky ny olona anefa ny ho sambatra, ny hiaina ny fahafahan’ny andro, na sanatria hisitrika ao anatin’ny haizin’ny alina.
Izay manao ny marina no manatona ny fahazavana. Tsy afaka ny hanao ny marina anefa raha tsy mahafantatra ny marina. Tsy ny marina araka ny saim-pantatsika manko no hitondra amin’ny fahazavana, fa izay marina mifanaraka amin’ny hazofijalian’i Jesoa: hazo mitondra famonjena ho an’izao tontolo izao fa hazo mitondra fahafatesana kosa ho an’izay mandray azy. Izay zavatra atao ka tsy mitondra famonjena araka izany dia tsy mitondra hazavana na oviana na oviana. Izay asa atao ao amin’ny hazavana dia tsy hitadiavana ny voninahitry ny tena fa hikatsahana kosa ny voninahitr’Andriamanitra lehibe indrindra (Md Ignace de Loyola), hikatsahana ny tombontsoan’i Kristy irery ihany (Md Jean de Matha).
Ho asa ireharehana, satria atao eo anatrehan’Andriamanitra anie ny asantsika, ka sady hahasambatra, dieny amin’ity fiainana ity no tsy hahamenatra rehefa hiseho ilay hazavana handray ny zanak’Andriamanitra rehetra any amin’ny mandrakizay.
Isika main’ny adim-piainana, reraky ny ady, miaritra ny tsy rariny, mitondra (sy mampitondra koa) hazofijaliana ny hafa! tahaka ireo voakaikitry ny bibilava tany an’efitra, tamin’ny andron’i Môizy, dia antsoina hibanjina an’i Kristy mifantsika. Isaky ny mibanjina ny Lakroa àry isika, fa indrindra isaky ny manao ny famantaran’ny hazofijaliana, dia tokony hahatsapa bebe kokoa hatrany ny fitiavan’ilay nanaiky ho faty mba hisolo voina antsika teo ka hampitombo koa ny fitiavantsika Azy, hakantsika tahaka Azy, amin’ny fitondrana ny hazofijaliantsika hitiavana araka ny didiny. Angatahontsika ny Fanahy mba hanamasina sy hanome hasina ny asan’ny olombelona rehetra, sitrak’i Kristy atolotra ho tonga vatana aman-drany, ho Eokaristia, hamelona antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Izany no mampisy hasiny ny fijaliana mety tojo antsika ka tsy maintsy hiaretantsika mba hitiavana, eny fa na dia handavana ny tombontsoan’ny tena manokana aza, satria tsy misy manana fitiavana lehibe kokoa noho izay mahafoy ny ainy ho an’izay hotiaviny (Jo 15,13). Ho zary antso hitiavantsika bebe kokoa hatrany anie ny Lakroa, hanomana antsika ho amin’ny hafalian’ny Paka, handrisika antsika hifady hanina, hivavaka sy hiantra ireo osa kokoa noho isika, fa indrindra amin’ny fandraisana anjara amin’ny sorona izay loharanom-panafody maharitra mandrakizay ka tsy hikatsaka afa-tsy izay mendrika sy mahafaly an’Andriamanitra Avo indrindra (Vavaka fanolorana sy aorian’ny Kômonio).