ALAHADY FAHA III PAKA TAONA B
Velona marina i Kristy
- Asa 3,13-15.17-19
- Salamo 4
- 1Joany 2,1-5a
- Md Lioka 24,35-48
Ny alahady fahatelo dia ankalazana ny “mofo novakiana”: “teo am-pamakiana ny Mofo no nahalalan’ireo mpianatra an’i Jesoa” (Lk 24,13-35). Amin’ny taona A dia vakiana ny tantaran’ireo mpianatra roa nankany Emaosy (Lk 24,13-35), amin’ny taona B, ity taona ity, dia henontsika teo ny tohin’io evanjely io (Lk 24,35-48), ary navoitr’i Lioka ihany koa ny tapaka hazandrano nohanin’i Jesoa tafatsangan-ko velona… amin’ny taona D kosa dia ny evanjely araka ny nosoratan’i Joany no vakiana, ny fanaratoana: trondro manambara an’i Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, mpamonjy antsika (Jo 21,1-19) Izy ilay mofo sy hazandrano tokana eo ambonin’ny vainafon’ny Fanahy, maniry hikambana amin’ny trondro vaovao (voajono ho mpianany) ka vakiana ho sakafo hamelona ny olombelona rehetra.
Ny tanjon’ny fotoana mystagogique moa, araka ny efa voalaza ihany dia ny hanavaozantsika ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Ny sakramenta rehetra dia manambara ny misterin’ny Paka, ary manova ny fiainantsika rehefa ekentsika ny hiara-maty amin’i Kristy ny amin’ny fahotana, mba hitsanganantsika miaraka Aminy amin’ny fiainana mifanaraka amin’ny finoana nekentsika.
Hojerentsika ary izao ny hafatra lazain’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy ho aina mamelona antsika amin’izao alahady fahatelo izao:
“I Jesoa… novonoinareo tamin’ny hazofijaliana”. Araka ny filazan’ny mpandalina ny Soratra Masina dia misy drafitra arahina ny fitorian-tenin’i Md Piera:
1. Fitantarana ny zava-mahagaga sy mahatalanjona nataon’i Jesoa izay nanao soa hatraiza hatraiza.
2. ho setrin’izany dia famantsihana amin’ny hazofijaliana no navalin’ny olona Azy.
Ambarany anefa fa izay mihaino ny Teny dia tompon’antoka amin’ny fahafatesan’ilay Marina (novonoinareo: Asa 2,23; 3,13b-15a; 4,10; 5,30; 10,38snm); ao amin’ny Asan’ny Apôstôly dia tsara homarihina fa tsy ny fahafatesan’i Jesoa loatra amin’ny maha fahafatesana azy no fanavotana ho antsika. Tsy lazain’i Lioka na dia indray mandeha aza fa hoe “maty ho antsika i Kristy” na hoe “maty ho solo heloka” na maty noho ny fahotana (i Paoly no mampiasa izany, jereo ohatra 1Kôr 15,3b-5; indray mandeha no hamerenany ny hevitry ny Eokaristia Lk 22,19 hoe fividianan’i Kristy antsika tamin’ny rany ao amin’ny Asa 20,28); tsy lazainy koa fa “sitrapon’Andriamanitra no nahafatesany” (Mk 8,31; 9,31): maty noho ny nataontsika Izy.
3. Izany anefa no nanehoan’Andriamanitra ny voninahiny amin’ny nananganany ho velona an’i Jesoa sy nanosorany Azy ho Tompo (ny valin-tenin’Andriamanitra: Asa 2,24.36; 3,13.15; 4,10; 5,31; 10,40); Izany dia araka ny voalazan’ny Mpaminany sy ny lalàna. Tsy sasatra i Md Lioka ny mamerina, hatrany amin’ny Boky voalohany (Evanjely) fa tsy afaka ny hahalala an’i Jesoa raha tsy mandinika izay voalaza momba Azy ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany (sy ny Salamo – Soratra), izay lazain’ny Jody hoe TNK (Torāh –Nebhi’îm – Ketoubhîm).
4. Manoloana izany zava-mahagaga izany no iantsoany ny olona mba hibebaka (2,38; 3,19; 4,11; 5,31; 10,42). Vokatr’izany fibebahana izany ny Eglizy mirafitra amin’ny 1- fahazotoana nihaino ny fampianaran’ny Apôstôly (διδαχή – didachè); 2- fiombonam-pirahalahiana (κοινωνία – koinônìa), 3- ny Famakiana ny mofo izay nataony tamin-kafaliana sy fahatsoram-po ho fiderana an’Andriamanitra (Eokaristia); 4- sy ny fiaraha-mivavaka, voalaza tamin’ny Vakiteny voalohany tamin’ny Alahady II.
Izany fibebahana izany dia aseho amin’ny fanekena hatao batemy, izany hoe: fandraisana ny famelan-keloka sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina (Asa 2,36-40).
Ny lahateny nataon’i Md Piera tantarain’ny Vakiteny I anio dia taorian’ny nanasitranany ilay malemy nitalaho famonjena taminy teo am-baravaran’ny Tempoly Tsaraendrika (fiatombohan’ny Asa 3). Talanjona fatratra ny olona nahita ny fahasitranan’ilay malemy hatrany an-kibon-dreniny, saingy lazain’i Md Piera mazava fa tsy izy na ny heriny sy ny fahamasinany no namindran’ilay lehilahy sitrana fa ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Tsara homarihina anefa fa raha ny fahasitranana nataon’i Md Piera no anaporofoana fa velona marina ary miasa ao amin’ireo Apôstôliny i Jesoa tafatsangan-ko velona dia hanano sarotra ihany ny hino ny zavatra ataon’ny Eglizy satria fantatsika tsara fa tsy isika rehetra, izay milaza fa mino no hahavita fahagagana tahaka izany. Ary satria antsoina mba ho vavolombelona tahaka an-dry Piera sy ny Apôstôly isika, dia ahoana àry izany no hijoroantsika fa velona marina eo anivon’ny Eglizy i Kristy ilay Masina sy Marina nolavin’ny olona?
Ny Eokaristia ankalazaina dia nasain’i Jesoa atao ho fahatsiarovana Azy. Ka isaky ny manao lamesa isika, isaky ny mandray Kômonio, dia mahatsiaro an’ilay Jesoa “Zanak’Andriamanitra”, nitety tanàna, nitory Teny mitondra hafaliana sy fankaherezana (Evanjely), nanao soa hatraiza hatraiza, nanome hanina ny noana, nikarakara ireo marary, nandray ireo voailikilika sy voaheloky ny mpiara-monina, ary nanambara amin’ny olona rehetra, eny fa na dia ny jiolahy voaheloka noho ny habibiany aza dia nampanantenainy ny Paradisa, fa Famindram-po sy Fitiavana Andriamanitra. Izy no ilay Masina sy Marina, Mpitari-dalana ho amin’ny fiainana (ἀρχηγός – archègos, Tompon’ny aina araka ny dikan-teny amin’ny vakiteny).
Raha izay rehetra mino fa izany no lalana mitondra amin’ny fahasambarana no manohy tahaka ny ataon’i Jesoa koa, izany hoe mampifanaraka ny fiainany amin’ny finoany, dia mora ny hahafahan’izao tontolo izao mino fa velona eo anivon’ny Egliziny i Jesoa Kristy. Ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy inona fa ny fiezahana hitolona mba hahasambatra ny zanak’Andriamanitra rehetra, ka hahafahan’ireo izay mety ho trotraky ny adim-piainana, tsy afa-mizotra ny lalam-pahasambarana intsony, ho afaka handre ny Vaovao Mahafaly ka hamindra, satria misy olona vonona handray azy amin’ny tanan-kavanany (Asa 2,7).
Amin’ny anaran’i Jesoa no hahafahan’ny Apôstôly manao soa. Andriamanitra Ray no nanome Azy ny voninahitra maha zanaka ka hahafahan’izay rehetra mino hiala amin’ny toetra ratsy mba ho amin’ny fiainana sy ny fahasambarana, dia ho tonga vahoaka mankalaza ny anaran’ny Tompo.
Mazava ny hafatra ambaran’i Piera: na dia avy amin’ny haratsian’olombelona aza no nahafaty an’i Jesoa dia hain’Andriamanitra ny mampiasa izany mba hanasoavana ny olony. Izany no mahatonga an’i Md Paoly hilaza fa ao amin’ny toerana mampiavosa ny fahotana no mahasafononoka ny fahasoavana (prefasy Fiaviana IIB, Rm 5,20). Lehibe lavitra noho ny fahotantsika ny fitiavana sy ny famindram-pon’Andriamanitra. Tsy dia faharatsiana loatra manko, hoy i Md Piera, fa ny tsy fahalalana no nahatonga izany, dia tahaka an’i Jesoa teo ambony hazofijaliana nanala tsiny ireo mpamono Azy: “Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony”.
Ny sakana tsy hidirana amin’ny finoana dia ny “tsy fisainana (ἀνόητος– anoètos, a-noeô) sy ny hamafin’ny fo (βραδεῖς τῇ καρδίᾳ – bradeis tè kardia, coeur lent)”, adala sy votsa saina no dikan-teny ao, mba hino izay voalazan’ny Mpaminany, hoy Md Lioka (Lk 24,25).
Avy amin’izay fampianaran’i Md Piera izay koa no hampitan’i Md Lioka amin’ny kristianina rehetra te ho sitrana amin’ny ratram-pahotana:
1. Tsy maintsy miaiky ny hadisoana vita sy ny haratsian’ny fahotana;
2. Miova fiainana (mivalo sy mibebaka).
Ny vakiteny II moa dia manampy antsika hahazo izany fiekena ny fahotana sy fibebahana izany.
Tao Efezy, nisy ireo kristianina nafana fo, niaina ny finoany, dia nihevitra fa efa nandray ny Fanahy Masina ka afaka miriaria, satria tsy andairam-pahotana intsony. Nanarin’i Md Joany izy ireo mba hametraka ny tongotra amin’ny tany ka hahatsiaro fa tolona isan’andro ny lalana mankamin’ny fahalavorariana. Ao amin’ny 1Jo 1, 8-10 moa dia ambarany mazava fa raha misy milaza ho tsy manam-pahotana dia mamita-tena ary tsy ao aminy ny marina. Ny fiekena ny fahotana no hahafahan’Andriamanitra handio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Ny fahatsapana ny fahalemena no hahafahana mandray sy mibanjina ny halehiben’ny fitiavana sy ny famindram-po asetrin’Andriamanitra ny fahotantsika, ka hanefeny antsika kosa ho tonga taratr’izany fitiavany sy famindram-pony izany eo anatrehan’izao tontolo izao.
Izay mahalala izany endrik’Andriamanitra izany, hoy i Md Joany, dia tsy afaka tsy hitandrina ny didin’Andriamanitra, ary fantatsika ny Didiny nanolorany ny tenany ho sorom-pifonana ho antsika, ary tsy ho antsika ihany, fa ho an’izao tontolo izao. Izy no ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra, manala ny fahotan’izao tontolo izao. Mangataka ny fahasitranan’ny fanahintsika isika, amin’ny vavaka mialoha ny Kômonio, mba hahafahantsika mizotra amin’ny lalam-pahasambarana atorony.
Lioka 24,35-48
Ao amin’ny fiombonana no hahafahantsika miaina ny maha kristianina. Miombona amin’ny ain’Andriamanitra ao amin’i Kristy, ary miombona amin’ny olombelona rehetra sy ny tontolo nomen’Andriamanitra honenana. Tsy mahagaga raha Kômonio koa no iantsoantsika ny Eokaristia. Indraindray anefa, ny adim-piainana na ny fahadisoam-panantenana dia mety hanosika antsika hisintaka amin’izany fiombonana izany. Saingy eo mandrakariva i Kristy, miara-dalana amintsika, manafàna ny fontsika mba hiverina any Jerosalema, tahaka ireo mpianatra roa tany Emaosy.
Ny Evanjely dia manitikitika ny saintsika mba hitantara koa ny antom-pibebahana mahatonga antsika hiverina ao amin’ny Fiombonana sitrak’i Kristy.
Ireo Mpianatra roa (fa tsy roalahy) niverina avy any Emaosy dia mba nitantara koa ny zavatra niainany. I Jesoa tafatsangan-ko velona fantany teo am-pamakiana ny mofo dia tsy hitan’ny masony intsony. Isika koa, toa azy ireo, mibanjina ka mahalala an’i Jesoa eo am-pamakiana ny mofo, saingy tsy mahita maso Azy.
Mbola eo am-pitantarana izy ireo no miseho i Jesoa ka nilaza hoe: “Homba anareo anie ny Fiadanana. Aza matahotra fa izaho ihany”. Io fiarahabana io no averin’ny Eveka hiarahabana antsika, hahatsiarovantsika fa i Kristy tafatsangan-ko velona no eo anivontsika isaky ny mivory amin’ny anarany isika (Mt 18,20). Miaraka amintsika mandrakariva Izy (Mt 28,20).
Taitra sady natahotra anefa ireo Mpianatra nony nahita izany. Tsara ho tsaroana anefa fa ny fihaonana amin’Andriamanitra dia mitondra fahatairana sy tahotra mandrakariva. Lehibe loatra ary tsy takatry ny saintsika ny misterin’Andriamanitra. Izaia tamin’ny fiantsoana azy, dia niantso mafy hoe: “Loza ho ahy, maty aho, fa izaho olona maloto molotra… nefa nahita maso ilay Tompon’ny tontolo” (Iz 6,5). I Zakaria koa taitra ka raiki-tahotra (Lk 1,12), toy izany koa ireo Apôstôly nandritra ny fibanjinana ny Tarehin’i Jesoa mamirapiratra (Mk 9,6). I Joany indray dia nilaza fa faly ny Mpianatra nahita ny Tompo tafatsangana ho velona (Jo 20,20), i Lioka kosa nilaza fa taitra sady natahotra izy ireo ary tsy nino noho ny hafaliany (Lk 24,37.41). Talanjona sady matahotra ny mpianatra, satria ny tontolon’Andriamanitra no miseho amin’i Kristy tafatsangana.
Tsy sanatria matoatoa, na fanahy miseho amin’ny endrika tiany hisehoana i Kristy tafatsangan-ko velona. Sarotra ho an’i Md Lioka ny manazava fa ny fahafatesana dia tsy tahaka ny fihevitry ny grika ny fifandraisan’ny fanahy sy ny vatana (dualisme) ka sanatria nisintaka tamin’ny vatana ny fanahy rehefa tonga ny fahafatesana. Amin’ny kolontsaina araka ny Baiboly dia iray tsy mivaky ny olombelona, ary ilay fiainana ao amin’Andriamanitra efa santarintsika amin’ity fiainana ity no hihazo ny hafenoany any amin’ny mandrakizay (jereo 1Kôr 15,35-58).
Tsy hoe nitebiteby fotsiny anefa ireo mpianatra fa mbola mihanahana ao am-pony ihany koa (διαλογισμός – dialogismos, dialogizomai: miroroa saina). Heveriny ho matoatoa, ho avelo ihany no hitany fa tsy ilay Kristy niara-belona tamin’izy ireo talohan’ny nifantsihany io.
Ny fisalasalan’ireo mpianatra niara-nihinana sy nisotro tamin’i Jesoa ireo dia entin’i Md Lioka ilazana amintsika fa tsy mahagaga raha sanatria misy ny fisalasalana ho antsika ankehitriny koa. Saingy atoron’i Jesoa antsika ny fomba hiatrehana izany: “Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa izaho mihitsy ity”.
Taiza no mbola nisy olona hofantarina amin’ny tanany sy ny tongony? Ny tarehy no hanavahantsika ka hahafantarana ny olona. Ny an’i Jesoa tafatsangan-ko velona kosa, ny tanany sy ny tongony.
Ny antony voalohany dia entina ilazana fa ilay Kristy voafantsika no nitsangana ho velona, ary mitondra amin’ny vatany ny dian’ny namantsihana Azy; io ilay vatana miseho amin’izy ireo saingy nanjavona kosa tao am-pasana. Ireo mariky ny toa faharesena, ka niheveran’ireo nifofo ny ainy ho mpandresy, no tonga famantarana hobanjinina mba hinoana an’i Jesoa mitsangan-ko velona. Tsy hoe nino fotsiny fa nitsangana ilay voafantsika fa mino fa ilay voafantsika no nitsangana, izany hoe ny lalan’ny hazofijaliana no lalan’ny voninahitra.
Midika izany fa tsy hoe maty isika dia hitsangana ho velona, fa raha mampisy hasiny ny fiainantsika, miaiky ny fahotana ka miezaka mba ho tonga masina sy marina tahaka an’i Jesoa, hanohy hanao soa hatraiza hatraiza, amin’ny anarany, dia hizotra ihany koa amin’ny lalana mankamin’ny fitsanganan-ko velona. Io tanana sy tongotra voafantsika io no porofom-pitiavan’ilay Andriamanitra nanaiky ho faty ho an’ny olombelona mba hahaveloman’ny olombelona ho Azy kosa.
Ny fitantarana henontsika amin’ny Evanjely anio anefa dia mametraka olana maromaro ihany raha ny zavatra voalazan’i Md lioka no raisina ara-bakiteny. Anisan’izany ny lazain’i Paoly hoe ny vatan’izay mitsangana ho velona dia tsy mihinana (1Kôr 15,35-44) ary raha mihinana aza, sarotsarotra ihany ny hahitana trondro voatono any Jerosalema amin’ny andro alina (lavitry ny toeram-panjonoana). Inona ary no tian’i Lioka holazaina?
Fa tena hisy vatana azo notsapaina tokoa ve amin’i Jesoa miseho? Efa nolazain’i Md Lioka fa tsy hitan’ny maso intsony i Kristy tafatsangana, rehefa nisokatra mba hahalala azy ny mason’ireo mpianatra tany Emaosy. Inona ary no tiany ampitaina amin’ny mpamaky ny Evanjeliny?
Tsy matoatoa i Kristy tafatsangan-ko velona fa iray amintsika, miara-mihinana amintsika, manohy ny fiainany miaraka amintsika na dia tsy “hitan’ny masontsika” aza ny fisiany. Ny masom-panahy no hahita ny tanany sy ny tongony, mariky ny fitiavany, nahafoizany ny ainy manontolo ho antsika, ka izay te hahita azy (emblepô) dia tsy maintsy mitsapa sy mizaha izany fitiavany izany, hahafantatra fa vonona ny hofantsihina ho antsika ny tanany sy ny tongony. Ary tsy izay ihany hoy i Md Paoly fa miara-mihinana amintsika koa ireo rahalahy rehetra hitsangana toa azy (Kôl 1,18).
Tapa-kazandrano voatono no natolotr’ireo mpianatra hohanin’i Jesoa. Any amin’ny toko fahasivy dia “nandray ny mofo dimy sy ny hazandrano roa i Jesoa, niandrandra ny lanitra ka nisaotra an’Andriamanitra, ny amin’ireo sakafo ireo, ary nanapaka sy nanome azy ny mpianany mba harosony ho an’ny vahoaka” (Lk 9,16). Ny mofo moa efa nozarainy tamin’ireo mpianatra tany Emaosy, ny trondro kosa eto no hihinanany “ary ny sisa nomeny ny mpianatra”. Isaky ny avy mamaky ny mofo sy mihinana ny ampahany ny Eveka, dia mirary ny fiadanana ho antsika, ary manolotra ho antsika kosa ny “ambiny” ho sakafo hitahiry antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. I Jesoa no ἰχθύς, ‘Ιησοῦς Χριστός Θεoῦ Υἱός Σωτήρ – Ichthus, Iesous Christòs Theou Houiòs Sotèr), Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra Mpanavotra, ilay ΙΧΘΥϹ ΖΩΝΤΩΝ (Ichtus zôntôn), Trondro Velona, nodoran’ny Afon’ny Fanahy ho Mpamelona aina ho an’izay mino azy.
Lazain’i Lioka koa ny tantely, μελίσσιον κηρίον – melission kèrion, kèrion moa dia avy amin’ny teny hoe kèos, cire, ny savoka avy amin’ny tantely, manambara ny jiron’ny Paka, ilay “Jiro mirehitra atao sorona takariva, dia jiro savoka izay atolotry ny Eglizy masina an’Andriamanitra ankehitriny amin’ny tanan’ireo mpanao raharahany, amim-pomba manetriketrika” (Exultet texte officiel). Io ilay savoka tonga hazavana, handresy ny haizin’izao tontolo izao.
Raha marina ny filazan’ny Apôstôly tamin’ireo mpianatra avy any Emaosy hoe “Efa nitsangana velona tokoa ny Tompo ary efa niseho tamin’i Simona izy” (Lk 24,34), dia mazava loatra fa nandritra ny fisehoan’i Jesoa tamin’i Piera sy ny namany tany Jerosalema no nisehoan’i Jesoa tamin’ireo mpianatra koa teny an-dalana mankany Emaosy. I Kristy tafatsangan-ko velona araka izany dia eo anivon’izay rehetra mivory amin’ny anarany, manatanteraka ny fampanantenany ho eo anivon’izay rehetra mivory amin’ny anarany (Mt 18,20).
Amin’ny fiafaran’ny Evanjely dia mbola averin’i Lioka ihany fa tsy misy lalana hafa hahafahana mahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra raha tsy amin’ny fandinihana ny Soratra Masina. Eto dia ampiany koa ny Salamo izay misolo ny Soratra (Ketoubhîm), satria io no Boky voalohany ao amin’ny Ketouvîm. I Jesoa tafatsangan-ko velona no manokatra ny fontsika hahalala ny Soratra Masina ary maniraka antsika hitory ny fibebahana sy ny famelan-keloka.
Izany no mahatonga an’i Md Lioka manamafy mandrakariva ny asan’ny Apôstôly: vavolombelona manambara fa tsy misy lalana hahafahana mizotra amin’ny famonjena afa-tsy ny fiainana amin’ny fakàna tahaka an’i Kristy. Ambaran’ny Sal 16,8-11 hoe: “tsy foinao ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko ary tsy natolotrao ho tratry ny lo ilay Masinao”. Izay tia an’Andriamanitra no ilay Masiny, ary antsoin’i Jesoa ny Mpianany ho vavolombelona manambara fa Izy no Mesia (Kristy, voahosotra) sy Tompo ary ilay Masin’Andriamanitra.
Ny fibebahan’ny mpianatra dia miseho amin’ny fanovàna ny fiainana hifanaraka amin’ny fitsanganan-ko velona, hikatsaka ny zavatra any ambony any amin’izay itoeran’i Kristy (Kôl 3,1-4), hahatsiaro fa momba azy ireo mandrakariva ny Fiadanan’i Kristy, ary ny fibanjinany ny dian’ny fantsika amin’ny tanana sy ny tongotr’i Jesoa izay maneho ny fitiavana mahafoy hatramin’ny aina dia halana izay mety ho tahotra vokatry ny aloky ny fahafatesana. Izany no hahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona, hinoan’ny olona fa velona eo anivon’ny Fiangonana tokoa i Kristy.
Ny fanaovana Kômonio tsara amin’ny Paka, hoy i Md Paoly VI, Papa, dia tsy hoe fikônfesena fotsiny fa fampanarahana ny fiainana amin’ny Evanjely ka hanesorana ao amin’ny fiainana izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitsanganan’i Kristy velona.
Mankalaza ny olontsambatra Lucien Botovasoa ny Eglizy eto Madagasikara ny 18 aprily. Ireny no vavolombelona nampifanaraka ny fiainany amin’ny Evanjelin’i Kristy, manambara ny hafaliana amin’izany. Tsy ny teny tsara lahatra, fa ny hafaliantsika miaina araka ny evanjely no hahafahantsika mitory Azy, hahafahantsika mampametra-panontaniana ny tsy mpino ka hahatarika azy ireo amin’ny lalan’ny Finoana.
Mandritra ny herinandro fahatelo fankalazana ny Paka no amakiana ny toko faha 6 manontolon’i Joany nampianaran’i Jesoa antsika ilay Mofo avy any an-danitra, antoky ny fiainana mandrakizay ho an’izay mihinana Azy. Enga anie hohararaotintsika izany mba handalinana ny finoantsika ny Teny tonga nofo, nofo tonga Mofo, zary aina, zaraina ho antoky ny fiainana mandrakizay ho an’izay mino Azy.
Ny Eokaristia no manavao antsika mandrakariva (Vavaka aorian’ny Kômonio) ka tsy ho sanatria ho fahazarana fotsiny ihany anie ny fanaovantsika Kômonio, fa ho faniriana hiombom-piainana tokoa amin’ilay efa nandresy ny fahafatesana.