ALAHADY FAHA III KAREMY – Taona D
- Eksaody 3,1-15/
- Salamo 102/
- 1Kôrintianina 10,1-12/
- Md Lioka 13,1-9
Mibebaha, miovà toetra, fa ny tarehy ratsy no tsy azo ovana
(lafo vidy vao maha-ova azy).
Manohy ny fivahiniana ho amin’ny Tany nampanantenaina isika, amin’ny fizorana ho amin’ny Pakan’ny fandresena, dia fandresena ny fakam-panahy miaraka amin’i Kristy, ka sady miezaka hiaina bebe kokoa hatrany ny maha-zanak’Andriamanitra no hanasitrana ny voka-dratsin’ny fahotana amin’ny alalan’ireo “fanafody” atoron’ny Eglizy ny vavaka, ny fifadian-kanina sy ny asa fiantrana. Voaantso hihaino an’i Kristy ilay Zanaka malalan’ny Ray isika (Alahady II) mba hahafahantsika mahalala bebe kokoa Azy sy haka tahaka Azy amin’ny fizorana ny lalana miakatra ho amin’ny voninahitra any Jerosalema.
Izany fihainoana Azy izany dia tokony hitarika antsika handalina ny finoana ka hamantatra ny Anaran’ilay Andriamanitry ny Razantsika, (Andriamanitr’i Abrahama, Isaaka sy Jakôba), ilay Andriamanitry ny katesizy sy ny toriteny (rindran-teny nampianarina antsika sy nianarantsika tsianjery fotsiny indraindray), mba ho tonga Andriamanitra tsy tantaraina fa hitantarana ka hivavahana, ary hiresahana ka horesahina.
Ny tiana holazaina amin’izany dia hoe ao amin’ny “vavaka”, izay vokatry ny finoana, vokatry ny finiavana hijery, no anokanantsika fotoana hiresahana amin’Andriamanitra ka hianarana mijery ny zavamisy araka ny fahitany Azy, ary avy ao Andriamanitra no miantso antsika mba ho tonga “iraka” (misionera), hanambara ny anarany sy hitory ny halehibeazany amin’ny teny, fa indrindra koa ho taratry ny fitiavany amin’ny fomba fiainana. Ilay Andriamanitra “mahita ny fahorian’ny vahoakany, mihaino ny tarainan’izy ireo ary mahafantatra ny fijaliany” dia miantso mandrakariva ny Mpanompony (i Môizy sy isika tsirairay) ho iraka, handeha hanafaka ny vahoakany (Eks 3,1-15).
Miankina amin’izay fisainantsika (inoantsika) momba an’Andriamanitra manko ny fiainantsika sy izay mety ho fitondran-tenantsika avy miresaka (mivavaka) Aminy. Ny olona dia tsy afaka ny tsy haka tahaka ny “andriamanitra” banjininy sy tompoiny. Izay heverintsika ho fahasambarana manko no tonga vimiaina anompanantsika ny fiainantsika manontolo. Raha ny vola no tonga andriamanitra dia vitan’ny olona ny mamono tena (na mamono ny hafa koa aza) hahazoana izany. Raha andriamanitra be voninahitra miandry ny olona hiankohoka eo anatrehany no tompointsika, dia mazava loatra fa izay hanajan’ny olona antsika sy ny hiforetan’ny hafa eo anatrehantsika no himasoantsika, ka sanatria tsy ny hitory ny Evanjelin’i Kristy intsony no lasa laharam-pahamehana fa ny tondromaso sy ny fisehosehoana ho mahavita zavatra. Fa raha Andriamanitra manasa ny tongotry ny mpianany, manaiky ho andevon’ny hafa, nanaiky ho faty eo ambonin’ny hazon’ny fahafaham-baraka no hotompointsika dia miova ny tanjon’ny fiainana.
Raha i YHWH, Ilay misy, tsy havana raha misy patsa fa Andriamanitra miaraka mandrakariva amin’ny vahoakany ka mahalala ny fahorian’izy ireo, mitady ny fomba hampiadana azy ireo, ary ny hasambarany dia ny fahasambaran’ny vahoakany, raha izany no endriky ny Andriamanitra tompointsika dia tsy afaka ny hanao be marenina na hitampi-maso manoloana ny fijalian’ny hafa isika, tsy afaka ny handà tsy hitondra fahafahana sy fahasambarana marina ho an’ny vahoakany koa isika.
Araka ny efa voalaza hatrany hatrany, ny Karemy moa dia fotoana hanamafisana ny finoana noraisina tamin’ny Batemy fa hanadiovana ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana amin’izay mety tsy mifanaraka amin’ny maha kristianina, fotoana anamafisana ny fahatsiarovana fa tsy lefy ny herin’ny fahasoavana ary toy ny volamena ny hasina maha zanak’Andriamanitra antsika, ka na dia mihosona ao anatin’ny vovoka sy ny fotaky ny fahalemena amam-pahotana aza, dia tsy avelan’ny soa tsy hamiratra. Ny fiainana dia tahaka ny tany efitry ny Eksaodin’i Israely, ka sady lalana mitondra amin’ny fahafahana no entina hanamafisana ny finoana ihany koa, entina hanadiovana azy amin’izay mety ho finoanoam-poana. Amin’ny Taona A moa dia manamafy izany ireo dingana telo iainana ny Karemy: ilay Samaritanina manambara fa ny fahotana sy ny fifikiran’ny olona amin’izay vady nampirafesiny tamin’Andriamanitra dia tsy mahasakana an’ilay “hany Mpampakatra” hanolotra antsika ny loharano velona miboiboika ho amin’ny fiainana mandrakizay (Jo 4,5-42 – alahady III); izay mety ho tsy fahalalana na fahajambana nolovaintsika hatramin’ny nahaterahana dia tsy hahasakana antsika tsy hibanjina an’ilay masoandro miposaka, hazavana avy any ambony (Jo 9,1-41 – alahady IV); ary na dia manoloana ny fahafatesana izay vokatry fahotantsika aza, dia Teny ampy hanangana ho amin’ny hafenoan’ny fiainana izay manaiky hotarihin’ny hazavan’ny finoana ilay Sakaiza tsy mahafoy (Jo 11,1-45 – alahady V).
Amin’ity alahady ity, araka izany dia hamafisin’ny Eglizy ny fampianarana mikasika an’i Kristy Rano velona, ka izay mangetaheta ihany no afaka haniry izany, ary fantatsika fa Izy Jesoa no niantsoantso ho Mangetaheta teo ambonin’ny Lakroà, ary tsy inona izany fa ny faniriany mafy mba handray anjara amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray, ka ny fony nolefonina no nanomezany antsika avy amin’ny Rano sy Ra ny loharano tsy ritran’ny Sakramenta, manambara ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika.
Raha hiverenantsika ary ny vakiteny aroso amin’ny Taona D, dia mampahatsiaro antsika fa tsy inona akory ny fibebahana fa ny fiverenana amin’izay maha izy azy ny tena, ny faniriana zavatra mifanaraka amin’ny safidy, ka tsy sanatria isika hitsiriritra zavatra tsy mifanaraka akory amin’ny maha kristianina antsika. Ny tsirairay, araka izany, samy mandini-tena amin’izay fitsiriritana sy faniriana mety mameno ny fony. Tsy hahasoa antsika ny fankalazana ny sakramenta, ny fanaovana batemy sy Kômonio, raha tsy ny faniriana ho masina, ny faniriana hitovy endrika amin’i Kristy no faniriana mameno ny fontsika sy manentana antsika hanao ireny rehetra ireny.
Ny fananaran’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa dia tokony hampitandrina antsika marina tokoa. Tsy izay rehetra niampita ny Ranomasina mena (vita batemy), na izay nihinana ny mana (mofo) ka niala hetaheta tamin’ny rano tam-batolampy (divay) tsy akory no niditra ny tany nampanantenaina… izany hoe, tsy ny fahavitàna batemy na ny kômonio voalohany na ny mariazy na ny filaharana no hahatongavana any an-danitra, hahasambatra… tsy niditra ny tany nampanantenaina manko, hoy i Md Paoly, ireo naka fanahy an’Andriamanitra (1Kôr 10,1-12). Raha tiantsika ny hizotra ho amin’ny tany nampanantenaina dia tsy maintsy hiezaka isika ho sitrak’Andriamanitra, amin’ny fihainoana ny Zanany mba hanahafana Azy. Tsy ho tonga any amin’ny fahasambarana izay tsy manaraka ny lalana mitondra mankany; i Jesoa, Zanaky ny Ray tonga nofo no torolalana ho antsika ka ny fanahafana Azy no lalana tokana hizorana amin’ny fahasambarana, dia Izy ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana (Jo 14,6).
Izany fahasambarana amin’ny fanarahana an’i Jesoa izany dia porofointsika amin’ny fitondrana vokatra. Tsy fitadiavana tombontsoa hafa tsy akory no antony ivavahana fa mba hahaizana mampamokatra ny fahasoavana efa noraisina. Tsy ezaka mba ho tiavina fa valim-pitia ny fibebahana Kristianina. Ny fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay no fototry ny fiainantsika ka hiezahana mba hamaly fitia.
Ny fanomezany fotoana antsika mba hamoazana, tahaka ny aviavy lazain’ny Evanjely, dia manaporofo izany (jereo ohatra ny fitantaran’i Marka 11,12-24 na ny an’i Matio 21,18-22). Tsy sasatry ny maneho ny fitiavany sy ny faharetany manoloana ny fahosantsika Andriamanitra, ka na dia teo aza ny telo taona tsy namokarana dia mbola nomeny “taom-pahasoavana” isika: hoevoiny ny tany, amin’ny sakramenta atolony handonaka ny fiainantsika, nomeny antsika ho “zezika” ny tenany, mba hivelomantsika ao Aminy, manaporofo izany ny Taon-Jobily. Ary rehefa mivelona Aminy sy mihinana ny sakafom-panahy arosony isika, dia antsoiny hiara-misalahy aminy. “Tsy haninkanim-poana manko ny Eokaristia, fa hanin’ny mpanao zavatra”, hoy ny Kardinaly Razafindratandra izay.
Zavatra inona no hataontsika? Antsoiny ka irahiny hiverina any Ejipta (tanin’ny fangiazana) mba hanafaka ny vahoakany! Hahasahy hifanandrina amin’i Faraôna izay mangeja ny vahoaka. Avy any Ejipta i Môizy no nitsoaka, nanavotra aina satria natahotra ny ho faty… Ny fiarovany ny madinika no namonoany ilay ejipsiana. Izao izy dia voairaka mba hanao sorona ny ainy hitondra fahafahana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ampahoriana any Ejipta, hifanehatra indray amin’i Faraôna. Ny fahavononana hanao izany dia miankina amin’izay Andriamanitra hinoantsika. Andriamanitra miangavy antsika mba “hanesotra ny kapa” mba hahatsapantsika mivantana fa “mandia tany isika”, ka mila mitandrin-tena mba tsy ho lavo (Vak II), fa indrindra indrindra ihany koa, satria “Andriamanitry ny velona Izy”, ka ny hodi-biby maty (hanaovana ny kapa), dia tsy afaka ny hiseho eo anatrehany. Ary araka ny efa nolazaintsika teny am-piandohana, tahaka an’i Môizy koa anefa isika, tsy maintsy handalina ny fahalalantsika an’Andriamanitra, hanesotra ny kapa, izany hoe hijanona maharitra hiresaka Aminy, hahalalàna ny Anarany ka hananana valinteny holazaina ny hafa : “raha manontany izay Anaranao izy ireo, inona no havaliko azy?”
Ndeha hiverenantsika ny hafatra hafa lazain’ny Evanjely:
Ny fiantombohana sy ny fiafaran’ny toko faha 13 amin’ny Evanjely nosoratan’i Lioka dia resaka faty: amin’ny fiandohana dia mitantara ireo Galileanina novonoin’i Pilaty, ary any amin’ny farany milaza an’i Jerosalema mamono ny mpaminany; any amin’ny fiandohana milaza ny olona valo ambin’ny folo nianjeran’ny tilikambon’i Siloe, ary any amin’ny fiafarany milaza an’i Jerosalema tsy manaiky hovorian’i Jesoa mba harovany. Ireo fifampiantsoana ireo dia manampy antsika hahazo ny evanjely anio.
Moa ataonareo fa…!
Moa tsy afaka mba mitaky ny zony sy maneho ny heviny ve ny olona tsirairay? Izany no nataon’ny Jody sasany antsoina hoe Zelôty. Mora ny manome tsiny an’i Pilaty namono ireo Zelôty nikomy nanohitra ny fanjakana rômanina (mora ny manome tsiny ny Frantsay sy Senegaly namono ny maherifo tamin’ny 1947, mora ny manome tsiny ny Rosianina midaroka baomba ny any Ucraine, na ny mahazo an’i Gazà ankehitriny), fa sarotra kosa ny manaiky hihaino ny Mpaminany ka tsy hamono azy (sarotra ny tsy hamono an-dRatsimandrava ny 1975 sy ireo izay manembantsembana ny tombontsoa manokana…). Manam-bola holaniana amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana izao tontolo izao, fa tsy manana vola hamatsiana sakafo sy rano fisotro madio ny mponina rehetra eo aminy, atao fitaovana ny madinika fa ny tanjona, dia tsy ny hiadanan’izy ireo fa ny mba hanjakazakana.
Mety tsy hovonoina alatsa-drà anefa ny mpaminany, fa vonoina kosa ny hasina maha olona azy, alàna ny barakany sy ny voninahiny, endrikendrehana sy ampangaina mba tsy hinoan’ny olona azy, ka hahafahan’ny feon’ny fieritreretana mandrimandry, tsy hibebaka. Tsy fiovan’ny mpitondra fa ny fiovan’ny fomba fisainana sy ny drafi-pitantanana ho amin’ny fikatsahana ny soa ho an’ny rehetra no atao hoe fibebahana. Tsy ny fanamelohana ny mpanao ratsy fa ny fankahalana ny ratsy ka hitaomana ny mpanao ratsy hibebaka no idirana amin’ny fiainana. “Mba hiainantsika rehetra am-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an’Andriamanitra sy am-pahamaotonana tanteraka no tsara sy ankasitrahana eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika izay tia ny hahavonjy ny olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina”, hoy Md Paoly (1 Tim 2, 2-4).
Mora ny mitsetra ireo zeran’ny tilikambo, matin’ny loza, maty noho ny tsy fitandreman’ny hafa, maty nozeran’ny baomba, fa sarotra kosa ny miala amin’ny mahazatra sy amin’ny zavatra heverina ho fahafinaretana na dia mety hitondra amin’ny fahafatesana aza izany. Sarotra ny manaiky hambombaina tahaka ny zanak’akoho (fiafaran’ny toko 13 voalaza teny am-piandohana). Na dia zavatra efa asiana soratra hoe “mahafaty” aza, mbola hanina ihany, rehefa tsy ny fahazavana hanomezana hasina ny fiainana no manomboka mahazo laka. Izay tsy mibebaka dia hanimba ny fiainany, ho very toy ny ianjeran’ny tilikambo, maty “accidenté” fa tsy maty noho ny zavatra nisasarana sy notiavina mba hamelàna mamy ho an’ny hafa. Tsy sanatria sazim-pahotana ny fijaliana sy ny fahafatesana (ka heverina fa Andriamanitra no manasazy antsika); tsy sazy ireny fa vokatry ny fahotana. Mampalahelo anefa raha ny tsy fitandremako sy ny fahotako no hitondran’ny hafa faisana sy fijaliana. Mampalahelo raha ny fitiavan’ny olom-bitsy hanjakazaka no hamonoana ny tsy manan-tsiny sy ampitondràna takaitra ny taranaka fara mandimby.
Tsy mila voa tsy àry anefa Andriamanitra amin’ny fiangaviana antsika mba hamokatra, na dia eny amin’ny tanim-boaloboka aza no ambolena ny aviavy. Mety tsy hifanaraka amin’ny andrasantsika ny tany ambolena antsika, saingy omeny ny fahasoavana rehetra isika mba hamokatra, omeny fikarakarana izay tsy azon’ny voaloboka akory, izay rantsanana fotsiny ihany fa tsy asiana zezika na hoevoina. Miandry telo taona toy ny mpamboly aviavy, telo taona toy ny nitorian’i Jesoa ny Evanjeliny ka namoizany ny ainy noho izany.
Fa mbola mihaino ny manompony koa Izy hiandry taona hafa, hievoana sy hanasivana zezika mba hamokarana, “raha tsy izany dia hokapaina ihany izy”. Anjaran’ny tsirairay araka izany ny manararaotra ny tany ambolen’Andriamanitra azy, ny fikolokoloana sy ny zezika omeny, tsy misy afaka ny hiala tsiny ka hihevitra fa tsy novoleny na tsy nokolokoloina. Anjaran’ny tsirairay ny mandini-tena amin’ny vokatra tiany ampamokarina sy efa nampamokariny eo amin’ny fiainana, mba tsy ho sanatria ho fitsiriritan-dratsy na ho fimonomononana hitondra amin’ny fandringanana. Tsy fieboeboana eo anatrehan’ny olona rahateo no antony hamokarana fa noho ny fahatsapana fa notiavina, ka te hamaly fitia, te hiombona amin’ny hafalian’Andriamanitra, Izy izay tsy mitsahatra manasoa ny zanany rehetra tsy an-kanavaka.
Manoloana ny herisetra sy ny vono olona (haratsian’ny olona: toy ny nataon’i Pilaty sy ny miaramila nanaiky hanatanteraka ny iraka), manoloana ny loza mihatra (haratsian’ny natiora: tilikambo mirodana, rivodoza…) dia manontany tena isika matetika hoe: aiza Andriamanitra. Ny Jody moa niezaka ny handresy lahatra ny tenany sy ny vahoaka fa matoa ianao nidiran-doza, matoa Andriamanitra tsy niaro anao dia satria “nisy zavatra nahadiso anao” tany ho any, sazim-pahotanao izany. Tsy niady hevitra tamin’izy ireo momba izany i Jesoa fa nampitandrina antsika fa raha tsy mibebaka isika dia ho very.
Fahasoavana mila hararaotina ny faharetana sy ny famindrampon’Andriamanitra, araka izany fa tsy sanatria hitondra amin’ny tsy fivakisan-doha sy ny fangatahan’andro hibebaka. Mikiky tsikelikely sady mahavery ny hasambarana ny ratsy raha tsy fongorantsika ifotony ao am-pontsika, raha tsy fongorana ombam-pakany, ary tsy azo adinoina fa sady mampahazo vahana ny ratsy no mampanalavitra antsika ny fahasambarana ny fangatahana andro mba hibebaka. Indroa isan-taona no mitondra voany ny aviavy, saingy ny ratsy no tsy hamela antsika hitondra voa tahaka ilay aviavy, efa telo taona tsy namokatra.
Ny fibebahana sy fiovana toe-tsaina dia miompana amin’izany famongorana ny ratsy izany, ka hahatsapana mandrakariva ny fitiavana amam-pamindram-po arotsak’Andriamanitra ho antsika isan’andro vaky (Sal 102), ka hitiavantsika ihany koa tahaka ny hitiavany antsika. Izany no manomana antsika ho amin’ny tena fibebahana marina, tahaka ilay zanaka mpandany, maniry hiverina an-tranon-drainy be fitiavana hobanjinintsika amin’ny alahady heriny (Md Lioka 15, 1-3.11-32, Alahady IV).
Dia mirary soa ho antsika rehetra, mba hoharenin’ny famindram-pon’Andriamanitra lalandava satria Andriamanitra Masina sy Mpamindra fo ny Andriamanitsika ka tsy handao antsika zanany, ary italahoantsika mba hanaketraka ny hamafin’ny loha sy ny fontsika ka hahaizantsika mandray ny fampianarana mahavonjy avy Aminy (vavaka fangatahana).