ALAHADY FAHA II KAREMY – Taona D
- Jenezy 15,5-18
- Salamo 26
- Filipianina 3,17–4,1
- Lioka 9,28b-36
I Jesoa niova tarehy, taratry ny hasoavana rahatrizay
Mba hahazoana ireo dingana irosoana amin’ny karemy, iainan’ny Katekomena, fa koa handraisan’ny vita Batemy rehetra anjara amin’ny fihavaozam-panahy takian’ny fanavaozana ny toky amin’ny Batemy izay atao amin’ny alin’ny Paka, dia tsara ny hampahatsiahivana ireo dingana ireo eto.
Ny dingana voalohany dia ny fibebahana, amin’ny maha sakramentan’ny fibebahana ny vanim-potoanan’ny Karemy, ka ny fanapahan-kevitra hiverina amin’ny lalan’Andriamanitra (conversion, metanoia, shoubh) dia porofoina amin’ny ezaka sy famolahan-tena maneho fibebahana amin’ny fiainana an-davanandro (pénitence). Zavatra telo moa no hahitsy amin’izany dia ny fifandraisana amin’ny haren’ny tany, ny fifandraisana amin’ny olona ary ny fifandraisana amin’Andriamanitra (fakam-panahy telo):
– mandresy izay hahatsapa fa tsy tanjona fa ny hanina sy ny haren’ny tany dia tsy tanjona fa fitaovana sy lalana mitondra amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra ambaran’ny teniny;
– mandresy izay tsy hanompo andriamani-kafa fa hanaiky ho namana sy ho mpanompon’ny hafa, satria tsy izay tompoina fa izay manompo no lehibe indrindra (Mt 23, 11), noho izany dia hahita hafaliana amin’ny fandaniana ny fiainana hamafazana soa ho an’ny hafa satria izany no handraisana anjara amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra Ray;
– handresy izay tsy miozongozona amin’ny finoana fa fitiavana Andriamanitra ka tsy amin’ny zava-dehibe andrasana hampitolagaga no hanaporofoany izany fitiavana izany fa amin’ny zava-drehetra, eny fa na dia amin’ny ando milatsaka mandritra ny haizin’ny ali-mangina aza, nefa mahavonto ny tany sy mampamokatra ny voa nafafy, eny fa na dia tahaka ny atody aza, mora vaky saingy mitondra ny aina ao aminy, anehoan’Andriamanitra ny heriny ao amin’ny heverina ho fahalemen’ny zavaboariny.
Ny famakiana, fihainoana sy fandraisana ka anekena mba hovain’ny Tenin’Andriamanitra, araka izany dia natao hitarika ny fontsika ho amin’ny tena fibebahana marina, ka tsy ny heverintsika ho mety, na izay lazain’ny fiaraha-monina amintsika no hanitsiana ny fiainana fa izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy fanatratrarana ny tanjona apetratsika (izay mety ho vokatry ny avonavona ihany) no tanjon’ny fibebahana marina fa ny fampifanarahana ny fisainana (metanoià) sy ny fiainana (shoubh) amin’ny Sitrapon’Andriamanitra ka hanahafana an’i Kristy mba hitovizana endrika Aminy bebe kokoa hatrany.
Tsy ny haratsin’ny fahotana anefa no asiana tsindrim-peo fa ny hafalian’ny fandresena, ny halehibeazan’ny indrafo namela ny helotsika (pardon) ka mitondra antsika amin’ny fihavanana tanteraka amin’Andriamanitra (réconciliation). Andraikitry ny olombelona ny mampiasa ny saina hahatsapa ny voka-dratsin’ny fahotana fa asan’Andriamanitra kosa ny manokatra lalana vaovao hatrany, hahafahana manomboka fiainana vaovao, satria havaozin’ny fitiavany ao amin’ny Fanahiny. Tsy fandresena hahafahana manilika ny zomà masina anefa ny hafalian’ny Paka, ka izany no ampahatsiahivin’ny Eglizy antsika amin’ny alahady faharoa, sao fanantenana manodoka no hanomanantsika ny fontsika ka ho diso fanantenana eo am-pizorana ny Lalan’ny Fahasambarana atoron’ny Evanjely, izay lalana tsy afa-mmisaraka amin’ny fiakarana ho any Jerosalema.
Amin’ny alahady II amin’ny Karemy àry, dia mitantara ny fiovan’i Jesoa tarehy ny Evanjely, ary eo anelanelan’ny fanambarana ny fijalian’i Jesoa no hitantaran’i Lioka izany (Lk 9,22.44-45), mba hanamafy orina ny fanekena, hahafahana hiaina amin’ny maha mpianatr’i Kristy. “Inona ny soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny fanahiny?”. “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona”…
“Havaloan’andro taorian’izay dia nitondra an’i Piera sy Jakôba ary i Joany teny an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka”. Isaky ny “havaloana”, izany hoe ny andro voalohany amin’ny herinandro (jereo Lev 23, 35-36) dia mitondra antsika hiakatra ao amin’ny “efitra ambony” izy, mba hankalaza ny Eokaristia, mba hisantatra ny zavatry ny lanitra, ka hanamafy ny fanapahan-kevitra sarotra tsy maintsy hirosoana, hahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra. Vavaka mba hampamirapiratana ny endrik’Andriamanitra eo amintsika ary hitahirizana madio ilay akanjo fotsy madio, dia i Kristy, izay noraisintsika tamin’ny Batemy (Ga 3,27).
Ambaran’ny Prefasy (manokana) anio manko fa amin’ny fandalovan’i Jesoa amin’ny fijaliana araka ny voalazan’ny Lalàna sy ny Mpaminany no hahatongavany amin’ny hafenoan’ny voninahitra amin’ny fitsanganan-ko velona. Sarotra ny haneken’ny fisainantsika olombelona izany, satria zava-manahirana mandrakariva ny miatrika fijaliana sy mitady ny heviny, indrindra rehefa mihatra aman-koditra na mihatra amin’ireo olona akaiky ny fo… “Nahoana no izaho no hiharan’izany rehetra izany! Eh niangatra Andriamanitra”. Teny mety ho eo am-bavan’ny kristianina koa izany. Na i Kristy aza, teo ambony hazofijaliana, mba niloa-bava, niantso ny Ray, satria nahatsiaro ho nilaozana (Mt 27,46snm// Sal 22), fa amin’ny maha kristianina antsika, izany hoe mpaka tahaka an’i Kristy (Fil 3,17–4,1 //1Kôr 11,1), dia miloa-bava mba hivavaka ny Salamo 22, ka mitondra tena ho toy ny mponin’ny lanitra, mpivahiny ety amin’ity tany fandalovana ity, dia hanohy “hametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanan’ity Ray izay toa mandao antsika”, eny fa na dia efa mananontanona aza ny hiafarana (fahafatesana) (Lk 23,46).
Moramora kokoa anefa ny manary dìa amin’ny torimaso, toy izay hiatrika ny fahalasanan’i Jesoa (ἔξοδος – exodos) hiakatra any Jerosalema mba hovonoina. Ao amin’ny torimaso manko mba afaka mandrevirevy ny voninahitra teo anivon’ny vahoaka mihoby ny fahagagana nahazoan-tsoa, hanonofinofy ny fampitomboana (fizarana) ny mofo sy ireo voninahitra azo avy amin’ny fihobian’ny vahoaka nahazo soa tamin’izany. Ary rehefa taitra amin’ny torimaso, dia aleo manosoka hevitra amin’ny mpampianatra mba tsy hiverina hiatrika ny fiainana fa hijanona hibanjina ny famirapiratry ny Tavany ka hanangana tranolay telo eo, hihevitra ny hanao trano ho an’Andriamanitra (jereo 1Tan 22,8-10), hihazona an’Andriamanitra ho toy ny “zavatra nobaboina”, ho toy ny fananana azo fehezina ao amin’ny tranolay ka mora tadiavina rehefa ilaina indray. Tsy maintsy mbola handalo amin’ny “lalan’ny voninahitra” anefa aloha vao ho afaka honina any amin’ilay fonenana mandrakizay (Lk 16,9).
Ny vavaka, fa ny marimarina kokoa, ny firesahana amin’i Môizy sy Elia, no nampiova toetra ny Tarehin’i Jesoa. Tsy mampiasa ny teny μεταμορφόω – metamorphoô, nadika hoe “miova tarehy”, tahaka an’i Matio sy Marka i Md Lioka. Aleony milaza amin’ny fomba tsotra fa niova toetra ny tarehin’i Jesoa, na raha adika ara-bakiteny dia hoe tonga “hafa” (ἕτερος – heteros) ny tarehiny, niova ny fomba fijery Azy, satria ao ambadiky ny lakroà sy ny fijaliana ambarany no tsy maintsy hibanjinan’ny mpino ny voninahitry ny fitsanganan-ko velona. Ny teny μεταμορφόω, nahazoana ny hoe “métamorphose”, manko dia mampahatsiaro ho an’ny Jody ny faminanian’i Daniely (Da 12,3-4) fa ho an’ny tontolo grika kosa dia entina nilazana ny fahagagana hamirapiratan’ny andriamanitra tantarain’ny angano maro.
I Môizy sy Elia, ilay nahazoana ny Lalànan’Andriamanitra mitondra ho amin’ny fiainana sy ilay nitory azy mba tsy ho adino, dia efa miombona voninahitra amin’i Jesoa. Efa fiombonam-boninahitra, efa fanandramana ny hafenoan’ny hasambarana sahady ny fizorana amin’ny lalam-pahasambarana. Efa fisantarana ny hafalian’ny hahaterahana sahady ny fitondrana vohoka mandritra ny folo volana, na eo aza ny fijaliana tsy maintsy hiaretana, hisotroana rano tsy tiana sy hiankinan-drindrina irery.
Aorian’ny fitsanganany ho velona, dia ampahatsiahivin’i Md Lioka antsika fa “ny fivoasana ny Soratra Masina, manomboka amin’i Môizy sy ny Mpaminany rehetra”, tahaka ny nataon’i Jesoa tamin’ireo Mpianatra roa tany Emaosy, no mampisokatra ny masontsika ka hahafahantsika mibanjina izany Endrik’Andriamanitra izany (Lk 24,27). Ny fanatanterahan’i Jesoa ny lalana mankany Jerosalema no fisehoana am-boninahitra ho an’i Môizy sy Elia. Amin’ny famohaboasana ny Testamentan’ny Lalàna sy ny Mpaminany tanteraka ao amin’ny fanolorany ny tenany teo amin’ny hazofijaliana no nahafahan’i Jesoa nanamafy ny fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, ilay nino (Jen 15,5-18): aleony maty toy izay isika no tsy hahazo ny tany nampanantenaina. Izay mahari-tory no afaka hibanjina izany voninahitra izany, hoy Md Lioka (9,32).
Ny fandinihana ny antsipirian’ny fitantarana ao amin’ny vakiteny voalohany dia manampy antsika hahazo izany fitiavan’Andriamanitra izany, izay tsy mivadika mandrakizay. Fomban’ny mponin’i Mezôpôtamia ny manao fanekem-pihavanana, velirano moa na marimarina kokoa fati-dra aty amintsika. Maka ombivavy na osivavy na ondrilahy izy ireo dia rasainy roa, ary izay manao ny fianianana dia mandalo eo am-povoany sady milaza hoe: “Raha tsy mahatàna ny teny ifanekena aho dia tohara (hifanehatra amin’ny) ny loza tahaka ity biby ity”.
Amin’ny maha fifanekena azy, dia mitaky ny fandraisana anjaran’ny andaniny sy ny ankilany. Tamin’ny andron’i Abrahama dia fomban’ny olona ny manao fati-drà ka ny fomba anatanterahana azy dia ny fandrasana ny biby vaventy, (telo taona, satria noheverina fa hatramin’ny fahatelo taonany no miankina amin’ny reniny ny biby, ka ny biby tsy miankina amin’ny reniny intsony dia manambara koa ny tokony ho toetran’izay hanao fianianana: olona afaka, tompon’ny safidiny), ka ireo mpifanaiky dia miara-mamakivaky eo am-povoany, manitsaka ny rà, hilazana fa ho latsa-drà tahaka ireo biby norasaina izay mivadika amin’ny teny hifanomezana.
Saingy ambaran’ny Vakiteny voalohany fa Andriamanitra irery no nianiana sy nandalo tamin’ny endriky ny “memy mivoa-tsetroka sy fanilo nirehitra” teo afovoan’ny biby voasasaka. I Abrahama kosa rendriky ny torimaso noho ny tahotra ny haizina efa nirotsaka. Izay mahari-tory, hoy Md Lioka amin’ny Evanjely, izay miady amin’ny torimaso tahaka an-dry Piera sy ny namany no afaka mahita sy mibanjina ny voninahitr’Andriamanitra (Lk 9, 32).
Notazonin’Andriamanitra ny teny fianianana, ka rehefa nanimba sy nandrava ny Tany nampanantenainy ny olombelona, faharavana vokatry ny fahotany, dia Izy no “voarasarasa”, “mofo voavaky” mba hanefa ny teny nomeny an’i Abrahama. Izy no nanaiky ho faty, hisolo vaika antsika. Izy no nolefonina teo ambonin’ny Hazofijaliana mba handrotsaka rano sy rà, sakramenta, vavolombelona manambara ny fitiavany tsy mivadika.
Avaoziny ao amin’ny Sakramenta ankalazaintsika izany Fanekem-pihavanana izany… Ny finoana no hahafahantsika mandray ka mitoky amin’izay ampanantenain’Andriamanitra antsika, tahaka an’i Abrama, izay tsy mbola niteraka akory dia efa nampanantenaina sahady ny taranany ny tany tondra-dronono aman-tantely… Fampanantenana poak’aty na fampandriana adrisa izany ho an’ny tsy mpino. Fa i Abrahama kosa nino (אָמַן ‘āman, matoky, mino, miankina amin’ny zavatra azo ianteherana, אֱמֶת, ’ĕmeth – ny marina, ary avy amin’ireo ny hoe AMEN) ka “neken’ny Tompo ho fahamarinany izany”. Raha mino isika fa fitiavana Izy ary mahefa ny zavatra rehetra, dia tsy hanisy olana amin’ny mety hahatanterahan’ny fampanantenany.
Inona ary ny anjarantsika? Manaiky ny baikon’Andriamanitra, “mihaino ny Zanany Malalany”, araka ny Evanjely. Tsy azontsika adinoina fa mialoha ity Fanekem-pihavanana tantarain’ny vakiteny I ity, dia efa nandao ny fianakaviany sy ny tany nisy azy niaraka tamin’i Terà rainy Abrahama, ka nanolotra ny tenany hanao ny sitrapon’ilay niantso azy (Jen 12). Izany ihany koa no nataon’ireo mpanara-dia voalohany an’i Kristy: nandao ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy (Lk 5,11). Izany no hahafahantsika hanadio izay mety ho sarisarin-javatra mety hanakana antsika tsy hiaina ny maha mpaka tahaka an’i Kristy antsika, ka mety “hirehareha amin-java-mahamenatra”, na sanatria “hanao ny kibo ho andriamanitra” na “hankamamy ny zavatry ny tany”, araka ny alahelon’i Md Paoly (vakiteny II). Ny fanatitra atolotsika, araka izany, dia ny tenantsika sy ny amintsika manontolo, atolotra ho sorona “velona” ho an’Andriamanitra (Rm 12), ho masina sy ankasitrahiny mba ho mendrika handova ilay Fanjakana any an-danitra.
Mba tsy ho “finoana maty” anefa izany, dia mila porofoina amin’ny fiainana andavan’andro (Jk 2,17), fa indrindra amin’ny tsy famelàna ny “vorona mpihaza” hifaoka ny fanatitra atolontsika ny Tompo (Vakiteny I), eny fa dia eo aza ny fahalemena sy ny tsy fitandremana, ka ny fiandrasana ny valintenin’Izy Tompo (ny fiandrasana ny fandalovany tahaka an’i Abrama) dia mety hahatonga antsika ho rendriky ny torimaso (tahaka an’i Abrama sy ny Apôstôly), saingy hanavao mandrakariva ny faniriantsika : ny ho mponin’ny lanitra. Asain’i Md Paoly isika mba hanohitra ireo mitsangana ho fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy, satria mihevitra ny hitia, saingy tsy vonon-kitondra ny lakroà, noho ny firaiketam-po loatra amin’ny eto an-tany. “Adala izany mivahiny, mahita ny hakanton’ny voninkazo mandravaka ny lalana, dia variana mijanona eo, manadino ny tanàna hitodiana”, variana dia manadino ny anton-dia (Md Gregoire le Grand, Règles pastorales 4).
Anisan’ny zavatra asian’ny Litorjia tsindrim-peo manokana anio ary ny fomba hifandraisantsika amin’Andriamanitra. Ny vavaka dia firesahana amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany, ary firesahana amin’Andriamanitra, araka ny voalazan’ny Evanjely, tsy resaka momba an’Andriamanitra na rijan-teny mikasika Azy fa firesahana Aminy ny lalana mitondra any Jerosalema, firesahana Aminy ny fomba mahomby mba hanatontosantsika ny adidy nankininy tamintsika, firesahana Aminy sy amin’izay “Moizy sy Elia vaovao” ny fomba hiatrehana ny fijaliana tsy maintsy hiaretana amin’ny fizorana ho any Jerosalema. Ny vavaka, araka izany dia ny fanokanantsika fotoana hihainoana ny Tenin’Andriamanitra ka hanekentsika azy hamolavola sy hanova ny Tarehintsika ho tonga “hafa”, mba hitovy endrika amin’ny an’i Kristy, araka ny voalaza teny ambony.
Impirifiry anefa isika no maheno olona mitaraina fa tsy mamaly vavaka Andriamanitra, toa manadino Andriamanitra, toa miangatra Izy. Mampalahelo ny mahafantatra indraindray fa ao amin’ny fivavahan’ireny olona ireny dia tsy mba misy fotoana natokana ho amin’ny fihainoana an’Andriamanitra. Rehefa voalazany izay tiana ho lazaina dia laza izy, hoy Md Jean Marie Vianney, Curé d’Ars. Ampahatsiahiviko matetika ny olona hoe rehefa misy zavatra mampijaly na manahirana, ny zavatra voalohany tokony halehan’ny saina dia ny hanamarina na mifanaraka na tsia amin’ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny torolalana nomeny hizorana ho amin’ny fahasambarana izay ataontsika rehetra. Ka raha tsy mifanaraka dia mila mibebaka aloha. Raha mifanaraka kosa dia antsoina isika hanolotra ny fijaliana miaraka amin’ny an’i Kristy, ka hahatsiaro ny hasambaran’ireo izay afa-mameno ny tsy ampy amin’izay niaretan’ny Tompo ho an’ny Eglizy vatany masina (Kol 1,24).
Raha mandinika ny Salamo setriny (Sal 26) isika, avy mihaino ny Tenin’Andriamanitra, dia mba manontany tena ihany: inona ny Tenin’ny Tompo manakoako ao am-poko? Tahaka ny an’ny Mpihira salamo ve? “Tadiavo ny tavako” hoy Ianao… ka valiantsika hoe “Ny Tavanao ry Tompo no tadiaviko?” Inona no tadiavintsika? Sao sanatria tavan’Andriamanitra tsy ekentsika hijaly, satria rehefa voaantso hanahaka Azy isika dia voatery hiombona amin’ny fijaliany mba hiarahana manjaka Aminy?
Alao hery àry ny hizotra, ho amin’ny fanomanantsika ny Fankalazana ny Paka, hihevitra izay Tenin’ny Tompo, hanakoako eo amin’ny fiainantsika ka hanome hery antsika hanara-dia an’i Jesoa hiakatra any Jerosalema…
Ry Andriamanitra lehibe sady mahatoky ô, izay mitady anao amin-kitsim-po no anehoanao ny endrikao, ary efa antsoinao hihaino an’ilay Zanaka malalao izahay, koa velomy amin’ny teninao ny fanahinay, diovy ny fonay handinika azy, amafiso ny finoanay ny misterin’ny Lakroà ary omeo hamoram-po izahay hifikiranay amin’ny fanatanterahana ny sitraponao, hanarahanay dia an’i Kristy Zanakao sy hahasambatra anay mibanjina ny voninahitrao (Vavaka fangatahana II sy IID).