ALAHADY FAHA II fankalazana ny Paka (in albis),Alahadin’ny famindram-pon’Andriamanitra.
Manohy ny fiainana sy ny fivoasana momba ny sakramenta ny Eglizy mandritra ny vanimpotoana fankalazana ny Paka, antsoina koa hoe: temps mystagogique (vanimpotoana fivoasana ny mistery).
Ny alahady manaraka ny andron’ny Paka dia nantsoina hoe Alahady “in albis”, hitondrana ny akanjo fotsin’ny Batemy, ho an’ireo natao batemy ny alin’ny Paka, hanavaozana ny hafaliana izay tiana haharitra mandrakizay, hahatsiarovana fa ny fitafiana an’i Kristy no lalana hidirana amin’ny “fanasan’ny Zanak’Ondry” satria ny dion’io akanjo io izay nosasana tamin’ny ran’ny Zanak’ondry no tapakila hidirana any amin’ny Fanasan’ny Lanitra, amin’ny maha akanjo tokana fitondra amin’ny fampakarana azy (jereo Mt 22,12). Ity alahady ity koa dia natao hoe Alahady Quasimodo noho ny tononkira fidirana amin’ny teny latinina nanomboka tamin’ireo teny ireo.
Alahadin’ny Famindram-po koa no iantsoana azy, araka ny nanambaran’i Md Jean Paul II azy ho fety maneran-tany ny 30 aprily 2000, tamin’ny nanandratany ho olomasina an’i Mb Faustine, hahatsiarovantsika koa ilay Fanahy noraisin’ny Apôstôly mba hamelany heloka, sy hahatonga azy ireo ho taratry ny famindram-pon’Andriamanitra. Hafatr’i Jesoa tamin’i Mb Faustine moa fa “tsy hahita fiadanana izao tontolo izao raha tsy mialoka eo ambanin’ny famindram-pon’Andriamanitra”. Izany dia manampy antsika koa handinika manokana ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny fampihavanana, izay fankalazana ny famindram-po sy ny fitiavana asehon’Andriamanitra manoloana ny fahotana sy ny fahalementsika olombelona.
TAONA B
- Asa 4,32-35
- Salamo 117
- 1Joany 5,1-6
- Joany 20,19-31
Ezahan’i Md Lioka ny mampiseho amintsika ny fiainan’ireo Eglizy tany am-piandohana izay tokony ho endriky ny Eglizy tsirairay manerana ny tany tontolo sy ny fotoana rehetra. Amin’ny vakiteny anio dia ny fiombonana no asongadiny: zatra niara-nipetraka ny mpino rehetra, niray fo (ὁμοθυμαδόν – homothumadon). Tsy fiolonolonana manko ny finoana fa sinaody (sun-hodos), fiaraha-mizotra amin’ny maha fianakavian’ny mpirahalahy ao amin’i Kristy nitsangan-ko velona. Tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’i Kristy, ilay te hamondrona ho vala iray, ny fampitsitokotokoana, ka na fikambanana inona na fivondronana inona, raha mino an’i Kristy nitsangan-ko velona dia tsy hanakalo ny fiombonana amin’ny tsikonona manavaka ny firosoam-panahy eken’ny Fiangonana mba hahamora ny famahanana ny vahoaka sy hampivelarana ny fanomezam-pahasoavana, izay tokony ho an’ny soa ho an’ny vahoaka mandrakariva.
Ny zavatra faharoa nampiavaka ny kristianina koa dia izy ireo notsongoin’olom-bolo, najain’ny olona satria nitondra tena tsy nisy kianina, nankalazain’ny vahoaka hoy ny dikan-teny ao amin’ny vakiteny voalohany. Tsy manery ny hafa hanao tahaka ny nataony fa manao izay hahatarika ny hafa amin’ny hafaliana iainany vokatry ny hazavana entin’ny Evanjelin’i Kristy. Mazava loatra araka izany fa mitombo isa mandrakariva ny Eglizy, eny fa na dia mety ho fitadiavana tombontsoa, sy fanasitranana, fanampiana sy fahagagana aza no idododoan’ny sasany.
Ny Vakiteny voalohany moa dia ny famintinana faharoa mikasika ny fiainan’ny Kristianina (Asa 2,42-47 ny voalohany, dia Asa 5,11-16 ny fahatelo). Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra. Ny finoana no mampiombona, hoy Md Fulgence de Ruspe, ary tsy fiombonana am-bava fa amin’ny fiainana manontolo: tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy fa niombonana avokoa ny zavatra rehetra. Fahasoavan-dehibe izany. I Josefa izay atao hoe Barnabe, zanaky ny fanalana alahelo koa dia nametraka ny vidin’ny taniny teo an-tongotry ny Apôstôly. Barnabe moa raha adika ara-bakiteny dia zanaky ny faminaniana no dikany (נָבִיא nābhî’ mpaminany, nāba’), saingy adikan’i Lioka ho zanaky ny fankaherezana, fanalana alahelo (παράκλησις – paraklèsis), avy any ambony, avy amin’ilay parakleto, ny Fanahy Masina, izay manambara ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra izay “marina, masina sy tsy mivaona” (Sal 92). Tsy mahagaga raha nantsoin’i Jesoa hoe Bar-Jona, zanaky ny voromailala, i Piera (Jo 21,15), hoy i Md Bède le Vénérable, satria izay mahafoy ny zavatry ny tany no afaka hahazo ny fanalana alahelo amin’ny zavatry ny lanitra, ary izay manaiky hoentanin’ny Fanahy Masina ihany no afaka hitory ny fanalana alahelo, vokatry ny fanantenana, izany hoe ny fahitana ny zava-misy araka ny hevitr’Andriamanitra.
Ahoana anefa no hahafahana manala alahelo an’izay tsy àry nalahelo, tsy àry nahafoy, tsy mahafoy satria tsy te hino fa izay mahafoy dia hahazo zato heny? Ambaran’ny Salamo setriny fa tsy mivena fa tsara orina ny teny voalazan’Andriamanitra.
Eto amintsika, na ny anjara litorjia aza mampiady indraindray (mpamaky teny, mpanadio sy mpandamina sns), na ny zavatra faran’izay tokony hampiombona aza mbola manasaraka, ary ny an’ny sasany aza, toa heverina ho toy ny “ody” ny fivavahana ka ampivadiana amin’ny fomba amam-panao mahazatra, ka hanafangaroana ny fanompoan-tsampy sy ny finoana ka hihevitra hoe tsy hahavonjy ve izay andriamanitra mahery kokoa.
Mandinika ny momba an’i Barnabe, Levita avy any Sipra aho, dia mahatsiaro fa ny Levita raha ny marina dia tsy mba manana zara lova, tsy manana tany amidy. Vavak’izy ireo ny alina ny salamo 15, hiventesany fa i YHWH no hany zara lova (מָנָה – mānāh) ho azy ireo (Sal 15,5). Ny fivarotana ny tany, araka izany ho an’i Barnabe, dia fidirana ao amin’ny hasambaran’ny Evanjely, fidirana ho “mahantra” (μακάριος – makarios, béni de Dieu) araka ny Evanjely, ka tsy ho azon’ny fakam-panahin’ny fitahirizana ny harena ho zavatra azo ianteherana: “Andriamanitra irery ihany no azo hifefena (חָסַה – hāsah, hiafenana mba hiarovan-tena), Izy irery ihany no tena fananana (טוֹב ṭōbh, Izy no soa fanaperana)” (Sal 15,1-2), izany hoe tsy misy soa mihoatra noho Andriamanitra.
Tsy fanasitranana tahaka ny ataon’ny mpimasy sy ny mpisikidy anefa no nataon’ny Apôstôly fa izay nataon’i Jesoa ihany: mitia sy mikolokolo izay mijaly sy andevozin’ny herin’ny maizina. Ary raha tsy maintsy hiandry fahagagana ihany dia izay no mila andrasan’ny Egliziny ankehitriny: fiainana ny Evanjely.
Ambaran’i Joany, amin’ny Fanambarana anehoany ny endriky ny Eglizy antsoin’i Kristy amin’ny fanasany mandrakizay, fa tsy misy lalan-kafa hahafahana mivoaka avy amin’ny afobe (fiainana lavitra an’Andriamanitra) ka hidirana amin’ny fiainana raha tsy mandalo amin’Ilay Tafatsangan-ko velona. Mampiasa kisarisary moa izy entiny hanehoana ny fiandrianan’i Kristy Tafatsangan-ko velona. Eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito, araka ny fombafomban’ny amperora tamin’izany, no asiana ny sarivongan’ny andriamanitra na ny sarin’ny tenany manao azy ho andriamanitra mba hotompoina sy ankalazain’ny vahoaka. Tsy sarivongana anefa no eo fa ny Zanak’olona, ilay Zanak’Andriamanitra tonga olombelona tokoa, maty fa nitsangan-ko velona, miankanjo akanjo rebareba, manao ny fanamian’ny Mpisorona satria izy no mpisorom-be niakatra namakivaky lanitra, nihetra fehikibo volamena toy ny Mpanjaka, dia izy ilay Mpanjaka tokan’ny tany sy ny Lanitra, Azy ny fahefana amin’ny taona rehetra sy amin’ny fiainana rehetra ka ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny afobe dia nomeny koa ny Egliziny (Mt 16,18) izay manotrona sy mankalaza azy ilay Velona eo anivon’ny fanaovan-jiro fito, manambara ny Eglizy manontolo. Izany fahefana izany kosa no tantarain’ny Evanjely fa nomeny ny Apôstôly amin’ny alalan’ny Fanahy izay tiany hamelona ny Egliziny.
Ankoatry ny mety ho fanampiana antsika handresy ny fisalasalana sy ny falainan-kino, toa an’i Md Tomà Ilay Kambana, dia avoitran’i Md Joany amin’ny Evanjely anio koa ny hasin’ny Alahady, andro voalohany. Eo no hahafahana mahita an’i Kristy. Tsara marihina fa tsy mampiasa ny teny hoe “miseho” i Joany, ny miseho manko dia olona na zavatra hita teo dia manjavona dia mety mipoitra indray. Tonga izy ka “mitsangana” (ἵστημι – histèmi) eo afovoany, miaraka amintsika mandrakariva. Izy no nampanantena fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarany dia eo afovoany Izy (Mt 18,20). Marihin’i Joany fa efa hatramin’ny andron’ny Apôstôly no nivoriana isaky ny andro voalohany (alahady), ka izay tsy manatrika izany dia toa an’i Md Tomà, very fotoana fanararaotra (occasion) mba hihaonana amin’ilay Velona ka handraisana ny Fanahiny. Izay tsy miombom-po sy miara-mivavaka amin’ny hafa araka izany dia tsy ho tafahaona amin’ny Tompo (Kurios) nitsangan-ko velona, tahaka an’i Md Tomà, kanefa kosa, voaantso koa mba hibebaka sy hiverina eo anivon’ny Fiangonana hanavao ny finoany
Manoloana ny fahatsapantsika ny fahalemena sy ny fahotana dia manolo-tanana ho antsika ilay Ray Mpamindra fo, amin’ny alalan’ilay Zanany nitsangan-ko velona. Tsy kisendrasendra àry araka izany raha raiketin’ny tso-drano ataon’ny pretra amin’ny fiandohan’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fampihavanana ny hoe: Enga anie Andriamanitra nanazava ny fontsika [tamin’ny Finoana] mba hanampy anao hiaiky marina fa nanota ianao, ary Izy kosa be indrafo. Indraindray anefa adinontsika fa tsy fampanginana ny feon’ny fieritreretana fotsiny ny kônfesy fa fanovozana fahasoavana hihavaozana tanteraka koa. Izany no hahafahantsika mahazo fa amin’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fampihavanana dia tsy tokony hohadinoina ny Famakiana sy fandinihana ny Tenin’Andriamanitra (takian’ny fankalazana ny Sakramenta rehetra moa izany, Jereo ny firafitry ny sakramenta sy ny torolalana nandaharan’ny Eglizy azy ao amin’ny Vavaka sy Hira pejy 179 sns).
Mazàna anefa adino izany, ary adino koa ireo dingana dimy lehibe mandrafitra ny Kônfesy tsara araka ny katesizin’ny Fiangonana: 1- Fiantsoana ny Fanahy Masina, famakiana ny Tenin’Andriamanitra sy fandinihin-tena; 2- fanenenana marina tokoa amin’ny fahotana vita; 3- Fikasana hiova ka hitadiavana izay fomba handresena ny ratsy; 4- filazana amin’ny pretra ny fahotana mba hangatahana famelana avy amin’Andriamanitra (kônfesy); 5- asa fanonerana (fivalozana) sy fangataham-pahasoavana.
Matetika dia heverintsika fa ilay faha efatra ihany no zava-dehibe. Tsy mandeha ho azy anefa ny fiainana am-panahy fa miankina amin’ny fikolokoloana ataontsika. Ny fankalazana ny famindram-pon’Andriamanitra dia manampy antsika indrindra indrindra hahatsapa ny halehiben’ny fitiavany ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Famindram-pony. Io famindram-po io ihany no hahafahantsika miandrandra ny Paradisa. Ataon’ny olona iray ahoana moa no ho sambatra mandrakizay, raha sanatria tsy mahatsiaro ho voavela heloka izy ary ho vokatr’izany tsy hahavita ny hamela heloka, ka raha sanatria ny olona mampivonto ny fony no hiara-midera an’Andriamanitra aminy mandrakizay, satria namindran’Andriamanitra fo tahaka azy koa! Ary izy rahateo ho menatra hiseho eo anatrehan’Andriamanitra!
Fanomezan’i Kristy nitsangan-ko velona ny Fanahy Masina manafaka ny fahotana. Indraindray anefa na isika katolika aza milaza fa tsy ilaina ny mikônfesy, inona no hataoko any amin’ny pretra izay manao izay hahafa-baraka ny Fiangonana amin’ny fitondrantenany mamoafady dradradradraina etsy sy eroa, hoy ny sasany? Mahamenatra tokoa ny zava-mitranga sy ny fahalemena mbamin’ny tsy fitandreman’ny olom-piangonana, saingy tsy mampiova ny hasin’ny sakramenta tsy akory ny tsy fahamasinan’ny mpisorona. Mialoha ny Kômonio, moa tsy mivavaka ve isika mba “tsy hijery ny fahotan’ny mpivavaka Andriamanitra fa ny Finoan’ny Fiangonany?” Ny avonavona vokatry ny tsy fahampian’ny finoana dia mety hahatonga antsika hanosi-bohon-tanana ny fahasoavan’Andriamanitra, ka hihevi-tena ho mahavita tena, tsy mila na iza na iza, mba hanamasin-tena, ka sanatria hisintaka tahaka an’i Tomà, tsy hamonjy na dia ny fiangonana Alahady aza.
Amin’izany Fiangonan’Alahady izany koa no handraisantsika ny fiadanany homeny antsika, tsy fiadanana araka an’izao tontolo izao (Jo 14,27). Tsy mandeha ho azy ny fandresena ny tahotra mangeja antsika. Tsy dia mifanalavitra amin’ny Apôstôly loatra isika: Andriamanitra nampidanadana na dia ny fasana aza, ny Apôstôly kosa vokatry ny tahotra, dia nanidy hatramin’ilay Senakla, izay toerana naorin’i Kristy ho sakramentan’ny fitiavana, nanidy ilay πανδοχεῖον (pandocheìon, pas-dechomai), toerana tokony “handraisana ny olon-drehetra” (Lk 10,34), tokony hamohàna trano sy hanolorana sakafo na dia ho an’izay hamadika aza (Jodasy) ary izany no maha-katôlika ny katôlika. Ny fiadanany no handresentsika ny tahotra.
Tsy i Tomà (ilay Kambana, satria sady manan-toetra roa no mitovy toetra amintsika) irery anefa no sahirana amin’ny finoana an’i Kristy tafatsangan-ko velona. Ambaran’i Marka fa na ireo niara-nihinana koa aza dia tsy nino an’i Jesoa sady nanamafy ny fony (Mk 16,14). I Tomà no lazain’i Joany fa niantso an’i Jesoa hoe “Rabý” (Le grand, Jo 1,38), anaram-panajàna nolazain’i Jodasy irery ihany ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio (Alahady Sampankazo Mt 26, 49). Saingy izy ihany koa no nahazoantsika ny fitsaohana lavorary indrindra ho an’i Jesoa mitsangana eo anivontsika: “Tompoko sy Andriamanitro”, Andriamanitra iray ihany amin’ny Ray (Jo 10,30).
Tsy misy porofo hafa hahafahantsika mitsapa an’i Kristy tafatsangan-ko velona anefa raha tsy ny fiarahantsika mivavaka amin’ny mpianatra isan-kalahady. Tsy azo adinoina anefa, fa mety ho sakana ho an’ny hafa ny fiainantsika tsy mifanaraka amin’ny fiadanana omen’i Kristy. Ataon’i Md Tomà ahoana kosa moa no hino fa nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, raha toa ka herinandro taorian’ny nanomezany ny Fanahiny sy ny Fiadanany, ireo Mpianatra nilaza nahita Azy, mbola mihidy aman-trano noho ny tahotra! Mila mandinin-tena mandrakariva isika mpino sao sanatria ny fomba fiainantsika no zary sakana tsy hidiran’ny olona amin’ny finoana.
Fa na banga aza anefa izany fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo izay nitantara amintsika, dia Izy Jesoa no hiangaviany antsika mivantana hikasika ny tanany voafantsika, izay manambara ny fanekeny hanao soa toy izay hiaro tena na hamaly faty; hikaika koa ny lanivoany voalefona, loharanon’ny sakramenta nomeny antsika mba hohanina, hivelomana ka hahatonga ny fiainantsika ho taratry ny fiainany sy ny famindram-pony. Tsy sakana fa lalana mitondra amin’ny fiainana ny hazofijaliana.
Isaky ny havaloana Izy no miantso antsika hanao izany. Anjarantsika ny manaraka ny dian’i Tomà, mety hilaza toa azy koa isika, mahita an’i Jesoa hiakarana any Jerosalema hoe: “ndeha hiakatra hiara-ko faty Aminy any” (Jo 11,16), saingy raha fantatsika fa lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana no atoron’i Jesoa amin’izany dia tsy hanan-tsafidy isika raha te ho sambatra. Atao ahoana tokoa moa no hahalala ny lalana raha tsy fantatra ny anton-dia sy ny tanjona hotratrarina? (Jo 14,5). Izay vao mazava amin’i Md Tomà fa ny fanoloran’i Jesoa ny tenany hofantsihina no lalana nidirany indray any amin’ny voninahitry ny Ray. Izay vao fantany fa i Jesoa sy ny Ray dia iray ihany: i Jesoa no ilay Tompo sy Andriamanitra.
Enga anie hitombo ao amintsika ny fahitana an’i Jesoa eo anivontsika, ka hisokafan’ny fontsika sy ny saintsika amin’ny Teniny, hitafiantsika ny Fanahiny ka hahatonga antsika vavolombelon’ny Famindram-pony. Tsy afaka ny ho faly izay mbola rotidrotehin’ny lonilony sy ny valifaty, ny fialonana sy ny faharatsiana. Tsy ho fihatsaram-belatsihy anie ny fanehoantsika fiadanana isan-kerinandro fa ho tena famelana tokoa ho an’ny olombelona rehetra ao am-pontsika ao, ὁμοθυμαδόν (homothumadon), iray fo.
Izay no hampisokatra ny Senakla ho an’ny olona rehetra, ka na dia i Jodasy aza dia ho voasasa tongotra sy ho tsara fahana, satria tsy ho afaka ny ho sambatra intsony raha mbola misy zanak’Andriamanitra tsy notiavina.