Alahady faha-enina mandavantaona Taona A
Tano ao am-po ny didin-janahary, fa fototry ny soa.
- Siraka 15, 15-20
- Salamo 118
- 1 Korinto 2, 6-10
- Matio 5, 17-37
Lalan’ny Fahendrena ny Lalàn’YHWH, ny Torah (Bar 3, 27; 4, 1). Lalana atorony ny tsirairay mba hahatongavana any amin’ny fahasambarana nampanantenainy ho an’ny Vahoakany. Tsy tonga handrava izany fandaharan’Andriamanitra izany, mazava loatra i Jesoa fa tonga mba hanatanteraka. Ambarany ihany koa fa tahaka ny Teny mivoaka avy amin’ny Ray ka tsy miverina raha tsy mahatanteraka izay nanirahana azy no tsy maintsy hahatanterahan’izany fandaharan’Andriamanitra hitondra ny Vahoakany ho any amin’ny Fanjakany izany.
Indraindray ny fiheverana ny lalàna dia fanasaziana sy fandraràna ihany, kanefa raha lalàna natao am-pahendrena dia ny lalana mitondra mankany amin’ny fahafatesana no sakanany fa tsy ny fahalalahan’ny olona sy ny fahafahany sanatria. Izay no mahatonga an’i Jesoa milaza fa tsy misy afa-tsy ny fananaterahana ny Lalàna no lalana mitondra mankamin’ny Fiainana, mitondra mankamin’izay nampanantenain’YHWH. Ny lalàna manko raha tanteraka dia mitondra mankany amin’ny sitrapon’izay namoaka azy.
Na eo aza anefa izany sitrapon’ilay “tapitr’ohatra” amin’ny fahendrena sy ny fitiavana, dia eo koa ny sitrapon’olombelona izay afaka misafidy malalaka izay tiany, ary mampalahelo raha sanatria hisafidy ny afo handoro ny tanana na hisafidy ny fahafatesana. Ambaran’i Siraka anefa (Vak I Sir 15, 20) fa tsy misy nahazo fahazoan-dalana hanota na iza na iza.
Tsy an-tery anefa fa am-pitiavana no hitandremana ny didy: “raha sitrakao dia hitandrina ny didy ianao, miankina amin’ny sitraky ny fonao”, hoy i Siraka tamin’ny vakiteny I ary ny fitiavana hoy i Md Paoly no fahatanterahan’ny Lalàna (Rom 13, 8), satria ny ho taratry ny fitiavany, ho sira (Fanisàna 18, 19) haneho ny Fanekem-pihavanany tsy mivadika no andrasan’Andriamanitra amintsika (alahady faha-V). Lalana mitondra amin’ny fitiavana araka izany no atoron’ny Lalàn’Andriamanitra antsika ka arakaraka ny hitomboantsika amin’ny fitiavana no maha-lehibe antsika eo anatrehany. Izay te ho lehibe, araka izay no hanompo bebe kokoa, ho tia bebe kokoa (Mk 10, 43).
Tsy misy olona tsy maniry ny ho lehibe koa raha mbola olona misaina, saingy mety ho voafitaky ny halehibeazana araka an’izao tontolo izao, ny fisainana ka handìka ny lalàn’Andriamanitra mba hahazoana fahafinaretana sy voninahitra eo anatrehan’ny olona. Misy faniriana ny ho lehibe ka tsy ho voabaikobaikon’ny raiamandreny na ny mpanabe. Tsy fitomboana amin’ny fahendrena izany fa fizorana amin’ny fahaverezana.
Ny maha-lehibe, atoron’ny Evanjely dia ny fianarana tsianjery ny lalana mitondra mankamin’ny fiainana. Raha mbola zaza manko isika, mbola beazina, dia misy ny hafa (mpanabe na raiamandreny) manoro lalana, manampy hahatsiarovana ny Lalàna.
Tahaka ny torolalana rehetra anefa izany, tahaka ny “voyage” mankamin’ny toerana iray, mora ny manaraka ny torolalana, saingy ho avy ny andro tsy haha-eo azy ireny intsony, misy koa tranga sasany, mety hanimba na tsy hampahazava ny “panneau”, simba na voasoratroratra… indraindray aza ovan’ny maty heritreritra mihitsy. Saingy raha nianarantsika tsianjery ny toromarika, na tsy eo aza ireny zavatra ivelany ireny, azo atao ny manohy ny dia satria fantatra ny sampanana hivilianana mba hahatongavana any amin’ny tanjona.
Tsy mitahiry ho an’ny tenany samirery koa anefa no maha-lehibe ny olona fa ny fahaizany “manatanteraka” sy “mampianatra” izay lalàna atoron’ny fitiavana, ny fahalalan’ny hafa ny lalan-kizorana dia mampitombo ny mpiara-dia, hizotra mankamin’ny tanjona. Tsy misy fahasambarana maniry ny hitokantokana sanatria.
Tsy afaka amin’ny olombelona amin’ny maha-olombelona azy ny fanoharana ny fiainany amin’ny fiainan’ny hafa, ka hakàny tsoa-kevitra avy amin’izany, saingy miankina amin’ny fahamatoran’ny tsirairay kosa ny mety ho tohin’izany fifampitahana izany, na hitondra amin’ny fivoarana na tsia. Misy ohatra ny mijery ny ataon’ny besinimaro dia mionona, mandrimandry manana aretina satria hoe: “ny olona rehetra aza tahaka izany”. Amin’ny Evanjely anio dia ny Farisiana sy ny Mpanora-dalàna, sokajin’olona roa fatra-panaraka ny lalàna sy mahatandrin-tena amin’ny zavatra rehetra, hatramin’ny madinika indrindra, no asain’i Jesoa hampitahantsika ny fiainantsika, raha te hiditra amin’ny fiaianana isika.
Izany fidirana amin’ny fiainana izany dia fitadiavana ny fomba hialana amin’ny fandrika mety hiviliana tsy hanaraka ny Lalàna: “Mampitombo ny fahamarinana mba ho lehibe kokoa noho ny an’ny farisiana sy ny mpanora-dalana” (Mt 5, 20). Ny Lalàna (Torah) no faratampon’ny fahamarinana takatr’ireo Jody. Izany lalàna izany koa no mila hiainantsika satria ny fahatanterahan’izay kendreny no mampiditra antsika amin’ny fiainana feno hasambarana. Torolalana manko ireo, ka izay no nahatonga an’i Jesoa hilaza fa “tonga hanatanteraka ny lalàna sy ny Mpaminany” Izy (Mt 5, 17).
Nanana ny fahendreny ny Ntaolo fa isika kosa matoky sy mino bebe kokoa ny fampianaran’i Kristy. Tsy ny tahotra ny fitsarana no “tsy hamonoana olona” satria izay mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana (κρίσις, krisis) ary izay milaza fa “tsy misy ilana azy” (ῥακά, rhakà = vaurien, imbécile-imbecillis=malemy ohatry ny kankana) ny rahalahiny dia tokony hohelohin’ny Sanedrìna, ary izay milaza azy ho “foka” dia hosaziana amin’ny gehen’afo (Azo jerena ny 2 Mpanjaka 21,6 amin’ny nisoronan’i Manase ny zaza amin’ny sampy Moloch, ka nahatonga ny Lohasahan’i Ben- Hinnom, atsimo andrefan’i Jerosalema ho vavahadin’ny Demony, ho Gehen’afo fandoroam-pako). Mazava ny fomba fijerin’i Jesoa. Raha olona tsy misy ilana azy na adala sy votsa saina no eo anoloanao dia voaaontso ianao mba hanome tanana azy. Mampisy heviny ny fiainana izany fanoloran-tena ho an’ny fahasambaran’ny hafa izany, ka “ny fanaovana izay tianao hataon’ny olona aminao” no fahatanterahan’ny lalàna, dia ny lalàn’ny fitiavana. Raha sanatria ary ho avy izay andro maha-osa anao, tianao ve ny hihomehezan’ny olona sy hohafokafokainy?
“Ny adalan’ny tena tafian-damba”, hoy ny Ntaolo, fa tsy hihomehezana. Ka raha hitezeranao izy (ὀργίζω, orgizo moa araka ny fototeny ὀργή, orgè dia milaza ny hatezerana te hanasazy, te hamaly faty), raha ambanianao izy, raha afokainao izy, dia alanao baraka (sy ozoninao) araka izany ilay havanao, ilay rahalahinao, ary raha tsy fahafahambaraka ho anao izany, dia ny Ntaolo ihany no hitsara anao, ary ianao kosa mila handini-tena hoe: inona moa no hilana ahy!!!
Izany no iezahana mandrakariva mandinika sao mitondra alahelo ho an’ny hafa ny fiainantsika, satria fahafaham-baraka sy fahaverezan’ny hasin’ny fiainana eo anatrehan’ny olombelona izany, fa indrindra eo anatrehan’Andriamanitra. Noraisin’ny kristianina am-pahendrena ny fampianaran’i Jesoa fa tsy afaka ny hanolotra fisaorana izay tsy niaina ny fitiavana ka tsy nangata-pamelàna, tsy nisatry fihavanana. Ohatra amin’izany ny voalazan’ny “Didakè” hoe “Amin’ny andron’ny Tompo, izay tsy mihavana amin’ny namany dia tsy tokony hiangona miaraka amintsika mialoha ny hiavanany mba tsy hahavoaloto ny Tolotra ataontsika” (Didakè 14, 1-2).
Ny famelana sy ny fihavanana no fanohitra hiadiana amin’ny vono olona sy ny valifaty. Ambaran’i Jesoa fa lalana tsy maintsy diavin’izay te ho any amin’ny fiainana izany fampihavanana izany. Tsy ho afa-bela amin’izany izay tsy te hihavana fa handoha hatramin’ny variraiventy farany. Tsy ho afaka ny ho sambatra na oviana na oviana izay miondana amin’ny fahorian’ny hafa. Mety hihevi-tena ho sambatra izy, fa na ho ela na ho haingana, ny tsirairay (raha mbola manan-tsaina koa, ka ho asan’izay te ho adala) tsy maintsy hamaly ity fanontaniana ity: “nataoko inona ny fiainako? Nampiasaiko hanaovan-tsoa ve sa nampiasaiko hitiava-tena sy hitadiavan-tombontsoa manokana, ka izany no hanakana ahy tsy hiditra amin’ny fiainana mandrakizay?”
Afaka miova sy miha-tsara avokoa isika ka ny fialàna amin’ny ratsy dia fitsanganan-ko velona, fidirana amin’ny fiainana, hihoarana ny fahamarinana mety mitondra amin’ny fanavakavahana (Φαρισαῖος Pharisaios, avy amin’ny פָּרַשׁparash, manavakavaka). Hanangan-ko velona antsika rehetra anie ny Fanahy Masina, ka tsy ho azon’ny avonavon’ny farisiana ka hanilika izay tsy mitovy fihevitra sy tsy afa-manaraka ny lalàna toa azy, hahay handray ny olona rehetra ho mpiray tam-po, ary hahay hiavana amin’izy rehetra.
Manohy ny fandinihana ny Lalàna ny Evanjely: Aza mijangajana.
Inona no lazain’ny Evanjely momba ny fijangajangana sy fisaoram-bady? Misy zavatra enina moa lazain’i Jesoa (Mt 5, 21-48) raha tiantsika ny hihoatra ny fahamarinan’ny farisiana sy ny mpanora-dalana. Aza mamono olona: tsy manameloka fotsiny izay mamono olona anefa Izy fa manameloka ihany koa izay manakana ny hafa tsy ho sambatra sy ireo manao tsinontsinona ny fahalemena sy ny mety ho kileman’ny hafa ka manambany azy.
Eo koa ny mikasika ny fiainam-piombonana eo anivon’ny fianakaviana sy ny tokantrano. Tsy ny fijangajangana voararan’ny lalàna (Eks 20, 14; Det 5, 18) ihany manko no mety hanakorontana ny fiainam-pifankatiavana fa poizina mamono izany ihany koa ny fitsiriritana, izay voararan’ny Lalàna ihany koa (Eks 20, 17; Det 5, 21). Ho an’i Jesoa, ny ati-fo lalina no ikotrehan’ny fahalotoana ny poizina mahafaty avy aminy ka ipoiran’ny ratsy rehetra. Na ny maso na ny tanana, varavarana idiran’ireo fitsiriritana ireo, dia mila folahana sy beazina. Io moa no ampianarina amin’ny hoe “mortification”. Tsy zavatra mandeha ho azy ny fahaizana mifehy tena, indraindray mitaky fahafoizana sy fandavan-tena, hatramin’ny “fanesorana ny maso ankavanana” na ny fanapahana ny “tanana havanana” izay noheverina ho mavesa-danja noho izay tazonina ho an’ny tena.
Tamin’ny andron’i Moizy dia voatery manome taratasy fisaoram-bady izay mieritreritra ny hisaraka. Ny antony moa dia mba hiarovany ny zon’ny vehivavy izay matetika voaroaka, ka raha sanatria manambady tsy misy io taratasy io dia azon’ilay tompom-bady endrikendrehana ho nijangajanga, ka vonoina toraham-bato. Ny fanambadiana tsy maintsy sarahana araka ny lalàn’i Moizy dia izay mety mitranga amin’ny iray ra (mpihavana: Lev 18). Ny hamafin’ny fon’ny olona no nahatonga an’i Moizy hanome alalana hisao-bady, hoy i Jesoa (Mt 19, 8), fa ny fandaharan’Andriamanitra dia ny hiraisan’ny mpivady ho nofo iray mandrakizay. Mariky ny fitiavana ny faniriana ny haharitra ho doria.
Tsy fanaovana tsinontsinona ireo mijaly am-panambadiana tsy akory izany, kanefa kosa eo indrindra no iantsoana sy hanohanana azy ireo hijoro ho vavolombelon’ny fitiavana, hanambara amin’ny fiainany sy ny faharetany fa “mahery noho ny fahafatesana ny fitiavana ka ny tondra-drano tsy hahafaty ny afony” (Tononk 8, 6-7). Izay mino an’i Kristy manko dia antsoiny hanambara ny fitiavany amin’ny fiainana ny sakramenta, ary manokana amin’izany ny Fanambadiana, hoy i Md Paoly (Efez 5, 32).
Araka ny filazan’ny mpandalina Baiboly sasany dia nandritra ny sesitany tany Babilonina no nanazoan’ny Israelita fahazaran-dratsy maro, ka anisan’ireny ny fianianana. Heverina fa tsy azo inoana ny zavatra iray raha tsy asiana fianianana na teny ratsy kely. Tsy izy ireo ihany anefa fa na aty amintsika aza dia misy miozona sy mingosy mihitsy mba hanamarinany ny zavatra lazainy, tahaka an’i Piera niozona, nianiana (ἀναθεματίζω anathematizo, Mk 14, 71) nilaza ho tsy nahalala an’i Jesoa.
Mba tsy hanononana ny anaran’Andriamanitra (satria voararan’ny Lalàna) dia nosoloina fiozonana amin’ny tany sy ny lanitra sy amin’ny lohan’ny tena na amin-javatra hafa ny fomba. “Aza mianiana akory na amin’ny lanitra na amin’ny tany”, hoy i Jesoa. Inona tokoa moa no ilàna ny fianianana raha toa ka miaina ny fitiavana? Midika tsy fifampitokisana manko ny fianianana ka ho an’i Jesoa dia tsy azon’ny mpianany atao izany, tsy afaka ny ho roa lela ny mpianatra fa tokony hanana valinteny mazava.
Ny vokatr’izany eo amin’ny fiainana, ankoatra ny tsy fifampitokisana dia mampiseho ihany koa toe-tsaina mino fa andriamanitra mpamaly faty ny Andriamanitsika, ka handringana ny mpandainga sy hamaly faty ny mpamitaka.
Izay te hahita an’Andriamanitra dia miezaka ny manadio ny fony mba tsy ho voazarazara ka hanaraka ny torohevitr’i Md Paoly hoe: “Ario ny lainga ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampi-ratsambatana avokoa isika rehetra” (Ef 4, 25), hanesotra ny “faharatsiana rehetra, ny fitaka rehetra, ny fiatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny faharatsiana rehetra”, araka ny hafatr’i Md Piera (1 Piera 2, 1).
Hanaiky ho tarihin’ny Fanahy fahamarinana (Jn 14, 17) anie isika ka hitombo fitiavana ho fanatanterahana ny lalàna hahasambatra antsika sy hahatonga antsika koa ho antom-pahasambaran’ny hafa.