Alahadin’ny Mpiandry ondry tsara
Alahady faha-efatra Paka:
Alahadin’ny Mpiandry ondry tsara
Nandritra ny herinandro fahatelo fankalazana ny Paka no namakiana ny toko faha-6 manontolon’i Joany nampianaran’i Jesoa antsika ilay Mofo avy any an-danitra, antoky ny fiainana mandrakizay ho an’izay mihinana Azy.
Ny alahady faha-efatra, alahadin’ny Mpiandry Ondry tsara, dia vakiana kosa ny Evanjely araka an’i Joany (Jo 10, 1-30) : i Jesoa ilay vavahadin’ny ondry (taona A : Jo 10, 1-10), mahafohy ny ainy ho an’ny ondriny (taona B : Jo 10, 11-18) ary manome ny fiainana mandrakizay izay manaraka Azy (Taona D : Jo 10, 27-30). Izany no antony hivavahana manokana ho an’ny mpitondra Fiangonana sy ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy ho relijiozy amin’ity alahady ity, mba hahafahan’izy ireo hijoro ho vavolombelona hahatarika ny vahoaka hanaraka ilay Mpiandry tokana ihany dia i Kristy.
Ny fanirian’ny olona dia ny mba hisy mpiaro, ny hahita olona azony hihazakazahana raha sendra ny sarotra sy ny manahirana. Indraindray anefa miantsampy eny an-tanan’ny olom-pamitaka sy jiolahy, manararaotra ny androm-pahalemena sy androm-pilàna mba hamitahana, hangalarana sy hanandevozana. Mba tsy hampilatsaka anatin’izany fandrika izany dia mila mahay manavaka ny feon’ilay Mpiandry ondry tsara tarehy (καλός kalos), mba hahafahana mandry ivohon’ny vato satria Izy no afaka manome ny fiainana mandrakizay ho an’izay manaraka Azy.
I Jesoa no varavaran’ny fiainana, « tonga mba hananan’ny ondry ny Fiainana, sady hananany azy amin’ny hafenoany » (Evanjely).
Hatramin’ny taona 1964 dia natokan’i Md Paoly VI, Papa, hivavahana manokana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ny andro anio (alahady IV Paka).
Amin’ny hafatry ny taona 2023 (LX) dia ampahatsiahivin’ny Papa François antsika manokana fa tsy afa-misaraka ny fanomezam-pahasoavana omen’Andriamanitra sy ny iraka ampanaoviny izay nofidiany, iraka azo avondrona amin’ny antom-pisiana tokana nahariany antsika rehetra dia ny hitia. Tsy misy afa-tsy ny fifikirana amin’i Jesoa sy ny fiombonan’aina Aminy no hahafahana maharitra sy ho sambatra amin’ny famaliana ny antso.
Tsy voafetra ho Fivavahana ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy Relijiozy ihany anefa ny fiantsoan’Andriamanitra, na dia natao handinihana ny sakramentan’ny Filaharana manokana ity alahady ity, araka ny drafitra “mystagogique” amin’ny vanim-potoan’ny Paka, araka ny voalaza teny am-piandohana.
Amin’ilay vavaka ataontsika ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra (Dera pejy 314),[1] dia fangatahana « mpiasa » ho an’ny Fiangonana no ataontsika : pretra masina, relijiozy mahafoy tena, Apôstôly lahika vonton’ny fitiava-namana. Adidintsika ny mivavaka ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra, ary tsy azo adinoina fa tokana ny antso lohaloha lanitra hifanojoan’ireny antso rehetra ireny dia ny fahamasinana: ny “ho masina tahaka ny Raintsika izay Lavorary” (Mt 5, 48).
Ny Andro hivavahana ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra dia fikarohana sy ny fanamafisana ny sitrapon’Andriamanitra (Projet de Dieu) eo amin’ny fiainan’ny tsirairay (Hafatr’i Papa François 2020). Tsy dia hoe safidin’ny olona loatra, hoy ny Papa fa valinteny omen’ny olona amin’ny antso maimaim-poana ataon’Andriamanitra. Fitokisana izany ka mendrika fankasitrahana, na dia eo aza ireo sedra maro isan-karazany izay mitaky koa ny herim-pon’ny olombelona (courage). Ary “ny tanjona hifaharan’ny Fiantsoan’Andriamanitra rehetra dia ny hisokafan’ny fiainantsika amin’ny fiderana Azy, izay fikolokoloana ny toe-panahin’i Masina Maria, ilay nahay nankasitraka tamin’ny safidy nataon’Izy Ray, ary nanankina tam-pinoana ny tahotra sy ny tebiteby, ka namaly tamin-kerim-po ny fiantsoana azy, ka nahatonga ny fiainany manontolo ho antsa fiderana mandrakizay ho Azy Tompo”.
Ao amin’ny hafenoan’ny fiainana tian’i Kristy ho antsika rehetra no hahafahana manandrana koa ny hafenoan’ny hafaliana. Ny lalana mankamin’izany dia alalinintsika amin’ity herinandro faha-efatra ity, amin’ny famakiana ny toko 10-13 n’ny Evanjely araka an’i Md Joany : ny fihainoana ny tenin’i Kristy sy fitandremana azy no fanazaran-tena hahafahana manavaka ny feon’Ilay Mpiandry tokana amin’ny feo hafa rehetra mety hamitaka. Tsy mora ny hiaino ny Teniny ao anatin’ny tabataban’ny tontolo manodidina antsika.[2] Ny fahazotoana mihaino ny fampianaran’ny Apôstôly (διδαχή didaché), iray amin’ireo andry efatra ijoroan’ny Eglizy (Alahady II Paka Asa 2, 42-47) no azo antoka indrindra hikolokoloana ny sofina tsy ho voafandriky ny fanangolen’i Satàna.
Sarotra ny hanaraka Andriamanitra mitafy ny fomban’olombelona, miray petsapetsa amin’ny mpanota, mitady ny soa ho an’ny vahoaka nefa toa tsy niraika akory rehefa nivadiany sy nohorakorahany mba hofantsihana amin’ny hazofijaliana, ary rehefa voasambotra sy nentina am-patorana, ary toa tsy mamaly sy tsy manohitra akory, tsy mahagaga raha fanintelony no nilaza ho tsy nahafantatra Azy hatramin-dry Piera (Mk 14, 71).
Taona A
I Jesoa no varavaran’ny Fiainana
- Asa 2, 14a. 36-41
- Salamo 22
- 1 Piera 2, 20b-25
- Md Joany 10, 1-10
Ny Tenin’Andriamanitra dia tokony hanako ao am-pontsika ka hahatonga antsika koa hametraka fanontaniana hoe « Inona ary no tokony hataonay? » (vakiteny I). Izay avy namaky na nihaino ny Tenin’Andriamanitra ka tsy mahita akory ny tsara hohatevenina, ny madilana hotentenana sy ny maito hotoizina eo amin’ny fiainana, dia mazava loatra fa tsy mbola voakasiky ny Teny, tsy mbola nandray ny Teny fa nisafosafo azy fotsiny. Izay manaiky handray ny Teny ka manaiky hovany no afaka mandingana ny tokonam-baravaran’ny Finoana (Porta fidei).
“I Jesoa nofantsihana tamin’ny hazofijaliana iny no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”. Amin’ny andininy mialoha ity vakiteny I ity (and. 34) dia mitanisa ny Salamo 109 i Md Lioka, ampahatsiarovany antsika fa “ny Tompo (YHWH) nilaza tamin’ny Tompony (Mesia) mba hipetraka eo an-kavanany”. Tompo (κύριος Kyrios, ) moa no nandikàna ny Adonai, izay nentin’ny Jody hamakiana sy nanononana ny anarana tsy azo tononina YHWH, ary nentin’izy ireo koa niantso ny Mpanjaka-Mesia, fa nentin’ny Kristianina kosa hilazana ilay “Tompo” nasandratra eo an-kavanan’Andriamanitra (Mk 12, 35-37), Izy ilay Teny nahariana ny tontolo, niala tamin’ny fomba naha-Andriamanitra Azy (Fil 2, 11) fa natsangan’ny Ray ho Tompo, eo an-kavanany, izany hoe ho Tompo haneho ny fiandrianan’Andriamanitra, “tanan-kavanana” irakiraka manao ny asa, ka noho izany dia amin’ny alalany no hanasoavan’Andriamanitra antsika sy hanomezantsika kosa voninahitra an’Andriamanitra.
Avy amin’ny alalany no andraisantsika ny Fanahy Masina avy amin’ny Ray, ny fiantsoana ny anarany sy ny fanaovana batemy antsika amin’ny anarany no idirana amin’ny famonjena. Ary noho Izy ilay “Kristy”, voahosotr’Andriamanitra, ho an’Israely araka ny fampanantenana sy ny Soratra Masina, dia manankery hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy, hiray aina Aminy ka hibebaka sy ho voavela heloka (1), hatao Batemy amin’ny anaran’i Jesoa (2) ary handray ny Fanahy Masina (3), ireo dingana telo nolazain’i Md Piera fa lalan-kizoran’izay te hanova ny fiainany mba hidirana ao amin’ny hafenoan’ny fiainana.
Izany no amafisiny amin’ny Vakiteny II: « Mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, ka ho velona kosa amin’ny fahamarinana » (vakiteny II 1 Piera 2, 20-25), tsy noho ny herintsika samirery, fa noho i Kristy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambony hazofijaliana. Nanome ohatra hotahafintsika Izy: tsy nanota akory, na mba niloa-bava hilaza fitaka velively, notevatevaina nefa tsy nandrahona, tso-drano sy vavaka no nasetriny ny fampijaliana sy ny fanamelohana ho faty. Izy no ilay Zanak’ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao, hahafaty antsika amin’ny ota ka hahavelona antsika amin’ny fahamarinana.
Tsy mora ny mahazo ny lazain’i Jesoa amintsika koa: hijanona ho zanak’ondry eo anivon’ny amboadia (Mt 10, 16). Hafatrafarany mafy ny mpianany mba tsy hivadika ho biby mahery fihetsika (toy ny liona mierona mitady izay harapany) eo anetrehan’ny fahavalo mety handrahona sy hifofo ny aina (tahaka ny amboadia). Ohatra ny Anjely, hoy i Md Lioka no fijerin’ireo tao amin’ny Sanedrina an’i Etiena voaheloka ho faty (Asa 6, 15). Ny mpianatra marina dia mijanona ho zanak’ondry mandrakariva. Izany no lalàna fototry ny fandresena ny ratsy: izay iharan’ny ratsy no mizaka azy ary rehefa mizaka azy nefa tsy manota ary tsy mamaly faty no maharesy azy. Izay mamaly faty dia mampitombo avo roa heny ny ratsy, farafahakeliny. Fandresen’ny ratsy ny valifaty.
I Kristy, Andriamanitra ankalazaintsika fa tonga nofo toa antsika, dia nandresy ny ratsy tamin’ny nanekeny ho faty toy izay hanota na hamaly faty. Ny feriny, ny dian-kapoka taminy, no nahasitrana antsika (Izaia 53, 5; 1 Piera 2, 24ss). Ny fahasitranana nanasitranany antsika dia ny amin’izay rehetra manakana antsika tsy ho faly, izay manakana antsika tsy hitia, tsy hamela heloka, tsy hizara, ka sanatria aza mitondra antsika amin’ny valifaty.
Ny aretintsika no nentiny ary ny fahoriantsika no nivesarany kanefa toa olom-boasazy no niheverantsika Azy, hoy Izaia. Ny fahamarinany eo am-piaretana ny fijaliana no zary fanafody hanasitrana ny aretim-pahotan’ny olona sy ho sorom-pifonana ho an’ny ota. Ny fahoriany no nampahiratra ny masontsika hahita hoe hatraiza ny haratsin’ny fahotana ary ny fandeferany dia hahazoantsika fampianarana fa tsy hitondra soa na oviana na oviana ny valifaty. Tsy ny mpanota ihany no mizaka ny sazim-pahotana, na ny marimarina kokoa ny vokatry ny fahotany, fa ny tsy manan-tsiny ihany koa.
Inona tokoa moa no hevitry ny fiainanao raha fahoriana ihany no hainao vokarina eto an-tany ho an’ny hafa, raha sanatria antom-pahoriana ho an’ny hafa no heverinao hanorenana ny hafasambaranao! Aza mamaly ratsy ny ratsy fa hitera-bokatsoa mandrakariva ny fandeferana, hoy Izaia Mpaminany ( tanisain’i Piera anio: 1 Piera 2, 21-25, vakiteny Zoma Masina), ary ny fahamarinana ijoroana hatramin’ny fahafatesana dia “hahitana taranaka”, “hahalava andro iainana” ary ho “fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra”, hahazoana voninahitra eo anatrehany. Namela fianarana ho antsika i Kristy mba hanarahantsika ny diany, hoy Md Piera (Vak II).
Ny fahatsapana izany fitiavana tsy hamaly faty na oviana na oviana izany, ny fitokisana fa i Jesoa no ilay Mpiandry mahatoky, eny fa na dia eo am-pamakivakiana ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza (Salamo setriny) dia manafaka ny tahotra noho ny tsora-kazo aman-tehina eny an-tanany. [Shebet (tsorakazo) sy mish’enah (tehina) dia mazava loatra, ny iray hanitsiana dia ny ondry, ny iray hivelesana ny fahavalo mitady handroba ny ondry (amboadia hoy ny evanjely).] Izay tian’ny Tompo manko no faiziny! Maharary ihany ny kapoky ny tsora-kazo indraindray!Fa izany no nolazain’i Md Paoly hoe : entin’Andriamanitra hahasoa izay tia azy ny zavatra rehetra (Rom 8, 28).
Raha hiverenantsika ny Evanjely, na dia ny Farisianina aza no itenenan’i Jesoa, dia ambaran’i Joany mazava fa tsy maintsy manazatra ny sofintsika isika raha te hanavaka ny feon’ilay Mpiandry tokana amin’ny feon’ny mpamitaka izay mampanantena tsy misy, mba hahazoana ny fontsika sy ny fananantsika tahaka ny nolazaiko teny am-piandohana, tsy hitondra amin’ny fiainana fa amin’ny fahafatesana.
Tsy mora anefa ny manaraka ny feon’i Jesoa satria tsy mampanantena fandresena na voninahitra na harena araka an’izao tontolo izao Izy, amporisihiny izay te ho mpianany hifanompo, hifanasa tongotra, handà ny tena sy hitondra ny hazofijaliana isan’andro. Tsy misy lalan-kafa hahatongavana amin’ny fiainana mandrakizay ankoatra izany “varavarana ety” izany (Mt 7,14). Efa maro ireo nieritreritra hitady fahasambarana amin’ny fihainoana ny feon’ireo mpangalatra sy jiolahy izay tonga “hangalatra sy hamono ary handringana”, fa farany mahatsapa ihany fa fahadisoam-panantenana no ao ambadiky ny varavarana malalaka sy migodàna be mpiditra (Mt 7, 13).
I Jesoa no varavarana hahafahana mivoaka sy miditra, hiainana am-pahalalahana tanteraka. Ny fandalovana Aminy no hahafahana miditra amin’ny hafenoan’ny fiainana. Amin’ny adihevitra hitadiavana ny marina araka izany, dia izay mifanaraka amin’ny Evanjelin’i Kristy no marina fa tsy izay mety ho fironan’ny sain’ny be sandry na ny maro an’isa tsy akory. “Atoroy ahy ny toko sy ny andininy milaza izany, ao amin’ny Evanjely, fa harahiko ara-bakiteny”, hoy i Md Philipe Neri, tamin’izay nihevitra ny hanoro hevitra azy. Izay te hahay hanavaka ny feon’i Kristy dia tsy maintsy mitombo fitiavana sy manokana fotoana handalinana ny finoany ao amin’ny Evanjely sy ny Fampianaran’ny Eglizy.
Ny maha-iray an’i Jesoa sy ny Ray, ny fiombonan’Izy ireo izay irìny mba ho fiombonan’ny mpino azy koa (Jo 17) dia mampahatsiaro antsika ny lazain’i Md Paoly hoe: tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko (Gal 2, 20). Izay mahalala ny feon’ilay Mpiandry tokana ka mino Azy dia tonga iray aina Aminy, mitovy fisainana Aminy, velomin’ny Fanahiny ka hahavita be lavitra noho izay nataony aza (Jo 14, 12).
Raisintsika ny hafatry ny Papa manasa antsika hanao Raozery any an-tokantrano, indrindra amin’izao volana Mey atokana hanajana manokana an’i Masina Maria izao. Hoy izy: “ny fibanjinana ny Endrik’i Kristy miaraka amin’ny fon’i Masina Maria, Renintsika, dia hampiombona antsika bebe kokoa ho fianakaviana am-panahy, ary hanampy antsika hioitra manoloana izao fitsapana izao. Izaho hivavaka ho anareo, indrindra ho an’ireo mijaly, fa ianareo kosa, raha sitrakareo, mivavaha ho ahy. Misaotra anareo aho sady mitso-drano anareo amin’ny foko manontolo”.
Ny toe-panahy mifanaraka amin’ny fitozoantsika mivavaka ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra, ankoatra ny fangatahana ny fahasoavana mba hahay hanampy araka ny hery rehetra ireo izay manaraka an’i Jesoa amin-kerim-po sy fitokiana, dia ny fanontanian-tena koa ny amin’ny fomba entina mamaly ny antson’Andriamanitra. Ndeha ary samy hametraka ny fanontaniana naha-lasa olomasin-dehibe an’i Terezy kely : « Eo anivon’ny Fiangonana Reniko : inona mo mety ho anjara toerako? Amin’ny inona no iantsoan’Andriamanitra ahy? » Inona ny safidim-piainana heveriko fa hanampy ahy hanamasinako ny tenako sy hahatonga ahy ho antom-pahamasinana ho an’ny hafa?
Handray ny andraikitra apetraka amintsika ho fandraisana anjara amin’ny fitoriana ny vaovao Mahafaly ary isika no sady hanampy amin’ny herintsika manontolo ireo izay manaraka ny fiantsoan’Andriamanitra azy amin-kerim-po sy fitokiana, hahatonga ny Fanjakany.
Hitombo ao amintsika anie ny fahalalana ny feon’ilay Mpiandry antsika, ka hahafahantsika manaraka Azy any amin’ny tanin’ny velona, hananantsika ny fiainana sady hananantsika azy be dia be.
[1] Sergio Sorgon, Karma. Vavaka ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra
[2] Vakio ny antsa vavaka hatory Sabotsy (bréviaire frantsay).