Alahady faha-efatra mandavantaona Taona A
- Sôfônia 1 2, 3; 3, 12-13
- Salamo 145
- 1 Korintiana 1, 26-31
- Md Matio 5, 1-12a
Sambatra ny mahantra fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.
Mankalaza ny Fanolorana ny Tompo tao an-tempoly isika ny 2 febroary, 40 andro aorian’ny Noely, ka manavao miaraka Aminy koa ny fanolorantsika tena ihany koa hanatanteraka ny sitrapon’ny Ray.
Ny Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra nataontsika androany kosa dia milaza momba ny hasambarana. Iza no sambatra? Ahoana no atao mba hahasambatra? Fanontaniana manitikitika ny saintsika mandrakariva izany, ary na tsy tsaroantsika aza dia miròna amin’ny fikarohana izay heveriny ho fahasambarana ny fontsika.
Ambaran’i Sofonia amin’ny Vakiteny I (Sof 2,3; 3,12-13) fa ny fikarohana ny Tompo no antoky ny fiadanana, satria tsy ny fijaliana amin’izao fiainana mandalo izao no tokony hatahorana fa ny famonjena amin’ny andron’ny fahatezeran’ny Tompo. Izany no mahatonga an’i Md Paoly hilaza fa tsy miankina amin’ny fahendren’ny nofo, na amin’ny hery aman-tanjaka na amin’ny firazanana no hahafahana mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra (Vakiteny II I Kor. 1, 26-31) fa ny fiombonana amin’i Jesoa Kristy Tompo izay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika.
Dia izany no anohizan’i Md Matio ny fitantarana ny Evanjeliny (Mt 5, 1-12). Ny alahady faharoa isika nilazany fa voairaka hitondra ny famonjen’Andriamanitra hatrany amin’ny faravazan-tany, toy ny Mpaminany sy ny Apôstôly fa kosa mahatsapa fa zanaka tompon’andraikitra. Izany antso miantefa amintsika izany dia miandry valiny amintsika, valiny tsy mangataka andro toy ireo Apôstôly nandao ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Kristy (alahady III).
Loharanom-pahasambarana ny fahafoizana ny haren’ny tany, ny halemem-panahy, ny fizakana ny hazofijaliana na dia amin-dranomaso aza, ny fiaretana ny hetaheta sy ny hanoanana mba hahazoan’ny hafa ny hanina isan’andro, ny famindram-po sy ny hadiovam-po, ny fitandrovana ny fihavanana…
Raha tsy mazava anefa ny fototr’izany hasambarana izany dia mety ho fahadisoam-panantenana ny fandaozana ny zavatra rehetra, na sanatria zavatra hafa ankoatr’izay ampanantenain’Andriamanitra no handrasantsika ho valin’ny ezaka na ny fahafoizana. Araka ny lazain’ny Papa Benoit XVI dia fahasambarana eschatologique izany hasambaran’ny Evanjely izany. Eschaton : izany hoe izay hitranga rahatrizay dia efa santarina sahady ankehitriny (Jesus von Nazareth, ed Rizzoli p. 95). Tsy valisoa aorian’ny fahafatesana araka izany no andrasan’ny mpino fa fahasambarana maharitra, hafaliana santarina dia ny ety amin’ity fiainana ity ka hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.
Tsy zavatra azontsika tanterahina amin’ny herintsika anefa izany satria raha tsy hetsaky ny Herin’ny Fanahy Masina isika ka tsy hafahany amin’ny gejan’ny fahalemena vokatry ny fitiavan-tena, ny haingitraingitra sy ny avonavona dia tsy afaka ny hanandrana izany fahasambarana izany (Papa François, Gaudete et exsultate n 65). Tsy manery kosa anefa ny Fanahy Masina fa miandry sy manaja tanteraka ny sitrapontsika.
Lazain’ny Evanjely fa niakatra teo an-tendrombohitra i Jesoa raha nahita ny vahoaka: maimaim-poana ny fampianarany, saingy safidintsika ny hananika ny Tendrombohitra na tsia mba hihaino Azy. Ireo mpianatra nanantona azy no nampianariny ny lalana mankamin’ny fahasambarana.
Ndeha hiverenantsika halalinina izany fampianarana izany.
Evanjelin’ny Fahasambarana (Matio 5, 1-12)
Ilaozan’i Jesoa ny tany lemaka ka izay mpianatra vonona hanatona azy eny an-tendrombohitra no afaka hihaino ny fampianarany. Tsy afaka ny handray izany ireo mbola mieritreritra ny hiaina araka fomba fisainan’ ”izao tontolo izao” ka tsy mihevitra afa-tsy ny tombontsoany sy ny fahafinaretany ary ny voninahiny. Lalam-pahasambarana anefa no atoron’i Jesoa an’izay matoky ny teniny ka vonona ny “handrera-tena” hihakatra ny vohiny masina (Sal 23) ka hanatona hihaino Azy.
“Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’Andriamanitra”.
Raha io fahasambarana io ihany no dinihintsika dia ampy hahazoana ny hafa rehetra. Tsy fahasambarana mandalo araka ny rendrarendran’izao tontolo izao no atoron’ny Evanjely fa fahasambarana maharitra mandrakizay. Ny tontolo iainantsika dia manao fety mba hitadiavana hafaliana, mba “hanalana azy”; ny tontolo atoron’ny Evanjely kosa dia manao fety satria faly, satria zanaka mpandova ny fiainana mandrakizay, satria tafahaona ny “zaza mpandany” sy ny “Ray be fitiavana” (Lk 15). Tsy fitadiavana hafaliana ny fety ho an’ny Kristianina fa fanehoana ny hafaliana. Raha sanatria manko izany no mitranga, izany hoe mba hanao fety hitadiavana hafaliana, dia havesatra noho ny teo aloha ny fiatrehana ny fiainana rehefa vita ny “fanalana azy”. Ny “tsara vintana” no sambatra eo amin’izao tontolo izao, ho an’Andriamanitra kosa dia zanaka tiany avokoa, ka izay mahay mitahiry ny fahasambarana omeny, manaiky hiombom-piainana Aminy no antsoiny hoe “sambatra” (μακάριος makarios, béni de Dieu, voatso-dranon’Andriamanitra).
Ahoana kosa anefa no hahasambatra ny mahantra?
Eo amin’izao tontolo izao dia “ny vola no maha-rangahy”, ka ny mpanan-karena dia mampiasa ny volany mba hiavahana amin’ny hafa, mba hananana zavatra mampiavaka amin’ny sarambabe. Ny an’Andriamanitra kosa, sy ho an’izay voatsodranony, dia zarainy amin’ny olon-drehetra ny Hareny, omeny ho lovan’ny zanany rehetra ny Fanjakany, tsy noho ny fahamendrehana na ny ezaka ataon’ny tsirairay, fa maimaim-poana araka ny halehibeazan’ny fahasoavany mba tsy hisy hirehareha (Ef 2, 8-9). Ny mahantra ihany araka izany no afaka ho faly amin’ny fanomezana omena maimaim-poana ka hitovizan’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Ny mpanan-karena sy ny mpitady harena dia hiady varotra amin’ny denie iray mitovy raisin’ny mpiasa niditra vao maraina sy ny zara fa niasa nanao tsidi-pahitra ny hariva (Mt 20, 13).
Mba hahazoana tsaratsara kokoa ny hevitr’izany fahantrana mitondra amin’ny fahasambarana izany dia tsara ho azo ihany koa ny tena hevitry ny hoe fahasambarana amin’ny kolotsaina jody. Ny hoe Sambatra (אֶשֶׁר ‘esher), dia tsy dia filazana toe-piainana efa tonga amin’ny fahalavorariana ka tsy misy maha-ory intsony, fa kosa ny fizorana amin’ny lala-mahitsy mitondra amin’ny fahalavorariana, ny fizorana amin’ny lalana tsy hitondra amin’ny nenina, na amin’ny fitomaniana sy fikotroha-nify, araka ny teny ampiasain’i Md Matio ao amin’ny Evanjely.
Ny hoe mahantra am-panahy, tsy dia hilazana fiatsaram-belatsihy, ka hanamboarana eritreritra. Ny olona niaina ny fahantrana am-panahy dia niaina ny fahantrana ihany koa, satria nahazo ny nolazain’ny Evanjely mba “hivarotra ny fananana rehetra” ka hanome izany ny mahantra. Tsy misy fahantrana tsy miteraka fijaliana anefa ary tsy misy antom-pijaliana mifanaraka amin’ny hazofijalian’i Kristy raha tsy izay takian’ny fitiavana koa. Anjaran’ireo izay notsofin’Andriamanitra rano ka manana hozaraina araka izany ny mitsinjo ireo izay sitrak’i Kristy hitovy endrika Aminy (Mt 25) ka tsy hanao ny harena eo am-pelatanana ho “zavatra nobaboina” (ἁρπαγμός harpagmos Fil 2, 6) fa hietry tena hitovy amin’ny hafa hitondra fanavotana ho azy ireo, tahaka ny nataon’i Jesoa.
Izay mianatra amin’i Kristy araka izany dia hahay hampiseho amin’ireo mijaly sy fadiranovana ny tena endrik’ilay Andriamanitra, nanaiky hitafy ny fomba maha-olombelona, ka nampanan-karena antsika tamin’ny fahantrany.
Ireo עָנָו (`anav) – izay adikan’ny Salamo hoe malemy fanahy, cf Salamo 37, 10 – ka hanana ny tany, dia ireo mahantra tompon’ny fanjakan’ny lanitra, ny Fanjakan’ilay Andriamanitra tsy nanao fahagagana mba hanesotra ny fahantrana (ny mahantra hisy eo aminareo mandrakariva, hoy i Jesoa, Jn 12, 8) fa kosa nanaiky hahantra mba ho namana akaikin’ireo zanany mitondra fahoriana. Izany no ampahatsiahivin’ny Lakroà mandrakariva antsika.
Raha fizorana amin’ny lalana mifanaraka amin’ny fahalavorariana ary ny atao hoe fahasambarana, dia tsy afaka ny “hiakatra ny vohitry ny Tompo sy honina ao an-toerany masina” (Sal 23) izay mifikitra amin’ny harena, satria ho voazara ny fo, tsy hadio, ho voazarazara ka tsy afaka ny hahita an’Andriamanitra, araka ny tena toetrany. Ny fanantenana lazain’i Joany (1 Jn 3, 1-3) fa hanentana antsika hanadio ny tenantsika, dia tsy inona fa ny fahatsapantsika ny maha-zanak’Andriamanitra, ny fitokisantsika Azy ho hany harena tokana mahavonjy.
Sambatra ny malemy fanahy fa handova ny tany (Salamo 37).
Izay manana an’Andriamanitra ho harena ka tsy mitoky amin’izay heverin’izao tontolo izao ho harena no afaka halemy fanahy ka tsy hisain-doatra manoloana ny ratsy fanahy na sanatria hikolokolo valifaty ao am-po. Raha ratsy no havaly ny ratsy dia mazava loatra fa mandresy ny ratsy, mitombo avo roa heny; raha ny tsara kosa no havalintsika azy, dia tapi-dalan-kaleha izy. Inona ny tany holovaina raha sanatria hifanapotika amin’ny valifaty sy ny ady ny olombelona!
Izay mianatra an’i Kristy dia hahay hibanjina sy hitsaoka Azy ao amin’ireo mbola manohy ao amin’ny fiainany ny fijaliany, hitomany manoloana ny fahoriana mianjady amin’ireo zanaka tian’Andriamanitra fa nohariany ho sambatra, ka hanao izay tratry ny aintsika hamongotra ny fahoriana mbola mangeja ny olombelona, hamongotra ny fahotana izay anton’izany fahoriana izany. Ary raha sanatria isika kosa no hiaran’ny tsindrihazolena, dia hahatsiaro ny fampianaran’i Kristy, ilay “malemy fanahy”, ka tsy sanatria hamaly ratsy ny ratsy, fa hanaraka ny torohevitry ny Salamo hoe “mitoera am-pahanginana eo anatrehan’ny Tompo ary manantenà Azy, atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana, aza misafoaka foana ka hipaka amin’ny ratsy” (Sal 37, 7.8).
Tsy fahamarinana hanetseman-keloka anefa ny fahamarinan’Andriamanitra.
[Azo jerena amin’ny alahady faha-26 A ny momba ny lalam-pahamarinana (צְדָקָה) izay miverimberina matetika ao amin’ny Boky Ohabolana (mampahazo harena: Ohab 8, 20; lalan’ny fiainana: Ohab 12, 28; hahitana ny satroboninahitra: Ohab 16, 31; avadiky ny kolikoly: Ohab 17, 23; mahafaty ny fialàna aminy: Ohab 21, 16; hahazoana ny fiainana sy ny voninahitra ny fanarahana ny fahamarinana sy ny fitiavana: Ohab 21, 21). Ny fampifanarahana ny fiainana amin’ny Tenin’Andriamanitra, na ny fanekena hiasa araka ny sitrapony, araka ny lazain’ny Evanjely no lalana mitondra ao amin’ny fiainana sy ny voninahitra (כָּבוֹד kabôd).]
Ny hanoanana sy ny hetaheta mahazaka maniraka, ka izay noana sy mangetaheta ny fahamarinan’Andriamanitra dia tsy afaka ny hihanona amin’ny fanomezana ny ambim-bava ho an’ny mahantra, sanatria.
Mety hifono avonavona sy fanambaniana (fiheverana ho ambony noho) ny hafa anefa ny “fanaovan-tsoa” indraindray. Raha tsy azontsika tsara ary masaka ao antsaintsika fa ny mahantra no itongilanan’ny safidin’Andriamanitra, ary izy ireo no sitrany hitovizana (isaky ny manao soa an’izy ireny isika dia Aminy no anaovantsika izany Mt 25, 40), dia mety tsy hifanaraka amin’ny sitrapony ny soa heverintsika fa tanterahina. Izay mahazo izany dia tsy hirehareha fa hisaotra ny mahantra isaky ny afaka manao asa fitiava-namana, satria zary fitaovana mampisy heviny ny fiainany ny fahafahana manao soa, satria hahafahany manantena fa hozarain’ny mahantra aminy koa ny Fanjakan’Andriamanitra.
“Asa fiantrana” moa no ilazantsika azy, fa araka ny Evanjely dia “asa fahantrana”, izany hoe mampahantra antsika izany, asa maha-sambatra kokoa antsika satria mampitombo ny hafaliana eo amin’izay hifampizarantsika ny “talenta” nomen’Andriamanitra antsika. Izay noana sy mangetaheta io fahamarinana io no afaka hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra mialoha ny zavatra rehetra. Ary ny fahamarinan’Andriamanitra dia ny fitiavany ny zanany mihoatra ny zavaboary rehetra, araka ny ventesin’ny Salamo 8; ny fanasoavany ny olona tsy an-kavanavaka na ny marina na ny tsy marina, na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy (Mt 5, 45). Izany no fahamarinan’Andriamanitra tokony hokatsahintsika mialoha ny zavatra rehetra. Ao amin’izany fanjakan’ny fitiavana izany no hahafahantsika mampiasa ny harena nomena antsika araka ny sitrapon’ilay nahary ny zavatra rehetra mba ho fiadanan’ny zanany rehetra.
Tsy afaka ny hanao soa amin’ny ratsy fanahy sy ny tsy marina anefa izay tsy mamindra fo. Fahasambarana araka izany, izany hoe fizorana ny lalana maha-zanaka mpandova ny fahaizana manao soa, ny fanampiana izay andevozin’ny ratsy mba hahatsapa ny hamamin’ny fitiavana. Ny fahasambaran’ny zanany rehetra any amin’ny fiainana mandrakizay no sitrak’Andriamanitra, ka sambatra izay mandray anjara amin’ny fanatanterahana izany drafi-pamonjen’Andriamanitra izany.
Raha mbola mifikitra amin’ny zavatry ny tany, amin’ny kajikajy hahazoana ny tombontsoa manokana anefa isika, tsy afaka ny ho sambatra, tsy afaka ny hiaina araka izany famindram-pon’Andriamanitra izany. Izany no mila hanadiovana mandrakariva ny fo, araka ny efa nolazaintsika teny ambony, ary ny lalana mahomby indrindra hitovizana endrika amin’Andriamanitra ka hiantsoana antsika hoe “zanany”, dia ny famafazana fiadanana. Izany no mahatonga an’i Jesoa handidy ny Mpianany mba hirary fiadanana ho an’izay monina ao amin’ny trano idirany (Mt 10, 12). Ny fikatsahana ny fiadanana ho an’ny hafa dia loharanom-piadanana mandrakariva ho an’izay manao izany. Ny ho zanak’ondry malemy paika mandrakariva no anirahan’i Kristy ny mpianany, na dia eo afovoan’ny amboadia aza (Mt 10, 16).
Raha sanatria kosa noho izany fijoroana amin’ny fahamarinana izany no hahazoana fanenjehana, dia sambatra, izany hoe manao izay mifanaraka amin’ny fahalavorarian’Andriamanitra tiany hotratrarina izany miharitra izany. Ny zava-misy mazàna dia ny tsy manan-tsiny no mizaka ny voka-dratsin’ny fahotana, ka izay mijanona ho “zanak’ondry”, izay tsy voasarika hampiasa ny herisetra sy hamaly faty no mandresy ny ratsy, ireny no mahazo tso-drano, tsara laza eo anatrehan’Andriamanitra.
[“Amboadia ho an’ny hafa ny olona”, hoy i T. Hobbes. Impiry moa no maheno olona mimenomenona ka miantso valifaty amin’ny ratsy nafitsoky ny hafa: “ataoko mahita iny…” Ny malemy fanahy kosa dia tsy manam-po afa-tsy ny hanao ny tsara (Sal 36), ary zanaka izy ireo, ka handova ny tany (Mt 5, 5), zanaka satria mitovy endrika amin’ilay Andriamanitra Rainy: Masina, Lavorary (Mt 5, 48) sy Mpamindra fo (Lk 6, 36). Ny sasany mba mivavaka hono, ka “miandry ilay Andriamanitra tsy andrin’ny hafa”. Andriamanitra hampibebaka ny fon’ny amboadia ka hahasambatra azy miaraka amin’ny zanak’ondry (Izaia 11, 6) no Andriamanitry ny Kristianina. Manompo andriamani-kafa izay miandry valifaty hahapotika ny olona izay heveriny ho fahavalo.]
Ny hafa, mety hanohy ny maha-amboadia azy: hitory any amin’ny fitsaràny, hanendrikendrika, hanala baraka, hanevateva ary mety hamono aza. Izany rehetra izany dia mitaky amintsika fijoroana ho vavolombelon’i Kristy. Raha amin’ny anaran’i Jesoa, noho izany fijoroantsika ho vavolombelony izany no hijaliantsika dia mahazo matoky isika satria miombona aina Aminy, mandray ny Fanahiny izay “Parakletos”, mpisolovava, ka hijoro ho “Martiry”, ho vavolombelona tsy hiaro tena fa hanambara ny marina. “Aza manahy izay fomba fandaha-teny” (Mt 10, 19). Tsy ny hiarovana ny tena no tokony himasoana fa ny mba haharetana hatramin’ny farany ho vavolombelon’ny fitiavana. Asan’ny Fanahy izany ka izay manaiky ho tarihiny no tsy hiraika amin’izay teny ratsy sy lainga lazain’ny hafa momba azy, satria matoky fa iray ihany no afaka hanome azy valisoa, dia ilay afaka miteny hoe : “Zanako ianao, izaho no niteraka anao androany” (Sal 2, 7), sy ny hoe “avia, ry nosoavin’ny Raiko handovany Fanjakana” (Mt 25, 34).
Fa inona kosa ny Fanjakan’Andriamanitra holovain’ny mahantra am-panahy sy ny miharitra fanenjehana izany?
Tsy inona fa ny fanomezan’Andriamanitra Ray ny Fanahiny mba hahatonga ny olombelona rehetra ho mpiray lova (aina) amin’i Kristy Zanany, ka hisantatra ny fahasambaran’Izy Andriamanitra ao amin’ny fiombonan’ny Trinite Masina, ary ho tonga taratry ny fifankatiavany. Ny mahantra no afaka handray ny Fanahy ka tsy ho menatra ny ho mpirahalahy amin’ny olombelona rehetra, dia ho afaka hijoro ho fanasina sy fahazavana ho an’izao tontolo izao. Izany fijoroana ho taratry ny fahazavan’Andriamanitra izany no fahamasinana katsahin’ny mpino rehetra.
Mazava loatra araka izany fa tsy ny fahantrana mampijaly ny olona no sitrak’Andriamanitra. Ambaran’i Lioka fa ny fiangonana raha miaina io firahalahiana io dia “tsy misy mahantra eo amin’izy ireo” (Asa 4, 34). Fahantrana am-panahy, hoy i Matio, izany hoe ny fahaizana mampiasa izay rehetra ananana mba ho fahasambaran’ny hafa, hahasambatra azy mitovy amin’ny tena ka hahatsiarovana fa tsy tompon’ny harena isika fa “mpiandry omby volavita” ihany. Inona moa no zavatra eo am-pelatanantsika ka tsy noraisintsika (1 Kor 4, 7)?
Papa François moa nanoratra Taratasy fankaherezana iray manontolo (Mifalia sy miravoa – Gaudete et exsultate) hanamafisana amintsika fa ao amin’ireo hasambarana atoron’ny Evanjely ireo no hifotoran’ny hafalian’ny Evanjely (Evangelii gaudium) ka manjary teny mitovy hevitra amin’ny fahamasinana ny hasambarana ka izay manaraka ny torolalan’ny Evanjely ka nanolotra ny tenany manontolo mba tsy hivadiana amin’ny finoana, manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina, no afaka hanandrana ny tena fahasambarana marina (Gaudete et exsultate n. 64).
Ataontsika ezaka ary ny hanantona an’i Kristy eny an-tendrombohitra, ao amin’ny fivavahana, fa indrindra amin’ny fanomezana ny rariny ny ampahoriana, amin’ny fanomezana sakafo ny noana sy ny famahàna ny mpifatotra… Isika no tanana andrasan’Andriamanitra hanatanteraka ireo asa soa tiany atao, noventesintsika tao amin’ny salamo setriny (Sal 145) ary tsy ho hadinointsika na oviana na oviana fa ho lehibe ny valisoa, na ny marimarina kokoa ho betsaka ny vokatry ny asantsika any an-danitra (Mt 5, 12) ka efa sambatra sahady satria efa manandrana ny Fahasambaran’ireo nosohavin’ny Ray, sitrany handova ny Fanjakany (Mt 25).