Alahady faha-efatra Fiaviana Taona B
- 2 Samoela 7,1-5.8b-11.16
- Salamo 88
- Rômanina 16,25-27
- Md Lioka 1,26-38
Ny hevitr’Andriamanitra tsy hevitsika.
“Arotsahy avy any ambony ny andonao, ry lanitra, ary aoka ny rahona hampidina ilay Marina toy ny ranon’orana, ary ny tany hisokatra. Hipoiran’ny Mpamonjy” (Rorate: Iz 45,8).
Izany Tononkira fidirana izany no anomanan’ny Eglizy ny fo amam-panahin’ny mpino mba hiditra ao amin’ny Litorjian’ity alahady IV ity. Efa antomotra ny fankalazana ny Noely, ka indraindray ny fanaovana ny lisitry ny olona hoarahabaina, ny fandaharam-potoana hanao izatsy na izaroa mba hankalazana ety ivelany ny Noely no mameno ny saina sy ny fo, fa tsy ny hafaliana mandray ny fahasoavana entin’ny Mpamonjy ankalazaina, fahasoavana izay arotsak’Andriamanitra amintsika ka raisintsika ao amin’ny hafenoany.
I Davida, nahatsapa ilay Andriamanitra monina eo anivon’ny vahoakany, na dia tao afovoan’ny tranolay aza, dia naniry ny hanorina trano mendrika ny Fiaran’ny Fanekena, (2 Sam 7,1-16), araka ny lazain’ny Vakiteny I. Hafa kosa anefa ny hevitr’Andriamanitra. Ireto misy antony vitsivitsy azontsika lazaina mahakasika izany hevi-dison’i Davida izany:
– ny voalohany aloha dia satria tsy Andriamanitra no naniraka azy hanao izany. Indraindray isika dia tahaka an’i Natàna Mpaminany ka hihevitra fa momba antsika ny Tompo ka ho afaka hanao izay rehetra ao am-po, izay tonga ao an-tsaina. Tsy ny hanao izay tiany fa izay sitrak’Andriamanitra no hiantsoany ny mpanompony.
– ny fanaovana Trano ho an’Andriamanitra dia mahasanganehana ary toa karazana “fanagadrana” Azy ihany tsy ho eo anivon’ny vahoakany, ary ho avy ny andro, hoy i Jesoa tsy hivavahana amin’izay toerana heverin’ny olombelona hahafahana mivavaka amin’Andriamanitra, fa hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana (Jo 4,21-23). Tsy midika izany fa tsy ilaina ny Trano fiangonana. “Ny Tranon’Andriamanitra dia trano natao hivavahana ho an’ny firenen-drehetra” (Iz 56,7), saingy izay tsy mihaona amin’Andriamanitra amin’ny fanahy sy fahamarinana dia tsy ho afaka ny hampifanaraka ny fiainany na oviana na oviana amin’ny lalam-pahasambarana atoron’ny Evanjely.
Ny antony lehibe indrindra anefa dia ny fanadinoan’ny olona ny maha-olona azy. Tsy mila ny valim-pitia avy amintsika Andriamanitra, ny fahatsapantsika fa fitiavana Izy ary Izy no tia antsika mialoha (Jo 15, 16) ka hanehoantsika izany amin’ny fiainana no andrasany. Izy no manorina trano ho antsika fa tsy isika no hanorina ho Azy. “Izy no manorina ny zavatra rehetra” (Heb 3,4). Izy no nitia antsika mialoha, tahaka ny hampahatsiahivany an’i Davida fa mpiandry ondry tsinontsinona izy no nofidìna ho mpanjaka, ary ny mba hampiadana ny vahoaka no anton’izany fitiavana manokana nataony tamin’ny Mpanjaka izany. Raha nahatsiaro izany tombom-pitiavana izany i Davida dia tokony ho ny adidiny amin’ny maha-mpanjaka azy no nataony tsara, haneho amin’ny vahoaka ny fitiavan’Andriamanitra nifidy azy, saingy fantatsika ny tantara fa na ny zanany aza dia nifamono nifandringana mba handrombaka fahefana.
Mbola mampiharihary ny tsy fahazoan’i Davida izay valintenin’ny Tompo nolazain’i Natana araka izany ny teny nolazainy tamin’i Salômôna zanany, ny amin’ny antony tsy hahafahany manorina Tempoly ho an’ny Tompo: “Nandatsaka rà be hianao sady nanao ady lehibe, ka tsy hanao trano ho an’ny anarako, satria be ny ra nalatsakao tamin’ny tany teo imasoko. Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho lehilahy miadana, homeko fandriam-pahalemana, eo anatrehan’ny fahavalo manodidina azy, fa hatao hoe Salômôna no anarany, ary homeko fandriam-pahalemana sy fiadanana Israely amin’ny androny. Izy no hanao trano ho an’ny anarako; ho toy ny zanaka ho ahy izy, ary ho toy ny ray ho azy aho, (raisin’ny Sal 88 setriny) ary hohamafisiko mandrakizay amin’Israely ny seza fiandrianan’ny fanjakany” (1 Tan 22,8-10).
Tsy miova anefa ny fitiavan’Andriamanitra. Izy no mampanantena an’i Davida fa ny taranany no hanjaka mandrakizay, satria Andriamanitra no hanome azy ny fiandrianana. Taranaka safidian’ny Tompo fa tsy izay tian’i Davida tsy akory. Ary tsara hotadidìna ihany ny nanjo ireo zanany naterany: ny lahimatoa (Amnôna) novonoin’ny manarakaraka (Absalôma) (2Sam 13), i Absalôma nikomy nanohitra an’i Davida ka maty novonoin’i Jôaba (2Sam 18). Tokony ho i Adôniasy no handova, saingy noho ny hafetsen’i Betsabea dia i Salômôna zanany no nofidìn’i Davida ho mpandova azy, ary i Salômôna kosa nampamono an’i Adôniasy (1Mp 2). Nony maty i Salômôna dia nizara roa ny Fanjakana. Ady sy fifandrombaham-pahefana araka izany no nanjaka tao amin’ny tranon’i Davida. Saingy avy ao amin’izany no nofidìn’Andriamanitra hipoiran’ny Zanany, avy amin’i Josefa, taranak’i Davida. Ary na dia tapitra tamin’ny fanjanahan’ny Babilôna aza ny fanjakan’Israely (586 tal. J.K.) dia namelombelona tao am-pony izany fanantenana izany ihany ny taranany rehetra.
Isika àry no mahafantatra fa tsy tao amin’i Salômôna nofidìn’i Davida, fa ao amin’i Jesoa Kristy no tanteraka ny Tenin’Andriamanitra nolazain’i Natàna tamin’i Davida. Ny taranaka amam-parany no sitrak’Andriamanitra ho Tempoly hijoro mandrakizay eo anoloany, ka hanome voninahitra Azy mandrakizay. Io ny misterin’ny Famonjena antsika tanteraka tao amin’ilay Teny tonga nofo, ankalazaintsika amin’ny Noely hiomanantsika (Vak II Rm 16,25-27).
Ilay “Emanoela”, izany hoe ilay Andriamanitra nanaiky hiara-monina amin’ny vahoakany, dia nahatratra ny hafenoany tamin’ny ENY navalin’i Masina Maria an’ilay “Herin’Andriamanitra” (Gabriely) niarahaba azy. Tonga iray vatsy iray aina amin’ilay Virjiny ny Teny nahariana izao tontolo izao. Tsy herin’olombelona hireharehana anefa izany fa fahasoavana sy sitraka avy amin’Andriamanitra, ho an’izay manaiky hiasan’ny Fanahiny.
Tanteraka ao amin’i Kristy ny fampanantenana nataony tamin’i Davida, dia ny hahamafy orina ny fanjakany mandrakizay, tsy araka ny fijerin’olombelona anefa fa araka ny hevitr’Andriamanitra. Ny finoana fa mahefa ny zava-drehetra Andriamanitra, na dia averimberintsika isan’alahady aza, dia mazàna tsy maninteraka ny fiainantsika, ka tsy ny fampiasana ny herintsika sy ny fanasoavana omeny hanatanterahana ny sitrapony no imasoantsika indraindray, fa ny kajikajy hampiasa ireny “fanomezana” ireny hireharehàna sy hitadiavana voninahitra. Midika izany fa tsy zavatra azo hitompoan-teny ho fantatra ny finoana fa dingam-piainana mila hamafisina sy halalinina isan’andro isan’andro.
‘Ndeha hojerentsika kely ny Evanjely.
Md Lioka 1,26-38
Rehefa nandray enim-bolana i Joany dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely ho any Galilea, ho any Nazareta. Fotoana mampahatsiaro ny andro faha-enina naharian’Andriamanitra ny olombelona, mampahatsiaro ny ora faha-enina nipetrahan’i Jesoa reraka teo akaikin’ny fantsakan’i Jakôba (Jo 4,6), mampahatsiaro ny ora faha-enina nanombohan’ny haizin-kitroka nandrakotra ny tany (Lk 23,44), ora nipetrahan’i Pilaty hitsara an’i Jesoa (Jo 19,13). Rehefa tonga ny hafenoan’ny fotoana dia nirahin’Andriamanitra hamonjy antsika ny Zanany, hoy i Paoly (Ga 4,4). Isa enina mampahatsiaro ny fahariana ilay Adama Vaovao.
Fa enim-bolana koa, aorian’ny nilazan’ny Anjely tamin’i Zakaria (Lk 1,8snm) fa tsy manadino ny fampanantenany Andriamanitra. Tao an-tempoly, tao amin’ny Masin’ny Masina, toerana masina indrindra ho an’ny Hebrio, natokana mba hihaonana amin’i YHWH, hanolorana ny emboka manitra ho Azy, tao no nisehoan’ny Anjely tamin’i Zakaria. Io ilay Tempoly, naorin’i Herôda indray hampahatsiaro ny famirapiratan’ny Tempoly naorin’i Salômôna, saingy sarotra ho an’i Zakaria ny hino ny fanambarana nataon’ny Anjely ho Azy, sarotra ho azy ny hino fa tsy mivadika amin’ny teny nomeny Andriamanitra ary afaka mitso-drano, na dia ny zanany efa antitra aza.
Etsy an-kilany kosa, ao amin’ny trano iray, na ny marimarina kokoa, ao amin’ny tanàna kely tsy mbola voalaza tao amin’ny Soratra Masina hatreto, ary lazain-dry Natanaely aza fa tsy hita izay mba zava-tsoa avy any, dia i Nazareta(Jn 1,46), tao no nanirahan’Andriamanitra ny Anjely Gabriely. Manambara izany fa tsy any an-tempoly ihany, fa eo amin’ny fiainantsika andavanandro no andraisantsika ny fiantsoan’Andriamanitra koa, dia fiantsoana mba ho masina sy ho sambatra ary ho zary antom-pahasambarana sy fahamasinana ho an’ny hafa.
Miravoravoa ianao ry ilay feno hasoavana: ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy ianao. Io no vavaka heveriko fa ventesintsika matetika indrindra amin’ireo ifandovana ato amin’ny Eglizy: Arahaba, ry Maria. Kanefa indraindray tsy dia dinihina loatra izay tena heviny. I Maria, ilay feno hasoavana, no ilay vehivavy nanaiky handrava ny vinavinam-piainany, satria efa fofom-badin’ny lehilahy iray atao hoe Josefa; feno hasoavana satria na dia navotan’ilay lehilahy marina mba tsy ho fatin’ny tora-bato amin’ny mety ho fanendrikendrehana fa nanitsakitsaka ny fofombadiny aza, dia noheverina kosa ho tsy maotona sy ratsy fitondran-tena, tsy nahandry akory ny herin-taona hiraisan-trano ary manaporofo izany ny fanivaivana nataon’ny olona an’i Jesoa (tsy teraka tanatin’ny fijangajangana izahay: Jo 8,41).
Feno hasoavana ilay vehivavy miandry vohoka, mitotototo handeha hisoratra avy any Nazareta ho any Betlehema, avy eo sesitany tany Ejipta ary niverina tany Nazareta indray. Feno hasoavana izy voatery nitady an-janany izay efa noheverin’ny olona ho adala sy very saina (Mk 3,30snm). Feno hasoavana izy niatrika ny fanamelohana sy ny fandevenana ny zanany voaheloka ho faty amin’ny hazofijaliana. Feno hasoavana izy nandevina ny Zanany.
Raha mametraka ny sarin’i Masina Maria eo amin’ny Tranon’omby isika dia tsy tokony hanadino fa tsy fahasoavana araka izay heverintsika ny fahasoavana omen’Andriamanitra ny olom-pinidiny.
Indraindray manko mifangaro ny fiheverantsika ny fahasoavana vokatry ny fiombonana amin’Izy Tompo sy ny fahafinaretana mety ho azo amin’ny fiainana mizotra araka ny fanirian’olombelona. Ny fahasoavan’Andriamanitra no nameno ny fanahin’i Masina Maria, ary ny fanekeny ny sitrapon’Andriamanitra no nanamasinany ny fiainany ka nahafahan’izany fahasoavana izany “hanao zava-dehibe”, ka tonga loharanom-pamonjena ho antsika.
Fototry ny finoantsika ny maha-olombelona an’i Jesoa, Ilay Zanak’Andriamanitra, tena Andriamanitra. Fandalinana sy fampianarana mikasika izany maha-Andriamanitra sy maha-olombelona an’i Jesoa izany no nimasoan’ny Eglizy hatrany am-piandohana. Na ny drafitra narahin’i Md Lioka amin’ny fanoratana ny Evanjeliny aza dia manampy antsika hahazo izany Mistery izany, ka hampiharantsika azy amin’ny fomba fiainana andavanandro.
Nofidìn’Andriamanitra manokana i Masina Maria, ny antony hoy i Lioka dia satria hitany ny fanambaniana (tapeinosis) nahazo ny ankizivaviny, hitany ny fahorian’ny vahoakany. Tombom-pitiavana izany, saingy tsy ho an’i Maria ihany fa ho antsika rehetra koa, ho an’ny olombelona tsirairay. Fa tahaka ny fitiavana rehetra izy io, tsy manery fa miangavy. Ny “eny” nataon’i Maria no mirakitra ny halehibeazany, ka izay te ho zanany, izay te ho sambatra miaraka aminy, izay fatra-panaja azy marina tokoa, dia ho lany andro hitanisa ny “arahaba ry Maria” fotsiny, raha toa ka tsy mitombo miaraka amin’ny isan’izay voatanisa ny faniriana hanao “eny” amin’ny tolo-pitiavana iantsoan’Andriamanitra antsika mba hahatongavan’i Kristy ho nofo eo amin’izao tontolo izao.
Arahaba ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao (chairé na khairé, kekharitômenè, ho kyrios meta sou – Lk 1,28). Arahaba moa no nandikana azy, fa fiarahabana manokana kosa no dikany: chairé kecharitômenè: mifalia ianao izay nohasoavina. Antsoin’ny Anjely hifaly i Maria. Araka ny voalazantsika teo aloha dia tsy hoe fiainana milamina, tsy hoe harena sy voninahitra no niainan’i Maria fa “tapeinosis”, tsy fietren-tena fotsiny fa fiainana tsizarizary, tandindon’ny fiainan’ilay Siôna: miandrandra famonjena kanefa toa tsy afaka ny hiarina akory. Taratr’ilay “Siona” niandry ny fanambaran’Andriamanitra i Masina Maria, ao aminy no tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, niantso ny vahoakany hifaly (jer. oh. Sôf 3,14-18; Za 2,14; 9,9-10). Tanteraka izany fampanantenana izany satria nahay “nanaiky” i Maria, ilay ankizivavin’ny Tompo.
Ahoana no hahafahana mifaly, ahoana no hahitana ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny fahoriana? Ho an’i Masina Maria manokana dia tsy maintsy hiatrika ny fiainana izy: iza no hino fa “zanak’Andriamanitra” ilay zaza torontoronina tao an-kibony? Ahoana àry no hahatsapana fa na eo aza ny fijaliana sy ny adim-piainana (ny valan’aretina sy ny fahalovan’ny fahotana) dia “tian’Andriamanitra manokana” tahaka an’i Masina Maria isika tsirairay avy? Ny fandinihana ny halehibeazan’ny finoan’ity zazavavy kely ity no manampy antsika hanao dingana amin’ny finoana koa. Isika manko efa nohasoavina ary mino ny fitsanganan’i Kristy ho velona. I Maria kosa nanomana izany tam-pinoana. Sambatra izy, tsy nahita kanefa nino fa “momba ny vahoakany Andriamanitra”, tsy mandao ny vahoakany Andriamanitra, “ilay Misy” no Anarany, “Emanoela, Andriamanitra miara-monina mandrakariva amintsika”.
Rariny araka izany raha “atao tsara laza” (eulogèmenè, nadika hoe nosoavina) noho ny vehivavy rehetra i Masina Maria, tsy afaka ny tsy hibanjina ny halehibeazan’ny finoany izay te hanara-dia an’ilay “zanak’Andriamanitra” tonga nofo vokatr’izany faneken’i Maria am-pinonana izany (karpos na vokatra), ary izay manao tsara laza an’i Maria dia “mankalaza” ihany koa ilay nateraky ny kibony, ary Andriamanitra Ray no voalohany mitsodrano sy mankalaza Azy. I Maria no loharano nahazoantsika ny “loharanom-pahasoavana” hoy i Md Bernard, ka raha avy aminy no nahazoantsika ny Mpamonjy, fahasoavana inona no tsy homen’Andriamanitra antsika amin’ny alalany? Tsy afaka ny tsy ho any an-doharano izay maniry hantsaka rano madio. Tsy afaka ny tsy hanaja an’i Masina Maria izay te ho tonga mpianatr’i Jesoa, satria ao aminy no ianarantsika rehetra ny fanekena ny Teny, ka hahatonga nofo Azy ao amin’ny fiainantsika. Tsy afaka ny tsy hanaja an’i Masina Maria izay maniry hankalaza ny Noely.
Ambaran’i Md Lioka koa fa i Masina Maria no tena “Mpanompo(vavi)n’Andriamanitra” (Hè doulè Kyriou, Lk 1,38). Raha fakafakaina moa ny anarana hoe Maria, ankoatra ireo izay niezahana nandikana azy (malala, kintan’ny ranomasina…), ny matoanteny marah amin’ny teny hebrio dia midika hoe mandà, mioko, mikomy. Mazava loatra araka izany fa ao aminy no ahatanterahan’ny faminanian’i Sofonia: “amin’ilay Tanàna masina izay lasa mpiodina sy voaloto ary tonga tanàna feno fampahoriana, ny vahoaka ao Siôna no antsoina hihoby sy hanao firavoravoana, hifaly sy hirehareha amin’ny fony manontolo, satria ilay Masin’Israely no efa momba azy ireo” (Sôf 3, 1.14-15).
Tsara homarihina anefa fa tsy ny anarana Maria no iantsoan’ny Anjely ilay “zanakavavin’i Siôna” fa ilay kecharitômenè, ilay nohasoavin’Andriamanitra, ilay tiany satria vahoakany, tiany satria zanany, ka na dia fatra-pandà, fatra-pioko sy mpikomy aza ilay “zanakavavin’i Siôna”, dia ambarany ao amin’i Maria kosa fa tsy miova ny fitiavany, arotsany mitafotafo mandrakariva ny fahasoavany.
Izay mino ka matoky izany Teny izany, toa an’i Masina Maria no hahay “hanaiky”. Izany no fanekena amin’ny finoana lazian’i Md Paoly mamarana ny Taratasy ho an’ny Romana (Vak II). Mihaino ary manaiky satria matoky, ary izany fanekena vokatry ny fitokisana (confiance) izany no mitondra amin’ny maha-mpanompon’Andrimanitra, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny sitrapon’ilay miteny. Tsy fihetren-tena loatra ny filazan’ny Evanjely fa mpanompon’Andriamanitra i Masina Maria, raha ny marina, fa kosa fanandratana, fankalazana (eulogeô), entin’i Md Lioka milaza fa i Masina Maria no ilay “Mpanompovavy” sitrak’Andriamanitra, tsy ambakan’ireo Mpanompon’Andriamanitra hafa voatanisa ao amin’ny Baiboly, toa an-dry Abrahama, ry Môizy sy i Elia Mpaminany. Ilay Zanaka tonga nofo tao an-kibony moa no ilay “Mpanompon’i YHWH, sitraky ny fony”, araka an’i Izaia (Vakiteny mandritra ny herinandro masina).
Asan’ny Fanahy Masina no manavao ny zavatra rehetra. Iraho ny Fanahinao, ry Tompo, dia ho àry ny zavatra rehetra (Sal 104,30). Dia tao amin’ny faneken’i Masina Maria no nahafahan’Andriamanitra nanavao (nahary vaovao) ao amin’ny Zanany tonga nofo ny fitiavany antsika rehetra. I Jesoa, ilay “Masina” no ilay atao hoe “Zanaky ny Avo indrindra”, Zanak’Andriamanitra hanjaka mandrakizay.
I Masina Maria kosa, niandry am-pitokiana ny fahatanterahan’ny lahatr’ilay tia mandrakizay: “Aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao” (genoito moi, Lk 1,38), ny matoateny grika ginomai, izay midika hoe tanteraka, miseho miharihary eto dia amin’ny filazam-potoana aoriste optatif[1], izany hoe lazain’i Md Lioka fa indrakindrafana be ihany i Maria mandra-pahatanterak’izany sitrapon’Andriamanitra izany.
Ny fanaovana ny Angelus sy ny famerimberenana ny fiarahaban’ny Anjely, fa indrindra ny fankalazana ny Noely dia tokony halemombelona ao anatintsika koa ny faniriana izany hafaliana sitrak’Andriamanitra ho tonga lafatra ao amin’ny zanany rehetra izany, izay tanteraka, ao amin’i Jesoa zanak’i Maria. Ary io Teny tonga nofo tao amin’i Masina Maria io no iriny koa ho tonga nofo koa ao amintsika tsirairay avy. Asan’ny Fanahy Masina izany kanefa kosa miankina amin’ny fanekentsika ka hamelantsika Azy hiasa.
Moa ve tsy ny tahotra sy ny tebiteby no tena manesotra ny hafaliana sy ny fiadanam-po ao amintsika? Koa raha matoky isika fa mahefa ny zava-drehetra Andriamanitra, ary tia antsika Izy, tsapantsika ny Fitiavany! Nahoana no mbola matahotra sy mitaintaina amin’ny ho avy isika? Tsy ho sanatria anefa ho fanaovana antsirambina ny adidy aman’andraikitra ny finoana fa hain’Andriamanitra atao ny zava-drehetra… Izay te-honenan’Andriamanitra dia manaiky hovolavolain’ny fitiavany, ka hanitsy ny fomba fijery sy ny fomba fiaina araka izany.
Ny Komonio Masina no sitrak’i Kristy hanavaozantsika ny fitoerany ao am-pontsika. Ho hery vaovao hatrany ho antsika anie ny fandraisana azy ao am-pontsika, hahatonga nofo Azy ao amintsika , hahafahantsika milaza toa an’i Md Paoly hoe : “Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko” (Ga 2,20).
Isika tsirairay avy koa dia efa samy nandray ny herin’ny Fanahy Masina. Ohatra ho antsika i Masina Maria amin’ny fanekentsika hovolavolain’ny Herin’ny Avo indrindra ka hahafahantsika mivelona araka ny Evanjely, hiteny toa an’i Md Paoly araka ny voalaza teo, ka ny fankalazana ny Noely anie, hanapahantsika hevitra hampiasana ny fahefana sy ny fahasoavana rehetra omen’Andriamanitra antsika mba hahafahan’ny zanany rehetra “handry tsy amin’ahiahy ka tsy hampahorian’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony” (Vak I).
Tsy hohadinointsika ary fa mila mibebaka isika (labozia 1° volomparasy) mba handray ny finoana (labozia 2° mena), izany finoana izany dia zary loharanon-kafaliana (labozia 3° raozy) satria mamelona ny fanantenana fa ho avy ny Tompo, efa akaiky Izy, eo anivontsika Izy, tia antsika Izy. Ny hafaliana entintsika mandray Azy miara-monina amintsika kosa (Labozia 4° fotsy) dia manova ny fiainantsika ho zary fahazavana, ho vavolombelona hanambara ny fitiavany amin’izany mifanerasera amintsika. Ho “Noely” tokoa no ankalazaintsika raha tsy noho ny haingo na ny revaka na ny hanim-pitoloha no hifaliantsika sy hiravoravoantsika amin’izao fety izao, fa noho ny antony iray ihany : “miara-monina amintsika Andriamanitra ary tsapantsika eo amin’ny fiainantsika izany”!
Hanahaka an’i Masina Maria anie isika hanetry tena [izany hoe hankatò ny herin’Andriamanitra mandahatra ny zavatra rehetra] sy hiraiki-po amin’izay sitrak’Andriamanitra ary ny fanajana azy; ary ny fanaovana sapile matetika anie hanampy antsika hitombo finoana sy hafaliana hiandry am-pitokisana ny zavatra rehetra, tsy araka izay irintsika fa araka ny sitrapon’Andriamanitra, ho tanteraka araka izay lazain’ny Anjeliny, ka hiezahantsika kosa ny ho masina sy mba tsy hanan-tsiny eo anatrehany, ary ny fankalazana ny Noely kosa, hanavaozantsika ny fahatsapantsika fa tia antsika Andriamanitra ka hahafeno fatra ny hafaliantsika.
[1] Mode – Optatif (Optionnel) Le mode « optatif » s’emploie généralement dans les conditions de « quatrième type », qui expriment un désir, un souhait pour qu’une action dont on ignore le résultat puisse se réaliser. Ce mode est très rarement utilisé dans le Nouveau Testament, car il n’était presque plus en usage à cette époque. Dans quelques cas, le mode optionnel est utilisé sans clause conditionnelle, pour exprimer le très fort désir de voir se réaliser l’action considérée. Ceci correspond à ce qui apparaît dans la phrase « mê genoito », traduit par « A Dieu ne plaise! » (Luc 20:16) (cfr. Note Bibleworks 10)