Alahady faha-efatra Fiaviana Taona A
- Izaia 7,10-14
- Salamo 23
- Romana 1,1-7
- Md Matio 1,18-24
Hiara-monina amintsika Andriamanitra.
«Indro ny Virjiny fa hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe : « Emanoela », izany hoe amintsika Andriamanitra.» (Vak I Iz 7,10-14 sy Evanjely Mt 1,18-24). Io no ivon’ny Fankalazana aroson’ny Fiangonana amintsika amin’ity alahady faha-efatra ity. Ilay Kristy, feno ny Fanahin’Andriamanitra ka nanafaka ny rofy sy namaha ny fatoran’ireo mijaly no ho avy, ary ho zary famantarana ho antsika: famantarana fa eo anivontsika Andriamanitra, Emanoela. I Jesoa, ilay Zanak’i Maria moa no nanambara ny tenany tamin’i Joany, araka ny Evanjely tamin’ny heriny: mampahiratra ny mason’ny jamba, mampalady ny sofin’ny marenina, mampitsambikina ny mandringa ary mampinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana sy mampiravo ny vahoaka manontolo. (jer. Mt 11,2-11).
Matoa i Paoly nilaza fa « loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy » (1Kôr 9,16), dia satria tsapany ny herin’ilay Evanjely nanokatra ny fon’ny Jentily ho amin’ny finoana (Vakiteny II Rm 1,1-7), ka irìny sady zary tso-drano koa ho antsika mandray ny fampianarany. Rariny araka izany raha io fiarahabana apôstôlika io no hifampirariantsika soa isaky ny fiaraha-mivavaka: homban’ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray ao amin’i Jesoa Kristy Tompo.
Fa mampametra-panontaniana ahy hoe: efa antomotra ny Noely. Mirehitra avokoa ireo Labozia efatra nanjary famantarana ny fanomanantsika izany: ny Fibebahana, ny finoana, ny hafaliana izay mariky ny fitiavana ary mamelona ny fanantenana. Tsara ny manao jery todika ny làlana vita, niantso fibebahana sy fiambenana i Matio tamin’ny alahady voalohany, satria tsy fantatra izay hiavian’ny Zanak’olona (Mt 24,37-44); izany fibebahana izany anefa dia mila porofoina amin’ny fiainana andavanandro: manaova asa mifanahaka amin’ny fibebahanareo, hoy i Joany Batista (Mt 3,1-12) ny alahady manaraka, ireo no asam-pinoana izay manomana antsika handray ny Batemin’ny Fanahy; izay mandray io Fanahy io dia voairaka hitory fahafahana sy famonjena, hanohy ny asa natombok’i Jesoa, voahiraka hampanjaka ny fitiavana (Mt 11,2-11) ao anatin’ny hafaliana, dia hafaliana vokatry ny firaisam-po amam-panahy amin’ny Tompo; izany fahatsapana ny fanafahana nentin’i Kristy izay no mameno fanantenana ny fo, ka hahatsapana fa tsy mandao antsika Andriamanitra, eo anivontsika mandrakariva Izy, ka amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny i Md Matio manambara amintsika ilay Emanoela, amin’ny fiafaran’ny Evanjeliny kosa, ny teny farany nolazain’i Kristy tafatsangan-ko velona mampahatsiaro antsika ny fampanantenan’ilay “eo amintsika mandrakariva mandrapahatongan’ny faran’izao tontolo izao (Mt 28, 20).
[Rehefa nandinika ireo rehetra mety ho azoko novakìna sy nohalalinina aho, dia heveriko fa ny marim-pototra indrindra sady manampy antsika hahazo ny misterin’ny Fiaviana dia ny loko efatra ambaran’ny labozia :
Araka izany, ny taranaka 14 isaky ny vanim-potoana lazain’i Matio (Mt 1,17) dia asongadin’ny arivo taonan’ny tantara: hatramin’i Abrahama; hatreo amin’i Abrahama ka hatramin’i Davida; hatramin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana; hatramin’ny fahababoana ka hatramin’i Kristy…]
Fanomezana ny Famonjena, ary tahaka ny fanomezana rehetra dia tsy miankina amin’ny fahamendrehan’izay tolorana fa maneho ny fitiavan’ilay mpanolotra. Saingy raha tsy ampiasaintsika kosa anefa dia manahirana ihany, satria sady fanaovana tsinontsinona ilay mpanolotra no fanesoana sy fanaovana tsinontsinona koa an’izay tsy mba nahazo mitovy amintsika. Hafalian’ny nahazo fanomezana ny mirehareha amin’ny hafa mampidera ny zavatra azony. Koa ho haintsika koa anie ny hampiseho amin’ny hafa ny famonjena noraisintsika amin’ny fahatongavan’i Kristy ho nofo.
“Aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao”.
Raha iverenantsika dinihina ny Evanjely anio dia manamafy ny finoana ny nahatongavan’ilay Zanak’Andriamanitra ho nofo tao an-kibon’i Maria, noho ny herin’ny Fanahy Masina. I Josefa (Yoseph, Andriamanitra hanampy na hanovona) no ilay lehilahy marina, manokatra ny lalana hodiavin’izay rehetra mino ilay Teny Tonga nofo ka omeny ny fahefana maha-zanak’Andriamanitra (Jo 1,12). Antsoiny isika hamonjy ny aina, hihay ny zanany, hanome azy ny anarana hahatsiarovana fa mamonjy antsika Andriamanitra, Jesoa, miara-mitoetra amintsika mandrakariva izy.
Ambaran’i Matio ihany koa anefa ankoatra ny famerimberenana ny tsy fisian’ny firaisana teo amin’i Maria sy Josefa (and. 18.25) mandra-piterany ny zanany, fa tsy afaka ny handray an’i Jesoa, ho tonga nofo iray aminy, ho tonga iray razana aminy (izany hoe hiara-mandova ny fanjakany) raha tsy manaiky handray ilay nofidiany ho reniny, ilay nanaiky sy nino ny teny ka nahatonga azy ho nofo tao an-kibo dia i Masina Maria. Ilay Mpianatra malala koa, eo am-pototry ny hazofijaliana, dia niditra tao amin’izany fiombonana izany amin’ny fandraisana ho any aminy ilay Reny, ary inoantsika fa i Masina Maria no fahatanterahan’ny fampanantenana rehetra natao tamin’Israely, izy no ilay Siona Vaovao, ilay Eva, renin’ny aina nahazoantsika ny Tompon’ny aina, dia i Jesoa Kristy.
Izay te ho tonga kristianina araka izany, tahaka an’i Josefa, tahaka ilay mpianatra malala eo am-pototry ny Lakroà koa, dia tsy maintsy mandray ny Renin’i Jesoa, mandray an’i Maria sy izay rehetra nanaiky hahatonga nofo ny Teny: manaiky ho vadiny, manaiky ho zanany, izany hoe manaiky hitovy aminy amin’ny fandraisana sy fanekena ny sitrapon’Andriamanitra. Ny maha-olo-marina an’i Josefa koa anefa dia hahafahantsika mandray am-pitiavana ny fahasoavan’Andriamanitra. Indraindray heverintsika fa tsy rariny ny ho “ray” hanome anarana ny zanak’Andriamanitra, zanaky ny mistery, ka aleo miala mangingina. Ny fahasoavana sy ny fitiavan’Andriamanitra anefa dia tsy hifanaraka amin’ny fahamendrehantsika na oviana na oviana fa fanomezany maimaim-poana mandrakariva.
“Matahotra aho”, hoy i Adama (Jen 3,10). “Aza matahotra” hoy ny Tompo. Ny hanafaka antsika amin’ny fahotana no nilazan’ny Anjely fa hiara-monina amintsika no nanirahan’ny Ray ny Zanany ho antsika. Ny fialana amin’ny fahotana no hahafahantsika manavaka ny feon’Andriamanitra amin’ny fakam-panahy izay mety hitondra amin’ny tahotra, satria mampihevitra ihany araka ny nofo, hahatsiaro ny fahotana vita kanefa tsy matoky ny fitiavana izay mandresy hatramin’ny fahafatesana. Ny hamonjy antsika ho afaka amin’ny fahotana no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany (Evanjely).
Manoloana ny fahitana an’i Maria nitoe-jaza dia nanana safidy roa i Josefa: na hanala baraka azy am-pahibemaso na hametraka azy mangingina manoloana ny vavolombelona roa. Manoloana ny fanapahan-keviny hametraka mangingìna an’i Maria no nanohizany nieritreritra ka nitenenan’ny Anjelin’ny Tompo taminy tao amin’ny nofy. Zavatra roa no azontsika tsoahina amin’izany. Ny voalohany dia ny fitozoana mandinika, ny fampiasana ny saina mba hahatakarana ny zava-misy marina. Ny faharoa kosa, izay mameno ny voalohany, dia ny fanekena ny fetra maha-olombelona ka hamelana an’Andriamanitra hiteny amintsika. Tsy nofy anatin’ny torimaso manko no lazaina eto. Sarotra ihany raha lehilahy iray mahita ny vadiny mitoe-jaza nefa tsy mbola niray taminy no hahita tory. Io ilay nofin’ny torimaso lazain’ny baiboly.
Ao anatin’ny torimaso no nitenenan’Andriamanitra taminy, tahaka an’i Jakôba (Jen 28,10sns) ary tahaka an’i Elia (1Mp 19,1sns), ary ho an’ny Apôstôly nitsoaka koa dia tao amin’ny “fatorian’ny Zanany” no nanambarany ny fara-fitiavany, izay efa nambaran’ny torimason’i Adama namoronana an’i Eva. Tsy nofy “nofinofim-paniriana fotsiny anefa izany, fa ilay “torimaso” hilazana ny maha-olona tahaka an’i Elia hoe: ”ampy izay” (1Mp 19, 4), ka hahafahan’Andriamanitra mandray an-tanana ny zavatra rehetra, anirahany antsika ho fitaovana entiny maneho ny fitiavany ny olon-drehetra.
I Josefa lehilahy marina (dikaios, hilazana an’i Jesoa koa manoloana ny fanameloana azy ho faty, Mt 24, 19.24) dia vonona hiaro ny aina, na ny an’i Maria izany na ny an’ilay Zaza haloaky ny kibony. Ho antsika dia mora ny milaza fa i Jesoa Zanak’Andriamanitra io, satria efa nohazavain’ny Misterin’ny Paka. Ho an’i Josefa kosa, dia ny Anjely sy ny fitokisana an’i Maria no hany toky niatrehany ny marina ka nampakarany an’i Maria ho any an-trano, nanekeny ny fahafaham-baraka miaraka amin’ny reniny ho fiarovana ny aina.
Firifiry moa ny zaza tsy mahita masoandro noho ny herisetra sy ny fitiavan-tenan’ny ray na ny reny. Izay tsy mandray izay manaiky hahatonga nofo ao aminy ny Teny, handray izay toa an’i Maria dia tsy afaka ny hanonofy, tsy afaka ny hihaona amin’Andriamanitra manilo ny alin’ny fiainana mba hiposahan’ny mazava atsinanana vaovao. Tsy afaka hamela an’Andriamanitra hanokatra lalana vaovao hitondrana famonjena ho an’izao tontolo izao izay mihevitra fa ny fahamarinany sy ny rariny ananay no tompon’ny teny farany.
Afaka andro vitsivitsy ny Noely. Raha fahaterahan’i Jesoa tokoa izany, tsapantsika ve izany fitiavana entiny mitia antsika izany? Aiza no mety hahitantsika an’i Kristy teraka ho antsika? Inona no ezaka vitantsika mba hahafahany mahazo laka eo amin’ny fiainantsika? Ny Noely manko dia hafaliana, manambara fa mandova ny fiadanana isika rehefa an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Manampy antsika ny manao tamberina fohy an’ireo dingana naroson’ny Litorjia hiainantsika nandritra ny Fiaviana. Ankoatra izay efa naroso teny am-piandohana dia hojerentsika ampahatsiahiviko vetivety ny hevi-dehibe mamintina ireo fampianaran’Izaia Mpaminany.
Tsy azontsika adinoina fa tsy ho foana ny ady raha tsy ny Firenena rehetra no hirohotra ho any amin’izy Tompo, ho ao an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba (Iz 2,1-5). Amin’izay ihany no hanefena ny sabatra ho fangady, (vakiteny I alahady voalohany Iz 2,1-5) satria izay manaiky hotarihin’ny Fanahy sy hiasany no afaka hiara-miasa, tahaka ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry, kanefa tsy hifanapotika! (Vakiteny I alahady II Iz 11,1-10)
Na sanatria aza, mbola lavitry ny afo ny kitay, tsy ho kivy isika satria « ny tenan’izy Tompo mihitsy no ho avy hamonjy antsika » (Iz 35,1-6.10), (vakiteny voalohany alahady III sy IV Iz 35,1-6.10 ; 7,10-14). Fanantenana kolokolointsika mandrakariva ao amin’ny vavaka izany, vavaka izay hiezahantsika hitadiavana ny toeran’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ka handalinantsika ny fifandraisantsika Aminy.
Arotsahy avy any ambony ny andonao, ry lanitra, ary aoka ny rahona hampidina ny Marina toy ny ranon’orana, ary ny tany hisokatra hipoiran’ny Mpamonjy (Iz. 45, 8). Ho heniky ny fahasoavana anie isika ka ho tany lonaka hipoirana sy hamokaran’ny Teny ekentsika ho tonga nofo eo amin’ny fiainantsika.
Dia efa miarahaba sahady amin’ny fankalazana ny Noely.