ALAHADY FAHA-EFATRA AMIN’NY KAREMY TAONA D
Miravoravoa ry Jerosalema: Laetare!
- Josoe 5, 9a-12/
- Salamo 33/
- 2 Kor 5, 17-21/
- Md Lioka 15, 1-3.11-32
FALY NY RAY MANDRAY ILAY ZAZA MPANDANY NAHALALA NODY.
Eo am-piomanana amin’ny Paka, mitozo amin’ny vavaka, ny famolahan-tena sy ny asa fitiava-namana, dia manasa antsika ny Fiangonana amin’ity Alahady ity mba hiravoravo, hienta-kafaliana sy ho dibo-kafaliana ao am-po (Tononkira fidirana Laetare). Eo am-pizorana mankamin’ny Paka manko isika, dia efa mankalaza sahady ny Pakan’i Kristy. Ny fiombonantsika amin’i Kristy ihany no hahafahantsika miova fo sy miandrandra fahafahana marina tokoa.
Tsy afa-misaraka amin’ny misterin’ny hazavana ny Misterin’ny Paka, satria i Jesoa Kristy, tonga nofo, maty fa nitsangan-ko velona no manazava izay rehetra mandray Azy ao amin’ny finoana, ary antsangany ho zanaka mpandova amin’ny alalan’ny rano manome aim-baovao (prefasy Alahady IV Karemy taona A). Tsy ny fotaka nahosotra ny maso ihany no mety hampahiratra, tahaka ny fitantaran’i Joany an’ilay teraka jamba (Jn 9, 1-41) fa ny sedra-piainana ihany koa, izay mampahatsiaro antsika ny maha-tsinontsinona, tsy mahay mitantana ny lova nomena, ka tsy hanana vahaolana hafa tsaratsara kokoa mihoatra ny fiverenana any an-tranon’ilay “dada” mitsinjo hatramin’ny mpanompony (Evanjely hazavaina any aoriana).
Ny fihavaozan’ny fomba fijery dia midika koa fihavaozan’ny fiainana, satria tsy hihanona amin’ny hitan’ny masony fa hahalalana marina tokoa araka an’Andriamanitra ka tsy hikenry afa-tsy izay mahasoa, izany hoe izay mendrika sy mahafaly an’Andriamanitra (vavaka aorian’ny Komonio). Rah ai Kristy no hazavana, dia mazava loatra fa arakaraky ny hanatonantsika ny hazavana no hahitana mazava kokoa ny zava-misy. Miandalana anefa izany fivoarana izany, saingy fihavaozana tsy maintsy izorana raha tiana ny hanandrana ny hafaliana entin’ilay Paka efa akaiky (vavaka fangatahana).
Ambaran’i Md Paoly fa na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zavaboary vaovao izy (2Kor 5, 17-21) satria i Jesoa, ilay Fihavanantsika (Ef 2, 14) no nampiavanan’Andriamanitra antsika taminy. Tsy misy fampihavanana sy fibebahana marina araka izany raha tsy mandalo ao amin’i Kristy. Ambaran’i Md Paoly manko fa ny tena fibebahana marina dia Fihavanana amin’Andriamanitra. I Kristy no natolotra ho Sorom-panonerana noho ny ota (Lev 5 – 6) ka nanaiky ho tonga nofo, hahatonga antsika ho fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy.
Ny Evanjely sabotsy 3 karemy dia manampy antsika hahazo ny hasin’ny Soron’i Kristy. Ilay Farisiana sy Poblikàna tany an-tempony dia nampisehoan’i Jesoa ny toe-po amam-panahy hoentintsika manolotra ny vavaka amam-panatitra ho an’Andriamanitra mba hahazoana ny fahamarinana, mody any an-trano (Lk 18, 9-14). Ilay farisiana dia nanolotra ny fananany sy ny ambim-bavany, nanolotra ny zavatra vitany hiheverana fa izany no “hividianana” ny fitiavan’Andriamanitra ka hahazoana ny hasambarana nampanantenainy. Ilay poblikana kosa, nanolotra ny fahosany sy ny fahosany, niaiky fa ny famindram-pon’Andriamanitra irery ihany no afaka hamonjy azy. Ny fiainany no natolony, mba ho sitranin’ny fitiavana. Tsy ekenao ny Sorona… koa ity aho tonga hanao ny sitra-ponao (Hb 10, 7 // Sal 40).
Miankina amin’ny fahazoantsika ny hevitry ny fahotana anefa izany. Tsy sanatria manko henatr’olona no mampalahelo antsika fa fanitsakitsaham-pitiavana, henatra ilay ray tia antsika, satria nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehan’ny Fitiavan’ny Ray. Ny fahotana araka izany dia ny tsy fahalalana sitraka manoloana ny fitiavana, ny tsy fahatsapana ny fahasambarana efa ilomanosoana ka aleo miala ao an-tranon’ny Ray (milaza azy ho faty, ho toy ny tsy misy) mba hahafahana manao izay tiana hatao, eny fa na dia ny handrobaroaba sy handany ny fananana amin’ny fitondran-tena ratsy aza no tanjona amin’izany. Ny fibebahana kosa, dia ilay fiverenana ao anaty, fiverenana amin’ny tena (mody ny saina, hoy ny evanjely) ka hahatsapana fa ny fitiavana ihany no hahavelona, ny fitiavana ihany no mahasambatra, fa tsy sanatria ny filibàna na ny mety ho hafinaretana mandalo. Ny fibebahana no hahitantsika fa na dia ny mpanompo aza manana fahasambarana tsaratsara kokoa noho izay lavitra ny tranon’ny Ray. “Aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo an-toeran-kafa, aleo mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy” (Salamo 84, 11).
Misy vola very ary hafaliana ho an’ilay vehivavy tompony ny fahitana azy indray rehefa avy nitady azy; nisy ondry very fa an-tsoroka no hitondran’ilay mpiandriondry azy any am-bala rehefa hitany; ilay olona very kosa indray, hafaliana ho an’ny Rainy ny fiverenany, saingy tsy nahafaly loatra an’ilay zokiny, nolaviny hatramin’ny maha-rahalahiny azy (“io zanakao io”, hoy izy).
Miankina be dia be amin’ny fahatsapana ny fitiavan’ilay Ray ny risi-po nanosika an’ilay zanaka mpandany hanapa-kevitra hiverina any an-trano. Mila manontany tena mandrakariva araka izany ny tsirairay, ny fiangonana, raha toa ka miaina araka ny maha-izy azy: taratry ny fitiavan’ilay Ray, satria izay no lalana tokana hampiverin-dalana ireo nania, ka hanaovana fety amin’ny fiverenan’ny zaza mpandany, fa tsy sanatria halailay fonosana tahaka ilay zoky nihevitra ho nanao ny sitrapon’ny ray, kanjo ny fanarahan-dalana hampiavonavona no tao an-tsainy fa tsy ny hafaliana maha-sambatra amin’ny maha-zanaka, araka ny hevitry ny rainy.
Ny Evanjely dia mampianatra antsika hibanjina ny fitiavan’ny Ray mba hahafahana miaina ny maha-zanaka. Tantaran’ilay zaza mpandany moa no mahazatra antsika hiantsoana azy, fa ny marimarina kokoa, dia mitantara ilay “Ray mpamindra fo” sy ny zanany roa ny Evanjely.
Mialoha izany anefa dia lazain’i Lioka fa mety ho toy ny ondry isika, maniasia “tsy am-pahalalana” tahaka an’i Paoly (vak II), ka mitaraina sy mikiakiaka, mibarareoka mandrapaha-tongan’ilay mpiandry hitondra an-tsoroka antsika ho any am-bala. Mety ho tahaka ny dragma (vola tsangan’olona) isika, latsaka tsy misy mpahita, tsy afaka ny hitaraina akory, angamba amin’ny fotoana hilatsahana ihany, ka hiandry ilay tompony hifafa ny trano rehetra mba hahitany azy indray.
Mety ho sitrapontsika koa anefa no ho very satria mafy ho antsika ny miaina ny lalàn’ny fitiavana izay toa mamehifehy antsika. Lazain’i Md Lioka fa nangataka ny anjara lovany ilay zandriny. Araka ny Boky Levitika (Lv 25,23) dia tsy amidy ny tany, fa ny fanana kosa dia ny 2/3 an’ny lahimatoa (Dt 21, 17), ary tsy afaka mahazo ny lova ny zanaka raha tsy maty ny raiamandreny. Voalaza araka izany fa tsy fitakiana ny anjarany fotsiny fa ny faniriana te hihaina malalaka, tsy elingelenin’ny raiamanandreny heverina ho “maty”, manao an’Andriamanitra ho tsy misy izany, no ilazana ny fihetsika nataon’ilay zandriny. Ny ampahatelon’ny lova izany no nalainy ary dia nolaniany tamin’ny fitondran-tena ratsy sy ny vehivavy janga araka ny voalazan’ilay zokiny. Rehefa voaterin’ny hanoanana anefa izy dia niandry kisoa, izay zavatra tsy azony atao akory araka ny Boky Levitika (Lv 11, 7), ary zavatra heverina fa sarotra lavitra noho izay niainany tao an-tranon-drainy, na izany aza anefa tsy mbola feno ihany ny kibo ka hatramin’ny hanin-kisoa avy tiana hohanina. Teo izy vao nahatsiaro fa ny mpiasan’ny Rainy aza mbola miadana noho izy, izy ireo voky hanina.
Fantany fa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehan’ny Rainy izy, tsy manana zo hitaky na inona na inona intsony. Fantany ny fitiavan’ny Rainy saingy tsy ny hanararaotra izany no nataony. Raha araka ny lalàna dia afaka ny nandroaka azy ny rainy, afaka ny hanameloka azy mihitsy aza satria nanosihosy ny zon’ny fianakaviana.
Eto no anehoan’i Lioka ny tena endrik’Andriamanitra manoloana antsika mpanota, manoloana an’izay mety ho mandà ny fisiany mihitsy aza. Tsy afaka hitaky ny lova manko ny olona iray raha mbola velona ny raiamandreniny. Ny fitakiana ny lova, araka izany dia filazana hoe “ho ahy, efa maty ianao”.
Tsy naniry afa-tsy ny ho mpiasa ilay zaza mpandany. Ilay rainy kosa anefa, nahatazana azy vao lavitra, izany hoe tsy sasatra ny niandry ny hiverenany, ka honena (σπλαγχνίζομαι splagchnizomai, רַחוּם raHùm amin’ny hebrio), nididododo nitsena azy (niazakazaka: ny lehilahy lehibe tsy miazakazaka, mandeha miadana, mahamenatr’olona ny miazakazaka fa tsy noraharahiany izany), ary namihina (ἐπιπίπτω epipipto nianjera, nihazakazaka dia niantoraka teo amin’ny vozony: izy no niantehitra tamin’ilay zanany satriny hijoro ho andry iankinany) ary nanoroka azy (καταφιλέω kataphileo, tsy nitsahatra ny nanoroka azy).
Nasain’ny rainy nomena ny akanjo tsara indrindra izy sady nasiana peratra ny ratsan-tanany, izany hoe naveriny taminy ny hafamendrehany sy ny hasina maha-zanaka azy, nasiana kiraro ny tongony: tsy andevo na mpanompo izy fa zanaka, olona afaka. Novonoina ny omby nafahy, izany hoe hilazana fa fety efa nomaniny hatry ny ela ny fiverenan’ilay zanany, ary io no fety lehibe indrindra nandrasany.
Ho an’ilay Ray be famindram-po, fety mandrakariva ny fiverenan’ny zanany, na inona na inona hadisoany, satria lazainy fa ny fibebahana dia fahavelomana indray. Ilay zokiny kosa, satria mihevitra fa tambin’ny asa sy ny fahendrena ny fitiavana, tsy hoe tsy te-hahalana intsony ny momba ilay zandriny izy: “io zanakao io” hoy izy tamin-drainy, tsy afaka ny hitia ilay zandry toy ny rahalahy izy, satria tsy mba niaina na oviana na oviana ny maha-zanaka. Ny fiverenan-drandriny no nararaotiny hamoahahana ny tao am-pony rehetra. Mitovitovy amintsika ihany rehefa tezitra dia manao litania ny zavatra mampalahelo rehetra izao: tsy afaka nifaly aho, tsy nahazo zanak’osy hifaliana akory nefa maty nanompo izay ela izay.
Tsy nety niditra izy, saingy ilay “Ray” kosa, tsara fo, ka nivoaka nankeo aminy. Andriamanitra manantona mandrakariva ny zanany, saingy tsy manery, mampahatsiaro azy ireo ny fitiavany mahafoy ny zavatra rehetra. Ampahatsiahiviny antsika fa ny zanaka dia mpandova, nomeny ny fiainany. Azy izay rehetra an’ny Ray. An’i Jesoa izay rehetra an’ny Ray, ny Fanahy kosa handray ny avy aminy ka hanambara izany amintsika, ary isika kosa handray izay an’ny Fanahy ka hanambara izany amin’ny hafa. Fiombonana ny Trinite Masina ary iombonan’izy ireo ihany koa ny fiainana izay zarainy amintsika manontolo. Izay mino azy dia tsy hanana zavatra manokana intsony (Asa 2, 44) ary tsy hisy hilaza ny fananany ho azy (asa 4, 32).
Ambaran’ity fanoharan’ny Evanjely ity ary fa tsy ny fananana no mahasambatra, fa ny maha-zanaka. Tsy ny fijanonana ao an-tranon-dray akory aza, tahaka ilay zoky nalahelo ny fiverenan’ny zandriny, fa ny fahaizana mifaly amin’ny fifankatiavana sy ny fisiana. Ilay zaza mpandany tsy te ho fehifehezin’ny rainy intsony ka nisintaka; ilay zokiny kosa, teo ihany fa tsy nahita hafaliana, alahelony ny tsy nahazo na dia zanak’ondry kely hifaliana miaraka amin’ny sakaiza aza, kanefa ambaran’ilay rainy mazava fa azy ihany ireo fananana tsy lany tamin’ny fetifety ireo, ho azy no mety nampahihitra ny rainy taminy.
Izay mahatsapa fa tsy ny fananana no maha-sambatra fa ny maha-zanaka sy ny fifankatiavanana, dia hifaly mandrakariva amin’ny fiverenan’ny “zaza mpandany”, tsy mampaninona izay fahaverezan’ny vola aman-karena amin’ny “vehivavy janga”, satria fahavelomana ny fiverenan’izay nania ao am-bala.
Tsy ho fivelomana amin’ny “mana milatsaka avy any an-danitra” anefa izany sanatria fa fiandrandrana ny vokatry ny tany, satria tsy “tanin’ny fanandevozana” no diavina fa “tranon’ny fahafahana” (jereo Jos 5, 9-10-12) , eny fa na dia mety ho hatsembohana sy harerahana aza no hahazoana izany. Tsy ny mana intsony fa ny vokatry ny tany Kananeana no nohanina. Mitaky fandraisana adidy ny fahafahana marina. Voaantso isika mba hamafy ka hisy ny hojinjaina.
Ity ory velon’antso ka novalian’ny Tompo, hoy ny salamo (Sal 33)… isika no tanana atsotran’Andriamanitra hamaly ny antson’ireo mitofezaky ny hanoanana, maniry ny hivoky ny hodim-bomanga omena ny kisoa, saingy indrisy… “mandalo krisy avokoa”, hatramin’ny fifampizarana ny mofo… mampiavaka ny kristianina, “tsy nisy nanome tsinona”.
Mampanontany tena ihany anefa raha hafaliana ho an’ny Fiangonana sy ny zanak’Andriamanitra ny fiverenan’ny rahalahy iray avy nandany ny fananana tamin’ny fitondran-tena ratsy. Samy mandini-tena amin’izany isika satria voaantso mba hanahaka ny hatsaram-pon’ny Ray. Tsara anefa ny manamarika etoana, sao sanatria misy olona entanin’ny faniriana tsy hanorina fa handrava, hitsikera sy hanome tsiny fa tsy hitia sy hitady ny fomba handresena ny ratsy, ka hanome tsiny ny fiangonana na ny Fikambanana amin’ny fangatahan’ny zanany sasany hiverina, tsy ho mpiasa fa mbola handany ny harena sisa tavela, mbola tsy azony tamin’ny fisintahany voalohany. Taratry ny fibebahana marina ny fanetren-tena ka izay te ho mpanompo, faly amin’ny maha-zanaka, no hiditra amin’ny fiainam-baovao.
Hiezahantsika ary ny hiaina ny maha-kristianina antsika, ka na ho inona mety ho hamafin’ny fiainana, na ho sanatria ho inona henatry ny fahalavoana, dia hino fa ao amin’i Kristy, afaka miha-vao mandrakariva isika, ary hanamafy ny finoan-drazana, tsy sanatria amin’ny tanana zatra mitsotra, fa amin’ny toetra ratsy izay azontsika hovana… Miankina amin’ny fahatsapantsika ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao amintsika anefa izany. Hirairaintsika matetika ny hira… Matoa aho anie toy izao… saingy, manoloana ny hafa, satrintsika hifosa sy hitantara ny fahalemena , sitrany hahay hanamarinan-tena… kanefa raha mahatsapa isika fa ny fahasoavan’Andriamanitra no maha-isika antsika, dia ho tonga vavaka ny hasosorana noho ny halemen’ny hafa, ho zary fikaonan-doha hijerena izay mahasoa sy hiverenan’ny zaza mpandany ny takoritsika hampanalavirana azy ny tranon-dray….
Mbola lavitra ny lalana hiainana ny Evanjely… matoky anefa isika fa handresy miaraka amin’i Kristy, ka ho tonga any amin’ny tany nampanantenaina sy antenaintsika…
“Matoa aho anie toy izao”, hoy ny hira… saingy, manoloana ny hafa, satrintsika hifosa sy hitantara ny fahalemena, sitrany hahay hanamarinan-tena, kanefa raha mahatsapa isika fa ny fahasoavan’Andriamanitra no maha-toy izao antsika, dia ho tonga vavaka ny hasosorana noho ny halemen’ny hafa, ho zary fikaonan-doha hijerena izay mahasoa sy hanomanana ny omby hafahy hovonoina amin’ny hiverenan’ilay zaza mpandany ny takoritsika sy ny fanaovana toeran-tsy zaka hiheverantsika ho mpanompo ka manakana antsika tsy hibanjina an’Andriamanitra ho Ray, na oviana na oviana.
Ho zary fibanjinana ny fitiavan’Andriamanitra mandrakariva anie ny fivavahantsika.