ALAHADY FAHA 7 MANDAVAN-TAONA – taona D
- 1Samoela 26,2-23
- Salamo 102
- 1Kôrintianina 15,45-49
- Md Lioka 6,27-38
Soavy ireo tsy tia antsika.
Raha toa ka ny fahavalo no novonoina, alahelo ve ny manana namana maharipaka ny fahavalonao bebe kokoa noho ny anao? Raha misy asa hiarahana manao, alahelo sy fialonana ve ny fahitako ny hafa mahavita bebe kokoa noho izaho ka hahavitan’ny asa tsaratsara kokoa sy haingankaingana kokoa?
Eny, ho an’i Saola, ka olom-boafantina 3000 no nentiny hiaza an’i Davida, izay tonga fahavalony. Manoloana izany anefa dia nolazain’ny Vakiteny fa efa “naidin’ny Tompo eo am-pelatanany ny fahavalony”, ary tokony hohararaotina izany ho an’i Abisaì. Teo amin’i Israely dia nandrasana sy nivavahana mihitsy ny andron’ny famaliana (nāqām) hanoloran’ny Tompo ny fahavalo eo am-pelatanana. Io ilay andinin’ny bokin’i Izaia tsy novakian’i Jesoa tao Nazareta (alahady III). Taom-pahasoavana no an’ny Tompo fa tsy andron’ny valifaty, satria ny hahasambatra miaraka ny mpifandrafy sy ny mpifahavalo no sitrany.
Tsy mbola ny hafatra hitia ny fahavalo, tahaka ny ampianarin’i Jesoa antsika amin’ny Evanjely, hazavaintsika any aoriana anefa no hafatra ampitain’i Davida eto. Tsy hikasi-tanana an’ilay voahosotry ny Tompo izy ka avelany ho an’Andriamanitra ny famaliana ny olona araka ny asany. Ambarany mazava fa tsy mifanaraka amin’ny hasina maha olona ny mamaly faty. Raha ny “maso efai-maso” no ampiharina, hoy i Gandhi mandinika momba ny valifaty, dia ho jamba izao tontolo izao.
Ny vakiteny faharoa moa dia mbola manohy ny fampianaran’i Md Paoly ho an’ireo kristianina tany Kôrinto momba ny finoana ny fitsanganan-ko velona. Izay mino fa hitsangana tahaka an’i Kristy no afaka hitondra ny endriky ny lanitra. Ny finoana ny fitsanganan-ko velona manko dia manova ny fomba fiainana sy ny fomba fijery. Ny mpamboly ohatra, rehefa mandatsaka ny voa any anaty tany dia entanin’ny fanantenana fa hitsimoka io voa io, hitombo ary hamokatra, raha tsy izany dia ho hadalana ny handevenana azy ao anaty tany. Tsy hisy olona hahafoy raha toa ka tsy manantena ny tsaratsara kokoa. Tsy fahafoizana mba hahafoy araka izany ny fiainana ara-panahy, nomen’ilay Adama vaovao ho lovantsika, fa masomboly hampamokatra tany vaovao sy lanitra vaovao kosa, hiitaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ny fanjakan’ny fitiavana.
Tsy hoe fiandrasana valisoa inona tsy akory, satria ny fahalalan’Andriamanitra antsika ho zanany ka hahafahantsika mandova ny Fanjakany, miara-manjaka amin’i Kristy Zanany (satria ny Mpanjaka no antsoina hoe zanak’Andriamanitra) no valisoa tokana andrandraintsika. Fa ny hafaliana kosa amin’ny fahitana ny vokatra hojinjaina dia miankina amin’ny fandraisana anjara amin’ny fikarakarana sy ny famokarana.
- Md Lioka 6,27-38
Ireo mpianatra mahantra kanefa nolazain’i Jesoa fa sambatra raha mahatsapa ka mandray izany fahasambarana izany dia mazava loatra fa mandray izany ho tombom-pitiavana maimaim-poana. Ho setrin’izany no iangavian’i Jesoa azy ireo hitia ihany koa tahaka ny nitiavana azy ireo. Fony mbola fahavalony, mbola mpanota, mbola malemy isika, hoy i Md Paoly dia efa notiavin’Andriamanitra, nahafoizany ny ainy ho an’ny olona tsivalahara (Rm 5,6), fahasoavana maimaim-poana no namonjeny antsika (Ef 2,4-7).
Ahoana moa no hitiavana toa Azy? Ny famindram-po : tsy misy valifaty mitondra voka-tsoa. Ny fanaovan-tsoa ihany no hahafahana manorina tontolo vaovao sy mihavao araka ny irin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra. Izay mahalala ny Andriamanitr’i Jesoa Kristy ka entanin’ny Fanahiny ihany no afaka hitia ny fahavalo ka ho tonga sahala amin’ny voninkazo manana hanitra: tsy afaka ny tsy hamerovero na dia hosihosena aza. Dingam-piainana telo no amintinana izany lalam-piainana lavorarin’ny fitiavana izany: manao soa, mitso-drano (bene-dire) ary mivavaka.
Ianareo izay mihaino: tiavo ny fahavalonareo. Ahoana moa no fomba hitiavana ny fahavalo? Tahaka ny ataon’Andriamanitra.
Misy olona miseho ho kristianina mafana fo be, kanefa raha ny voninahiny na ny fianakaviany na ny fananany no kitikitihinao, dia mivadika biby izy. Misy ny sasany mba nanomboka nanao soa ihany saingy tsy nahazo valin-tanana ka mikafara milaza fa tsy hahavita manampy ny hafa intsony. Misy ny sasany leom-boan’anana ka tsy tia zava-boribory. Fa ho an’i Jesoa dia mitia tsy mila valiny (ἀγαπάω – agapaô) ary izany dia asehony amin’ny asa : amin’ny fanaovan-tsoa (καλῶς– kalôs) ho an’izay mankahala (μισέω – miseô); amin’ny teny : misaotra (εὐλογέω – elogeô =miteny tsara- manao tsara laza) izay manozona (καταράομαι, kataraomai); amin’ny eritreritra ombam-pisainana : mivavaka (προσεύχομαι – proseuchomai, izany hoe mitalaho ny soa ho an’izay manisy ratsy (ἐπηρεάζω, epèreazô= izay manao toeran-tsy zaka, manendrikendrika).
Izany no mitia : manao soa, mirary soa, maniry ny soa ka fahotana, izany hoe fahabangan’ny fitiavana izay rehetra natao ka tsy nifanaraka tamin’ny fanaovan-tsoa, nataotao foana fa tsy natao mba hikendrena ny soa ho an’ny tena sy ny hafa; mifanohitra amin’ny fitiavana izay notenenina tsy am-piheverana ka tsy nirariana soa sy anaovana laza tsara ny hafa na izay teny tsy nampiasaina mba hanoroana azy ny lalan’ny fiainana; ary lavitra ny fitiavana izay eritreri-dratsy sy faniriana tsy mifanaraka amin’ny soa ho an’ny hafa.
Tsy midika izany fa hiray tsikombakomba amin’ny ratsy isika. Nilaza Izy fa raha misy mamely ny takolaka anankiray dia atolotra azy koa ny ilany. Fantantsika anefa fa teo anatrehan’ny Lehiben’ny Mpisorona, rehefa nahazo tehamaina Izy dia nanontany ilay mpanompo ny antony nitefahany Azy (Jo 18,23). Atao ahoana no famela ny hafa hanao izay danin’ny kibony ka tsy hamalifaty, na farafaharatsiny ahay hanakana azy tsy hanoy ny asa ratsiny?
Tsy mora ny fangatahan’i Jesoa ho an’izay te ho Mpianany : izay tsy vitan’ny asa, dia ampian’ny vava, ary izay tsy sahin’ny vava akory tenenina, noho ny hatezerana sy ny ratram-po dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra mba hahafahantsika mahita ny fahavalo tahaka ny fahitan’Andriamanitra azy ka hitiavantsika azy koa tahaka ny itiavan’Andriamanitra Azy. Izay manao ratsy sy mahavanon-doza dia efa andevozin’ny ratsy sy ny fitiavan-tenany ka raha tsy ny hazavana ateraky ny fitiavana, raha tsy ny hazavana avy amin’Andriamanitra no manokatra ny fony, dia hanampy trotraka indray izany faharatsiana efa mianjady aminy izany ny mety ho teny ateraky ny avonavona sy ny hatezerana tsy voafehy. Lalàna fototra ho an’ny Kristianina ny “mandresy ny ratsy amin’ny fanaovan-tsoa” (Rm 12,17-21).
Ao amin’ny vakiteny voalohany dia moramora ho an’i Davida ny namono an’i Saòla (שָׁאוּל – shāoul) saingy tsy nataony izany satria tsy manesotra ny hasina maha voahosotr’Andriamanitra ny fankahalana nahatonga an’i Saòla nanenjika azy nandritra ny alina. Aza mitsara mba tsy hotsaraina hoy i Jesoa: tsy hoe ny fitsarana hanavahana ny tsara sy ny ratsy sanatria no lazaina eto fa ny fanamelohana (κρίνω – krinô) ny hafa amin’ny fakàna ny toeran’Andriamanitra izay “hamaly ny tsirairay araka ny fahitsiana amam-pahamarinany avy” (Vakiteny I : 1Sam 26,2-23).
Tsy sanatria fiforetana anaty am-pahanginana no asetrin’ny Kristianina ny tsy rariny fa kosa mihoitra amim-pinoana sy amim-panantenana ary am-pitiavana izy : tsy hamaly faty, hanome izay ananany raha ilain’ny hafa izany, hanome izay rehetra mangataka ary tsy hitaky trosa akory aza… Ny fitiavana tsy afaka hamorona ny tsy misy kanefa ihany koa tsy afaka ny hampiandry ny hafa amin’izay azony atao. Hany ka raha tsy misy afa-tsy ny valifaty na ny herisetra sisa lalana hahafahana mihoitra dia aleony maty (toa an’i Kristy) toy izay hampiasa herisetra.
Izay manaiky hanaraka izany fampianaran’i Jesoa izany dia izay tiany hataon’ny hafa aminy no ataony amin’ny hafa koa. Tsy hiandry valisoa (μισθός– misthos: Mt 5,46) vao hanao zavatra satria mahalala fa izay ataony noho ny fitiavana ihany no hahazoany fankasitrahana (χάρις – gratis – χαίρω – chairô, mifaly: Lk 6,33) maharitra ho amin’ny mandrakizay, hahafeno fatra ny hafaliany. Tsy ho afaka ny hiditra amin’izany fomba fisainana izany izay mbola jamban’ny fitiavan-tenany ka tsy afaka mifaly amin’ny soa azon’ny hafa, satria mazava loatra fa tsy afaka hampifaly ny hafa amin’ny fanaovany soa ihany koa.
Tsy ho sanatria àry fanaovana kajikajy mba hahazoana tambiny no anaovantsika zavatra. Misy ihany ireo mihevitra ho manao zavatra maimaim-poana fa avy eo tsy levon’ny vavoniny raha ny hafa no mahavita tsara noho izy : fitiavan-tena sy filam-boninahitra araka izany no nanentana azy teo, ka na ho ela na ho haingana, rehefa tsy voasaotra sy tsy voadokadoka, na rehefa voakitikitika ny tombontsoa manokana dia midongy sy migafy, mandrovi-tsihy, maneho ny alahelony! Mbola lavitry ny fampianaran’i Kristy izany.
Eo anatrehan’ny tahotra manoloana ny fitomboan’ny mpino (ny Silamo ohatra) sy ny firongatry ny mpino any amin’ny sekta dia tsy misy fomba hafa tsaratsara kokoa hahasarika ny olona ho kristianina (ary ho kristianina marina tokoa) mihoatra ny fitiavana ny fahavalo sy ny fanaovana soa amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Raha misy fivavahana afaka manolotra vahaolana tsaratsara kokoa noho izany lalana atoron’ny Evanjely izany mba hanorenana tontolo mendrika ny maha olona dia heveriko fa fahadalàna ny tsy fanarahana izany.
Manoloana ny ratsy vitan’ny hafa amin’ny tena dia mila ianarana mandrakariva ny manavaka ny ratsy sy izay nahavita ratsy, sao toy ny voalazan’i Md Augustin hoe: ny fankahalana ny ratsy hanjary fankahalana ny rahalahy nahavita ratsy, na sanatria ny fitiavana ny rahalahy nahavita ratsy hivarinana koa amin’ny ratsy efa nanandevo azy.
Tsy afaka ny tsy hamindra fo anefa izay mahatsapa fa ny mpanota no potehin’ny fahotana voalohany, mialohan’ny hiantraikan’ny vokatr’izany any amin’ny hafa. Tsy afaka ny hiditra any an-danitra kosa izay tsy mamindra fo. Fa inona tokoa moa izany famindram-po mampiavaka an’Andriamanitra ka hiainan’izay te ho zanany izany?
Ny Salamo 102 (setriny) dia mampahatsiaro antsika io endrik’Andriamanitra Mpamindra fo sy mpiantra io
Mora fo sady mpamindra fo Andriamanitra, mamela ny heloka rehetra, manasitrana ny aretina rehetra, ary manalavitra ny hadisoana amintsika tahaka ny halavitry ny atsinanana sy ny andrefana (Sal 102). Ho an’izay mahalala ny famindram-pon’Andriamanitra dia mahazo ny lazain’i Jesoa fa tsy misy lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana raha tsy amin’ny fanahafana azy: “aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo ianareo”. Mamindra fo mandrakariva.
Na eo aza anefa ny famindram-pon’Andriamanitra dia tsy azo hihodivirana kosa ny voka-dratsin’ny fahotana sy ny tsy fanekena ny Lalàn’Andriamanitra. Tsy didy nataony hahafalifaly ny fony manko ny Lalàna, fa torolalana (Torāh) mitondra ho amin’ny fahasambarana, ka izay mivily tsy hanaraka ny lalana mankamin’ny fahasambarana, mazava loatra fa tsy ho tonga any.
Ho an’izay nisafidy ny lalan’ny fahotana araka izany dia hangaihay tava sy ho menatra foana, ary ho an’Andriamanitra kosa ny famindram-po amam-pamelan-keloka ho an’ireo niodina taminy. Tsy sazy sanatria no asetrin’Andriamanitra ny otantsika fa fitiavana, tahaka ny alahelon-dreny mitsetra ny ditran-janany. Izay no maha Andriamanitra Azy. Ny fahatsapana izany no mahatonga ny mpihira Salamo (78) hiangavy an’Andriamanitra mba hanesotra ny ota, satria ny heverintsika ho sazy avy amin’Andriamanitra ka mandreraka antsika dia ny vokatry ny fahotana ihany. “Afaho ireo voatondro ho faty”, hoy ny Salamo, mivavaka amin’Andriamanitra mpamindra fo. Tsy mpamono Izy fa mpamelona, mpanavotra.
Dia izay toetran’Andriamanitra mpamindra fo izany no irin’i Jesoa halaintsika tahaka raha mihevitra ny ho zanany isika (Evanjely). Andriamanitra izay lazaina fa “mpamindra fo (רַחוּם, – raḥoùm) sy miantra (חַנּוּן, ḥannoùn), mahari-po (ela vao tezitra) sy be hatsaram-po (חֶסֶד – ḥesedh, mahatoky) amam-pahamarinana (אֱמֶת, ‘ĕmeth, AMEN, finoana sy fahamarinana)” (Eks 34,6). Ireo no toetran’Andriamanitra nampianarina ny Jody. “raHàn” sy “Hannàn” moa, mamindra fo sy miantra, dia hilazana fa tsy vitan’ny mangoraka fotsiny Izy fa mijaly amin’ny fahitana ny fijalian’ny hafa koa, na dia fantany aza fa ny tsy fanekena ny sitrapony no mampijaly izay nanota, ary mitady izay fomba rehetra hanesorana na farafaharatsiny ahay hanamaivanana izany fijaliana izany. Tsy ny hahafatesan’ny mpanota no sitrany fa ny hibebahany ka hahavonjy azy.
Ireo toetran’Andriamanitra ireo no lazain’i Jesoa fa zavatra lehibe indrindra amin’ny Lalàna, dia ny “rariny (κρίσις, krisis), ny famindram-po (ἔλεος – eleosaumône/pietasοἰκτος, οἰκτίρμων– oiktirmôn) sy ny finoana (πίστις –pistis)” (Mt 23,23), ka izay te hiaina izany dia mila miala amin’ny fitsaratsarana foana sy ny fanamelohana ny tsy manan-tsiny ary mianatra mamela heloka sy mizara. Izay te ho zanak’Andriamanitra dia hianatra ny hamela heloka tahaka ny ataony. Manoloana ny vahoaka tapa-kevitra fa handao ny Lalany, dia ambaran’i Ôsea mpaminany fa “tsy afaka ny handao ny vahoakany ny Tompo, onena ny fony”, ary amin’ny maha Andriamanitra Azy, dia tsy hanampatra ny hatezerany Izy (Ôs 11,7-8).
Ny olon-dratsy, na dia anaovana soa aza, mbola mahavita ratsy ihany. Ny fahamarinana araka ny fahendren’olombelona dia mba miezaka mamaly tsara ny tsara, saingy mamaly ratsy ny ratsy ihany koa. Ny zanak’Andriamanitra, mino an’i Kristy nitsangan-ko velona kosa, miezaka ny manao soa, na amin’iza na iza, satria izay no fomban’Andriamanitra.
Izany no tsy hitsarana na hanamelohana fa hanafahana kosa, satria ny fitsaran’Andriamanitra Ray dia entiny hanavotana ny zanany. Izay mahazo izany no afaka hanome an-kalalahana ny aminy manontolo hahafeno fatra ny fahalian’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Ny famindram-po no anehoan’Andriamanitra ny halehibeazany (Prefasy Fampihavanana) ary ny fahafahana mamela heloka kosa no hahafahan’ny olona iray mahafantatra ny tenany, na efa manakatra ny tontolon’Andriamanitra izy na olona mbola gejain’ny fitiavan-tena sy ny tombontsoa amam-boninahitra. Ireo manko no antony lehibe mahatonga ny lonilony sy ny valifaty. Ny fandraisana anjara amin’ny fanorenana ny lanitra, amin’ny fanorenana tontolom-pahasambarana no maha lehibe antsika eo anatrehan’Andriamanitra ka hahalalany antsika ho zanany.
Dia izay voavela heloka ihany no hahatsiaro fa sambatra (Sal 32,1) ka hahay hamela heloka koa. Izay notiavina dia hahatsapa ny halehibeazan’izay nitia azy ka hiezaka koa ho lehibe, hitia tahaka izany. izany no mahatonga ny famelan-keloka ho “per-dono”, “par-don”, fanomezana lavorary, fanomezana ho takalon’aina hivelomana, satria tsy hoe mahatonga ny mpanota tsy hanan-tsiny tsy akory ny famelan-keloka fa kosa tolo-tanana omena azy, fo afindra mba hitempòn’ny azy indray ho amin’ny fahavelomana, tsy fanadinoana ny lasa fa fisokafan’ny ho avy amin’ny tsaratsara kokoa. Ary tsy i Davida nampamono an’i Orìa ilay tompom-bady nangalarina ihany no heverina hivavaka ny Salamo 50 fa isika tsirairay avy, hahatsiaro fa efa navela heloka saingy mila mandrakariva ny famindram-po mba hahafahana mizotra amin’ny lalan’ny fahasambarana.
Antsoin’i Jesoa tsy hamalifaty ary tsy hampiasa na oviana na oviana ny herisetra ny mpianany. Ny soa ihany no hahafahana mandresy ny ratsy, ny hazavana ihany no hahafahana mandresy ny haizina (Rm 12,21). Izay te hamongotra ny ratsy dia misafidy ny tsy hanao ratsy, eny fa na dia mbola hiharitra ny mafimafy kokoa aza, tahaka an’i Kristy niharitra hatramin’ny fahafatesana, ary aleony maty, toy izay hanota. Faharesena manko no fahitan’ny tontolon’ny ratsy an’i Kristy miala aina eo ambony hazofijaliana, saingy fandresena kosa izany ho an’izay miaiky fa Izy no Fahendren’Andriamanitra.
Mety hisy olona hiteny ratsy antsika, misy aza hahakasi-tanana mihitsy, hamely teha-maina, misy mahavanon-doza manesotra amintsika hatramin’ny lamba eny an-koditra, ary mbola hangataka koa aza izay kely sisa tavela na haka izany an-keriny mihitsy aza. Antsoin’i Jesoa hanome ny tena manontolo isika, tahaka ny nanolorany ny Azy ho antsika mpanota (Ga 2,20; 1Tm 1,15).
Izay tianareo ataon’ny olona aminareo no ataovy amin’ny olona ihany koa. Dia mety valian’ny sasany hoe: ka izy aza tsy manao ko! Ny mpianatr’i Kristy dia tsy miandry ny hafa mba hanao soa vao mamaly, satria tsy valisoa ho an’ny hafa no hanaovany izany, tsy atero ka alao fa fitiavana efa noraisina avy amin’Andriamanitra ka tsy afaka ny ho sambatra intsony ny fony raha tsy mitia. Izany fitiavana izany no hitovizany amin’ny Rainy. Ny tsy fizahan-tavan’olon-ko hasohavina no maha zanaky ny Avo indrindra antsika. Izany faniriana hanahaka azy izany no fototry ny toe-piainana Kristianina.
Ny Fanahy Masina anie hanampy antsika hibebaka marina tokoa, ka hahatsapa ny voka-dratsin’ny ota, ka hankahala ny fahotana fa kosa hitady izay fomba hanasoavana ny olombelona rehetra, indrindra ny mpanota, mila ny famindram-po bebe kokoa ka hahatonga ny fiainantsika manontolo ho taratry ny fitiavan’ny Ray, “mpamindra fo sy mampianatra antsika hifamela heloka sy handresy ny ratsy sy ny fankahalana rehetra amin’ny herin’ny fitiavana arotsany ao amintsika” (vavaka Fangatahana Herinandro VII).
Ry Andriamanitra Ray mpamindra fo ô, nanambara ny fitiavanao taminay ny Zanakao, ary nampianatra anay hamela ny helok’ireo namanay tahaka ny namelany an’ireo namono Azy. Koa iraho ny Fanahinao Masina hanova anay ho be famindram-po eto amin’ity tany be hasomparana sy valifaty ity, ka handresenay ny ratsy sy ny fankahalana rehetra amin’ny herin’ny fitiavana arotsakao aminay (Vavaka fangatahana Alahady 6D)