ALAHADY FAHA 5 MANDAVAN-TAONA – Taona D
- Izaia 6,1-2a.3-8
- Salamo 137
- 1Kôrintianina 15,1-11
- Md Lioka 5,1-11
Isika tsirairay no antsoin’Andriamanitra sy irahiny.
Ho antsika mpino dia Andriamanitra no fitiavana, ka manonofy ihany izay hihevitra hikatsaka fitiavana ivelan’Andriamanitra! Ny sakramenta, famantarana manambara ny fitiavan’Andriamanitra, dia manamafy fa ao amin’Andriamanitra sy omban’ny Fanahy ihany no hahafahantsika maharitra mandrakizay amin’ny fitiavana. Ny finoana moa manambara ny toe-pontsika miandry ny famonjena avy Aminy, ny fanantenana manambara ny finiavantsika hitolona, manantena fa hody ventiny ny rano nantsakaina, na ho ela na ho haingana, satria tsy ny herintsika fa ny fitiavany no hianteherantsika, ary ny fitiavana no hitsarana antsika. Ireo hatsaram-panahy telo ireo moa dia antsoina hoe teôlôgaly satria fahasoavana mila angatahina Aminy lalandava ary fanomezana raisintsika fa tsy maintsy kolokoloina kosa isan’andro.
Amin’ny iraka maha mpaminany antsika, hitory ny tenin’Andriamanitra, anoloan’ny Vahoaka mety hitsangana ho fahavalontsika sy hanangana ady amintsika (Vakiteny I alahady IV : Jer 1,4-6.17-19), ka hatoky fa i YHWH tsy mandao antsika, dia avoitran’ny Tenin’Andriamanitra anio fa ny tena mpaminany marina dia mahafantatra ny tenany sy ny manodidina azy. Mety ho sakana tsy hamaliana ny antso anefa izany fahalalana ny tena izany, raha tsy misokatra amin’ny fibanjinana an’Andriamanitra Fitiavana, mandresy izao tontolo izao.
Iza isika izay irahina? Iza aho? Tsy mora ny mahafantatra ny tena ary tsy azo odian-tsy hita ny vatomisakana amin’ny fandinihan-tena, mahazo ny ankamaroan’ny feon’ny fieritreretana (conscience) maro. Matetika tsy ny sitrapon’Andriamanitra intsony no ho enti-mandini-tena fa ny masom-bahoaka sy ny fanaon’ny besinimaro (vola, voninahitra, hafinaretana). Tsy mahamenatra intsony ny manao zavatra iray, na eny imasom-bahoaka aza, rehefa eken’ny besinimaro! Firifiry ny olona no mivelona amin’ny tsolotra sy mamelona ny hafa amin’ny risoriso, sao very ny tombon-tsoa manokana! Tsy mampaninona intsony izany satria izay no fomba. Firifiry ny olona no mandinika sy miresaka momba ny fiainam-pirenena, malahaha ny tsy mety sy mimenomenona amin’ny tsy ara-drariny, fa firy no tena miezaka mba tena hiaina araka ny marina ka hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana, ka hikatsaka marina ny hiadanan’ny vahoaka mialoha ny tombon-tsoa manokana?
I Izaia Mpaminany, manoloana ny vahoakan’i Israely, nanadino ny Andriamaniny (vakio ny Toko I Izaia) ka nidiran-doza, dia mahatsiaro tena fa mpanota, (Vakiteny I Iz 6,1-8 ) tahaka an’i Piera, izay niala maina nanarato nandritra ny alina, fa nahita ny fahagagàna nataon’i Jesoa (Evanjely Lk 5,1-11)! Izay no fiantombohan’ny fibebahana : ny fahatsapana ny fahalemen’olombelona amin’ny fibanjinana ny halehiben’ny Voninahitr’ilay Masina! Masina! Masina! Io ilay fifanatrehan-tava hahalalantsika ny tenantsika tahaka ny hahalalan’Andriamanitra antsika nolazain’ny Vakiteny II ny alahady faha-4D (1Kôr 13,12): mpanota voavela heloka tamin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy ilay maty noho ny fahotantsika fa nitsangan-ko velona, hoy i Md Paoly, ary izany no votoatin’ny fitoriana kristianina (Kerigma).
Raha zohintsika ny ambaratonga navoitr’i Lioka amin’ny fitantarany dia hahitantsika ny anjara toerana sahanin’i Piera eo anivon’ny Fiangonana. Mialoha ny hilazan’i Jesoa ny haha-“mpanarato olona” azy, dia ny Sinagôga nivavahany aloha no notsidihan’i Jesoa, ka nandroahany ny demony, mba tsy ho kobaka am-bava ny finoana sy ny fiderana an’Andriamanitra. Avy eo indray ny trano fonenany, izay nanasitranany ny rafozam-bavy, ka hahatonga ny fiainam-pianakaviana ho fiainam-panompoana. Amin’ny Evanjely anio kosa, tsy ny sinagogan’i Galilea intsony fa eny amoron’ny farihin’i Genezareta no nivoahan’i Jesoa mba hitory teny, ary vahoaka be no nifanesika (ἐπίκειμαι epikeimai, nifanototra) nankeo Aminy. Io toerana io dia tsy inona fa ny tontolon’ny asan’ireo antsoiny ho mpianany. Eny amin’ny seha-piainana an-davanandro, araka izany no hitorian’i Jesoa ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Sambokely roa no niantsona teo. Mpanarato reraky ny fanjonoana mandritra ny alina sady tsy nahazo akory, saingy mbola manana fanantenana ka manasa ny haratony ho vonona ho amin’ny ampitso no teo. Anisan’ireny i Simôna, ary izy no niangavian’i Jesoa nitondra ny sambokely hihataka kely amin’ny tany, teo an-tsambokeliny no ampianaran’i Jesoa, ary rehefa vita ny fampianaran’i Jesoa dia izy no hahazo baiko hiroso amin’ny lalina mba handrotsaka ny harato ao an-kavanan’ny sambokely (Jo 21,6), amin’ny andro atoandro.
Matetika dia tahaka izany manjò an’i Piera izany no mahazo antsika koa: ianao ilay efa sosotry ny fiainana tsy nahomby, tsy nahazo na inona na inona tamin’ny fisasarana mandritra ny alina, ary mba efa mivonona ho amin’ny ampitso manasa ny harato, amin’iny indrindra no iangavian’ny Tompo mba hiataka kely, hanajanona izay kinasa ka hanampy Azy mba hahafahan’ny vahoaka rehetra mandre ny Teny. Mitaky fandavan-tena lalina izany.
Tsy azo adinoina koa anefa ny fahasoavana raisina avy amin’izany, dia ny fahafahan’i Piera nihaino ny fampianaran’i Jesoa miaraka amin’ny vahoaka. Izy no voalohany nisehoan’i Jesoa nitsangan-ko velona, hoy Md Paoly (Vakiteny II) ka nofidian’i Jesoa ary notohanany am-bavaka mba hitarika ny rahalahiny amin’ny lalam-pibebahana tsy maintsy izorana (Lk 22,32).
Tsy ampy anefa ny mihaino ny Teny fa mila mandray azy koa. Ny finoana ny Teny, araka izany, dia ny fanekena ny herin’Andriamanitra mihoatra ny fahaizana amam-pahalalan’ny olombelona izay azo oharina amin’ny asa mandritra ny alina fa tsy mitondra vokatra akory. Izany finoana izany no hahazoana hazandrano be dia be izay tsy maintsy niantsoana ny namana teny amin’ny sambokely hafa, ary izany fifankatiavana hifanampiana izany no hanirahan’ny Tompo ny Mpianatra tsiroaroa (Lk 10, 1), satria mariky ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa (Jo 13, 35).
Manadio ny fomba fijery ary mandroaka ny tahotra ny Tenin’Andriamanitra. Tahaka ny vain’afo eny an-tanan’ny Serafima izy, manadio ny molotra sy ny fon’izay akasoka azy, ary mampahatsiaro izany ny Bokin’ny Evanjely akasoka ny molotr’izay voairaka hitory teny (orohiny), ka hamerenana ny fiekem-pinoana fa manafaka ny fahotantsika ny Teny voalazan’ny Evanjely.
Ny fibanjinana ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny fanehoany ny heriny dia hahatsapantsika ny fahalemena amam-pahotantsika. I Simôna dia niankohoka nitsaoka ilay Tompony, nahatsiaro tena ho mpanota, tahaka izay rehetra anehoan’Andriamanitra ny voninahiny (Izaia amin’ny vakiteny I : Iz 6, 5). Tsy mahasakana ny fiantsoana anefa ny fahalemen’olombelona, satria tsy izay mendrika no antsoiny, hoy Md Augustin, fa izay antsoiny no omeny fahasoavana mba ho tonga taratry ny fahamendrehany.
Noho ny Teninao. Ny teny ampiasain’i Md Lioka moa dia hoe ἐπὶ δὲ τῷ ῥήματί σου (Lk 5,5) izany hoe . eo ambonin’ny Teninao no handatsahako ny haratoko. Izay manorina ny fiainany eo ambony vatolampy, dia ny fihainoana ka anekena hovan’ny Tenin’Andriamanitra no afaka hahazo vokatra araka an’Andriamanitra. Izany no hahafahana manaiky, eny fa na dia ny zavatra tsy takatry ny saina akory aza indraindray, tahaka ny siny vato fidiovana enina hofenoina rano ho amin’ny fampakaram-bady ka hotovozina ho tonga divay tsara lavitra noho izay nandramana hatrizay (Jo 2).
“Duc in altum”, mirosoa amin’ny lalina! Raha ny marina dia amin’ny alina no anjonoan’ny mpanarato matianina satria amin’izay ihany ny trondro mba hitady hanina dia manatona ny morony sy ny halalina takatry ny harato, fa eo ihany koa ny hafanana mandritra ny andro. Saingy ny baikon’ilay Mpandrafitra kosa dia any amin’ny rano lalina no hirosoana ka handatsahana ny harato, ary amin’izay indray amin’ny andro efa hisandratra, “en plein jour”. Ny hevitra ara-pastoraly anefa eto dia mazava: zanaky ny hazavana ny mpianatra, ary tsy ny trondro intsony no manatona, tahaka ny fanatonan’ireo mpianatra ny mpampianatra teo amin’ny fomban’ny Jody, fa ny mpianatra no handeha hanatona ny “trondro”. Io no ilay pastorale de proximité ambaran’i Papa François sy averiny matetika.
Ny fanekena ny Teny no hahafahana mibanjina ny voninahitr’Andriamanitra, ka hahafahana mijoro ho vavolombelona marina tokoa avy eo. Ireto Apôstôly ireto antsoin’i Jesoa “tsy hatahotra”, satria tsy hitoky intsony amin’ny hery amam-pahaizan’olombelona fa hiankina amin’Ilay niantso azy ireo. Izy ireo no vavolombelon’ny “Voaloham-pamantarana tany Kanà”, nilazan’ilay Renin’i Jesoa mba “Hanao izay rehetra holazainy” (Jo 2, Alahady faharoa). I Simona (ara-bakiteny: ilay fatra-pihaino) dia mirafitra eo ambony Vatolampy, araka ny Tenin’i Jesoa ho an’izay mihaino ny Teny ka mitandrina Azy (Lk 6, 48). Ary izay te hizotra ny lalam-pahasambarana atoron’ny Evanjely dia tsy maintsy hanandrana ka hibanjina izany fanehoan’Andriamanitra ny voninahiny izany mba hahalavorary ny finoana.
Tsy mandeha amin’ny nahim-pony anefa ny Mpaminany fa voairaka! Mazava loatra fa tsy misy iraka raha tsy misy fihaonana sy fihainoana ny Mpaniraka mba handray avy aminy ny hafatra hampitaina! Izany no harofanina hanakana antsika tsy hitory tenA fa hitory TenY, dia ilay Teny tonga nofo sy niara-nonina tamintsika, maty ho antsika fa nitsanga-ko velona koa ho santatra ho antsika (Vakiteny II), teny manana ny hery hanangana ho velona ny nodimandry (Jo 5, 25).
Evanjely noraisintsika izany, ka mila tànana tahaka ny nitoriana azy tamintsika, hoy Md Paoly (Vakiteny II 1Kôr 15,1-11). Antsoin’i Jesoa ho mpanarato olona ireo mpanarato matihanina. Tsy manova ny maha-izy antsika Andriamanitra. Mijanona ho mpanarato ny mpanarato fa ny zavatra ho rantovina sy ny fitaovana ampiasaina ary ny fomba hanatanterahana ny asa no mila havaozina araka ny Teny. Tsy mpanarato mba hanala ny trondro anaty rano mba ho faty (ἄγρα –agra amin’ny grika, izay midika hoe fihazàna) no iantsoana an’i Piera fa ho mpanarato hanala ny olona amin’ny fahazaran-dratsy ka ho velona : ζωγρέω (zôgreô) no matoanteny ampiasain’i Md Lioka hilazana izany. amin’ny andininy faha-10 amin’ny Evanjely anio i Lioka dia mampiasa ny ζωγρέω fa tsy ny ἄγρα – agra nampiasainy tao amin’ny andininy 4 sy 9.
Ny mpanarato tsy matahotra ny onjan-drano fa manaraka ny baiko “duc in altum, mirosoa amin’ny lalina”, tsy hanala ny trondro amin’ny fahafinaretana sy ny mety ho aro aina amin’ny rano lalina tsy akory fa hitondra ho amin’ny fiainana ny vahoaka efa zatra sy miaina milamina amin’ny tsy fahitàna ny mazàva, saingy tian’i Kristy hoentina handia ny tany maina, hanandrana fiainana vaovao, higòka ny hamamin’ny Fiainana.
ζωγρέω – zôgreô, dia azo adika koa hoe misambo-belona, na koa hoe misambotra ho amin’ny fahavelomana (Jo 10,10). Izay rahateo no mampiavaka ny fitantaran’i Lioka, manisy tsindrim-peo fa izay te hanaraka an’i Jesoa dia handao ny zavatra rehetra, handao ny hafinaretan’ny rano lalina ka hisafidy ny tany efitra tsy maintsy hodiavina mankany amin’ny tany nampanantenaina.
Izay te hanara-dia an’i Jesoa ka te ho iraka ho Azy, dia hahatsiaro mandrakariva fa ny Heriny sy ny Fahasoavany no mahavonjy, ary mahatsiaro tena fa ny fahasoavan’Andriamanitra no maha toy izao azy (vakiteny II). Izay mety ho fialonana na mety ho fifaninanana hampanjakana ny tenA fa tsy ny TenY araka izany dia mifanohitra amin’ny iraka maha mpaminany antsika, satria ny Apôstôly marina dia mahatsapa fa tsy izy fa ny fahasoavan’Andriamanitra miaraka aminy no mety hahafahany miasa bebe kokoa noho ny hafa (Vakiteny II 1 Kor 15, 10).
Alao hery ary ny hiaina araka ny maha mpaminany antsika, hifanome tanàna tokoa hiroso amin’ny lalina! Hiantso vonjy amin’ny hafa, hifarimbona amin’izay trondro mila hojonoina… ary hahatsiaro tena mandrakariva fa isika koa, miandry mpanjono hitondra antsika eo amin’Izy Tompo, mba hibanjinantsika ny voninahiny sy ny fitiavany ilay hany maharitra mandrakizay ka hahafahantsika hitia tahaka Azy (Sal 137 setriny).
Ry Ray ambonin’ny zava-tsoa rehetra ô, nirahinao i Jesoa Zanakao haneho aminay ny harena tsy lany laniana avy amin’ny fanomezanao. Koa enga anie ny Fanahinao Fahendrena hanampy anay hahatakatra tokoa fa izay tia mahafoy tena; ka mba handrotsaka fitiavana mahery ao am-ponay Izy, hahafoizanay ny fiainana manontolo hanaratoanay olona ho Anao, araka ny fanirian’i Kristy Zanakao, ary hitokianay ny Teninao, tahaka an’i Md Piera, ka hamokaranay be amin’ny anaranao (Vavaka fangatahana 5D).