ALAHADY FAHA 5 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- Jôba 7,1-4.6-7
- Salamo 146
- 1Kôrintianina 9,16-19.22-23
- Md Marka 1,29-39
Misy antony ambony ny fijaliana.
Manoloana ny fijaliana mianjady, hatramin’ny naha-tany ny tany dia mitady ny vahaolana hialana amin’izay mampijaly mandrakariva ny olona, ary ho an’ny Kristianina sy izay nitoriana fa misy Andriamanitra Fitiavana mahefa ny zavatra rehetra, rehefa tsy mahita vahaolana manoloana izay heveriny ho mampijaly dia mametra-panontaniana amin’ny hoe: fa nahoana no lazaina fa misy Andriamanitra mahefa ny zava-drehetra nefa avelany hijaly ny mpino Azy, lazainy fa tiany. Ary manoloana ny fahafatesana, ny sasany mihevitra fa io no fanafody hanaperana ny fijaliana, ho an’i Jôba kosa indray, henontsika amin’ny vakiteny I dia fahadisoam-panantenana lehibe satria tsy hahita fiadanana intsony ny masony.
Manoloana izany misterin’ny fijaliana izany, hatramin’ny andron’i Jôba (אִיּוֹב- ‘Îyōbh, tsy tiana, fahavalo) dia azo fintinina amin’ny tenin’i Elifaza ny fomba fiheverana teo amin’i Israely: “zovy no tsy manan-tsiny mba maty? Taiza ho aiza no mba naringana ny olo-marina? … izay mamboly heloka sy mamafy tsy fahamarinana no mijinja ny vokatr’izany” (Jb 4,7-8). Noheverina fa valisoa omen’Andriamanitra ny olo-marina ny fahasambarana ary sazy afitsoka amin’ny mpanota ny fijaliana.
Sarotra anefa ny hanaiky izany manoloana ny fijalian’ny olo-marina, ary ny Bokin’i Jôba dia niezaka namaly izany misterin’ny fijalian’ny olo-marina izany. Mazava loatra fa sarotra ho an’ny mpiara-belona aminy ny hanaiky fa olo-marina i Jôba na dia namerimberina aza fa “lavitra azy ny hihevitra ny an’ny namany ho marina ary hiaro ny tsy fananany tsiny izy mandra-pahatapitry ny ainy” (Jb 27,5). Tsy azo adinoina ihany koa anefa fa ny mihevitra fa fomba hanabeazan’Andriamanitra ny olona ny fijaliana dia tsy mifanaraka amin’ny maha fitiavana Azy, satria fantatsika fa ny tsy manan-tsiny mandrakariva no tena mibaby ny vokatry ny fahotana sy ny fitondran-tenan’ny maty eritreritra. Ny fiheverana hamongotra ny misterin’ny fijaliana dia nofintinin’ny valin-tenin’ny Tompo tamin’i Jôba hoe: “indro diso fanantenana ny mpihaza, fa ny fijery ity biby be dia ampy haharera-po azy” (Jb 41,1).
Inona ary no azontsika tsoahina amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina anio mahakasika ny fijaliana?
Ny faratampon’ny fijaliana dia ny tsy fahafahana miala sasatra na matory kely akory. Tsy andry izay haharaina ny andro, kanefa koa rehefa tonga ny maraina, tonga ny mpifanerasera, tsy andry izay hampaharivan’ny andro hialan’izy ireo satria manelingelina. Hoy i Jôba momba izany mamaly ny “feom-bahoaka”: “ianareo kosa mpamahan-dalitra foana, mpitsabo tsy vanon-ko inona. Iza no afaka hampangina anareo fa izany no hany fahendrena ho anareo?” (Jb 13,4-5).
Mbola mijanona amin’izay fampianarana ao amin’i Bokin’i Jôba izay ihany anefa isika dia efa mahita sahady ny valintenin’Andriamanitra manoloana ny vavaka amam-pitarainana ataon’ny mpanompony. Ambarany fa i Jôba ihany no niteny nifanaraka tamin’ny marina (42,7), tsy ny fahendren’ny sain’olombelona fa ny halalin’ny fahendrena sy ny fahefan’Andriamanitra no hahafahana mitoetra ao amin’ny misterin’ny fijaliana. Tsy nanome fanazavana mikasika ny fijaliana araka izany ny bokin’i Jôba fa manome antsika sahady kosa ny toe-po tokony hananana manoloana izany mistery izany. Ny toko faha 40 dia milaza ny fahefan’Andriamanitra manoloana ny herin’ny ratsy, saingy fahefana mbola hiandrasantsika ny fandresen’i Kristy mba hahazoantsika ny heviny marina tokoa.
Ny Sal 147, setrin’ny vakiteny dia manampy antsika hahazo ny harem-panahy nifandovana teo amin’i Israely, mba hikolokoloana ny finoana izany herin’Andriamanitra izany. “Aleloia”, io teny io no manomboka sy mamarana ny Sal 147,1-20. Ny Aleloia dia fiderana ataon’izay mankalaza ny zava-dehibe nataon’ny Tompo, tamin’ny nanafahany tamin’ny fanandevozana, tamin’ny nanalàny tao anatin’ny loza, tamin’ny fandresena mihezinezina ekena fa avy amin’ny sandriny mahery. Tsy ny hery na ny ezaky ny olona fa ny fitiavan’Andriamanitra no ankalazaina. Dia izany no ataontsika isan’andro, indrindra amin’ny andron’ny Paka, mankalaza ny fandresen’i Kristy.
Tokony hampisy heviny ny fihirantsika ny “Halelòia” izany.
Eto dia voalaza ny antony hihirana “Aleloia”: “fiderana voakaly no mendrika an’i YHWH satria Izy ilay nanorina an’i Jerosalema, nanangona ny tafaely tamin’i Israely, mitsabo ny fanahy torotoro, manasitrana ny fo maratra”. Tahaka an’i Jôba ihany koa ny vahoaka Hebrio tany Babilona, efa diso fanantenana, nihevitra fa narian’Andriamanitra noho ny fahotany. Niara-dalana tamin’ny vahoakany mandrakariva anefa Andriamanitra. Ny fo sy ny fanahy no nositraniny, na dia mbola teo aza ny fahorian’ny vatana, ka ny teny mamelona ny fanantenana lazain’ireo mpaminaniny dia tokony ho kiady ho an’izay mino Azy.
Eo anatrehan’ny olombelona no mety hireharehan’ny olon-dratsy fa midaboka amin’ny tany izy ireny eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy ny fijalian’ny ory sanatria no sitrany. Tsara ny manamafy fa tsy misy fijaliana, na fijaliana inona na inona, sitrak’Andriamanitra. Alahelo ho azy mandrakariva ny fijalian’ny ory, ka raha sanatria manidy fo tsy hibebaka ny mpampahory, Andriamanitra kosa mitsangana ho kiadin’ireo ampahoriana, miara-mijaly amin’izy ireo, misolo tena azy ireo. Io no hahafahantsika mahazo ny fijalian’i Kristy. Tsy Andriamanitra te hijaly fa Andriamanitra nanaiky hijaly mba hanambaràny ny “fetran’ny fitiavany izay tsy misy fetra”, hoy i Md Augustin.
Mora ny mino ny Andriamanitra nahary ny zavatra rehetra fa tsy mandeha ho azy ny finoana ny Andriamanitra mandresy ny ratsy ka efa nanafaka antsika hiala tamin’ny fahefan’ny haizina ka nitondra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany. Raha tsy avaozintsika amin’ny vavaka sy ny fiekem-pinoana ataontsika ny fitanisana ireo zava-mahagaga ataon’Andriamanitra antsika isan’andro dia ho sarotra ho antsika ny hahita ny hazavany rehefa tandindomin’ny aloky ny fahafatesana ny fo amam-panahintsika.
Ny aleloia, araka ny voalaza teo ambony dia hiran’ny mpandresy. Ny fandresena no tantarain’ny Evanjely ka hiraintsika ny aleloia hanavaozana izany finoana ny fandresen’i Kristy izany, isaky ny ambara ny Evanjely. Loza ny tsy fitantarana izany, hoy i Md Paoly (vakiteny II).
Ho an’ity Apôstôly ity, tsy hoe fitadiavana tombotsoa na voninahitra sanatria, fa “didy tsy mendri-baly” no anaovany izany. Entiny milaza moa izany fa sahala amin’ny andevo izy, tsy afaka ny tsy hanao izay ampanaovin’ny Tompony, kanefa tsy misy valisoa azo andrandraina akory ny amin’izany. Tsy hoe sanatria manandevo ny fahalalana sy ny finoana an’i Kristy, na sanatria ataony tambin’ny fiasana ho an’ny Fanjakany ny fahasambarana ampanantenainy ka “loza raha tsy toriana ny Evanjely”.
Marina fa mamaly ny fiampangana azy, noho izy tsy mitaky ny zony ka manelingelina ireo izay mitady tombontsoa amin’ny fitoriana ny Evanjely i Paoly. Ny asan’ny tanany no nivelomany. Ny antony iainany ny fanomezana maimaim-poana izay noraisina maimaim-poana dia voalazany mazava: mba hahazoana olona maromaro kokoa ary mba hahanana anjara amin’ny Evanjely. Izay mahatsapa fa tsy misy afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra no afaka manova ny fon’ny olona dia hanao vy very ny ainy amin’ny fitoriana azy, ka ambaran’i Md Paoly fa tsy ny vola aman-karena ihany fa na dia ny voninahitra aza dia afoy raha izay no hahafahana mitory ny Teny: hanaiky ho malemy sy osa, ka raha izay fihinanan-kena no mety ho sakana hahatafintohina ireo tsy mbola afaka hahazaka ny fahitàna fihinanana hena natolotra tamin’ny sampy, dia afaka ny tsy hihina-kena mandrakizay izy (1Kôr 8,13). Ny toko faha 14 sy 15 amin’ny taratasy ho an’ny Rômanina moa no amelabelarany ny toe-panahy tokony hananana amin’ny fifandeferana ny amin’izany.
Inona àry ny valisoa andrandraina? Ny valisoa hananana anjara amin’ny Evanjely dia ny hafaliana hahafahana milaza fa nanao izay azo atao tamin’ny fanokanana ny tena mba hanasoavana ny hafa sy hamonjena ny olon-drehetra, izany hoe hafaliana amin’ny fandraisana anjara amin’ny famonjen’i Kristy.
Dia izany famonjen’i Kristy izany no mbola ambaran’ny Evanjely amintsika.
Toerana natao hiombonana sy hiderana an’Andriamanitra ny Sinagôga, ny Fiangonana. Indraindray anefa na ny Tenin’Andriamanitra aza, tsy manan-kery intsony hitondra fahafahana sy fiainam-baovao ho an’izay mihaino azy. Tsy hoe lefy ny heriny, fa ny fahavononana handray azy sy hanaiky hovàny no mahatonga izany. Rehefa avy nandroaka ny demony tao amin’ny sinagôga i Jesoa, nanafaka antsika amin’izay mety ho fanompoan-tsampy, dia nandroso “niaraka tamin’izay” ho ao an-tranon’i Md Piera.
Azo heverina fa ny fizotry ny fiainana maha kristianina no tanisain’i Md Marka eto. Ny Batemy, manala antsika amin’ny fanangolen’ny demony, manokatra ny sofina sy ny vava handre sy hitory ny Teny, nampiditra antsika amin’ny hafenoan’ny fahasambarana amin’ilay Sabata lohan’ny sabata rehetra, hibanjinana ny hasoan’ny asan’Andriamanitra, dia miroso amin’ny fiainana an-davanandro eo anivon’ny fianakaviana, ny tokantrano kristianina, tsy atambatry ny nofo aman-dra intsony fa atambatry ny safidy hanara-dia an’i Kristy sy hanolo-tena manontolo ho an’ny Evanjely.
Ho an’ny rafozam-bavin’i Piera dia fahasahiranana mioham-pampana ny fandehanan’i Jesoa sy ny mpianany hiantrano ao amin’i Piera : tsy i Piera sy Andrea ihany no hotompoina manomboka eto fa i Joany sy Jakôba ary ny mpanara-dia an’ilay “Mpampianatra” rehetra koa: voan’ny tazo izy ka nilamaka am-pandriana ka nolazain’ireo mpianatra an’i Jesoa io olana io.
Ambaran’i Marka mazava amin’izany ny fomba tokony hiatrehana ny olana raha mpianatra isika: mila resahana amin’i Jesoa, ary avy eo miaraka Aminy no hitadiavana ny vahaolana. Indraindray manko tsy araka ny fijerin’Andriamanitra loatra fa fijerin’olombelona fotsiny ihany no hitadiavantsika ny fomba ho entina mamaha olana. Ho hitantsika aoriana kely ny vokatr’izay, rehefa handeha hitady an’i Jesoa hamaly ny hetahetan’ny olona ny mpianatra.
I Jesoa kosa, nandray ny tanan’ny rafozam-bavin’i Piera ka nanarina azy. Egeirò (ἐγείρω) no matoanteny nampiasain’i Marka, izay ilazana ihany koa ny fitsanganan-ko velona. Narenin’i Jesoa ho amin’ny fiainam-baovao ilay Ramatoa dia nitsangana hanompo. Izay nandray ny fahasoavana marina dia tsy afaka ny tsy hanompo. Raha toa ka mbola marisarisa ny fahazotoan-kanompo dia mbola tsy lavorary izay ny fahasitranana, mila mangataka amin’ilay Mpampianatra isika mba handray ny tanantsika ka hanangana antsika ho velona amin’ny fiombonam-piainana Aminy.
Tsy azo adinoina fa arakaraky ny fiombonantsika aina Aminy no hitomboan’ny hafaliana tovozintsika avy amin’ny asa fanompoana.
Rehefa hariva ny andro (ny hoe hariva moa dia im-pito io no averin’i Marka: 4,35; 6,47; 11,11; 11,19; 14,17; 15,42 ka amin’ny fahafito dia ny harivan’ny fahafatesana hidiran’i Jesoa any amin’ny fianana no lazainy) dia nentin’ny olona teo amin’i Jesoa avokoa ny marary rehetra mba hositraniny, hokarakarainy (θεραπεύω– therapeuô). Ny Jody manko dia tsy mahazo mandeha lavitra na mitondra zavatra ary tsy afaka mikarakara afa-tsy ny ambavahaona ihany rehefa Sabata. Ny hariva kosa, rehefa manomboka ny andro voalohany dia mirohotra izy ireo mba hitady fahasitranana, satria nalaza fa tao an-tranon’i Piera dia misy Mpampianatra manana hery miafina hanasitrana ny rofy sy ny aretina rehetra. Ny atoandro Izy nanasitrana iray monja, ny alina nanasitrana ny marary rehetra. Saingy tsy alina fe alina no lazaina eto fa ilay alina anombohan’ny andro vaovao, ao amin’ny tontolo vaovao nohavaozin’i Kristy.
Ambaran’i Marka eto fa tsy mampilamina ny feon’ny fieritreretana ny famonjena lamesa. Tsy afaka ny tsy hanompo sy hanamaivana ny fahorian’ny mpiara-monina izay tena nihaona tamin’Andriamanitra velona tamin’ny fiaraha-mivavaka. Tsy afaka ny tsy hanasitrana sy tsy handroaka demony. Ny hoe manasitrana moa amin’ny teny grika (therapeuô – manao thérapie) dia mitovy fototeny amin’ny hoe θεράπων (therapôn), entina hilazana ny fanompoana an’Andriamanitra. Io kolontsaina io dia tsy mifanalavitra amin’ny toe-tsain’ny razantsika milaza hoe: izay marary Andriana.
Ny valin-tenin’ny kristianina manoloana ny misterin’ny fijaliana dia ny fitiavana, eny fa na dia tahaka ny an’ny reny miatrika ny aretin-janany ihany aza, tsy hisolo ny fanafody hahasitrana fa kosa miombom-po sy fijaliana amin’ny sombin’ny ainy. Izay no hanahafany an’Andriamanitra. Maha ontsa ary mampandinika ny lazain’ny Bokin’i Siràka hoe “mirotsaka eo amin’ny takolak’Andriamanitra ny ranomason’ny mpitondratena ary ny fidradradradrany miampanga izay mampitomany azy” (Si 35,18-19). Tsy afaka ny hampijaly ny hafa izay mahazo izany raha mino an’Andriamanitra koa.
Tsy mba afaka ny hirohotra ho any amin’i Jesoa anefa ny karazan’olona sasany voahilikiliky ny fiaraha-monina, anisan’izany ilay boka (Mk 1,40snm) na ilay nitsi-dra (Mk 5,25), na ilay jentily avy amin’ny firenena sirofenisa (Mk 7,25) na ilay jamba (10,49). Entin’i Marka ilazana amintsika izany fa tsy afaka ny ho any amin’i Jesoa ireo raha tsy misy ny fanampian’ny hafa, na ny hafa no mitondra an’i Jesoa eo amin’izy ireny, tahaka ny rafozam-bavin’i Piera. Ka loza ho an’izay mandà tsy hitondra an’i Jesoa ho an’ireo mila Azy na hitondra ireo mila an’i Jesoa ho any Aminy.
Ny fandroahana demony indray eto dia mbola miverina ny hoe “tsy navelany niteny”, tany amin’ny sinagôga hoe mangìna. Ankoatra ny “secret messianique” lazain’ny mpandalina, dia azo heverina fa lalana tokana hahafahana miady ka mandroaka ny demony ny tsy be resaka aminy, ny mampangìna azy. Fa ny antony lehibe indrindra dia mba hisoroana ny mety ho zava-doza hahazo izay mahita ny fahagagana nefa tsy hihaona amin’Andriamanitra sy tsy hahita afa-tsy ny tombontsoany fotsiny ihany. Ny fibebahana no vokatry ny tena fihaonana amin’Andriamanitra.
Lesona manaraka lazain’ny Evanjely amintsika anio ihany koa dia ny hoe: Tsy mahasolo ny fanompoana ny vavaka ary tsy mahasolo ny vavaka ny fanompoana.
Vao mangiran-dratsy ny andro dia lasa nivavaka kosa i Jesoa. Ankoatra ny fampitsidihana sahady ilay vao marainakoan’ny Paka (Mk 16,2) dia misy antony roa lehibe ahay tokony hotsarovana:
1- tsy misy afaka hilaza hoe “efa nanompo hatramin’ny hariva be omaly”: efa nivavaka maraina dia nikarakara marary ny hariva, ka noho izany mba matory maraina ny andro manaraka;
2- Sanatria ny fiaraha-mivavaka sy ny fanompoana no haka ny toeran’ny vavaka samirery izay manome aina ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra fototry ny fiombonantsika samy isika.
Toko telo mahamasa-nahandro ireo: fiaraha-mivavaka, fanompoana ary vavaka samirery. Izay miaina izany ihany no afaka hanavaka ny “fanompoana ho fanitarana ny voninahitr’Andriamanitra” sy ny “fanompoana ateraky ny fitiavan-tenan’ny olona”, ny vavaka ateraky ny fitiavan-tena dia hitady an’Andriamanitra mba hanao fahagagana, hamaha ny olany tsy hoe mba hahafahana hanompoana ny namana fa mba hireharehana fotsiny ihany, na mba hanohizana ny fiainana araka ny fanirian’ny tena.
Tadiavin’ny olona rehetra ianao, hoy ny mpianatra. Izany no fijerin’ny olombelona. Saingy, araka ny voalaza teny ambony, ny fijerin’ny Mpampianatra kosa, rehefa avy novolavolain’ny vavaka, lalina sy maharitra ary mialoha ny zavatra rehetra, dia niantso ny mpianatra mba handeha ho any an-toeran-kafa mba hitoriana any koa.
Raha tsy izay sitrana rehetra sy nahazo fahasoavana manko no “mitsangana hanompo”, dia tsy hitatra na oviana na oviana ny fanjakan’Andriamanitra fa ho zary fitadiavana tombontsoa fotsiny ihany, hiandrasana fahagagana, ka mety hahatonga hihevitra aza fa miangatra Andriamanitra raha sanatria tsy hahazo izay fahasoavana heverina ho azon’ny hafa. Ao amin’ny fanompoana no hanamarinana ny fanomezam-pahasoavana rehetra.
Angatahantsika àry ny fahasoavana raha sanatria mbola marisarisa isika ny amin’ny fanompoana sy ny fanaovan-tsoa.
Raisintsika ho baiko ny hafatr’i Md Paoly: aza mba mitaredretra raha ny amin’ny fahazotoan-kanompo (Rm 12,11) satria loza ho antsika, satria tsy ho feno ny hafaliantsika raha tsy mitory ny Evanjely isika.
Izay fitoriana ny Evanjely tsy mikendry ny hamongotra izay mampijaly ny olona anefa dia fitoriana manidintsidina ihany, ka na ny hinoana ny zavatra toriany aza manahirana. Ho haintsika anie ny haka tahaka an’ilay Tompo sy Mpanavotra hita namindra fo mandrakariva tamin’ny madinika sy ny mahantra, tamin’ny ory sy ny mpanota, ary nanatona ho namana akaikin’ireo nijaly sy nampahoriana mba hanambarany fa Ray mitsimbina ny Zanany rehetra ilay Andriamanitra inoantsika (Vavaka fisaorana XIII).