Alahady faha-33 mandavantaona taona D
- Malakia 3, 19-20a
- Salamo 97
- 2 Tesalonika 3, 7-12
- Md Lioka 21, 5-19
Ho avy ny farandro ary hotsarain’Andriamanitra isika
Nampiavaka ny mpaminany Malakia (מַלְאָךְ; midika hoe : iraka -> מַלְאָכִי midika “ilay irako) ny fanisiana tsindrim-peo amin’ny tokony hanadiovana ny fitondran-tena sy ny fomba fivavahana, izay tokony ho lalim-paka sy an-kitsim-po. Manoloana ny fitondrantena tsy lavorary nasehon’ny Mpisorona sy ny olana momba ny Fanambadiana, dia ambarany fa ”ho avy ny andro hiavian’ny Tompo” (Mal 3, 19-20), mahatahotra, kanefa koa mahavelom-panantenana : toa ho andron’ny valifaty, andro handraisan’ireo tsy mataho-tody ny sazy tandrify azy. Tsy azo adinoina fa olona efa diso fanantenana amin’ny fiverenana avy any an-tsesitany (Babilonina) no nitenenan’ity mpaminany ity.
Mampametra-panontaniana ihany izany fanantenanana izany. Niandry an’Andriamanitra hamaly faty ny mpanao ratsy ny vahoakany ny Jody ary nanantena fiaraha-monina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny. Saingy halatra sy risoriso no be dia be hita eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fanontanian’ny mpihira Salamo eto no miverina: nialona tamin’ny mpaniratsira aho, nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy. Ho azy ireo tsy misy mahory azy mandra-pahafatiny (Sal 73, 3-4).
Oviana no ho avy ny andro mivaivay handoro ny mololo?
Manoloana izany fampanantenana izany, na isika aza dia ny hafa sy ny tena no heverina ho doran’Andriamanitra amin’izany. Hafaliana ho an’izay mbola tsy tafiditra ao amin’ny tontolon’Andriamanitra ny mahita ny fahaverezan’ny olon-dratsy sy ny fijalijaliany vokatry ny ratsy nataony; ho an’izay nandray ny hafatra nambaran’ny Zanany kosa dia mazava ny sitrapon’ny Ray: tsy ny hahavery fa ny hahavonjy ny mpanota no sitrany, ary ny handraisantsika anjara amin’izany asam-pamonjena izany no iantsoany antsika.
Tsara ho tsarovana mandrakariva anefa fa ny fahatezeran’Andriamanitra dia manosika azy hadoro izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavany ao amintsika, mahatonga azy hiaritra hatramin’ny fahafatesana mba hanambarany amintsika fa aleony maty toy izay tsy hanaja ny fahafahan’ny zanany, eny fa na dia hioko hanohitra azy aza. Ny mpangataka lova mbola velona aza mahazo ny anjarany (Lk 15).
Ny avonavona sy ny ratsy ao am-pontsika no ho doran’ny andro mivaivay ho avy, ary mbola mampiasa endri-panadiovana roa moa Malakia dia ny potasin’ny mpanasa lamba sy ny memin’ny mpandio volamena, entina hilazana ny fanadiovana ataon’Andriamanitra amintsika ka hahafahantsika ho madio, ho afaka hibanjina ny Tavany, hahita Azy araka ny tena toetrany. Ny fahatahorana ny Anarany no hahafahan’ny tana-masoandro hanasitrana antsika. Ny Masoandro manko mamono ihany koa ny mikroba sy ny aretina, fa sady manome hery koa ny hoditra.
Ny Fanahy Masina no manavao ny zavatra rehetra, ilay Fanahin’Andriamanitra irahiny hanavao ny endriky ny tany (Sal 104, 34). Ka isaky ny mahita ny sarina lelafo eo ambonin’ny lohan’ny Apostoly isika araka izany (Sarin’ny Pantekoty) dia tokony hahatsiaro fa ny Fanahy Masina no afaka mandoro izay rehetra manakana antsika tsy hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ilay lelafo (לָשׁוֹן אֵשׁ lashon esh = lela afo) lazain’Izaia fa mandoro sy mandevina izay manipaka ny Lalàn’YHWH sy maniratsira ny Tenin’ilay Masin’Israely (Izaia 5, 24) manko no ampahatsiahivin’i Md Lioka amin’ny Pantekoty amin’ny lela mitarehin’afo (γλῶσσαι ὡσεὶ πυρὸς, glossai Hosei puros) hampianatra ny Apostoly hiteny araka ny Fanahy.
Ary izay tarihin’ny Fanahy no afaka hahita ny fahatanterahan’ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao, dia ny hamondronana azy rehetra ao amin’i Kristy, araka ny filazan’i Md Paoly azy ao amin’ny Efeziana 1.
Hatrany am-piandohan’ny fiangonana, i Paoly, raha nanoratra ho an’ny Kristianina tany Tesalonika (2Tes 2, 1-12) no nilaza fa Fahamarinan’Andriamanitra ny “mamalifaty” amin’izay mampijaly antsika (2Tes 1,6) fa ny hany anjarantsika dia ny hisaotra an’Andriamanitra mandrakariva, hifanala halahelo ary haharitra amin’ny finoana sy ny asa soa (2Tes, 2, 13-17). Io faharetana io ihany koa moa no nasian’i Jesoa tsindrim-peo, satria antoky ny famonjena (Evanjely Lk 21, 5-19).
Misy olana iray hafa koa mila vahana: oviana no ho tanteraka izany fampanantenan’Andriamanitra izany? aorian’ny fahafatesana ve? Mila maharitra mandra-pahoviana?
Ny παρουσία (Parousia) moa, dia entina milaza ny Fiavian’i Kristy am-boninahitra izay hazavain’i Md Paoly amin’ny taratasy ho an’ny kristianina tany Tesalonika (2Tes 2, 1). Zavatra roa no asiantsika tsindrim-peo amin’izay fiandrasana an’i Jesoa izay: ny voalohany, momba ny fitondran-tena, ny faharoa momba ny fivavahana.
Raha ho avy i Kristy, ny fiandrasana ny fiaviany dia tsy hanaovana an-tsirambina ny andraikitra amin’ny fandavorariana ny eto an-tany sanatria. Mazava ny hafatr’i Paoly ho antsika ao amin’ny Vakiteny II : “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka koa izy tsy hihinana” (2Tes 3, 10).
Tsara ny mitadidy fa Sabata 3 i Paoly no nipetraka tao Tesalonika ary nahita asa avy hatrany mba hivelomany, ary rehefa tany Korinto izy dia fantatra fa mpanenona lay no asa hain’i Paoly tsara,ary “normal” moa izany fa avy any Tarsa, Silisia izy, faritra atsimo atsinanan’i Torkia, malaza amin’ny fanenomana volon’osy, ary avy amin’izany ny Cilice, nampiasaina ho amin’ny asa fivalozana taloha.
Lazain’i Md Paoly anefa fa mba hananan-ko hanina dia niasa andro aman’alina izy, ary sasatra sy trotraka ery, ary fantatra amin’ny taratasy nosoratany hisaorana ny Filipiana aza, fa ny fanampiana avy any Filipy no vatsy tsinjo sy tosika fameno ho azy tamin’izany. Amin’izao fotoana izao dia misy ny mitady asa nefa tsy mahita, misy ny mahita fa miaingitraingitra, ary misy ny mahazo asa fa manaonao foana, miteraka fatiantoka sy fikatonana orinasa aza indraindray. Ny fanaovana ny asa tandrify antsika, na andraisana na tsy andraisana karama dia fandraisana anjara amin’ny fanorenana ny tontolo vaovao irian’i Kristy ho an’ny olombelona rehetra. Ny fiandrasana an’i Kristy ho avy, araka izany, dia tsy hamela antsika hanaonao foana fa “hijoro ho vavolombelona” na eo aza ny trangan-javatra mahatahotra sy ny ady aman-korontana isan-karazany (Evanjely).
Ny faharoa dia ny momba ny fivavahana: Maranatha! Avia, ry Jesoa Tompo. Aoka ho fo mahitsy no hivavahana, hoy Malakia Mpaminany. Ny Salamo fandinihana (Sal 97) dia milaza ny hafalian’ny Mpivavaka, manentana ny tontolo hifaly satria tonga ny androm-pamonjena. Tsy ho azo eritreretina anefa ho antsika kristianina ny hivavaka ho an’ny fahavoazan’ny fahavalontsika. Tsy azo adino ny fampianaran’i Kristy ho antsika (jereo Mt 5, 43-48). Na amin’ity fiainana ity araka izany, na amin’ny fiainana mandrakizay, dia tsy tokony ho ny soa ho antsika no hivavahantsika, fa ny mba hihariharian’ny voninahitr’Andriamanitra. Izany no tsy tokony hieritreretantsika akory izay havalintsika satria tia antsika ny Ray.
Tsy azo adinoina fa ny hahatonga ny zanany rehetra any amin’ny fanasany no tanjon’Andriamanitra ka ho tanjon’ny zanany rehetra koa, satria tsy hisy hanandrana ny fanasana eo raha tsy “au complet”, eo avy ny zanany rehetra. Ambaran’i Lioka fa tsy ny fitsenana ilay zanany mpandany nody ihany no nivoahany, fa ny mba hilaza ny fitiavany koa, ho an’ilay zoky tsy nieritreritra ny ho zanaka fa revo tamin’ny asa fanompoana.
Moa ve tsy fihariharian’ny voninahitr’Andriamanitra ny fibebahan’ny mpanota? Tsy sanatria ary araka izany faniriana ny hahatongavan’ny andron’ny famaliana (valifaty) no hanentana antsika hiantso hoe “Avia, ry Jesoa Tompo”! fa kosa vokatry ny fitiavana sy ny fitokisana Azy, ho avy hitondra famonjena ho an’ny zanany rehetra.
Ny fotoanan’ny Fiandrasana araka izany dia fotoanan’ny “tolona” – satria manosika hiasa – sady fotoanan’ny fandinihana, satria raha tsy mendrika ny maha-izy antsika ny fomba fiainantsika, ho zary andro mahatahotra ny fiavian’ny Tompo, ka mbola ho sahintsika ve ny hiantso ny fiaviany?
Aoka tsy harebirebin’ny olona amin’izay loza etsy sy eroa isika. Mialoha ny loza manambara ny farandro, hoy ny Evanjely, dia mbola hoenjehina aloha isika, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny anaran’i Jesoa. Izay miaina marina ny Evanjely manko dia manjary olana mandrakariva ho an’izay mihevitra ny hanjaka amin’ny zavatry ny tany. Tsy voninahitra sy fieboeboana fa fanenjehana no andrasan’izay te hiaina araka ny Evanjely, izay te hanara-dia an’i Jesoa. Raha nenjehiny izaho mpampianatra, hoy i Jesoa, dia mila mihevi-tena ny mpianany.
Tsy ny hamongorana ny mpanao ratsy anefa no hetahetam-panahin’ny olona tafalatsaka ao amin’ny fomba fisainan’Andriamanitra, araka ny efa voalaza teny aloha fa ny mba hibebahany sy ny hahavonjy antsika rehetra.
Tonga mahantra noho ny aminareo i Kristy (2 Kor 8, 9).
Amin’ny hafany amin’ity taona ity, dia amporisihin’i Papa François isika handinika ny fomba fianana mifanaraka amin’ny maha-kristianina manoloana ny fahantrana marobe hitantsika eo amin’ny andavanandrom-piainana.
Ho vakiako amintsika ny andalana fahatelo mikasika ny tokony ho fiainan’ny Eglizy manoloana ny mahantra[1]:
3. Ao anatin’io toe-javatra mifanipaka io, no ankalazaina ny Andro Maneran-tany fahenina ho an’ny mahantra, miaraka amin’ny fanentanana — averin’i Md Paoly Apostoly — mba tsy hitsahatra hibanjina an’i Jesoa, izay “na dia mpanan-karena aza, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany” (2 Kor 8:9). Nandritra ny fitsidihany tany Jerosalema, i Paoly dia nihaona tamin’i Piera sy Jakoba sy Joany izay nangataka taminy mba tsy hanadino ny mahantra. Ny fiangonan’i Jerosalema, raha ny marina, dia tena sahirana mafy noho ny mosary namely ny Tanàna. Ary ny Apôstôly dia nandray andraikitra avy hatrany tamin’ny fandaminana ny fanangonana raki-dehibe ho an’ireo mahantra ireo. Ny Kristianina tany Korinto dia tena nangoraka sy nanampy. Araka ny baikon’i Paoly, isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro izy ireo dia nanangona izay vokatry ny fihafiana ary tena nalala-tanana ny rehetra.
Toy ny hoe nijanona teo ny fotoana hatramin’izay fotoana izay, fa izahay koa, isaky ny alahady, mandritra ny fankalazana ny Eokaristia Masina, dia manao fihetsika toy izany, manambatra ny tolotra avy aminay mba hahafahan’ny Fiangonana mitsinjo izay ilain’ny mahantra indrindra. Famantarana izany fa ny Kristianina dia nanao izany tamim-pifaliana sy fandraisana andraikitra foana, mba tsy hisy rahalahy na anabavy tsy hanana izay ilaina. Efa nanamarina izany ny fitantaran’i Md Justin tamin’ny taonjato faharoa, nitantara tamin’ny Amperora Antonin le Pieux ny fankalazan’ny Kristianina ny Alahady, izay nanoratra toy izao: “Amin’ilay andro antsoina hoe ” andron’ny masoandro (sun-day) “dia miara-mivory izy rehetra, mpiara-monina eo an-tanàna na ny ambanivohitra ary vakiana ny fahatsiarovana ny Apostoly na ny asa soratry ny mpaminany arakaraky ny fotoana ananana […] Dia atao ny fizaràna sy ny fanomezana ny tsirairay amin’ny zava-masina, ary ampanaterina ny diakra ny anjaran’ireo tsy tonga. Ny mpanankarena sy izay maniry hanolotra dia samy manome malalaka izay tiany, ary izay voangona dia apetraka amin’ny Mpitarika. Ity farany kosa dia manampy ny kamboty sy ny mpitondratena sy ny mahantra noho ny aretina na ny antony hafa, ny voafonja, ny vahiny eo aminay: raha fintinina, dia mikarakara izay rehetra sahirana izy” (Première Apologie Voalohany, LXVII, 1-6).
Hiezahantsika ny tsy ho voafitaka amin’izay mety ho fampianarana natao tamin’ny anaran’i Jesoa nefa tsy mifototra akory amin’ny Evanjeliny. Izay mitoky amin’ny fahefan’Andriamanitra no afaka hiharitra ao anatin’ny fitsapàna. Tsy ho sanatria ary isika no ho very finoana ka hanary dia amin’ny hafinaretan’ny zava-mandalo, na sanatria hamita-tena ka ho vesaran’ny fihinanam-be na ny fimamoana na ny fiahiana izao fiainana izao ny fo (Lk 21, 34ss), fa hiambina sy hivavaka mba ho loha mitràka, satria miaina araka an’Andriamanitra no entina mihatrika ny farany (and. 28).
Izany no hamelomantsika ny fanantenana, hiezahana hiaina amin’ny tahotra ny anaran’ny Tompo (Vak I), hiezahana ny tsy hanao androroso hovelomim-potsiny na hitsetsitra ny hafa, raha mbola mahavita ihany koa (Vak II) ; ireo niangaran’ny vintana kosa, ho voatsinjo mandrakariva, noho ny fahalalaham-pontsika nohasoavin’Andriamanitra ka afaka manasoa, dia samy haharitra amin’ny faniriana ny hiavian’ny Tompo (Evanjely) ho avy hanatanteraka ny fandaharam-pamonjena iriny ho an’ny olombelona rehetra.
[1] (Message pour la vie JOURNÉE MONDIALE DES PAUVRES du 13 novembre 2022, XXXIIIe dimanche du temps ordinaire, Rome, Saint-Jean-du-Latran, 13 juin 2022, Mémoire de saint Antoine de Padoue).