Alahady faha-33 mandavantaona Taona B
- Daniela 12, 1-3
- Salamo 15
- Hebrio 10, 11-14.18
- Md Marka 13, 24-32
Hiverina i Kristy amin’ny farandro.
Mamaky ireo vakiteny aroson’ny Fiangonana anio isika dia mametra-panontaniana ny amin’ny hiafarana. Indraindray anefa, fanontaniana hanapahanan ny fandinihana lalina izay tokony hiainana amin’ny maha-kristianina no tohin’izany. Anisan’ireny ohatra, amin’ny fahitana ny zava-misy ankehitriny (ady hifanaovan’ny firenena, ny horohoron-tany, ny mosary sy ny areti-mandringana… Mk 13, 8) ka hilazan’ny sasany fa ho avy ny farandro! Dia adinontsika ny nolazain’i Jesoa fa mialoha izany, tsy maintsy hotoriana amin’ny firenen-drehetra aloha ny Evanjely! Adinon’ny Mpianatr’i Kristy fa efa nanafatra Izy mba tsy hitebiteby ny fon’izay mino an’Andriamanitra ka hino koa an’i Jesoa (Jn 14,1).
Ny Vakiteny I dia mitantara amintsika ny teny nentin’i Daniela Mpaminany nankahery ireo mpiray finoana aminy niharitra ny fanenjehana nataon’i Antiochus IV (167-164 a.C), nanomboka nanjaka ny 167, izay te hantsoina hoe Antiochus Epiphane, epifania na fisehoan’andriamanitra, saingy ny olona tao Antiokia dia niantso azy ho Epimane, le cinglé, olona mpieboebo foana sy mivatravatra. Toa zavatra mbola ho avy anefa no ilazan’ny Mpaminany azy: “amin’izany no androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny nisian’ny firenena”, sahala amin’ny teny vao mainka aza manampy trotraka, satria raha olona efa mijaly no ilazana hoe: “mbola aiza ity hanjo”, tsy hamoy fo ve. Ny antony anefa dia tsy afaka miteny mivantana izy satria izay asa soratra manambara fikomiana dia mazava loatra, tsy hampidi-doza izay manoratra azy fotsiny fa loza koa na ho an’izay mamaky azy koa aza. Izay no mahatonga an’i Daniela mampiasa sarinteny hafa, sahala amin’ny tempoly izay hiderana an’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nabokodonozora (Tononkira amin’ny Dan 3), fa ho an’izay mahalala ny tantara dia mahafantatra fa noravan’i Nabokodonozora ny Tempoly.
Antiochus moa nandrara ny fomba fivavahana rehetra satria sitrany hatolotra azy irery ny fanajana rehetra natolotry ny mpino ho an’ny andriamaniny avy, ka izay tsy nanaraka izany baikony izany dia novonoina ho faty, ary fomba feno habibiana no anatanterahana ny famonoana. Manoloana izany, ireo mpino jody, raha tsy mafy ny finoana ny zavatra tsaratsara kokoa noho izay afoy dia tsy ho “possible” ny hiharitra ny fanenjehana sy haharitra amin’ny finoana marina.
Mazava ny hafatr’i Daniela araka izany: mitsangana miandany amin’ny zanaky ny fireneny i Misely ilay filoha ambony, ka na eo aza ny fijaliana tsy roa aman-tany, dia miandry izay manao ny marina sy izay mitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana ny fiainana mamirapiratra mandrakizay tahaka ny kintana. Miatrika ady ny mpino araka izany, saingy toa sarin’ady ihany satria efa fantatra izay handresy.
Manampy antsika hahazo ny ady atrehintsika kristianina ihany koa izany, satria ny tolona ataontsika isan’andro dia efa fandraisana anjara amin’ny voninahitr’ilay efa nandresy ny fahafatesana sy ny fahotana. Tsy azo adinoina anefa satria raha mbola sarotra amintsika ny mino ny fitsangana-ko velona indraindray, ny ho sahy hijoro amin’ny fahafoizana ny tombontsoa hatramin’ny aina, isika izay efa mankalaza ny fitsanganan’i Kristy ho velona, dia fankaherezana ho antsika ny finoan’ireo mpino nijoro ho vavolombelon’ny finoana tamin’ny andron’i Daniela Mpaminany.
Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia miady hevitra ny amin’izay ho farandro no handanian’ny sasany ron-doha! Indraindray aza mampiady amin’ny antokom-pinoana samihafa! Ambaran’i Jesoa mazava anefa fa na Izy aza, amin’ny maha-zanak’olona Azy, tsy mahalala izay andro sy ora hiavian’izany (Mk 13, 32) ka iza moa isika no mahasahy hiambo ho ambony noho ny Mpampianatra?
Ambaran’ireo Aban’ny Fiangonana, indrindra i Md Athanase (Contra Arian. 3, 43) fa i Kristy amin’ny maha-zanaka nateraka ara-nofo ihany izany, ary amafisin’i Md Irénée de Lyon (Advers. Haer. II, 28.6) fa raha Izy aza, Andriamanitra, milaza fa tsy mahalala, iza no mahasahy hiambo hahalala ny far’andro!!
Ny filazana “apokaliptika” ataon’i Jesoa ao amin’ny evanjely dia manampy antsika hihaina ny finoana. Moa ve tsy ny fahafatesana no manafaka ny fahoriana lehibe? Ka amin’ny andro hahafatesan’i Jesoa, andro hisandratany amin’ny voninahitra no hanehoany ny fomba itiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra hamongotra ny fahavalo ka hanafaka antsika amin’ny fahoriana no andrasantsika, saingy Andriamanitra milofika eo ambony hazo, voaheloka ho faty no banjinintsika: tsy hoe miaraka amintsika ao anatin’ny fijaliana fotsiny Andriamanitra, araka izany, fa miara-mijaly amin’ireo ampijaliana, ary mivesatra ny fahotan’izao tontolo izao. Sorona tokana no nanalany ny fahotan’izao tontolo izao (He 10, 18).
Ny Taratasy ho an’ny Hebrio dia manamafy ny fitokisantsika amin’ny vokatry ny Soron’i Kristy izay manala ny fahotantsika! Dia mety hanontany tena isika araka izany hoe : atao inona indray ary no hilana ny mikonfesy, na sanatria ny hanolotra sorona isan’andro amin’ny lamesa, satria efa mazava ny tenin’Andriamanitra : “rehefa voavela ny fahotana, tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota” (Heb 10, 11-18)?
Izany no fomba haha-maizina an’ireo nihevitra ho masoandro sy volana aman-kitana eto amin’izao tontolo izao. Raha tsy i Kristy voafantsika tokoa no reharehantsika dia mazava loatra fa ny fieboeboan-dry Antiochus Epiphane sy ny toa azy no hanjary tanjona, ka tsy ny hitia ka hanompo no tarigetram-piainana fa ny hanjakazaka sy ho tompoina. Na aiza na aiza misy miaina an-kafaliana ny maha-kristianina azy dia hiha-maizina ny fieboeboan’izay milaza azy tsy ho tratry ny aloka amin’ny famingavingana ny zon’ny hafa.
Tsy azo adinoina ny hafatr’i Daniela hoe : amin’ny fitsanganan’ireo mandry amin’ny vovo-tany, ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay, fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay (Dan 12, 1-3). Ny hahafahantsika miandrandra ny famonjena dia miankina amin’izay ataontsika mba hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay ka ho hita voasoratra ao anatin’ny boky : miaina ny fahendrena ary hitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana! (Dan 12, 3)
Izany dia amafisin’ny Taratasy ho an’ny Hebrio : ny nahafoizan’i Kristy ny ainy ho antsika ka nanekeny mba ho eo an-kavanan’Andriamanitra, mandra-panaon’ny fahavalony ho fitoeran-tongony (Sal 110, 5). Ny hoe hitoetra eo an-kavanan’Andriamanitra moa ho an’ny Jody dia fahatanterahan’ny fampanantenana, satria ilay Mesia andrasana, ilay mpanjaka lehibe no hitoetra eo an-kavanan’ny Tompo: amin’ny andro anosorana azy ho mpanjaka dia apetraka eo amin’ny seza fiandrianana ny Mpanjaka satria ny Lapam-panjakana dia eo an-kavanan’ny Tempoly.
Marina tokoa izany! Nanaiky ho eo an-kavanan’Andriamanitra i Kristy, nanaiky hanao ny sitrapon’Andriamanitra! Izany sitrapony, mirakitra ny didim-pitiavany izany koa no napetrany ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomeny antsika (Heb 10, 16//Jer 31, 33-34), ka amin’ny fanatanterahana izany, no hizorantsika ho olom-boavonjy, ka hanadinoany ny fahotantsika (Heb 10, 17)[1]
Tsy vitan’ny hoe hanadino ny fahotantsika fotsiny anefa izy rehefa manaiky hijoro eo an-kavanany tahaka an’i Kristy isika, rehefa mamy amintsika ny mitoetra eo an-kavanany, ka ataontsika eo anoloantsika Izy (Salamo setriny 15)[2] dia ho zary lovantsika Izy, ka tsy hiontsona mandrakizay isika satria hanaiky hoe eo an-kavanantsika koa Izy (Sal 15, 8// Sal 121, 5) ka tsy hahafoy ny fanahintsika ho levona any an-tseoly, na ho sanatria ho very any amin’ny lavaka mangitsokitsoka!
Alao hery ary ny hiezaka ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy hampianatra ny fahamarinany ho an’ny olona rehetra mba hanantenantsika koa hamiratra mandrakizay tahaka ny kintana (Dan 12, 3) sy hiaraka handova ny fiainana mandrakizay amin’ilay tena Mpandova, satria hany “Zanaka” maha-zanaka antsika ao amin’ny Ray, dia i Kristy Jesoa.
SALAMO 15
Ny Teny sy ny Fanahy no hany herin’izay te handray anjara amin’ny fiasàna ny tany hamafazana ny Teny. Izay te ho “sahaza ny fanjakan’Andriamanitra” dia iangavian’i Jesoa hitoky tanteraka aminy. Izany fitokisana izany no lazain’ny Salamo 15 tamintsika.
“Ambeno aho, ry Tompo fa mifefy aminao: ianao ireny ihany no hany fananako”. Ireo Levita natokana hikarakara ny Tempoly manko tsy manan-jo intsony handova avy amin’ny raiamandreny. Ny “Providence”, ny fitsinjovan’Andriamanitra no toky ho azy ireo, “YHWH no anjara lovany sy miantoka ny anjarany, Izy no mpanolo-tsaina” sy itodihan’ny fisainana andro aman’alina.
Amin’ny dikan-teny ao amin’ny Sorona Masina Alahady sy Andro fety dia Ataoko eo anoloako foana ny Tompo, izaho tsy hiala eo an-kavanany. Ao amin’ny Baiboly : fa eo an-kavanako Izy, tsy hiogongozona aho! (Sal 16, 8 setriny)
“Eo aloha ny Tompo”, “eo an-kavanana” ary “hafaliana ny eo an-kavanany”. Izay mitodika amin’ny Tompo, araka izany, tsy afaka ny hitodika any aorina, izay te hianatra ny lalan’ny fiainana dia hianatra hifanatri-tava amin’ny Tompo, hihaona sy hiresaka Aminy (vavaka), hanaiky hotantanany sy hiara-dia Aminy, hianatra aminy izay eo an-kavanana, tanan-kavanana, fa koa hanaiky ho tanan-kavanany, hanaiky hanao ny sitraky ny fony, ho eo an-kavanany. Isaky ny alakamisy hariva dia asain’ny fiangonana isika amin’ny vavaka hatory, hanavao izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany.
Ny vavaka ataontsika amin’ny Ray tokoa moa ve tsy fiezahana hanara-dia an’i Jesoa eo ambany fitarihan’ny Fanahy?
Andeha hiverenantsika ny fanontaniana napetrako teny ambony.
Mila hazavaina ny lazain’ny Vakiteny II teo hoe tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota, kanefa isika mbola manolotra lamesa, na ho an’ny maty na ho an’ny velona. Eny tsy ilaina intsony ny Sorona ho an’ny ota satria efa natolotr’i Kristy indray mandeha sady mandrakizay ho antsika izany. Tsy sorona hafa ny soron’ny Lamesa fa ilay sorona tokan’i Kristy; ary isika manolotra azy koa dia antsoiny mba hiombona amin’ny fiainana mifanaraka amin’izany, ka tsy hanolotra ram-biby na sorona dorana fa hanolotra ny tena manontolo ho sorom-pitiavana ka hivelomana ho an’ny hafa. Io no efa nolazain’i Osea Mpaminany hoe: Famindram-po no sitrak’Andriamanitra fa tsy ny sorona (Osea 6, 6). Tsy ny vavaka lavareny na ny asa fanonerana na izay mety ho fanatitra heverintsika hanetseman-keloka no hahasitrana antsika fa ny fahatsapana sy ny fandraisana ny fitiavany sy ny indrafony izay omeny maimaim-poana. Izy no nanolotra ny tenany teo amin’ny hazofijaliana ho antsika, Izy ilay hany marina (Rom 3, 23), ka miangavy antsika kosa mba hanolotra ny tenantsika ho fanasoavana ny hafa.
Tsy fandaniana andro ny famerimberenana manolotra Sorona Masina fa manampy antsika kosa hiditra tsikelikely ao amin’izany misterin’ny fanavotana antsika izany. Isika olombelona mihitsy no mila ny “rites”, ny famerimberenana fihetsika sy teny mba hanamafisana izay ironan’ny fontsika. Raha sanatria zary fanazarana fotsiny anefa izany dia hosoloina fahazarana hafa ihany koa na ho ela na ho haingana. Sanatria ho sahala amin’ny manontany ny fahasalaman’ny marary ambavahoana vangiana any amin’ny hopitaly: “tsara fa misaotra”.
Hafatry ny Papa 2021
Amin’ity andro fahadimy ho an’ny mahantra ity, mialoha ny hankalazana an’i Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao, dia sitraky ny Papa isika hahatsiaro fa ireo madinika sy ataon’izao tontolo izao ho faneso no endrika sitrak’i Kristy isehoana. Miainga avy amin’ny tenin’i Jesoa mamaly ny sasany nanome tsiny ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny tongony moa ny hafatry ny Papa: “ny mahantra dia hisy eo aminareo mandrakariva” (Mk 14, 7). Tsy endrika isehoan’Andriamanitra fotsiny anefa ny Mahantra, hoy ny Papa, fa ny Ray koa dia miseho ho mpiaro sy eo anilan’izy ireny, ka izay mahatsiaro tena ho zanak’Andriamanitra dia tsy afa-bela amin’ny fikarohana sy ny fanehoana ny tena endrik’Andriamanitra manoloana ireo mahantra, izay mpitory ny Evanjely. Tokony hanaiky hitorian’izy ireny ny Evanjely koa isika.
Tsy asa fiantrana hanomezana ny ambim-bava anefa no mifanaraka amin’ny nataon’i Jesoa fa fizarana amin’izy ireo izay nomen’Andriamanitra hotantanantsika. Ny rakitra sy ny fihantrana manko, mahalana, hoy ny Papa, ary indraindray aza mahatonga an’izay manome hihevi-tena ho ambony noho izay omeny ka hanamavo ny mpandray; ny fizaràna kosa maharitra ka manamafy ny firaisan-kina ary fototra tsy azo hiodivirana mba hanorenana ny tena fahamarinana sy ny fitovian-jo marina tokoa.
Tsy hoe ezaka hampivoarana na hanohanana no andrasana amintsika fa toe-po mahatsapa ho tena iray amin’ny mahantra, hifampizara amin’izy ireo ny fiainana, ary izany no azo heverina fa asan’ny Fanahy Masina. Mila fibebahana sy finoana ny Evanjely izany (Mk 1, 15). Ny fibebahana voalohany dia ny fanokafana ny fontsika hahalala ireo karazam-pahantrana mangeja ny fiainan’ny olona ka hanova ny fiainantsika mba hifanaraka amin’ny finoana izay ventesintsika ho fanehoana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Fizarana sy fiombonam-piainana fa tsy sanatria fanampiana sy asa fanasoavana hampandriana eritreritra ka hahafahana manohy am-piadanana ao amin’ny hafinaretan’ny tena nefa ny mahantra mbola hiandry ny fanampiana hafa indray. Mitaky toe-po tsy mifikitra ary tsy manangona ny haren’ny tany ny ny maha-mpianatr’i Kristy, harena izay indaindray mamitaka satria heverina ho mahavonjy tavan’andro, kanefa harena mandalo. Ny tena fibebahana marina dia ny fahaizana mikatsaka izay harena maharitra mandrakizay, hoy ny Papa (Mt 6, 19-20).
Ankoatr’ireo ezaka ataon’ny tsara sitrapo mba hanatsarana ny fiainan’ny olona maro mivesatra ny vokatry ny aretina sy ny fahantrana, dia tokony hijery vahaolana maharitra isika ary hahatsiaro fa rehefa mety ho fiolonolonana dia manampy trotraka mandrakariva ny fahantrana efa mianjady, izy tsy lahatra fa vokatry ny fitiavan-tenantsika olombelona. Betsaka ny fahantran’ireo mihevitra ho mpanan-karena azo sitranina amin’ny haren’ny mahantra, satria tsy misy olona tena mahantra ka tsy hanana na inona na inona hozaraina. Ny tena fanampiana ny mahantra dia ny fanampiana azy ireo hizara ny harena ao aminy, ka hampianatra antsika ny hasin’ny firaisan-kina sy ny fifampizarana. Marina fa misy zavatra tsy ampy aminy, ary indraindray aza ny hivelomana mihitsy no tsy eo, saingy mijanona ho harena ho azy ireo mandrakariva ny hasina aman-kaja maha-zanak’Andriamanitra azy ireo.
Tsy ho sanatria anefa ho fanampiana hanavakavahana no atao. Ampahatsiahivin’ny Papa antsika ny fampianaran’i Md Jean Chrysostome fa toy ny seranan-tsabo ny olona be fiantra ka tsy misafidy fa mandray izay sambo rehetra te hiantsona eo. Tsy hitsarana ny fomba fiainany fa hitadiavana fomba hanatsarana izany sy hanalàna azy ao anatin’ny fahasahirana no andrasana amintsika. Ny ezaka atao amin’ny fanalana fahasahirana vonjimaika dia tsy tokony hanakana antsika hahatsinjo lavitra ka hahita fomba hitoriana ny Evanjely amin’ny fomba vaovao mifanaraka amin’ny endri-pahantrana atrehan’ny tontolo misy antsika ankehitriny.
Amporosihin’ny Papa isika mba hiroso amin’izany fitoriana ny Evanjely izany ka ireo mahantra no hisitraka izany voalohany any amin’ny toerana misy azy avy any. Tsy afaka ny hiandry azy ireo handondona ao am-baravarantsika isika, satria tsara ny mahafantatra ny sentony, mahita sy mahatsapa ny fahoriany ary mahalala ny faniriana raiketiny ao am-po. Tsy fanisana ny mahantra no tokony atao, hoy ny Papa mindrana ny tenin’i Don Primo Mazzolari, satria mety ho fanariana dia tsy hanao izay tokony hatao izany, tsy miandry antsika hanisa azy ny mahantra fa miandry antsika kosa hamihina azy, hizara ny fiainana aminy. Tsy afaka ny hiaina izany fiombonam-piaianan amin’ny mahantra izany anefa izay tsy nahatsiaro tena ho mahantra. Ho tsapantsika anie ny fitiavan’Andriamanitra antsika ary hitombo ao amintsika ny faniriana ny harena maharitra mandrakizay, izay efa miandry antsika, tahaka ny fiandrasan’ny mpamboly ny fihotazana ny aviavy efa mandrobona, ka hahafoizana ny harena mandalo ho rakitra hiantohana ny any amin’ny hasambaran’ny lanitra.
[1] Tsy vakiana amin’ny vakiteny io fa ny vakiteny and. 11-14 dia tonga dia 18 avy hatrany.
[2] Amin’ny dikan-teny ao amin’ny Sorona Masina Alahady sy Andro fety dia Ataoko eo anoloako foana ny tompo, izaho tsy hiala eo an-kavanany. Ao amin’ny Baiboly : fa eo an-kavanako Izy, tsy hiogongozona aho! (Sal 16, 8 setriny)