Alahady faha-32 mandavantaona Taona B
- 1 Mpanjaka 17, 10-16
- Salamo 145
- Hebrio 9, 24-28
- Md Marka 12, 28-44
- Izay tia mahafoy.
Avy nankalaza ny 1 novambra sy ny fahatsiarovana ireo nodimandry izay tsy afa-misaraka isika araka ny ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana (KFK 960-962) fa Fiombonan’ny olomasina ny Fiangonana satria atambatry ny Eokaristia ho Vatana iray ihany ao amin’i Kristy ka izay ataon’ny tsirairay ao amin’i Kristy sy miaraka Aminy –na vavaka na fiaretana fahoriana – dia mitondra vokatra ho an’ny daholobe. Fiombonan’ireo toko telo mamorona ny Fiangonana ary ireto andro ireto, dia ireo olontsambatra any an-danitra izay midera ny voninahitr’Andriamanitra, ireo fanahy manefa ny sazim-pahotana ka miandry ny vavaka ataontsika ary isika mpivahiny miomana amin’ny fihaonana amin’Ilay Mpampakatra, dia i Kristy Tompo.
Izay rehetra ataontsika, araka izany dia efa santatr’izay ho mandrakizay, any amin’ny fiainana lazain’i Md Joany fa tsy hisy ranomaso intsony, satria feno fatra ny hafaliana. Ahoana ary no hanazavana ny fanaovan-tsoa sy ny asa fiantrana ho lalana mitondra amin’izany fiainam-pahasambarana izany?
Tsotra ny valiny: arakaraka ny iombonana fijaliana amin’i Kristy no iombonana hafaliana Aminy koa; arakaraka ny handraisantsika anjara amin’ny asam-pamonjena natombony no handraisantsika anjara koa amin’ny hafaliana amin’ny hahatanterahan’izany any amin’ny mandrakizay. Fa inona moa ny asan’Andriamanitra? Ny Salamo Setriny no mamaly izany.
“Manome rariny ny ampahoriana ny Tompo, manome sakafo ny noana, mamaha ny mpifatotra, mampahiratra ny jamba, mampitraka ny miondrika, mpiaro ny vahiny, tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena… tia ny olo-marina” (Sal 145) Izany no Andriamanitsika, Andriamanitra fitiavana. Saingy raha mijery ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandro isika, dia hahatsapa ny hasaro-bidin’ny fiantsoana niantsoana antsika: Nohariana hitovy endrika Aminy isika, ary izany fanahafana Azy izany, dia sitrany ho hita taratra amin’ny andavanandrom-piainantsika.
Indraindray anefa isika, mametraka fanontaniana hoe mba aiza ihany izao Andriamanitra izao! Fa dia mijaly izay tsy izy ny vahoaka madinika! Nahoana no avelany hanjakazakan’ny maty eritreritra ny madinika sy ny kamboty? Tsy azo adinoina anefa fa isika no tanana sitrak’Andriamanitra hitsotra, hamonjy azy ireny, isika endrika isehoan’ny fitiavany, mba hahalalan’ny olona rehetra fa fitiavana Izy. Mila manontany tena mandrakariva araka izany, amin’ny fitadiavana izay fomba tsy hanamafisana ny fo manoloana ny fahantran’ny olona, satria ampahatsiahivin’i Kristy antsika fa “hisy eo amintsika mandrakariva ny mahantra” (Mk 14, 7) ary izany moa no hafatra nosoratan’ny Papa (13 juin 2021) ho an’ny andro V ho an’ny mahantra ankalazaina amin’ny alahady 14 novambra 2021.
Mampahatsiaro antsika izy, araka ny fampianaran’i Md Jean Chrysostome fa sahala amin’ny seranan-tsambo isika, tsy afaka hanavakavaka fa ho olon’ny famindram-poka ho tonga fanantenana ho an’izay very fanantenana amin’ny fihotakotahan’ny onjan-drano, ka tsy hitsara ny olona amin’izay mety ho fitondran-tenany fa hamonjy azy amin’ny loza mianjady aminy dia izay (Jean Chrysostome. discours sur le pauvre Lazzare, II, 5).
Tsy tsobo-dranon-dRamiangaly anefa ny maha-zanak’Andriamanitra. Tsy sanatria ambim-bava no enti-mamonjy ny osa sy ny niangaran’ny vintana. Ambaran’ny Taratasy ho an’ny Hebrio (Heb 9, 24-28) fa na ny Sorona natolotry ny Mpisorom-be fahizay aza amin’ny Yom Kippour, andron’ny famelana, dia nolavorarian’i Kristy, satria tsy ran-javatra hafa atolotra isan’andro, sanatria, no heverina hanafaka ny fahotana, ka hanasana tanana, ho afaka adidy! Ny tena Sorona sitrak’Andriamanitra, dia izay mahasingotra ny aina, ka hahafoizantsika ny soa sy ny mamy, eny fa na dia izay kely ananantsika mba hivelomana aza (Mk 12, 38-44).
Izany no asehon’ny Evanjely sy ny Vakiteny voalohany amintsika.Tsy fanarahan-dalàna mba hisehosehoana ho mahavita zavatra sanatria no hahazoantsika famonjena. Tsy eny amoron-driaka hihinanana ny mofo sy hena atolotry ny goaika tsy akory no hitsapana ny fitiavana lavorary (ny tapany voalohany amin’ny toko faha-17 amin’ny Boky voalohan’ny mpanjaka, mitantara an’i Elia novokisan’ny goaika) fa any Sareftà, izany hoe ao anatin’ny fitsapana (Sareftà tp;r>c’ adika ara-bakiteny ho fisedrana, fanivanana, raffinerie), ary tsy any amin’Israely efa tratry ny fahalovan’i Jezabela sy Akaba nampitsoaka an’i Elia fa amin’ny finoan’ny vehivavy iray tsy fantatra anarana akory, mahafoy hatramin’izay antoky ny aina, ka manokatra ny varavarana amin’ny asan’ilay mahefa ny zavatra rehetra. Tsy afaka ny hino an’Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra, araka ny fiekem-pionoana ventesintsika isan-kalahady, izay mbola mivelona amin’ny kajikajy atao mba hiankinana amin’ny zavatra mandalo. Ao ambadiky ny fahafoizana izay ilaina manko, na ho an’ilay Vehivavy tany sareftà izany, na ho an’ilay mpananon-tena tao an-tempoly, na ho an’i Kristy nahafoy ny aina, dia mifono fitokisana lalina amin’ny fitahian’Andriamanitra (Providence).
Anisan’ny kajikajy ataon’ny olona ny mitady izay fomba rehetra hahazoana voninahitra ka hisehoana na hiheverana ho ambonimbony kokoa noho ny hafa. Misy andininy telo voadingana moa mialoha ny Evanjely anio manambara ny kajikajin’ny Jody ny ho fianakaviana akaiky, ho tanan-kavia sy havanan’ny Mesia rehefa ho avy izy, satria tsy mbola ny famonjen’Andriamanitra hanafaka ny fahotana no andrasana fa ny fitsiriritam-pahefana nisy teo amin’Israely, nahatonga an’i Elie hitsoaka matanjaka manoloana an’i Jezabela.
Md Marka 12, 35-37
Rehefa tsy nisy nahasay nanontany an’i Jesoa intsony, dia Izy indray no mametra-panontaniana: “Ahoana no ilazan’ny Mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida?”
Amin’ny fiheveran’ny Jody maro momba ny lalàn’ny jabam, lévirat, ny fameloma-maso ny rahalahy dia mba hahafahana hamela taranaka hanohy hidera an’YHWH, fa indrindra indrindra koa mba hahafahana manantena ny ho “razam-ben’ny Mesia”. Tsy ny hiandry am-pitokiana ny fahatanterahan’ny Fampanantenan’Andriamanitra anefa no nirina fa kosa ny hahafahana mirehareha, ho voninahitry ny taranaka.
Ny antony ametrahan’i Jesoa amintsika ny fanontaniana, rehefa tsy sahy mametraka izany intsony isika, dia ny mba hahafahantsika mahalala marina tokoa hoe “iza Izy.
Ny maha-Mesia (Kristy) sy ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy no niezahan’i Md Marka navoitra tamin’ny fitantarana ny Evanjeliny. I Simona Piera miaiky fa i Jesoa no Kristy (Mk 8, 29) ary ilay Tomponjato kosa manambara araka ny zavatra hitany fa ilay lehilahy voafantsika ka maty teo amin’ny Lakroà dia “tena Zanak’Andriamanitra” tokoa (Mk 15, 39). I Jesoa izay zanak’i Davida araka no nofo, satria tena olombelona tokoa, mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, araka izany no ilay “Zanaka lahitokan’ny Ray”, araka ny Fanahy (Rom 1,3), Andriamanitra tokana miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina.
Tsy misy afaka ny hiantso an’i Jesoa ho Tompo anefa, raha tsy entanin’ny Fanahy Masina, hoy i Md Paoly mampahatsiaro antsika (1 Kor 12, 3). I Davida araka izany, tao amin’ny Fanahy Masina dia nitsaoka an’ilay Fampanantenan’Andriamanitra ho “Tompony”. Faminanian’ny Salamo 109 moa izany. Ilay taranany no antsoin’i Davida ho Tompony. Asan’ny Fanahy Masina izany. Izy kosa manaiky hitoetra eo an-kavanan’Andriamanitra, ho tanan-kavanan’Andriamanitra, hanaiky hanao ny sitra-pony, na dia Andriamanitra ihany aza no hanao ny fahavalony ho fioeran-tongony.
Tompo (κύριος kurios, ) moa no nandikana ny Adonai, izay nentin’ny Jody hamakiana sy nanononana ny anarana tsy azo tononina YHWH, saingy nentin’ny Kristianina kosa hilazana ilay “Tompo” nasandratra eo an-kavanan’Andriamanitra (Mk 12, 35-37), Izy ilay Teny nahariana ny tontolo, niala tamin’ny fomba naha-Andriamanitra Azy (Fil 2, 11) fa natsangan’ny Ray ho Tompo, eo an-kavanany, izany hoe ho Tompo haneho ny fiandrianan’Andriamanitra, “tanan-kavanana” irakiraka manao ny asa, amin’ny alalany no hanasoavan’Andriamanitra antsika sy hanomezantsika koa voninahitra an’Andriamanitra.
Avy amin’ny alalany no andraisantsika ny Fanahy Masina avy amin’ny Ray, ny fiantsoana ny anarany sy ny fanaovana antsika batemy amin’ny anarany no idirana amin’ny famonjena. Ary noho Izy ilay “Kristy”, voahosotr’Andriamanitra, ho an’Israely araka ny fampanantenana sy ny Soratra Masina, dia manankery hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy, hiray aina Aminy ka hibebaka sy ho voavela heloka.
I Jesoa no Tompo nirahin’ny Ray mba hamonjy ny olombelona rehetra ka miantso azy rehetra ho tonga fianakaviana iray Aminy. Tsy fanatanterahana ny fanirian’olombelona, na ny fanirian’i Davida ny ho razamben’ny Mesia na ny an’Israely ho fianakaviana iray aminy, araka izany no notanterahin’Andriamanitra, tsy ny maha-zanak’i Davida Azy koa no maha-lehibe an’i Kristy fa ny maha-Tompo Azy. Tsy ny fahatanterahan’ny faniriantsika sanatria no hifaliantsika ao amin’ny Fanahy fa ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra. Raha tsy izany fomba fisainana izany no entina mamaky ny tohin’ny Evanjely dia hitady Andriamanitra hanala fahasahiranana antsika isika ka tsy ho vonona hahafoy izay rehetra mety ho antom-pivelomana handraisana anjara amin’ny fanatanterahana ny sitrapony.
Izay no mahatonga an’i Jesoa hampitandrina antsika.
Md Marka 12, 38-44
“Mahìna amin’ny Mpanora-dalàna”…
Mbola fampitandremana mikasika ny Mpanora-dalàna ihany no anombohan’ny Evanjely anio. Ankoatry ny antony nahatonga azy ireo hanindraindra fa zanak’i Davida ny Mesia, dia eo koa ny fomba fiainan’izy ireo, mitady ny voninahitra hisehosehoana ho ambony noho ny hafa no himatimatesana, kanefa ny fananan’ny mpitondratena no hanina.
Matoa mamerimberina mampitandrina antsika toy izany i Jesoa dia satria hitany ny maha-zava-doza ny vokatry ny tsy fitandremantsika. Ny mpanora-dalàna moa, γραμματεύς (grammateus), dia ireo izay natokana mba hanoratra izay tokony hosoratana rehetra, saingy taorian’ny fahababoana tany Babilôna dia izy ireo no lasa mpitantana sy mpamaofy ny hevitry ny Lalàna mihitsy aza (Esdrasa 7, 11) ka indraindray, noho ny firehan-kevitra tsy mitovy sy ny mety ho fiarovana ny tombontsoa sy ny voninahitra, dia manjary mifanohitra amin’ny tena finoana marina ny fanapahan-kevitra raisina, na dia eo anatrehan’ny Sanedrìna sy ny Mpisorona mbamin’ny loholona aza no hanambarana izany.
Omaly dia ny fanambarana momba ny Mesia, zanak’i Davida no nolazain’i Jesoa. Eo imason’ny olona dia marina ny filazany satria Zanak’i Davida araka ny lalàna i Jesoa, saingy tsy neken’izy ireo kosa ny maha-Tompo, ny maha-Andriamanitra an’io zanak’i Maria sy Josefa io, na dia voalazan’ny Soratra Masina ihany koa aza izany.
Anio kosa indray dia ny fomba fiainany no lazain’i Jesoa: tia ny mitsangatsangana miakanjo mirebareba (στολή stole, avy amin’izany ny etole), hisehoana eo imason’ny hafa ny andraikitra sy ny fahamboniana, ny fiarahabana (ἀσπασμός aspasmos, arahabaina no dikanteny amin’ny vakiteny) eny amin’ny agorà (toerana fiangonana ivoriana na hivarotana na hanaovana zavatra hafa iombonan’ny rehetra), ny fipetrahana voalohany (πρωτοκαθεδρία protokathedria, siège du président, hoy isika) ao amin’ny sinagoga (Fiangonana hivavahana), ny toerana ambony (πρωτοκλισία protoklisia, table d’honneur, hoy isika) ao amin’ny fisakafoanana (δεῖπνον deipnon, sakafo hariva), miseho ho manao fivavahana lavareny (μακρός makros, vavaka lehibe, ka ny Offices 5 tsy maintsy atao isan’andro), saingy ny fananana ao an-tranon’ny (οἰκία oikia) mpitondratena no taperiny (κατεσθίω katesthio, dépouiller) amin’ny rakitra sy valopy tatazana etsy sy eroa.
Marina fa nolazain’ny Tompo fa mendrika ny karamany ny Mpiasa ka “izay mitory ny Vaovao Mahafaly dia hahazo fivelomana amin’izany asa izany” (1 Kor 9, 14). Mampalahelo ny mahita pretra sy mpiandraikitra ny Fiangonana sasany tsy raharahian’ny mpiangona akory. Saingy raha tsy mitandrina ireo “mpanora-dalàna” vaovao ao amin’ny Eglizy, izay tsy misy valaka amin’izany ny fomba fiainan’ireo tantarain’ny Evanjely anio raha jerena avy ety ivelany, dia mazava ny lazain’ny Evanjely: “hohelohina mafimafy kokoa” izy ireo. Tsy fisehosehoana fa fanompoana no iantsoan’i Kristy ny mpianany ka asainy hitandremantsika. Misy “mpanora-dalàna kely” avy manko ao am-pontsika ao.
Ny tapany faharoa amin’ny Evanjely dia mampianatra antsika kosa ny fitondrantena mifanaraka amin’ny Evanjely, raha sanatria isika no iharan’ny fanararaotan’ny maty eritreritra tahaka ireo mpitondratena ka variroaventy roa sisa navelany ao an-tranontsika.
Tao an-tempoly, ao amin’ny antsoina hoe Kianjan’ny Vehivavy, dia nisy fandatsahan-drakitra (sharafat) telo ambin’ny folo izay miendrika trompetra, vita tamin’ny varahina ka mazava loatra fa afaka mampaneno ireo fanatazan-drakitra ireo izay manam-be harotsaka ao, mba hampirantirantiana ny fahalalahan-tanana sy ny habetsahan’ny fanomezana atolotra. Io ilay trompetra lazain’i Matio fa ifaninanan’ny sasany ampanenoina (Mt 6, 2). Ny iray amin’ireo sharafat ireo dia sady tsy misy mpiambina no tsy misy soratra (intention),ka sady tsy misy mahafantatra araka izany izay arotsaka ao satria fanomezan’izay tsy te hisehoseho, na ho an’izay tsy afaka hisehoseho. Ao no heverina fa nandatsahan’ilay vehivavy mananotena ireo farantsa roa sisa tavela mba hivelomany.
Ireo no sisa tavela amin’izay notsetsafin’ny maty eritreritra saingy atolony manontolo mba ho fanomezana tsy voafaritra ka azon’ny mpitantana ampiasaina amin’izay ilavany azy (intention libre, hoy isika).
Tsy valifaty sanatria no tokony hamenoana ny fo fa ny fitokisana tanteraka kosa amin’Andriamanitra. Tsy ambim-bava no atolotra ho fanatitra hotahirizina ao amin’ny fitoeran-drakitra, ao amin’ny γαζοφυλάκιον (gazophylakion), ilazan’ny Evanjely ny fitoeran-drakitra, izany hoe ny toerana hitahirizana ny harena, mba hampiasaina amin’ny fitantanana ny Tempoly sy ny fitsinjovana ny mahantra. Izay matoky tanteraka an’Andriamanitra ka “manankina aminy ny anjarany” (Salamo 37, 5) no manome alàlana Azy hiasa, “hampamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinana, sy ho toy ny andro mitatao vovonana ny fananana ny rariny” (Sal 37, 6).
Atoron’ny Evanjely ny lalan’ny fitiavana isika, na dia variroaventy aza sisa no eo am-pelatanantsika, saingy angatahiny mba harotsaka ho fandraisana anjara amin’ny fiombonana. Tsy mangataka amintsika izay tsy ananantsika Andriamanitra, saingy mangataka kosa mba hahafoy manontolo mba hahafahany miasa sy mampiseho amintsika ny voninahiny. Izany no fampiharana ny Didy nomeny antsika dia ny ho tia Azy amin’ny fo, fanahy, saina sy hery manontolo (Evanjely Alahady 31 B).
Ohatra no nomen’i Jesoa antsika. Tsy ny fomba maha-Andriamanitra fotsiny no nialany fa nafoiny hatramin’ny fitafiany sy ny akanjony, fa isika kosa asainy “hitafy Azy” (Rm 13, 14) satria efa nafoiny ho antsika manontolo ny aminy rehetra (Fil 2, 7).
Raha tsy voadio ny fontsika, ka hino tanteraka fa Tompon’ny aina Andriamanitra, ary manome rariny ny ampahoriana sy manome sakafo ny noana… (Sal 145) dia tsy hahafoy tanteraka isika… hanakana ny fahafahantsika hitia, araka ny ohatra navelan’i Kristy, ny fahendren-drazana, ka aleo ihany hitsinjo ny vodiandro merika, aleo mihinan-kely, toy izany mandrifotsy… Ny tena fahendrena malagasy anefa, efa nahatsinjo izany fahafoizana izany ihany, nilazana fa ny valala iray aza hifanapahana… saingy na ny Tenin’Andriamanitra aza indraindray (fa tsy ny fahendren-drazana ihany) ampiasaintsika amin’izay tsy hanelingelina loatra ny feon’ny fieritreretana… [1]
Hiezahantsika ary ny hampisy heviny ny Sorona Masina atolontsika, ka tsy ho falifaly fotsiny hanolotra ny Ran’olona hafa, fa ho vonona tokoa, hahafoy ny fiainantsika ho Sorom-pitiavana, haneho amin’ny olon-drehetra ny endrik’Andriamanitra Fitiavana.
Ny Fanahiny Masina anie hanazava antsika ka hanampy antsika mba hitomboan’ny fitokisantsika Azy.
[1] Jereo ny hira Miantso anao izahay ry Tompo … fa matahotra izahay sao…