Alahady faha-32 mandavantaona Taona A
- Fahendrena 6, 12-16
- Salamo 62
- 1 Tesalônika 4, 13-18
- Md Matio 25, 1-13
Ity tany ity fandalovam-bahiny
Amin’ireto alahady telo mifanaraka ireto no hamakiana ny toko faha-25 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio (Mt 25). Mampitodika ny saintsika amin’izay hiafarana ny Litorjian’ny Fiangonana. Raha jerena ireo ohatra telo asongadin’io toko faha-25 io (Virjiny/talenta/fitsarana) dia mampianatra antsika ireo dingana telo tokony hihainantsika ny fitiavana : ny fiomanantsika amin’ny solika hoenti-mitsena ny mpampakatra, izany hoe miankina amintsika ny manangona ny ho enti-manana, mitaky ny ezaka sy ny finiavana avy amintsika. Mety hiseho amin’ny faniriana lalina izay kolokolointsika ao am-pontsika izany, tahaka ny lazain’ny Bokin’ny Fahendrena hoe “Mitsena izay mitady azy ny fahendrena” (Fah 6, 12-16); ny faharoa dia manambara ny fanomezana noraisina ka hitadiavana izay hampitomboana izay talenta noraisina ary ny fahatelo dia ny fampiasana azy amin’ny fanaovana soa amin’ireo rahalahin’i Kristy.
Ahoana no hahafahantsika mamakivaky ny alin’ny fiandrasana ka hametsovetsoina tahaka ny mpanao salamo hoe “ “Izaho mahatsiaro anao eo am-pandriana, tontolo alina aho mihevitra anao”… satria mahatsiaro fa “notsenainao ny vonjinao aho ka mibitaka alofan’ny elatrao” (Sal 62)?
Io Salamo setriny anio io moa dia voalaza fa vavak’i Davida tao an-tany efitr’i Jodà [tamin’ny fisintahany tany in-telo: na noho ny fanenjehan’i Saoly (1 Sam 22, 5; 1 Sam 23, 14) na tamin’izy nitsoaka an’i Absalôma zanany (2 Sam 15, 23-28)] dia manamafy ny tenin’i Jesoa hoe « izay be ao am-pony no hitenenan’ny vavany » (Lk 6, 45). Ny fitiavan’Andriamanitra no mameno ny fon’ny mpivavaka eto ka ambarany fa tsy misy dikany ny fijaliana mianjady aminy manoloana izany fitiavan’Andriamanitra mameno ny fo izany. Ny fahasarotan’ny fiainana dia tsy nahasakana hisaotra an’Andriamanitra raha mbola velona satria izay nihaona marina tamin’ny Tompo tao an-tempoliny masina dia hamisavisa ny hatsaram-pony hatramin’ny vao mangiran-dratsy, haniry ny Tompo, hangetaheta Azy, toy ny tany karankaina mila rano, hitady Azy hatramin’ny vao maraina (Sal 62). Ny fahatsiarovana ireo talenta (harena ho enti-mampamokatra ny fahaizana) sy ireo soa raisintsika avy amin’Andriamanitra araka izany dia loharanom-pisaorana amam-pivavahana tsy tapaka, izay havaozintsika amin’ny Fisaorana lavorarin’ny Eokaristia.
Raha iverenantsika ny Evanjely dia azo lazaina fa mampitodika ny saintsika hahatsiaro izay hiafarana. Ity tany ity fandalovana, hoy ny lohahevitr’ity alahady ity. Ankoatra ireo fizarana telo voalaza teny am-piandohana (Virjiny/talenta/fitsarana) dia misy fomba fiainana tokony hokolokoloina hiomanana amin’ny fiatrehana ny fihaonana amin’ilay hitsara antsika : ny fiainana ho mpanompo “mahatoky sy hendry” hanome ara-potoana ny anjara sakafo ho an’ny mpanompo ankinina aminy (Mt 24, 45-51); ny fiomanantsika amin’ny solika hoenti-mitsena ny mpampakatra, mampahatsiaro antsika fa miankina amintsika ny hoenti-manana satria nantsoina hanazava ny alina manontolo isika na mahatsiaro na sondrian-tory (Mt 25, 1-13); tsy misy hanomezan-tsiny ny Tompo anefa izay fa izay “talenta ankininy amintsika no mila ampamokarintsika (Mt 25, 14-30).
Andeha ary hohalalinintsika kely ny lazain’ny Evanjely anio.
Amin’ny fombafomba fampankaram-bady dia ny “ampakarina” no tsenaina ka otronin’ireo virjiny. Lazain’ny Evanjely anefa fa “naka ny fanalany ireto virjiny ka lasa nitsena ny mpampiatraka (νυμφίος nymphios)” ary tsy misy filazana akory mikasika ny ampakarina, araka ny voalazan’ny dikan-tenintsika. Azontsika alaina sary amin’izany ary fa ireo virjiny ireo no “tandindon’ilay Eglizy” notiavin’i Kristy (Efezy 5, 21ss, 2 Kor 11, 2) ary lazain’ny Bokin’ny Fahendrena fa ireo mitady ny fahendrena ka notsenainy(Fah 6, 12-16).
Ny fiainantsika rehetra araka izany no fivoahana mba handeha hitsena ny mpampiakatra: mivoaka avy ao an-kibon’ny reny mba ho amin’ny hazavan’ny fiainana, fa tsy maintsy hivoaka ny fiainan’ny tany koa mba ho amin’ny voninahitry ny lanitra. Ary na eo anelanelany eo aza dia miala amin’izay misy antsika isika ka antsoina hizotra ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany, mandrapahatongan’ny fiainantsika hihafina manontolo miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra araka ny filazan’i Md Paoly azy (Kol 3,3).
Noharian’Andriamanitra hitovy endrika aminy ny olombelona, ary antsoiny kosa hiombona Aminy ao amin’ny Fiangonany, izay tiaviny ho toy ny ampakarina (Ef 5, 27). Isika rehetra no virjiny maka ny fanala, ilazana ny jiro mirehitra, mazàva tsara (λάμπω lampo, briller lampas) ary tsy matahotra ny fitsokan’ny rivotra. Isika izay mandray ny fahazavan’i Kristy, ilay masoandro miposaka mba hanazava ireo ao anatin’ny aloky ny fahafatesana (Lk 1, 78-79) ary natolotra ho fahazavana hanilo ny firenena (tononkiran’i Simeona), ary voairaka kosa indray ho fahazavan’izao tontolo izao. Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany, milaza i Jesoa fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao (Jo 8, 12) raha mbola eto amin’izao tontolo izao (Jo 9, 5). Ary rehefa niakatra any amin’ny Ray Izy dia ny mpianany nirahiny tahaka ny nanirahan’ny Ray Azy (Jo 20, 21) eto no antsoiny mba ho fahazavan’ny fiainana ho an’izao tontolo izao (Mt 5, 14).
Isika no zanaky ny fahazavana, zanaky ny andro ka tsy hotapohin’ny haizina (vakiteny II alahady 33A: 1 Tes 5,5).
Isika ihany izany no fanàla, ka ny fihainoana ny Tenin’i Kristy sy ny fibanjinana ny endriny no mahatonga antsika ho fahazavana. Ny fanekentsika handray ny fahazavan’i Kristy ka hampamirapiratra azy eo amintsika no solika hahatonga ny fanala hamira-pahazavana. Ny fomba fiainantsika mifanaraka amin’ny fahazavan’Andriamanitra araka izany, hifanaraka amin’ny fitiavana, no hahafahantsika mameno ny fitoeran-tsolika hahafahana mamakivaky ny alina.
Ao amintsika ny fahendrena sy ny fahadalàna, ka afaka ny hampitombo ny fahendrena izay tia ka mitady azy (Vakiteny I). Izy rahateo no miandry antsika sy mitsena antsika, Izy no efa tia antsika mialoha (I Jo 4, 10).
Fahadalàna ny mitondra fanala tsy misy solika satria izay lamba na hoditra harehitra dia tsy maintsy ho faty vetivety. Raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo, hoy i Jesoa (Jo 15, 5). Ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra mamirapiratra eo amin’ny endrik’i Kristy no solika manome hazavana ao am-pontsika (2 Kor 4, 6). Ny hendry kosa nitondra solika tamin’ny fitoeran-tsolika, ny ἀγγεῖον (angheion), nadika hoe sinitany mora vaky (2 Kor 4, 7) ary nadika koa hoe “harona” ao amin’i Mt 13, 48, hanangonan’ny mpandrato izay hazandrano mahasoa. Ny fiainantsika araka izany no fitoeran-tsolika mila fenoina ny asa soa hanahafantsika ilay Andriamanitra mpamindra fo sy lavorary.
Ela ny mpampiakatra. Ny antony, hoy Md Piera dia satria miandry antsika am-pandeferana Izy mba tsy hisy ho very na dia iray aza fa samy hanatona hibebaka daholo (2 Piera 3, 9). Isika kosa, rendremana, νυστάζω (nystazo), mironjona mihato-doha noho ny torimaso, ary fantatsika fa ilay mpampiakatra koa, nanondrika kosa ny lohany mba hiditra ao amin’ny torimasom-pahafatesana, ary ao anatin’izany alin’ny fahafatesana izany no amondronany antsika rehetra ao amin’ny fitiavany, avy ao Izy no mampiakatra antsika ho vadiny, hiaraka hiditra Aminy ao amin’ny fiainana, dia ilay hafenoan’ny fiainana tiany ho antsika rehetra. Izany no lazain’i Md Paoly ao amin’ny vakiteny II, dia i Kristy maty fa nitsangan-ko velona izay tsenain’ny velona sy ny maty ary hitondra antsika rehetra, hitondra ny fiangonana miaraka Aminy any amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray (1 Tes 4, 13-18), hitondra izay nanao soa ho amin’ny fiainam-pahavelomana mandrakizay (Jo 5, 29).
Tsy misy hireharehana anefa izany na hifanavahana ho virjiny hendry sy ho virjiny adala satria maimaim-poana no anomezana ny “talenta” ampiasaintsika hividianana ny solika. Tsy ny habetsahan’ny solika fa ny hafenoan’ny “ἀγγεῖον” no tokony imasoana. Io no mahatonga an’i Jesoa milaza fa ilay mpananotena nandrotsaka farantsa kely varahina roa no nandatsaka bebe kokoa noho ny olon-drehetra (Lk 21, 3-4).
Samy eny an-dalana isika, mba hamaritra (hisafidy) na hiala amin’ity tany ity, amin’ny fanaovan-tsoa na hiala ety, handeha hitsena ny Mpampiakatra, sanatria tototry ny fahotana sy ny haratsiana rehetra. Safidintsika ny hanovo solika na tsia. Mitaky “fahendrena” avy amintsika izany, hitahirizana ny fanomezan’Andriamanitra dia ny Finoana sy ny “talenta” omena antsika mba ampamokarintsika (Alahady 33A). Tsy hoe fitahirizana ny talenta amin’ny fandevenana azy anaty tany araka ny evanjely amin’ny alahady heriny no hamenoana ny fitoeran-tsolika fa kosa ny fahaizana mampiasa azy ka hitomboany: tsy ampy ny miezaka tsy hanao ny ratsy fa mila manao soa. Fahotana ihany koa araka izany ny adidy tsy vita. Ny “asa vita no hitsarana”, fa asa vita mifanaraka amin’ny fahaiza-manao ka mampisy hasiny ny fiainana sy hahazoana ny zo maha-zanaka mpandova ny Fiainana.
Tsy asa natao hisehosehoana koa anefa ka hizahozahoana ho nahavita be, fa asa vita am-pitiavana, nentina nanasoavana ny madinika, ny mahantra, ny voagejan’ny tsindrihazolena, satria “endrik’Andriamanitra ny olombelona” ka iezahantsika ny mitia na dia ny farahidiny indrindra aza satria tiavin’i Kristy amin’ny alalantsika izy ireny ary ao amin’izy ireny kosa no hitiavantsika an’i Kristy (fiafaran’ny Mt 25).
Indraindray mety hilaza isika hoe tsy fahadisoan’ny adala fa fahadisoan’ny Mpampakatra tsy tonga ara-potoana no nahafaty ny jiro fa lany ny solika! Tsy marina anefa izany satria na eo am-piandrasana na efa tafiditra ao amin’ny fampakarana indrindra indrindra, ny solika ilaina ihany no ilaina, izay solika tokony hahavita ny alina manontolo no tokony hoentina. Adala izay tsy mitondra solika mahaloaka ny alina, fa mbola mitombo ny adalan’izay mitondra fanala fa tsy mitondra solika, ary adalàna fanampiny ny hiheritreritra handeha hividy solika amin’ny misasak’alina. Tsy hisy mpivarotra hivoa amin’izany.
Dia ho fitiavan-tena ve sa fahamalinana no hilazana ny nataon’ireo virjiny hendry izay nahalala ny fetran’ny solika ho ampy ka tsy nizara ny azy tamin’ny adala? Ho fitsinjovana ny alina manontolo no tsy nizaran’ny hendry ny solika amin’ireo adala, sao ho samy maizina ao. Saingy aiza no hisy mpivarotra solika amin’ny misasak’alina! Amin’ny misasak’alina anefa vao nikoropaka handeha hitady solika ireo virjiny adala. Tsy hahita izy ireo ka na dia handondòna aza, tsy ho tafiditra satria tsy ho fantatr’izy Ray. Ny hazavana no hahafahany manavaka ny zanany. Ny varavarana efa mirindrina, izy ireo tsy hahita solika intsony, ao anatin’ny haizina tanteraka araka izany izy ireo ka tsy ho fantatra satria hifangaro amin’ny zanaky ny haizina, amin’ny zanaky ny fahaverezana.
Mamporisika antsika izany tsy hanao ezaka mandra-paha…[1] fa hiambina sy hivavaka lalandava (I Tes 5, 17). Mamporosika antsika izany mba hanao soa dia mbola tsy alina ny andro, satria ny fanaovan-tsoa no mahatonga antsika ho fahazavana mamirapiratra eo anivon’ny haizin’izao tontolo izao (Fil 2, 15) ka hahafahan’ny Ray manavaka ny zanany amin’ireo misafidy ho zanaky ny fahaverezana. Ny valintenin’ny virjiny hendry dia mampahatsiaro antsika fa samy tompon’andraikitra amin’izay ataony ny tsirairay. “Ho voaozona ny olona mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’ny Tompo ny fony. Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo, sy manantena ny Tompo ho tokiny… mamaly ny olona araka ny asany ny Tompo”. (Jeremia 17, 5-10). Inona anefa no hevitr’izany?
Lazain’i Md Paoly fa navotana isika, tsy vokatry ny asantsika fa noho ny finoana, noho ny fahasoavana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra (Efeziana 2, 8). Raha tsy azo tsara anefa izany dia hanahirana satria matetika heverintsika fa vokatry ny fiezahantsika ary valisoa mifanahaka amin’ny fahamasinantsika ny lanitra, ary noho izany dia mila miezaka mba hahazo azy, satria Andriamanitra mahita izay mendrika hahazo ny lanitra, ny sisa havariny any amin’ny afobe. Raha hoe mpamindra fo amin’ny olon-drehetra ny Tompo, dia ho sanatria ve izany, afaka manao izay tiany ny rehetra satria fitiavana Andriamanitra ka tsy afaka ny tsy handray antsika ho any an-danitra na dia hahavita zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapony aza isika!
Mila miezaka ary izany ve mba ho voavonjy?
Mazava loatra fa mila miezaka isika, mila “mandinika sy misaintsaina andro aman’alina ny lalàn’ny Tompo” (Sal 1). Tsy ny fanaovana na ny tsy fanaovana ezaka anefa no olana fa ny antony hanaovana azy, araka ny efa voalaza teny am-piandohana. Misy ny miezaka mba hahalala an’Andriamanitra, ka hitombo fitiavana Azy, ary izany fibanjinana ny fitiavany izany no manova ny fiainana ho tonga taratry ny fitiavany, ho taratry ny hazavany, hanandramana sahady ny fahasambarana ampanantenainy dia ny ety an-tany. Ny fitiavana no hampamirapiratra ny tavantsika ka hahafahan’ny Ray mamoa varavarana ho antsika raha sanatria voahidy any alan-trano.
Ireo manao soa no antsoina hoe “nosoavin’ny Ray” (Kristy Mpanjaka), ireo izay tsy nahalala akory fa nanao soa tamin’ny noana sy ny mangetaheta, ny tsy nitafy sy ny mpivahiny, ny marary sy ny voahilikilika natao an-tsesintany (Mt 25, 31-46). Tsy ny ho voavonjy no nanaovan’izy ireo asa soa fa noho izy ireo “nohasoavina” ka tsy afaka ny tsy hanasoa, izany no hahafahany miombona anjara amin’ny hafalian’Andriamanitra. Ny tombontsoa azontsika amin’ny fiainana dia “fahasoavana”, tsy entina hireharehana fa entina hanasoavana.
Izay no hahafahantsika mamakivaky ny alin’ny fiandrasana, ka hametsovetsoina ny mpampakatra eo am-pandriana, tontolo alina ” (Sal 62). Tsy azo adinoina fa fahadalàna ny mitavandra ny hafa hihevitra fa hizara ny solika amintsika. Tsy sanatria hisy halaim-panahy hihevitra fa hiandry azy ny mpampiakatra satria mila ny “jirony” mba hanazava ny trano fampakarana. Ny hafaliana satria voafidy ho mpitan-jiro dia tsy tokony hanaovana antsirambina ny zavatra takiana amin’izany, satria izay vonona ihany no hiditra ao amin’ny trano fampakarana, ary hohidiana ny varavarana (Evanjely).
Mamirapiratra tsy mety matroka hatsarana ny Fahendrena, hoy ny Vakiteny I, ka raha izy irery no saintsainina dia fahamalinana lavorary, na ny marimarina kokoa ho lavorary ny fanapahan-kevitra (Se passionner pour elle, c’est la perfection du discernement, TOB). Izay te hahalala ny lalan-kombana sy te ho afaka ahiahy malaky, araka izany dia tsy maintsy hiari-tory handinika ny lalam-pahendrena. Tsy fahendrena hireharehana anefa, hoy i Jeremia mpaminany mampitandrina antsika fa kosa fampiharana ny fitiavana (חֶסֶד), sy ny hitsiny (מִשְׁפָּט) ary ny rariny (צְדָקָה) ety ambonin’ny tany satria izany no sitrak’Andriamanitra (Jer 9, 22-23).
Izany dia mampahatsiaro antsika ny fanentanan’i Md Paoly antsika tahaka ny nataony tamin’ny kristianina tany Roma fahiny : « aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahany no lavorary. » ( Alahady 22A Rm 12, 1-2). Izany fikatsahana ny fahalavorariana izany no fanarahan-dia an’i Jesoa ao anatin’ny fandavan-tena sy ny fitondrana ny hazofijaliana, mampahatsiaro antsika izay efa nolazain’i Mikea Mpaminany momba ny “tsara sy izay takìn’ny Tompo efa nampahafantarina antsika dia ny hanao ny rariny (מִשְׁפָּט), handala ny fitiavana (חֶסֶד) ary hiara-dia amin’ny Tompo amim-panetren-tena (צָנוּעַ)” (Mikea 6, 8), ny fifandraisana amin’ny tena, amin’ny namana ary amin’Andriamanitra. Izany no hanovozana solika hampirehitra ny jirontsika ka hanazava ny endrika hahalalan’Andriamanitra antsika, ka hahafahana miroso ao amin’ny fampakarana iantsoany antsika rehetra.
Isika ihany no vazy fitoeran-tsolika, ka ny fiainantsika dia misy dikany, satria tonga jiro manazava ny alina, raha ampiasaintsika hanasoavana sy hanorenana ny fanjakan’ny lanitra amin’ny fanaovan-tsoa, indrindra amin’ireo tsy manan-kavaly. Aoka ho vonona lalandava ianareo ary ho voasikina ny valahanareo ary ho voarehitra ny jironareo, hoy Md Lioka (Lk 12, 35ss). Hanana fitiavana ampy hamakivakiana ny alina sy hoenti-mitsena ny mpampiakatra anie isika, satria mijoro ho fanasina sy fahazavany eo anivon’izao tontolo izao, ka izay rehetra mahita ny asa soa ataontsika, dia hahita izany tahaka ny hazavan’ny jiro manazava izay rehetra ao an-trano, ka ho feno hafaliana hanome voninahitra ny Ray any an-danitra (Mt 5, 14-16).
[1] Hiezaka aho mba…; matetika mitranga izany amin’ny karemy sy ny fihaviana (izay efa ho avy)