Alahady faha-32 mandavan-taona Taona B
- 1 Mpanjaka 17, 10-16
- Salamo 145
- Hebrio 9, 24-28
- Md Marka 12, 28-44
Izay tia mahafoy.
Ny fanombohan’ny volana novambra dia fankalazana ny Olomasina rehetra sy fahatsiarovana ireo nodimandry izay tsy afa-misaraka araka ny ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana (KFK 960-962) fa Fiombonan’ny olomasina ny Eglizy satria atambatry ny Eokaristia ho Vatana iray ihany ao amin’i Kristy ka izay ataon’ny tsirairay ao amin’i Kristy sy miaraka Aminy – na vavaka na fiaretana fahoriana – dia mitondra vokatra ho an’ny daholobe. Fiombonan’ireo toko telo mamorona ny Fiangonana izany, dia ireo olontsambatra any an-danitra izay midera ny voninahitr’Andriamanitra, ireo fanahy manefa ny sazim-pahotana ka miandry ny vavaka ataontsika ary isika mpivahiny miomana amin’ny fihaonana amin’Ilay Mpampakatra, dia i Kristy Tompo.
Izay rehetra ataontsika, araka izany dia efa santatr’izay ho mandrakizay, any amin’ny fiainana lazain’i Md Joany fa tsy hisy ranomaso intsony, satria feno fatra ny hafaliana. Ahoana ary no hanazavana ny fanaovan-tsoa sy ny asa fiantrana ho lalana mitondra amin’izany fiainam-pahasambarana izany?
Tsotra ny valiny: arakaraka ny iombonana fijaliana amin’i Kristy no iombonana hafaliana Aminy koa; arakaraka ny handraisantsika anjara amin’ny asam-pamonjena natombony no handraisantsika anjara koa amin’ny hafaliana amin’ny hahatanterahan’izany any amin’ny mandrakizay. Izay amindran’Andriamanitra fo manko, izany hoe izay manana ny fon’Andriamanitra no afa-mitia toa Azy ka handray anjara amin’ny asany. Fa inona moa ny asan’Andriamanitra? Ny Salamo Setriny no mamaly izany.
“Manome rariny ny ampahoriana ny Tompo, manome sakafo ny noana, mamaha ny mpifatotra, mampahiratra ny jamba, mampitraka ny miondrika, mpiaro ny vahiny, tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena… tia ny olo-marina” (Sal 145) Izany no Andriamanitsika, Andriamanitra fitiavana. Saingy raha mijery ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandro isika, dia hahatsapa ny hasaro-bidin’ny fiantsoana niantsoana antsika: nohariany hitovy endrika Aminy isika, ary izany fanahafana Azy izany, dia sitrany ho hita taratra amin’ny andavanandrom-piainantsika.
Indraindray anefa isika, mametraka fanontaniana hoe mba aiza ihany izao Andriamanitra izao! fa dia mijaly izay tsy izy ny vahoaka madinika! Nahoana no avelany hanjakazakan’ny maty eritreritra ny mahantra sy ny kamboty? Tsy azo adinoina anefa fa isika no tanana sitrak’Andriamanitra hitsotra, hamonjy azy ireny, isika no nohariany araka ny endrika isehoan’ny fitiavany, mba hahalalan’ny olona rehetra fa fitiavana Izy. Mila manontany tena mandrakariva araka izany, amin’ny fitadiavana izay fomba tsy hanamafisana ny fo manoloana ny fahantran’ny olona, satria ampahatsiahivin’i Kristy antsika fa “hisy eo amintsika mandrakariva ny mahantra” (Mk 14, 7) ary izany moa no ampahatsiahivin’ny Papa mandrakariva ho an’ny andro manokana ho an’ny mahantra ankalazaina amin’ny alahady mialoha ny fetin’i Kristy Mpanjaka.
Tokony ho tadidiana mandrakariva ny fampianaran’i Md Jean Chrysostome fa sahala amin’ny seranan-tsambo isika, tsy afaka hanavakavaka fa ho olon’ny famindram-po ka ho tonga fanantenana ho an’izay very fanantenana amin’ny fihotakotahan’ny onjan-drano, ka tsy hitsara ny olona amin’izay mety ho fitondran-tenany fa hamonjy azy amin’ny loza mianjady aminy dia izay (Jean Chrysostome. discours sur le pauvre Lazzare, II, 5, Hafatry ny Papa 2021).
Tsy tsobo-dranon-dRamiangaly koa ny maha-zanak’Andriamanitra sy ny maha-kristianina. Tsy sanatria ambim-bava no enti-mamonjy ny osa sy ny niangaran’ny vintana. Ambaran’ny Taratasy ho an’ny Hebrio (Heb 9, 24-28) fa na ny Sorona natolotry ny Mpisorom-be fahizay aza amin’ny Yom Kippour, andron’ny famelana, dia nolavorarian’i Kristy, satria tsy ran-javatra hafa atolotra isan’andro, sanatria, no heverina hanafaka ny fahotana, ka hanasana tanana, ho afaka adidy! Ny tena Sorona sitrak’Andriamanitra, dia izay mahasingotra ny aina, ka hahafoizantsika ny soa sy ny mamy, eny fa na dia izay kely ananantsika mba ho antoky ny fahavelomana aza (Mk 12, 38-44).
Izany no asehon’ny Evanjely sy ny Vakiteny voalohany amintsika.Tsy fanarahan-dalàna mba hisehosehoana ho mahavita zavatra sanatria no hahazoantsika famonjena. Betsaka no mahafoy vola sy fotoana ho an’ny hafa tsy noho ny fitiavana fa noho ny fitia te hisehoseho. Tsy eny amoron-driaka hihinanana ny mofo sy hena atolotry ny goaika tsy akory no hitsapana ny fitiavana lavorary (ny tapany voalohany amin’ny toko faha-17 amin’ny Boky voalohan’ny mpanjaka, nangalàna ny vakiteny I, izay mitantara an’i Elia novokisan’ny goaika) fa any Sareftà, izany hoe ao anatin’ny fitsapana (Sareftà tp;r>c’ adika ara-bakiteny ho fisedrana, fanivanana, raffinerie), ary tsy any amin’Israely efa tratry ny fahalovan’i Jezabela sy Akaba nampitsoaka an’i Elia fa amin’ny finoan’ilay vehivavy iray tsy fantatra anarana akory, mahafoy hatramin’izay antoky ny aina, ka manokatra ny varavarana amin’ny asan’ilay mahefa ny zavatra rehetra. Tsy afaka ny hino an’Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra, araka ny fiekem-pionoana ventesintsika isan-kalahady, izay mbola mivelona amin’ny kajikajy atao mba hiankinana amin’ny zavatra mandalo. Ao ambadiky ny fahafoizana izay ilaina manko, na ho an’ilay vehivavy tany Sareftà izany, na ho an’ilay mpananon-tena tao an-tempoly, na ho an’i Kristy nahafoy ny aina, dia mifono fitokisana lalina amin’ny fitahian’Andriamanitra (Providence), ilay afaka manangan-ko velona ny taolana efa maina (Ezek 37).
Anisan’ny kajikajy ataon’ny olona ny mitady izay fomba rehetra hahazoana voninahitra ka hisehoana na hiheverana ho ambonimbony kokoa noho ny hafa. Misy andininy telo voadingana moa mialoha ny Evanjely anio manambara ny kajikajin’ny Jody ny ho fianakaviana akaiky, ho tanan-kavia sy havanan’ny Mesia rehefa ho avy izy, satria tsy mbola ny famonjen’Andriamanitra hanafaka ny fahotana no andrasana fa ny fitsiriritam-pahefana nisy teo amin’Israely, nahatonga an’i Elia hitsoaka matanjaka manoloana an’i Jezabela.
Md Marka 12, 35-37
Mialoha ny Evanjely vakiana anio ity fa hojerentsika vetivety na dia tsy vakiana amin’ny Litorjia aza satria mampitohy ny Evanjely anio sy ny tamin’ny heriny.
Rehefa tsy nisy nahasay nanontany an’i Jesoa intsony, dia Izy indray no mametra-panontaniana: “Ahoana no ilazan’ny Mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida?”
Amin’ny fiheveran’ny Jody maro momba ny lalàn’ny jabam, lévirat (zaodahy), ny fameloma-maso ny rahalahy dia mba hahafahana hamela taranaka hanohy hidera an’YHWH, fa indrindra indrindra koa mba hahafahana manantena ny ho “razam-ben’ny Mesia”. Tsy ny hiandry am-pitokiana ny fahatanterahan’ny Fampanantenan’Andriamanitra anefa no nirina fa kosa ny hahafahana mirehareha, ho voninahitry ny taranaka.
Ny antony ametrahan’i Jesoa amintsika ny fanontaniana, rehefa tsy sahy mametraka izany intsony isika, dia ny mba hahafahantsika mahalala marina tokoa hoe “iza Izy.
Ny maha-Mesia (Kristy) sy ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy no niezahan’i Md Marka navoitra tamin’ny fitantarana ny Evanjeliny. I Simona Piera miaiky fa i Jesoa no Kristy (Mk 8, 29) ary ilay Tomponjato kosa manambara araka ny zavatra hitany fa ilay lehilahy voafantsika ka maty teo amin’ny Lakroà dia “tena Zanak’Andriamanitra” tokoa (Mk 15, 39). I Jesoa izay zanak’i Davida araka no nofo, satria tena olombelona tokoa, mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, araka izany no ilay “Zanaka lahitokan’ny Ray”, araka ny Fanahy (Rom 1,3), Andriamanitra tokana miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina.
Tsy misy afaka ny hiantso an’i Jesoa ho Tompo anefa, raha tsy entanin’ny Fanahy Masina, hoy i Md Paoly mampahatsiaro antsika (1 Kor 12, 3). I Davida araka izany, tao amin’ny Fanahy Masina dia nitsaoka an’ilay Fampanantenan’Andriamanitra ho “Tompony”. Faminanian’ny Salamo 109 moa izany. Ilay taranany no antsoin’i Davida ho Tompony. Asan’ny Fanahy Masina izany. Izy kosa manaiky hitoetra eo an-kavanan’Andriamanitra, ho tanan-kavanan’Andriamanitra, hanaiky hanao ny sitra-pony, na dia Andriamanitra ihany aza no hanao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
Tompo (κύριος Kyrios, ) moa no nandikana ny Adonai, izay nentin’ny Jody hamakiana sy nanononana ny anarana tsy azo tononina YHWH, saingy nentin’ny Kristianina kosa hilazana ilay “Tompo” nasandratra eo an-kavanan’Andriamanitra (Mk 12, 35-37), Izy ilay Teny nahariana ny tontolo, niala tamin’ny fomba naha-Andriamanitra Azy (Fil 2, 11) fa natsangan’ny Ray ho Tompo, eo an-kavanany, izany hoe ho Tompo haneho ny fiandrianan’Andriamanitra, “tanan-kavanana” irakiraka manao ny asa, amin’ny alalany no hanasoavan’Andriamanitra antsika sy hanomezantsika koa voninahitra an’Andriamanitra.
Avy amin’ny alalany no andraisantsika ny Fanahy Masina avy amin’ny Ray, ny fiantsoana ny anarany sy ny fanaovana antsika batemy amin’ny anarany no idirana amin’ny famonjena. Ary noho Izy ilay “Kristy”, voahosotr’Andriamanitra, ho an’Israely araka ny fampanantenana sy ny Soratra Masina, dia manankery hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy, hiray aina Aminy ka hibebaka sy ho voavela heloka.
I Jesoa no Tompo nirahin’ny Ray mba hamonjy ny olombelona rehetra ka miantso azy rehetra ho tonga fianakaviana iray Aminy sy ao Aminy. Tsy fanatanterahana ny fanirian’olombelona, na ny fanirian’i Davida ny ho razamben’ny Mesia na ny an’Israely ho fianakaviana iray aminy, araka izany no notanterahin’Andriamanitra, tsy ny maha-zanak’i Davida Azy koa no maha-lehibe an’i Kristy fa ny maha-Tompo Azy. Tsy ny fahatanterahan’ny faniriantsika sanatria no hifaliantsika ao amin’ny Fanahy fa ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra, ny anarantsika efa voasoratra any an-danitra (Lk 10,20). Raha tsy izany fomba fisainana izany no entina mamaky ny tohin’ny Evanjely dia hitady Andriamanitra hanala fahasahiranana antsika isika ka tsy ho vonona hahafoy izay rehetra mety ho antom-pivelomana handraisana anjara amin’ny fanatanterahana ny sitrapony, ka ho sanatria, efa mba voasoratra any an-danitra ihany ny anarana, efa anisan’ireo nasaina ihany kanefa ho tahaka ny virjiny adala, handeha hitady solika hovidiana amin’ny misasak’alina (Mt 25).
Izay no mahatonga an’i Jesoa hampitandrina antsika.
Md Marka 12, 38-44
“Mahìna amin’ny Mpanora-dalàna”…
Fampitandremana mikasika ny Mpanora-dalàna no anombohan’ny Evanjely anio. Ankoatry ny antony nahatonga azy ireo hanindraindra fa zanak’i Davida ny Mesia, dia eo koa ny fomba fiainan’izy ireo: fitadiavana voninahitra hisehosehoana ho ambony noho ny hafa no himatimatesana, kanefa ny fananan’ny mpitondratena no hanina.
Matoa mamerimberina mampitandrina antsika toy izany i Jesoa dia satria hitany ny maha-zava-doza ny vokatry ny tsy fitandremantsika. Ny mpanora-dalàna moa, γραμματεύς (grammateus), dia ireo izay natokana mba hanoratra izay tokony hosoratana rehetra, saingy taorian’ny fahababoana tany Babilôna dia izy ireo no lasa mpitantana sy mpivaofy ny hevitry ny Lalàna mihitsy aza (Esdrasa 7, 11) ka indraindray, noho ny firehan-kevitra tsy mitovy sy ny mety ho fiarovana ny tombontsoa sy ny voninahitra, dia manjary mifanohitra amin’ny tena finoana marina ny fanapahan-kevitra raisina, na dia eo anatrehan’ny Sanedrìna sy ny Mpisorona mbamin’ny loholona aza no hanambarana izany.
Hitantsika teo ny fanambarana momba ny Mesia, zanak’i Davida nolazain’i Jesoa. Eo imason’ny olona dia marina ny filazany satria Zanak’i Davida araka ny lalàna i Jesoa, saingy tsy neken’izy ireo kosa ny maha-Tompo, ny maha-Andriamanitra an’io zanak’i Maria sy Josefa io, na dia voalazan’ny Soratra Masina ihany koa aza izany.
Amin’ny tapany voalohany amin’ny Evanjely anio dia ny fomba fiainan’ireo Mpanora-dalàna ireo no lazain’i Jesoa: tia ny mitsangatsangana miakanjo mirebareba (στολή stole, avy amin’izany ny etole), hampisehoana eo imason’ny hafa ny andraikitra sy ny fahamboniana, tia ny fiarahabana (ἀσπασμός aspasmos, ἀσπάζομαι no matoanteny) eny amin’ny agorà (toerana fiangonana ivoriana na hivarotana na hanaovana zavatra hafa iombonan’ny rehetra), ny fipetrahana voalohany (πρωτοκαθεδρία protokathedria, siège du président, hoy isika) ao amin’ny sinagoga (Fiangonana hivavahana), ny toerana ambony (πρωτοκλισία protoklisia, table d’honneur, hoy isika) ao amin’ny fisakafoanana (δεῖπνον deipnon, sakafo hariva), miseho ho manao fivavahana lavareny (μακρός makros, vavaka lehibe, ka ny Offices 5 tsy maintsy atao isan’andro na dia efa fanafoezana aza, bréviaire), saingy ny fananana ao an-tranon’ny (οἰκία oikia) mpitondratena no taperiny (κατεσθίω katesthio, dépouiller) amin’ny rakitra sy valopy tatazana etsy sy eroa, lazaina fa adidy.
Marina fa nolazain’ny Tompo ho mendrika ny karamany ny Mpiasa ka “izay mitory ny Vaovao Mahafaly dia hahazo fivelomana amin’izany asa izany” (1 Kor 9, 14). Mampalahelo ny mahita pretra na mpiandraikitra ny Fiangonana sasany tsy raharahian’ny mpiangona akory na dia ny antom-pivelomany aza. Saingy raha tsy mitandrina ireo “mpanora-dalàna” vaovao ao amin’ny Eglizy, izay tsy misy valaka amin’ny fomba fiainan’ireo Mpanora-dalana tantarain’ny Evanjely anio raha jerena avy ety ivelany (manao étole, mipetraka amin’ny seza fitarihana sy ny table d’honneur sns), dia mazava ny lazain’ny Evanjely: “hohelohina mafimafy kokoa” izy ireo. Tsy fisehosehoana fa fanompoana no iantsoan’i Kristy ny mpianany ka asainy hitandremantsika. Misy “mpanora-dalàna kely” avy manko ao am-pontsika tsirairay avy ao.
Ny tapany faharoa amin’ny Evanjely kosa dia mampianatra antsika ny fitondrantena mifanaraka amin’ny Evanjely, raha sanatria isika no iharan’ny fanararaotan’ny maty eritreritra tahaka ireo mpitondratena ka variroaventy roa sisa navelany ao an-tranontsika.
Tao an-tempoly, ao amin’ny antsoina hoe Kianjan’ny Vehivavy, dia nisy fandatsahan-drakitra (sharafat) telo ambin’ny folo izay miendrika trompetra, vita tamin’ny varahina ka mazava loatra fa afaka mampaneno ireo fanatazan-drakitra ireo izay manam-be harotsaka ao, mba hampirantirantiana ny fahalalahan-tanana sy ny habetsahan’ny fanomezana atolotra. (marihina moa fa vola madinika vita ny shekel nampiasaina tao an-tempoly). Io ilay trompetra lazain’i Matio fa ifaninanan’ny sasany ampanenoina (Mt 6, 2). Ny iray amin’ireo sharafat ireo dia sady tsy misy mpiambina no tsy misy soratra (intention),ka sady tsy misy mahafantatra araka izany izay arotsaka ao satria fanomezan’izay tsy te hisehoseho, na ho an’izay tsy afaka hisehoseho. Ao no heverina fa nandatsahan’ilay vehivavy mananotena ireo farantsa roa sisa tavela mba hivelomany.
Ireo no sisa tavela amin’izay notsetsafin’ny maty eritreritra, ireo Mpanoradalana mpanao vavaka lavareny lazain’ny Evanjely ao amin’ny tapany voalohany) saingy atolony manontolo mba ho fanomezana tsy voafaritra ka azon’ny mpitantana ampiasaina amin’izay ilavany azy (intention libre, hoy isika).
Tsy valifaty sanatria no tokony hamenoana ny fo raha sendra ny tsy rariny fa ny fitokisana tanteraka kosa amin’Andriamanitra. Tsy ambim-bava no atolotra ho fanatitra hotahirizina ao amin’ny fitoeran-drakitra, ao amin’ny γαζοφυλάκιον (gazophylakion), ilazan’ny Evanjely ny fitoeran-drakitra, izany hoe ny toerana hitahirizana ny harena, mba hampiasaina amin’ny fitantanana ny Tempoly sy ny fitsinjovana ny mahantra. Izay matoky tanteraka an’Andriamanitra ka “manankina aminy ny anjarany” (Salamo 37, 5) no manome alàlana Azy hiasa, “hampamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinana, sy ho toy ny andro mitatao vovonana ny fananana ny rariny” (Sal 37, 6).
Atoron’ny Evanjely ny lalan’ny fitiavana isika, na dia variroaventy aza sisa no eo am-pelatanantsika, saingy angatahiny mba harotsaka ho fandraisana anjara amin’ny fiombonana. Tsy mangataka amintsika izay tsy ananantsika Andriamanitra, saingy mangataka kosa mba hahafoy manontolo mba hahafahany miasa sy mampiseho amintsika ny voninahiny. Izany no fampiharana ny Didy nomeny antsika dia ny ho tia Azy amin’ny fo, fanahy, saina sy hery manontolo (Evanjely Alahady 31 B).
Misy fampianarana hafa ihany koa azontsika tsoahina amin’ny fomba fihetsik’ity mpananotena ity dia ny fahatsapana fa tsaratsara kokoa ny manambatra ny kely eo an-tanana ho ao amin’ny kitapo iombonana noho ny samy mikepoka ny azy. Ny mpianatr’i Jesoa mivondrona ho Apostoly dia miavaka amin’izany fiombonana izany ary mazava ny lazain’i Md Lioka fa “tsy nisy nanao ny fananany ho azy” izy ireo. Ny fiombonam-panahy tsy mahafoy ho amin’ny fiombonana amin’ny haren’ny tany akory dia lainga ihany. Izay tsy mahafoy mandrotsaka ny fananany rehetra ho amin’ny fikatsahana ny soa iombonana dia mbola lavitra ny maha-kristianina azy, tsy mbola mahazo ny fampianaran’ny Evanjely.
Ohatra no nomen’i Jesoa antsika. Tsy ny fomba maha-Andriamanitra fotsiny no nialany fa nafoiny hatramin’ny fitafiany sy ny akanjony, nafoiny hatramin’ny haja amam-boninahitra mendrika ny maha-olona, efa nafoiny ho antsika manontolo ny aminy rehetra (Fil 2, 7). Ary isika koa asainy “hitafy Azy” (Rm 13, 14) mba hanafenantsika ny maha-olombelona mpanota antsika ka hahitan’ny Ray ao amintsika izay notiaviny tao amin’ilay Zanany tokana.
Raha tsy voadio ny fontsika, ka hino tanteraka fa Tompon’ny aina Andriamanitra, ary manome rariny ny ampahoriana sy manome sakafo ny noana… (Sal 145) dia tsy hahafoy tanteraka isika… hanakana ny fahafahantsika hitia, araka ny ohatra navelan’i Kristy, ny fahendren-drazana, ka aleo ihany hitsinjo ny vodiandro merika, aleo mihinan-kely, toy izany mandrifotsy… Ny tena fahendrena malagasy anefa, efa nahatsinjo izany fahafoizana izany ihany, nilazana fa ny valala iray aza hifanapahana… saingy na ny Tenin’Andriamanitra aza indraindray (fa tsy ny fahendren-drazana ihany) ampiasaintsika amin’izay tsy hanelingelina loatra ny feon’ny fieritreretana (lazain’ny Antsa Miantso anao izahay ry Tompo fa mitady [hanavao ny fiainanay] ny Fanahy)…
Hiezahantsika ary ny hampisy heviny ny Sorona Masina atolontsika, ka tsy ho falifaly fotsiny hanolotra ny Ran’olona hafa, fa ho vonona tokoa, hahafoy ny fiainantsika ho Sorom-pitiavana, haneho amin’ny olon-drehetra ny endrik’Andriamanitra Fitiavana.
Ny Fanahiny Masina anie hanazava antsika ka hanampy antsika mba hitomboan’ny fitokisantsika Azy.
Ry Andriamanitra Andriananahary Ray ô, eo anatrehanao lalandava izahay, ka tsy izay tarehin-javatra hita ety ivelany na izay asa vitanay no jerenao, fa ny fonay indrindra no tsinjovinao amim-pitiavana. Koa ampio izahay, mba hihaino ny Teninao sy hanaiky hohazavain’ny Fanahinao, ka ho tena zanakao miray fo amin’i Kristy. Ary efa nanaiky hamoy an’izay rehetra nananany i Jesoa Zanakao, nanolotra ny ainy ho anay teo amin’ny Hazofijaliana, ho fitiavana sy fanavotana anay. Koa enga anie ny fandraisanay Azy na amin’ny Teniny na amin’ny Sakramenta, hamelona ao aminay ny faniriana hamaly fitia Azy, sy hanentana anay hahay mahafoy tena amin’ny fanasoavana ny namana, ho voninahitr’izy Tompo Mpanavotra.