Alahady faha-31 mandavantaona Taona B
- Deteronomy 6, 2-6
- Salamo 17
- Hebrio 7, 23-28
- Md Marka 12, 28b-34
Ny didy ho antsika dia hoe: tiava.
Ny Vakiteny I dia nalaina tao amin’ny Boky Deteronomy, izay mamintina ny traikefa ara-pinoana niainan’ny zanak’Israely taorian’ny nivoahany tany Ejipta tokotokony ho tamin’ny taona 1250 -1200 a.C ka fa indrindra taorian’ny nandravan’ny Asiriana ny tanànan’i Samaria ny 722 a.C. ka nitondran’ireo sisa nanamborana ho any Jerosalema ny Horonam-boky mirakitra ny fampianaran’i Moizy araka ny nampitain’ny Mpaminany. Voatery nafenina indray anefa io Horonamboky io ary efa ny taona 622 indray, tamin’ny andron’i Josiasa vao hita ka niezahany hanaovana ny fanavaozana. Tsy azo adinoina fa nampisy heviny manokana ny fandinihana ny Lalàna sy ny fanarahana azy ny nahababoana indray tany Babilonina (587 a.C) izay heverin’ireo Jody fa vokatry ny tsy fandraisana lesona tamin’ny fahavoazan’ny Fanjakana tavaratra sy ny tsy fanarahana ny Lalàna.
Ny Vakiteny henontsika teo dia mamerina indroa ny fampitandremana amin’Israely (ilay mpiady amin’Andriamanitra: Jen 32, 29) mba hihaino ny Didy, hihaino an’YHWH ka hitia Azy. Amin’ny fihainoana am-pitandremana ny tenin’ny olona iray no hahalalana azy bebe kokoa ary mazava loatra hitomboan’ny fitiavana azy ihany koa. Ary raha olona tsapanao fa tia anao no miteny dia voatandrina ho azy izay teneniny, misy heviny ary manan-danja ho anao ho azy ny torolalana omeny. Tsy torohevitra hahafalifaly ny fony manko no omen’Andriamanitra antsika fa torohevitra hahasambatra antsika sy hahazoantsika mizotra ho amin’ny tena fahafahana marina.
Mba hahatadidiavana izany Lalàna izany dia fomba maro no nampiasain’Israely, araka ny torohevitr’i “Moizy” ihany:
7Alatsaho ao an-tsain’ny zanakao izany; ary resaho, na ao an-tranonao hianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry hianao, na hiarina. 8Afehezo amin’ny tànanao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao. 9Soraty eo amin’ny tolàm-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao (Dt 6, 7-9).
Ny famerimberenana matetika no handatsahana ao am-po ny didy, ka mila mandinika isika amin’izay “valin-kira” ataontsika amin’ny zanatsika na amin’ny olona ankinina amintsika, indrindra amin’ny sehatry ny fanabeazana, sao tsy sanatria ny lalam-pitiavana atoron’Andriamanitra no alatsatsika ao an-tsain’ireo olona ankinina amintsika; ny antsika ny fivavahana aza mahamenatra indraindray, nefa lazain’ny Boky Deteronomy fa mila resahana mandrakariva ny Lalàn’Andriamanitra, satria izay be ao am-po no aloaky ny vava;
Ny famantarana hita maso koa dia ampiasaina mba hanampy amin’ny fahatsiarovana izany Lalàn’ny Fiainana izany. Ny Filakitera (φυλακτήριον phylakterion, tefillin) izay lazain’ny Evanjely dia boaty kely mirakitra an-dalan-tSoratra Masina (Eks 13,1-10, 11-16; Det 6,4-9; 11,13-22) apetraky ny Jody eo amin’ny handrina sy ny sandriny havia, ka ampiasaina indrindra indrindra mandritra ny fotoana hivavahana. Izay no mahatonga ny “tefillin” koa amin’ny teny hebrio, entina ilazana ny “vavaka” izay nentin’izy ireo hahatsiaro sy haneho ety ivelany ny fitiavana ny Lalàna, ka io angamba no lazain’i Md Marka hoe: fanaovana fivavahana lavareny (Mk 12, 40).
Eo amin’ny tolanam-baravarana sy ny vavahady kosa dia asian’ny Jody ny mezouzah (mezouzin) izay itahirizana ny “shemà Ishrael” ka kasihina na ahodin’ny Jody rehefa miditra sy mivoaka ny tanàna izy ireo. Io moa dia mitovy amin’ny fombantsika koa, amin’ny fampiasana ny ranovoahasina eo am-pidirana ny Trano Fiangonana sy ny tokantrano mba anavaozana ny Batemy, sakramenta ankalazana ny maha-zanaka tian’Andriamanitra antsika.
Lalàna natao hiampita amin’ny zanaka aman-jafy izany izany Torolalam-pitiavana avy amin’Andriamanitra izany, ary tsara ny mampahatsiaro fa mpanampy ny raiamandreny ihany ny pretra sy ny katesista, fa izy ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana amin’ny finoana ny zanany.
Ankoatr’izany, ny vavaka sy ny salamo dia fiventesana ny fitiavana izany Lalàn’Andriamanitra. Singanina amin’izany ny Salamo 119 izay fitanisana ny fitiavana ny lalàn’Andriamanitra ka narafitra ho andininy valo isak’ireo abidian-tsoratra 22 mandrafitra ny teny Hebrio (22*8= 176).
Izany fitiavan’Andriamanitra izany no asehon’ilay Mpisorom-be nanolotra ny tenany ho fifonana indray mandeha monja, tsy hanolotra izany ho azy mba hanala ny fahotany fa ho antsika, ary manolotra izany indray mandeha ary mandrakizay. Tsy ny Lalàna izay manangana olona zoim-pahotana no nanangana Azy ho Mpisorombe fa Andriamanitra izany nanendry Azy ho Zanaka. Io ilay Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay lazain’i Jeremia fa ampanantenain’Andriamanitra ho antsika na dia “vady nivadika taminy aza ireo izay notantanany” (Jer 31, 31-32). Ary izany Fanekem-pihavanan’Andriamanitra izany no tsaroantsika mandrakariva amin’ny Sorona Masina.
Tsy fahatsiarovana fe fahatsiarovana araka izany ny famonjena lamesa fa fankalazana ilay voasandratra ho Mpisorombe, maty teo ambonin’ny hazofijaliana noho ny fahaizany manaiky ka tonga tamin’ny fahalavorariana (izany hoe amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra haneho amintsika ny fitiavany tapitr’ohatra) ary ho antsika kosa dia ho fanavaozana ny fo amam-panahy hahay hitia manontolo, ho vonton’ny Lalàn’Andriamanitra, ka ny fandraisana anjara amin’izany Fanekem-pihavanana izany (fanaovana Komonio) dia fanekena hampifanaraka ny fiainana manontolo amin’ny fitiavan’i Kristy izay nahafoy ny Rany ho famonjena antsika. Mazava ny anton’izany hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio: Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany (Heb 4, 16).
Ndeha hojerentsika kosa indray izay lazain’ny Evanjely, manamafy izany rehetra izany.
Md Marka 12, 28b-34
Mialoha ny hitrangan’ny toe-javatra ambaran’ny Evanjely anio dia efa telo andro izao i Jesoa no tao Jerosalema. Fa ny fiakarany ka nandroahany ny mpivarotra tao an-tempoly (Mk 11,15-18) no fihetsika nandrava tanteraka ny fifandraisany tamin’ireo mpitondra fivavahana izay efa nitady ny fomba rehetra hamonoana Azy. Anisan’izany ny fanontanian’ny Farisiana Azy mikasika ny fandoavana hetra (Mk 12, 13-17) sy ny an’ny Sadoseana mikasina ny fitsanganan-ko velona (and. 18-17). Tsy nahomby anefa ny fandrika satria hain’i Jesoa mandrakariva ny namaly am-pahendrena ny fanontaniana napetrak’izy ireo.
Anisan’ireo izay nihaino sy talanjona tamin’ny valintenin’i Jesoa ity Mpanora-dalana iray nametra-panontaniana ity, saingy tsy dia ny hamandrika an’i Jesoa loatra no tiany ho fantatra fa ny fahendreny sy ny fahalalany: Inona ny voalohany amin’ny didy rehetra? hoy izy.
Ho an’ny mpandinika ny lalàna Jody dia misy 613 ny didy ka ny 365 (mitovy amin’ny isan’ny andro amin’ny taona iray na ny lalan-dra amin’ny tenan’ny olona koa hoe araka ny sasany) dia fandraràna (aza manao izao…), ny 248 kosa (lazain’ny hafa fa mitovy amin’ny isan’ny singa mandrafitra ny vatan’ny olombelona) dia milaza ny zavatra tokony hatao [cf. Gershom Scholem, la Kabbalah e il suo simbolismo]. Mazava loatra araka izany fa voatery nofintinina izany didy izany ka rariny ny mijery izay laharam-pahamehana mba hanampiana ny olona hiaina azy. Na ny hitadidy didy 613 ihany aza manko hanahirana. Eo amin’izay fijerena ny ambaratonga izay anefa no nampiady sy nampisavoritaka ny Mpanora-dalàna, satria samy nanana ny noheveriny ho laharam-pahamehana.
Ho an’i Jesoa, ny fitiavana an’Andriamanitra tokana amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy manontolo sy amin’ny saina manontolo ary amin’ny hery manontolo no voalohany. Tsy afaka ny hitandrina izany rehetra izany anefa raha tsy mahay “mihaino”. “Mihainoa, ry Israely”. Ny fahaiza-mihaino no voalohany amin’ny mari-pitiavana. Vavaka ataon’ny Vahoaka Jody marain-tsy hariva ny “Shemà Israel” saingy mety ho lasa tsianjery sy piliavava ihany izany raha toa ka tsy mikolokolo ny fo, ny saina, ny fanahy manontolo mba hihaino izay lazain’Izy Tompo ka hitia.
Tsy fitiavana raha tsy maningotra ny maha-izy azy manontolo ny olona iray.
Raha oharina amin’ny lazain’ny Deteronomy (Dt 6, 4ss vakiteny I) anefa ny voalaza eto dia nampian’i Jesoa ny “saina” mba hitiavana an’Andriamanitra manontolo. Raha tiantsika ny ho lavorary sy tsy ho voaozongozona amin’ny finoana dia tsy maintsy mandalina sy mamakafaka, ka ny faharesena lahatra vokatr’izany fisainana sy fandalinana izany no hirosoana. Tsy kajikajy hiandrasana valisoa manko fa faharesen-dahatra mahatsiaro fa notiavina no hitandremana ny Didy ka izay misaina sy mandinika ny fomba fitondran’Andriamanitra ny zavatra rehetra no afaka ho resy lahatra amin’ny fitiavany tsy mivadika hatramin’ny mandrakizay.
Tsy midika anefa izany fa tsy hisy intsony ny fisalasalana, fa kosa tsy an-tery fa amin’ny fo te ho tia tahaka Ilay tia no hitandremana ny Didy. Mety misy hilaza hoe “ataoko inona izany, sady aiza no handalinako izany! Raha izany ny finoana maha-kristianina aleoko mankany amin’ny sekta”. Ny fandalinana dia manampy amin’ny fahitana ny zava-misy araka ny hevitr’Andriamanitra, tsy handaniana andro amin’ny “avonavon’ny be saina” anafenan’Andriamanitra ny misterin’ny fanjakany tsy akory, fa amin’ny fahaizana mibanjina sy mankafy amin’ny fo tony sy tsotra ny fiainana sy ny lalana mitondra mankany amin’ny hafenoany, mankany amin’ny hasambarana, mankamin’ny fitiavana lavorary hitovizana amin’ilay Masina ka miantso antsika hanahaka ny fahamasinany (Lev 19, 2).
Tsy finoana fa finoanoam-poana ny fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady. Tsy afaka ny tsy hanokana fotoana handalinana ny Baiboly sy ny finoany izay te hiroso amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy. Izany fitiavana an’Andriamanitra amin’ny saina manontolo izany no hahafahana misafidy marina tokoa ka hitiavana ihany koa ny namana tahaka ny tena (Levitika 19, 18). Atao ahoana no hitia raha ny fitiavana aza tsy hay akory hoe inona! Ny olona manko dia mitia tahaka ny heveriny ho fitiavana ka raha tsy ny fitiavan’Andriamanitra no banjininy dia tsy afaka ny haka tahaka an’Andriamanitra amin’ny fomba hitiavany izy.
Ahoana anefa ny hiainana izany didy roa izany? Ho an’i Matio dia ny didy faharoa mitovy amin’ny voalohany (Mt 22, 39), ho an’i Joany (Jn 15, 17) dia Didy iray ihany no omen’i Jesoa: ny hifankatiavan’ny mpianatra; ho an’i Md Paoly dia ny fitiavana ny rahalahy no fahatanterahan’ny lalàna (Rm 13, 8-9), ny fitiavana ny hafa tahaka ny tena no fahatanterahan’ny lalàna rehetra (Gal 5, 14). Dia atao ahoana izany ny fitiavana an’Andriamanitra? Rehefa manao soa amin’ny hafa aho izany dia afaka tsy mivavaka alahady ve, sanatria?
Mazava loatra fa izay tsy tia ny rahalahiny dia tsy afaka ny hilaza fa tia an’Andriamanitra (1Jn 4, 20). Fa misy olona mitia ny hafa ve kanefa tsy tia an’Andriamanitra? Ny risika mety hitranga dia tsy fitiavana fa fitiavan-tena no manentana ny olona hanampy ny hafa: mba hisehosehoana sy hitadiavana voninahitra, na sanatria an’izany aza, hanambaniana ny hafa (mbola hiverenantsika amin’ny hafatry ny Papa amin’ny andron’ny Mahantra izany: Alahady 33).
Izay mahatsapa ny voalazan’i Osea amin’ny hoe “Izahay tsy hitaingin-tsoavaly” (Osea 14, 4), ary naverin’i Md Jean de Matha ao amin’ny Fitsipika fototry ny Fikambananay Trinitera dia miaiky fa tsy ny herintsika na ny tanjaky ny soavaly na izay heverintsika ho fahaizantsika na fananantsika no hahazoantsika famonjena ka hahafahantsika manao soa, fa ny soa azontsika avy amin’Andriamanitra kosa. Na ny famonjena ny tenantsika aza dia fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ka tokony hisaorana Azy. Loharano ipoirana sy tendro hifaharan’ny fitiava-namana araka izany ny fitiavana sy ny fankalazana an’Andriamanitra (SC 10).
Izay manan-tsaina, hoy Osea Mpaminany, dia miaiky fa Andriamanitra no hiavian’ny voa. Raha manao soa aho izany, tsy amin’ny anaran’ny tenako, fa fizarako maimaim-poana izany fanomezana noraisiko avy amin’Andriamanitra izany. Raha mino aho fa avy Aminy ny zavatra rehetra dia tsy maintsy hanokana fotoana araka izay tratrako mba hanovozako ny hafasoavana ao Aminy sy hisaorako Azy mampamokatra ny nisasarako (Vavaka, Litorjia, sakramenta, Fandalinana…)
Mazava koa ny valintenin’ilay Mpanora-dalana nanontany an’i Jesoa ka nolazainy fa tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra: ambony lavitra noho ny sorona dorana sy fanatitra hafa rehetra ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Araka izany, raha misy olona mila vonjy maika, izy no hovonjena sa ny lamesa? Izany no mahatonga ny Fiangonana ohatra, mandritra ny fihanaky ny valan’aretina iray, manapa-kevitra tsy hankalaza miaraka akory na dia ny lamesa alahady aza, satria ambony noho ny Sorona (Lamesa) ny fitsinjovana ny ain’ny olona.
Tsy fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra ny famelana ny vavaka mba hamonjena ny mahantra, hoy i Md Vincent de Paul, satria mandao an’Andriamanitra, ho amin’Andriamanitra ihany izany. Ny atahorana dia ny handaozantsika an’Andriamanitra sy ny fanompoana Azy mba handaniana fotoana miaraka amin’ny mpanan-karena sy ny namana tsy mila vonjy, mba hanompoana andriamanitra hafa. Ho an’izay mino dia fialan-tsasatra sy fanovozan-kery ny vavaka, tahaka ny sakafo, ary heveriko fa adala izay olona mandao ny sakafo azo antoka efa eo anolohany ka handeha hanandrana sakafo hafa, tsy fantatra akory na hahasoa na tsia.
Ampian’i Osea mpaminany isika mba tsy hiantehitra amin’ny mpitondra, na amin’ny tanjaky ny soavaly (araka ny voalaza teo ambony), fa hanala ny heloka rehetra sy handray izay tsara: miverena amin’ny Tompo (shub). Ny fahamarinan’ny fibebahana dia voaporofo amin’ny fandavana ny asan’i Satana ka hitiavana marina tokoa tahaka ny hitiavan’Andriamanitra antsika.
Ny Fitiavana ny namana anefa dia tokony ho tahaka ny fitiavana ny tena ihany koa. Tsy azoko iriana ho an’ny tenako araka izany izay zavatra tsy iriko ho an’ny hafa, ary tsy afaka ataoko amin’ny hafa kosa izay zavatra fantatro fa tsy ho zakako na hankarary fo ahy raha izaho no hanaovana azy. Izany no tena fitiavana ka hahatonga antsika hiara-paly amin’izay faly, ary miara-mitomany amin’izay mitomany (Romana 12, 15).
Tsy ampy anefa ny mahalala ny fitiavan’Andriamanitra sy ny milaza ny fahamboniany mihoatra ny fombafomba rehetra. Efa lalana mitondra akaikin’ny fanjakan’Andriamanitra izany, saingy tsy afaka ny hiditra ao izay tsy mahatsapa ny fitiavana itiavan’Andriamanitra azy ka mampifanaraka ny fiainany amin’izany.
Matetika anefa, aleo tsy manontany sao mahasingo-tena, ka aleo misafidy ny hipetrapetraka sy hiafinafina ihany. Tsy nisy sahy nanontany Azy intsony, hoy ny Evanjely. Tsy hoe i Jesoa no tsy te hanontaniana, fa izay rehetra nanontany Azy hatreto dia voatery miova famindra mandrakariva: hanome vokatra ho an’ny tompon’ny tanimboaloboka; handoha izay an’Andriamanitra ka hitia ny hafa tahaka ny tena. Izany no lalana mitondra amin’ny tena finoana marina izay efa fisantarana ny fitsanganan-ko velona sahady. Ny valintenin’i Jesoa no mitondra antsika amin’ny lalam-pahasambarana hahafeno fatra ny fiainantsika.
Ny 1 novambra sy ny fahatsiarovana ireo nodimandry dia tsy afa-misaraka. Izay no ventesintsika amin’ny Fikem-pinoana isan’alahady. Ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana (KFK 960-962) fa Fiombonan’ny olomasina ny Fiangonana satria atambatry ny Eokaristia ho Vatana iray ihany ao amin’i Kristy ka izay ataon’ny tsirairay ao amin’i Kristy sy miaraka Aminy –na vavaka na fiaretana fahoriana – dia mitondra vokatra ho an’ny daholobe. Fiombonan’ireo toko telo mamorona ny Fiangonana ary ireto andro ireto, dia ireo olontsambatra any an-danitra izay midera ny voninahitr’Andriamanitra, ireo fanahy manefa ny sazim-pahotana ka miandry ny vavaka ataontsika ary isika mpivahiny miomana amin’ny fihaonana amin’Ilay Mpampakatra, dia i Kristy Tompo.
Tsara ihany anefa ny mahatsiaro fa ny Lamesa tokan’i Kristy, nanolotra ny ainy teo amin’ny Hazofijaliana no atolotsika ho azy ireo, izany no antony ankalazantsika koa ny Paka ho azy ireo satria mino isika fa izay miara-maty amin’i Kristy dia miara-belona Aminy koa. Tsy fahatsiarova azy ireo ihany araka izany fa indrindra indrindra koa fahatsiarovana ny fahasoavana narotsak’Izy Ray tamin’ny alalan’izy ireo. Vavaka fisaorana (Eokaristia) hisantarana sahady ny fiderana an’Andriamanitra miaraka amin’izy ireo.
Hahay hanontany ka hiaino an’i Jesoa anie isika ka ny fanovozantsika hery avy amin’ny Eokaristia, hanavao ny fo amam-panahintsika hitiavana marina tokoa amin’ny fo tsy voazarazara ka hanandramana ny fiombonam-piainana feno dieny izao ka ho mandrakizay amin’ireo havantsika rehetra efa nialoha lalana antsia any amin’ny voninahitry ny lanitra.