Alahady faha-31 mandavantaona Taona A
- Malakia 1, 14b – 2, 2b. 8-10
- Salamo 130
- 1 Tesalonika 2, 7b-9.13
- Md Matio 23, 1-12
Toetra mahitsy sy manetry tena no ilaina hanompoana ny Fiangonana.
Ireo vakiteny aroson’ny Eglizy ho sakafo hamelona ny fanahintsika anio dia mampahatsiaro antsika ny tokony ho toetr’ireo izay hanara-dia an’i Jesoa ka manaiky ho iraka hitory ny Evanjeliny. Ao amin’ny vakiteny II (1 Tes 2, 7-13 izay amporisihina mba ho vakiana miaraka amin’ny and. 10-12) dia manambara ny toetra sahiny hijoroana ho toy ny ray fakan-tahaka i Md Paoly, amin’ny fiezahany nanome modely ireo olona nitoriany ny Evanjely, ary tsy hoe nitoriana ihany fa nokolokoloina am-panetren-tena, tahaka ny reny mitaiza ny zanany, hahafoy hatramin’ny tenany manontolo, raha ilaina izany.
Ao amin’ny Evanjely dia lazain’i Jesoa fa mangala-tseza ny Mpanora-dalana sy ny Farisiana, satria raha ny Boky Deteronomy no jerena (Det 18, 15.18) dia ny Mpaminany no tokony hipetraka eo amin’ny Sezan’ny Mpitoriteny ao amin’ny sinagoga, saingy rehefa nanjavona ny Mpaminany (Dan 3, 38) dia ireo mpivaofy izay voasoratra no nanjary mpanambara sy mpanapaka izay heverina ho “teny sy sitrapon’Andriamanitra”.
Na izany aza anefa, dia mampahatsiaro antsika i Md Paoly fa fitaovana entin’Andriamanitra mampita ny Teniny ny olombelona tsirairay, efa nohariany ho taratry ny Endriny, ka ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra maimaim-poana, izay hitrikitrihan’i Md Paoly mafy, no hahafahan’ny mpihaino kosa mandray ny Teny tsy ho tenin’olombelona fa ho Teny avy amin’Andriamanitra marina tokoa, ka ho afaka hiasa amin’ny Heriny izay manangana ho velona. Fiekem-pinoana ataontsika isaky ny mankalaza ny Vakiteny Masina izany fa sady olombelona notsilovin’ny Fanahy Masina no nanoratra ny Boky nangalana ny Vakiteny, no mbola olombelona koa ireo mamaky azy amintsika, ary olombelona no mivaofy azy, ka raha inoantsika ny asan’ny Fanahy Masina, dia afaka hamokatra marina tokoa ao amintsika ny Teny (Iz 55, 10-11).
Amin’ny andininy hafa dinganina amin’ny Vakiteny I moa (Mal 2, 5-6) dia mampahatsiaro antsika fa fiainana amam-piadanana no setrin’ny fanekem-pihavanana nomen’Andriamanitra antsika miaraka amin’ny Fahatahorana Azy (voaloham-pahendrena Sal 110, 10) ka izay miara-mandeha Aminy am-piadanana sy am-pahitsiana no hanambara ny fampianaram-pahamarinana hanafaka olona maro amin’ny tsy fahamarinana.
Ao amin’ny Vakiteny I dia ambaran’i Malakia mazava fa “ny molotry ny Mpisorona no mitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no mpitondratenin’ilay Tompon’ny tontolo” (Mal 2, 7 tsy vakiana). Kanefa lazain’ny mpaminany fa nahasolafaka olona maro tamin’ny fampianarana ny mpisorona satria, mazava loatra, niala tamin’ny fiaraha-mizotra tamin’Andriamanitra.
Izany no tsy hahafahan’izay nomena anjara amin’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra hanao antsirambina ny andraikiny. Ilay “anjelin’ny Tompo”, Iraka (Malakia) nitondra ny tenin’ilay Mpanjaka Lehibe Tompon’ny Tafika dia mampahatsiaro ireo rehetra misehatra amin’ny “Zava-masina” mba hampifanaraka ny fiainana amin’izany sy handatsaka ao am-po ny Fanajana an’Andriamanitra, mba tsy ho sanatria ho voaozona ary hanjary ho ozona ny tsodrano (Mal 2, 2) ary tsy ho vitan’izany fa faniratsira sy tsinontsinona eo imason’ny vahoaka rehetra. Mampatahotra ihany izany. Inona intsony moa no lanja homen’ny olona izay mitory teny nefa voatsiratsira noho ny fitondran-tena ratsiny!
Tsy zavatra nitranga tamin’ny taonjato faha-IV niainan’i Malakia mpaminany ihany anefa izany, fa mila fibebahana ihany koa ny Eglizintsika mba hitombo fahamasinana, fahavononana sy fahafoizan-tena ary fandraisana andraikitra ny vita batemy rehetra ka hampamirapiratra eo imason’izao tontolo izao ny toe-panahy kristianina amin’ny fahazotoana mivavaka, amin’ny fanampiana ny namana, amin’ny halemem-panahy sy ny fanatontosana tsara ny andraikitra, ho taratr’i Kristy ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.
Raha sanatria sendra misy tsy fifanarahan’ny toetra sy izay toriana, dia mazava ny Tenin’i Jesoa: aza maka tahaka ny ataony! Tsy mahagaga ary raha toa ka averimberintsika isaky ny Famakiana ny Evanjely ny Vavaka hanamasinana ireo atokana ho mpitory ny Evanjely (Diakra) izay tolorana ny Boky no sady ilazana mba handray ny Evanjelin’i Kristy sy hamaky Azy, hino izay vakiana, hino fa Tenin’Andriamanitra, Teny avy amin’Andriamanitra, Teny mitondra amin’ny hafenoan’ny Fiainana tokoa io, ka manisy Famantaran’ny Hazofijaliana eo amin’ny handrina; avy eo hitory izay inoana, hitory Azy maimaim-poana sy amim-panetren-tena, hanazava Azy mba ho azon’ny vahoaka ary izay no hanaovana famantarana eo amin’ny molotra; fa tsy ho mpitory fotsiny fa ho mpanatanteraka koa, hiaina izay toriana, ka izay no hitahirizana Azy ao am-po, hanaovana ny famantaran’ny hazofijaliana eo amin’ny fo.
Ahoana ary no fiainana sy fivoasana ny Tenin’Andriamanitra?
Mahasanganehana, hoy Md Jérôme fa mazava be ny tenin’ny Evanjely saingy tsy mampaninona ny mpianatr’i Kristy ny manome heviny hafa azy amin’ny hiantsoan’ny mpitokamonina hoe “abbà” ny tompon’andraikitra voalohany ary ho lehibe (rabbi, supérieur) ny tompon’andraikitra hafa. Efa tany amin’ny taonjato faha-efatra izany, fa mitohy mandraka ankehitriny. Ezaka fampahatsiahivana ny an’i Papa François ny amin’ny fanoratana ny Fratelli tutti.
Aza miantso olona ety an-tany hoe “mompera”, ho rainareo, fa iray ihany ny Rainareo dia izay any an-danitra. Aza mety atao hoe ῥαββί (mon grand, “Ngahy lehibehiko” raha ara-bakiteny, supérieur, anaram-panajana entin’ny Jody maintso ny mpampianatra azy), fa iray ihany no mpampianatra anareo dia i Kristy izay miantso ny mpanara-dia Azy rehetra ho “rahalahy”. Ny hoe Mpampianatra moa dia διδάσκαλος araka ny LXX fa καθηγητής (kathegetes) no fampiasa andavanandro, avy amin’ny ἡγέομαι (Hêgéomai) izay midika hoe mitarika, mialoha lalana, ary adika hoe “docteur” amin’ny teny frantsay ka ampiasain’ny dikanteny grika sasany (BYZ, par ex.), fa noho io teny io, anaram-boninahitra fampiasan’ny Farisiana dia tsy tian’i Md Matio ampiasaina ao amin’ny Eglizy manara-dia an’i Kristy. Tsy azo adinoina fa ny vahoaka sy ny mpianany no nilazan’i Jesoa ity fampianarana ity. Ny antony voalohany dia ny mba tsy hahatafintohina izay mahita ny fiatsaram-belatsihy sy ny “incohérence”, ny tari-bato vilam-bava, afitsok’ireo izay mipetraka eo amin’ny “sezan’i Moizy”.
Izay mihevitra ny hifehy ny hafa amin’ny fampiarana ny lalàna sy ny famaizana dia mamita-tena ihany ary mandoto ny endrik’ilay Ray niantso an’i Moizy hanafaka ny olona amin’ny fanandevozana. Izay manaiky an’Andriamanitra ho Ray dia mahatsapa fa ny Fanahin’Izy Tompo ihany, ilay Fanahy Fitiavana no afaka mitondra ny olona amin’ny marina ary ny fahamarinana no hanafaka azy ireo. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fahatahorana Azy fa tsy vokatry ny fahatahorana izay mihevitra ho solon-tenany (Mal 2, 5; Sal 110, 10)
Antsoin’ny Evanjely isika mba handini-tena sao sanatria ny fahefana eo am-pelatanantsika ampiasaintsika hamoretana sy hampitondrana enta-mavesatra ny olona, satria “milaza fotsiny fa tsy manao”. Ny an’i Jesoa dia maivana ny entany ary ny jiogany no asainy entiny, ὁ γὰρ ζυγός μου χρηστὸς καὶ τὸ φορτίον μου ἐλαφρόν ἐστιν (Mt 11,30 Byz), raha adika ara-bakiteny dia hoe : fa mifanaraka amin’ny zava-misy (mora entina) ny jiogako, ary maivana ny entako, satria Izy no mitondra azy mialoha antsika.
Rehefa miaina izay ampianarintsika isika no mitombo ao amin’ny fitiavana, tahaka an’Andriamanitra manome ny didiny ho antsika. Ny hoe nadika hoe “Didy” moa dia ἐντολή izay avy amin’ny hoe ἐντέλλομαι (entellomai: “en” – miaraka – sy “telos”), ka ny τέλειος (teleios) dia izay lavorary. Ny didy araka izany dia ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika ka ny fitiavana no hahafahana manatanteraka izany. Ho an’ny Mpianatr’i Jesoa, ny Evanjely toriany dia ny hafaliana vokatry ny fiainany araka ny fampianarana sy ny ohatra nomen’i Kristy, ary mahatsapa tena mandrakariva fa tsy tompony ka “tsy manao jàdona fa mpandray anjara amin’izany fampandrosoana ny hafaliana izany fotsiny” (2 Kor 1, 24).
Tsy sanatria ny fitondrana “filakitera” lehibebe kokoa noho ny hafa no hilazantsika fa tia ny Soratra Masina isika. Raha ny voninahitra eo imason’ny olona anefa no katsahintsika dia hamita-tena ihany isika satria na ho ela na ho haingana dia hanalavitra ny fitiavana ny fontsika, satria tsy ny hahasambatra ny hafa no hokatsahina fa ny hisehoana ho ambony noho ny hafa.
Ny κράσπεδον (kraspedon, צִיצִת – tsytsit, en hébreux) izay tiana ho lavalava kokoa (μεγαλύνω megaluno, mirentirenty) dia ny sahondran’akanjo jaky volomparasy didian’ny lalàna mba hatao amin’ny zorony efatry ny akanjo mba hahatsiarovana fa voaantso ho masina ho an’Andriamanitra ny vahoaka Izy no Tompo Andriamanitra nanafaka azy ireo avy amin’ny tanin’ny fanandevozana, ka tsy misy lalana hafa hahamasina afa-tsy ny fitandremana ny Lalàna (Fanisana 15, 37-41, Det 22, 12). Sao sanatria mampiasa rano voahasina isika, miambozona lakroà, saingy tsy te hiala amin’ny olona tranainy nodiovin’ny batemy ary mandà mafy ny hitondra ny hazofijaliana takian’ny antsom-pitiavana amintsika isan’andro vaky. Tsy manao fahagagana ny zava-masina fa mampahatsiaro antsika kosa ny fahasoavana efa narotsak’Andriamanitra ao am-pontsika, fahasoavana tsy hiasa raha tsy miara-miasa amin’ny sitrapontsika.
Raha mba ho hitan’ny olona kosa no hanaovana izany rehetra izany dia tsara hotsaroana mandrakariva ny hafatr’i Md Paoly hoe: mifananinana hifanaja, προηγέομαι (proegeomai), hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rm 12, 10). Sarotra izany raha toa ka ny hantsoina hoe “Rabbì”, “mon grand” no himatimatesana. Tsy azo adinoina fa ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio dia i Jodasy irery ihany no niantso an’i Jesoa hoe “Rabbì” (Mt 26, 25) fa ny mpianatra rehetra kosa niantso Azy ho “Tompo” (Κύριος, Mt 26, 22).
Hivelomantsika isan’andro anie ny tsiokan’ny Fanahy manangana antsika ho zanaka mpandova, ka handraisantsika sy hitiavantsika toy ny iray tam-po ny olombelona rehetra, ka hifaninanantsika ho lehibe, hanahaka ny halehibeazan’i Kristy Jesoa izay tsy nanao ho zavatra nobaboiny ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra fa naneho ny haben’ny fitiavany tamin’ny nietreny ho tonga olombelona mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra (Fil 2, 6-7). Tsy sanatria amintsika no hisy hihevitra ho ambony noho ny hafa ka hanadino fa “mpirahalahy avokoa isika rehetra”, miantso ilay “Ray any an-danitra”.
Tsy resaka hamelezana ny pretra na ny relijiozy na ny mpitondra fivavahana sy ny Katesista tsy akory izany rehetra izany, fa Evanjely, Vaovao mahafaly manentana ny tsirairay amintsika hanao izay vitany amin’ny fanompoana ny Fiangonana amin’ny toe-panahy mahitsy sy manetry tena, araka ny lohahevitr’ity Alahady ity.
Sady miombom-po amin’ny Diosezin’Ambatondrazaka sy ny Fianakaviambe Trinitera moa isika amin’ny fanatontosana ny Fandevenana an’i Mgr Antonio Scopelliti any amin’ny Cathédrale Ambatondrazaka no mahatsiaro manokana koa ny Nodimandry rehetra amin’ity volana Novembre ity.
Tsy azo adino aloha fa mahatsiaro ireo ny nodimandry ny Katolika isaky ny Sorona Masina, ankoatra ny Fanolorana Sorona Masina ho an’ireo nodimandry. Araka izany, raha Fisaorana an’Andriamanitra no hevitry ny hoe “Eokaristia” dia miainga avy amin’izay ny toe-tsaina enti-mahatsiaro ny maty : “Misaotra an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra” (1 Tes 5, 16-18). Tsy hoe mahafaly antsika ny fahafatesan’ny havana sanatria fa kosa fiekentsika fa tsy tompon’ny aina isika, Andriamanitra irery no Tompon’ny aina ka hainy ny hamerina izany araka ny famindram-po izay efa nosantariny tao amin’ny Zanany maty fa nitsangan-ko velona, dia i Jesoa Kristy Tompo.
Araka izany, ny vavaka ho fialantsasatry ny fanahin’ny maty, dia mitory finoana lalim-paka ny amin’ny fiainana any an-koatra. Miaraka amin’ny fety ankalazaina ny 1 novambra, ny olomasina rehetra, dia izay no mandrafitra ny Fiangonan’i Kristy : Ny Eglizy mifaly (ireo efa tafita any an-danitra), ny Eglizy mijaly (ireo mbola manefa ny sazim-pahotana) ary ny Eglizy Mpivahiny mahatsiaro fa mpindrana ny aina am’ity tany fandalovana ity.
Raha mivavaka ary isika mba ho tafita soa any an-danitra ireo havantsika, tsy azontsika atao ny tsy hiezaka ho mendrika ny lanitra koa, satria raha tsy izany, izy ireo ho tonga any ary isika ho very, dia vao mainka ho tafasaraka mandrakizay amin’ireo havantsika nodimandry isika.
Tsy hoadinontsika koa ny hanohy hivavaka ho an’ny fandriampahalemana ho an’ity tanindrazantsika ity.