Alahady faha-30 tsotra mandavantaona
Hohenoim-bavaka ny manetry tena
- Ekleziastika 35, 15-22
- Salamo 33
- 2Timote 4, 6-18
- Md Lioka 18, 9-14
“Mivavaha mandrakariva sy amim-paharetana” hoy i Jesoa tamintsika tamin’ny alahady heriny. Tsara ho tadidiana anefa fa tsy fombafomba hotanterahina amin’ny fihetsika na ny teny (formule magique) ivelany fotsiny izany vavaka izany fa fiainana vokatry ny fihaonana amin’ilay Andriamanitra hany afaka manamarina, ilay Andriamanitra Mpitsara marina.
Rehefa ho an yam-piangonana ny Kristianina dia milaza fa andeha hivavaka. Fa inona no atao hoe : mivavaka? Misy vavaka henoin’Andriamanitra sy vavaka tsy henoiny ve?
Raha ny teny hoe vavaka, raha vao lazaina dia hataka atao amin’Andriamanitra no hevitra misongadina voalohany. Ary hoy isika matetika hoe : “mba mangata-bavaka aminareo aho fa …” Tsara anefa ny mahatsiaro fa tsy voafetr’izany fangatahana izany ihany ny vavaka …
[Ny vavaka dia ny traikefam-piainana miaraka amin’Andriamanitra, ny fahaizantsika miresaka amin’Andriamanitra. Tsy hoe teny atao amin’Andriamanitra araka izany fa teny hifanaovana amin’Andriamanitra. Tokony hatao an-tsaina fa izay mino an’Andriamanitra dia tsy izay mahay miteny momba an’Andriamanitra fa izay mahay miteny (miresaka) amin’Andriamanitra. Ny resaka, araka ny fantatsika dia hifamaliana, ka raha tsy mahafeno izay fepetran’ny fifamaliana izay izany ny vavaka ataontsika dia tsy mbola resaka. Fifamaliana (tsy amin’ny hevitra hoe fifandirana tsy akory): izany hoe tsy teny (fangatahana) ataontsika amin’Andriamanitra fotsiny, fa koa fahaiza-mihaino koa izay lazain’Andriamanitra amintsika koa. Izay no hahafahantsika manatanteraka ny didy hoe : mivavaha mandrakariva…
Afaka miresaka amin’Andriamanitra mandrakariva isika, amin’ny fanolorana Aminy ny fiainantsika fa koa amin’ny fitadiavantsika mandrakariva ny sitra-pony manoloana ny zava-mitranga. Misy fepetra sy toe-po tsy maintsy kolokolointsika anefa mba hahafahantsika miaina izany fivavahana izany. Iray amin’izany ohatra ny Fahanginana, anisan’izany ny fanetren-tena.]
Atao ahoana anefa ny hanatanterahana izany? Hano lemozy tahaka ilay Mpitondratena ve? Kanefa i Jesoa ihany no milaza fa na mbola tsy mangataka aza isika, dia efa fantatry ny Raintsika any an-danitra izay ilaintsika satria tia antsika ny Ray (Mt 6, 8; Jn 16, 27). Sarotra anefa ny hahatsapa izany fitiavana izany rehefa ao anatin’ny fahantrana. Ary raha fitiavana Andriamanitra ka mahefa ny zava-drehetra dia nahoana no mamela ny zanany ao anatin’ny fijaliana manjò azy! Raha mba manomboka mivoatra indray anefa ny fiainana, dia toa tsy tsaroana intsony ny momba an’Andriamanitra! indraindray adino ny asan’ny fahasoavana nampamokatra ny ezaka sy ny fisasarana. Mbola hiverenantsika izay avy eo ao amin’ny Evanjely fa andeha aloha hojerena ny lazain’ny vakiteny hafa.
Tsy mijery ny filaharam-pambonian’ny olona anefa Andriamanitra, tsy mizaha tavan’olona Izy (Vakiteny I), tsy hoe ny hijanonantsika ao anatin’ny fahantrana tsy akory no sitrany. Ary raha voalaza fa sambatra ny mahantra dia tsy hoe ny fahantrana mampijaly no mahasambatra azy ireo fa ny fahafahany miombona anjara amin’ny fon’Andriamanitra mitempo, akaiky ireo izay tsy manan-kianteherana afa-tsy ny Lova avy amin’ny Rainy: zanaka ireo ka azy ny fanjakan’ny lanitra. Eo anilan’ireo mijaly mandrakariva Izy (Salamo setriny), tsy hoe mankasitraka ny fijaliana tsy akory, fa hanafaka azy amin’ny asan’ny ratsy fanahy na dia nilaozan’ny olona rehetra aza (vakiteny II). Tsy ny hahafaty ny ratsy fanahy manko no sitrany fa ny mba hahavonjy ny zanany rehetra. Izay no maha-sambatra izay mahantra am-panahy, izany hoe ireo manetry tena, mivavaka maniteraka ny rahona.
Tsy miankina amin’ny fahambonian’ny fari-piainana no haha-tsara na haha-ratsy eo anatrehan’Andriamanitra, eny fa na dia izany aza no hifaninanana sy hifanindriana eo amin’ny fiainana an-davanandro. Izany no mahatonga ahy mampahatsiaro mandrakariva ny Kristianina mba hijery fitaratra roa alohan’ny hivoahana sy hidirana ny trano: fitaratra iray hijerena ny bika aman’endrika ho hitan’ny mason’ny olona amin’ny akanjo sy bika manaraka ny lamaodin’izao tontolo izao; fa hijery koa ny fitaratry ny Fanahy, satria vita Batemy isika ka mitafy an’i Kristy, ka sao tsy hitan’ny hafa ny Kristy tafiantsika! Sanatria maloto ilay “Akanjo fotsy” na sanatria efa miboridana mihitsy aza isika, efa lavitra izay hitovizana amin’i Kristy ny fiainana.
Ny mampalahelo dia ny fifaninanana ny ho tsara noho ny hafa, tsy hanasoavana azy fa mba hanaratsiana azy, ka hitsara tena sy hanery an’Andriamanitra hitovy hevitra amin’ny tena, hisaotra an’Andriamanitra satria “mpanota matevin-koditra” ilay zanany tsy sahy manatona azy akory. Tsy fifaninanana amin’ny hafa anefa ny fahasambarana vokatry ny fahamasinana fa ny fahaizantsika mitoetra eo anatrehan’ny Ray, araka ny maha-zanaka antsika, ny fahaizantsika mihazakazaka mba hiady ny ady tsara ka hahatehirizana ny finoana.
Manao fanoharana i Jesoa mba hanazavany amintsika ny mety ho fitaka ateraky ny avonavona, mety hiheverantsika ho mpivavaka marina, kanefa manebaka ny namana ihany, efa nanesotra ny fiainany amin’ny fifandraisana amin’ireo heveriny ho olo-meloka tsy mendrika ho zanak’Andriamanitra.
Ny Farisiana (Evanjely) dia manaraka ny lalàna. Tsy voatery ho vokatry ny fitiavana fa mety ny mba ho hitan’ny olona na noho ny henatr’olona ihany no hanaovana izany! Tsy sanatria ny fanarahan-dalàna no ratsy, fa ny fieboeboana amin’ny hafanam-po diso tafahoatra, ka hieverana ny hafa, ny rahalahy, ho olona tsy misy ilàna azy. Indray mandeha isan-taona no voalaza fa tokony hifady ny Jody (Lev 16, 29) fa ny azy indroa isan-kerinandro, amin’izay mba manonitra ny fifadiana tsy ataon’ny sasany izy; izay mivarotra no mandoa ny am-pahafolom-bidy (Det 12, 17) fa ny azy na izay vidiany aza andoavany, sao sanatria tsy mandoa izany ilay mpivarotra, ka mihevitra ho manonitra ny adidy tsy vitan’ny hafa izy.
Ao ambadiky ny hafanam-po diso tafahoatra hieboheboana dia misy avonavona entina hanakonana ny kilema mandrakariva, takonana, tsy sanatria hoe satria ratsy, fa takonana satria tsy sahy hatrehina mba hiovana, takonana satria adino fany fahombiazana sy ny hatsarana dia tsy vokatry ny fiezahana. Ambaran’i Md Paoly mazava amin’ny Taratasy nosoratany fa niady ny ady tsara izy, nihazakazaka, fa kosa izany rehetra izany dia mba hitahirizana ny finoana, hitahirizana ny fanomezana narotsaky ny Ray tao am-pontsika niaraka tamin’ny fanantenana sy ny fitiavana tamin’ny Fanahy Masina nomeny antsika (Rm 5, 5).
Tsy nahatsapa izany ilay Farisiana ka tsy afaka ny hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra, tsy afaka ny handray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, satria tsy mba nanandrana ny hamamin’ny Tompo tonga nankahery tao anatin’ny andro sarotra, ary mazava ho azy, ka eny anatrehan’ny olona indray no hisehoany ho mpanara-dalàna, fa eo anatrehan’Andriamanitra kosa, tsy ny maha-zanaka sy ny fitiavan’Andriamanitra no antom-pisaorany, fa ny fizahozahoana sy ny zava-bitany no ireharehany. Tsy afaka ny hifampizara ny fahasoavana raisiny izay mahatsapa fa nohasoavina.
Ilaina ny ezaka hanatsara ny “fitiavana ny lalàna” kanefa mba hitomboana sy mba hanjakan’ny “lalàn’ny fitiavana” no tokony hanaovana izany, hoy Md Augustin. Ampy hahazoana ny fiainana mandrakizay ny fitandremana ny didy (Lk 18, 18-21), nefa lalam-pahalavorariana no atoron’i Jesoa ny Mpianany mba tsy hivaky loha amin’ny harena sy ny voninahitra eo anatrehan’ny olona, ka ho afaka hitia an’Andriamanitra aloha sy ambonin’ny zava-drehetra.
Ny vavaka araka izany, ny fidirana ao an-Tempoly, dia tsy fijerena ny tena eo anatrehan’ny hafa fa kosa fametrahana ny fiainana eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy fitanisana ny zava-bitantsika ny vavaka fa fitanisana kosa ny zava-dehibe ataon’Andriamanitra amintsika, izay mbola hataony amintsika sy izay ataony amin’ny alalantsika, satria tsy valim-pitia ho an’ny tenany fa ho an’ny zanak’ondriny sy ny reniondriny no andrasay amin’izay miresaka Aminy, ary mazava ny ohatra raisiny: tsy afaka hikarama ny ondry fa karakaraina sy fahanana.
Ilay Poblikana kosa, ilay telones, mpamory hetra, izay sady mpangalatra no mpamadika tanindrazana satria ho an’ny mpanjana-tany no amoretana ny mpiray tanindrazana amin’ny fandoavan-ketra, dia sady tsy nanatona no tsy niandrandra, hoy ny Evanjely. Nijanona lavitra satria nahatsiaro ny heloka vitany ka nanenina, hoy Md Augustin; izy no lavitra fa Andriamanitra kosa efa nanakaiky azy, ny tratrany no nodominy, satria fantany fa tsy mivadika ilay Andriamanitra monina ao am-pony, ilay mijanona ho naman’ny mpanota sy mamindra fo mandrakariva.
Ilay Farisiana niandrandra, tsy mahatsapa fa miara-monina aminy Andriamanitra, eny fa na dia nivavaka tao am-pony aza izy, dia tsy ilay Andriamanitra tao am-pony no niresahany fa ny andriamanitry ny voninahitra hieboheboana ihany. Tsy afaka ny hohamarinina izay tsy mahatsapa fa ny fitovizana no lala-marina nosafidian’Andriamanitra hamonjena antsika; ilay nanana ny fomba maha-Andriamanitra Azy dia nietry ka naka ny fomban’ny mpanompo ary tonga nitovy amin’ny olombelona amin’ny zavatra rehetra. Manàna izany saina amam-po hita ao amin’i Jesoa Kristy izany, hoy Md Paoly ka hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa (Fil 2,3ss).
Ny fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny halehiben’ny famindram-pony no avohitran’i Md Lioka amintsika fa izany no tara-pahazavana hanosika ny fiverenana an-tranon-dray (Lk 15) ary mbola hohalalinintsika amin’ny alahady heriny, momba ilay Zake mpamory hetra, vonon-kanonitra ny tsy rariny mety ho vitany (Lk 19, 1-10), rehefa nahatsapa fa notiavina manokana, rehefa miverina any an-trano ka nohamarinina.
Ny hafatra farany, fa lehibe azontsika tsoahina amin’ny vakiteny II koa dia ny teny ampiasain’i Md Paoly. Nolazainy fa niady mafy izy, nihazakazaka, nanao izay ho afany mba handrenesan’ny tsy mpino rehetra ny EVanjely. Tokony hihanoka ny fialan-tsasatra ny sy voninahitra izy izany, satria niasa mafy, saingy lazainy mazava, ary henontsika amin’ny fiandohan’ny Vakiteny II izany fa efa hahidina ho sorona ny tenany, ary antomotra ny andro hiaingana: ἀνάλυσις analysiein no teny ampiasiany, ho entina hilazana ny sambo efa nampiakatra vatofantsika, ho entina hilazana ny mpilasy efa nangoron-day. Efa tongotra mby an-dakana, hoy isika malagasy. Raha tsaroantsika fa mpivahiny isika ka vonona mandrakariva hitody any amin’ny mandrakizay, dia hanova ny fisainana izany.
Na ao anatin’ny fijaliana àry isika, na miadam-pinaritra, dia tokony mandini-tena eo anatrehan’Andriamanitra, hivavaka marina tokoa, hahatsapa ny maha-tsinontsinona antsika raha tsy eo ny fahasoavana, izay no fanetren-tena, hahatsapa ilay fitiavana manosika antsika ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Inona moa no ananantsika ka tsy noraisintsika? (1Kor 4, 7)
Ho haintsika anie ny haka tahaka ny zazakely, mba hahafahantsika mandova ny fanjakan’Andriamanitra (Lk 18, 15ss). Ny zaza manko tsy misy na inona na inona ataony fa fitiavana maimaim-poana no hanasoavan’ny Ray aman-dReny azy ireo. Hosanatriavintsika anie ny hihevitra fa ny fiezahantsika ho hahazoantsika ny lanitra sy hiverenantsika hody any an-tranon’ny Ray hohamarinina.