Alahady faha-30 mandavantaona Taona B
- Jeremia 31, 7-9
- Salamo 125
- Hebrio 5, 1-6
- Md Marka 10, 45-52
Mpanelanelana sy mpanasitrana mahay mihantra i Jesoa Kristy
Mankalaza ny volan’ny Misiona sy ny Raozery moa ny Eglizy amin’ny volana Oktobra. Mamela hafatra manokana mandrakariva ny Papa hiainana izany ka anjaran’ny tsirairay ny manovo aim-panahy amin’izany mba hitomboana amin’ny zotom-po misionera na amin’ny fanohanana amin’ny lafiny rehetra (vavaka, vola, fotoana…) na amin’ny firotsahana mivantana amin’ny asa fitoriana. Ary ny maha-Eglizy ny Eglizy dia tsy azo adinoina fa ny fitoriana ny Evanjely (Md Paul VI, Evangelii Nunziandi 14), ary fitoriana tsy mikombona amin’ny tena samirery na ao anatin’ny gropy na vondrona voafaritra fa miezaka ny hitatra ka handraisan’ny olon-drehetra anjara, ka na dia ireo osa sy heverina ho farahidiny aza, dia afaka handray anjara amin’ny fanitarana ny soa sy ny tsara.
Nandritra ny valan’aretina Covid 19 dia nanentana ny kristianina ny Papa mba ho tonga misioneran’ny fitiavana, hiahy ireo olona mila fanampiana ka tsy hiafinafina ao ambadiky ny “barrière sanitaire” na izay heverina ho fenitra ara-pahasalamana mba tsy hitondrana fanampiana sy fanantenana vaovao ao amin’ireo mila izany. Indraindray tokoa manko ny fenitra apetraka no zary fialan-tsiny tsy hanaovana ny adidy, ary efa hatramin’ny andron’i Jesoa no efa nisy Fariziana manao kôrbana (mandoha hetra) ka milaza fa efa afaka adidy amin’ny ray aman-dreniny (Mk 7, 11). Tsy afaka ny tsy hanao soa anefa izay kristianina ary tsy voafetran’ny fihavanana na ny fisakaizana izany fanaovan-tsoa izany. Ny miaina ny misiona dia tsy inona fa fikolokoloana ny toe-po amam-panahy izay an’i Kristy ka hinoana miaraka Aminy fa ireo olona rehetra mifanerasera amiko, eny fa na dia ireo tsy heveriko hahazoana tombon-tsoa aza, dia rahalahy sy anabaviko (Fratelli Tutti 97). Mbola iverenantsika amin’ny Evanjely moa izay avy eo.
Ny vakiteny I dia mampahatsiaro antsika an’i Jeremia Mpaminany: amin’ny andro tsy anajan’ny vahoaka ny lalàna dia mafy ny teny ampiasainy mba hanairana ny vahoaka hiova fo, hibebaka, ary tonga hatramin’ny fandrahonana sy ny filazana loza mihitsy aza izany, ka nahatonga azy tsy ho zakan’ny mpiara-belona taminy. Kanefa kosa, henontsika amin’ny vakiteny anio fa teny fampiononana, fampanantenana mampahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika no toriany amin’ny valala mpiandry fasana, ny sisa amin’Israely, sisa tavela taorian’ny nitondran’i Nabokôdônôzôra ny olona manan-katao sy matanjaka rehetra ho sesitany any Babilona ary efa kivy sy mamoy fo.
Asain’i Jeremia hihira hira fiderana izy ireo, hira fiderana izay manao hoe: “Ry Tompo o, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’Israely”. Mampianatra antsika izany fa ny fiderana an’Andriamanitra dia ny fahatsapantsika fa tsy misy famonjena raha tsy avy Aminy. Tsy fisaorana loatra fa fanantenana miorina eo ambonin’ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika no mamelona ny finoan’izany hira fiderana izany.
Izany no hafalian’ny olona avy namafy amin-dranomaso nefa faly sahady, entanin’ny fanantenana miandry ny filanjana ny vokatra mody any an-trano (Salamo 125). Sady faly amin’ny fampodiana ny babo avy any Siona ny mpanao salamo no mbola mangataka ihany koa Azy Tompo mba hampody ireo izay mbola babo. Tsy afaka ny hanadino ireo mbola mijaly izay mahatsiaro fa efa nahazo fahasoavana sy nafahan’Andriamanitra.
Midika koa izany fa tsy hiandry ny hafenoan’ny fahatanterahan’izay irina akory izay vao afaka hifaly sy hidera azy Tompo, ary ny tany efitra afaka manantena rano ka hamokatra, ny voa nafafy, lo fa mitsimoka ary hahazoana salohy hojinjaina. Ny fitanisana ny lasa teo amin’ny Jody, araka izany, dia mifanaraka amin’izay lazain’ny Papa François hoe: fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra amin’ny asa vitany ka hitomboan’ny fanantenana sy ny finoana Azy ka ametrahana ny ho avy eo am-pelatanany (hafatra ho an’ny missiona 2021).
Tsara ho marihina koa anefa fa amin’ny fiantsoana ny vahoaka lazain’i Jeremia dia Jakoba, Efraima sy Sisa amin’Israely, izay manambara ny Fanjakana avaratra izay efa ravan’ny Asiriana ny taona 722 a.C. Manambara izany fa tsy ny mahantran’i Joda (Jerosalema) ihany no itorian’i Jeremia ny fanantenana fa Israely manontolo izay efa tafasaraka, satria ao amin’ilay Andriamanitra nahababo azy ka tsy nahafahany hitory ny teniny dia tsy afaka ny ho ferana ho an’ny vondron’olona ny hafaliana.
Ray ho an’Israely Andriamanitra. Tsy ray tahaka ny fahazoantsika ny maha-ray amin’ny ara-nofo anefa fa ilay Ray andraisan’ny ray rehetra ohatra kosa, amin’ny fahalavorarian’ny fitiavana itiavany ny zanany rehetra.
Izany fitiavan-dRay izany no lazain’ny Vakiteny II fa tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy, ilay Zanaka nateraka mba ho Mpisorombe mandrakizay, araka ny fomban’i Melkisedeka: olona tahaka ny olona rehetra, manelanelana an’Andriamanitra sy ny olona ary tsy noho ny sitrapon’ny tenany fa noho ny tombom-pitiavana avy amin’Andriamanitra, tsy araka ny fomban’i Aarona, ka indray maka isan-taona amin’ny fetin’ny Famelan-keloka lehibe (Yom Kippour) ihany no afaka miditra ao amin’ny masin’ny Masina, fa mpisorona zanak’i Davida ka tsy afaka ny ho mpisorona akory raha araka ny lalàna, saingy nofidian’Andriamanitra ary nanolotra ny tenany indray mandeha, manontolo sy mandrakizay (Salamo 109).
Ndeha hojerentsika ny lazain’ny Evanjely.
Md Marka 10, 46-52
Tonga tao Jerikao ny Mpianatra, 250 metatra ambanin’ny ivon’ny ranomasina, teo amin’ilay toerana nidiran’ny Zanak’Israely tamin’ny tany nampanantenaina, teo amin’ilay toerana hisedrana ny finoana mba handresena ny fakam-panahy. Io koa ny toerana nandalovan’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka, amin’ny diany ho any Jerosalema. Teo no nisy an’i Bartimeo, ilay zanak’i Time (ny bar nadika fa ny Time najanona), anarana manahirana ihany satria ny Time amin’ny grika dia ilazana ny olona tsongoin’olom-bolo, ka ny zanak’i Time dia zanak’olona hajaina fatratra, saingy ny Bartime, satria Bar- teny arameana, ka ny -time (טָמֵא tame’) dia fahalotoana sy fahalovana ara-môraly no dikany. Indraindray dia izany indrindra no maha-jamba, haja azo avy amin’ny tsy fanarahana ny lalàn’Andriamanitra sy amin’ny filibana, jamba, donto saina (τυφλός, tuphlos), tsy te hamindra intsony, hany ka aleo mipetraka eo amoron-dalana, na ny marimarina kokoa, mipetraka ivelan’ny lalana (παρά para).
Ho an’ny jamba dia alina mandrakariva ny andro, maizina ny tontolo, tahaka ny mpianatra tsy mahazo na inona na inona (Mk 4, 13), tsy ampy finoana (Mk 4, 40), votsa saina (Mk 7, 18), mana-maso fa tsy mahita (Mk 8, 18), nanamafy ny fony (Mk 6, 52; 8, 17) tsy handre ny Teny ka hiantso vonjy. Ary na dia efa voaroaka aza ny demony marenina ka afaka tamin’ny fanandevozan’ny lainga (Mk 7,3ss; 9, 14ss) dia mbola jemby ny maso ary jamba ny fo, ka aleo mipetraka ivelan’ny lalana. Mety ho ny fiainana na ny hafa koa anefa no nanipy azy any ivelan’ny lalana.
Raha ny marina dia tahaka azy ihany koa i Jakoba sy Joany, mihevitra ny hisotro ny kapoaka sy handray ny batemy tsy fantany akory, saingy nitsoaka tsy hita amin’ny ora hisamborana an’i Jesoa, jiolahy roa no teo an-kavanana sy an-kavia tamin’ny ora nanandratana an’i Jesoa tamin’ny voninahiny, satria ny Lakroà no seza fiandrianany. Ny ankamaroan’ny olona dia misafidy ny hidina avy any Jerosalema ho any Jerikao, hoy Lioka (Lk 10, 30), i Jesoa misafidy ny hiakatra ho any Jerosalema. Izay manaiky ho jamba, miaiky ny fahajambany ka mangataka hositranina no afaka hanaraka an’i Jesoa amin’ny lalan’ny voninahitra. Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho hianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo, hoy i Jesoa tamin’ireo mihevitra ny tenany ho mahiratra (Jo 9, 41).
Tsy olona very fanantenana i Bartime, ka ny fahenoany an’i Jesoa nandalo dia nanosika azy hiantso mafy hoe : Ὁ υἱὸς Δαυίδ, Ἰησοῦ, ἐλέησόν με (Mk 10,47 BYZ). Eto no hamaranan’i Marka ny katesiziny ka izay miantso vonjy amin’ilay zanak’i Davida ihany no hahazo ny famonjena, noho ny finoany. Ilay Nazareana io, entina ilazana fa ilay Jesoan’ny Tantara, ilay Zanak’i Maria sy Josefa avy any Nazareta no resahana eto. Miantso an’i Jesoa amin’ny anarany izy, midika izany fa olona akaiky, efa mahalala Azy ary mahalala Azy ho ilay Mesia, ilay Zanak’i Davida (2 Sam 7) andrasan’Israely hampahiratra ny mason’ny jamba (Sal 146, 8), mino fa tsy misy anarana hafa hahazoana famonjena afa-tsy ny anaran’i Jesoa (Asa 2, 21).
Ἰησοῦ, ἐλέησόν με. Jesoa o, mamindra fo amiko. Tompo o, Vonjeo ny olonao, hoy i Jeremia. Antsa fiderana izany, hoy ny mpaminany, ary izany tokoa. Io no antsa ataontsika hiderana ny famindram-pon’Andriamanitra: Kyrie eleeson. Ny ἐλέησόν (Mk. 10,47 BGT) dia « au temps impératif aoriste actif du verbe » ἐλεέω. Izany hoe raha adika amin’ny tenintsika dia hoe: Tompo o, ianao efa namindra fo, mamindra fo mandrakariva ary mbola hamindra fo ka mamindra fo aminay. Fiderana, araka ny efa voalaza teny ampiandohana, satria ilazana ny finoana fa tsy afaka ny ho velona isika raha tsy noho ny indrafon’Andriamanitra. Izay mino toy izany, na ampanginin’ny olona aza, vao mainka hinaonaona mafy kokoa.
Maheno izany fiekem-pinoana izany i Jesoa dia nijanona ka nampiantso azy. Ny hafa no asain’i Jesoa miantso azy. Entin’i Marka ilazana amintsika izany fa avy amin’ny feon’ny hafa mandrakariva no iantsoan’i Jesoa antsika hanatona Azy. Anjarantsika ny mahay mandray izany, ka hanaiky hitsangan-ko velona (ἐγείρω egeiro), hamela hatramin’ny lamba izay lazain’ny Soratra Masina hoe hany fananan’ny mahantra (Det 24, 12), ary ho an’ilay tovolahy mpanan-karena, hoy ny Evanjely tamin’ny tapabolana dia sarotra ny mahafoy ny harena ho an’ny mahantra ka aleo mandeha amin’alahelo (Mk 10, 17–30 : Alahady 28 B). Ho an’izay manam-pinoana kosa, afohy na be na kely ananana, afoy izay maha-izy azy, ny maha-zanak’i Time azy, mba hahamailaka ny dia hanatona an’i Jesoa.
Ho an’izay voaantso hampita ny tenin’i Jesoa amin’ny hafa kosa dia zavatra telo no andrasana aminy: 1- mampahery (Matokia); 2- manainga mba hitsangana ho velona, izany hoe mamporisika mba hiala amin’izay manakana tsy hanaraka an’i Jesoa ; 3- manamafy ny fiantsoana (antsoiny ianao). Tsy misy olona tsy antsoin’Andriamanitra, asan’ireo izay nomena andraikitra manokana ny manampy ireo ankinina aminy mba hahita ny lalana mendrika hanamasinana ny tena.
Inona no tianao ataoko aminao? Fanontaniana apetrak’i Jesoa amintsika rehetra koa io, fanontaniana mitovy amin’izay napetrany tamin’i Jakoba sy Joany. Saingy raha toa ka tsy ekeko ny maha-jamba ahy, mazava loatra fa tsy ny hahita no angatahiko Aminy. Ny fanekentsika ny kilemantsika sy ny tsy fitadiavana vahaolana hafa ankoatran’ny famindram-pon’Andriamanitra no hahafahantsika miantso vonjy: Kyrie eleison.
Ry Mpampianatro o, ny mba hahita indray aho. ἀναβλέπω (anablepo), hahita indray, fa azo adika ihany koa hoe hanokatra indray ny maso ka hampifantoka ny fijery amin’izay tokony hojerena, hahita ankoatry ny ambanimaso, hahay hiandrandra ka hijery ilay hany hahazoako ny famonjena (Sal 120).
Izay sitrana amin’ny fahajambany ihany no voavonjy ka afaka hanaraka an’i Jesoa amin’ny Lalan’ny Fiainana, hizotra avy any Jerikao ho any Jerosalema.
Iraka ankinina amintsika amin’ny fitoriana ny Evanjely ny fikelezantsika aina amin’ny fampivoarana an’izao tontolo izao sy ny fikolokoloana ny zavaboary, hoy ny Papa (Hafatra misiona 2021). Ny fiarahana tamin’i Jesoa mikolokolo ny marary, misakafo miaraka amin’ny mpanota, manome sakafo ireo noana, manatona ireo voahilikilika, mikasika ireo heverina ho maloto, miray petsapetsa amin’ny mahantra ary tonga mitovy endrika amin’izy ireo, miantso ny rehetra amin’ny hasambarana, mampianatra amin’ny fomba vaovao sy am-pahefana feno, izany rehetra izany no mahatonga ny apostoly ho resy lahatra, nilaza fa nahita ny Mesia (Jo 1, 41) ary nitadidy hatramin’ny andro sy ny ora nihaonany taminy voalohany: tokony ho tamin’ny efatra tolakandro tamin’izay (Jo 1, 39).
Tsy manakana fa vao mainka aza manosika antsika hiray aina bebe kokoa amin’i Kristy ny fitsapana sy ny mety ho sedra eny an-dalana amin’ny asa fitoriana, kanefa tsy azo adinoina fa ny fahatsapana fa Izy no tia antsika mialoha no fototra hahafahantsika mikolokolo sy mampiredareda ny hafanam-po Misionera, ary maneho ny hatsarany ny Eglizy, rehefa maneho izany fitiavana maimaim-poana itiavan’ny Tompo azy izany.
Ny hoe miaina ny maha-misionera dia taratry ny fahaiza-mankasitraka, hoy ny Papa. Ny mankalaza ny Eokaristia moa dia mankalaza ny fisaorana. Izao no amaranan’ny litorjia ny Lamesa: “Ite missa est”, izany hoe mandehana fa vita ny lamesa, na ny marimarina kokoa, mandehana fa fanirahana izao, mandehana mitory ny Evanjelin’i Kristy. Manomboka ny fiampitana ho amin’ny hafenoan’ny fiainana. Izay nankalaza ny fisaorana marina tokoa no afaka mankalaza ny iraka araka ny tena izy, satria afaka hitory, tsy ny tenany fa i Kristy ilay efa tia azy mialoha.
Hiroborobo hatrany anie ny zotom-po misionera novelombelomintsika nandritra ny volana Oktobra, volan’ny misiona sy ny Raozery.
“I Masina Maria, ilay Mpianatra voalohany misionera anie, hampitombo ao amin’ny vita batemy rehetra ny faniriana marina tokoa ho sira sy ho fahazavana ho an’ny tanintsika” (Mt 5, 13-14).
Ry Andriamanitra tsara fo indrindra ô, manatrika anay mandrakariva lanao, ary mahalala ny fijaliana aman-tebitebinay. Koa asehoy anay, ry Ray, ny endrikao: dia hanakoako amin’ny vahoakanao ny Vaovao Mahafaly nentin’i Kristy hampahalala ny fitiavanao., ka hanokatra ny masonay hahita ankoatry ny zavatry ny tany ka hifikiran’ny fonay amin’ny harena maharitra ampanantenainao any amin’ny mandrakizay.