Alahady faha-30 mandavantaona Taona A
Boky Eksaody 22, 21-27
Sal 17
1 Tesalonika 1, 5-10
Md Matio 22, 34-40
Ho an’iza no hanomezantsika ny tenantsika? Ho amin’ny inona no himatimatesantsika? Ho an’ilay “nanala antsika tamin’ny haizina ho amin’ny Fanjakan’ny Zanany Malalany” ve (Kol 1, 13) sa ho an’izay zava-mandalo tsy hanaraka antsika akory fa tsy maintsy havela ho lovan’ny hafa (Sal 49, 11.18)? (Izany no nifampizarantsika tamin’ny alahady faha-29 A : izay tokony hanampy antsika hametraka an’Andriamanitra amin’ny toerany. Eo ampanohizana ny famakiana ny toko 22 amin’ny Evanjelin’i Matio (Matio 22, 34-40)[1] dia ambaran’i Jesoa fa ny fanatanterahana ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia ao amin’ny Fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana.
Rehefa tsy nahomby tamin’ny fandrika nataony ny farisianina, nanontany an’i Jesoa raha toa ka tokony hatao ny mandoha hetra amin’i Sezara na tsia (Mt 22, 15-22) ka novaliany mba hanome an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra, ka ny vola misy ny endrik’i Sezara omena azy, ny olona nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra kosa hotsinjovina mba ho sambatra araka ny nahariany azy, dia lasa. Androtr’io ihany dia tonga indray ny sadoseanina haka fanahy azy momba ny fiainana any an-koatra ka nitanisa ny lalan’i Moizy (Det 25, 5-10, loit du Levirat, levir amin’ny teny latinina zaodahy) fa ny Andriamanitry ny Razana, Andriamanitr’i Abrahama, Isahaka sy Jakoba, dia Andriamanitry ny Velona fa tsy ny maty.
Naheno izany ny Farisiana dia niverina indray mba haka fanahy azy. Sady mifaninana amin’ny Sadoseana izay tsy nanan-kalahatra izany izy ireo no mitady izay fomba hamandrihana an’i Jesoa. Amin’ity indray mitoraka ity kosa mikasika ny didy lehibe indrindra amin’ny lalàna no hakàn’ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo. Lazain’i Md Matio fa nivory aloha ireo Farisiana ireo mialohan’ny handefasana ny solon-tena ho any amin’i Jesoa. Mampandinika antsika izany, satria na ao amin’ny Fiangonana aza, misy antokona Farisiana, mandany fotoana amin’ny fivoriana, tsy hitadiavana ny vahaolana hitoriana bebe kokoa ny Eevanjely, fa mba hiarovana tombontsoa sy hanilihana izay mety ho manakantsakana an’izay tombontsoa sy voninahitra izany.
Ho an’ny mpandinika ny lalàna Jody dia misy 613 ny didy ka ny 365 (mitovy amin’ny isan’ny andro amin’ny taona iray na ny lalan-dra amin’ny tenan’ny olona koa hoe araka ny sasany) dia fandraràna (aza manao izao…), ny 248 kosa (lazain’ny hafa fa mitovy amin’ny isan’ny singa mandrafitra ny vatan’ny olombelona) dia milaza ny zavatra tokony hatao [cf. G. Scholem, la Kabbalah e il suo simbolismo, lalàna vita an-tsoratra ny taonjato III d.C]. Mazava loatra araka izany fa voatery nofintinina izany didy izany ka rariny ny mijery izay laharam-pahamehana mba hanampiana ny olona hiaina azy. Na ny hitadidy didy 613 ihany aza manko hanahirana. Eo amin’izay fijerena ny ambaratonga izay anefa no nampiady sy nampisavoritaka ny Mpanora-dalàna, satria samy nanana ny noheveriny ho laharam-pahamehana.
Inona amin’ireo fitsipika 248 sy fandraràna 365 no lehibe indrindra? Ny “mitia” no didy (ἐντολή entolè) lehibe indrindra hoy i Jesoa. Ny ἐντολή moa dia mitovy fototeny amin’ny hoe : ἐντέλλομαι entellomai (“en” – miaraka – sy “telos”, τέλειος -teleios- lavorary), ka ny didy araka izany dia ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika ka ny fitiavana no hahafahana manatanteraka izany.
Ny faniriana te hitovy Aminy dia tanteraka, tsy sanatria rehefa manana ny zavatra rehetra isika na rehefa manam-pahefana afa-manao izay tiana atao sy manjakazaka amin’ny hafa. Ny fitiavantsika Azy dia fitia tsy voazarazara ka tokony ho amin’ny fo rehetra, amin’ny fo tsy voazarazaran’ny fanirian-java-nohariana, amin’ny fiainana manontolo (ψυχή psychè, fofon’aina, vovok’aina), amin’izay mety ho hery hahafahana manao zavatra, amin’ny saina manontolo (διάνοια dianoia) ka tsy hampiasàna ny ati-doha hametsifetsena na hanambakàna fa hitiavana sy hanaovan-tsoa (Det 6, 5).
Lalàm-piainantsika ny ho tia an’Andriamanitra, ary ny voalohan’ny Didy dia ny mitia Azy amin’ny fo tsy miefitrefitra, amin’ny fanahy tsy voazarazara, ary amin’ny saina mahitsy sy tsy misy am-badika. Midika izany, fa tsy tokony hisy fetra ny Fitiavana an’Andriamanitra ary tsy misy afaka hilaza fa nitia diso tafahoatra. Izay no “zokiny indrindra” amin’ny Didy.
Ny Mpaminany kosa, dia ny fifandraisantsika amin’ny olombelona namantsika, izay tokony ho tiana tahaka ny tena, ny fetran’ny fitiava-namana araka izany dia ny fitiavana ny tena, izany hoe : tsy maka ny toeran’Andriamanitra araka izany ny hafa fa tiavina kosa sy tompoina. “Izay tianareo atao aminareo no ataony amin’ny hafa koa” (Lk 6, 31).
Raha oharina amin’ny lazain’ny Deteronomy (Dt 6, 4ss) anefa ny voalaza eto dia nampian’i Jesoa ny “saina” mba hitiavana an’Andriamanitra manontolo. Raha tiantsika ny ho lavorary sy tsy ho voaozongozona amin’ny finoana dia tsy maintsy mandalina sy mamakafaka, ka ny faharesena lahatra vokatr’izany fisainana sy fandalinana izany no hirosoana. Tsy midika anefa izany fa tsy hisy intsony ny fisalasalana, fa kosa tsy an-tery fa amin’ny fo te ho tia tahaka Ilay tia no hitandremana ny Didy. Mety misy hilaza hoe “ataoko inona izany, sady aiza no handalinako izany! Raha izany ny finoana maha-kristianina aleoko mankany amin’ny sekta”. Ny fandalinana dia manampy amin’ny fahitana ny zava-misy araka ny hevitr’Andriamanitra, tsy handaniana andro amin’ny “avonavon’ny be saina” anafenan’Andriamanitra ny misterin’ny fanjakany tsy akory, fa amin’ny fahaizana mibanjina sy mankafy amin’ny fo tony sy tsotra ny fiainana sy ny lalana mitondra mankany amin’ny hafenoany, mankany amin’ny hasambarana.
Tsy finoana fa finoanoam-poana ny fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady. Tsy afaka ny tsy hanokana fotoana handalinana ny Baiboly sy ny finoana izay te hiroso amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy. Izany no finitinin’ny teny filamatra iainan’ny Diosezin’Antsirabe hoe AIZA: alaliniko, iainako, zaraiko ary arovako ny Finoako. Ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny saina manontolo no hahafahana misafidy marina tokoa ka hitiavana ihany koa ny namana tahaka ny tena (Levitika 19, 18). Atao ahoana no hitia raha ny atao hoe fitiavana aza tsy hay akory hoe inona!
Ahoana ary ny hiainana izany didy roa izany? Ho an’i Matio dia ny didy faharoa mitovy amin’ny voalohany (Mt 22, 39), ho an’i Joany (Jn 15, 17) dia Didy iray ihany no omen’i Jesoa: ny hifankatiavan’ny mpianatra; ho an’i Md Paoly dia ny fitiavana ny rahalahy no fahatanterahan’ny lalàna (Rm 13, 8-9), ny fitiavana ny hafa tahaka ny tena no fahatanterahan’ny lalàna rehetra (Gal 5, 14). Dia atao ahoana izany ny fitiavana an’Andriamanitra? Rehefa manao soa amin’ny hafa aho izany dia afaka tsy mivavaka alahady, sns ve? Na satria tokony hivavaka alahady aho dia avelako ho faty eo ny marary na izay mila vonjy avy amiko?
Misy olona mitia ny hafa ve kanefa tsy ho tia an’Andriamanitra? Ny risika mety hitranga dia tsy fitiavana fa fitiavan-tena no manentana ny olona hanampy ny hafa: mba hisehosehoana sy hitadiavana voninahitra, na sanatria an’izany aza, hanambaniana ny hafa. Izay mahatsapa ny voalazan’i Osea amin’ny hoe “Izahay tsy hitaingin-tsoavaly” (Osea 14, 4), ary naverin’i Md Jean de Matha ao amin’ny Lalàm-panorenan’ny Fikambanana naoriny dia miaiky fa tsy ny herintsika na ny tanjaky ny soavaly na izay heverintsika ho fahaizantsika no hahazoantsika famonjena ka hahafahantsika manao soa, fa ny soa azontsika avy amin’Andriamanitra kosa (Osea 14, 2-10). Na ny famonjena ny tenantsika aza dia fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ka tokony hisaorana Azy. Loharano ipoirana sy tendro hifaharan’ny fitiava-namana araka izany ny fitiavana sy ny fankalazana an’Andriamanitra (SC 10).
Ataonao ahoana koa anefa no hitia an’Andriamanitra tsy hita maso raha ny olona hita maso aza tsy hainao tiavina (1 Jn 4, 20)? Ny fitiavana ny namana no hahafahana manandratra vavaka amin’Andriamanitra isaky ny misy zanany mampahonena noho ny fahantrana, noho ny aretina, noho ny fahasembanana (Mahalôna – taizan’aretina – sy Seljôna – be taraina – zanak’i Noemi ao amin’ny Bokin’i Rota 1, 1-22), hoy Papa François tamin’ny fampianarany (alarobia 21 aogositra 2019). Ny fitiavana marina no hahafahantsika mitia ny hafa tahaka ny tena (Levitika 19, 18), izany hoe haniry koa ho an’ny hafa izay heverina fa mahasoa ny tena ary tsy hanao amin’izy ireo izay heverina fa tsy mety raha ataon’ny hafa amin’ny tena. “Ao amin’izany didy roa izany ny Lalàna manontolo (singulier) sy ny Mpaminany rehetra” no miantona (κρέμανται, κρεμάννυμι kremannumi), sahala amin’ny varavarana miantona amin’ny savily anankiroa.
Ny Lalàna araka izany dia natao mba hampahatsiaro ny olona ny fitiavana, ary raha araka ny rariny moa ny lalàna dia tokony hitsinjo mandrakariva ny zon’ny madinika sy ny tsy manam-piahy. Ny Mpaminany kosa dia tsy nanao afa-tsy ny nampahatsiaro ny olona ny Tenin’Andriamanitra izay “Lalàn’ny Fitiavana” hahasambatra ny olona (Sal 119, 1).
Izay notiavina ihany anefa no afaka mitia. Izany no mahatonga ny vakiteny I (Eks 22, 21-27) hampahatsiaro an’Israely fa efa mba mpivahiny tany Ejipta koa izy ireo, ka ny Tana-maherin’Andriamanitra no nanafaka azy. Ny fanadinoana ny asan’Andriamanitra dia sady sakana amin’ny fankalazana an’Andriamanitra no hanidy ny fo tsy ho taratry ny fitiavany eo amin’ny mpiara-belona.
Ny fibanjinantsika ny fitiavan’ny Ray ao amin’ny vavaka araka izany no sekoly hianarantsika ny tena fitiavana marina, ka ny fahalalana Azy mampitombo ny fitiavana Azy, ny fitiavana Azy tonga fanahafana Azy, ary ny fiainana vokatr’izany vavaka izany no lehibe indrindra amin’ny didy, satria fiainana araka ny maha-zanak’Andriamanitra Fitiavana. Tsy misy lalàna vanona raha tsy fikatsahana ny soa ho an’ny tsirairay sy ny daholobe ary fahatanterahan’ny lalàna ny fitiavana satria tsy manao ratsy na amin’iza na amin’iza, hoy i Paoly (Rom 13, 10). Anjaran’ny Mpaminany ny mampahatsiaro izany, indrindra raha sanatria mivaona ka tonga fiarovana ny tombontsoa manokana fa tsy ny soa iombonana sy ny zon’ny madinika ny lalàna arafitry ny tompon’andraikitra ka sanatria manalavitra ny fitiavana.
Ny Didy Vaovao nomen’i Kristy antsika Mpianany, dia ny hifankatiavantsika tahaka ny nitiavany antsika (Jn 13, 34). Tsy mihanona amin’ny fetran’ny tena araka izany ny fitiava-namana kristianina fa fakan-tahaka an’i Kristy, izay no fahafahana hitia hatramin’ny fahavalo, hanao soa ho an’ny mpankahala, hivavaka ho an’ny mpanenjika… (Mt 5, 44)
Tsy hionona amin’ny fahendren-drazana izay mety ho fitsinjovana ny tombontsoa manokana fotsiny izany, (“Efa renareo fa voalaza hoe” Mt 5) ), fa ho fialana amin’ny sampy (na zavatra na hevitra na izay mety noheverina ho fahendrena) izay nifikirana sy noheverina hahazoana ny famonjena 1 Tes 1, 5-10) ka ho amin’ny fitiavana hanomezana an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra, ka hifampitsinjovana, hahatsiarovana mandrakariva fa endrik’Andriamanitra ny olombelona, tian’Andriamanitra ka tokony ho tiavintsika koa. Izany no hahafahana manao soa amin’ireo izay niangaran’ny vintana, ny vahiny sy ny fadiranovana (Eks 22, 21-27) ka hahatonga antsika ho “mpaneho ny endrik’Andriamanitra amin’ny hafa” tahaka ny nolazain’i Md Augustin hoe : amin’ny fifankatiavana no hahitana ny endrik’Andriamanitra Trinite Fitiavana, ary “Fitiavana iray ihany no enti-manatanteraka ny didim-pitiavana : hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana”
Amin’ny Vakiteny II dia misy fampianarana azontsika raisina koa mikasika ny fiainana araka ny Evanjelin’i Kristy izay Lalàn’ny Fitiavana ihany. Ny Kristianina tany Tesalonika dia nandray ny Teny, hoy Md Paoly. Efa nolazaintsika tamin’ny heriny moa ny votoatin’ny vavak’ity Apostoly ity ho an’io Fiangonana io : “Ny asa (ἔργον ergon ) no anamarinana ny finoana marina (πίστις pistis), ny fahafoizan-tena (κόπος kopos, asa mihatra aman’aina) no anamafisana ny fitiavana (ἀγάπη agape) ary ny faharetana (ὑπομονή hupomone, tsy fialana amin’ny tanjona) no hikolokoloana ny fanantenana (ἐλπίς elpis, fiandrasana an-kafaliana ny famonjena) an’i Jesoa Kristy.
Fantatr’i Paoly tsara ny hamafin’ny fiainana sy fitoriana ny Evanjely tany Tesalonika ary izany rahateo ny antony nialany tany (Asa 17, 1ss). Ambarany amin’ny Taratasiny novakiantsika anio ary fa tamin’ny fahoriana be no nandraisan’ireo mpino tao ny Tenin’Andriamanitra, saingy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina kosa. Tsy vokatry ny fahombiazan’izay atao io hafaliana io, mba tsy hiteraka avonavona ho an’izay misasatra, fa vokatry ny Fanahy Masina. Izany dia hafaliana entina hanahafana an’i Paoly izay nenjehina noho ny fitoriana ny Evanjely, fa ho fanahafana an’i Jesoa ihany koa. Izy rahateo moa no nilaza hoe “raha nenjehiny aho, hohenjehiny ihany koa ianareo” (Jn 15, 20).
Ho sanatriavina anefa ny mihevi-tena ho martiry rehefa ny hevitrao sy ny saim-pantatrao no hiadivanao aman’olona fa tsy ny hevitra sy ny fampianaran’Andriamanitra. Jesoa tsy nanambara ny tenany fa nanambara ny fitiavan’Andriamanitra tsy azon’ny olombelona giazana ho fananana manokana, fitiavana izay mitodika manokana amin’ny mpanota sy ny mahantra. Manelingelina ny fahefan’ireo izay mampiasa ny fivavahana hanangonam-pahefana izany ka tsy maintsy ho fahafatesana no setrin’ny fijoroana ho vavolombelona.
Ao amin’ny Vakiteny I kosa misy hevitra tokony ho azo, mba tsy hampivilana ny endrik’Andriamanitra banjinitsika: ny Andriamanitra mihaino ny fitarainan’ny mpitondratena sy ny kamboty, ka hirehitra hatezerana handringana izay mampijaly azy ireo amin’ny sabatra. Eo amin’ny fiainana an-davanandro anefa toa ny mpanararaotra ny fahantran’ny hafa (hanaovana zana-bola mioha-pampana, usuriers, sy hifetsena ny fananany sisa tavela) no miriaria. Tys hita izay sabatr’ANdriamanitra mandringana azy ireo eo. Ny Salamo 73 aza moa milaza fa “mialona tamin’ny mpaniratsira nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy” (Sal 73, 3).
“Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra, ka maranitra hono ny sabatra roa lela, maniteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo” (Hebrio 4, 12). Manasaraka ny tsara amin’ny ratsy io sabatra io (μάχαιρα machaira) roa lela (Salamo 149, 6), sabatra maranitra (Hebrio 4, 12) ka tsy ny mpanao ratsy no sitrak’Andriamanitra haringany fa ny ratsy izay mampijaly ny zanany.
Tsy hisy afaka hanao mafy fo velona, hanao be marenina, hanamarin-tena amin’ny zavatra tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa. Mampalahelo ny mahita olona sahy manao komonio, milaza fa miombona amin’i Jesoa sy ny Fiangonany mbamin’ny mahantra endrika tiany hisehoana, kanefa ny fananan’ny mahantra sy ny ny tsy manam-piaro no bodoina, ny fahasahiranana sy ny fahaporetan’ny madinika no araraotina hanjanaham-bola avo sasaka. Tsy azontsika adinoina fa afaka mividy vola ny fitsarana isika hanafenana ny heloka vita fa tsy afa-mividy ny feon’ny fieritreretana, afa-mividy kodoro tsara hatoriana, saingy tsy afa-mibaiko ny maso hatory am-piadanana.
Loza no ilazantsika ny fahafatesana mandrakariva, voina mitranga, saingy io no taom-pijinjana hanaterantsika ny vokatry ny Fanahy, eo am-pelantanan’ny tompom-bokatra (Alahady XVI A). Loza raha sanatria tsy mifanaraka amin’ny didim-pitiavany ny fiainantsika.
Raha Andriamanitra tokoa no ampinga sy famonjena mahery (Sal 17) fa tsy ny vola aman-karena na ny fahendrena amam-pahaizana, dia tsy ho sarotra ho antsika ny hahatsapa fa ny fitiavana azy no “zokiny indrindra” amin’ny didy, satria izay fitiavana Azy izay no hampisy heviny ny fiainana.
Tsaroantsika mandrakariva ny fampianaran’i Md Augustin momba izany fitiavana izany : “Inona no mampiavaka ny zanak’Andriamanitra sy ny zanaky ny demony? Samy manao famantaran’ny hazofijaliana amin’ny anaran’i Kristy, samy mahay mamaly Amen, samy mihira aleloia, mety ho samy vita batemy samy miditra am-piangonana, fa ny mampiavaka azy dia ny fitiavana mameno ny fony : izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra” (1 Jn 4, 7).
Ho taratry ny
fitiavan’ilay Andriamanitra banjininy ao amin’ny fivavahana anie ny fiainan’ny
mpino rehetra.
[1] Tsara homarihana fa eo anelanelan’ny Evanjely anio sy ny tamin’ny heriny dia misy ny Mt 22, 22-33, izay mitantara ny momba ny fitsanganan-ko velona, “Ho vadin’iza ravehivavy?” Raha tsy mino ny fiainan-ko avy isika na raha sanatria ka tsy misy ny fitsanganan-ko velona, hoy i Md Paoly dia isika no ho fara-fahoriana indrindra amin’ny olona rehetra (I Kor 15, 19)