ALAHADY FAHA 3 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- Jônasy 3,1-5.10
- Salamo 24
- 1Kôrintianina 7,29-31
- Md Marka 1,14-20
Ny tarehy ratsy sarotra ovana, ary ny toetra ratsy azo ovana.
Ny varavaran’ny finoana no hidirantsika amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, hoy ny Papa Benoît XVI, ary tsy afaka ny handingana io tokonana (hidirana amin’ny finoana) io raha tsy mandray ny Teny voatory ary manaiky hovolavolain’ny fahasoavana ny fo ka hiova (Porta fidei 1).
Ny fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fihainoana ny Teniny, araka izany no maha sambatra. Manampy antsika amin’izany ny fankalazana ny alahadin’ny Tenin’Andriamanitra.
Ny 30 Septambra 2019, tamin’ny fahatsiarovana ny faha-1600° taonan’ny nahafatesan’i Md Jerôme moa no nanoratan’i Papa François ny Taratasy “APERUIT ILLIS”, izay nanokanany ny alahady faha-telo mandavan-taona ho “Alahadin’ny Tenin’Andriamanitra”: “dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina” (Lk 24,45).
Tsara, hoy ny Papa raha toa ka tsy very an-javony eo amin’ny fiainan’ny mpino ny fifampikasohana amin’ny Teny Velona izay ambaran’Andriamanitra tsy tapaka amin’ny silaky ny ainy (vady) mba hahafahany mitombo ao amin’ny fitiavana sy ao amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana marina. Izany no nanokanana ny alahady fahatelo mandavan-taona ho alahady atokana mba hankalazana, handinihana ary hitoriana ny Tenin’Andriamanitra. Ny fifanandrifian’izany fankalazana izany amin’ny famaranana ny herinandro natokana hivavahana ho an’ny firaisan’ny kristianina, hoy ihany ny Papa, dia mampahatsiaro antsika fa ny Soratra Masina dia manampy an’izay mihaino azy marina tokoa mba hanorina firaisam-pinoana marina sy maharitra. Ny Tenin’Andriamanitra no mampiray ny Mpino ary mahatonga azy ho vahoaka tokana.
Ny Baiboly manontolo, amin’ny maha Soratra Masina azy, dia miteny momba an’i Kristy ary manambara Azy ho ilay tsy maintsy “hiaritra fijaliana be mba hidirany any amin’ny voninahitra” (Lk 24,26). Tsy ampahany fa ny Soratra Masina manontolo no mitory an’i Kristy, ary ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona dia tsy misy heviny, raha tsy amin’ny alalan’ny Soratra Masina (…) ary avy amin’ny alalan’ny fihainoana ny Soratra Masina ny finoana, ka tokony hanana ny anjara toerana sahaza azy ny fihainoana ny Soratra Masina na amin’ny Fankalazana Litorjika na amin’ny vavaka sy ny fandinihana masina ataon’ny tsirairay.
Tsy hoe fankalazana indray maka isan-taona anefa no atao anio, hoy ny Papa, fa fankalazana indray mandeha kosa haharitra mandritra ny Taona manontolo, hahatonga ny fiainantsika ho fandraisana sy finoana ny Teny, toy ny nataon’i Masina Maria. Tsy misy mahantra sambatra noho ny fahantrany, fa kosa sambatra noho ny finoany ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra.
Andeha ary hiverenantsika ireo Tenin’Andriamanitra toriana amintsika anio, mba handraisantsika azy ka hamelantsika azy hanova ny fiainantsika.
Ny bokin’i Jônasa (יוֹנָה Yônāh) mpaminany no nangalana ny vakiteny voalohany. Pejy telo raha atambatra ny boky manontolo ary misy toko efatra. Araka ny filazan’ny mpandalina Baiboly sasany, tsy isalasalana ny fisian’i Jonà, zanaka lahin’i Amitahy (avy amin’ny Emeth), izay voalaza ao amin’ny 2Mp 14,25. Heverina kosa anefa fa efa taorian’ny fahababoana avy any Babilôna no nanoratana ity Boky ity, ary raha ny marina aza, tsy dia miendrika faminaniana loatra fa fampianarana zavatra momba ny asan’ny Mpaminany kosa.
Ny voalohany dia mikasika ny traikefam-piainana anaty iveloman’ny mpaminany ka mety hahazo antsika rehetra koa. Ny Mpaminany, ary mazava loatra, ny kristianina, dia olona resy lahatra fa ny hamonjy izao tontolo izao no sitrak’Andriamanitra. Izany rahateo no maha katôlika ny Eglizy, mandray anjara amin’ny asam-pamonjena ho an’izao tontolo izao. Amin’ny asa anirahana azy anefa dia tsy maintsy haneho ny tsy marina mifanipaka amin’ny sitrapon’Andriamanitra koa ny mpaminany. Izay manaiky hitory ny Tenin’Andriamanitra dia sahala amin’ny olona mitondra hazavana ao anatin’ny haizina, ka mazava loatra fa tsy hahafaly izay efa zatra nanararaotra ny maizina hiafenana sy hanaovan-dratsy. Ao amin’ny vakiteny naroso ho antsika anio moa dia tsy voalaza hoe inona ny teny nolazain’Andriamanitra amin’i Jonasy, fa amin’ny toko voalohany dia nolazaina fa nasaina hitory ny “hamelezana an’i Niniva izy, satria tafakatra hatrany amin’Andriamanitra ny haratsin’ireo mponina tao”.
I Niniva moa, raha ara-jeôgrafia dia akaikin’i Mossoul (avaratr’i Iràka ankehitriny), renivohitr’i Asiria, izay nandrava an’i Samaria tamin’ny 722 tal. K., tanàna lehibe lalana telo andro, misy mponina maherin’ny 120 000 (Jôn 4, 11), isa izay entina hilazana ny hafenoana (Jdt 2,5.15; Ap 7,4: 12*12 000). Eto ny antony faharoa ilàna fibebahana dia mba handraisana anjara feno amin’ny fahasambarana sitrak’Andriamanitra hiainantsika: ataon’ny zanak’i Israely (Jonas: voromahailala, manambara an’i Israely ihany) ahoana no handeha hitory famonjena amin’ny fahavalo izay avy nanjanaka azy ary mpanjanaka mbola mamirapiratra ao amin’ny voninahiny?
“Tsara fo Andriamanitra, saingy saika nikorosy fahana aho, saika nibolisatra ny tongotro, fa nialona tamin’ny mpaniratsira aho, nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy” (Sal 73,1-3). Tsy nahagaga àry raha toa ka lalan-kafa no nizoran’i Jônasa fa tsy ny lalana mankany Niniva, ny mankany Tarsisy miantsinanana, nefa i Niniva any andrefana. Saingy hain’Andriamanitra ny namerina azy aloha tamin’ny lalany, i Jônasa no nampibebahiny (bWv– shoubh) voalohany, nampanaovina todika ivoho, ary maha ontsa ny vavaka nataony tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, hiderany ny indrafon’Andriamanitra izay loharano tokana hiavian’ny famonjena (Jôn 2).
Henontsika tamin’ny vakiteny I teo anefa fa ny finoana an’Andriamanitra dia hahatsapana fa faharavana ny tsy fanarahana ny lalàny, ka ireo Ninivita, izay tsy Jody fa Asiriana, manoloana ny toriteny nataon’i Jonasy (izay zara raha nanao lalana indray andro monja, izany hoe ny ampahatelon’ny tanàna raha tsy nijanonjanona i Jonasy,) dia nibebaka satria nino an’Andriamanitra ka niala tamin’ny lalan-dratsiny rehefa nifady hanina ho mariky ny fanetren-tena sy ny fo mivalo, ary tsy izay naheno ny tenin’i Jônasa ihany fa ny mponin’i Niniva rehetra. Tsy fanirian’Andriamanitra ny handringana ny olombelona fa ny mba hahavelomany. Firifiry tokoa moa ny ratsy sy ny faharavana mety ho voasoroka raha miala amin’ny lalan-dratsy mety nahasolafaka azy avokoa ireo rehetra milaza ho mpino an’Andriamanitra!
Ny Salamo 24 setrin’ny Tenin’Andriamanitra moa dia mampahatsiaro antsika fa ny faniriana hahalala ny lalan’ny Tompo sy ny fahamarinany dia fitadiavana ny lalam-pahasambarana, satria ny hahasambatra antsika no sitrany. Ny tsy fanarahana ny toromarika omeny, araka izany dia famitahan-tena ihany, satria lalana mitondra amin’ny famonjena no itondrany ny ory sy atorony ny mpanota.
Izany famonjena izany no lazain’i Md Paoly fa efa antomotra satria mandalo ny endrik’izao tontolo izao. Torohevitra hahafahana mikambana amin’ny Tompo tsy aman-tsampona (1Kôr 7,36) no atoron’ny Apôstôly antsika ary mbola hotohizana amin’ny alahady heriny moa ny famakiana izany hafatra izany.
Ny matoanteny ampiasain’i Md Paoly amin’ny filazana fa “fohy ny andro” (ὁ καιρὸς συνεσταλμένος·- ho kairos synestalmenos BYZ)) dia ny teny grika συστέλλω (systellô) izay entina ilazana ny fihetsika ataon’ny mpanamory sambo, mahita ny seranana ka mampidina ny voalin-tsabo, hiomanana amin’ny fahatongavana eny an-tseranana. Olona efa mahita ny seranana, efa mahatsinjo ny famonjena araka izany no ilazan’i Md Paoly mba hiaina ny fiainana araka ny niantsoan’ny Tompo azy avy (1Kôr 7,17).
Ny faharavan’ny tontolo hitantsika dia tsy sanatria fahavoazana ho an’ny mpino fa fiandrasana ilay tontolo vaovao sitrak’Andriamanitra honenan’ny zanany rehetra, tontolo izay efa hita manangasanga eo, araka izany. Io no nampanantenainy tamin’ny vavan’i Izaia Mpaminany hoe “Indro Aho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao” (Iz 65,17). Ao anatin’izany fanantenana izany no hahafahana miaina ny fiainana maha kristianina, tsy ho fitadiavana ny tsy hita fa ho fiainana araka ny sitrapon’Andriamanitra, efa hanandramana sahady ny fahasambaran’ny lanitra, eny fa na dia ao anatin’ny fanompoana faran’izay ambany aza (1Kôr 7,21).
Izany Fanjakan’Andriamanitra efa akaiky izany no mbola hamafisin’ny Evanjely ka ampianarany antsika ny toe-po sy fiainana mifanaraka amin’izany.
Rehefa natao an-tranomaizina i Joany dia nankany Galilea i Jesoa hitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Raha jerena avy ety ivelany dia hoe nandeha nila loza: ny mpialoha lalana azy voasambotra, Izy manomboka hitory.
Ny voambolana nadika hoe “natao an-tranomaizina” moa dia ny hoe παραδίδωμι (paradidômi), matolotra. Io no ampiasain’i Marka amin’ny fitanisana ny Apôstôly, i Jodasy ilay “nanolotra” an’i Jesoa (Mk 3,19; 14,11snm); io no ampiasainy hilazana ny zanak’olona atolotra eo am-pelatanan’ny olona (Mk 9,32) sy eo am-pelatanan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalana (Mk 10,33), ary atolotra hofantsihana (Mk 15,15); io no ilazany ny mpianatra atolotra amin’ny fitsarana sy atolotry ny rahalahiny hovonoina (Mk 13,9.10.12). Entina ilazana izany rehetra izany fa izay nahazo ny mpaminany, izay nahazo ireo mpanompon’i YHWH rehetra lazain’i Izaia (Iz 50,52-53) hatramin’i Joany Batista izay lehibe indrindra amin’ny natera-behivavy (Lk 7,28), dia hihatra amin’i Jesoa koa, ary toy izany koa no hanjò ny mpianany.
Mila manontany tena koa isika araka izany raha vonona hiatrika ny mety ho fanenjehana na ny fanaovana an-tranomaizina na ny mety ho famonoana aza, ateraky ny fanapahan-kevitra hanohy ny fijoroana ho vavolombelon’ny marina, tahaka an’i Jesoa manomboka mitory teny rehefa natao an-tranomaizina i Joany. Araka izany, raha tsy mari-pototra ny antony hirosoana dia ho tsobo-dranon-dRamiangaly ihany ny firosoana ho kristianina.
Mazava ny famintinana ny toritenin’i Jesoa fa sady fanohizana rahateo ny toritenin’i Joany izay “nitory” (κηρύσσω – kèrussô, officier, proclamer comme un héraut) batemim-pibebahana ho famelan-keloka (Mk 1,4):
“Tonga ny fotoana, efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.
Misy antony koa anefa ny nandehanan’i Jesoa tany Galilea, fa tsy tany an’efitra toa an’i Joany.
Anisan’ny antony mahatonga ny hisafidianana ny faritr’i Galilea ny fivelaran-tsaina nananan’ny mponin’ny manodidina an’i Kafanaoma sy Betsaida raha oharina amin’ny hafa, angamba revon’ny fitadiavana sy ny fivelomana, no sady lavitry ny Tempoly ka tsy dia miditra amin’ny antsipirihin’ny fombafomba isan-karazany, eny fa na dia tsy mifanaraka loatra amin’izany aza no voalaza aoriana kely, indrindra any amin’ny asan’ny Apôstôly, rehefa milaza momba an’i Md Piera avy any Galilea i Md Lioka, hoe efa mamerimberina in-telo ny Fanahy, fa mbola tsy resy lahatra ihany i Piera (Asa 10).
Dia niantso ny mpianany i Jesoa: mpanarato efatra, mpirahalahy, vonona hibebaka sy hino ny Evanjely.
Tonga ny fotoana (Πεπλήρωται ὁ καιρός – peplèrôtai ho kairos BYZ), feno (πληρόω– plèroô) ny fotoana ka tonga manakaiky antsika ny Fanjakan’Andriamanitra (ἤγγικεν ἡ βασιλεία τοῦ θεοῦ·- èngiken hè basileia tou Theou BYZ), ἐγγίζω (engizô, au parfait actif), manakaiky. Tsy isika no handeha hanatona azy any an’efitra tahaka ny tamin’ny andron’i Joany, fa Izy no tonga manatona antsika, vonona ny hiray petsapetsa amintsika. Io no heveriko fa antony nilazan’i Marka fa tany an’efitra i Joany ary nankany Galilea i Jesoa. Io no “pastorale de proximité”, asa fitoriana hanakekezana ny vahoaka, lazain’ny Papa François.
Manoloana ny fahatanterahan’ny asam-pamonjena dia zavatra roa kosa no takian’ny Fanjakan’Andriamanitra efa akaiky antsika, ary azo lazaina fa zavatra roa mifampiankina.
Ny voalohany dia mila mibebaka. Tsy vitan’ny fikasana tsara mba tsy hanao ratsy na tsy hanota fotsiny ny fibebahana, fa fiovam-po tanteraka amin’ny fomba hifandraisana amin’Andriamanitra izay efa manatona antsika, amin’ny fomba hifankatiavantsika samy olombelona, ary amin’ny fanajantsika ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra. Ireo ny fifandraisana telo iankinan’ny maha-olona ary fototry ny sori-dalana pastoraly rehetra (jereo ohatra ny SFK – APV). Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ka izay mibebaka marina dia mahita fa hitondra famonjena no hahatongavan’ny Mesia fa tsy handringana. Lazain’i Izaia (Iz 40) fa efa tapitra ny andron’ny fampahoriana, efa voavela avokoa ny heloka satria ny tanan’Andriamanitra mihitsy no hanefa ny sazy indroa miantoana tokony hohefain’ny mpanota, ary ilay Mpanompony sitraky ny fony no hanambara ny rariny (Iz 42), ary hanao fanekem-piavanana mandrakizay Andriamanitra ka ny Teniny tsy hiverina any Aminy raha tsy efa mahatanteraka izay nanirahany azy (Iz 55).
Mibebaka izay manova ny fomba fijeriny an’Andriamanitra ka hahita fa fitiavana Izy, ary maimaim-poana ny famonjena atolony antsika; hahay hijery koa anefa ny olombelona rehetra toy ny hitiavan’Andriamanitra azy ireo. Mibebaka izay mahafoy, eny fa na dia izay mety ho antom-pivelomana aza, ka vonona hanaraka an’i Jesoa tahaka azy efatra mirahalahy, handanjalanja ka hiaiky fa ambony lavitra noho ny haren’izao tontolo izao ny famonjena ny hafa iantsoan’i Jesoa azy ireo.
Miantso antsika ihany koa ny Evanjely mba hino. Izay ny zavatra faharoa takian’ilay fihainoana ny Tenin’i Jesoa.
Mino ny Evanjely izay matoky ny Tenin’i Jesoa ka tsy hisalasala fa afaka manova antsika ho mpanarato olona ny Fahasoavany. Mijanona ho mpanarato ihany, saingy ho mpanarato araka ny fahasoavana noraisina avy amin’Andriamanitra. Tsy ny fahaizana na izay mety ho talenta ananantsika intsony no ampiasaina amin’izany. Tsy manova ny maha izy azy ny olona ny fiantsoana: mpanarato mijanona ho mpanarato, saingy tsy ny haratony intsony fa ny haraton’i Jesoa no ampiasainy. Tsy afaka ny ho tonga mpianatra marina izay mihevitra hampiasa ny haratony fa tsy ny an’i Jesoa.
Tsy ho sanatria àry ny haratontsika no ampiasaintsika hamaliana ny antson’Andriamanitra. Ireo Apôstôly ireo ihany no hanjono mandritra ny alina fa tsy hahazo na inona na inona. Fa noho ny fihainoana ny Tenin’ny Mpampianatra dia hanohy handatsaka ny harato ka hahazo trondro mameno ny sambokely. Mino izay manaiky hitozo sy hanohy ny dia, noho ny Teniny, harato vaovao hahazoana trondro ho an’ny fanjakan’ny lanitra. Ny finoana dia ny fifandraisantsika amin’ilay niantso antsika ka hahafahana mandao ny zavatra rehetra noho ny Teniny: handao ny antom-pivelomana izay ametrahana ny fitokisana amin’ny maha olona; handao ny ray sy ny mpikarama, izany hoe handao hatramin’ny fomban-drazana sy izay nireharehana (anaran-dray) sy nampirehareha (mpikarama), handao ny fahazarana taloha mba hanazatra tena amin’ny tontolo vaovao noharian’Andriamanitra sy iriny ao amin’ny Fanjakany.
Izay mahatsapa ny hasarobidin’ny fijerin’i Jesoa mitopy aminy ihany anefa no afaka hiditra amin’izany finoana izany: “Izay eo imasonao ny olona ka tsy misy tombo tsy misy hala”, hoy i Md François. Izay maha izy ahy eo imason’Andriamanitra ny amiko rehetra, hoy Mb Terezin’i Jesoa. Sarobidy eo imasony isika (Iz 43,4). Matetika anefa izay eo imason’ny olona no imasoan’ny ankamaroany. “Hataonareo ahoana kosa moa no fino? Koa aminareo samy hianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin’Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona!” Hoy i Jesoa tamin’ny Jody (Jo 5,44). Izay tsy mitady ny voninahitra ao amin’Andriamanitra tsy afaka ny hino, araka izany.
I Piera sy Andre eo amperin’asa no nantsoiny; δεῦτε ὀπίσωμου, adika hoe “andeha hanaraka ahy” moa, kanefa δεῦτε (midika hoe “eto” izay “pluriel de” δεῦρο) sy ὀπίσω (afara, aoriana) dia samy “adverbes de lieu”. Izay no hamintinan’i Marka ny fiantsoana antsika tsirairay avy. Tsy hiana-draharaha mba hanokafana sekoly tahaka ny fomban’ny Jody no iantsoan’i Jesoa antsika ho mpianany fa ny hanaraka Azy, ho eo afarany, hanaraka ny diany ety an-tany ka hatrany amin’ny voninahitry ny Fanjakany, ho mpanarato olona, tahaka ny nandratoan’i Jesoa azy ireo koa. Ny Mpianatra marina dia mahita an’i Jesoa mandrakariva eo anolohany.
Asian’i Md Marka tsindrim-peo ary averiny toy ny valinkira ao amin’ny evanjeliny ny hoe “niaraka tamin’izay”: (εὐθέως, εὐθύς – eutheôs, euthus) niaraka tamin’izay dia nanaraka azy izy ireo. Tsy misy fotoana hariana hiadiana hevitra intsony ho an’izay mahafantatra fa efa tonga ny fotoana ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Nandao ny haratony “niaraka tamin’izay” i Piera sy i Andre ka nanaraka Azy. Tsy nijanona nifaly tamin’ny fahombiazany anefa i Jesoa fa vao nahita an’i Joany sy Jakôba dia niantso azy ireo “niaraka tamin’izay”.
Izay mino dia tsy mba mitaredretra fa maila-pamindra satria tsy afaka mampiandry ny fahatongavan’ny famonjena hatrany amin’ny fara-vazan-tany.
I Jesoa mitory ny Evanjelin’Andriamanitra izay Herin’Andriamanitra ho famonjena antsika, hoy i Md Paoly (Rm 1,16). Izany famonjena izany no anirahany ny Apôstôly, na anatin’ny manahirana, eny fa na dia mihatra aman’aina aza, dia ataon’izy ireo am-pinoana sy an-kafaliana satria porofom-pitiavana (1Tes 2,2.8-9).
Ity alahady atokana ho an’ny Tenin’Andriamanitra ity anie hampitombo ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra ny fitiavana lalina sy maharitra ny Soratra Masina, hanaikentsika hovany ary hahatonga Azy ho fanilo ho an’ny diantsika ka hahatsiarovantsika ny fampianaran’ny Mpanoratra Masina milaza fa “eo akaiky indrindra ny Teny, dia eo am-bavanao izy sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy” (Dt 30,14).