Alahady faha-29 Taona A Mandavantaona
- Izaia 45, 1.4-6
- Salamo 95
- 1 Tesalônika 1, 1-5b
- Md Matio 22, 15-21
Ny Andriamanitsika : Mizana be tsy miangatra
Voaantso ho amin’ny Fanasan’ny Tompo isika ka miezaka ny hitondra ny akanjo mendrika izany amin’ny fitondran-tena araka ny Evanjely (Alahady 28 A). Ny vakiteny faharoa dia mampiditra antsika amin’ny famakiana ny taratasin’i Md Paoly Apostoly ho an’ny Tesalonisiana[1] ary efa manomana koa ny famaranana ny vanimpotoana litorjika. Io Taratasy io dia mirakitra ny fanazavan’i Md Paoly ny amin’ny Parousie, ny fihavian’ny Tompo (Fisehoan’ny Tompo amin’ny voninahiny), mba hiomanantsika amin’izany fa indrindra mba “tsy hampalahelo antsika tahaka ny olona tsy manam-panantenana”, manoloana ny fahafatesana (I Tes 4, 13-18). Tsy misy mahafantatra izany andro sy fotoana izany manko ka izany no hiomanantsika, tsy hatoritory fa hivavaka sy hifady hanina, hitafy ny finoana ho fiarovan-tratra (I Tes 5).
Atao ahoana anefa no hiaro hadio ilay “akanjo fotsin’ny fampakarana” eo anivon’ny tontolo tsy maintsy hikatrohan’ny kristianina, indrindra moa raha toa ka ny zava-misy takian’ny fivelomana, ny lalàna apetraky ny fahefa-mahefa eo amin’ny tany sy ny fanjakana indraindray manery an-kolaka hisafidy fomba amam-panao tsy mifandraika amin’ny maha-kristianina!
Rehefa tonga tany Kôrinto i Timôte sy Silà (Σιλουανός Silouanos) hoy i Lioka, dia nahery nitory teny i Paoly (Asa 18, 5). Ny antony dia satria fahadisoam-panantenana no nialany tany Tesalônika (Asa 17, 1ss), fa ny fitantaran’ireto mpiara-miasa aminy kosa ny fivoaran’ny finoana sy ny Evanjely no nahatonga an’i Paoly hanoratra ho azy ireo. Io no heverina fa taratasy voasoratra voalohany ao amin’ny Testamenta vaovao, manodidina ny taona 51.
Ao amin’ny fanombohan’io Taratasy, nosoratany miaraka amin’i Silà sy Timôte, henontsika tamin’ny Vakiteny I no amintinan’i Paoly ny votoatin’ny fiainana kristianina.
Efa miha-mazava ny Misterin’ny Trinite Masina, dia ny fiombonan’ireo Olona telo tiany ho zaraina amin’ny mpino mba hiombonany hafaliana sy hasambarana (Jo 17, 11 ): Ao amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo ny Eglizy ary feno ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ny Ray iombonana sy i Jesoa Tompo, ary ao amin’ny fisaorana (Eokaristia) sy fifampitondrana am-bavaka kosa no iombonan’ny mpino noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Eo ihany koa ireo antsoina hoe Hatsaram-panahy Teologaly (KFK 1812-1829) izay faritan’i Md Paoly toy izao: Ny asa (ἔργον ergon ) no anamarinana ny finoana marina (πίστις pistis), ny fahafoizan-tena (κόπος kopos, asa mihatra aman’aina) no anamafisana ny fitiavana (ἀγάπη agape) ary ny faharetana (ὑπομονή hypomone, tsy fialana amin’ny tanjona) no hikolokoloana ny fanantenana (ἐλπίς elpis, fiandrasana an-kafaliana ny famonjena) an’i Jesoa Kristy. Ny fahitana ny fivelaran’ny finoana dia mampisaotra an’Andriamanitra izay nifidy, ka tsy hahafahana miambo ho nahavita fa hahatsapa mandrakariva ny asan’Andriamanitra sy ny herin’ny Fanahy Masina ary ny fampiekena tanteraka, na ny faharesen-dahatra tanteraka (πληροφορία plerophorìa). Izay mahazo hery (δύναμις dynamis) avy amin’ny Tompo no afaka miasa, izay tsilovin’ny Fanahy Masina no hahafoy tena, ary izay resy lahatra fa tsy misy lalan-kafa tsara noho ny Evanjely hahafahana manorina fiaraha-monina lavorary no haharitra hatramin’ny farany.
Tsy mahagaga àry raha ny famaritana ny fanomezan’ny Fanahy masina sy ny vokany eo amin’ny fiainantsika no anohizan’ny Katesizy ny fampianarany aorian’ny filazana momba ny hatsaram-panahy satria ireo Fanomezana ireo no manohana ny fitondran-tena tsara ataon’ny kristianina (KFK 1830). Izany dia hahatsiarovan’izay mitory fa fitaovana ihany izy fa ny Fanahy Masina no mandavorary ny asa fitoriana.
[Ampahatsiahivin’i Papa François amin’ny hafany ho an’ny andro faha-97 hivavahana manokana ho an’ny fampielezana finoana moa fa
Amin’izao andro izao, toy ny tamin’izany ihany, dia akaiky ireo mpianany misionera ny Tompo tafatsangan-ko velona, ary mizotra eo anilan’izy ireo, indrindra rehefa mahatsiaro ho very, kivy, matahotra eo anatrehan’ny misterin’ny faharatsiana izay manodidina azy ireo ka te-hanafotra azy ireo. Noho izany, “aza avela horobain’ny olona ny fanantenantsika” (Evangelii gaudium, n. 86). Lehibe noho ny olana mahazo antsika ny Tompo, indrindra ireo olana sedraintsika eo am-pitoriana ny Evanjely eo amin’izao tontolo izao, satria io iraka io, raha ny marina, dia Azy ary mpiara-miasa Aminy amim-panetren-tena ihany isika, mahatsiaro fa “mpanompo tsy mendrika sitraka” (Lk 17, 10).
Izy no hampiredareda ny fontsika, hanazava antsika ary hanova antsika, mba hahafahantsika manambara amin’izao tontolo izao ny misterin’ny famonjena amin’ny hery sy ny fahendrena avy amin’ny Fanahiny.]
Olom-boafidy isika hoy i Md Paoly, ary mampisaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny maheno izany (2Tes 1, 1-5), izy rahateo no namporisika ny Tesalonisiana mba hisaotra an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra (I Tes 5, 18). Tsy zavatra natao hiambòna anefa izany maha-olon’Andriamanitra izany. Manaporofo izany ny vakiteny I (Iz 45, 1-6) dia ny nifidianan’YHWH an’i Sirosa mba hanangana an’i Jerosalema sy ny Tempoly. Henatra ho an’Israely ny fifidianan’YHWH ny Mpanjakan’i Persa, ka iantsoan’Izaia azy ho “ilay voahosotry ny Tompo”, mitovy fenitra amin’i Davida : ilay Messia (Kristy)[2]. Manaporofo ny maha YHWH (ilay misy) an’Andriamanitra izany, ka tsy ny fizahozahoana amin’ny anaram-boninahitra (maha-kristianina na maha-mpitondra fiangonana na anaram-boninahitra hafa) no inona, fa ny fikatsahana ny rariny sy ny hitsiny, sy ny fizorana amin-kitsim-po.
Ny fifidianan’Andriamanitra araka izany dia hanohizany ny asany mandrakariva, ary ambaran’ny Vakiteny I fa tsy ao amin’ireo mihevitra ho mahalala Azy tsy akory no hifidianan’Andriamanitra ny olom-boahosony fa noho ny fitiavany tsy mivadika mandrakizay, efa nasehony tamin’i Jakôba, mpanompony, sy Israely nofidiany. I Jakôba ihany moa no Israely[3], ka ny fanomezany anarana vaovao, araka izany no mariky ny safidy ataony amintsika, anarana vaovao izay hotononin’ny vavan’ny Tompo (Izaia 62, 2), anarana tsy hisy hahafantatra afa-tsy izay tolorana azy ihany (Apok 2, 17).
Izay mandresy no mitondra ny anaran’Andriamanitra (Apok 3, 12) satria nahatandrina ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny andro fitsapana (soratra ho an’ny Eglizy tany Filadelfia = fitiavan-dRahalahy). Sarotra ho an’ny Jody lasan-ko babo efa ho telopolo taona mahery any Babilôna anefa ny hahazo ny tenin’Izaia fa Mpanjaka avy any Iran (Perse, fahizany) no voahosotra hampahafantatra amin’izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny fandresena sy ny heriny, fa tsy misy Andriamanitra sy Tompo hafa hafa-tsy YHWH. Ambaran’Izaia mazava amin’izany fa na ny Mpanjaka lehibe tahaka an-dry Sirosy aza dia eo am-pelatanan’Andriamanitra.
Mampandinika antsika ihany ny fahenoana izany vakiteny izany, satria izay mety ho fahombiazana, izay mety ho soa ataon’ny olona, eny fa na dia tsy iray finoana amintsika, tsy mitovy kolontsaina sy firehena amintsika aza izy, dia mety ho fitaovana entin’Andriamanitra hanomezana fahafahana sy fiadanana ho an’ny vahoakany. Isika moa mamaky ny tantara dia afaka milaza fa marina ny faminanian’Izaia, satria ny taona 539 a.C dia azon’i Sirosy i Babilôna ary herintaona taorian’izay dia namoaka didy ny hiverenan’ny babo any an-tanindrazana izy, ary niantoka ny lany rehetra amin’ny fanorenanan indray ny tanàna sy ny Tempoly noravan’i Nabokodonozora (נְבוּכַדְנֶאצַּר, hiaro ny fehiloha anie i Nebo). Tsy mora anefa ny mahazo izay nolazainy amin’ny faminaniany.
Izay fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra izany no ambaran’Izaia, ary tsy hizahana tavan’olona izany. Isika tsirairay avy dia nahazo fahasoavana avy amin’izy Tompo, ka izay nahazo be no ho takiana be koa (Lk 12, 48), indrindra amin’ny fisaorana an’Andriamanitra sy ny fiekena ny fisiany, fa tsy sanatria “ny tanimanga indray no haneso ny mpamolavola hoe : inona ity ataonao, tsy tanana kinga ny anao!” (Izaia 45, 9).
Ny salamo 95 (96) moa dia manampy antsika hiaina ny fanantenana fa Andriamanitry ny tany tontolo ny Andriamanitsika. Ny Firenena rehetra no asainy handray anjara amin’ny fanasany (Vak I Alahady faha-28A), ka antsoin’ny Salamo mba hihira hira vao. Ny voninahitra sy ny asan’Andriamanitra no asain’ny Salamo tantaraina amin’ny vahoaka, ary izany no amafisin’i Md Piera fa voaantso koa isika hitory ny hatsaran’ilay Andriamanitra niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavany mahagaga (1 Piera 2, 9). Indraindray anefa ny asa sy ny filan-deran’ny olona no andaniana andro sy himatimatesana. Mila mandini-tena isika hoe: inona tamin’ny teny nolazain’ny vavantsika androany no fitantaràna ny asan’Andriamanitra. “Omeo ny Tompo ny voninahitra sy ny hery, omeo ny Tompo ny voninahitry ny anarany” (Sal 95).
Mampahatsiahy antsika ny Papa anio (hafatra andro faha-97 misiona) fa
ny fitoriana ataontsika [Kristianina dia tokony] ho tahaka ny nitantaran’ireo mpianatra roa [tany Emaosy] tamin’ny hafa ny zava-nitranga teny an-dalana (Lk 24, 35), ka ho zary fitantarana mitondra hafaliana momba an’i Kristy Tompo, ny fiainany, ny fijaliany, ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona, ireo zava-mahatalanjona vokatry ny fitiavany teo amin’ny fiainantsika.
Izany fametrahana an’Andriamanitra amin’ny toerana tokony hisy azy izany no amafisin’i Jesoa amin’ny mba tsy hanafintohinana ny olona eo am-panatanterahana ny lalàna : “Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara ary an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra” (Mt 22, 15-21). Tsy nilaza mihitsy i Jesoa fa tsy tokony handoa hetra, na dia izany aza no niampangana Azy (Lk, 23, 2); “sao manafintohina ny olona” hoy Izy tamin’i Piera dia aloavy ny hetra ho ahy sy ho anao (Mt 17, 27).
Rehefa tsy nahita havaly ary tsy te hiova amin’ny famaliana ny antso ho amin’ny fibebahana ka handray anjara amin’ny hafaliana ao amin’ny fanasana ataon’i Jesoa ho azy ny farisianina, dia ny Mpianany sy ny Herodianina no nalefany hanontany an’i Jesoa raha toa ka tokony hatao ny mandoha hetra amin’i Sezara na tsia (Mt 22, 15-22). Mpiatsaravelatsihy. Sady tsy sahy intsony izy ireo no mampidi-kizo ny hafa hiray teti-dratsy aminy. Iretsy iraka koa, mampiditra amin’ny fanasohasoana fa “marina i Jesoa ary mampianatra ny lalàn’Andriamanitra araka ny marina”.
I Jesoa no ilay Zanaka lahitokana nirahin’Andriamanitra mba hampahatsiaro amin’ny vahoakany fa hafaliana ho Azy ny fandraisana vokatra avy amin’ny tanim-boalobony. Mety ho Mesia araka ny politika no nandrasan’Israely, saingy Mesia araka ny nampanantenainy kosa no nomen’Andriamanitra. noho izany, fandrika mifanaraka amin’ny fomba fisainana sy ny firehan-kevitra tadiavin’ny vahoaka no apetraka: mety ve sa tsia ny mandoha hetra?[4] Raha tsy mety, dia hahafaly ny vahoaka efa leon’ny fanjanahana ny valin-teny, saingy azo ampangaina ho naman’ny Rômana mpanjana-tany kosa i Jesoa, raha lazainy ho mety kosa, dia vao mainka tsara, satria ny tahotra ny vahoaka no tsy nisamborany Azy (Mt 21, 46).
Ny valintenin’i Jesoa anefa tsy hoe hafetsena hialana amin’ny fandrika fotsiny ihany fa mampianatra antsika ny fomba fiainana araka ny fahendren’olombelona sy ny fahendren’Andriamanitra. Io moa no foto-kevitra hijoroan’ny Konsily Vatikana II, izay lazaina amin’ny teny frantsay hoe “double fidelité: à l’homme et à Dieu”. I Sezara sy ny izay nahazo fahefana hanjaka no mandamina ny tany sy ny fanjakana ka ny fanekena ny drafitra apetrany, raha toa ka tsy mbola fanerena hanao ratsy izany dia tokony atao “mba tsy hisian’ny fanafintohinana” (Mt 17, 16, azo jerena koa ny Rom 13, 1-7; 1 Piera 2, 13 ss). Tsy tokony hafangaro anefa ny antony handoavana hetra sy ny fomba hitantanan’ny sasany izany noho ny fahotana: ny fahalovana sy ny fitiavan-tena. Tsy afaka ny hanamarina ny herisetra na ny fanjakazakana izay mety ho fiheverana hamongotra ny ratsy amin’ny hery sy ny fahaizan’olombelona mandamina ihany, hanimba zavatra ihany izany, ary ny tantara efa mampianatra antsika zavatra betsaka momba izany. Tsy midika ho fanarahan-driandrano anefa izany fa kosa fahavononana na ny marimarina kokoa fivononana hanohitra raha sanatria ny ratsy sy ny tsy rariny hamono ny madinika sy ny daholobe no heverin’ny mpanjakazaka hampanjakàina. Izany moa no antsoina hoe “objection de conscience”.
Noho izany, raha sarin’i Sezara no ao amin’ny denie nasehon’izy ireo, dia tokony hanaraka ny lalàna napetrak’i Sezara izy ireo. Fantatry ny Jody rahateo ny hevitry ny sary mipetraka amin’ny zavatra iray (צֶלֶם tselem), miampy ny anarana ihany koa, ary nanaovany lalàna ny tsy hampidirana ny volan’ny Romàna tao amin’ny Tempoly, ka sady hahazoana tombony ihany, no entina hampahatsiarovana ny olona fa tsy tokony hisy zavatra hafa homem-boninahitra afa-tsy Andriamanitra sy ny Anarany Masina, ao amin’ny Tempoly.
Dia izay no zava-dehibe kokoa, ho an’i Jesoa. Miverina amin’ny asa nanirahana Azy Izy, dia ny hampahatsiaro an’ireo nanankinana ny tanim-boaloboka, ireo naniraka ny mpianany sy ny Erodianina, fa tokony homena an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Ho an’ny Jody dia tsy azo atao ny manao sarin’Andriamanitra. Ny olona tsirairay dia nohariana mba hitovy endrika amin’Andriamanitra (צֶלֶם tselem), ka tokony hahatsiaro mandrakariva fa voaantso handoha ny vokatry ny fitiavana, hetra tokony aloha amin’ny fanarahana ny Lalàny, ka izay no hahafahana kosa hanahaka Azy (דְּמוּת demout), ho zanaka mpandova miombona amin’ilay Zanany tokana, ilay nampiseho ny famirapiratan’ilay Endrik’Andriamanitra nahariany antsika (Jenezy 1, 27).
Ny fandoavana izay an’i Sezara dia tsy fatiantoka velively ho an’izay mahatsapa fa ny fahantrana no hahafahana mandova ny fanjakan’Andriamanitra (Mt 5, 3/Lk 6, 20) ary ny fandraisana anjara amin’ny fampandehanan-draharaha eo amin’ny fiaraha-monina dia adidy masina; ny fanomezana an’Andriamanitra izay azy kosa dia manova ny fiainana manontolo, na ho an’ny tena manokana na amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, fa indrindra amin’ny fiezahana manoratra izay tiantsika mba hovakian’ny olona momba ny fiainantsika sy izay hambaran’ny Raintsika rehefa handray antsika eo am-pelatanany Izy indray andro. Ho an’i Jesoa: “Jesoa Kristy Mpanjakan’ny Jody” no nosoratan’i Pilaty, ilay Kapiteny kosa nanamafy ny tenin’ny Ray, fa “tena zanak’Andriamanitra tokoa” ilay nihatona teo amin’ny Hazofijaliana.
Mikasika izay fandraisana andraikitra izay dia tsara ny mampahatsiaro fa
Afaka mandray anjara amin’[ny asa] misionera ny tsirairay: amin’ny alalan’ny vavaka sy ny asa, amin’ny alalan’ny fanomezana vola sy fanolorana ny fijaliana, amin’ny alalan’ny fijoroany ho vavolombelona. Ny OPM (Œuvres Pontificales Missionnaires) no fitaovana omena tombon-dahiny indrindra amin’ny fampiroboroboana io fiaraha-miasa misionera io eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-materialy. Izany no antony nanokanana ny fanangonana ny rakitra miakatra amin’ny Andron’ny Misiona Maneran-tany ho fanohanana ny Asa Pôntifikaly ho amin’ny fampielezana ny finoana
Tsy dia ny henatr’olona sy ny mba ho hitan’ny mpiara-belona ihany anefa no handraisana andraikitra. Ambaran’i Jesoa mazava fa “zanaka” Izy, Andriamanitra, ary tsy izy no tokony handoa hetra fa isika. Ny hetra andraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina dia adidy masina, indrindra moa ain’ny fampandrosoana ny fiangonana, na dia indraindray aza araraotin’ny maty eritreritra ny fahalalaham-pon’ny maro mba hanodikodinana ny volam-bahoaka. Adidintsika kristianina ny mitondra izany am-bavaka, ary isika tsirairay avy no miezaka hametraka an’Andriamanitra amin’ny toerany, mba tsy zary fitaovana hitakiana hetra sy atao antom-pivelomana Andriamanitra sanatria![5]
Noariana hitovy endrika amin’Andriamanitra isika (Jen 1, 26-27), hiezahantsika isan’andro ny mampiseho izany endrik’Andriamanitra izany na amin’ny toe-piainantsika na eo amin’ny hafa ka hifanampy mba homena an’Andriamanitra tokoa izay misy ny sariny, ary hitondra tena ho an’i Kristy izay mitondra ny anarany! Sady olombelona vita amin’ny tany anefa isika no nohamasin’ny Fanahy, koa angatahontsika amin’Andriamanitra ary mba “hambinina amin’ny zava-mandalo isika, no hahay hankafy ny soa mandrakizay” (Vavaka aorian’ny komonio), hiasa, hahafoy tena ary haharitra ao amin’ny Fahasoavan’ny Trinite Masina.
[Ny 22 octobre koa moa dia fahatsiarovana an’i Md Joany Paoly II. Ary anatin’ny herinandro famaraparanana ny dingana atao any Roma mahakasika ny Sinaody ny Eglizy. Misolo tena antsika any ny Evekantsika. Entintsika am-bavaka izany ary raisintsika ny hafatr’i Papa François hoe:
Ny maha maika ny asa fitoriana ataon’ny Fiangonana dia midika ho fiaraha-miasa misiônera akaiky kokoa amin’ny mpikambana rehetra ao aminy amin’ny ambaratonga rehetra. Izany no tanjona iezahan’ny Eglizy hotratrarina amin’ny fankalazana ny Sinaody izao ka hametrahana ny teny fototra hoe fiombonana, fandraisana anjara, iraka. Ity fankalazana ny sinaody isan’ambaratongany ity dia tsy hoe fikombonan’ny Fiangonana amin’ny tenany; tsy fitsapan-kevi-bahoaka mba manapahan-kevitra, toy ny ao amin’ny parlemanta, hijerena izay hinoana sy hampiharina na tsia araka ny safidim-bahoaka. Fa kosa fiaingana mba hizotra ny lalana tahaka ny mpianatra tao Emaosy, mba hihaino ny Tompo nitsangan-ko velona izay tonga hatrany eo anivontsika mba hanazava amintsika ny hevitry ny Soratra Masina sy hamaky ny Mofo ho antsika, ka hahafahantsika manohy, miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina, ny iraka nampanaovina Azy Jesoa teto an-tany.
Amporisihina araka izany ny fandraisana anjara amin’ny asa misionera amin’izay ataontsika rehetra ary amporisihina ny fanaovana ny Raozery isan-tokan-trano sy isam-piangonana mba hivavahana manokana mba hanjakan’ny fiadanana eto amin’ny firenentsika sy eto amin’izao tontolo izao.
[1] 1 Tes no vakiana mandrapahatongan’ny Fetin’i Kristy Mpanjaka (alahady 29A-33A)
[2] Is 61, 1 : ilay voahosotry ny Tompo, manambara an’i Kristy
[3] bqo[]y: Ya`aqob = nihazom-boditongotry ny rahalahiny (Jen 25, 26) izay tian-dreniny (v. 28) ary laer’f.yI Yisra’el =niady tamin’Andriamanitra… ilay anarana vaovao (Jen 32, 28) ilay anarana vaovao tao Panoela (mihatrika an’Andriamanitra =mivavaka).
[4] dare il tributo. Era il “censo”, imposta personale e fondiaria. Pagarla significava riconoscere la signoria dei romani. Gli zeloti la consideravano idolatria e si ribellavano con le armi, perché l’unico Signore è Dio. I farisei l’accettavano, fino alla redenzione finale del messia, da ottenere con le preghiere. Agli erodiani invece la cosa non faceva problema, anche se il loro rapporto di dipendenza da Roma non era sempre pacifico (S. Fausti).
[5] Ny Farisiana, antoko mpiaro ny lalàna (Moizy) sy ny fanatanterahana azy! Mety ho fitadiavam-pivelomana sy tombontsoa manokana ihany anefa izany, satria ho azy ireo tsy mampaninona ny fanjakazakan’i Sezara (vahiny) rehefa mandeha tsara ny tantana sy ny varotra ao an-tempoly; ny Zelota kosa niandry ny messia, hanafaka an’Israely eo an-tanan’ny hafa firenena!