Alahady faha-29 mandavan-taona Taona B
- Izaia 53,10-11
- Salamo 32
- Hebrio 4,14-16
- Md Marka 10,35-45
Ny Fijaliana: azo ampiasaina ho fanavotana.
Tamin’ny alahady heriny isika dia nandinika ny fomba fifandraisantsika amin’ny vola aman-karena, ary mazava ny tenin’i Jesoa momba izany: raha sanatria izay hahazoana tombon-tsoa sy harena ihany, izay azo avadika “chiffre” ihany no misy vidiny ho antsika, dia fahadalana tsy misy ohatra izany (Lk 12,20). Ny vola aman-karena anefa dia fitaovana ihany ary afoin’ny olona mora foana manoloana ny hafinaretana sy ny voninahitra, ny fisehoana ho ambony (na farafaharatsiny tsy ho latsa-danja) noho ny hafa. Tsy ilaozan’izany fitadiavana ny seza voalohany sy ny toeram-boninahitra izany ny olombelona, eny fa na dia teo amin’ireo mpianatra nihaino isan’andro ny fampianaran’i Jesoa aza, ary efa eny an-dalana hiakatra ho any Jerosalema.
Ny vakiteny aroson’ny Eglizy amintsika anio dia hahafahana mahatsapa fa tsy izay mibaiko fa izay manompo no lehibe. Ny handresy ka hanjakazaka amin’ny hafa no irin’ny olona, kanefa ampahatsiahivin’i Izaia Mpaminany fa mifanohitra amin’izany ny fihevitr’Andriamanitra. Ambarany amin’ireo andininy voalohany amin’io toko faha-53 nangalana ny vakiteny I io fa ny Mpanompon’Andriamanitra dia toy ny hazo mitsimoka misondrotra eo anatrehan’ny Tompo, tahaka ny solofo mitsiry any an-tany karankaina (and. 2), ilazana fa tsy misy bika na endrika manaitra ny mason’ny olona, ary tsy tany lonaka fa tany efitra no eo anatrehan’ny Tompo, saingy hainy ny mamelona sy mitsimbina ny Mpanompony. Mazava loatra araka izany fa tsy mariky ny tsodranon’Andriamanitra tsy akory izay mety ho harena miavosa, indrindra raha tsy ampiasaina hanasoavana, ary tsy sanatria sazy avy aminy na vokatry ny fahotantsika izay mety ho fahoriana hahatonga antsika ho toy ny hazo maniry an-tany karankaina.
Ny antony hijalian’ilay Mpanompo zoin-doza noho ny fahotan’ny mpiray firenena taminy (and. 8) dia ny mba hanatanteraka ny fikasan’ny Tompo, izany hoe hahatonga ny besinimaro ho marina satria nivesatra ny fahotan’ireo. Izay maniry ho mpanompo araka an’Andriamanitra, tahaka an’i Jesoa, araka izany dia tsy maintsy mivesatra hatramin’ny fijaliana mba hanamarinana ny hafa, hanamarinana ireo mampijaly ny tena. Saingy ny antsika indraindray, ny tsy manan-tsiny aza endrikendrehana mba hanentseman-keloka ka ho voaheloka tsy an-drariny. Fiainana lavitra ny maha kristianina izany. Manala tsiny ny zavatra rehetra ny fitiavana, hoy i Md Paoly; πάντα στέγει – panta stegei (1Kor 13,7 BYZ, στέγω – stegô, manarona tahaka ny tafontrano).
Ao amin’ny Evanjely dia voalaza fa nalaim-panahy i Jesoa, ary lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio fa mahafanatra tsara ny fakam-panahy mahazo antsika izy ary mahalala ny fahalementsika saingy manaporofo amintsika fa azo atao tsara ny miaina ny fiainana afa-pahotana, amin’ny fivelomana isan’andro amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray. Ny fianarana manaiky no nahafahany niaritra hatramin’ny fijaliana mangidy indrindra, hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio ihany (Heb 5,8). Tsy hoe naka fomba nitovitovy tamin’ny antsika i Jesoa fa tonga olombelona toa antsika amin’ny zavatra rehetra, ka tsy afaka mampiasa ny maha olombelona antsika isika sanatria mba hilomanosana ao anatin’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy. Nambarany mazava fa izay mino Azy dia hanao ny asa ataony ary hahavita be noho Izy aza, satria ho any amin’ny Ray Izy (Jo 14,12).
Md Marka 10,32-45
Eny an-dalana hiakatra ho any Jerosalema ny Mpianatra ary i Jesoa no loha lalana, ka sady gaga izy ireo no natahotra teo am-panarahana Azy. Efa indroa no nilazan’i Jesoa fa hijaly mafy ary hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona Izy ka hovonoina fa hitsangan-ko velona (Mk 8,31snm; 9,30snm). Hatosiky ny lohandohan’ny Mpisorona Izy, ka ny fiakarana any Jerosalema dia mazava loatra, araka ny lazain’i Md Tomà hoe “ndeha hiakatra hiara-ko faty Aminy any” (Jo 11,16). Amin’ny filazany fanintelony ny Fijaliany dia ambarany mazava fa izao fiakarana any Jerosalema farany izao no hahatanteraka ny Soratra Masina rehetra mikasika Azy dia ny matoanteny enina entin’i Marka hanehoana ny asan’ny olombelona: hohelohina, hatolotra ny jentily, hoesoina, hororana, hokapohina ary hovonoina “ary” (fa tsy “fa”) hitsangan-ko velona afaka hateloana, entina ilazana ny asan’Andriamanitra fitiavana, Tompo sy loharanon’Aina (matoanteny fahafito).
Izany no mialoha ny vakiteny nohenointsika teo.
Ny tohin’ny Evanjely dia mampahatsiaro antsika ny fomba fihevitsika olombelona (fa tsy ny mpianatra ihany) manoloana ny misterin’ny Lakroà. Manatona ny mpianatra i Jesoa mba hanambara ny misterin’ny Lakroà, ny Zanak’i Zebede kosa dia manatona an’i Jesoa mba hi-“assurer” ny toerany, hahazoany antoka ny toerany, mba ho azo antoka ny toeram-boninahitra any amin’ny hafenoan’ny voninahitra. Fomba tsy zoviana amintsika, ary misy mandrakariva eo amin’ny fiaraha-monina io nataon’ny zanak’i Zebede roalahy io.
Tianay mba ataonao aminay izay angatahinay Aminao.
Izany no vavaky ny olombelona. Miangavy amin’Andriamanitra mba ho tanteraka ny sitrapon’ny tena. Tsy Kristy Mesian’ny fanirian’olombelona anefa i Jesoa fa Kristy-n’ny fampanantenan’Andriamanitra. Ny mety ho tsy fahatanterahan’izany faniriana izany anefa dia mazàna mamily ny fon’ny olona ho any amina “kristy” hafa izay mety mampanantena azy ny fahasambarana tadiaviny. Taorian’ny filazana voalohany ny hijaliany dia i Piera no niditra an-tsehatra niteny mafy Azy (Mk 8,32); taorian’ny filazana fanindroany dia ny hiady hevitra ny amin’izay lehibe indrindra no nimasoan’ny Mpianatra (Mk 9,33snm). Eto dia ho tanan-kavia sy havanana no irìn’ireo Zanak’i Zebede, tsy ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra fa ny hitady Andriamanitra hanao izay tiany hatao, hahazoana toeram-boninahitra any amin’ny voninahitra.
Fantatsika anefa fa Jiolahy roa no teo anilan’i Jesoa rehefa nasandratra teo amin’ny voninahiny Izy. Ny mpianatra, samy nanavotra ny ainy, saingy ampahatsiahivin’i Jesoa fa tsy misy lalana hafa hizorana ho amin’ny fiombonam-boninahitra Aminy afa-tsy ny fisotroana ny kapoaka nosotroiny sy ny fandraisana ny Batemy anaovana batemy Azy.
Tsara ho tadidiana fa amin’ny fotoana anoratan’i Md Marka ny Evanjeliny dia efa maty martiry, nanolotra ny ainy ho an’i Kristy i Jakôba, ary i Joany kosa, eo am-pikelezana aina amin’ny fampianarana sy fampivondronana ireo kristianina tany Efezy. Izany no mahatonga an’i Lioka tsy mitantara io zava-mitranga io ary ny nilazan’i Matio fa tsy izy roalahy fa ny reniny no nanao ny fangatahana (Mt 20,20-24).
Ary satria tsy fampanantenana toeram-boninahitra no nahatongavan’i Jesoa fa ny hampianatra hanompo, dia izay no ampianariny antsika ihany koa. Satria tsy tezitra tamin’ireo zanak’i Zebede tahaka ny nataony tamin’i Piera sy ny Mpianatra teo aloha i Jesoa, dia ny mpianatra folo lahy kosa no nampiseho ny hatezerany tamin’izy roa lahy. Samy naniry io toerana io ihany anefa izy rehetra (Mk 9,34) saingy izy roalahy no sahy naneho ny heviny.
Izany ny zavatra mitranga matetika: tezerana ny hafa satria sahy nanao izay tsy sahin’ny tena, ka miafina ao ambadiky ny fahatezerana hihevitra fa tsaratsara kokoa noho ny hafa. Tsy mitondra amin’ny tsara ny hatezerana raha tsy ny fitiavana no manosika azy. Ohatra no omen’i Jesoa, ary henontsika tamin’ny vakiteny I teo fa ny fahatezeran’Andriamanitra manoloana ny fahotan’ny olona dia nanosika Azy hitady ny fomba rehetra hanamarinana ny besinimaro, amin’ny fivesarana ny fahotany.
Tsy hiombom-boninahitra amin’i Kristy izay tsy misotro amin’ny kalisy hisotroany, izany hoe izay tsy manaiky ka hivonona koa ny hivesatra ny fahotan’ny hafa, toa Azy, raha izany no takian’ny fitiavana.
Eo amin’izao tontolo izao, ireo heverina (δοκέω – dokeô) ho mpifehy (ἄρχω – archô) no mitsangana ho tompo mandidy izay hoe manao izay hiankinan’ny hafa loha aminy mba hanandevozany azy (κατακυριεύω, katakyrieuô), ary ireo lehibe (μέγας – megas) no miseho ho mpifehy manam-pahefana, manampatra ny fahefany amin’ny hafa (κατεξουσιάζω katexousiazô). Ho an’ny mpianatra kosa, mazava ny fampianaran’i Jesoa: izay lehibe no ho mpanompo (διάκονος – diakonos), ary izay te ho ambony indrindra (πρῶτος – prôtos protagoniste) dia ho mpanompon’ny rehetra (δοῦλος – doulos) ho zary toetra ilay fanompoana, hatramin’ny fahafoizana ny aina ho takalon’aina (λύτρον – lytron) ho an’ny maro.
Amin’ny sakafo farany dia azontsika takarina amin’ny filazan’i Matio kosa indray ny antony iakarana any Jerosalema ka hanoloran’ny Zanak’olona ny ainy ho fanavotana (λύτρον lytron = גָּאַל, gā’al, go’ēl) ny besinimaro (Mt 20,28) ary izany no tanterahany amin’ny fandatsahana ny rany, ilay ran’ny fanekem-pihavanana vaovao (Mt 26,28) tahaka ilay Mpanompon’i YHWH lazain’i Izaia (Iz 53,11-12).
Ny eo amin’ny Jentily, ny olona nahazo andraikitra hanompo ny vahoaka, mifehy azy fatratra, ary antsoina ho “mpanao soa”, sponsors (avy amin’ny teny latinina spondere, mampanantena am-pahibemaso) aza (jereo Lk 22,25). Ho an’izay te ho mpianatr’i Jesoa kosa, dia tsy ny fanjakazakana fa ny fanompoana no maha lehibe, ka ny tanjona iombonana dia ny fanavotana ny olona rehetra, ary ny tambim-bidy hatolotra ho amin’izany (λύτρον – lytron) dia ny tena manontolo. Tsy hamaly faty ny ratsy sanatria fa ho mpanavotra (גָּאַל, gā’al, jereo Jb 19,25-27). Ny mpanavotra, “go’el” amin’ny teny hebrio, nadika lytron amin’ny teny grika, dia entina hilazana ilay havana mandray an-tanana ny trosan’ny olona iray (satria havany) tsy voalohany intsony, ka ny fandoavana izany (na ny fanolorana ny tena ho antoka aza) no hamerenana aminy ny taniny sy ny fahafahany ary hiarovana ny zony sy ny ainy. Izay te hanaraka an’i Jesoa araka izany dia tsy maintsy miditra amin’io toe-tsaim-panavotana io, ka ho tonga havan’ny olon-drehetra, indrindra ny mpanota, hanolotra hatramin’ny aina ho takalom-pahafahana ho azy ireo.
Ny mpianatra kosa, raha te hianatra an’i Kristy dia tsy hianatra ny fomban’izao tontolo izao. Matoanteny roa no lazain’ny Evanjely voalazantsika teo: κατακυριεύω (katakurieuô), avy amin’ny hoe κύριος – kyrios na kurios ary nadika hoe “mandidy mafy”; sy κατεξουσιάζω (katexousiazô), avy amin’ny hoe ἐξουσία (eksousia) izay nadika hoe “mifehy fatratra”. I Jesoa irery no Tompo (Κύριος) ary Azy irery ny fahefana (ἐξουσία Mt 28,18) kanefa amin’ny fanompoana no anehoany izany.
Ao amin’ny Eglizy, araka izany dia matoanteny vaovao no ampiasaina ary saranga hafa no mitory anaram-boninahitra: διάκονος (diakonos) sy δοῦλος (doulos), manompo hatramin’ny farany na dia heverin’ny hafa ho andevony aza. Izany no rafitra tokony hijoroan’ny Eglizy. Mampalahelo anefa ny maheno ny sasany mitaraina fa toa izy foana no manao zavatra, mitaraina fa sahala amin’ny mpiasa. Ny hiezaka ho mpiasan’ny hafa anefa no fiezahana hitovy amin’i Kristy.
Na aiza na aiza mbola misy fifanjanana hifanompo dia mbola lavitra ny fahendrena atoron’ny Evanjely izany fiaraha-monina izany. Hanampy antsika hanetry tena anie ny fibanjinana sy ny fanaovana ny famantaran’ny Hazofijaliana isan’andro.
Anio koa moa dia alahady faha-98 hivavahana manokana ho an’ny Misiona ka ampahany amin’ny hafatry ny Papa no ampahatsiahiviko:
Aoka tsy hohadinoina fa ny Kristiana tsirairay, hoy ny Papa dia voaantso handray anjara amin’ny iraka fitoriana ny Vaovao Mahafaly, amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny Evanjely amin’ny seha-piainana rehetra, mba hivoahan’ny Eglizy manontolo miaraka amin’ilay Tompo sy Mpampianany hatrany amin’ny “sampanan-dalan”’ny tontolo ankehitriny. Eny, «ny zava-dozan’ny Eglizy ankehitriny dia i Jesoa manohy mandondòna eo am-baravarana, fa avy ao anatiny, mba hamelantsika Azy hivoaka! Imbetsaka isika no lasa Eglizy […] tsy mamela ny Tompo hivoaka, fa toa mihazona azy ho « fananana manokana », nefa Izy Tompo dia tonga mba ho iraka ary maniry antsika ho misionera » (Lahateny ho an’ny mpandray anjara tamin’ny fihaonambe natolotry ny Dicastère ho an’ny laika, ny fianakaviana ary ny aina tamin’ny 18 Febroary 2023). Enga anie isika rehetra vita batemy, ho vonona ny handeha indray, araka ny toe-piainana iainan’ny tsirairay avy, hanomboka hetsika misionera vaovao, toy ny tamin’ny fiandohan’ny fivavahana kristianina!
Andriamanitra Ray ô, tianao ho voavonjy ny olombelona rehetra, ary hahalala ny marina; koa mba jereo fa be ny vokatra, ary aniraho mpiasa hitory ny Vaovao Mahafaly, sy hanangona ny firenena hihaino ny teny fiainana, mba hizotra ny lalan’ny famonjena sy ny fitiavana.